Ny Fanjakan’Andriamanitra dia manana fahefana eo afovoan’ny fahavalony
Toko Faha-10
Ny Fanjakan’Andriamanitra dia manana fahefana eo afovoan’ny fahavalony
1. a) Inona moa no andrasan’ireo olona manam-pinoana efa hatramin’ny elabe? b) Moa ve izany milaza fa tsy efa Mpanjaka hatrizay hatrizay Andriamanitra?
EFA hatramin’ny arivo taona maro no nisy olona nanam-pinoana velona tao amin’ny fiandrasana mafy ny andro izay hanombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra hanapaka. Tsapany lalina ny hilàna ny hisalovanan’Andriamanitra amin’ireo raharahan’ny tany. Moa ve izany milaza fa tsy mbola Mpanjaka mihitsy Andriamanitra tamin’ireo taon-jato efa lasa teo aloha? Tsy izany, satria mantsy Jehovah no efa Tompom-piandrianana tampony mandrakariva teo amin’izao rehetra izao. (Jeremia 10:10). Nolavina anefa ny zony hanapaka teto an-tany. Toy ny efa nahitantsika azy teo aloha, araka ny fikasany mampiseho fitiavana sy noho ny antony mafy orina, Andriamanitra dia namela an’ireo fanapahan’ny olombelona hiasa eo ambany fahefan’i Satana, nandritra ny fotoana voafetra.
2. Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra ary eo an-tanan’iza no nametrahan’Andriamanitra ny fahefana hanjaka?
2 Nampanantena anefa Jehovah fa rehefa hifarana izany fotoana navelany izany, dia hiasa mivantana hamely an’ireo mpikomy rehetra izay manohitra ny fanapahany izy, ka amin’izany dia hamerina indray ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, ho eo ambany fiandrianany. Amin’ny fomba ahoana moa? Amin’ny alalan’ilay Fanjakana izay fanapahana vaovao any an-danitra mipetraka eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Zanany. Hita amin’izany fa hilaza fiovan-dehibe efa akaiky ny fiorenan’io Fanjakana io satria amin’izay Jehovah Andriamanitra dia ho nanome an’ilay Zanani-lahy ny “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana (...), mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.” — Daniela 7:13, 14.
3. Nahoana moa no mety hisy ho gaga raha mahare hoe efa nahazo ny fahefany ny Fanjakan’Andriamanitra?
3 Izany zava-niseho izany anefa dia efa nitranga tany an-danitra. Ilay Zanak’i Jehovah dia efa nahazo ny fahefan’ny mpanjaka. Mahagaga anao ve izany? Mety ho izany tokoa raha heverina ny toe-javatra mampihorohoro izay mitambesatra amin’ny olombelona. Raha ny marina anefa, dia ireo toe-javatra ireo indrindra no ahazoantsika matoky fa efa miorina ilay Fanjakana. Fa nahoana?
4. a) Nahoana moa no tsy mahafaly ny olona rehetra ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Noho izany, inona no tsy maintsy mbola nolazain’Andriamanitra tamin’ny Zanany rehefa nanome azy ny fahefana hanjaka izy?
4 Ny antony dia satria tsy mahafaly ny olona rehetra akory ny fandraisan’ny Fanjakan’i Jehovah ny fahefana, satria tsy ary maniry ho velona eo ambanin’ny fanapahana iray izay hanery ny hanaovana ny rariny avokoa ny olona rehetra (Lioka 19:11-14). Izany no antony nampanoratan’i Jehovah fahiny tao amin’ny Teniny fa rehefa ‘hanomboka hanjaka’ amin’ny mponina amin’ny tany izy, dia ho “tezitra ny firenena”. (Apokalypsy 11:17, 18.) Nolazainy mialoha fa rehefa homeny fahefana hiasa ny Zanani-lahy, dia hilaina ny hilazany aminy hoe: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” — Salamo 110:2.
