Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanara-dalàna ny kristiana

Mpanara-dalàna ny kristiana

Toko Faha-18

Mpanara-dalàna ny kristiana

1. Na dia miely aza ny fanazimbazimbana ny lalàna, inona kosa moa no ataon’ireo izay miaina mifanaraka amin’ny Baiboly?

 MIELY eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ny fanazimbazimbana ny lalàna, nefa ireo izay miezaka amin’ny fony tokoa mba hiaina mifanaraka amin’ny Baiboly dia tsy mba anisan’ny manana toe-tsaina toy izany. Izy ireo dia mandatsaka am-po tsara ny anatra omen’ny Tenin’Andriamanitra milaza aminy mba “hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana”. — Titosy 3:1.

2. Inona moa no fihetsika eo anatrehan’ny lalàna tokony harian’ny mpivavaka marina?

2 Marina aloha fa misy amin’ireo izay manaraka ny fivavahana madio, amin’izao fotoana izao, no nanana fitondran-tena tsy ara-dalàna teo aloha. Angamba izy ireo nangalatra na nihevitra fa tsy ilaina ny manaraka lalàna sasany raha tsy eo ny pôlisy. Tamin’izany, dia angamba izy nanahaka fotsiny ny olon-kafa marobe. Taorian’izany dia nampahafantatra azy mazava tsara ny Baiboly fa raha ta-hanaraka koa ny fivavahana marina izy, dia tsy maintsy manova tanteraka ny fomba fiheviny ny fiainana. — Efesiana 4:22-29.

3. a) Inona moa no tokony ho fihetsiky ny kristiana eo anatrehan’ireo fanapahana ara-politika? b) Nahoana moa ny kristiana no hitandrin-tena mba tsy handray anjara amin’ireo tabatabam-bahoaka sy ireo ady “tsy fankatoavan’ny sivily” natao hanembatsembanana ny fanapahan’olombelona?

3 Raha niteny ny amin’ny fomba fihetsika tokony hasehon’ny kristiana eo anatrehan’ny fanapahana ara-politika ny apostoly Paoly dia nanoratra hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra.” (Romana 13:1) Izany akory tsy milaza fa Andriamanitra no nanorina an’ireny fanapahana ireny na hoe ankasitrahany ny fitondrantenany. Misy amin’ireo aza milaza an-karihary izao fa tsy mino ny fisian’Andriamanitra. Na dia izany aza anefa, Andriamanitra dia mamela azy hisy ihany. Tsy ho afaka hampiasa fahefana mihitsy na dia kely aza izy raha tsy Andriamanitra no mamela azy hanao izany (Jaona 19:11). Koa raha Andriamanitra aza izany mamela azy ireny hanapaka, inona moa no antony hanoheran’ny kristiana azy? Na dia tsy mankasitraka ny zavatra ataon’ny fitondram-panjakana aza ny olona iray, nahoana izy no handray anjara amin’ny tabatabam-bahoaka na amin’ny ady “tsy fankatoavan’ny sivily” natao hanakanana ny fanjakana tsy hanefa ny asany? Na iza na iza manao toy izany dia hahita fahasahiranana, tsy avy amin’ireo fitondram-panjakana ihany fa avy amin’Andriamanitra koa. Izao tokoa mantsy no vakintsika ao amin’ny Romana 13:2: “Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra [ny fandaharan’Andriamanitra, MN ]; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.”

4. a) Inona moa no asa mahasoa ataon’ireo fitondram-panjakana? b) Ahoana moa no tokony ho fihevitry ny kristiana ny fandoavan-ketra?

