Nahoana moa Andriamanitra no namela ny zava-dratsy hisy hatramin’izao androntsika izao?
Toko Faha-8
Nahoana moa Andriamanitra no namela ny zava-dratsy hisy hatramin’izao androntsika izao?
1. Inona avy moa no fahoriana namely ny taranak’olombelona noho ny faharatsiana?
HATRIZAY naha-tantara ny tantaran’olombelona, dia be dia be foana ny zava-dratsy. Ary na amin’izao isika miteny izao aza, dia mbola hita hatraiza hatraiza ny famonoana olona sy ny heloka bevava amam-pankahalana sy faharatsiam-pitondrantena. Fa ny mampalahelo dia matetika ny olona manao ny fahamarinana sy ny tsy manan-tsiny no mijaly noho ny faharatsian’ny sasany. Ireo no mahita faisana amin’ny herisetra ka afoiny indraindray ny tranony, ny olon-tiany, ary na dia ny ainy mihitsy aza. Na dia tsy mbola niharan’ny fitsapana toy izany aza ny tenanao, dia mety ho efa nijaly an-eritreritra kosa noho ny tsy fahamarinana sy ny fahasiahana amam-paharatsiana na ny fikasan-dratsin’ny olona sasany.
2. Tamin’ny fotoana toy inona moa no nametrahana ireo fanontaniana misy ifandraisany amin’ny antony namelan’Andriamanitra ny zava-dratsy hisy?
2 Fa nahoana moa Andriamanitra no namela ny zava-dratsy hisy hatramin’izao androntsika izao? Maro ireo antony, kanefa mba hahazoana ny tena heviny, dia tsy maintsy dinihintsika ny fanontaniana nipetraka tamin’ny fotoan’ny fikomiana voalohany. Tsy isalasalana fa hianao dia efa namaky ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’izany fikomiana izany ao amin’ny toko fahatelo amin’ny Genesisy. Andeha hojerentsika izao ny hevi-dalina nifono tao amin’ireo zava-niseho ireo.
3. Lazalazao fohy ny tarehin-javatra nisy fony tafalatsaka tao amin’ny fahotana ny olombelona.
3 Raha lazaina amin’ny teny vitsy, dia izao no niseho: Jehovah dia nampahafantatra ny olona fa niankina tamin’ny fankatoavana an’ilay Mpamorona azy ny fiainany, ka ny tsy fankatoavana dia hahazo ny fahafatesana ho valiny (Genesisy 2:17). Nanao teny nanohitra an’izany fampiomanana efa tsara faritra tanteraka izany anefa ilay rafin’Andriamanitra. Satana dia nanome hevitra ny vadin’i Adama fa azon’izy mivady atao ny tsy hankatò kanefa tsy hiharam-pamaizana. “Tsy ho faty tsy akory hianareo”, hoy izy, sady nilaza mihitsy aza izy fa hanatsara kokoa ny anjara fiainan’izy ireo ny tsy fankatoavany satria hampahiratra ny masony ka “ho tahaka an’Andriamanitra hianareo,” hoy izy, “hahalala ny tsara sy ny ratsy”. (Genesisy 3:4, 5.) Fa inona moa no voafaoka tao amin’izany fikomiana nataon’i Satana izany?
IREO ZAVATRA NIADIAN-KEVITRA
4. Lazalazao ny sasantsasany amin’ireo hevitra nitranga noho ny fikomian’ny Devoly.
4 Nisy hevitra maro niankinan’ny aina nitranga noho ny amin’io fikomiana io. Voalohany indrindra aloha, Satana dia nandà fa marina Andriamanitra. Hita tokoa fa Andriamanitra dia tiany holazaina fa mpandainga nikasika ny hevitra iray momba ny fiainana sy ny fahafatesana. Faharoa manarakaraka izany, dia nolaviny fa miankina amin’ilay Mpamorona azy ny olona mba hananana fiainana maharitra sy sambatra. Nanizingizina izy fa na ny fiainan’ny olona na ny fahaizany mitantana amim-pahombiazana ny raharahany dia tsy miankina amin’ny fankatoavany an’i Jehovah. Araka ny filazany, ny olona dia mahazo manao zavatra tsy miankina mihitsy amin’ilay Mpamorona azy ka ho tahaka an’Andriamanitra, hanapaka izay ho tsara sy izay ho ratsy ho an’ny tenany. Fahatelo manaraka izany koa, tamin’ny nanoherany an’ilay lalàna navoakan’Andriamanitra dia nilaza Satana, raha ny tena marina, fa tsy mahay manapaka Andriamanitra ka manimba izay zavatra tokony hahasoa an’ireo zava-boahariny. Tamin’izany àry dia nolavin’i Satana ny zon’Andriamanitra hanapaka.
