Ny fanapahan-kevitrao hanompo an’Andriamanitra
Toko Faha-21
Ny fanapahan-kevitrao hanompo an’Andriamanitra
1. Inona avy moa no antony tokony hitarika antsika hisaotra sy hidera an’i Jehovah Andriamanitra?
MAROBE ny antony tokony hisaorantsika sy hiderantsika an’i Jehovah Andriamanitra. Noho ny famindrampony, dia efa nomaniny izay ilaina mba hahafahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay. Ny Zanany mihitsy no nomeny mba ho sorom-panavotana hamono ny vokatra mahafaty ateraky ny ota. Efa madiva ho tanteraka izao ny fikasany hahita an’ireo zanany eto an-tany hiaina mandrakizay ao amin’ny fonenana paradisa. Moa ve ny fonao tsy feno fisaorana mitafotafo noho ny nanaovan’Andriamanitra an’ireo fandaharana maneho fitiavana ireo? — Jaona 3:16; I Jaona 4:9-11.
2. a) Raha araka izay efa fantatrao sahady mikasika an’i Jehovah, ahoana moa no tokony ho fihetsikao mikasika azy? b) Raha tena tia tokoa an’i Jehovah isika, inona moa no hataontsika?
2 Marina aloha fa tsy misy amintsika na dia iray aza, mahalala tanteraka an’i Jehovah sy ny lalany. Lehibe loatra izy, hany ka ny olombelona dia hanan-javatra hianarana hatrany ihany mikasika azy (Romana 11:33). Nefa raha araka izay efa fantatrao sahady mikasika azy fotsiny, moa ve tsy efa azonao an-tsaina fa araka ny rariny avokoa izay rehetra ataony, ka mahazo matoky azy tanteraka hianao? Moa ve hianao tsy miaiky fa tena tia tokoa an’ireo zava-boahariny izy, sady feno famindrampo sy fahasoavana, nefa koa tanteraka amin’ny rariny sy ny fahendrena (Salamo 86:5, 10, 15)? Raha izany no fihetseham-ponao mikasika an’i Jehovah, izany dia hitarika anao hanompo azy, ary tsy hisy na inona na inona mihitsy hahasakana anao amin’izany!
3. a) Inona avy moa ireo lalana roa misokatra eo anoloan’ny olona rehetra? b) Lalana inona moa no hitondra ho antsika ny fahasambarana be indrindra?
3 Misy lalana roa misokatra eo anoloan’ny olona rehetra: ilay mitondra amin’ny fahafatesana sy ilay mitondra amin’ny fiainana mandrakizay (Deoteronomia 30:19, 20). Iza amin’ireo àry no hofidinao? Raha manapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah hianao, dia ho azonao antoka fa hahazo fahasambarana faran’izay be indrindra hianao, dieny izao ka ho mandrakizay! Izao tokoa mantsy no nosoratan’ny mpanao salamo iray: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah sady mankasitraka ny didiny indrindra.” — Salamo 112:1.
NY FANOLORAN-TENA SY NY BATISA
4. Raha vao misy olona manapa-kevitra ny hanao tokoa ny sitrapon’Andriamanitra, inona moa no tokony hataony?
4 Raha vao mamporisika anao haniry hanao ny sitrapony ny fitiavanao an’Andriamanitra, dia tokony hanatona azy amin’ny alalan’ny vavaka hianao, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, mba hanambaranao aminy ny fanirianao ho anisan’ny mpanompony ka hanara-dia ny Zanany. Tsara tokoa mantsy ny hanambaranao amin’i Jehovah ny fanirianao ho fananany ka hanao ny sitrapony dieny izao ka ho mandrakizay (Salamo 104:33). Amin’ny fomba toy izany no anolorana tena ho an’Andriamanitra. Ny fanoloran-tena dia raharahan’ny tena irery manokana. Tsy misy na iza na iza mihitsy afaka manapaka izany hevitra izany ho anao.
5. a) Rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah hianao, inona kosa moa no hantenainy fa hataonao? b) Ahoana avy moa no hahazoana fanampiana hanefa ny voadinao?
