Ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany
Toko Faha-13
Ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany
1. Inona moa no maha-zava-dehibe ny fahalalana ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany?
RAHA te-hiaina mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra isika dia tsy maintsy ekentsika ny tena Fiangonana na Eglizy sy ny fanorenany izay nolazain’i Jesosy hoe: “Ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako [ny Egliziko, Kat.].” (Matio 16:18). Inona moa izany Fiangonana na Eglizy izany ary ambonin’ny vatolampy manao ahoana no iorenany? Ny Baiboly no hanome antsika ny valiny marina.
2. a) Moa ve ny Baiboly mampiasa ny teny hoe “fiangonana” na “eglizy” hilazana trano? b) Inona moa no dikan’ny teny grika hoe ekklêsia?
2 Na dia maro aza ny olona manondro amin’ny teny hoe “fiangonana” na “eglizy” ny trano iray izay iangonan’ny olona mba hanaovany ny fotoam-pivavahany, moa ve fantatrao fa tsy mba tahaka izany mihitsy no nampiasan’ny Baiboly an’io teny io? Ny teny hoe “fiangonana” na “eglizy”, ao amin’ny pejiny, dia milaza olona foana, na raha ny marimarina kokoa, milaza kongregasiona na fitambaran’olona (Filemona 2). Raha ara-bakiteny, ny hevitry ny teny grika hoe ekklêsia nadika ho “eglizy” na “fiangonana” na “kongregasiona”, dia hoe: “izay novorina”. Izy io dia manondro fitambaran’olona novorina noho ny antony iray voafaritra tsara; izy io koa anefa dia ampiasaina mba handikana ny teny hebreo hoe qâhâl, izay ny heviny dia hoe “kongregasiona” na “fivondronana”.
3. Nahoana moa ny tena Fiangonana na Eglizy no ampitahaina a) amin’ny tenan’olombelona, ary b) amin’ny virijina efa fofombadin’olona?
3 Ny tena Fiangonana na Eglizy na kongregasiona dia ampitahaina amin’ny tenan’olombelona satria, tahaka azy, dia manana rantsam-batana maro tarihin’ny filoha na loha iray ihany izy. Ao amin’ny Efeziana 1:22, 23 (Kat.), ny Soratra Masina azo tamin’ny tsindrimandry dia mampahafantatra antsika fa Andriamanitra dia nanendry an’i Kristy ho “filohany ambony indrindra (...) amin’ny Eglizy, izay tenany”. Ny tena Fiangonana na Eglizy dia ampitahaina koa amin’ny zazavavy virijina iray izay natolotra ho fofombadin’i Kristy, satria amin’ny fitambarany, ireo izay anisany dia nantsoina mba hikambana akaiky dia akaiky amin’i Kristy, toy ny fifandraisan’ny mpivady. Raha nanoratra tamin’ny sasany amin’ireo anisan’ny Fiangonana na Eglizy ny apostoly Paoly dia izao no nambarany: “Nataoko fofombadin’ny lehilahy iray hianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy.” (II Korintiana 11:2; jereo koa Apokalypsy 21:2, 9, 10). Izy io àry izany dia kongregasiona madio izay tsy voapentin’ny fahasimban’izao tontolo izao ary miraiki-po amin’ny Filohany, dia Jesosy Kristy.
4. a) Moa ve na iza na iza dia mahazo “mikambana” amin’ny tena Fiangonana na Eglizy? Fa nahoana? b) Firy moa no ho anisan’ny tena Fiangonana na Eglizy izay hakambana amin’i Kristy any an-danitra?
4 Raha izany àry, moa ve na iza na iza dia mahazo manapa-kevitra fa “hikambana” amin’io Fiangonana na Eglizy io amin’ny fisoratana anarana fotsiny mba ho “mpikambana” ao aminy? Tsy izany akory satria ny Hebreo 12:23 dia miteny ny amin’ny “fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra”. Andriamanitra àry izany no mifidy an’ireo ho anisany ka mametraka azy ireny ao amin’ny kongregasiona araka izay itiavan’ny tenany azy (I Korintiana 12:18). Ireo voafidy ireo dia ireo izay hiaraka amin’i Kristy any an-danitra. Nasehon’i Jesosy fa tsy mahafaoka velively izay rehetra mitondra anarana hoe kristiana akory izany fa ho 144 000 monja ny isany. — Apokalypsy 14:1-3; Lioka 12:32.