5. Araka ny bokin’i Joba, inona indray koa moa ny hevitra iray natrangan’i Satana?
5 Nefa ny fikomian’i Satana dia mbola nampitranga hevitra iray hafa koa, araka ny nanehoan’ny boky iray hafa koa ao amin’ny Baiboly azy, dia ny bokin’i Joba, toko voalohany sy faharoa. Ao dia hitantsika, mikasika an’i Joba, fa Satana dia nandà ny tsy fivadihana sy ny fahatokian’ireo zava-boahary rehetra amin’i Jehovah Andriamanitra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, Satana dia nilaza fa ireo rehetra manompo an’Andriamanitra dia manao izany, tsy hoe noho ny fitiavany azy sy ny fanapahany marina akory fa noho ny faniriany zavatra, toy ny tombontsoa ara-nofo azony avy aminy. Araka ny hevitr’i Satana, raha tsy misy intsony ireo tombontsoa ireo, dia hiala amin’Andriamanitra na dia ny olona tahaka an’i Joba aza (Joba 1:6-11; 2:4, 5). Ny fikomian’i Satana tany Edena tokoa mantsy dia nampisongadina ny hevitra mikasika ny fahatokian’ireo zava-boaharin’Andriamanitra rehetra na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany. Rehefa sedraina izy, moa ve izy ireo hampiseho fa tia an’ilay Ray any an-danitra ka aleony ny fanapahany toy izay ny hafa rehetra?
NY FOMBA ANDAMINAN’ANDRIAMANITRA NY ZAVATRA NIADIAN-KEVITRA
6. Moa va ny herin’Andriamanitra no nolavin’i Satana? Koa raha izany àry no izy, mikasika ny inona moa ny zavatra nilaina halamina?
6 Tsara anefa ny manamarika fa tsy nolavin’i Satana akory ny herin’Andriamanitra. Tsy nihantsy an’i Jehovah raha sahy hampiasa ny heriny handevonana azy mpikomy izy akory. Fa ny nolaviny kosa dia ny zon’Andriamanitra hanapaka sy ny tsy fisiam-piangarana amin’ny fomba fanaovany izany. Afa-tsy izany koa dia nampangainy ho tsy nanana fahatokiana ireo zava-boaharin’Andriamanitra. Koa mikasika ny ara-pitondrantena àry izany ny zavatra nilaina halamina.
7. Milazà ohatra iray mampiseho ny fomba azo andaminana ny zavatra mikasika ny fitondrantena.
7 Amin’ny lafiny sasany, ny fiampangana lainga nentin’i Satana hamelezana an’Andriamanitra dia azo hazavaina amin’ny alalan’ny ohatra iray miseho amin’ny olombelona. Aoka isika haka ohatra ny amin’ny lehilahy iray manan-janaka maro ampangain’ny olona iray mifanila trano aminy fa tsy mahay mitondra ny tokantranony. Aoka koa ataontsika hoe milaza ilay mpiampanga azy fa tsy dia tena tia an-dralehilahy tokoa akory ny vadiny aman-janany fa ny antony hitoerany ao aminy dia ny hahazoana sakafo sy izay tombontsoa ara-nofo hafa noho izany azony avy aminy fotsiny. Amin’ny fomba ahoana àry no hanehoan’io raim-pianakaviana io ny maha-lainga fotsiny an’ireo fanendrikendrehana ireo? Tsy hahitana valin-teny mahafa-po akory ny fampiasana herisetra hamelezana an’ilay mpanendrikendrika azy. Tsia, fa vao mainka aza izany toa hampino ny olona fa tsy misy diso tokoa ireo fanendrikendrehana. Nefa kosa raha avelany ireo zanany hitsangana ho vavolombelona hanamarina azy ka hilaza marina fa ny rainy dia filoham-pianakaviana sady tia no marina ary mahafaly azy ireo ny miara-miaina aminy satria tia azy izy, moa ve tsy ho izany no valin-teny tsara indrindra? Amin’izany ilay lehilahy dia hahita fanamarinana azy tsy misy tomika! — Ohabolana 27:11; Isaia 43:10.
