Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fomba famantatra ny fivavahana marina

Ny fomba famantatra ny fivavahana marina

Toko Faha-14

Ny fomba famantatra ny fivavahana marina

1. Nahoana moa no sady araka ny rariny, no araka ny Baiboly koa ny filazana fa tsy misy afa-tsy tokana ihany ny fivavahana marina?

 ARAKA ny rariny dia tsy mety hisy fivavahana marina afa-tsy tokana ihany. Toy izany no izy satria ilay Andriamanitra marina dia Andriamanitra “tsy an’ny fikorontanana, fa an’ny fiadanana”. (I Korintiana 14:33, MN.) Afa-tsy izany koa, Jesosy Kristy dia nilaza marina fa ireo izay manaraka io fivavahana io dia tsy maintsy mivavaka “amin’ny fanahy (esprit) sy ny fahamarinana”, ary ny fahamarinana anefa dia tsy hety hifanipaka na oviana na oviana (Jaona 4:23, 24). Fa iza anefa amin’izao androntsika izao no “mpivavaka marina”? Amin’ny fomba ahoana no mety hamantaranao azy ka hahalalanao fa tena ankasitrahan’Andriamanitra tokoa ny fanompoam-pivavahana arahiny?

2. a) Moa ve samy manaraka ny fivavahana marina avokoa izay rehetra milaza tena ho kristiana? b) Inona moa no fitsipika nomen’i Jesosy mba hahafahantsika manavaka ny tena mpanompon’Andriamanitra tokoa amin’ny mpisandoka?

2 Tsy azonao atao ny mamaly amin’ny fiorenana fotsiny amin’ny fihamboan’ny olona na ny fivavahana. Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia nanazava Jesosy fa ho maro no hanao hoe: “Tompoko, Tompoko” sady hilaza ho nahavita zava-mahagaga maro tamin’ny anarany. Nefa dia hamaly azy ireo izy hoe: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko hianareo mpanao meloka.” Tsy ny teny ihany no mety hamitaka fa na dia ny endrika ivelany koa aza. Efa nampiomana antsika Jesosy fa hisy mpaminany sandoka ho avy mitafy toy ny ondry nefa ao anatiny dia ho amboadia mitoha. Nanome fitsipika hahafahantsika manavaka ny tena mpanompon’Andriamanitra sy ny mpisandoka izy. Dia izao izany: “Ny voany no hahafantaranareo azy.” Nasehon’i Kristy tamin’izany fa ny tena maha-mpanompon’Andriamanitra tokoa dia tsy miankina amin’ny fihamboantsika na amin’ny asantsika toa miseho ho tsara akory aza, fa amin’ny tena fanatanterahana tokoa ny sitrapon’ilay Ray any an-danitra. — Matio 7:15-23.

3. Ahoana moa no anehoan’ny apostoly Paoly amintsika fa ilaintsika ny hitandremana?

3 Ny apostoly Paoly izay mpianatra mahatokin’i Jesosy ihany koa dia nanasoritra ny ilàntsika ny hitandrina. Nambarany mialoha fa hisy olona hiseho ho mpanompon’ny fahamarinana, nefa raha ny tena izy dia ho kristiana sandoka fotsiny. Raha amin’ny eo ivelany izy ireo dia ho tsara endrika erỳ, kanefa rehefa tarafina amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, dia ho hita fa mpanompon’ilay fahavalon’Andriamanitra, dia Satana, satria ny asany dia hifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra (II Korintiana 11:13-15). Raha ny kristiana sandoka toy izany no alaintsika tahaka dia tsy hahazo ny fiainana mandrakizay isika.

