Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny antony mahatonga antsika hiharan’ny fahanterana sy ny fahafatesana

Ny antony mahatonga antsika hiharan’ny fahanterana sy ny fahafatesana

Toko Faha-4

Ny antony mahatonga antsika hiharan’ny fahanterana sy ny fahafatesana

1. a) Rehefa mety ho olona salama saina moa dia maniry inona mikasika ny fiainana sy ny fahasalamana? b) Noho ny aretina sy ny fahafatesana manjaka hatraiza hatraiza, inona avy moa no fanontaniana mipetraka ny amin’ny fikasan’Andriamanitra mikasika ny olombelona?

 REHEFA mety ho olona salama saina dia maniry fiainana sy fahasalamana. Isika dia mitady ny mba hanamaivanana ny fanaintainana mahazo antsika vokatry ny aretina sady maniry ny tsy ho tratry ny fihaosan’ny vatana vokatry ny fahanterana. Ny fanaintainan’ireo olo-malalantsika dia manjary tsapantsika koa aza. Izany no mahatonga ny sasany hanontany tena hoe: “Dia izany tokoa ve no fikasan’Andriamanitra? Fony Andriamanitra namorona ny olona, moa ve tiany ny hahatonga azy ho antitra sy marenina na jamba ary hiketrona ny hodiny ka hihasimba ny fony sy ny momba ny tenany hafa koa? Raha tsorina, moa ve ny olona nataon’Andriamanitra ho faty?”

2. a) Moa ve Andriamanitra nahary ny olona nisy tsininy? b) Inona moa no navelatr’Andriamanitra teo anoloan’i Adama sy Eva?

2 Tsia, Jehovah akory tsy namorona ny olona mba hahita fiafaram-piainana feno fahoriana toy izany. Mampahafantatra antsika ny Baiboly fa Jehovah dia nitso-drano ny olombelona mpivady voalohany ary dia namponina azy tao amin’ny paradisa iray. Rehefa nandinika izay rehetra noforoniny Andriamanitra, dia hitany fa “tsara indrindra” ireo, ary marina tokoa izany. (Genesisy 1:28, 31.) Adama sy Eva àry izany dia noharina ho tanteraka ka tsy nisy tsininy na teo amin’ny ara-tsaina na teo amin’ny ara-batana (Deoteronomia 32:4; Ohabolana 10:22). Nivelatra teo anatrehany ny fahafahana ho velona mandrakizay.

3. Inona moa no nambaran’ny manam-pahaizana sasantsasany mikasika ny fahelavelon’ny olombelona?

3 Tsara homarihina fa araka ny filazan’ny manam-pahaizana, ny tenan’olombelona dia mihavao tsy an-kijanona. Araka ny hevitr’ireo, raha tanteraka aminy daholo izay ilainy rehetra, dia afaka ho velona tsy misy farany mihitsy izy. Ny Dr Linus Pauling izay nahazo ny loka Nobel dia nanazava fa ny nofo amin’ny tenan’ny olombelona dia misolo avy hatrany, ary araka ny fiheverany, izany fifandimbiasan-javatra izany dia tokony tsy hisy fahataperany mihitsy. Hoy ny fanamarihana nataon’ilay “biochimiste” atao hoe William Beck: “Tsy hitako mihitsy ny antony araka ny natiora tsy hahafahana hisoroka ny fahafatesana.” Nefa na dia toy izany aza ny toeny, dia mbola mihantitra ka maty hatrany ihany ny olona. Fa nahoana? Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, no manome ny valiny.

VOKATRY NY TSY FANKATOAVANA

4. Mba hanasoritana ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana, inona moa no fitsapana nataon’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva?

4 Rehefa noharìn’i Jehovah Adama sy Eva tetỳ an-tany dia tonga anisan’ny fianakaviambeny izay efa nisy zava-boahary ara-panahy maro dia maro tany an-danitra. Andriamanitra izay nanome azy ny fahavelomana no Rain’ireo mpivady voalohany. Nisy fepetra anefa tamin’izany fanomezana izany; Adama sy Eva dia ho nanana azy hatrany ihany raha nankatò tamim-pitiavana an’ilay Rainy tany an-danitra. Mba haharetan’ny fiadanana sy ny filaminana dia tsy maintsy arahina ny lalàna, ka izany no tsy maintsy nanekeny an’Andriamanitra ho Tompom-piandrianana avo indrindra. Moa ve izy ireo nahalala izany zavatra tsy maintsy narahiny izany? Izany tokoa satria Jehovah nampihatra fitsapana taminy, izay namaritra tsara ny ilàna ny fankatoavana. Hoy izy tamin’i Adama: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” — Genesisy 2:16, 17.