8. Inona moa no nasehon’Andriamanitra, sady namela fotoana ampy tsara mba handaminana tanteraka tsy misy hifanolanana intsony an’io raharaha io izy?
8 Amin’ny lafiny sasantsasany, io fanoharana io dia manazava ny fomba narahin’Andriamanitra. Sady fanampin’izany koa, dia ampy tsara ny fotoana navelany — efa tokony ho 6000 taona izao, — mba handaminana tanteraka tsy misy hifanolanana intsony an’io raharaha io. Raha elabe toy izany no naharetany, dia tsy hoe mba hahafahan’ireo zava-boahariny mahatoky hanaporofo ny firaiketany aminy sy amin’ny fanapahany fotsiny, fa mba hanehoana koa fa tsy hisy afa-tsy voka-dratsiny no ho azo avy amin’izay karazam-panapahana hafa rehetra (Ohabolana 1:30-33; Isaia 59:4, 8). Rehefa nikomy tamin’i Jehovah Andriamanitra Satana dia nihambo ho filoha nandrafy azy, ary izy mivady olombelona voalohany izay nanaraka ny torohevitra avy aminy dia niseho ho tsy niankina tamin’ny fanapahan’i Jehovah ka niditra ho eo ambany fahefan’i Satana (Genesisy 3:6; Romana 6:16). Koa dia navelan’Andriamanitra àry Satana sy ny olombelona hanohy hatramin’ny farany ny fiezahany hanao zavatra sy hanapaka tsy miankina amin’ilay Mpamorona azy, mba hanaporofoana indray mandeha tsy hilàna fanaovana azy fanindroany intsony fa izy ireo dia tsy afaka mihitsy hanorina fitondram-panjakana tsara izay ho afaka hitondra ho an’ny olombelona rehetra ny tena fahasoavana marina tokoa. Eo am-piandrasana izany, Jehovah dia mandidy an’ireo mponina amin’ny tany rehetra izay tia azy mba hanambara ny anarany sy ny fikasany, hanazavana an’ireo sakaizan’ny rariny.
9. Inona moa no nambaran’Andriamanitra tamin’ilay faraon’i Egypta izay nisy hitoviana amin’ny an’i Satana Devoly ny niseho taminy?
9 Ny tarehin-javatra dia mitovy amin’ny niseho tamin’ity faraon’i Egypta iray izay nanahaka an’i Satana Devoly ka nanohitra an’i Jehovah Andriamanitra. Hoy Jehovah taminy: “Raha izay Aho no naninjitra ny tànako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ny tany hianao. Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” — Eksodosy 9:15, 16.
NANAPOROFO INONA MOA NY VOKATRA AZO?
10. Nohararaotin’i Satana mba hanaovana inona tany an-danitra sy tetỳ an-tany moa ny fotoana nomen’Andriamanitra azy?
10 Asehon’ny Baiboly fa nohararaotin’i Satana izany fotoana nomena azy izany mba hanorenana fandaminana any an-danitra sy etỳ an-tany izay manana azy ho filohany. Hita miharihary ny fitaran’ny fanapahany eo amin’ny tany rehefa heverina fa azony natao ny nanolotra an’i Jesosy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao raha niankohoka teo anatrehany izy (Matio 4:8, 9). Izany no antony iantsoana an’i Satana hoe: “filohan’izao tontolo izao”. (Jaona 16:11, MN.) Inona àry no naterak’izany ho an’ny taranak’olombelona ary inona no vokatra azon’ny olombelona raha nanao zavatra tsy niankina tamin’Andriamanitra sy ny fanapahany?