5. Inona moa no asa tsy maintsy natombok’i Kristy tany an-danitra tamin’izany ary inona no ho vokany amin’ny tany?
5 Koa tsy maintsy nandroaka an’i Satana avy tany an-danitra, foiben’ny fanapahana, àry Jesosy Kristy ka namarina azy etỳ amin’ny manodidina ny tany, alohan’ny hanaovana izay tsy hahafahany hikofoka tanteraka. Tamin’izany dia tsy maintsy nanakoako tany an-danitra izao hobim-pifaliana izao: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny.” Fa ahoana kosa ny amin’ny tany? “Loza ho an’ny tany (...)! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:5, 7-10, 12). Aoriana kelin’izay, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hampihatra ny fahefany manerana ny tany. Nefa tsy avy hatrany akory ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra ny fiadanana sy ny fahamarinana etỳ ambonin’ny tany. Vao mainka aza ny fanombohan’ny fiorenany, hitondra fotoam-pahoriana tsy mbola nisy toy izany, ho an’ny mponina amin’ny tany.
6. a) Inona moa no fanontaniana napetraky ny mpianany tamin’i Jesosy nikasika ny fanatrehany faharoa? b) Nahoana moa no hilaina ny “famantarana” hita maso? d) Hanaporofo inona mikasika izao fandehan-javatra ankehitriny izao moa izany famantarana hita maso izany?
6 Raha mihevitra an’ireo zavatra ireo isika dia ho azontsika tsaratsara kokoa ny hevitr’izay nambaran’i Jesosy tamin’ny mpianany mikasika ny fanatrehany faharoa. Nametraka izao fanontaniana izao taminy mantsy izy ireo: “Lazao aminay: Rahoviana no ho tonga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” (Matio 24:3, MN ). Ho valim-panontaniany dia nolazalazain’i Jesosy, ho azy sy ho antsika koa, izay zavatra hiseho eto an-tany rehefa hanomboka hanjaka any an-danitra izy. Amin’izany, na dia tsy hitan’ny mason’olombelona aza ireo zavatra miseho any an-danitra, dia hisy porofo hita maso haneho fa Kristy dia efa nandray fiandrianana ka efa nanomboka niasa amin’ny maha-Mpanjaka azy. Izany koa dia hanaporofo fa izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izay mampahory ny olona efa hatramin’ny taon-jato maro izao dia nanomboka niaina tao amin’ny “andro farany”. (II Timoty 3:1, MN ) Marina tokoa aloha fa araka ny faminaniana dia tsy maintsy hisy mpaniratsira hitady handa ny zavatra tena nisy tokoa, kanefa na dia izany koa aza dia ho anisan’ny porofo tsy azo lavina. — II Petera 3:3, 4.
7. a) Moa ve zava-miseho tokana ihany dia ho ampy hanaporofoana fa efa antomotra “ny farany”? b) Fomba ahoana moa no ahafantarantsika fa efa akaiky ny lohataona? Ahoana no mety hahalalantsika raha efa nanomboka nanapaka ilay Fanjakana?
7 Rehefa dinihina ny fitambaran’ireo porofo ireo, dia ilaina ny mitadidy fa tsy nilaza akory Jesosy hoe zava-miseho tokana ihany toy ny ady iray na horohorontany mahatsiravina iray, no hanaporofo fa efa antomotra “ny farany” (Matio 24:6). Tsia, fa hoy izy hoe: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 21:29-31). Raha toa, noho ny andro vitsivitsy nafanafana kokoa tamin’ny ririnina, ka nahamarika hazo iray manokana mba sendra nanomboka nanaroka isika, tsy izany akory angamba no ilazantsika avy hatrany fa efa tonga ny lohataona? Fa rehefa hitantsika manaroka kosa ny hazo rehetra ka mihalava ny andro, dia fantatsika fa tokony ho antomotra ny lohataona. Toy izany koa fa rehefa hiseho ny zavatra rehetra nolazain’i Jesosy vao ho fantatsika amim-pahatokiana tanteraka fa efa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra Kristy ka efa nanomboka nanapaka tokoa ny Fanjakany. Izany no ho famantarana fa efa antomotra ny fanafahana!
