Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fivavahana marina dia fomba fiaina

Ny fivavahana marina dia fomba fiaina

Toko Faha-22

Ny fivavahana marina dia fomba fiaina

1. Inona moa no fanantenana mivelatra eo anoloantsika, nefa inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatanteraka ny fanantenantsika?

 MIVELATRA eo anoloanao ny fanantenana ny ho velona mandrakizay eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny tenanao mihitsy no afaka nanamarina fa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no iorenan’izany fanantenana izany mafy. Izany dia ho tanteraka raha toa hianao ka tia an’Andriamanitra tokoa ary manompo azy sady “mandeha amin’ny fahamarinana”. — II Jaona 1-4.

2. Ahoana moa no nanjary niantsoana ny fivavahana marina teo amin’ireo kristiana voalohany? Fa nahoana?

2 Tsy ampy fotsiny hahaforona ny fivavahana marina akory ny fahalalana ny fahamarinana. Ho fanarahana azy, dia tsy ampy fotsiny akory koa aza ny fanambarana ny fahamarinana amin’ny hafa. Tsy maintsy mino ny fahamarinana ny tena ka manao zavatra mifanaraka amin’izany, “mandeha amin’ny fahamarinana” amin’ny fampiharana azy eo amin’ny fiainantsika isan-andro (Jakoba 1:22-25). Nisy asany be dia be tokoa teo amin’ny fiainana andavanandron’ireo kristiana voalohany ny fivavahana marina, hany ka tonga fantatra tamin’ny anarana hoe ny “làlana” sy “ny làlan’ny fahamarinana”. (Asan’ny Apostoly 9:2, Kat; II Petera 2:2.) Izany dia ny “làlana” nosoritan’Andriamanitra ka manoro an’ireo mpivavaka marina ny tokony ho fomba fiainany raha mbola miezaka hanatratra ny loka, dia ny fiainana mandrakizay, izy.

3. Nahoana moa isika no tokony hampihatra ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra amin’izay atao rehetra eo amin’ny fiainantsika?

3 Tsy azontsika ampisarahina amin’ny sisa amin’ny fiainantsika akory ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra. Tokony hampiharintsika eo amin’izay asa rehetra ataontsika kosa ny fahamarinan’ny Teniny. Koa amin’izany, na “mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany”. (I Korintiana 10:31; jereo koa Kolosiana 3:17). Izay rehetra ataontsika dia tokony hifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanome voninahitra an’Andriamanitra. Izany dia hahazoantsika fahasambarana maharitra. Tsy miova araka ny toerana onenantsika na araka ny tarehin-javatra manokana miseho amintsika akory ny fitsipika marina ao amin’ny Teniny. Izy ireo dia marina sy mahitsy hatrany. — Salamo 119:142.

4. Amin’ny fomba ahoana moa no tokony hitafiana ny toetra vaovao?

4 Raha ta-hanaraka tokoa ny fivavahana marina hianao, inona moa no tokony hataonao dieny izao? Tsy maintsy mampifanaraka ny fiainanao rehetra amin’ny lalàn’Andriamanitra hianao. Hoy ny Teniny amintsika: “Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny (...) fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” (Efesiana 4:22-24). Mba hitafiana ny toetra vaovao, dia tsy maintsy ariana ny teny maloto sy misy lainga ka ampiasaina kosa ny fiteny madio sy marina. Tsy maintsy andosirana ny fimamoana sy ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy ka tsy maintsy mahitsy sy mihaja ny fitondran-tena. Ary farany, dia tsy maintsy mamboly tsy fitiavan-tena sy fahalalahan-tanana, fa tsy fitiavan-karena fatratra. — Kolosiana 3:5-10.

5. Moa ve azo atao ny mampiseho ireo toetra tsara toy ny an’Andriamanitra, amin’ny fotoana rehetra? Amin’ny fomba ahoana?

5 Mahafinaritra tokoa lahy ny mampiseho ny fananantsika an’ireo toetra tsara avy amin’Andriamanitra, eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olon-kafa, — na ny havantsika izany, na ny mpiara-miasa amintsika ary na ny sakaizantsika sy ny olon-tsy fantatsika koa aza (Kolosiana 3:12-14, 18-23)! Nefa angamba hianao mihevitra fa tsy maintsy sarotra ny fanaovana ireo fiovana ireo ka mampaharitra azy isan-andro. Aoka anefa hianao tsy hatahotra satria ho vitanao izany, omban’ny fanampiana avy amin’ny fanahin’Andriamanitra. Noho ny fanaovana ny fanompoam-pivavahana marina, hianao dia afaka mamokatra ny vokatra tsara indrindran’ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. — Galatiana 5:19-24.

6. a) Amin’ny fomba ahoana moa no iasan’ny fivavahana marina eo amin’ny fanapahan-kevitra ataontsika? b) Hazavao ny fomba itarihan’ny fivavahana marina ny kristiana eo amin’ny fifidianana ny asa fikaramany sy ny fialam-boliny.