11. Inona moa ny voka-dratsy nateraky ny tsy fiankinan’ny olona tamin’Andriamanitra sy ny fanapahany?
11 Hamarinin’ny Tantara fa izy ireo dia tsy nahay nitondra ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fiainana mandrakizay ho an’ny olombelona. Vao mainka aza tsy nisy afa-tsy fanaintainana sy fijaliana ary fahafatesana no mba hitan’ny olona nandritra ireo arivo taona maro nisiany. Ny pejin’ny Tantara sy ny toe-javatra mahatsiravina hitan’izao tontolo izao ankehitriny dia samy manaporofo fa tsy nahitan’ny olombelona fahombiazana ny fanandramany hanapaka tsy misy an’Andriamanitra. Nandramany avokoa izao karazam-panapahana rehetra izao, kanefa dia tsy nisy nahitany ny filaminana sy ny fahasambarana maharitra mihitsy. Marina aloha fa nahita fandrosoana teo amin’ny lafiny ara-nofo izy. Nefa moa ve azo atao ho fandrosoana tokoa izany hoe mahay mandefa bala afomanga eny amin’ny volana nefa tsy mahay miara-miaina amim-pandriampahalemana eto ambonin’ny tany? Inona no ilàny hanorenana trano misy izay fanaka mampiadana rehetra raha ohatra ireo fianakaviana mitoetra ao anatiny voasaratsaraky ny fisaoram-bady sy ny ditra? Moa va mba misy azo ireharehana akory ao amin’ireo ady sy korontana ary fahafoizana ain’olona amam-pananana ateraky ny fitomboan’ny faharatsiana? Ireo anefa no mba vokatra naterak’ireo fanapahana izay mihambo ho afaka mijoro tsy mila an’Andriamanitra. Tsy azo lavina tokoa fa “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. — Mpitoriteny 8:9.
12. a) Ahoana moa no nambaran’ny mpanao gazety malaza iray mikasika ny antony mahatonga loza amin’ny tany? b) Araka ny filazan’ny mpaminany Jeremia, moa va ny olona afaka mitondra ny tenany samy irery?
12 Hita àry izany fa ny namelan’Andriamanitra ny ratsy mbola hisy dia nanaporofo tsy misy hiadian-kevitra fa tena tsy vanona tanteraka mihitsy ny fanandraman’ny olona “hisolo toerana” an’Andriamanitra (Salamo 127:1). Hoy ny nosoratan’ny mpanao gazety malaza iray: “Arakaraka ny itadiavantsika fialana no vao mainka ahitantsika fa ny olona no mampidi-doza amin’ny tany. Ny tena fahalementsika lehibe indrindra dia ny mbola tsy nahitantsika ny fanafodin’ny zava-manahirana mikasika ny fahalalana izay tena fomba hanapahana ny tenantsika a.” Jeremia, mpanoratra tao amin’ny Baiboly, nahazo tsindrimandry, dia nanoratra hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany. Jehovah ô, anaro aho.” — Jeremia 10:23, 24; jereo koa Ohabolana 16:25.
13. Noho Satana efa naneho ny tsy fahaizana manapaka mihitsy, inona moa izao no hita fa rariny tokoa raha ataon’Andriamanitra?
13 Ny vokatry ny anjara noraisin’i Satana teo amin’ny raharahan’ny tany dia ny fisarahan-tsaina sy ny fahasiahana ary ny fahafatesana. Tamin’ny alalan’ny fitaka sy ny fanaovana an-keriny ary tamim-pitiavan-tena no nanapahany. Nasehony ny tsy fahaizany manapaka mihitsy na amin’ny lafiny ahoana na amin’ny lafiny ahoana. Amin’izao fotoana izao, dia zon’i Jehovah tanteraka ny handringana an’io mpikomy voaetry io mbamin’ireo niandany taminy teo amin’ny asa rehetra nataony (Romana 16:20). Fa ahoana kosa ny amin’ny fahatokian’ireo zava-boaharin’i Jehovah Andriamanitra, mikasika ny fanapahany hanao soa ho an’ny olombelona, satria Satana nilaza fa hiala aminy avokoa izy rehetra raha sedraina?
14. a) Inona moa no antony iray tena tsara dia tsara nanosika olona sasany hanompo an’Andriamanitra an-tsitrapo? b) Tamin’ny tsy nanimbany mihitsy ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra, na dia teo aza ny fanoherana avy tamin’i Satana Devoly, inona moa no noporofoin’i Joba mikasika an’io Satana io?