NY FAHATANTERAHAN’ILAY “FAMANTARANA”
8. a) Araka ny Matio 24:7, inona avy moa no zavatra hiseho hanamarika ny fanatrehan’i Jesosy faharoa? b) Amin’ny ahoana moa no ifanitsian’ny ady nipoaka tamin’ny 1914 amin’ilay faminanian’i Jesosy? d) Araka izany ny taona fahafiry no nanamarika ny fiandohan’ny “andro farany” sy ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
8 Fa inona marina moa ny porofo nolazain’i Jesosy fa tsy maintsy hanamarika ny fanatrehany faharoa sy ny “fifaran’ny fandehan-javatra”? Hoy ny nambarany: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa.” (Matio 24:7). Jesosy dia nilaza amintsika fa hisy ady hanana endrika vaovao, — dia ady hataon’ny ankapoben’olona! Ny ady izay nanomboka tamin’ny 1914 dia mifanitsy tsara tamin’izay nolazalazainy. Tsy vitan’ny teny an-tany fiadiana ihany no nisy ady fa na ireo mponina sivily koa aza dia nalamina mba hanohana tanteraka ny ady. Toy ny nilazan’i Jesosy azy mialoha dia tena firenena maro manontolo sy fanjakana maro tokoa no nifandramatra. Izay no voalohany indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona, niadian’izao tontolo izao iray manontolo mihitsy. Izany no nahatonga ny anarany hoe: “Ady Lehibe Voalohany”. Mikasika izany ady izany no nanoratan’ny manam-pahaizana iray hoe:
“Tamin’ny fitarany sy ny hamafiny ary indrindra fa noho izy niraisan’izao tontolo izao, izy io dia voalohany amin’ny karazany. Ny Ady Lehibe Voalohany no nisantatra ny taon-jaton’ny ady nataon’ny ankapoben’olona na, amin’ny hevitry ny teny voalohany, ny ady nifanaovan’izao tontolo izao.
“Tsy mbola nisy ady mihitsy talohan’ny 1914-1918 nila toy ny tamin’io, ny zavatra rehetra azon’ny mpiady maro eran’ny faritra lehibe indrindra amin’ny tany, nomena. Tsy mbola nisy mihitsy firenena marobe nandray anjara tamin’ny ady toy izany. Tsy mbola nisy mihitsy nahitana vonoan’olona maro nitatra sy nahazo ny ankapoben’olona toy ny tamin’io a.”
Mampahafantatra antsika ny “encyclopédie” vao haingakaingana iray fa 37 000 000 ireo miaramila naratra sy maty, ary avy eo dia hoy ny nanampiny:
“Ny isan’ny maty teo amin’ny sivily, tany amin’ireo faritra nisy ady, dia nahatratra 5 000 000 teo ho eo. Ny antony nahatonga ny 80 isan-jato teo ho eo tamin’ireny fahafatesan’ny sivily ireny dia ny mosary sy ny aretina ary ny tsy fisian-trano hialofana. Mbola nitondra fahafatesan’olona am-polo tapitrisany maro hafa koa ny gripa espaniola izay heverin’ny sasany ho voka-dratsin’ny ady ihany koa b.”
Izany dia mifanitsy indrindra amin’ilay faminanian’i Jesosy. Rehefa ampifanohitohizina ireo zavatra samihafa ireo dia manondro ny taona 1914 ho ny taona nanamarika ny fanombohan’ny “andro farany” ary ho toy ny taona nanombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra nanapaka sady niasa tokoa. — Jereo koa Lioka 21:10, 11.
9. Inona koa moa no zava-niseho hafa iray manamarika ny “andro farany”, nisy matetika tsy araka ny fahita, nanomboka tamin’ny 1914?