5 Rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah hanao ny sitrapony hianao, izy kosa manomboka amin’izay fotoana izay dia manantena anao hanatanteraka ny voadinao. Tsy zavatra azo atao ho vazivazy akory izany. Porofoy fa mahay mitana ny teny natao hianao amin’ny fanefana amim-pahatokiana ny voadinao, raha mbola velona koa (Salamo 50:14). Hampiasain’ny Devoly daholo izay fomba rehetra ho azony ampiasaina mba hanerena anao hivadika ny teny nataonao tamin’i Jehovah. Nefa Andriamanitra dia homba anao. Na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, dia ho azonao atao ny hivavaka aminy, ary dia hanohana anao tokoa izy. Fanampin’izany koa, toy ny efa fantatrao rahateo, Andriamanitra dia manana fandaminana eto an-tany, ary ao hianao dia hahita kristiana matotra izay ho faly hamporisika anao sy hanohana anao amim-pitiavana. — I Petera 5:8, 9; 3:12; I Tesaloniana 5:11.
6. Nahoana moa Jesosy no nanatona an’i Jaona Mpanao-batisa tao Jordana, ary inona no hevitra tokony hotsoahina amin’izany?
6 Koa dia zava-dehibe àry izany ny hanaovana fanapahan-kevitra manokana hanompo an’i Jehovah, ka hanambarana izany amin’ny alalan’ny vavaka. Nefa tsy ampy akory izany. Raha ny amin’izany lafiny izany, Jesosy Kristy dia nanome antsika ohatra tokony halain-tahaka. Aza hadinoina fa Jesosy akory tsy nianina fotsiny tamin’ny filazana tamin’ny Rainy fa tonga hanao ny sitrapony izy (Hebreo 10:7). Rehefa nanomboka ny fanompoany tamin’ny naha-mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra azy Jesosy dia avy nanatona an’i Jaona Mpanao-batisa tao Jordana mba hataony batisa tao anaty rano. — Matio 3:13-15.
7. a) Ahoana moa no ampahafantaran’ny Baiboly fa nankasitrahan’Andriamanitra ny batisan’i Jesosy? b) Nahoana moa no tsy ny fanaovana batisa zaza vao teraka no ilay batisa nampanaovin’i Jesosy ny mpianany?
7 Asehon’ny Baiboly fa nankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra ny batisan’i Jesosy. Lazainy mazava fa, tamin’io fotoan-dehibe io, “dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako”. (Lioka 3:21, 22). Koa satria Jesosy no ohatra tokony halaintsika tahaka, ny kristiana nanolo-tena amin’izao androntsika izao dia tsy maintsy atao batisa koa. Hita tokoa fa Jesosy dia nandidy an’ireo mpianany mba hanao mpianatra vaovao avy amin’ny firenena rehetra ka hanao batisa azy ireny. Tsy zaza vao teraka velively no nasainy natao batisa fa olona izay efa tonga mpino ka nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah. — Matio 28:19; Asan’ny Apostoly 8:12.
8. Mba hazavao kely hoe ny hevitry ny batisa kristiana.
8 Inona àry no hevitry ny batisa kristiana? Izy io akory tsy manadio amin’ny fahotana nolovana, satria ny finoana an’i Jesosy Kristy tokana ihany no afaka manadio antsika amin’ny fahotantsika (Efesiana 1:7). Ny batisa dia fampisehoana ampahibemaso manamarina fa ilay atao batisa dia nanolo-tena ara-dalàna ho an’i Jehovah Andriamanitra ary dia mitolo-batana hanao ny sitrapony. Koa tsy hoe, zavatra tsy dia misy antony loatra àry izany ny batisa. Izy io dia fepetra tsy maintsy fenoin’ireo rehetra izay maniry hanara-dia amim-pankatoavana an’i Jesosy Kristy.