14 Jehovah Andriamanitra izay mahalala fa ny “fitiavana tsy ho levona mandrakizay” dia natoky fa hisy amin’ny taranak’olombelona hanompo azy an-tsitrapo, noho ny fitiavany fa tsy noho ny fanantenan-javatra na an-tery (I Korintiana 13:8). Nandritra izay taon-jato rehetra lasa izay, dia olona an-aliny maro no nanao toy izany. Anisan’ireny Joba. Na dia nampihatra fangejana nitambesatra taminy aza Satana izay nanendaka taminy ny fananany rehetra mbamin’ny zanany sady nanimba ny fahasalamany mihitsy, dia mbola niteny ihany Joba hoe: “Mandra-pialako aina dia tsy hanala amiko ny tsy fivadihako aho.” (Joba 27:5, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao [anglisy]. Noporofoin’i Joba fa mpandainga Satana.
15. a) Tamin’ny fomba ahoana moa no namalian’i Jesosy ny fanendrikendrehan’i Satana an’i Jehovah? b) Moa ve Adama, lehilahy lavorary, nety ho afaka nitoetra ho mahatoky tanteraka teo anatrehan’Andriamanitra?
15 Toy ny efa nahitantsika azy, Jesosy, izay lehilahy tanteraka, dia nahatohitra ny fakam-panahy sy ny fanoloran-javatra mampitsiriritra rehetra nataon’i Satana taminy. Na dia rehefa nokapohin’ireo miaramila niambina azy sy nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana aza Jesosy nony avy eo dia naharitra tamin’ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra (I Petera 2:23). Izany dia manaporofo fa ilay lehilahy lavorary nantsoina hoe Adama dia nety ho afaka nanao toy izany koa raha tiany, ka tsy hoe nanao ny tsy rariny akory Andriamanitra raha nitaky fankatoavan’ny olombelona azy (II Tesaloniana 1:4, 5). Ny fahatokiana notanany teo anatrehan’i Jehovah no porofo tsara indrindra nomen’i Jesosy hamaliana ny fiampangana lainga nataon’i Satana hamelezana an’Andriamanitra.
16. a) Na dia efa nahazoana porofo be dia be aza fa mpandainga Satana, nahoana ihany izy io no mbola manenjika an’ireo izay tia an’Andriamanitra? b) Manaporofo inona tsy misy hiadian-kevitra mihitsy moa ny tsy fivadihan’ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra?
16 Nefa Satana, izay efa simban’ny fitiavan-tena sy ny fiavonavonana ny sainy, dia tsy nety hamela teo mihitsy ny fahadalana natombony. Na dia efa voaporofo hatry ny elabe aza fa lainga be fotsiny ny fanendrikendrehany, dia mbola enjehiny ihany ireo izay tia an’Andriamanitra (Apokalypsy 12:17). Hatramin’izay nahafatesan’i Jesosy izay, dia an-aliny maro ireo kristiana nanompo an’i Jehovah noho ny fitiavany azy sy ny faniriany hiaina eo ambany fanapahany mitondra fahasoavana. Amin’izao fotoana izao, dia an-hetsiny maro izy ireo no manambara ampahibemaso ny fahatokiany eo anatrehan’i Jehovah filohany (Apokalypsy 7:9, 10). Noho ny fanarahany tsara ny Tenin’i Jehovah sy ny fanajany ny lalàny, izy ireo dia afaka niaina tao amin’ny fifaliana na dia teo aza ny fanoherana mahery vaika nampiharin’i Satana taminy. Ny firaisan-tsaina amam-pitiavana sy tsy fivadihana nasehon’ireo mpanompon’Andriamanitra nandritra ny taon-jato marobe dia teni-vavolombelona misavovona manambara voalohany indrindra fa ny fomba fanapak’i Jehovah amim-pitiavana no hany fomba fanapaka tsara, ary manaraka izany, manambara fa ny olona dia afaka hitoetra ho mahatoky eo anatrehany, ary farany, manambara fa Satana no mpandainga maharikoriko indrindra hatramin’izay fotoana rehetra izay.
TSY MAINTSY MBOLA HAHARITRA HAFIRIANA MOA NY FITSAPANA?
17. Moa ve Andriamanitra hamela ny zava-dratsy haharitra tsy misy farany mihitsy, ary inona ny valin-teny omena antsika ao amin’ny bokin’i Daniela?
