Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra

Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra

Toko Faha-17

Ny fomba fivavaka mba hovalian’Andriamanitra

1. Inona moa no lazain’ny Salamo 65:2 mikasika an’Andriamanitra, ary iza no mahazo manatona azy ka mahazo antoka fa ho voavaly ny vavaka ataony?

 HOY ny Baiboly mikasika an’i Jehovah Andriamanitra: “Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.” (Salamo 65:2). Mihaino vavaka tokoa mantsy Andriamanitra, ary eran’izao tontolo izao, ireo olona izay tia ny fahamarinana ka maniry amim-pahatsorana hanao ny sitrapony dia mahazo mampiasa an’io tombontsoa sarobidy io, raha amin’ny fomba tsara no anatonan’ireo azy (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). Tombontsoa mahatalanjona tokoa re izany hoe afaka miresaka amin’ilay Filoha be voninahitr’izao rehetra izao sady mahalala fa mihaino antsika izy! — Salamo 8:2, 4, 5; Isaia 45:22.

2. a) Mikasika ny vavaka, inona moa no fampanantenana omen’ny Baiboly ao amin’ny Filipiana 4:6, 7? b) Nahoana moa no misy mpino misalasala ny amin’ny vavaka?

2 Mba ho famporisihana antsika, ny Tenin’Andriamanitra voasoratra dia ahitana an’izao fampanantenana izao: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7). Misy mpino sasany anefa mety hisalasala ny amin’ny fahamarinan’izany zavatra izany satria marobe tamin’ireo fivavahana nataony no toa tsy nahazoana valiny. Inona kosa àry no antony? Zava-dehibe tokoa ny hahalalana ny valin’izany fanontaniana izany. Ao amin’ny Teniny, Andriamanitra dia mampahafantatra antsika mazava tsara ny sitrapony mikasika ny vavaka.

NY FOMBA FANATONA AN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY ALALAN’NY VAVAKA

3. Iza moa no tokony hivavahantsika, ary nahoana?

3 Ny Baiboly dia milaza fa “izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6.) Mariho ange fa araka io andinin-teny io, isika dia tsy maintsy manatona “an’Andriamanitra”. Noho ny maha-Andriamanitra velona sady marina azy, Jehovah dia mitaky ny hanolorana azy ny vavaka ataontsika fa tsy an’izay olon-kafa. Anisan’ny fanompoam-pivavahantsika ny vavaka, ka noho izany dia tsy misy azo anolorana azy afa-tsy Jehovah Mpamorona (Matio 4:10). Ny Rainy “Izay any an-danitra” no nasain’i Jesosy nivavahan’ireo mpianany. (Matio 6:9.) Tsy ny tenany akory, na Maria reniny tamin’ny naha-olombelona azy, na olon-kafa noho izany, no nasain’i Jesosy nivavahana. Jehovah dia tsitoha sady tapitra ohatra amin’ny fahendrena ary tonga lafatra amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Koa nahoana àry isika no handeha indray hivavaka amin’izay ambany noho izy? Sady manome toky antsika koa ny apostoly Paoly fa “tsy mba lavitra antsika rehetra” akory Andriamanitra, raha amin’ny fomba mety no itadiavantsika azy. — Asan’ny Apostoly 17:27.

4. Raha tiantsika hovalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia amin’ny anaran’iza moa no tokony hanaovantsika azy? Nahoana?

4 Nefa angamba hianao hamaly hoe: “Ahoana àry no hahafahantsika hivavaka amin’Andriamanitra tanteraka sady marina, nefa isika zava-boahary tsy tonga lafatra, teraka tao amin’ny fahotana nolovana?” Jehovah, ilay Andriamanitry ny fitiavana, dia mahalala izany tarehin-javatra izany. Nanome “Solovava” izay miteny ho antsika any an-danitra izy. Izany solovava izany dia “Jesosy Kristy, Ilay Marina”. (I Jaona 2:1, 2.) Jesosy dia nanome ny ainy ho avotra ho an’ny taranak’olombelona. Ankoatr’izany koa, Jehovah dia nanendry azy ho Mpisoronabe sady mitaky ny hanekentsika ny toerana tanan’ny Zanany eo amin’ny fikasany, ka hanaovantsika ny vavaka ataontsika rehetra amin’ny anarany. Izany no antony nilazan’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6). Ary hoy koa ny nanampiny: “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany.” (Jaona 16:23). Noho izany àry, raha tiantsika ho voavaly ny vavaka ataontsika, dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny Zanany, izany hoe amin’ny anaran’i Jesosy, no hivavahantsika amin’i Jehovah Andriamanitra.

NY VAVAKA ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA

5. a) Raha heverina ny tenin’i I Petera 3:12, manao ahoana moa ny tokony ho fiainantsika raha tiantsika ny hihainoan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika? b) Iza moa no tsy mahazo manantena hovalian’Andriamanitra vavaka?