9 Ankoatr’izany koa, nanomboka tamin’ny 1914 dia nisy horohorontany maro nifanjohy nanozongozona ny tany ka nahatonga fahasimbana tsy toko tsy forohana. Tamin’ny 1915, dia olona efa tokony ho 30 000 no maty noho izany, tany Italia. Tamin’ny 1920 dia nisy maty 180 000 tany Chine, ary tamin’ny 1923 dia 143 000 no namoy ny ainy tamin’izany fomba izany tany Japon. Hatramin’izay dia nihanatetika hatrany tsy araka ny fahita ny horohorontany. Toy ny efa nanambaran’i Jesosy azy mialoha, izany dia anisan’ny famantarana manamarika ny “andro farany” ihany koa.
10. Inona moa no manaporofo fa mbola vao “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny ireo zava-niseho tamin’ny 1914?
10 Nosoritan’i Jesosy tsara anefa fa mbola vao ny “fiandohan’ny fahoriana” fotsiny ireo toe-javatra izay hanamarika ny fiandohan’ny “andro farany” (1914). (Matio 24:8.) Mbola tsy maintsy nisy loza hafa tonga koa. Ary izany tokoa no nitranga. Ilay “encyclopédie” notononina tetsy ambony dia manambara hoe: “Ny Ady Lehibe Voalohany sy ny voka-dratsiny, nandritra ireo taona nanaraka ny 1930, dia niteraka faharerahana teo amin’ny toe-karena izay ratsy indrindra teo amin’ny tantara. Niteraka fikorontanana efa nila ho tao amin’ny firenena rehetra mihitsy ny vokatry ny ady sy ny zava-manahirana hita teo amin’ny fanazarana indray ho amin’ny fandriampahalemana.” Izany rehetra izany dia nanokatra ny lalana ho an’ny Ady Lehibe Faharoa, izay nahatonga an’io “encyclopédie” io ihany hanoratra izao manaraka izao:
“Ny Ady Lehibe Faharoa dia namoizana ain’olona sy vola ary nanimba trano sady nahavoa olona be lavitra. (...) Voavinavina ho maherin’ny 22 000 000 ny isan’ireo matiny, na sivily izany, na miaramila, ary ny isan’ny naratra taminy dia naherin’ny 34 000 000 c.”
Tsy azo lavina mihitsy fa tena nihamafy tokoa ireo “fahoriana” nolazain’i Jesosy arakaraka ny anakekezan’ny fifaranan’ny “andro farany”.
11. a) Ahoana moa no nahatonga ny mosary mbola vao mainka nanampy trotraka ny fitebitebena, araka ny faminanian’i Jesosy? b) Inona moa no ambaran’ilay boky hoe “Mosary — 1975!”, mikasika ny ho avy?
11 Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa sy taoriany dia nisy mosary nahazo vahana aoka izany ka vao mainka nanampy trotraka ny fitebiteben’ny olombelona. Taoriana kelin’ny ady dia nanao rapaoro toy izao ny revio Look:
“Ankehitriny dia ampahefatry ny olombelona no maty mosary. Amin’ny ho avy dia mbola vao mainka ho ratsy lavitra noho izany ny tarehin-javatra. Ny mosary izay manjaka amin’izao fotoana izao any amin’ny ankamaroan’ny faritra eto amin’izao tontolo izao dia mbola ratsy lavitra noho ny iheverana azy mazàna. (...) Amin’izao androntsika izao dia maro lavitra ny olona tsy manana antenaina, mitady izay hohanina, noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantara d.”
Vao haingana kokoa ilay boky mitondra ny lohateny hoe Mosary — 1975! (anglisy) dia nanambara toy izao, mikasika ny mosary hita amin’izao fotoana izao:
“Mamely ny mosary, mifindra tany, mifindra kontinenta, ka mandrava an’ireo faritra tsy mandroso any akaikin’ny tropika sy eo ambaniny. Lalan-tokana ihany no mety hizoran’izao fahasahiranana ankehitriny izao — dia ny fiafarana amin’ny loza aman-antambo. Ankehitriny dia misy fitenenana ny amin’ny firenena tsy ampy sakafo; aoriana kely, ireo dia ho firenena mosarena.