17 Noleferin’i Jehovah hatramin’izao androntsika izao ny faharatsiana mba hanomezana valin’ireo fanontaniana rehetra nipetraka noho ny amin’i Satana. Kanefa akory ny faharatsiana tsy havelany haharitra tsy misy farany mihitsy. Efa nametra fotoana izay hampitsaharany izany izy. Niteny ny amin’izany indrindra Daniela, ilay mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly, raha niteny toy izao fahiny: “Amin’ny fotoana voatendry ihany vao hidona ny farany.” — Daniela 11:27, Kat.
18. Na dia toa lavabe amin’ny olombelona aza ny 6000 taona, moa ve tahaka izany koa izy amin’Andriamanitra? Toy ny inona moa ny arivo taona eo imason’Andriamanitra?
18 Ireo enina arivo taona latsaka kely efa lasa hatramin’izay nahariana an’i Adama izay ka hatramin’izao androntsika izao dia mety ho toa lavabe ho an’ny olombelona izay tsy velona afa-tsy mandritra ny fitopolo taona eo ho eo. Nefa satria Andriamanitra no nametra ny fotoana voatendry, dia tsara ny manaraka ny fomba fiheviny. Ary ao amin’ny Salamo 90:4 anefa, ny mpaminany Mosesy dia miteny toy izao mikasika azy: “Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ny omaly.” Ho an’ny zaza vao dimy taona, ny herintaona dia lavabe, kanefa kosa ho an’ny lehilahy enimpolo taona, izany dia fohy kely ihany. Toy izany koa, eo imason’i Jehovah izay mandrakizay, ny arivo taona dia toy ny indray andro. — II Petera 3:8.
19. Nahoana moa no tsy fanehoana tsy fahamarinana amintsika akory ny namelan’Andriamanitra ny hisian’ny zava-dratsy?
19 Tsy fanehoana tsy fahamarinana amintsika akory izany fotoana namelan’Andriamanitra ny haharetan’ny faharatsiana izany. Raha ohatra tokoa mantsy ka notaperin’Andriamanitra avy hatrany ny andron’ireo rehetra nikomy tao Edena dia tsy ho nahita masoandro mihitsy isika. Tsy ho nanana fotoana na oviana na oviana isika, hohararaotina hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandaminan-javatra vaovaony. Noho Jehovah tsy namarana talohaloha kokoa ny fahari-pony àry no ahafahantsika miaina ankehitriny sady misokatra eo anatrehantsika ny fahafahana ho velona mandrakizay (II Petera 3:9, 15). Nohararaotin’Andriamanitra koa izany fotoana izany mba hanomezana ny fanavotana ny olona amin’ny alalan’i Kristy. — Galatiana 4:4, 5.
20. Ahoana moa no teny anazavan’ny Baiboly (ao amin’ny Romana 9:22-24) ny antony namelan’Andriamanitra ny zava-dratsy hisy?
20 Afa-tsy izany koa, Andriamanitra dia nampiasa an’io fotoana io mba hifidianana avy eo amin’ny olombelona ka hanomanana an’ireo “fanaky ny famindrampo” izay ho anisan’ny fanapahana marina natao hanjaka eo amin’ireo izay ho velona mandrakizay ambonin’ny tany ao amin’ny fandehan-javatra vaovao. Fitahiana manao ahoana moa no ho entin’ilay Fanjakana any an-danitra ho an’ny olombelona! Naneho fahari-po lehibe tokoa Andriamanitra fony izy nanomana an’ireo “fanaky ny famindrampo”. Nandefitra tamin’ireo ratsy fanahy, dia ireo “fanaky ny fahatezerana” izy. Namela fotoana kely ho an’ireo izy alohan’ny handringanana azy. Fa nahoana? Mazava tsara ny valin-teny omen’ny Baiboly: “Mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindrampo.” (Romana 9:22-24). Ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hahazo voninahitra amin’ny fanamarinana ny anaran’Andriamanitra sy amin’ny fandringanana an’ireo ratsy fanahy, dia ireo “fanaky ny fahatezerana”. Fanampin’izany koa, ny famelana ny zava-dratsy mbola haharitra mandritra ny fotoana elaela dia nahafahan’Andriamanitra naneho ireo lafiny amin’ny maha-izy azy izay tsy ho niseho raha tsy izany, dia ny famindrampony sy ny fahari-pony. Ireo toetra ireo dia ahafantarantsika lalina kokoa an’ilay Mpamorona, ary arakaraka ny anahafantsika azy no anatsarantsika kokoa ny maha-isika antsika. — Efesiana 5:1.
