Ny antony hisian’ny “ondry vitsy” mankany an-danitra
Toko Faha-9
Ny antony hisian’ny “ondry vitsy” mankany an-danitra
1. a) Tamin’ny fandalovany teto an-tany, inona moa no nambaran’i Jesosy an’ireo mpianany mikasika ny fiainana any an-danitra? b) Nahoana moa no misy olona marobe manantena ny hankany an-danitra?
RAHA mbola teo anilan’ireo mpianany teto an-tany, Jesosy Kristy dia niresaka taminy ny amin’ny fiainana any an-danitra. Nampahafantatra an’ireo izy fa handeha hanomana toerana ho azy ireo, ary avy eo dia izy ireo no ho tonga hanotrona azy ka ho eo anilany (Jaona 14:1-3). An-tapitrisany maro ny olona namelona fanantenana ny hiaina any an-danitra. Ho an’ireo dia ny fiainana toy izany no fanafahana azy amin’ny fanahiana eo amin’ny fiainana ankehitriny. Mba fantatrao ve anefa ny antony nahatonga an’Andriamanitra hanapa-kevitra fa hisy olombelona hankany an-danitra? Fantatrao ve izay asa iantsoana azy hataony any?
2. a) Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra, ary aiza moa no misy azy io? b) Noho izany, rehefa nilaza Jesosy fa hisy “ondry vitsy” handova “ny fanjakana”, inona no tiany holazaina?
2 Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia matetika no nitenenan’i Jesosy ny amin’ny “fanjakan’Andriamanitra”. Nampianariny ireo mpianany mba hivavaka ny hahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany, amin’ny alalan’io Fanjakana io. Amin’izany, ny tany dia ho tonga fonenana paradisa ho an’ny fianakavian’olombelona. Fa ilay Fanjakana kosa, izany hoe ny fanapahana hitondra azy, dia ilay hampiorenin’Andriamanitra any an-danitra, ka noho izany no niantsoan’i Jesosy azy matetika hoe ny “fanjakan’ny lanitra”. (Matio 5:20; 6:9, 10.) Izany no manampy antsika hahazo ny tiany holazaina rehefa nanambara izy hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32). Eny, Andriamanitra dia manome tombontsoa manokana an’ireo “ondry vitsy” mba ho anisan’ny fanapahana any an-danitra izay hanjaka eo amin’ny olombelona rehetra.
3. Araka ny Apokalypsy 20:6, inona moa no hataon’ireo olona izay hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra?
3 Hoy ny vakintsika ao amin’ny Apokalypsy 20:6, mikasika an’ireo olona hatsangana ho amin’ny fiainana any an-danitra: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” Jesosy Kristy no Mpanjaka sady Mpisoronabe lehibe ary ireo olo-mahatoky notsongaina teo amin’ny mponin’ny tany ireo dia hiara-manompo eo anilany. — Apokalypsy 5:9, 10.
4. Nahoana moa Andriamanitra no nanapa-kevitra ny hifidy an’ireo ho anisan’ny Fanjakana any an-danitra, eo amin’ny mponina amin’ny tany?
4 Nahoana moa no avy amin’ny mponina amin’ny tany no nifidianana azy ireo mba hitana izany raharaha izany? Tetỳ an-tany mantsy no nolavina ny zon’i Jehovah hanapaka. Tetỳ no azo nisedrana ny fahatokian’ny olombelona teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanoheran’ny Devoly. Ary mbola tetỳ ambonin’ny tany ihany no nanaporofoan’i Jesosy tanteraka ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra tao anatin’ny fitsapana, sady nanolorany ny ainy ho avotra ho an’ny olombelona. Izany no antony nanapahan’i Jehovah hevitra fa hifidy “ondry vitsy” eo amin’ny mponina amin’ny tany mba hampiarahiny amin’ilay Zanani-lahy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Izy ireo dia lehilahy sy vehivavy izay mino tanteraka ny fomba famonjena nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy. Amin’ny fitondrantenany, izy ireo dia manaporofo fa nandainga ny Devoly fony izy sahy nilaza fa noho ny filan-javatra no anompoan’ny olona an’Andriamanitra. Ny fikasana mahagagan’i Jehovah dia ny hampiasa an’ireo olona ireo mba hanome voninahitra ny tenany. — Efesiana 1:9-12.
5. a) Nahoana moa Andriamanitra no maneho fitiavana raha manome an’ireo raharaha ireo iandraiketan’izay mahalala ny zava-manahirana iombonan’ny olombelona rehetra? b) Inona avy moa no fitahiana ho azon’ny mponina amin’ny tany rehefa hampiharin’ireo mpisorona any an-danitra aminy ny soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy?