5. a) Moa ve izany fisedrana ny fankatoavan’i Adama sy Eva izany nanery azy mivady hihafy mafy? b) Nahoana moa no tsy nety ho ny firaisana ara-nofo amin’ny lahy sy ny vavy ilay “voankazo voarara”?

5 Tsy sarotra akory io fitsapana ny fankatoavan’i Adama sy Eva io. Tsy hoe tsy nanana sakafo nilainy na notsapaina mihoatra noho izay zakany akory izy. Nefa dia ho ny fankatoavany no hanehoany fa zavatra tsy tiany hafoy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra (I Jaona 5:3). Misy olona mihevitra fa ny firaisana ara-nofo amin’ny lahy sy ny vavy no ilay “voankazo voarara”, nefa tsy izany velively akory no izy satria talohan’izay Andriamanitra no nilaza taminy hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” (Genesisy 1:28). Raha nandidy azy tsy hihinana ny voan’ny hazo iray Andriamanitra dia nifidy fotsiny ny iray tamin’ireo hazo fihinam-boa marobe tao Edena, mba hisedrana ny fankatoavan’ireo mpivady voalohany.

6. a) Inona moa no antony niantsoan’Andriamanitra an’io hazo io hoe: “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”? b) Amin’ny fihinanana an’io voankazo io, inona moa no faharatsiana hataon’i Adama sy Eva eo anatrehan’ilay Rainy any an-danitra?

6 Inona no antony niantsoana an’io hazo io hoe “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”? Noho ny didin’Andriamanitra, ny voany dia tonga fanoharana ny fahefan’Andriamanitra hanapaka izay ho “tsara” sy izay ho “ratsy” ho an’ny zava-boahariny. Raha nihinana tamin’io voankazo io Adama sy Eva, dia hasehony amin’izany ny fiodinany amin’ilay Rainy tany an-danitra sy ny fandavany ny fitarihany sy ny sitrapony tanteraka. Na dia tsotra aza io fitsipika io, dia be dia be kosa ny zavatra voafaoka tao anatiny. Izy io dia nikasika ny fiankinan’ny olombelona amin’ilay Mpamorona azy ary ny fanekeny ny fahefan’Andriamanitra. Aoka tsy hohadinointsika fa ampiharin’i Jesosy amin’ny olombelona tsy tonga lafatra izao fitsipika izao: “Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” (Lioka 16:10). Koa vao mainka àry nihatra koa tamin’olona voahary tanteraka izany!

7. a) Inona moa no nambaran’ny zava-boahary tsy hita maso iray tamin’i Eva, nikasika ny voan’io hazo io, raha niteny tamin’ny alalan’ny menarana izy? b) Inona moa no nataon’i Eva tamin’izay, ary inona no nataon-dralehilahy raha vao nahare izany?

7 Fa inona àry no nahatonga an’i Eva hihinana tamin’io voankazo io ka handika ny lalàn’Andriamanitra? Tsy tonga ho azy tao aminy akory ny fisainana hanao izany, fa izany dia avy tamin’ny zava-boahary ara-panahy iray niteny tamin’ny alalan’ny menarana iray. Izany no antony niantsoana koa hoe “menarana ela” an’io voahary ara-panahy io, izay asehon’ny Baiboly fa Satana Devoly. (Apokalypsy 12:9.) Tamin’ny alalan’ny menarana, io zava-boahary tsy hita maso io dia nampandainga an-karihary ilay didin’Andriamanitra izay naverin’i Eva. Nilaza io fanahy (esprit) io fa raha mihinana amin’ny voan’ilay hazo Eva, dia ho tonga sahala amin’Andriamanitra izy ka hahay hanapaka samy irery izay ho “tsara” sy izay ho “ratsy”. Tamin’i Eva, io voankazo io dia nanomboka ho tonga maha-te-hihinana, ary dia nandika ny tenin’Andriamanitra izy ka nihinana taminy. Adama vadiny sady filohany dia nahalala ihany ny nataony, kanefa tamin’izay, dia tsy mba nanameloka azy velively izy fa vao mainka koa aza nanaraka an-dravehivavy tamin’izany lalan-dratsy izany. — Genesisy 3:1-6; Jakoba 1:14, 15; I Korintiana 11:3.

8. a) Noho ny asa fikomiana nataony, nanjary meloka ny amin’inona moa ireo mpivady voalohany? b) Nahoana moa no tsy azo atao ny mihevitra ny halalin’io fahadisoana io araka ny fomba fihevitra manjaka ankehitriny mikasika ny tsy fankatoavana sy ny halatra?