AOKA AMPIHARINTSIKA NY FITSIPIKA

4. Inona moa no marika ahafantarana tsara indrindra an’ireo mpivavaka marina amin’Andriamanitra?

4 Inona moa no sasany amin’ireo endrika mampiavaka ny tena mpanompon’Andriamanitra? Inona avy moa no voa tsara tokony homeny? Ny Baiboly dia milaza fa “Andriamanitra dia fitiavana”, ka noho izany dia nolazain’i Jesosy marina fa ny marika hahafantarana tsara indrindra an’ireo izay hanompo an’Andriamanitra toy ny nataony dia ny fifankatiavany. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, hoy izy, raha mifankatia.” (I Jaona 4:8; Jaona 13:35). Mba ho tena marika mampiavaka tokoa, izany fitiavana izany dia tsy hety ho sarim-pitiavana atao an-kosotra fotsiny! Izany dia tsy maintsy manamarika lalina ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Izany no tsy maintsy mifehy ny ho fomba fihetsitsika eo anatrehan’ny sasany ao amin’ny ankohonantsika ary koa ny ho fomba fandraisantsika ny olona avy amin’ny firazanana sy firenena hafa noho ny antsika. Ny mpivavaka marina amin’Andriamanitra dia mampiseho fitiavana tokoa, tsy amin’ny teny ihany, fa amin’ny asa koa. Amin’ny fony tokoa no itadiavany hanao izay hahasoa ny hafa. — I Jaona 3:18.

5. Raha ny amin’io marika lehibe indrindra mampiavaka ny fivavahana marina io, manao ahoana moa ireo fivavahana amin’izao androntsika izao sy ny mpiangona ao aminy?

5 Moa ve ireo fivavahana fantatrao, manana an’io marika mampiavaka tsara io? Moa ve izy ireo mampianatra ny mpivavaka ao aminy hanana fitiavana lalina dia lalina, hany ka tsy mihozongozona izy na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza? Inona izao, ohatra, no ataon’ireny fivavahana ireny rehefa zary ady sisa ny fifandraisan’ireo firenena? Ny zava-mitranga dia manamarina fa ny ankamaroany aminy dia nankasitraka hatrany ny handehanan’ireo mpiangona ao aminy handripaka ny mitovy finoana aminy fa hafa firenena, araka ny sitrapon’ireo filoha ara-politika eto amin’izao tontolo izao. Moa ve ataonao fa mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra izany fomba fihetsika izany ka tena mampiseho ny taratry ny fanahin’Andriamanitra tokoa? — I Jaona 3:10-12; Matio 5:44.

6. a) Moa ve mba misy kristiana mbola naneho ihany ny fitiavana kristiana na dia tamin’ny fotoana nisy ady aza? b) Moa ve ny fitiavany mianina fotsiny amin’ny tsy fanaovan-dratsy amin’ny hafa?

6 Soa ihany anefa fa tsy ary nanao toy izany daholo akory ny olona rehetra, araka ny tsy maintsy ho efa fantatrao. Nisy tokoa mantsy kristiana afaka niteny toy ny apostoly Paoly hoe: “Fa na dia velona amin’ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay (...).” (II Korintiana 10:3, 4). Tsy mba velona tamim-pihatsarambelatsihy izy ireo ka nilaza hoe: “Tia an’Andriamanitra aho”, kanefa nankahala ny rahalahiny hafa firenena (I Jaona 4:20, 21). Ireo izay tena ta-hanahaka an’i Jesosy tokoa dia tsy mba mianina fotsiny amin’ny tsy fanaovan-dratsy amin’ny namany; asehony amin’ny fomba maro ny fitiavany. Ahoana izany? Amin’ny fiainana mifanaraka amin’ireo rahalahiny kristiana avy any amin’ny tany hafa sy amin’ny fomba fihetsiny eo anatrehan’ny namany ary amin’ny fiezahana tsy misy filan-javatra ataony mba hanampy ny mpiara-belona aminy hahalala an’Andriamanitra. — Galatiana 6:10.

7. Mahatonga haninona ny Baiboly moa ny fivavahana marina, ary ahoana no nanomezan’ny Zanak’Andriamanitra ohatra tsara halain-tahaka amin’izany lafiny izany?

