Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra

Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra

Toko Faha-20

Ny fomba hananana fiainam-pianakaviana sambatra

1. Nahoana moa no ny Baiboly no boky tsara indrindra mety ho hitantsika hahazoana torohevitra mikasika ny fiainan’ny ankohonana?

 AFA-TSY ny fampianarany antsika ny fahamarinana eo amin’ny ara-pinoana, ny Baiboly dia mirakitra torohevitra tsara maro mikasika ny fiainana ao amin’ny ankohonana. Izy io dia mampiseho amintsika ny fomba fahitana fanafodin’ny zava-manahirana miseho eo amin’ny fiainantsika isan-andro. Tsy misy boky hafa mihitsy afaka manome torohevitra tsara antsika tahaka an’io, satria Jehovah, ilay Mpanao ny Baiboly, koa no nanorina ny fanambadiana sy ny fiainana ao amin’ny ankohonana. — Genesisy 2:18, 22.

2. a) Ahoana moa no teny nanasoritan’i Jesosy ny firaisana tokony hisy eo amin’ny mpivady? b) Noho izany, inona no tokony hambolen’ny mpivady?

2 Rehefa nanakambana ho mpivady ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany Andriamanitra dia nosoritany ny firaisana tokony hisy eo amin’izy ireo. Nampahatsiaro indray an’izany toe-javatra izany Jesosy Kristy, raha nanao hoe: “Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka nanao hoe: “Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa”? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.” (Matio 19:4-6). Tsy natao ho mpifaninana akory ireo mpivady. Tsy ho olona sendra mifankahalala izay sendra miray trano fotsiny koa izy ireo. Tsia, fa ho “nofo iray ihany izy roroa”. Toy izany koa amin’izao fotoana izao fa ny mpivady dia tokony hamboly fifankatiavan-dalina, ary hanao izay hiraisan-kina hatrany.

NY FIFANDRAISAN’NY MPIVADY

3. a) Ahoana moa no amelabelarana ny amin’ny toeran’ny lehilahy manam-bady, araka ny Efesiana 5:23? b) Inona avy no andraikitra mipetraka aminy?

3 Mba hahitany fahasambarana tokoa eo amin’ny tokantranony, ny mpivady dia samy tokony hahalala ny toerany avy. Tsy ny fomba mahazatra ny olona eo an-toerana akory no mifehy izany. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nametra izany ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly, ary izany dia mifanaraka indrindra amin’ireo toetra izay nambolen’Andriamanitra tao amin-dralehilahy sy ravehivavy, fony izy namorona azy. Jehovah izay mahalala ny fomba sy antony namoronany ny olona dia nampanoratra tao amin’ny Teniny fa “ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana [kongregasiona, MN ]”. (Efesiana 5:23.) Koa andraikitry ny lehilahy àry izany ny fitondrana ny tokantrano, ny fandaminana izay hataon’ny ankohonana ary ny miandraikitra an’izay fanapahan-kevitra lehibe ilaina atao. Nefa izany akory tsy manome alalana azy hanjakazaka amin’ny vady aman-janany amin-kalozana sy hasiahana. — Kolosiana 3:19.

4. Ny ohatra navelan’iza moa no tsara dia tsara indrindra tokony harahin’ny lehilahy kristiana manam-bady, ary inona no vokatra tsara entin’izany?

4 Lehilahy maro no nampihatra ny fahefany tsy tamim-pitiavana, kanefa kosa ny lehilahy kristiana dia hitandrin-tena mba tsy hanao toy izany. Izy ireo dia tokony hianatra tsara ny fomba fampihatran’i Jesosy Kristy ny fahefany eo amin’ny kongregasiona kristiana, ary dia hiezaka mba hanaraka ny ohatra tsara dia tsara navelany. Izao no torohevitra omena ny lehilahy kristiana manam-bady, ao amin’ny Efesiana 5:25: “Tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana [kongregasiona, MN ] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” Raha manaraka izany torohevitra izany izy dia tsy hila zavatra be loatra amin’ny vadiny, ary ny fomba fitondrany ny raharahan’ny ankohonany dia hahafa-po tanteraka an’ireo vady aman-janany. — Matio 11:28-30.