5 Noho izy ireo mpanjaka sady mpisorona eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, ireo dia hanatanteraka avy any an-danitra ny sitrapon’i Jehovah mikasika ny olombelona. Moa va tsy hahafinaritra indrindra ny ho velona eo ambany fanapahana iray izay ny mpitondra ao aminy dia ho efa nanaporofo ny fahatokiany eo anatrehan’Andriamanitra (Apokalypsy 20:4)? Nampiseho fitiavana tokoa, lahy, Andriamanitra raha olona efa nahalala an’ireo zava-manahirana iombonan’ny olombelona rehetra no notendreny ho amin’izany raharaha izany! Tahaka an’i Kristy, izy ireo dia azo antoka fa hahatakatra ny fihevitr’ireo vahoakany (Hebreo 2:17, 18). Ireo mpisorona any an-danitra ireo dia hampihatra ny fahasoavana azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy eo amin’ny mponina amin’ny tany izay hositraniny ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana, mandra-pahatrarany ny fahatanterahana. Fitahiana re izany! — Apokalypsay 21:2-4.
OLONA FIRY MOA NO MANKANY AN-DANITRA?
6. Olona firy moa no anisan’ny “ondry vitsy”?
6 Vitsy ihany ireo olona antsoin’Andriamanitra mba handray anjara amin’izany fanompoana any an-danitra izany. Araka ny nilazan’i Jesosy azy dia “ondry vitsy” ihany izy ireo. An-taonany maro taorian’ny niakarany indray tany an-danitra no nampahafantaran’i Jesosy ny tena isan’ireo voantso ireo, tao amin’ny fahitana iray nomeny ny apostoly Jaona izay nanoratra hoe: “Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, (...) izay navotana niala tamin’ny tany.” (Apokalypsy 14:1, 3). Hita tokoa fa ny “Zanak’ondry” izay lazaina eto dia Jesosy Kristy; ary raha ny amin’io “tendrombohitra Ziona” io kosa, izy io dia tsy mba etỳ an-tany fa any an-danitra izay misy an’i Jesosy. (Jaona 1:29; Hebreo 12:22). Hita amin’izany àry fa ireo 144 000 dia olombelona izay maty etỳ an-tany nefa, tahaka an’i Jesosy, dia atsangana ho zava-boahary ara-panahy ho amin’ny fiainana any an-danitra (Romana 6:5). Raha oharina amin’ireo mponina an-arivo tapitrisany maro eto an-tany, izy ireo dia “ondry vitsy” tokoa.
7. a) Moa ve ireo 144 000 ihany no hahazo ny famonjena? b) Inona moa no teny niantsoan’i Jesosy an’ireo izay ho velona ambonin’ny tany?
7 Tsy ireo anisan’ny “ondry vitsy” izay mankany an-danitra irery ihany anefa no ho olombelona handray ny famonjena. Toy ny efa nahitantsika azy, dia hisy vahoakany ho velona amim-pahasambarana eto an-tany. “Ondry hafa” no niantsoan’i Jesosy azy ireo ka efa misy sahady “olona betsaka” manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana. — Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9, 15.
NY FOMBA AHAFANTARAN’NY TSIRAIRAY AVY RAHA ANISAN’NY “ONDRY VITSY” IZY
8. Ahoana moa no ahafantaran’ny olona iray na nandray ny antso ho amin’ny fiainana any an-danitra izy na tsia?
8 Ireo anisan’ny “ondry vitsy” dia mahafantatra fa nantsoin’Andriamanitra ho amin’ny fiainana any an-danitra izy. Fa amin’ny fomba ahoana no ahalalany izany? Noho ny asan’ny fanahin’Andriamanitra izay mampitsiry ka manolokolo ao aminy ny fanantenana ny fiainana any an-danitra. Ny apostoly Paoly izay anisan’ny “ondry vitsy”, dia nanoratra hoe: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” (Romana 8:16, 17). Manova tanteraka ny fanirian’ilay voantso ny asan’ny fanahin’Andriamanitra; manomboka eo, ny fisainany sy ny vavaka ataony dia tsy mitodika afa-tsy amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fahatanterahan’ny fanantenany ho any an-danitra. Aminy, dia mbola ambony lavitra noho izay rehetra mety hamatotra azy eto an-tany ny fiaraha-miaina amin’i Kristy any an-danitra.
9. Mba hahafahan’ny tsirairay avy mamantatra ny toerana misy azy mikasika ny fiainana any an-danitra, inona aloha no ilaina?