7 Ny zavatra hafa iray koa manamarika ny fivavahana marina sy ireo izay manaraka azy dia ny fanajana ny Tenin’Andriamanitra. Ny Zanak’Andriamanitra no manome antsika ohatra tsara halain-tahaka amin’izany lafiny izany, satria, tamin’ny fandalovany teto an-tany, dia naneho fanajana lalina indrindra ny Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry izy. Noraisiny ho fahefana tampony indrindra izany. Hatrany hatrany, ireo mpihaino azy dia nasainy nitodika ho amin’ny Tenin’Andriamanitra ka nasainy, hamaky sy hampihatra azy eo amin’ny fiainany (Matio 19:4-6; Lioka 24:44, 45). Noporofoiny tamin’ny fiainana isan-andro isan-andro mifanaraka amin’ireo fitsipika ampianarina ao amin’io Boky io ny halalin’ny fanajany ny Baiboly. Mbola lehibe lavitra taminy noho ny ainy aza ny fanatanterahana ny Tenin’Andriamanitra (Matio 26:53-56). Tsy mba nanazimba velively ny Baiboly Jesosy fa nanameloka kosa an’ireo izay nampianatra zavatra tsy nifanaraka taminy na ireo izay nitady hanafoana azy tamin’ny fampianaran’ny tenany manokana. — Marka 7:9-13.

8. Inona moa no hevitra naposaky ny mpitondra fivavahana sasany mitondra ny anarana hoe kristiana, manaporofo fa izy ireo dia tsy manaraka ny ohatra navelan’ilay Zanak’Andriamanitra sy ny apostoliny?

8 Raha ny amin’izany tokoa moa, ahoana no fihetsik’ireo Fiangonana ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Rehefa misy anisan’ny klerjy milaza na manoratra fa misy andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly, “angano” fotsiny, ka aleony ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiona toy izay ny tantaran’ny famoronana ao amin’ny Baiboly, moa ataonao fa mampitombo ny fanajana ny Tenin’Andriamanitra izy amin’izany? Na rehefa mamaky hianao fa misy mpitondra fivavahana manao ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo ivelan’ny fanambadiana ho tsy ary azo tsinina hatrany akory, ary mihevitra fa ny “homosexualité” (lehilahy mandry amin’ny lehilahy na vehivavy mandry amin’ny vehivavy) dia azo atao hoe mihaja indraindray, moa ve ataonao fa izany no fomba tsara ho famporisihana ny olona handray ny Baiboly ho mpitari-dalana? Hita miharihary tokoa fa tsy mba manaraka ny ohatra napetraky ny Zanak’Andriamanitra sy ny apostoliny ireo filoha ara-pivavahana ireo. — Matio 15:18, 19; Galatiana 5:19-21; Romana 1:24-27.

9. Nahoana moa no tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahan’ny olona maro izay manana ny Baiboly?

9 Moa ve ny voa azo avy amin’ireo mpiangona, maneho fa manaja amin’ny fony tokoa ny Tenin’Andriamanitra ireny “mpivavaka” ireny? Araka ny tsapanao sy hitanao manokana, moa ve ny ankamaroan’ireo olona manatrika fotoam-pivavahana ny alahady, mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly any an-tranony sy eo amin’ny fifandraisany amin’ny olon-kafa rehefa andavanandro? Ny Tenin’Andriamanitra dia mampahafantatra fa misy olona izay, na dia manana ny Baiboly ka mianatra azy aza, dia mandà kosa, amin’ny asany, an’ilay Andriamanitra ihamboany ho fantany. (Titosy 1:16; Jaona 5:39, 40). Tsy mahita fankasitrahana amin’Andriamanitra ny endri-pivavahana arahiny satria tsy mamela ny Teniny hanan-kery tokoa eo amin’ny fiainany izy ireo. — II Timoty 3:5.

10. a) Ahoana moa no ahalalana raha marika mampiavaka olona tsirairay fotsiny na mampiavaka Fiangonana iray manontolo mihitsy ny voa ratsy? b) Raha misy mahita fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly daholo akory ny zavatra inoana ao amin’ny Fiangonany, inona moa no fanapahan-kevitra mavesa-danja tokony hataony?