5. a) Ahoana moa no tokony ho fiheveran’ny vehivavy kristiana ny lahy? b) Raha ohatra ny vehivavy iray ka kinga kokoa noho ny vadiny, ahoana moa no azony ampiasana an’izany toetra tsara izany amin’ny fomba mahasoa? d) Inona avy moa no andraikitry ny vehivavy manam-bady, voalaza ao amin’ny Titosy 2:4, 5?

5 Ary ny vehivavy kristiana manam-bady kosa dia tokony “hanaja ny lahy”. (Efesiana 5:33.) Koa satria ralehilahy no nomen’Andriamanitra fahefana ho lohany, dia tena handray anjara lehibe tokoa amin’ny fitondrana fahasambarana ao amin’ny ankohonany ravehivavy vadiny amin’ny fanekena an-tsitrapo ny fitarihany (Kolosiana 3:18). Raha ohatra ravehivavy kinga saina kokoa noho ralehilahy vadiny, toy ny miseho indraindray, izany toetra tsara izany dia azony ampiasaina hanohanana an-dralehilahy eo amin’ny maha-filoha azy, fa tsy haninana na hanambaniana azy akory (Ohabolana 12:4). Marobe ny raharaha natao hiandraiketany ao an-tokantrano. Rariny àry ny ilazan’ny Baiboly amin’ireo vehivavy manam-bady mba “ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra”. (Titosy 2:4, 5.) Ny vehivavy manam-bady aman-janaka izay manefa an’ireo andraikiny ireo dia hahita fitia sy haja maharitra eo anatrehan’ny vadiny aman-janany. — Ohabolana 31:10, 11, 26-28.

6. a) Inona avy moa no zavatra mampiavaka ny vehivavy tsy dia mba heverin’ny lehilahy manam-bady sasany loatra ka mahatonga zava-manahirana? b) Noho izany, inona moa no torohevitra omena ny lehilahy manam-bady ao amin’ny I Petera 3:7?

6 Marobe ireo tokantrano ahitana zava-manahirana satria ralehilahy tsy miraharaha akory ny toe-tsain’ny vavy na ny fihetseham-pony manokana. Tokony ho azony an-tsaina fa hafa noho ny azy lehilahy ny fijerin-dravehivavy zavatra. Hafa noho ny azy ny ho fihetsi-dravehivavy eo amin’ny ara-pihetseham-po. Tsy mitovy amin’ny azy ny herin’ny vavy. Izany no antony nanomezana izao torohevitra ara-tsindrimandry izao an’ireo lehilahy manam-bady: “Miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana.” (I Petera 3:7). Rehefa manao toy izany ny lehilahy manam-bady dia handray anjara amin’ny fiforonan’ny fifankahazoan-kevitra sy fahatsapana filaminana ao an-tokantrano.

7. a) Nahoana moa no mandray anjara lehibe amin’ny filaminan’ny tokantrano ny fanarahana ny Hebreo 13:4? b) Tsy maintsy feran’ny kristiana ho amin’iza irery ihany moa ny faniriany eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, ary nahoana?

7 Zava-miseho matetika eo amin’ny olon’izao tontolo izao ny loza mananontanona ny filaminan’ny tokantrano noho ny iray amin’izy mivady mirona ho amin’ny fanaovana fitondrantena maloto amin’ny olona iray. Nefa ireo izay miaina mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra dia voaro amin’ny ahiahim-po ateraky ny fitondrantena toy izany. Amin’ny fitenenana mora azo tokoa no anomezan’ny Baiboly an’izao fampiomanana manaraka izao ho antsika: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Ny Baiboly dia tsy mamela mihitsy ny hanaovana fitondrantena maloto. Ireo izay maniry hanompo an’Andriamanitra dia tsy maintsy manana fiainana madio (I Tesaloniana 4:3-8). Ny faniriany eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy dia tsy maintsy ferany ho amin’ny vadiny ara-dalàna irery ihany, ary tsy maintsy hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra izy ny amin’ny fitondrantenany amin’izany lafiny izany (Ohabolana 5:15-21). Ny mpivady dia samy tokony hanana faniriana amim-pahatsorana ny hifanampy mba tsy ho voan’ny fakam-panahy toy izany. Mety hahavita izany izy raha mifampiseho fiheverana sy tsy fitiavan-tena. — I Korintiana 7:3-5.