5. Inona moa no antony manokana iantsoana an’ireo izay anisan’ny tena Fiangonana na Eglizy?
5 Izy io tokoa mantsy dia fitambarana kristiana izay nantsoina hiala avy tamin’ny aizina ara-panahy noho ny antony iray manokana. Raha mbola eto an-tany koa izy dia tsy maintsy manambara tsy amin-tahotra hatrany amin’ny lavitra, ny “hatsaran’Ilay” Andriamanitra avo indrindra izay niantso azy niala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga (I Petera 2:9). Aorian’ny fitsanganany amin’ny maty, izy ireo dia hanana ny tombontsoa manokana mahagaga hiaraka hanapaka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. — Lioka 22:28-30.
6. a) Avy aiza moa ireo voalohany ho anisan’ny tena Fiangonana na Eglizy, ary tamin’ny fomba ahoana no nandraisany ny fanambarana fa nanomboka teo izy dia zanak’Andriamanitra ara-panahy? b) Oviana moa no nisokatra ho an’ny tsy Jiosy ny lalana?
6 Ireo voalohany tafiditra ho anisan’io Fiangonana na Eglizy io dia Jiosy daholo (toa an’i Jesosy sy ny apostoliny), na olona nivadika ho amin’ny fivavahana jiosy ka voafora. Tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33, folo andro taorian’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra ka namohany tamin’izany ny lalana mba hahafahan’ny hafa koa hanaraka azy amin’ny fotoana mety, Jehovah dia nampiseho fa izy no nifidy an’ireo voalohany ho anisan’ny Fiangonana na Eglizy tamin’ny nandatsahany ny fanahiny masina taminy. Vavolombelona ho an’izy ireo izany filatsahan’ny fanahy masina izany fa nanomboka teo izy dia zanak’Andriamanitra ara-panahy ka mpiara-mandova an’ilay Fanjakana amin’i Kristy. (Asan’ny Apostoly 2:1-4, 16-21, 33; Romana 8:16, 17). Nefa tsy natao hoe ho Jiosy daholo akory ny ho anisan’io tena Fiangonana na Eglizy io. Telo taona sy tapany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy dia nosokafana koa ny lalana ho an’ny Jentilisa na tsy Jiosy (Asan’ny Apostoly 10:30-33, 44; Romana 9:23, 24). Rehefa ela ny ela, dia nanjary iraisam-pirenena ilay tena Fiangonana na Eglizy.
NY FANORENAN’NY TENA FIANGONANA NA EGLIZY
7. Ahoana moa no teny nampahafantaran’i Jesosy sy ny apostoly Paoly ny vato fehizoro fanorenana ny tena Fiangonana na Eglizy?
7 Iza moa no fanorenan’ny tena Fiangonana na Eglizy? Nampahafantarin’i Jesosy nazava tsara fa izy io fanorenana io. Ny tenany no nampiharany an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 118:22, raha nilaza izy hoe: “Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro.” (Matio 21:42-44, Kat.) Raha nitsangan-ko vavolombelona koa ny apostoly Paoly ka nilaza fa Jesosy no ilay “vato fehizoro” dia izao no nosoratany ho an’ny kristiana tany Efesosy: “Hianareo (...) mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ny Apostoly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary ny Kristy Jeso indrindra no vato fehizoro.” (Efeziana 2:19, 20, Kat.). Tena tsy niroaroa teny mihitsy io apostoly io nikasika izany hevitra izany, fa hoy mihitsy aza ny fanizingiziny hoe: “Tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia Jeso-Kristy.” — I Korintiana 3:11, Kat.
8. a) Nahoana moa no tsy mety hisy fanorenana tsaratsara kokoa ho an’ny tena Fiangonana na Eglizy afa-tsy Jesosy Kristy? b) Inona anefa izao no fanontaniana mipetraka?
8 Moa ve azo heverina fa mety hisy fanorenan’ny tena Fiangonana na Eglizy, tsara kokoa na mafy kokoa noho Jesosy Kristy? Raha tsy noho ny ain’olombelona tanteraka natolony ho avotra dia tsy nety ho azo natao io fandaharan’Andriamanitra io. Nefa ahoana no azontsika ampifanarahana an’izany fanambarana nataon’i Jesosy sy ny apostoly Paoly izany, amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Petera, ao amin’ny Matio 16:18? Zavatra iray aloha no azo antoka, dia izao: tsy nisy fifanipahana mihitsy teo.