8 Tamin’izany asa fikomiana nataony izany, dia tafalatsaka tao amin’ny ota Adama sy Eva ka nitarika ny famaizana noho ny ota tamin’ny tenany (I Jaona 3:4). Rehefa mihevitra na mety na tsia ny nanaovan’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra nataony, dia tsy tsara ny manao ny fahadisoana handinika ny halalin’ny nataon’i Adama sy Eva araka ny hevitra manjaka ankehitriny. Amin’izao androntsika izao, ny tsy fankatoavana ny ray aman-dreny dia zavatra mahazatra ary matetika no tsy mba mahita famaizana akory. Zavatra fanao matetika koa ny halatra, ary maro ireo izay mihevitra fa tsy misy antony akory ny halatralatra madinika. Zavatra miely dia miely koa amin’izao androntsika izao ny fikomiana sy ny tsy firaharahana ny fahefana. Nefa izany akory tsy manamarina ny fanaovana ireo zavatra ireo! Manana andraikitra be dia be amin’ny fitomboan’ny ditra sy ny heloka bevava izay hitantsika ankehitriny ny ray aman-dreny sy ny fahefana samihafa izay nanao tsirambina ny andraikiny tamin’ireo lafiny ireo. — Ohabolana 13:24; Mpitoriteny 8:11.

9. a) Rehefa jerena ny halalin’ny nataon’i Adama sy Eva, nahoana moa Andriamanitra no voatery nampihatra ny lalàny, noho ny amin’ny tenany sy ny fianakaviany iray manontolo manerana izao rehetra izao? b) Inona moa no famaizana nihatra tamin’ireo mpivady voalohany izay nikomy, noho ny nanotany?

9 Fa raha ny amin’Andriamanitra kosa, dia tsy handeha hamporisika ny faharatsiana izy amin’ny fanaovana tsirambina eo amin’ny fampiharana ny lalàna izay ny tenany ihany no namoaka azy. Tamin’ny tsy fankatoavany, Adama sy Eva dia nanome porofon’ny tsy fananany fitiavana an’Ilay nanome azy tamin’ny fomba mahagaga izay nilainy rehetra. Nangalatra izy mivady satria naka zavatra izay tsy tokony ho azy, araka ny filazan’ny Mpamorona azy. Mbola ratsy noho izany aza fa niandany tanteraka tamin’ilay fahavalon’Andriamanitra izy, ary tamin’ny nataony dia nihevitra an’Andriamanitra ho mpandainga izy ireo. Noho ny amin’ny tenany sy ny fianakaviany iray manontolo manerana izao rehetra izao dia voatery hampihatra ilay lalàna Jehovah. Ary dia nataony izany. Noho ny nanotany an-tsitrapo, dia voaroaka avy tao Edena sy voaheloka ho faty Adama sy Eva. — Genesisy 3:22-24.

10. Amin’ny fomba ahoana moa no azo ampitahana ny vokatry ny fahotana amin’ny milina simba iray, ary nitarika azy ho aiza moa ny fahotan’i Adama sy Eva?

10 Ny vokatry ny fahotana dia azo ampitahaina amin’izay mitranga amin’ny milina iray misy zavatra maro loha, rehefa mifanohitra amin’ny toromarika nomen’ny mpanamboatra azy ny fampiasana azy. Rehefa ela ny ela dia tsy maintsy ho simba izany milina izany ka ho faty. Toy izany koa fa noho ny nandikany ny toromarika nomen’ilay Mpamorona azy dia verin’i Adama sy Eva ny fahalavorariany. Nanomboka nihasimba ny sainy amam-batany, ary tamin’ny farany aza dia nitsahatra tsy nihetsika intsony, izany hoe maty. Izany no vokatry ny tsy fankatoavany sy ny fahaverezan’ny fankasitrahan’Andriamanitra (Genesisy 3:16-19). Rehefa tapiny tsy nisy intsony ny herim-piainana niavosa tao amin’ny tenany lavorary teo aloha, dia maty Adama rehefa nahatratra 930 taona, izany hoe, talohan’ny nahataperan’ny “andro” ara-panoharana nisy arivo taona noferan’Andriamanitra. — Genesisy 5:5; II Petera 3:8.