8. a) Mba hahavanona ny fanambadiana iray, inona moa no tsy maintsy atao mitana ny toerana voalohany indrindra ao an-tokantrano? b) Inona avy moa ireo zavatra tokony ho anisan’ny asa fanaon’ny ankohonana tsy tapaka?

8 Ny fanambadiana anefa dia tsy mety tena hifanaraka amin’ireo fitsipik’Andriamanitra efa voadinika teo raha tsy mihevitra tsy tapaka ny zavatra ara-panahy ny mpivady. Ny fanompoana an’i Jehovah no tokony ho zavatra ambony indrindra ao an-tokantrano. Izany dia tsy tokony havela ho voasongon’ny fananana ara-nofo sy ny fahafinaretan’izao fiainana izao (Lioka 8:11, 14, 15). Tokony ho zavatra tsy hisaraka amin’ny asa fanaon’ny ankohonana tsy tapaka ny vavaka sy ny fianarana ny Baiboly. Toy izany ve no izy ao an-tranonareo?

NY FOMBA FANABEAZAN-JAZA ARAKA NY FITSIPIK’ANDRIAMANITRA

9. Amin’ny fomba ahoana moa no azo andaminana ny zava-manahirana hita eo amin’ny fitaizana ny ankizy?

9 Ny ray aman-dreny manam-pitiavana dia maniry amin’ny fony tokoa ny hahita an’ireo zanany mahita fahombiazana eo amin’ny fiainany. Tsy mora anefa ny andraikiny. Misy zava-manahirana maro izay tsy mety hahitana fanafodiny afa-tsy amin’ny fanarahana ny torohevitra omen’ny Tenin’Andriamanitra. — Ohabolana 22:6; Deoteronomia 11:18-21.

10. a) Afa-tsy ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana, inona koa moa no zavatra iankinan’ny ainy tsy maintsy omena ny ankizy? b) Amin’ny fotoana toy inona moa no tokony hanomezana azy izany fampianarana izany?

10 Mandrakariva ny ray aman-dreny dia mandany fotoana be sady manao fiezahana mafy mba hanome sakafo tsara sy fitafiana madio ary tokantrano mahafinaritra ho an’ireo zanany. Ny Baiboly anefa dia manamafy fa manana andraikitra maro hafa koa ny ray aman-dreny. Tena ilaina, ohatra, ny handraisan’ny ankizy anjara tsy tapaka amin’ny fandaharam-pianarana ny Tenin’Andriamanitra ataon’ny ankohonana (Salamo 78:5-7). Afa-tsy ireny fianarana miaraka amin’ny ankohonana ireny, ny ray aman-dreny dia tokony hanararaotra ny fotoana hafa koa mba hitenenana ny amin’i Jehovah sy ny lalany amin’ny zanany (Deoteronomia 6:6, 7). Raha manao izany izy, ny zanany dia hianatra hihevitra an’Andriamanitra eo amin’ny zavatra ataony rehetra eo amin’ny fiainana.

11. Iza moa no voalohany nomena ny andraikitra amin’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra ny ankizy, ary inona no lazain’ny Baiboly mikasika izany?

11 Ny voalohany ampiantsorohan’ny Baiboly ny andraikitra hanara-maso ny hahazoan’ireo zanany izany fampianarana izany dia ny ray, noho ny maha-loham-pianakaviana azy. Raha mandamina tsara an’izany fampianarana izany izy ka mampiseho ny ohatra halain-tahaka amin’ny fanomezana mivantana an’izany, dia vao mainka hisy firaisana kokoa eo amin’ny ankohonana. Miaraka amin’izany koa, ny ankizy dia hahazo ny karazam-panabeazana izay tena ilainy tokoa. Koa zava-dehibe àry izany ny fandatsahana am-po an’izao torohevitra omena ao amin’ny Efesiana 6:4 izao: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana [lalàm-pifehezana, MN ] sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy.” — Jereo koa Ohabolana 4:1.