4 Tsara ny manome an’ireo fitondram-panjakana ny haja tandrifina azy ka manaiky fa manao asa mahasoa izy ireny. Tokony hahafaly antsika rehetra ny fanaovan’ny fitondram-panjakana ao amin’ny tany misy antsika, lalana hahamora ny fifamoivoizantsika, sekoly hianaran’ny zanatsika, mpamonjy trano may sy sampan-draharaha fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka. Zavatra tena ilaina dia ilaina koa ny fitsarana sy ny fisakanana ny heloka bevava. Amin’ireo lafiny ireo, sy amin’ny hafa koa, ny “fahefana lehibe” dia miasa ho “mpanompon’Andriamanitra”, amin’ny fanaovana raharaha ahitan’ny olona tombontsoa. Noho izany, rehefa itakiana hetra ho enti-mameno ny lany amin’ireo raharaha ho an’ny besinimaro ireo isika, dia tokony ho tadidintsika izao andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina izao: “Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana [ny famaizana ny mpanao ratsy] ihany, fa noho ny fieritreretana koa. Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny. Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana.” — Romana 13:5-7.

5. a) Moa ve tsy misy fetrany ny fanoavan’ny kristiana ny fahefana ara-politika? b) Ahoana moa no nanehoan’i Jesosy fa misy endriny roa amin’io zavatra io?

5 Nefa moa ve dia jadona ka tsy misy famerana azy mihitsy izany fanoavana ny fahefana ara-politika izany? Moa ve ny fanarahana ny lalàn’olombelona mbola ambony noho ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra? Tsy izany velively! Mariho ange fa, araka ilay andinin-teny vao noraisina tetsy ambony, ny iray amin’ireo antony “tsy maintsy” anekentsika dia “noho ny fieritreretana”. Koa dia hita àry fa tsy tokony hamono ny fieritreretantsika isika, indrindra fa raha ny Tenin’Andriamanitra no namolavola an’io fieritreretana io. Nanazava Jesosy Kristy fa misy endriny roa amin’io zavatra io. Mba ho fampisehoany fa nety ny handoavana hetra ho an’ny fanjakana romana, dia hoy ny nambarany: “Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:17). Koa tena ilaina àry ny handinihan’ny tsirairay avy amintsika ny fitsipi-pitondrantenany manokana mba hahitana indrindra sao ny tena mamporisika ny fanazimbazimbana ny lalàn’Andriamanitra, izay miely aoka izany amin’izao fotoana izao. — Salamo 1:1-3.

NY FANARAHANA NY LALANA TAMPONY

6. Inona moa no nataon’ireo apostoly rehefa nodidiana izy hampitsahatra ny fitoriany teny? Tamin’izy ireo, ny lalàn’iza moa no tampony indrindra?

6 Taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, ireo apostoliny dia tsy maintsy nampiseho izay tena fijorony nikasika an’io zavatra io. Ireo filoha tao Jerosalema dia nandidy azy hitsahatra tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. Moa ve izy ireo nanaraka izany fandrarana izany? Ary raha hianao, dia inona no ho nataonao? Fa raha ny amin’ireo apostoly kosa, dia hoy ny navaliny tamim-pahasahiana: “Andriamanitra no tsy maintsy ekenay ho filoha fa tsy ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29, MN; jereo koa 4:18-20). Tsy nataony tsirambina akory ny adidiny nikasika ny lalàn’ny tany nisy azy, kanefa, rehefa nisy fifanoherana teo amin’ny lalàn’ny olombelona sy ny an’Andriamanitra, dia ny lalàn’Andriamanitra no nekeny ho tampony indrindra. Rehefa nahita izany ny iray anisan’ny nohajaina tamin’ireo mpitsara ny apostoly dia nanoro hevitra nampiseho fahendrena an’ireo mpitsara namany mba tsy hisalovana amin’ny ataon’ireo kristiana ireo fandrao ho lasa mpiady amin’Andriamanitra. — Asan’ny Apostoly 5:33-39.

7. a) Tamin’ny andron’i Mosesy, inona moa no nambaran’Andriamanitra mikasika ny fanompoam-pivavahana amin’ny sary? b) Zavatra fanaovana fanompoana manao ahoana moa no noforonin’ny olombelona? d) Rehefa mitaky ny hankamasinana ny sary na endri-javatra iray ny lalàn’ny olombelona, ny ohatra navelan’iza moa no arahin’ny kristiana?