5 Hoy ny vakintsika ao amin’ny I Petera 3:12: “Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” Koa raha tiantsika àry ny hankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, dia tsy maintsy miezaka amin’ny fontsika tokoa isika mba hiaina mifanaraka amin’ireo fitsipika marina ao amin’ny Teniny. Izay mandà ny Tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony dia tsy mety hahazo hanantena ny hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataony rehefa mangataka fanampiana aminy izy eo amin’ny fotoan-tsarotra (Ohabolana 15:29; 28:9). Toy izao, ohatra, no ambaran’Andriamanitra amin’ireo izay tsy manaja ny fahamasinan’ny aina: “Na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo.” (Isaia 1:15). Amin’izao “andro farany” izao, izay fotoana ielezan’ny herisetra sy ny fahalotoam-pitondrantena sy ny tsy fahamarinana ary ny fivavahan-diso mbamin’izao zava-dratsy rehetra izao, ombieny ombieny, dia tsy maintsy mitandrina indrindra isan-andro isan-andro ny fitondrantenantsika isika raha tiantsika ny hihainoan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika. — I Jaona 3:21, 22.

6. a) Araka ny toromarika nomen’i Jesosy, inona moa no tokony ho masaka voalohany ao an-tsaintsika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra? b) Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa tsy tokony hivavaka no an’ny tenantsika irery fotsiny isika? Tokony hivavaka ho an’iza moa isika?

6 Ny zavatra lazaina ao amin’ny vavaka ataontsika koa dia amantarana be dia be na hovalian’Andriamanitra izany na tsia. Jesosy dia nanome vavaka tsara halain-tahaka ho an’ireo mpianany, mba hahafantaran’ireo an’izay karazam-bavaka maha-vonona an’Andriamanitra ny mandray azy (Matio 6:9-13). Io vavaka io dia mampahafantatra fa ny anarana sy ny fikasan’Andriamanitra no tokony ho masaka ao an-tsaintsika voalohany indrindra. Manaraka izany, isika dia mahazo mangataka amin’Andriamanitra koa mba hanome izay ilaintsika ara-nofo, sy hamela ny fahotantsika ary hanafaka antsika amin’ny fakam-panahy sy amin’ilay ratsy. Mariho koa fa Jesosy dia mampianatra antsika hivavaka hoe: “Rainay” ka hangataka aminy izay hanina sahaza “ho anay” ary ny mba hamelany ny “helokay”. Noho izany àry, rehefa mivavaka ny kristiana iray, dia tsy tokony tsy hihevitra afa-tsy ny tenany sy ny zava-manahirana azy manokana ary ny zavatra ilain’ny tenany samy irery fotsiny izy. Tokony hampiseho tsy fitiavan-tena izy ka hivavaka ho an’ny olon-kafa koa. Hivavaka izy, tsy ho an’ny ankohonany irery ihany, fa koa, ho an’ny kristiana hafa izay mitady ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary indrindra fa ho an’ireo izay iharam-pitsapana sady mahita fahasahiranana eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. — Jakoba 5:16; Efesiana 6:18-20.

7. a) Inona moa no iray amin’ireo antony tsy ahitana valiny amin’ny vavaka be dia be? b) Raha tiantsika ny hahavoavaly ny vavaka ataontsika, inona moa no tsy maintsy ataontsika aloha?

7 Hoy ny nosoratan’ny apostoly Jaona: “Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.” (I Jaona 5:14). Eny, ny lafiny tsirairay avy amin’ny fiainan’ny kristiana dia samy azo anaovam-bavaka daholo. Zava-dehibe anefa ny hifanarahan’izay angatahiny amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Io mantsy no iray amin’ireo antony lehibe tsy ahitana valiny amin’ny vavaka be dia be atao. Izy ireny dia ataon’olona izay tsy mba niezaka akory hahalala ny sitrapon’Andriamanitra aloha (Ohabolana 3:5-7). Koa tsy mety kokoa àry ve, tsy ny manapaka izay tiantsika atao na ananana ka mivavaka amin’Andriamanitra mba hanome izany antsika, fa ny mitady kosa hahalala izay sitrapony mikasika ny tenantsika aloha, ka avy eo vao mivavaka araka izany? — Jakoba 4:3, 13-15.

8. a) Amin’ny fomba ahoana moa no mety hahalalantsika ny sitrapon’Andriamanitra? b) Moa ve Andriamanitra hanome antsika tokoa ny fahendrena ilaina mba hifidianana izay ho fitsipi-pitondrantena harahintsika?

8 Amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny zavatra hitantsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra miaraka amin’ny tena kristiana hafa no hahatakarantsika ny sitrapony (Romana 12:2). Hoy ny vavaka nataon’ny Salamo iray: “Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho. Ampandehano amin’ny làlan’ny didinao aho; fa izany no sitrako. Amporisiho ny foko ho amin’ny teni-vavolombelonao, fa tsy ho amin’ny fieremana [fahazoana tombony, AC].” (Salamo 119:34-36). Raha mivavaka amim-pinoana amin’Andriamanitra isika, dia homeny antsika amim-pahalalahan-tanana tokoa ny fahendrena ilaina mba hahitana fanafodin’ny zava-manahirana antsika eo amin’ny fiainana (Jakoba 1:5-8). Izy dia hanampy antsika hahafantatra izay tokony hatao mba hanajana ny anarany lehibe, ary izany dia hitondra fahasambarana ho antsika. — Salamo 84:11, 12.