6 Rehefa ho tonga fomba fiainanao ny fivavahana marina, dia izy io no ho mpitari-dalana anao hatrany. Rehefa manao fanapahan-kevitra, na kely na lehibe, hianao dia hianatra hametraka ireto fanontaniana ireto amin’ny tenanao: Inona moa no hankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra? Araka ny fitsipika ao amin’ny Teniny, inona moa no lalana mahitsy sady mampiseho fahendrena (Salamo 119:105; Ohabolana 3:1-6)? Ny kristiana marina, ohatra, dia hitandrina mba tsy hahatonga ny asa fikaramany hisakana azy tsy hanompo an’i Jehovah Andriamanitra na hanery azy hanao zavatra melohin’ny Baiboly (Hebreo 13:5, 18; Isaia 2:3, 4; Apokalypsy 18:4). Ary na dia eo amin’ny fialam-boly aza, dia tokony ho ny Tenin’Andriamanitra ihany koa no hitari-dalana anao mba tsy hifidy afa-tsy izay fanarian-dia madio sy mampandroso (Filipiana 4:8). Ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao, tsy an-kanavaka mihitsy, dia ho voakasiky ny hery mahavonjin’ny fivavahana marina.

NY VALISOA MAHASAMBATRA ENTIN’NY FIARETANA

7. a) Nahoana moa no tsy ho mora hatrany angamba ny handeha mandrakariva eo amin’ny “làlan’ny fahamarinana”? b) Araka ny Hebreo 10:36, inona moa no tokony hataontsika rehefa tojo fanoherana?

7 Nefa, noho ireo faneriterena samihafa ampiharin’izao tontolo izao eo amin’ny tena kristiana, dia tsy mora hatrany akory angamba ny handeha mandrakariva amim-pahatokiana eo amin’ny “làlan’ny fahamarinana”. Jesosy dia efa nampiomana antsika mialoha fa ireo mpivavaka marina dia hankahalaina sy henjehina tahaka azy (Jaona 15:18-20; II Timoty 3:12). Mety hisy toe-javatra hiseho eo amin’ny fiainanao ka hanakana anao tsy hianatra tsy tapaka ny Baiboly na hifanerasera amin’ireo kristiana rahalahinao ao amin’ny fivorian’ny kongregasionanareo. Noho ny fanoherana, ny fitoriana dia mety hanjary sarotra, na mety hampidi-doza mihitsy aza. Inona no hataonao amin’izany? Izao no torohevitra omen’ny Baiboly: “Tokony hanana faharetana [Mila fiaretana, MN ] hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” (Hebreo 10:36). Ny hany zavatra hatao àry amin’izany dia ny haharitra hatrany amin-kerim-po eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, sady hatoky fa hanohana anao izy. — Salamo 55:22; Hebreo 6:11, 12.

8. Nahoana moa isika no ho afaka hifaly raha mahatohitra amim-pahombiazana ny fizahan-toetra ny finoantsika?

8 Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra ho an’ireo kristiana voalohany: “Ry rahalahy, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana [fiaretana, MN ].” (Jakoba 1:2, 3). Mety hahita ny tena fifaliana tokoa mantsy isika raha ohatra mahatohitra ny fizahan-toetra ny finoantsika. Nahoana àry? Satria amin’ny fiaretantsika, isika dia mijoro ho mpiandany amin’ilay Raintsika any an-danitra eo anatrehan’ilay raharaha lehibe tsy maintsy tapahina eo amin’izao rehetra izao iray manontolo. Afa-tsy izany koa, ny Zanak’Andriamanitra dia manome izao fampanantenana izao ho antsika: “Amin’ny faharetanareo [fiaretanareo, MN ] no hahatananareo ny ainareo.” Eny, amin’ny fiaretana no hahazoanao ny fiainana mandrakizay ho valisoa! — Lioka 21:16-19; I Petera 2:21-23; II Tesaloniana 1:4, 5.

9. a) Nahoana moa isika no miaina eo amin’ny fotoana ahitam-pitahiana indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona? b) Inona moa ny fanampoizan-javatra mameno hafaliana mivelatra eo anoloan’izay tsy mahafoy ny lalan’ny fahamarinana?

9 Isika izao dia miaina ao amin’ny fotoana ahitam-pitahiana indrindra eo amin’ny tantaran’olombelona. Tsy ho ela Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany dia hanadio an’izao rehetra izao amin’ireo fahavalon’ilay Fanjakan’Andriamanitra rehetra. Ho toy inona re izany fifaliana, rehefa ho tapitra io ady io, ho an’izay ho afaka hiaina ao anatin’ny fahamarinana ambonin’ny tany zary paradisa afaka amin’ny fanaintainana sy ny fahoriana ary ny fahafatesana! Mahazo matoky tanteraka an’izany fanantenana izany hianao satria “Andriamanitra tsy mahay mandainga”. (Titosy 1:2.) Aoka àry hianao ho velona amin’izany fanampoizan-javatra feno fitahiana izany, ary aza mahafoy mihitsy ny fanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Mahareta eo amin’ny làlan’ny fahamarinana satria “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — I Jaona 2:17.

[Fanontaniana]