21. Inona koa moa no antony lehibe hafa manamarina ny amelan’Andriamanitra ny hisian’ny zava-dratsy, mandra-pahatongan’ny farany noferany ho azy?
21 Mbola misy antony iray lehibe hafa koa ny namelan’Andriamanitra ny zava-dratsy haharitra nandritra ny fotoana elabe toy izany. Raha sendra ka misy iray hafa koa any aoriana any ho sahy hilaza fa tsy tsara ny fomba fiasan’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany, dia tsy hilain’i Jehovah intsony ny hanomezana fotoana an’izany mpikomy izany mba hanandramana ny fombany manokana. Ho ampy amaliana azy fotsiny ny fahatsiarovana an’ireo enina arivo taona tsy nahombiazan’i Satana sy ny demoniany mbamin’ny olombelona izay nanandrana nitondra ny raharahany tsy niankina tamin’Andriamanitra. Tsy hisy mihitsy amin’izany ho afaka hilaza hoe: “Tokony homena ny anjarany izy!” na hoe: “Mba tokony homena fotoana hiasana kosa izy!” Efa ampy dia ampy ny fotoana lany nanaporofoana fa tsy misy afa-tsy vokany ratsy dia ratsy no entin’ny fikomiana amin’ilay Mpamorona! Amin’izany dia ho zon’Andriamanitra tanteraka ny hanafoana avy hatrany an’izay rehetra mety ho fikomiana mety hananontanona ny fiadanan-ko avin’izao rehetra izao. — Salamo 145:20.
22. Mbola havelan’i Jehovah haharitra hafiriana moa ny zava-dratsy ary azontsika hararaotina hanaovana inona ny fotoana sisa?
22 Tsy ho ela intsony izao ny handravan’i Jehovah an’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao. Ny fotoana sisa tavela dia mbola azontsika hararaotina mba hijoroana ho azy ka ‘hampifaly ny fony’. (Ohabolana 27:11.) Raha manaiky ny fanapahany isika dia homeny antsika ny fitahiana mba hiaina mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovaony. Apetrany amintsika tsirairay avy ny safidy hanaiky na handa an’izany fanantenana izany. — Deoteronomia 30:19, 20.
23. a) Ahoana moa no tokony ho fiheverantsika ny fankatoavana an’Andriamanitra? b) Inona moa no hataon’i Jehovah rehefa ho vitan’ireo mpanompony mahatoky ny asa fanambarana ny anarany amam-pikasany eo amin’ny tany manontolo?
23 Raha ny marina, dia tsy sarotra akory ny fankatoavana an’Andriamanitra. Raha ekentsika fa lehibe dia lehibe lavitra noho ny antsika ny fahendren’i Jehovah sady ny hahasoa no anaovany izay ataony rehetra satria izy dia Andriamanitra fitiavana, dia hanaraka ny teniny amin’ny zavatra rehetra isika. Na inona na inona sitrapon’i Jehovah, dia hataontsika na amin’ny fotoan-tsarotra na eo amin’ny fiainana andavanandro. Ireo izay manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana dia nanaraka foana izany fomba fihevi-javatra izany (Daniela 3:16-18; Salamo 119:33-37). Tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy teny toy izao nataon’ny vitsivitsy tamin’ireo mpanompony teo anatrehan’ny fitsarana ambony iray: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 5:29). Ankehitriny Jehovah dia mampiasa ireo mpanompony mahatoky mba hanambara ny anarany amam-pikasany amin’ny tany manontolo (Matio 24:14). Rehefa hataon’Andriamanitra fa efa ampy izay ny nanaovana izany asa izany, dia hampahafantariny an’i Satana amin’izay ny maha-Tsitoha azy, rehefa hotorotoroiny io sy ny mpikomy hafa rehetra, ka hamarana an’izao fandehan-javatra ratsy izao izy. Toy izany no ho fomba hanafahan’i Jehovah an’izao rehetra izao amin’ny zava-dratsy ka hanomanany kosa ny toerana ho an’ny fandehan-javatra vaovao sady marina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a David Lawrence, U.S. News & World Report, 25 septambra 1967, p. 128.
[Fanontaniana]