“Hatreto ka hatramin’ny 1975, dia zavatra hanjaka ao amin’ireo tany tsy ampy sakafo ny fikorontanam-bahoaka sy ny fanjakan’ibaroa ary ny fanjakana jadona enti-miaramila sy ny fihenam-bidin’ny vola ary ny fikorontanana eo amin’ny fitaterana mbamin’ny tabataba misaritaka e.”
12. a) Inona koa moa no toe-javatra nambaran’ny Baiboly mialoha ka nitombo haingana toy ny tselatra, hatramin’ny 1914? b) Rapaoro manao hoe ahoana moa no voaraintsika avy amin’ny firenena tsirairay avy?
12 Efa nolazain’i Jesosy mialoha koa fa hanamarika ny “andro farany” ny “haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”. (Matio 24:12.) Ary dia toy izao koa no nanampin’ny apostoly Paoly araka ny tsindrimandrin’Andriamanitra: “Any am-parany any (...) ny olona ho tia tena, (...) tsy manoa ray sy reny, (...) tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, (...) tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra, (...) ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky (...) dia handroso hiharatsiratsy kokoa.” (II Timoty 3:1-5, 13). Izany no toe-javatra nitombo haingana toy ny tselatra hatramin’ny 1914! Ny tenanao izao dia vavolombelona manatri-maso, sa tsy izany? Mitombo hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa ny faharatsiana sy ny tsy firaharahana lalàna. Hoy ny nambaran’ny mpisolo vava iray: “Saiky hatraiza hatraiza, ao anatin’izany koa Rosia sovietika, dia toa mihamafy hatrany ihany ny fanaovana heloka bevava, ary izany dia, indrisy, fa eo amin’ny tanora indrindra f.” Rapaoro toy izao manaraka izao no voaraintsika avy amin’ny firenena tsirairay avy:
“Misy onjan-keloka bevava amam-pikomiana manafotra an’i Etazonia amin’izao fotoana izao (...) Ao amin’ny tanàna maro dia tsy sahy mivoaboaka intsony ny vehivavy raha vao latsaka ny alina. Ary marina ny azy. Tena mihamatetika izao no misy fisavihana sy fandratrana ary fanaovana an-keriny tsy amin’antony akory na noho ny hasomparana sy fitiavan-kampijaly fotsiny. Matetika dia toa habibiana tsotra izao fotsiny no nahatonga hanao heloka bevava. (...) Mihena ny fanajana ny lalàna sy ny filaminana g.”
13. a) Araka ny Lioka 21:25, 26, inona koa moa ireo zavatra hafa mampiavaka ny “andro farany” nambaran’i Jesosy mialoha? b) Ahoana moa no ihariharian’ny fahatanterahan’izany faminaniana izany eo amin’ny vaovao amin’izao androntsika izao?
13 Ho anisan’ny toetra hafa koa hampiavaka ny “andro farany”, dia nolazain’i Jesosy fa hisy fikorontanana lehibe sy fahoriana eo amin’ny firenena sy ny mpitondra azy. Hoy ny faminaniany hoe: “Etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra (...), ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.” (Lioka 21:25, 26). Miseho ny fahatanterahan’izany faminaniana izany eo amin’ireo vaovao amin’izao androntsika izao. Toy izao no fanazavana omen’ny revio iray mpilaza zavatra vao niseho:
“Moa va izao tontolo izao mbola be tabataba noho ny talohan’ny Ady Lehibe Faharoa? Izany dia izany tokoa.
“Tokony ho eo amin’ny iray isam-bolana eo ho eo, amin’ny ara-keviny, no ahitana fifamelezana arahim-poa-basy. Raha tsy isaina ny tena ady tokoa toy ny tany Korea sy ny any Vietinama, dia hita, araka ny fanisana fa hatramin’izay nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa izay, dia naherin’ny 300 ireo fanonganam-panjakana amam-pisandoham-piandrianana sy fikomiana sy fivadihana ary fanoherana ny mpitondra, niseho hatramin’ny faran’ny tany iray ka hatramin’ny farany koa h.”
