Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny antony hahamalina anao raha mandinika ny fivavahanao

Ny antony hahamalina anao raha mandinika ny fivavahanao

Toko Faha-2

Ny antony hahamalina anao raha mandinika ny fivavahanao

1. a) Koa satria Andriamanitra handrava tsy ho ela an’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, inona moa ny fanontaniana mikasika ny fanompoam-pivavahantsika, tokony hapetratsika? b) Raha ta-hanaraka ny lalana ankasitrahan’Andriamanitra isika, boky inona moa no tokony hovakintsika?

 MISY antony tokoa tokony hiheverantsika tsara ny toerana tanantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Fa nahoana? Satria Andriamanitra — manaporofo izany ny zava-mitranga — dia handringana tsy ho ela ny ratsy fanahy ary hanorina ny fandehan-javatra vaovao sady marina. Koa izao indrindra àry ny fotoana tokony hametrahana ity fanontaniana ity: “Moa ve ny tenako manaraka ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra?” Andriamanitra, fa tsy ny olona akory, no manapaka ny amin’izay fanompoam-pivavahana ankasitrahana eo anatrehany. Nefa, mba hahalalana ny hevitr’Andriamanitra, dia tsy maintsy vakina ny Baiboly. Ao amin’io boky io no anehoany amintsika ny lalana tsy maintsy arahintsika raha ta-hahazo ny fiainana mandrakizay isika (Ohabolana 3:1, 2). Raha ataontsika tafalatsaka ao am-pontsika ny Teniny sady ampiharintsika eo amin’ny fiainantsika, dia hahazo fitahiana kanto isika, dieny izao sy ho mandrakizay.

2. Ahoana moa ny teny ao amin’ny Baiboly mampiseho fa tsy àry ankasitrahan’Andriamanitra avokoa akory ny fivavahana rehetra?

2 Fa inona moa no hasehon’ny fandinihana ny Baiboly amintsika? Moa ve ho fantatsika amin’izany fa ireo olona an-jato tapitrisany maro izay manaraka fivavahana samy hafa dia samy hafa, dia samy ankasitrahan’Andriamanitra daholo? Moa ve izy io manambara fa samy tsara daholo ny fivavahana rehetra? Mba hampahafantarana antsika ny heviny mikasika izany, dia nampanoratra izao filazana tsy misy isalasalana izao Andriamanitra, ao amin’ny Teniny: “Lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” (Matio 7:13, 14). Izany ka valiny mazava tsara amin’ny fanontaniantsika! Asehony fa sesehena ny olona izay manaraka fanompoam-pivavahana tsy ankasitrahan’Andriamanitra ary vitsy dia vitsy ny isan’ireo izay mandeha amin’ny lalan’ny fiainana.

3. Moa ve misy zavatra sasantsasany atao amin’ny anaran’ny fivavahana, tsy ankasitrahanao?

3 Angamba tsy nanaitra anao akory ny namaky fa maro ny fivavahana tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa ny tenanao aza dia tsy mankasitraka loatra zavatra be dia be natao tamin’ny anaran’ny fivavahana. Raha ohatra izao amin’ny fiangonana, misy olona hitanao fa manana fitondrantena maloto kanefa mody manao ny fahamarinana, dia tsikaritrao tsara fa misy zavatra tsy dia mahitsy loatra ao (II Timoty 3:4, 5). Ary rehefa mamaky ao amin’ny gazetinao hianao fa misy mpitondra fivavahana mankasitraka ampahibemaso ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana, na ny hafa koa milaza fa arakaraka ny fotoana miseho dia azo atao ny sodomia (lehilahy mandry amin’ny lehilahy), dia tsy maintsy azonao an-tsaina ihany fa Andriamanitra akory tsy mitovy hevitra amin’izany. Tadidinao angamba fa noravan’Andriamanitra ireo tanànan’i Sodoma sy Gomora fahizay. Noho ny antony inona? Noho ny nanaovany zavatra toy izany indrindra! Koa fantatrao àry fa tsy azon’Andriamanitra atao ny hankasitraka fivavahana izay mahatanty ny hanaovan’ny mpanaraka azy ny fanao toy ireo. — Joda 7.

4. a) Araka ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Jaona 4:23, afa-tsy ny fiainana madio ara-pitondrantena, inona koa moa no tsy maintsy anisan’ny fivavahantsika? b) Nahoana moa no ilaina ny handinihantsika an’ireo fampianarana izay nampianarina antsika?