10 Amin’ny voalohany angamba hianao dia mety hihevitra fa mpitondra fivavahana na “mpiangona” izay manao ny tsy mety tsirairay fotsiny izany. Nefa inona moa no azo heverina amin’izany raha mbola hita fa manohy ny raharahany ihany ilay mpitondra fivavahana manebaka ny Baiboly, na mbola mahazo haja amin’ny sasany ihany ireo “mpiangona” manao ny ratsy? Izao no fotoana tsara hanekena fa ireo voka-dratsy ireo dia marika mampiavaka ny fivavahana namokatra azy. Dia ho hitanao tokoa fa tsy ary mifanaraka amin’ny Baiboly avokoa akory ny zavatra inoan’ireny fivavahana ireny. Raha efa namaky ireo toko teo aloha amin’ity boky ity hianao ka mandinika an’ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly natao ho fanaporofoana, dia azo inoana fa efa hitanao fa izany dia marina raha ny amin’ny fivavahana arahinao. Raha izany no izy, dia tsy maintsy hitady valin’ny zava-manahirana iray lehibe dia lehibe hianao: dia ny hanapa-kevitra, na handray ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na handa azy ka ho tia kosa ny finoana tsy araka ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 17:11). Hita marina tokoa fa anjaranao manokana ny hanao izany fanapahan-kevitra izany. Ampifandanjalanjao tsara anefa ny antony hanekenao na handavanao, satria hiankina amin’izay safidy hataonao ny ho toeranao eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fanantenanao hiaina mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenainy.

11. a) Toy ny nataon’i Jesosy Kristy, ahoana moa no fandraisan’ny fivavahana marina ny anaran’Andriamanitra? b) Koa inona àry izany no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny famonjena?

11 Ny fepetra iray koa tsy maintsy fenoin’ny fivavahana marina dia ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra. Nahoana àry? Fony Jesosy Kristy nampianatra an’ireo mpianany hivavaka dia nasehony azy ireo fa ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra no tokony ho masaka an-tsainy voalohany indrindra. Hoy izy taminy: “Koa amin’izany, mivavaha toy izao hianareo: Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9). Izany dia milaza fa tsy maintsy atao ho masina ny anaran’Andriamanitra ka hoheverina fa masina. Izany tokoa no nataon’i Jesosy. Izy tsy mba nanda ny hanonona ny anaran’ny Rainy; tsy mba nataony ho ambanin-javatra ny maha-zava-dehibe azy io. Tamin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.” (Jaona 17:26). Fantany fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanome voninahitra ny anarany amin’ny tany manontolo ary dia naneho tokoa ny ohatra tsara halain-tahaka Jesosy raha nanao antso avo an’io anarana io sady nanaja azy. (Jaona 12:28; Isaia 12:4, 5). Mampahafantatra antsika koa ny Soratra Masina fa ny tena nanalan’Andriamanitra kongregasiona avy tamin’izao tontolo izao indrindra dia ny mba hanaovana an’ireo izay anisany ho “olona (...) hankalazana ny anarana”. (Asan’ny Apostoly 15:14.) Raha maniry hahazo ny famonjena hianao dia tsy maintsy mahalala koa sy manaja ny anaran’Andriamanitra. — Romana 10:13, 14.

12. a) Moa ve mahafeno an’io fepetra takina amin’ny fivavahana marina io ny ankamaroan’ny Fiangonana? b) Moa ve anefa misy kristiana mitsangan-ko vavolombelon’ny anaran’Andriamanitra?