7 Tsy ireo didin’Andriamanitra mikasika ny fitoriana ihany akory no zava-dehibe. Mbola misy zavatra hafa koa natao hohajaina. Raha namaritra tsara ny iray tamin’ireo Jehovah dia nanambara toy izao tamin’ny olony tamin’ny andron’i Mosesy: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [mitaky fahafoizan-tena ho ahy irery ihany, NW].” (Eksodosy 20:4, 5). Na dia izany aza anefa, ny olona dia namorona zavatra maro natao hivavahana, vita tamin’ny vy sy hazo ary ny sasany tamin’ny lamba, ka mitondra loko na endri-javatra fahita eny amin’ny lanitra na eto an-tany. Indraindray, ny fankamasinana an’ireny endri-javatra ireny dia natao an-tsitrapo, nefa indraindray dia ny lalàn’ny olombelona no nandidy ny hanaovana azy. Na ahoana na ahoana, raha ohatra ny lalàn’olombelona mandidy ny hanaovana fankamasinana sary na endri-javatra iray, moa ve izany manafoana ny andraikitry ny kristiana tsy maintsy manoa ny lalàn’Andriamanitra mikasika an’io zavatra io? Tsia, raha dinihina amin’ny nataon’ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah izay velona tany amin’ny zara-tanin’i Babylona. Tantarain’ny Baiboly fa nisy Hebreo tanora telo lahy, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego tsy nety nandray anjara tamin’ny fankalazana iray nampanaovin’ny mpanjaka. Raha nanao izany izy ireo, dia satria io didy io nisalovana teo amin’ny fanompoam-pivavahany izay an’i Jehovah irery ihany. Nankasitrahan’Andriamanitra ny fanapahan-keviny. Fa nanao ahoana kosa ny fihetsiky ny mpanjakan’i Babylona? Vinitra izy aloha. Taoriana kelin’izany anefa dia nekeny ny fisalovanan’ny tanan’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa azony an-tsaina fa tsy nisy loza mihitsy na kely aza mety ho nentin’ireo olona ireo ho an’ny fanjakana, dia nanome didy ny mpanjaka mba hanajana ny fahafahany (Daniela 3:1-30). Moa ve hianao tsy midera ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra? Moa ve hianao tsy mba tia ny hitoetra ho mahatoky tahaka azy amin’ny fanokanana fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra irery ihany?

8. a) Inona moa no notakin’ny fanjakana romana tamin’ireo olom-peheziny, ary nahoana ireo kristiana voalohany no tsy mba nahazo nanaraka an’io lalàna io? b) Tamin’ny fanaovana toy izany, moa ve ireo kristiana nampiseho tsy fanajana ny manam-pahefana?

8 Ireo kristiana niaina tao amin’ny Empira romana koa dia tsy maintsy nampiseho ny fijoroany teo anatrehan’io zavatra mikasika ny fanompoam-pivavahana io. Notakin’ny fanjakana mantsy ny hanaporofoan’ny olona tsirairay avy ny fahatokiany ho an’ny emperora, tamin’ny fandoroana emboka ho fanomezam-boninahitra azy. Ireo kristiana dia nanaraka ny lalàna sasany, nefa io fihetsehana iray io kosa tsy azony natao. Azony an-tsaina fa io fihetsehana io, izay natao hanomezam-boninahitra ny endri-javatra na olona iray, dia fanolorana fankalazana (Matio 4:10). “Justin” ilay Martiora, izay velona tamin’ny taon-jato II, dia nanazava toy izao ny toerana notanan’ireo kristiana voalohany: “Andriamanitra irery ihany no anaovanay fanompoam-pivavahana, fa raha ny amin’ny zavatra sasany kosa dia mahafaly anay ny hanompo anareo [filoha ara-politika], ka manaiky anareo ho mpanjaka sy filohan’olona izahay.” Matetika ireo kristiana ireo no tsy nahita mpiray hevitra taminy, kanefa kosa ny fitondrantenany tsy nampiseho tsy fanajana ny Romana hafa na nety hampidi-doza ho an’ireo. Ilay governora romana natao hoe “Pline le Jeune” kosa aza dia nanao teny fanamarinana tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Emperora Trajan fa ireo dia nanaiky fa tsy hangalatra na hanao tontakely na hijangajanga. Noho ny fivavahany, izy ireo dia anisan’ireo olona izay matetika tian’ny tena hiaraha-monina.