9. a) Raha heverina amin’ny fomba nanaovana batisa an’i Jesosy, ahoana koa moa no tsy maintsy anaovana ny batisa kristiana? b) Raha maniry hatao batisa hianao, iza ao amin’ny kongregasiona moa no tokony hatoninao?
9 Ny Baiboly dia manambara fa rehefa vita batisa Jesosy dia “niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay”. Niroboka tao amin’ny ony izy mantsy mba hahafahan’i Jaona handentika azy tanteraka tao anaty rano (Matio 3:16; Jaona 3:23). Koa tsy rano kely nararaka tamin’ny lohany fotsiny àry izany no nanaovana batisa azy. Ny tena batisa marina dia ataon’ny mpanompon’Andriamanitra iray efa nanolo-tena, — lahy tahaka an’i Jaona Mpanao batisa, — izay mandentika tanteraka an’ilay olona ao anaty rano, dia mamoaka azy avy ao, rehefa avy eo. Raha tena tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah tokoa hianao ka maniry hatao batisa, dia ampahalalao ny mpiandraikitra ny kongregasionan’ny vavolombelon’i Jehovah izay ifaneraseranao izany fanirianao izany. Ho faly izy hanampy anao, ary tsy hisy fandoavana na inona na inona amin’ny fanaovana batisa anao.
NY FANOMPOANA KRISTIANA
10. a) Ny toetr’i Jesosy nanao ahoana moa no tokony hotahafin’ny kristiana? b) Fony Jesosy teto an-tany, inona moa no sitrapon’Andriamanitra nikasika azy?
10 Marina fa rehefa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny tena ka natao batisa, dia tsy vita hatreo akory ny fanaovan’ny tena ny sitrapon’Andriamanitra. Vao fanombohana fotsiny izay. Izany dia vao fanombohana fotsiny ny fiainana sambatra natokana hanompoana an’i Jehovah amim-panantenana ny ho velona mandrakizay eo am-panaovana ny sitrapony. Ny kristiana nanolo-tena dia tsy maintsy manahaka hatrany ihany ny toetr’i Jesosy Kristy izay nanao hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Anisan’ny lehibe tamin’ny asa nampanaovin’Andriamanitra tsy maintsy notontosain’i Jesosy tetỳ an-tany ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy koa dia tsy maintsy nametraka ny fanorenan’ny fandaminana iray misy mpitory ho afaka hanohy izany asa izany rehefa maty izy. Izany no sitrapon’Andriamanitra nikasika azy, ary Jesosy dia nanao izany tamim-pahatokiana tokoa. — Lioka 4:43; Jaona 17:4.
11. a) Araka ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 24:14, inona moa no sitrapon’Andriamanitra mikasika ny kristiana amin’izao androntsika izao? b) Nahoana moa no ilaina maika dia maika izany asa izany?
11 Fa inona moa no sitrapon’Andriamanitra mikasika ny kristiana amin’izao androntsika izao? Izy ireo dia tsy maintsy manao asa fitoriana toy ny nataony koa ary ilaina maika dia maika indrindra ny hanaovany izany. Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly dia mampiseho mazava tsara fa isika izao dia miaina eo amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Ary Jesosy dia nanambara mialoha ny hisehoan-javatra tahaka izao amin’ny androntsika: “Hotorina amin’ny tany onenana rehetra ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary rehefa izany dia ho tonga ny farany.” (Matio 24:3, 14, MN ). Izany asa fitoriana izany dia tsy maintsy atao amin’izao fotoana izao satria izay no sitrapon’Andriamanitra. Tokony hanakoako ny fampiomanana ny amin’ny fifaranan’izao fandehan-javatra ratsy ankehitriny izao. Tsy maintsy tarihina ho amin’ny toerana tsy hahatraran’ny loza azy ireo mpandefitra malemy fanahy. Moa àry ve hianao vonon-kandray anjara amin’izany asa izany? — Zefania 2:2, 3; Ohabolana 24:11, 12.
12. a) Ahoana moa no tsy maintsy anaovana ny asa fitoriana? b) Moa ve mihatra amin’ny kristiana rehetra ny baikon’i Jesosy mandidy antsika mba ‘hanao mpianatra’?