12. Nahoana moa no tsy azo atao tsirambina ny fanoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny?

12 Ankoatry ny zavatra hafa anisan’ny ‘lalàm-pifehezan’i Jehovah’ dia tokony haraikitra ao an-tsain’ireo ankizy ny tsy maintsy anarahany ny tenin-dray aman-dreniny. Tsy fandidiana azo raisina ho vazivazy akory izany satria miankina amin’izany ny fanantenan’ireo zanaka ho velona mandrakizay (Efesiana 6:1-3). Andriamanitra no mitaky ny hanoavan’ny ankizy ny ray aman-dreniny. Koa hampiseho fahendrena àry ny ray aman-dreny raha mikokotra amim-paharetana, mba hampirakitra tsara an’izany andraikitra izany ao an-tsain’ireo zanany sy ao am-pony. — Kolosiana 3:20, 23.

13. Ahoana moa no teny anasoritan’ny bokin’ny Ohabolana ny ilàna hanafaizana ny zaza izay minia manao ny ratsy?

13 Indraindray, dia tsy ho ampy fotsiny ny milaza amin’ireo zaza izay zavatra tsy maintsy ataony. Rehefa minia manao zava-dratsy izy, dia ilaina ny fanasaziana azy mafy mba hahazoany an-tsaina tsara fa tsy vazivazy akory izany raharaha izany. Amim-pahendrena no ilazan’ny Baiboly hoe: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” (Ohabolana 22:15). Noho ny tsy fahalavorariana nolovana, ny ankizy dia teraka mirona hanao ny ratsy; izany no ilàna ny hanafaizana azy. Tsy hataon’ny ray aman-dreny be fitiavana tsirambina izany adidy izany. Izao tokoa mantsy no voasoratra ao amin’ny Ohabolana 13:24: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.”

14. Amin’ny fomba ahoana moa no hanaovana ny famaizana ao amin’ny tokantrano kristiana, ary inona avy no soa ho azo avy amin’izany?

14 Ny antony anaovana famaizana amim-pitiavana dia ny fitadiavana ny fahasoavana mandrakizay ho an’ilay zaza. Tsy amim-pahatezerana sy amim-pivazavazana sy fandrahonana akory no anaovana azy. Tsy fomba kristiana izany (Efesiana 4:31, 32). Izany dia tokony hatao amin’ny fomba henjana, kanefa koa amin’ny saina mandanjalanja tsara. Ny ray aman-dreny dia tokony hanome ny ohatra tsara halain-tahaka, amim-pahamarinana sy fahatsorana, fa tsy amin’ny fisehoana ho marina eo ivelany fotsiny satria mantsy ny ankizy sarotra fitahina. Izany ohatra tsara izany dia hanampy azy ireo mba hahazo an-tsaina fa araka ny fitsipika marin’Andriamanitra no itondrana ny tokantrano misy azy, fa tsy araka ny haitraitra amam-piovaovan-toetry ny ray aman-dreniny akory. Izy ireo dia tsy mba hatahotra ny hahita faisana noho ny famaizana tsy ara-drariny. Ho hitany kosa fa ny famaizana mihatra aminy dia vokatry ny fandikany ny fitsipi-pitondrantena tsara.

15. a) Inona moa no tsy maintsy ampianarina ny ankizy mikasika ny lainga sy ny halatra ary ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy? b) Ahoana moa no azon’ny ray aman-dreny ampiofanana an’ireo zanany mba hahafahan’ireo hanao izay tsara, na dia tsy eo intsony aza izy mpananatra?