9 Angamba hianao efa nieritreritra ny amin’izany zavatra izany ka nanontany tena raha mba ho anisan’ireo izay handray ny fiainana any an-danitra ny tenanao. Alohan’ny hahafahan’ny olona iray mamantatra tsara ny toerana misy azy amin’io lafiny io dia tsara aloha ny hahalalany ny fampianaran’ny Baiboly mikasika izany. Fa nahoana? Ny antony dia satria ny fanahy masin’Andriamanitra izay manao fanambarana amin’ilay kristiana handray anjara amin’ny voninahitra any an-danitra, dia iray ihany amin’ilay fanahy izay nitarika ny fanoratana ny Baiboly. Raha mby ao an-tsaina tsara izany hevitra izany, dia aoka hodinihintsika ny tarehin-javatra.
10. a) Inona moa no finoana mety ho nahatonga ny olona sasany hanantena ny hankany an-danitra? b) Inona moa ny fahamarinana ampianarin’ny Baiboly tsy fantatr’ireo izay mihevitra fa mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy rehetra?
10 Taloha, moa ve hianao nino fa ny tsara fanahy rehetra dia samy mankany an-danitra daholo? Raha izany, ka niezaka niaina araka ny fahamarinana hianao dia azo inoana fa nihevitra ny hankany koa hianao. Angamba koa hianao nanantena ho tafaray amin’ireo olo-malalanao efa nodimandry, amin’izany fomba izany. Nefa, rehefa niaina araka izany fanantenana izany hianao, moa ve fantatrao fa araka ny Baiboly dia tsy nisy nankany an-danitra na Davida mpanjaka na Jaona Mpanao-batisa na ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky hafa koa (Asan’ny Apostoly 2:29, 34; Matio 11:11)? Moa ve fantatrao fa olom-boafidy 144 000 monja, notsongaina tamin’ny olombelona nandritra ireo taon-jato sivy ambin’ny folo lasa, no hahazo ny fiainana any an-danitra? Ary moa ve fantatrao tamin’izany fotoana izany fa ny Baiboly dia manome ho an’ireo olon-kafa rehetra maniry hanompo amim-pahatokiana an’Andriamanitra, ny fanantenana hiaina mandrakizay ao anatin’ny toe-javatra feno fahamarinana, etỳ ambonin’ny tany? — Salamo 37:10, 11, 29.
11. Noho ny amin’ny fampianaran-diso inona mikasika ny fanahy moa no mahatonga olona marobe hanantena ny hankany an-danitra?
11 Fony hianao nihevitra ny hankany an-danitra, moa ve hianao nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy? Raha izany no izy dia tsy ho nahagaga tokoa ny nanantenanao ny handehanan’ny fanahinao any an-danitra. Nefa, raha nanana izany fanantenana izany hianao, dia tsy noho ny fanahin’Andriamanitra izay ho nanao fanambarana taminao akory. Araka ny fantatrao kosa izao, ny Teny azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia manizingizina fa ny fanahin’olombelona dia mety maty sy tsy misy intsony. Hita amin’izany àry fa ireo izay maty dia tsy maintsy miankina amin’Andriamanitra izay mety hanangana azy amin’ny maty ao amin’izay tiany hananganana azy. — Ezekiela 18:4; I Korintiana 15:35-38.
12. a) Iza moa no mifidy an’ireo izay hahazo ny fiainana any an-danitra? b) Amin’izao androntsika izao, ho amin’ny fanantenana inona indrindra moa no tena itarihan’Andriamanitra ny olombelona?
12 Amin’izany zavatra izany dia tsy maintsy mitady ny fitarihan’ny Soratra Masina isika ary manao izay tsy hamelana ny fihetseham-po amam-pinoana tsy araka ny Baiboly nananantsika taloha, hampikorontana ny saintsika. Tsy ny tenan’ireo izay hahazo ny fiainana any an-danitra akory no ho nifidy an’izany fiafarana izany; Andriamanitra no nifidy azy ireo (II Tesaloniana 2:13, 14). Voantso izy ireo handao ny havana aman-tsakaizany mbamin’ny zavatra rehetra eto amin’ny tany, mba handraisany kosa ny tombontsoa ho mpanjaka sy mpisorona lefitr’i Kristy izay ho anisan’ny ‘ampakariny’. (Apokalypsy 21:2.) Izany no fanantenana apetrak’Andriamanitra eo anatrehany, ary dia isaoran’ireo azy indrindra izany. Nefa tsy hoe tsy maintsy ho anisan’io antokon’olona hankany an-danitra io akory vao ho afaka amin’ny fanahiana amin’ny fiainana ankehitriny. Tian’Andriamanitra koa ireo “ondry hafa” ananany eto an-tany. Mampanantena an’ireo izy fa hanova ny tany ho paradisa tsy hisy fanaintainana sy alahelo intsony. Ny toe-javatra miseho dia manamarina fa ho amin’io fanantenana ny hiaina eto an-tany io indrindra no nitarihan’Andriamanitra ny olombelona nandritra ireo taona faramparany teo.
13. a) Iza moa no rariny raha mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy? b) Afa-tsy ireo, iza koa moa no manatrika an’io fanasana io?