12 Jesosy Kristy no nanome antsika ny ohatra tokony halain-tahaka, raha ny amin’ny fomba tsara fanaovana ny fanompoantsika. Izy dia nitory hatraiza hatraiza mihitsy: isan-tanàna, isam-bohitra, isan-trano sy teny an-kalamanjana, — ary tamin’ny vehivavy iray teo am-pantsakana teny an-doharano koa aza (Jaona 4:7, 21-24). Ny tena kristiana amin’ny andro ankehitriny dia tsy maintsy manaraka ny ohatra navelan’i Jesosy. Hohararaotiny izay fotoana rehetra ho azony itoriana. Tsy ny olona akory no handrasany ho tonga hanatona azy; izy no handeha ka hikaroka an’izay rehetra vonon-kihaino. Izao no baiko nomen’i Jesosy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.” (Matio 28:19; jereo koa 10:11-13). Io didy io dia natao ho an’ny kristiana rehetra mihitsy, — na mpikarama, na mpikarakara tokantrano, na kely, na lehibe, — tsy misy hafa amin’ny tamin’ny taon-jato voalohany. — Asan’ny Apostoly 4:13; Romana 16:1.
13. Aiza indrindra moa no tena anaovana ny fitoriana?
13 Ireo kristiana voalohany dia nanaraka ny toromarika nataon’i Jesosy sy ny ohatra napetrany, ary dia niezaka mafy dia mafy mba hitsidika ny olona tany an-tranony (Lioka 8:1; 10:1-6; Asan’ny Apostoly 5:42). Izao no nambaran’ny apostoly Paoly: “Tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano.” (Asan’ny Apostoly 20:20). Mandraka ankehitriny ny kristiana marina dia mbola mampiasa izany fomba izany ihany ho fanatanterahana ny fanompoany.
14. Amin’ny fomba ahoana moa no anampian’Andriamanitra antsika hanefa ny fanompoantsika?
14 Ireo izay mandray anjara amin’izany asa tsy manam-paharoa izany dia tsy amin’ny herin’ny tenany akory no anaovany azy. Jehovah Andriamanitra no manohana azy. Izy dia manome fahaizana sy hery azy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny mba hamitan’ireo ny fanompoany (II Korintiana 3:5, 6; II Timoty 4:17). Amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso, dia maimaimpoana no anomezany fampiofanana sy fanampiana ho an’ireo vavolombelony rehetra. Hianao koa dia afaka mandray soa avy amin’izany fanampiana izany amin’ny fahatongavana ao amin’ny Efitrano Fanjakana falehanao.
15. Rehefa misy olona iray tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra, inona avy moa no fitahiana lehibe raisiny?
15 Rehefa hanapa-kevitra amin’ny fonao rehetra hanompo an’i Jehovah Andriamanitra hianao dia ho be dia be ny fitahiana ho azonao. Hitombo be dia be ny fahasambarana hitanao tamin’ny fahafantarana ny fahamarinana mikasika an’i Jehovah sy ny fikasany raha mizara amin’ny mpiara-belona aminao izay fantatrao hianao. Ho hitanao ny fiovana mahasoa ho entin’ny fahamarinana eo amin’ny fiainany (Asan’ny Apostoly 20:35; Jaona 13:17). Arakaraka ny hampiharanao kokoa ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao no vao mainka hahavoatarika anao kokoa hanatona an’ilay Mpamorona anao. Amin’izany hianao dia hahita tombontsoa avy amin’ny fiarovany maneho fitiavana tsy mbola nisy toy izany (Apokalypsy 7:9-17). Ary fanampin’izany koa, raha maharitra eo amin’ny lalam-pahendrena hianao dia hampifaly ny fon’Andriamanitra mihitsy aza. (Ohabolana 27:11)! Ary farany, dia ho tsapanao ny fifaliana rehefa mandray anjara amin’ny fanatanterahana an’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” — Salamo 144:15.
[Fanontaniana]