15 Anisan’ireo fitsipika marina hafa koa ambaran’ny Baiboly dia ny amin’ny tokony hiarahan’ny isam-pianakaviana handinika amin’ny fomba maotona ny fitsipi-pitondrantena madio efa voafetran’Andriamanitra. Tsy maintsy ampianarina ny ankizy, ohatra, fa halan’i Jehovah “izay rehetra tia lainga sady mandainga”. (Apokalypsy 22:15; Ohabolana 6:16-19.) Tokony ho fantatr’izy ireny mazava tsara koa fa ny halatra amin’ny endriny rehetra dia fandikana an’ireo fitsipi-pitondrantena avy amin’Andriamanitra (Efesiana 4:28; Romana 13:9, 10). Ilaina ny ampitandremana ny tanora kristiana, amin’ny fomba mora takatry ny sainy, ny amin’ny tokony hiarovany tena amin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy mbamin’izay rehetra mety hahamora ny fanaovana izany (Efesiana 5:5; Ohabolana 5:3-14). Aoka hianareo mianakavy mba hiaraka handinika ireo zava-manahirana maro mety hiseho na ao an-trano izany, na any am-pianarana, na eo amin’ny fialam-boly. Miaraha mamakafaka an’ireo zavatra ireo sady diniho ny andalan-teny rehetra ao amin’ny Soratra Masina manazava ny amin’ny fitondrantena ankasitrahan’Andriamanitra. Amin’izany ireo zanakareo dia hianatra ny fomba fampiharana ny fitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainany. Izany dia ho fiarovana ho azy, hany ka na dia rehefa tsy eo aza hianareo, dia mbola hanaiky hotarihin’ireo anatra nomenareo ihany izy. — Ohabolana 6:20-23.

16. a) Inona moa no ambaran’ny Baiboly mikasika ny fikambanana amin’ny ratsy? b) Amin’ny fomba ahoana moa no hanehoan’ny ray aman-dreny fahendrena raha manara-maso ny fifidianan’ireo zanany izay ho sakaizany izy ireo?

16 Tsy maintsy arahinareo maso akaiky koa ny fifidianan’ny zanakareo namana. Mitondra vokany lalina tokoa eo amin’ny tenantsika mantsy ny olona isakaizantsika. Ny fifaneraserana tsara dia mitondra vokany mahasoa, fa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (I Korintiana 15:33.) Maro dia maro ireo ohatra omen’ny Baiboly mampiseho ny fahamarinan’izany (Genesisy 34:1, 2; Nomery 25:1, 2). Mety ny ankizy tsy hahatsapa ny maha-zava-dehibe an’izany, fa ny ray aman-dreny kosa dia tsy tokony ho toy izany. Haneho fahendrena ny ray aman-dreny raha manara-maso amim-pitiavana ny karazan-tsakaiza fidin’ireo zanany. Izany akory tsy mikasika fotsiny ny fanaraha-maso izay namany miara-milalao aminy fa mikasika koa ny fifidianana ny vakiteny ataony sy ny tantara hitany ao amin’ny sinema ary ao amin’ny televiziona sy ny fampielezam-peo. — Filipiana 4:8.

17. Inona moa no hanampy ny ankohonana iray hahita fahafaham-po lalina?

17 Mba hahitana ny tena fahafaham-po anefa, ny ankohonana dia tsy afaka hianina fotsiny amin’ny tsy fanaovana zava-dratsy. Izy mianakavy dia tokony hiara-hanao asa mahasoa koa. Tsy ahitam-pifaliana ny fiainana ao amin’ny ankohonana rehefa samy manaraka ny lalany avy ka tsy misy miraharaha izay ataon’ny sasany ny tsirairay avy. Rehefa miara-manao resaka mampandroso kosa anefa ny mpianakavy, ka miara-manao fikasana sady miray hina mba hanatanteraka izany, dia tena anjakan’ny firaisana tokoa ny ankohonana (Ohabolana 15:22). Tsy saro-takarina akory izany, rehefa manjaka ao an-tokantrano ny fitiavana. Ary ny fitiavana anefa dia zavatra fahita tsotra izao ao amin’ireo izay mahalala tokoa an’Andriamanitra ka manana ny fanahiny. — I Jaona 4:7, 8; Galatiana 5:22, 23.

NY FOMBA FANDAMINA NY FAHASAHIRANANA HITAN’NY ANKOHONANA

18. Ahoana moa no hanampian’ireo torohevitra omena ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 antsika mba handamina ny zava-manahirana mety hiseho ao amin’ny ankohonana?