12 Miatoa kely aloha hianao eto, ka mandiniha an’izao fanontaniana manaraka izao: Ny fivavahana iza moa no malaza indrindra mihoatra noho ny hafa rehetra ho nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra toy ny nataon’i Jesosy? Ny ankamaroan’ireo Fiangonana dia manao izay tsy hampiasana ny anaran’i Jehovah. Marina fa misy amin’izy ireny milaza fa aleony kokoa ny endriny hoe “Iaveh”, kanefa na dia amin’io endriky ny anarana io aza dia tsy mampiasa azy matetika kokoa akory izy ireny! Misy mihitsy aza Baiboly nanesorana tanteraka ny anaran’Andriamanitra. Ohatra ny Baiboly katolikan’i Saci sy Glaire ary ny Bible Segond sy ny Version Synodale fampiasan’ny protestanta ary koa ny Bible du Rabbinat français dia samy tsy ahitana tanteraka mihitsy ny anaran’Andriamanitra na dia efa mila ho impito arivo aza no ahitana azy io ao amin’ny Soratra tany am-boalohany amin’ny fiteny hebreo! Moa àry ve ireo fivavahana izay manafina ny anaran’Andriamanitra, mahafeno ny fepetra tsy maintsy fenoin’ny fivavahana marina voalaza tetsy aloha? Raha ny marina, iza moa no fivavahana mitsangan-ko vavolombelon’ny anaran’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesosy (Apokalypsy 1:5; Isaia 43:10-12)? Raha ohatra hianao miteny foana mikasika an’i Jehovah amin’olona iray, dia hataony ho inona moa hianao? Miharihary avy hatrany ny valiny. Vahoaka tokana ihany no miavaka indrindra amin’ny fanarahana ny ohatra napetrak’i Jesosy raha ny mikasika an’io lafin-javatra io.

13. a) Inona moa no tsy maintsy ambaran’ny mpivavaka marina ho hany fanantenan’ny olombelona? b) Amin’ny fomba ahoana no anaovany azy?

13 Ny mpivavaka marina koa dia tsy maintsy manambara ampahibemaso ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenan’ny olombelona, raha tsy izany izy dia tsy hahazo fankasitrahana amin’i Jehovah Andriamanitra izay nilaza marimarina fa amin’ny alalan’ilay Fanjakana no hanapahany ny tany (Daniela 2:44; 7:13, 14). Nanome ohatra ny amin’izany Jesosy raha nitety tany “nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra”. (Lioka 8:1.) Niaraka tamin’ireo apostoliny izy nitety isam-bohitra sy “isan-trano” (Asan’ny Apostoly 20:20.) Jesosy koa dia efa nilaza mialoha fa, amin’izao “andro farany” izao, “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” dia hotorina amin’ny tany manontolo mba ho vavolombelona. — Matio 24:14, MN.

14. a) Tsy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ireo filoha ara-pivavahana fa inona kosa moa no ankasitrahany sy anaovany fivavahana? b) Iza moa no tonga mandom-baravarana anao mba hiteny ny amin’ilay Fanjakana ho hany fanantenana ho an’ny olombelona?

14 Amin’izao androntsika izao dia mahazatra ny mahare mpitondra fivavahana manao teny fankasitrahana fandaminana ara-politika toy ny Firenena mikambana, ary mivavaka ho azy ireny. Nefa iza moa no mba rentsika mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy? Rehefa misy olona tonga mandom-baravarana anao na mandondona atsy ambadika, ka renao milaza fa ny Fanjakan’Andriamanitra irery ihany no fanantenana ho an’ny olombelona, dia lazainao avy hatrany ho avy amin’ny fivavahana inona moa ilay mpamangy? Ary izany anefa no asa lehibe indrindra tsy maintsy ataon’ireo izay tena manao ny sitrapon’ilay Ray any an-danitra, ho fanahafana an’i Jesosy Zanany. — I Petera 2:21.

15. Araka ny Jakoba 1:27, dia milazà fepetra iray koa tsy maintsy fenoin’ny fivavahana marina.

15 Ny fepetra iray hafa koa tsy maintsy fenoin’ny fivavahana marina dia ny fitoerana ho tafasaraka amin’izao tontolo izao sy ny raharahany. Ao amin’ny Jakoba 1:27, ny Baiboly dia mampahafantatra antsika fa raha ta-hanaraka ny fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra isika dia tsy maintsy “miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao”. Zava-dehibe tokoa izany satria “na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy”. (Jakoba 4:4.) Mba hahafantaranao ny tena maha-zava-dehibe an’izany dia ampy fotsiny ny hitadidianao fa, araka ny Baiboly, ny filohan’izao tontolo izao dia tsy iza fa Satana Devoly, ilay voalohany amin’ny rafin’Andriamanitra. — Jaona 12:31.