4 Angamba hianao tsy maintsy efa nahare olona niteny hoe: “Tsy mampaninona akory izay inoanao fa ny ilaina dia ny ho madio fiaina sy ny hanasoa ny mpiara-belona amin’ny tena.” Nefa moa ve izany ampy mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra? Marina fa zavatra tsy maintsy atao ireo, kanefa dia mbola mihoatra lavitra noho ireo no angatahin’Andriamanitra amintsika. Misy fampianarana sasantsasany tsy maintsy inoantsika. Mampahafantatra antsika ny Baiboly fa “ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy (esprit) sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23.) Mba haneken’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika dia tsy maintsy miorina mafy amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra izany. Notsinin’i Jesosy ireo izay nilaza fa nanompo an’Andriamanitra, nefa nankasitraka ny lovan-tsofin’olombelona mihoatra noho ny Tenin’Andriamanitra. Nampihariny tamin’izy ireo ny tenin’ny Mpamorona hita ao amin’Isaia 29:13, ka hoy izy hoe: “Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.” (Matio 15:9). Koa satria tsy tiantsika ho tsy misy antony ny fanompoam-pivavahana ataontsika dia tsara ny handinihan’ny tsirairay avy amintsika ny fivavahany.

5. Nahoana no tsara ny hamakafakana, tsy ny finoantsika manokana fotsiny, fa ny fampianaran’ny Fiangonana izay mety hisy antsika koa?

5 Tsy maintsy fakafakaintsika, tsy ny finoantsika manokana fotsiny, fa ny fampianaran’ny Fiangonana mety hisy antsika koa. Moa ve ireo fampianarany mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra, sa kosa lovan-tsofin’ny olombelona no iorenany? Raha sakaizan’ny fahamarinana isika, dia tsy tokony hatahotra ny handinika toy izany ny fivavahantsika. Ny faniriana tsy mihatsaravelatsihy ao amintsika tsirairay avy dia tokony ho ny hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra mikasika ny tenantsika, ary ny hanatanteraka izany. — Jaona 8:32.

6. a) Moa ve ny famakiana ny Baiboly eny ambony polipitra manaporofo fa miorina amin’io Boky io ny fampianaran’ny Fiangonana iray? b) Nahoana moa ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra no tsy maintsy mifanaraka amin’ny Baiboly amin’ny lafiny rehetra?

6 Ny fananan’ireo mpiangona ao amin’ny Fiangonana iray ny Baiboly na ny famakiana aminy indraindray andalan-teny avy ao anatiny eny ambony polipitra dia tsy manaporofo akory fa miorina amin’ny Baiboly ny fampianaran’io Fiangonana io rehetra. Marina fa tsara ny ananan’ny olona tsirairay avy Baiboly, nefa ilaina koa ny hahalalana sy hinoana ny ao anatiny. Raha manaiky tokoa ny maha-tenin’Andriamanitra ny Baiboly ny fivavahana iray dia tsy handray ny faritra sasany izay tiany fotsiny ary dia handa ny sisa. “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso.” (II Timoty 3:16). Hita amin’izany àry fa ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny Baiboly amin’ny lafiny rehetra.

7. Araka ny filazan’ny apostoly Paoly, moa ve Andriamanitra mankasitraka fivavahana iray satria fotsiny hoe tso-po ireo mpiangona ao aminy?

7 Ny olona izay ta-hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia tsy maintsy tso-po. Nefa Andriamanitra akory tsy mankasitraka fivavahana iray satria fotsiny hoe tso-po ireo mpiangona ao aminy. Izao no nampanoratin’ny fanahin’Andriamanitra an’i Paoly apostoly mikasika ny Jiosy sasany tamin’ny androny: “Vavolombelon’ireny aho fa mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.” (Romana 10:2, 3). Diso fiantefa àry ny fahatsoram-pon’izy ireny. Lalan-dratsy no nitodihany mba hahazoana fampianarana. Izy ireo dia mbola nifikitra ihany tamin’ny fandehan-javatra ara-pivavahana jiosy izay nandà ny Zanak’Andriamanitra, ka noho izany dia nolavin’Andriamanitra ihany koa. — Asan’ny Apostoly 2:36, 40; Ohabolana 14:12.

8. Ahoana moa no teny nanehoan’i Jesosy fa tsy ary ankasitrahan’Andriamanitra avokoa akory ny fivavahana rehetra izay milaza tena ho kristiana?

8 Fa ahoana kosa ny amin’ireo fivavahana izay nandray ny anaran’i Kristy ka milaza fa manaiky azy ho Tompony? Moa va ny fitoriany amin’ny anarany manome antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra izy? Raha araka ireo teny ao amin’ny Baiboly efa voalaza tetsy ambony, dia angamba hianao hamaly hoe tsia. Raha izany no izy dia mitovy hevitra amin’i Jesosy Kristy hianao, dia izy izay natsangan’Andriamanitra ho Mpitsara any an-danitra; izao tokoa mantsy ny fampitandremana antsika nataon’i Kristy: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? (...) Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.” — Matio 7:21-23.