Ary tsy maintsy mbola anampy an’izany koa ny tahotry ny olona sao ringan’ny fiadiana noklehera izay ananan’ny firenena sasany tahiry miavosa. Tsy nisalasala akory ny mpanoratra sasin-teny amin’ny boky iray nanizingizina hoe: “Raha ny marina, ny fihetseham-po manjaka amintsika indrindra ankehitriny dia ny tahotra i.” Araka ny naminanian’i Jesosy azy dia miaina ao anatin’ny horohoro ny olona, ary ao anatin’ny fitebitebena ireo firenena.
14. Mikasika ny taona 1914, inona moa no asehon’ny porofo rehetra?
14 Hita maso avokoa ny porofo nolazaina mialoha rehetra mba hamantarana ny “andro farany” ary mampiseho tsara fa hatramin’ny 1914, dia tena miaina ao amin’ny “andro farany” tokoa isika. Koa dia tamin’io taona io àry izany no nandraisan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ny fahefana! — Apokalypsy 11:17, 18.
15. Amin’ny ahoana moa no iavahan’ny taranaka misy antsika amin’ny hafa rehetra?
15 Marina tokoa aloha fa efa nisy taranaka hafa noho izao misy antsika izao, nahita fotoana nanaovana an-keriny sy nanjakan’ny faharatsiam-pitondrantena, ary vavolombelona nanaporofo izany ny teo amin’ny fiafaran’ny Empira romana. Nefa tsy mbola nisy fotoana mihitsy teo amin’ny tantaran’olombelona indray nahitana tao anatin’ny taranaka iray monja, an’ireo toe-javatra rehetra nambaran’i Jesosy, ao amin’ny firenena rehetra eto an-tany. Ankehitriny isika dia miaina eo amin’ny “andro farany”, farany, tsy ho an’ny empira ara-politika iray ihany fa ho an’ny fandehan-javatra ratsy manontolo eo ambany fahefan’i Satana koa.
1914 — TAONA VOAMARIKA
16. Moa ve mba efa fantatry ny mpianatra ny Baiboly sasany mialoha fa hisy fiovan-javatra lehibe amin’ny taona 1914?
16 Efa an-taonany maro mialoha ny mpianatra ny Baiboly sasany no nahatsikaritra fa tsy maintsy ho taona fanapahan-javatra ny taona 1914. Ny fandaharan-taonan’ny Baiboly dia efa nanambara mialoha an’io taona io j, ary nahalala izany ireo izay nanao fandinihina lalina ny Tenin’Andriamanitra. Niandry zavatra lehibe hiseho izy ireo, ary dia nanamarina tokoa ny zava-nitranga fa tena voamarika ny taona 1914.
17. Inona moa no nambaran’ny mpanao tantara sasany mikasika ny taona 1914?
17 Misy olon-kafa koa, izay mahalala tsara ny raharaha eo amin’izao tontolo izao, manaiky fa taona voamarika ny taona 1914. Nisy gazety iray any Londres nanambara fa ny Ady Lehibe Voalohany dia “nampitsimbadika ambony ambany ny fitantanana ara-politika an’izao tontolo izao. Tsy misy na inona na inona intsony mety hitovy amin’izany. (...) Hisy angamba mpanoratra tantara amin’ny taon-jato manaraka, ho tonga amin’ny fara-hevitra fa ny 4 aogositra 1914 no andro nahalasa adala an’izao tontolo izao” k. Mikasika ny fiovana lalina nentin’ny taona 1914, ny mpanoratra tantara atao hoe H. R. Trevor-Roper dia nanoratra toy izao:
“Ahitan-javatra tokoa ny fampitahana ny Ady Lehibe Voalohany amin’ny Faharoa. (...) Ny voalohany dia nanamarika fiovana lehibe lavitra teo amin’ny tantara noho ny faharoa. Izy io no namarana fotoam-piadanana amin’ny ankapobeny naharitra elabe ka nanokatra fotoana vaovao anjakan’ny fanaovana an-keriny izay fizarana iray monja teo aminy ny ady faharoa. Nanomboka tamin’ny 1914, dia naka endrika vaovao izao tontolo izao: dia ny fanjakan’ibaroa iraisam-pirenena. (...) Nanamarika fiolahana teo amin’ny tantara amin’ny andro ankehitriny ny Ady Lehibe Voalohany l.”