16. Araka ny efa voadinikao, moa ve azo lazaina fa tsy “naman’izao tontolo izao” ireo Fiangonana na Eglizy sy ny “mpiangona” ao aminy?

16 Moa ve ny zavatra misy mampiseho fa mahafeno io fepetra io ireo Fiangonana na Eglizy? Moa ve azo lazaina fa tsy anisan’izao tontolo izao ny klerjy sy ny mpiangona ao aminy, dia araka ny tenin’i Jesosy nikasika ny mpianany marina (Jaona 15:19)? Sa kosa izy ireo mitsabaka lalina ao amin’ny raharahan’izao tontolo izao, dia ny fanindrahindram-pirenena sy ny politika ary ny ady lahy ifanaovan’ireo kilasy ao aminy? Tsy ilaina akory ny hanoro anao ny valiny! Iaraha-mahalala tsara ny asan’ireo Fiangonana na Eglizy ary tsy takona aminao izany. Raha misy kosa anefa olona ao amin’ny tanàna misy anao, mihataka amin’izao tontolo izao noho ny finoany ara-pivavahana, dia tsy maintsy efa fantatrao ny fivavahany.

17. a) Firy amin’ireo fepetra ireo moa no tsy maintsy fenoin’ny fivavahana marina? b) Araka ny Baiboly, firy moa ny fivavahana marina?

17 Rehefa voadinitsika àry izao ireo marika mampiavaka ny fivavahana marina araka ny nilazan’Andriamanitra azy mazava ao amin’ny Teniny, inona no fehin-kevitra azo tsoahina avy amin’izany? Ny kendrena akory dia tsy ny hahalalana raha toa mahafeno ny iray na roa amin’ireo fepetra ireo ny fivavahana izao na izao, na hoe koa, misy amin’ireo zavatra inoany, mifanaraka amin’ny Baiboly. Tsia, fa izy rehetra mihitsy amin’ireo fepetra ireo no tsy maintsy fenoin’ny fivavahana marina ary ny fampianarany rehetra dia tsy maintsy mifanaraka tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izay ihany izany fivavahana izany vao tena hahazo tokoa ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Tsy maro akory ny fivavahana mahafeno an’ireo fepetra ireo. Raha ny tena marina, araka ny Baiboly, dia tsy misy afa-tsy “iray ny finoana”. — Efesiana 4:5.

18. a) Raha heverina ny zavatra misy, iza moa amin’izao androntsika izao no mpivavaka marina? Miaiky ny amin’izany ve hianao? b) Ahoana moa ny fomba tsara indrindra hahalalana tsaratsara kokoa ny vavolombelon’i Jehovah?

18 Fa iza loatra àry, amin’izao androntsika izao, no mpivavaka marina? Raha heverina ny zavatra misy iaraha-mahalala na azo fantarin’ny olona rehetra eran’izao tontolo izao, dia tsy misalasala isika mamaly hoe: ny vavolombelona kristian’i Jehovah. Mba hampiaiky anao kokoa ny amin’izany dia ampy fotsiny ny hifandraisanao akaiky kokoa aminy mba hahalalanao azy bebe kokoa. Ny ho tsara indrindra dia ny fanatrehana ireo fivoriana ataony ao amin’ny Efitrano Fanjakana fivorian’ny vavolombelon’i Jehovah. Amin’izany fomba izany no hahafahanao handinika ny fomba fiasan’ny fandaminany ka hahitanao ny fomba fampiharany ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Mampanantena antsika Andriamanitra fa hahazoantsika ny tena fifaliana dieny izao ny fanarahana ny fivavahana marina, ary dia hanokatra ho antsika koa ny làlana mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandaminan-javatra vaovaony. Koa raha izany àry no izy, moa ve tsy mendrika hiezahana tokoa ny fitadiavana hahalala azy (Deoteronomia 30:19, 20)? Manasa anao amim-pitiavana tokoa izahay mba hanao izany. Ary nahoana moa no tsy manomboka manao izany dieny izao?

[Fanontaniana]