9. Afa-tsy ny fahalalana ny Baiboly, inona koa moa no ilaina mba hanarahana fivavahana ankasitrahana eo imason’Andriamanitra?

9 Zavatra tsy maintsy ananana mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fahalalana ny Baiboly sy ny sitrapon’Andriamanitra. Nefa, toy ny nanasoritan’i Jesosy azy, ny tena zava-dehibe dia ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy. Tsy maintsy misy asa atao mifanaraka amin’ireo zavatra nianarana (Jakoba 2:26). Hita amin’izany fa izay ta-hahazo sitraka amin’Andriamanitra dia tsy maintsy manaraka fivavahana iray mifanaraka tanteraka amin’ny Baiboly, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. — Lioka 6:46-49.

10. Vokatra manao ahoana moa no tokony ho entin’ny fivavahana marina eo amin’ny fiainan’ireo izay manaraka azy?

10 Araka ny filazan’i Jesosy, dia ny “voany”, izany hoe ny asany, no ahitana raha manaraka ny fivavahana marina ny olona iray na tsia (Matio 7:20). Toy izany koa, fa arakaraka ny karazan’olona avoakany no ahafantarana izay maha-tsara na maha-ratsy ny fivavahana iray. Ny fivavahana marina dia tokony hanova ny olona hihatsara, — hamokatra lehilahy sy ray tsaratsara kokoa ary vehivavy sy reny tsaratsara kokoa. Izy io dia tokony hamokatra olona marina izay miavaka amin’ny sasany noho ny fitondrantenany tsara. Moa ve tsy izany no tokony hantenaina ho hita amin’ny fivavahana iray manao azy ho mampifanatona ny olona amin’ny Mpamorona? Ny tenan’Andriamanitra aza manantena ny toe-javatra ho toy izany, ary izany no filamatra itsarany ny fivavahana iray.

11. Ny fomba fihetsiky ny Beriana taloha nanao ahoana moa no tokony hotahafintsika?

11 Azo antoka fa tsy tianao ny ho anisan’ireo izay tsy ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra noho izy tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Noho izany no hahazoanao fahasoavana avy amin’ny fahalalana tsara ny Baiboly. Ity boky ity dia nosoratana mba hanampiana anao amin’izany. Manahafa an’ireo Beriana taloha izay nahazo teny fankasitrahana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra noho izy ireo nandray “ny teny tamin’ny zotom-po indrindra (...) ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia”. — Asan’ny Apostoly 17:11.

12. a) Amin’ny fomba ahoana moa no mety hisedrana ny fitiavantsika an’Andriamanitra, dia fisedrana mety ho avy amin’ny havana aman-tsakaizantsika aza? b) Iza moa no tokony hilantsika sitraka?

12 Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra hianao, dia hianaranao fa hosedraina ny fitiavanao an’Andriamanitra. Hisy olona, ary na dia eo amin’ireo havanao aman-tsakaizanao akaiky indrindra aza, tsy hankasitraka ny fianaranao ny Soratra Masina (I Petera 4:4; Matio 10:36, 37). Mety hanandrana hitaona anao tsy hianatra izy, angamba amin’ny fahatsorana tanteraka no hanaovany izany satria tsy fantany ireo fahamarinana kanto voasoratra ao amin’ny Baiboly. Raha izany no izy dia angamba ho afaka hanampy azy ireny hianao. Mety ho avy amin’olona tsy tia an’Andriamanitra koa no hihavian’ny fanoherana. Raha izany no miseho dia aza hadinoina fa mbola ambony lavitra noho ny an’ny olona ny fankasitrahan’Andriamanitra. Andriamanitra, fa tsy olombelona akory, no hanome anao ny fiainana mandrakizay, raha tia azy ambonin’ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra hianao. — Matio 22:37-39.

13. Raha ta-hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika dia ahoana moa no ho fivavatsika?

13 Katsaho hatrany ny fanampiana sy ny fitarihan’Andriamanitra. Aza mitsahatra mivavaka toy ny mpanao Salamo manao hoe: “Jehovah ô, henoy ny fivavako, (...). Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro.” (Salamo 143:1, 10). Raha maniry amim-pahatsorana hahalala sy hanaraka ny fivavahana mahazo sitraka aminy hianao, dia hohenoiny ny vavaka ataonao, ary dia hampahafantariny anao ireo izay tena mivavaka tokoa “amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. — Jaona 4:23; jereo koa Matio 7:7, 8.

[Fanontaniana]