NY FOMBA FIVAVAKA TSARA

9. a) Moa ve ilaina, rehefa mivavaka, ny hanana toe-batana iray manokana? b) Araka ny tenin’i Jesosy, ahoana moa no fomba tokony hivavahantsika? d) Ny vavaka manao ahoana moa no nohelohin’i Jesosy?

9 Moa ve Andriamanitra mandidy antsika tsy maintsy hanana toe-batana iray efa voafaritra tsara na hiditra ao amin’ny trano ara-pivavahana iray vao ho afaka hivavaka aminy? Tsy izany, hoy ny avalin’ny Teniny (Nehemia 8:6; Daniela 6:10; Marka 11:25; Jaona 11:41). Jesosy anefa dia nampiseho fa tsara ny hivavahantsika manokana ao amin’ny efitranontsika (Matio 6:6). Marina aloha fa ny tenan’i Jesosy dia efa nivavaka ankalamanjana, nefa dia nohelohiny mafy dia mafy ireo izay nivavaka mba ho hitan’ny olona fotsiny ka hampiharihary ny “fahamasinany”. Nambarany koa fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra akory ireo izay mamerimberina teny mitovy hatrany rehefa mivavaka (Matio 6:5, 7, 8). Fa nahoana?

10. a) Hazavao ny antony tsy tokony hamakiantsika ao anaty boky fotsiny ny vavaka ataontsika. b) Fiteny manao ahoana moa no tokony hampiasaintsika rehefa mivavaka?

10 Ny zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia izay ao am-pontsika. “Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (II Tantara 16:9). Ahoana moa no hahafahan’ny vavaka ataontsika hanambara izay ao am-pontsika raha ao anaty bokim-pivavahana no amakiantsika azy? Rehefa mivavaka isika dia tokony ho amin’ny fontsika rehetra sy amim-panetren-tena no hitenenantsika. “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (Jakoba 4:6). Tsy ilaina ny mampiasa fiteny amboamboarina na mieboebo, eo amin’ny vavaka ataontsika. Andriamanitra kosa no tokony hitenenantsika, toy ny raha miresaka amin’ny sakaiza akaiky iray izay itokiantsika isika, na toy ny zanaka miresaka amin-drainy. Azontsika atao koa aza ny mivavaka mangina ao am-pontsika (I Samoela 1:12, 13). Indraindray dia mety tsy ho hitantsika ny teny hilazana amin’Andriamanitra izay tena ao an-tsaintsika. Nefa mahazo matoky isika fa Andriamanitra dia mahalala izay ilaintsika ka ho fantany mazava ny hevitry ny vavaka hataontsika aminy amin’ny teny tsotra dia tsotra.

AOKA ISIKA HANKAMAMY NY TOMBONTSOA AMIN’NY FAHAZOANA MIVAVAKA

11. a) Moa ve isika tokony hiandry ny fotoana ilàntsika manokana ny fanampian’Andriamanitra vao hivavaka aminy? b) Inona moa no mahamety ny hivavahana rehefa hisakafo?

11 Na ho ela, na ho haingana, isika rehetra dia samy mandalo fotoan-tsarotra izay tsy hisian’ny olona hanampy antsika, na tsy hahampian’ny famonjena entin’ny olona ho antsika. Amin’izay no itodihantsika amin’Andriamanitra. Nefa, raha tia an’i Jehovah isika sady mankamamy ny tombontsoa amin’ny fahazoana mivavaka, dia tsy hiandry fahoriana toy izany akory vao hiresaka aminy. Hanatona azy matetika sady tsy tapaka isika, tsy hoe mba hilazana aminy izay fangatahana sy fitalahoantsika fotsiny akory, fa mba hilazana aminy koa ny fisaorana amam-piderantsika azy (Efesiana 6:18; I Tesaloniana 5:17, 18). Ireo ankohonana dia mandray soa amin’ny vavaka, na dia amin’ireo fisaorana tsotra an’Andriamanitra ataony eo am-pisakafoanana, toy ny nataon’i Jesosy, fotsiny aza. — Matio 14:19.

12. Milazà sasany amin’ireo fahasoavana mahatalanjona mety ho entin’ny vavaka ho antsika.

12 Koa tsy isalasalana àry fa tena mitondra fahasoavana mahatalanjona tokoa ny vavaka atao samy irery sy miaraka amin’ny ankohonana ary ao anatin’ny kongregasiona. Amin’ny vavaka no anekentsika amim-pahatsorana fa miankina tanteraka amin’Andriamanitra isika. Ny vavaka dia mampiray antsika amin’ireo izay mivavaka amin’Andriamanitra toa antsika. Izy io no mitondra ho antsika ny fiadanana izay omen’ilay Mpamorona antsika be fitiavana. Ny vavaka dia mahamora ny asan’ny fanahiny masina eo amin’ny fiainantsika. Ny vavaka dia manampy antsika hanatrika amim-pitokiana ny ho avy. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izy io, ka tokony ho sarobidy amintsika ary dia hampiasaintsika tokoa.

[Fanontaniana]