13 Isan-taona anefa, isaky ny mitsingerina ny andro nahafatesan’i Kristy, ireo anisan’ny “ondry vitsy” izay mbola eto an-tany dia mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Mifanaraka amin’ny toromarika nomen’i Jesosy, izy ireo dia mandray anjara amin’ny mofo tsy misy masirasira (lalivay) sy amin’ny divay mena, izany hoe amin’ireo marika manambara ny nofo sy ny ran’i Jesosy izay nomeny ho an’ny taranak’olombelona. Nolazain’i Jesosy tamin’ireo izay nasainy nandray anjara tamin’ireo marika famantarana, fa nanao ‘fanekena ho an’ny fanjakana’ tamin’ireo izy; noho izany, ireo izay tsy mpandova ilay Fanjakana any an-danitra dia tsy mba mandray anjara amin’ireo marika famantarana (Lioka 22:19, 20, 29). Na dia izany aza anefa, ireo izay manantena ny hiaina eto an-tany dia tonga maro mba hanatrika ny fanasan’ny Tompo, toy ny mpitazana, isan-taona. Koa satria fanirianao amin’ny fonao tokoa ny hiaina eo ambanin’ilay Fanjakana any an-danitra, hianao koa dia tokony hanatrika an’io.
NY FIVERENAN’I KRISTY
14. Inona moa no fampanantenana nomen’i Jesosy mikasika ny fiverenany?
14 Ny hariva talohan’ny hahafatesany, Jesosy Kristy dia nampanantena ny iraika ambin’ny folo izay nahatoky, anisan’ny “ondry vitsy”, fa hiverina indray, ka hoy izy taminy: “Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko; ka izay hitoerako no hitoeranareo koa.” — Jaona 14:2, 3.
15. a) Inona moa no lazaina ao amin’ny Apokalypsy 1:7 mikasika ny fiverenan’i Kristy, ary moa ve tokony horaisina ara-bakiteny io andinin-teny io? b) Nahoana moa no fantatsika fa, amin’ny ankapobeny, ny olombelona dia tsy natao hahita an’i Kristy, amin’ny fiverenany?
15 Moa ve izany ho fiverenana ara-nofo ka ho hita maso? Hisy amin’ny mpamaky angamba hanonona ny Apokalypsy 1:7 izay ahitana ny teny voasoratra hoe: “Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy.” Moa ve io andinin-teny io milaza fa ho hitan’ny olona rehetra ara-bakiteny tokoa amin’ny mason’ny nofo izy? Ny Baiboly dia mampiasa ny matoanteny hoe mahita, tsy hilazana ny fahitana araka ny nofo fotsiny, fa amin’ny heviny hoe, mahazo hevi-javatra na mahalala tsara koa. Na toy inona na toy inona filazan’ireo Fariseo hoe: “Mahiratra izahay”, Jesosy dia nampiharihary ny naha-jamba azy, dia jamba ara-panahy (Jaona 9:39-41; Isaia 43:8). Koa ny fahitana ara-panahy àry izany no lazain’ny Apokalypsy 1:7. “Ny maso rehetra” dia tsy maintsy “hahita” azy amin’ny heviny hoe: na dia tsy mety mino aza ny olona amin’izao fotoana izao dia ho fantany ihany ny miseho aminy rehefa hamely ny ratsy fanahy Kristy, satria ho efa nampahafantarina mialoha izy ireo. Fa raha Jesosy dia tsy ho hita maso izy akory amin’ny fiverenany. Ny tenany mihitsy no nanamafy ny amin’izany tamin’izao teny izao: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo.” (Jaona 14:19). Ny olombelona, amin’ny ankapobeny, dia tsy natao hahita azy intsony satria izy dia hiverina hiakatra any an-danitra. Fa ireo anisan’ny “ondry vitsy” kosa dia hahita an’i Kristy satria hampiakariny hiaraka aminy any an-danitra izy ireo.
16. Noho izany, inona no hevitry ny fiverenan’i Kristy?
16 Raha fintinina, ny fiverenan’i Kristy dia tsy ho fiverenana amin’ny maha-olombelona eto an-tany. Lazaina fa miverina izy satria mandray ny fahefan’ny mpanjaka ho an’ny tany sy manangana an’ireo izay anisan’ny ‘ondry vitsiny’ ary manome azy ireo ny valisoany ho any an-danitra. Any, izy ireo dia manana ny anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra mampiseho fitiavana, izay tanteraka amin’ny alalan’ny Fanjakany. Fa raha ny amin’ny tenanao kosa, hianao izao dia velona amin’ny fotoana mety hahazoanao ny fitahiana izay hirotsaka avy amin’io Fanjakana na fanapahana io. — Apokalypsy 11:15-18.
[Fanontaniana]