NY VOKANY TEO AMIN’NY TARANANY

11. Inona moa no teny anazavan’ny Baiboly ny antony mbola mampaharary sy maty ny olona mandraka androany?

11 Koa satria isika velona ankehitriny tsy nisy nandika an’io lalàna nomena tao Edena io, nahoana isika no marary ka maty koa? Izao no antony: Ny taranak’i Adama rehetra dia samy teraka avokoa taorian’ny tsy nankatoavany ary noho izany, dia samy nandova daholo ny fahotana sy ny fahafatesana avy aminy. Araka izany, ny olombelona rehetra dia nandova ny tsy fahatanterahana satria isika rehetra dia avy amin’i Adama sy Eva avokoa. Ao amin’ny bokin’i Joba dia izao no ambaran’ny Baiboly: “Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.” (Joba 14:4). Ary toy izao no vakintsika ao amin’ny Romana 5:12: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana.” Toy ny tsy mety hahazoana fitaovana ary fomba avy ao anaty lasitra misy tsininy no tsy netezan’i Adama tonga lehilahy tsy tanteraka, hanana taranaka tanteraka, tsy misy ota. — Salamo 51:5.

12. Nahoana moa ny vokatra nateraky ny fahotan’i Adama sy Eva no azo ampitahaina amin’ny zavatra mateti-piseho rehefa mitera-jaza ny olona mivelona amin’ny faharatsiam-pitondrantena?

12 Ny vokatra nateraky ny nanotan’i Adama sy Eva tamin’ny taranany dia azo ampitahaina amin’izay mety hiseho rehefa misy olona tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra, miaina ao anatin’ny faharatsiam-pitondrantena ka mitera-jaza. Matetika ny olona toy izany no voan’ny aretina eo amin’ny momba ny tenany amin’ny maha-lahy na maha-vavy napetrak’Andriamanitra tao aminy mba hahafahany hiteraka. Noho ny fahotana nataon’ireo ray aman-dreny “tsy madio” ireo, ny zanany dia mety ho teraka kilemaina ara-batana na ara-tsaina. Ary anefa ireo ray aman-drenintsika voalohany koa dia tonga “tsy madio”, tsy tanteraka ka nety ho azon’aretina, ary tamin’ny farany dia maty. Izy ireo dia tsy afaka namindra tamin’ny taranany zavatra hafa noho izay efa tao aminy rahateo: ny tsy fahatanterahana sy ny fetezan-karary ary ho faty. Izany no mahatonga antsika rehetra hihantitra ka ho faty, ary izany koa no mahamora ery ny hanaovantsika ny ratsy.

13. Misy fahasamihafana ve amin’ny fahotana an-tsitrapo sy ny fahotana tsy nahy, ary raha eny, inona izany fahasamihafana izany?

13 Kanefa dia misy tsy fitoviana lehibe dia lehibe amin’ny fahadisoana natao tsy nahy noho ny fahotana nolovana sy amin’ny fanaovana an-tsitrapo izay fantatra fa ratsy (I Jaona 5:16). Raha misy mibebaka amim-pahatsorana noho ny fahadisoana vitany vokatry ny fahalemeny nolovana dia mahazo manantena hahita famindrampo sy famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy (Ohabolana 28:13). Nefa rehefa fantany ny fitondrantena tsara tokony harahiny dia tsy maintsy mitandrina izy mba tsy hifidy an-tsitrapo ny hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra satria raha manao izany izy dia hahavery ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fiainana. — Deoteronomia 30:15-20; Hebreo 10:26, 27.

14. Inona avy moa no fandaharana nataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana?

14 Soa ihany fa nisy fandaharana maneho fitiavana nataon’i Jehovah mba hanafahana ny olombelona mibebaka amin’ny voka-dratsy ateraky ny fahotana sy ny fahafatesana nolovana. Izany fanafahana mahagaga izany dia ho azo amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Mikasika izany fanavotana izany dia izao no ambaran’ny Baiboly: “Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.” (I Jaona 4:9). Araka izany, rehefa ho tonga ny fotoany, Andriamanitra dia hanafaka tsikelikely ny olombelona, eo ambanin’ny fanjakan’ilay Zanani-lahy, amin’ny tsy fahatanterahana nolovana ka ireo dia tsy hahatsiaro intsony ny vokatry ny fahotan’i Adama. Na dia ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama koa aza dia tsy hahefa na inona na inona intsony amintsika (Apokalypsy 21:3, 4)! Ny tenanao izao koa dia mety ho anisan’ireo izay handray izany fitahiana izany. Amin’ny fomba ahoana? Ny hany ilainao atao dia ny mandray tombontsoa avy amin’ireo fandaharan’i Jehovah ary manaporofo ny fitiavanao azy amin’ny fanarahana ny didiny. — Mpitoriteny 12:13.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 30]

An-tsitrapo no nandikan’i Adama ny lalàn’Andriamanitra