9. Afa-tsy ny fanompoam-pivavahana, inona koa moa no ananan’Andriamanitra amintsika?

9 Afa-tsy ny fanompoam-pivavahana, dia misy zavatra hafa koa ananan’Andriamanitra amintsika. Hoy ny apostolin’i Jesosy Kristy iray mikasika izany: “Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy (...) no manome izao rehetra izao aina.” (Asan’ny Apostoly 17:24, 25). Raha tsy Andriamanitra, dia tsy nisy ho velona akory isika rehetra, na dia iray akory aza. Izy no Loharanon’aina (Salamo 36:9). Fa ahoana anefa no ampiasantsika ny aina izay nomeny antsika?

10. Ahoana moa no hanampian’ny Soratra Masina antsika mba hitandrin-tena tsy hanokana ny fiainantsika hanaovan-javatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra?

10 Ireo kristiana marina dia mahalala fa, mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra, izy ireo dia tsy maintsy mitandrin-tena mba tsy hanokana ny fiainany hanaovan-javatra mety hampifanohitra azy amin’Andriamanitra. Koa dia mitandrin-tena tsara àry izy mba tsy ho tafiditra ho anisan’ireo kilasin’olona izay lazain’ny Baiboly fa haringan’ilay Mpanefa ny didim-pitsaran’Andriamanitra eo amin’ny fifaranan’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao (Apokalypsy 19:17-21). Ireo kristiana ireo dia manaiky fa marina sady araka ny rariny ny fitsaran’i Jehovah. Dieny izao, izy dia mampifanaraka ny fiainany amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Mazava aminy tsara fa ny fanaovana toy izany dia mety hitarika aminy ny tsy fankasitrahan’ny olona izay tsy mihevitra afa-tsy izao fandehan-javatra ankehitriny izao, ka mety hohenjehina izy angamba. Nefa, noho izy matoky fa ny lalan’i Jehovah no marina, dia ny lalàny sy ny fanompoam-pivavahana aminy no asandrany, ka ireo zavatra ireo no omeny ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany (Mika 4:1-3). Toy ny nataon’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, izy ireo dia manokana ny fiainany, tsy ho amin’ny asa feno fitiavan-tena na ho amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’olombelona fatra-pitia harena akory, fa ho amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra (I Korintiana 7:23; I Petera 4:1, 2). Amin’ny fanaovana toy izany dia tena omeny tokoa an’Andriamanitra izay azy.

11. Inona moa no vokatra tokony hateraky ny fanarahan-dalàna eo amin’ny fiainantsika?

11 Moa ve hianao maniry hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra? Raha izany no izy, dia tsy hataonao tsirambina ny fankatoavana ny lalàny. Izany faniriana izany dia hanosika anao hampiseho fiheverana an’ireo mpiara-belona aminao sy ny fananany, ary koa hanaja an’ireo mpiasam-panjakana misolo toerana ny fitondram-panjakana. Nefa alohan’ny zavatra rehetra, izany faniriana izany dia hitarika anao hampifanaraka tanteraka ny fiainanao amin’ireo didim-pitsaran’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome lalàna lehibe indrindra eto amin’izao rehetra izao.

[Fanontaniana]