18 Na dia eo amin’ireo tokantrano mizotra hatrany amim-pahasambarana aza, dia mety hisy fahasahiranana hitranga indraindray. Matetika izy ireny no vokatry ny tsy fahatanterahan’ny olombelona na ny faneriterena ampiharin’izao tontolo izao ankehitriny eo amintsika. Koa inona àry no mety atao rehefa misy tsy fifanarahana mitranga eo amin’ny ankohonana? Tsy ho saro-tadiavina akory ny fanafodiny hanitsiana azy raha mby ao an-tsaintsika hatrany fa tsy misy lavorary isika. Ireto torohevitra azo tamin’ny tsindrimandry manaraka ireto no tokony hampiharina, tsy any ivelany ihany fa ao anatin’ny ankohonana koa: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [fehy mampiray tanteraka, MN ] izany.” — Kolosiana 3:12-14; Jereo koa Ohabolana 10:12; 19:11.

19. Rehefa miady ny ankizy, inona moa no azon’ny iray amin’ireo ray aman-dreniny atao mba hanampiana azy?

19 Rehefa toa tena lalina dia lalina ny zava-manahirana iray, dia azo atao ny manao izay hiasan’ny fitiavana sy ny famelan-keloka. Raha miady, ohatra, ny ankizy roa, dia ho azon’ny ray na ny reniny atao ny mipetraka miaraka aminy, mba hihaino izay zava-manahirana azy ary rehefa izany dia hananatra an’ilay diso mba hiala tsiny, ary ny anankiray kosa mba hamela azy. Amin’ny fotoana toy izany, dia hahasoa ny handinihana andalan-teny ao amin’ny Baiboly sahala amin’ireo vao avy nolazaina tetsy ambony.

20. Rehefa misy tsy fifanarahana miseho eo amin’ny mpivady, inona moa no tsy maintsy tandremany mba tsy hataony, ary anefa dia ahoana no azony handaminana an’ilay ady?

20 Raha misy tsy fifanarahana miseho eo amin’ny mpivady, dia hita tokoa fa tsaratsara kokoa ny tsy hitenenany ny amin’izany eo anatrehan’ny ankizy. Tsy hanatsara ny tarehin-javatra koa akory ny hiresahan-dralehilahy na ravehivavy ny amin’izany atsy sy aroa, na amin’ny sakaiza na amin’ny mpiara-monina. Na toy inona na toy inona haben’ny alahelon’ny tena, dia tsy hahasoa na amin’inona na amin’inona akory ny filelalelana (Ohabolana 29:22). Vao mainka hitatra ny tsy fifanarahana raha mitoetra andro maro tsy mifampiteny mihitsy ny mpivady. Raha ta-hanao izay mety amin’ny maha-kristiana azy izy, dia hanaovany resaka manokana ny amin’ilay tsy fifankahazoana sady ho tapa-kevitra izy ny hamerina indray ny filaminana. Na dia ny vadinao aza no diso, dia ataovy ihany izay hahamora ny fifankahazoana indray amin’ny fanehoana hatsaram-panahy. Raha hianao kosa anefa no diso, dia mangataha famelana amim-panetren-tena amin’ny vadinao. Aza ela fihetsika; alamino haingana araka izay azo atao ilay zava-manahirana. “Aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” — Efesiana 4:26; jereo koa Matio 18:21-35.

21. a) Moa ve fomba tsara fandaminana ny zava-manahirana eo amin’ny mpivady ny fisaraham-panambadiana? b) Araka ny Baiboly, inona moa no hany antony amelana ny kristiana hisara-panambadiana ka hampakatra ny hafa?

21 Na dia fanao matetika aza amin’izao fotoana izao ny fisaraham-panambadiana, ny Baiboly kosa dia tsy manoro hevitra ny fampiasana azy ho fomba fandaminana ny zava-manahirana. Ny fanambadiana dia fatorana izay natao haharitra mandritra ny androm-piainana rehetra; tsy zavatra azo raisina ho vazivazy akory izy io (Romana 7:2). Tokana ihany ny antony anomezan’ny Tenin’Andriamanitra alalana ny kristiana hisara-panambadiana ka hampakatra ny hafa indray. Ny inona moa izany? Ny fijangajangana. Amin’izay fotoana izay, dia ilay tsy manan-tsiny no tokony hanapa-kevitra na hisaraka amin’ny vadiny izy na tsia (Matio 5:32). Ny kristiana anefa dia tsy tokony hangataka fisaraham-panambadiana noho ny ahiahy fotsiny; tokony hisy porofo azo antoka.