18. Milazà fanambarana hafa koa mikasika ny maha-lehibe ny taona 1914.
18 Nisy koa filoha ara-politika nilaza ny heviny nikasika ny taona 1914. Ny “chancelier” Adenauer, teo aloha, mpanao fanjakana any Alemaina Andrefana, dia niteny ny amin’ny andro “talohan’ny 1914, izay nahitana teto ambonin’ity tany ity, fiadanana ary filaminana tokoa, — fotoana tsy mba nahalalalantsika izany hoe tahotra”. Dia hoy ny nanampiny hoe: “Nanjavona teo amin’ny fiainan’ny olombelona ny tsy fiahiahiana sy ny filaminana nanomboka tamin’ny 1914. Ary ny fandriampahalemana? Nanomboka tamin’ny 1914, ny Alemana dia tsy mba nahita mihitsy ny tena fandriam-pahalemana ary toy izany koa ny ankapoben’ny taranak’olombelona a.” Mariho kely koa ny nambaran’ilay boky mitondra ny anarana hoe 1914 (anglisy): “Tamin’ny 1914 dia nifarana izao tontolo izao araka ny nahafantarana sy nanekena azy. Io daty io no nanamarika ny taon-jato faha-20 mihoatra lavitra noho izay taona hafa rehetra taloha na taoriany. (...) Tsy misy na inona na inona mihitsy mety ho tahaka ny teo aloha b.”
19. Inona moa no nahatonga izao fandehan-javatra ratsy izao hanao zavatra amin-kadalana nanomboka tamin’ny 1914?
19 Fantatr’i Satana Devoly sy ireo demoniany fa tsy misy afa-tsy “kely sisa ny androny” alohan’ny hamongorana azy (Apokalypsy 12:12). Na dia fony Jesosy mbola teto an-tany aza dia efa fantatr’izy ireo fa ho tonga ny andro hamongorana azy. Tamin’izany fotoana izany izy dia efa nanao an-ditra, ary amin’izao fotoana izao izay ahafantarany fa tsy misy firy intsony ny fotoana tavela ho azy dia vao mainka izy manao an-ditra sy masiaka lavitra noho ny teo aloha (Lioka 8:27-33). Tapa-kevitra izy ny hanetsika izay tabataba be indrindra azony atao mba hampiodina ny sain’olombelona tsy hitodika ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no antony ihetsehan’izao fandehan-javatra ratsy izao amin-kadalana araka izao ahitana azy izao, nanomboka tamin’ny 1914. Izao fandehan-javatra ratsy izao dia azo ampitahaina amin’ny tandrimon-jaza izay mirepirepy alohan’ny hijanonany sy hianjerany.
20. a) Nahoana moa no tsy tokony hampanary toky antsika ny tarehin-javatra eto amin’izao tontolo izao? b) Araka ny faminanian’i Jesosy, inona moa no hafatra tsy maintsy ambaran’ny mpianany amin’izao androntsika izao? Manao izany ve izy ireo?
20 Moa ve hampanary toky antsika izany tarehin-javatra izany? Nanambara Jesosy fa ireo mpianany dia hanana antony tokony hanandratana ny lohany. Inona izany? Voalohany aloha, dia azony ny hevitry ny zava-miseho. Aminy, ireo dia porofo fa akaiky ny fanavotana azy (Lioka 21:28)! Fanampin’izany koa, dia tsy hazoniny ho an’ny tenany fotsiny izany vaovao mameno hafaliana izany fa ambarany amin’ny tany manontolo fa efa manomboka ny fiandrianany ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny faminanian’i Jesosy manao hoe: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN ] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14). Izany koa dia anisan’ilay “famantarana”. Na any Amerika Avaratra na any Amerika Atsimo, na any Eoropa, na atsy Afrika sy any Azia, na any amin’ireo nosin-dranomasina, ny vavolombelon’i Jehovah dia tsy mitsahatra mitory amin-jotom-po izany hafatra maika izany. Afaka hahita azy hianao, hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa, na any amin’ireo tanàn-dehibe, na ao amin’ireo vohitra kely. Tsy azo lavina fa tanteraka koa io ilany amin’ilay “famantarana” io!