22. Raha misy olona maimaika nisara-panambadiana fony tsy mbola nahalala ny lalàn’Andriamanitra ka efa manao tokantrano maso amin’olon-kafa izao, inona moa no tsy maintsy ataony raha ta-hanompo an’i Jehovah izy?

22 Mety hisy olona nisara-panambadiana haingana loatra teo aloha, fony izy tsy mbola nahalala ny zavatra takin’Andriamanitra ara-drariny, ary amin’izao fotoana izao izy dia manao tokantrano maso amin’olon-kafa. Inona àry no tokony hataony? Marina aloha fa tsy ho azony atao ny hamerina indray ny fiainany teo aloha ka handrava izay vita, kanefa kosa, raha maniry handray anjara amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra izy, dia tsy maintsy ahitsiny ho ara-dalàna ny fanambadiany eo anatrehan’ny fahefana sivily. Dia hivavaka amin’Andriamanitra izy ka hangata-pamelan-keloka avy aminy noho ireo fahadisoana nataony tamin’ny lasa, ary dia hanao fiezahana mafy izy mba hiaina mifanaraka amin’ny fepetra omen’Andriamanitra mikasika ny fanambadiana, manomboka hatreo.

23. a) Moa ve ny Baiboly manoro hevitra ny kristiana hisaraka amin’ny vadiny tsy mino rehefa misy zava-manahirana mitranga? b) Ahoana moa no azon’ny vady mino anatsarana ny tarehin-javatra ao an-tokantranony, ary inona no mety ho vokatr’izany?

23 Fa inona kosa no tokony hataonao raha ohatra ny vadinao tsy mety miara-mianatra ny Tenin’Andriamanitra aminao, ka manakana anao tsy ho afaka hiara-handinika aminy amin’ny alalan’ny fitsipika omen’ny Baiboly, ny zava-manahirana anareo? Na dia amin’izany fotoana izany aza, ny Baiboly dia mananatra anao mba hijanona aminy ka tsy hanao ny fisarahana ho fanafodiny mora loatra amin’ny zava-manahirana anareo. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanatsarana ny tarehin-javatra ao an-tokantranonareo amin’ny fampiharana an’ireo fitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fitondrantenanao manokana. Rehefa ela ny ela, dia mety ho voataonanao ihany ny vadinao, noho ny fitondrantena kristiana anananao (I Korintiana 7:10-16; I Petera 3:1, 2). Fitahian-dehibe tokoa ho anao izany, raha mahita izany valim-pahasasarany izany ny faharetana amam-pitiavanao!

24. Raha fintinina, inona moa no azonao atao mba ho azo antoka fa hanana fiainam-pianakaviana sambatra kokoa hianao?

24 Be dia be ny zavatra azonao atao mba ho azo antoka fa ho sambatra ny fiainana ao amin’ny ankohonanao. Ampiharo ireo torohevitra omen’ny Baiboly dia hahazo vokany tsara hianao. Ny tsirairay avy ao amin’ny ankohonana dia tokony hikatsaka amim-pitiavana izay hahasoa ny sasany, ka hanamafy ny fatoram-pianakaviana amin’izany (Kolosiana 3:14). Alohan’ny zavatra rehetra, dia miaraha manao ny fanompoam-pivavahana marina, mba hahazoanareo rehetra ny fitahiana manana amby ampy avy amin’i Jehovah Andriamanitra izay mahay mameno mitafotafo ny fahasambaranareo amin’ny fanomezana anareo mianakavy ny fiainana mandrakizay. — Ohabolana 3:11-18.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 176]

Tokony ho anisan’ny zavatra atao tsy tapaka eo amin’ny fiainan’ny ankohonana tsirairay avy ny fianarana ny Baiboly