21. a) Hazavao marina izay nitranga tamin’ny 1914. b) Inona avy moa no fahasoavana ho azon’ny olombelona rehefa ho voavaly ilay vavaka hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao”?
21 Tsy misy hiadian-kevitra fa tena manondro tokoa ny taona 1914 ho ny taona nanombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra nanapaka, ny zava-mitranga, ary io zava-niseho io dia nisy vokany koa teto an-tany. Tamin’io taona io ihany koa no nanomboka ny “andro farany” ho an’izao “fandehan-javatra ratsy ankehitriny” izao. (Galatiana 1:4, MN ). Tsy ho ela izao dia ho voavaly ilay vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, ary io fanapahana io dia haneho ny heriny lehibe amin’ny fandringanana ny fandehan-javatra ratsy iray manontolon’i Satana. Amin’izay dia ny Fanjakan’Andriamanitra no ho hany fanapahana hitondra ny tany mandrakizay doria. (Daniela 2:44). Rehefa mby eo an-tanany avokoa ny fitarihana ny raharaha rehetra amin’ny tany, dia io fanapahana io no handrotsaka fitahiana be dia be eo amin’ny olombelona mankatò: dia ny fiadanana sy ny fahasambarana ary ny fiainana. Amim-boninahitra tokoa no hahavoavaly an’ilay vavaka angatahana ‘ny sitrapon’Andriamanitra mba hatao etỳ an-tany, toy ny any an-danitra koa’ satria ilay Fanjakan’Andriamanitra dia ho efa tonga mba hanjaka mandrakizay. Ary hevero kely ange: hianao izao koa mba mety hahazo ny fiainana mandrakizay eo ambanin’ny fiandrianana maneho fitiavana, amin’io Fanjakana io! — Matio 6:9, 10, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a World War I, nosoratan’i H. W. Baldwin, 1962, pejy 1 sy 2.
b The World Book Encyclopedia, 1966, boky XX, pejy faha-377.
c The World Book Encyclopedia, 1966, boky XX, pejy faha-379, 380, 410.
d Look, 11 jona 1946.
e Famine — 1975!, nosoratan’i W. & P. Paddock, 1967, pejy faha-52, 55, 61.
f U.S. News & World Report, 1 novambra 1965, pejy faha-80.
g Io ihany, 1 aogositra 1966, pejy faha-46, 47.
h U.S. News & World Report, 27 novambra 1967, pejy faha-62.
i Io ihany, 11 oktobra 1965, pejy faha-144.
j Raha mila fanazavana bebe kokoa dia, jereo ilay boky hoe: “Nianjera Babylona Lehibe!” Efa nanomboka ny fiandrianany ny Fanjakan’Andriamanitra! (anglisy), pejy faha-174-181, na Eo amin’ny paradisa very ka hatreo amin’ny paradisa azo indray, pejy faha-173.
k Evening Star any Londres nakan’ny Times-Picayune any Nouvelle-Orléans tamin’ny 5 aogositra 1960 teny.
l New York Times Magazine, 1 aogositra 1954, pejy faha-9.
a Cleveland West Parker, tamin’ny 20 janoary 1966, pejy voalohany.
b 1914, nosoratan’i J. Cameron, 1959, pejy V sy VI.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 85]
Nambaran’i Jesosy an’ireo mpianany ny porofo hita maso fa hanatrika tsy ho hita maso, manana ny fahefana hanjaka izy.