“AMBONIN’ITY VATOLAMPY ITY NO HAORIKO NY FIANGONAKO”
9. a) Ahoana moa no fomba fandraisan’ny sasany ny hevitry ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 16:18? b) Moa ve ny ankamaroan’ireo “ray” tao amin’ny Eglizy nampihatra tamin’ny apostoly Petera ny teny hoe “vatolampy” nampiasain’i Jesosy?
9 Vao avy nanaiky Petera tamin’izay fa Jesosy no Kristy (Mesia), Zanak’Andriamanitra velona. Dia hoy ny namalian’i Jesosy azy: “Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny Fiangonako [Egliziko, Kat.].” Misy mandray an’ireo teny ireo ho filazana fa ny Fiangonana na Eglizin’i Jesosy dia miorina eo ambonin’ny fanorenan’i Petera. Ary izany rahateo koa mantsy no hevitra tanan’ny Eglizy katolika romana amin’ny fomba ofisialy. Tsara anefa ny manamarika fa araka ny bokiny hoe Ny konsilin’ny Vatikana [1870] hita avy ao anatiny (anglisy), ny arseveka Kenrick dia mampiseho fa tao amin’ny “ray” tamin’ny Eglizy voalohany enina amby valopolo fara-faharatsiny, dia fito ambin’ny folo monja no nampihatra tamin’ny apostoly Petera ny teny hoe “vatolampy” nampiasain’i Jesosy. Moa ve fantatrao izany?
10. Ahoana moa no nandraisan’i Augustin ny hevitry ny teny hoe “vatolampy” tao amin’io fanambarana nataon’i Jesosy io?
10 Aoka horaisintsika, ohatra, ny hevitr’i Augustin (354-430), matetika antsoina hoe “masindahy Augustin”. Marina fa tamin’ny voalohany izy dia nihevitra fa Petera tokoa no ilay “vatolampy” voalaza, nefa taty aoriana dia niova hevitra Augustin ka nanoratra tao amin’ny bokiny Fanitsiana hoe: “Efa matetika aho no nanazava tamin’izany fomba izany ny tenin’ny Tompo manao hoe: ‘Hianao dia Piera ary ambonin’ity vatolampy ity no hanorenako ny Egliziko’, mba hampahalalana fa ny Eglizy dia miorina amin’ilay neken’i Piera raha nilaza izy hoe: ‘Hianao no Kristy, ilay Zanaky ny Andriamanitra velona.’ (...) Izy tokoa mantsy tsy nilaza taminy hoe: hianao no vatolampy (petra) fa hoe: ‘Hianao no Piera (Petrus).’ Ary ny Kristy anefa no ilay vatolampy (petra).”
11. Araka ny filazan’ny tenan’i Petera, iza moa “ity vatolampy ity”?
11 Fa ny mbola zava-dehibe lavitra noho izany aza dia ny hahalalana izay fomba fandraisan’ny tenan’i Petera ny tenin’i Kristy! Mikasika an’i Jesosy Tompo, dia izao no nambaran’i Petera: “Manatòna azy, izay vato velona nolavin’ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy saro-bidy eo anatrehan’Andriamanitra kosa; ary hianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jeso-Kristy. Fa izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: Indro aho mametraka vato fehizoro ao Siona, dia vato voafidy sy saro-bidy, ary izay mino azy tsy hangaihay. Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina; fa tafintohina amin’ny teny izy ireo.” (I Piera 2:4-8, Kat.) Manaporofo tsara io fanambarana nataon’i Petera io fa, araka ny tenany, toy ny tamin’ny apostoly Paoly koa, dia Jesosy no ilay “vato fehizoro”, dia ilay “vatolampy” izay iorenan’ny Fiangonana na Eglizy. Iray fotsiny amin’ireo “vato velona” 144 000 izay mirafitra ho ny tena Fiangonana na Eglizy Petera.
12. a) Ahoana moa no ahalalantsika raha noheverina ho filoha “tsy mety diso” teo amin’ny Fiangonana na Eglizy voalohany Petera? b) Iza moa no hitoetra ho filohan’ny tena Fiangonana na Eglizy lalandava?
12 Marina aloha fa, noho ny naha-apostolin’i Jesosy Kristy azy, Petera dia nanana tombontsoam-panompoana maro. Na dia izany aza anefa dia tsy misy ahitana mihitsy izay mety ho filazana fa nihevi-tena ho filohan’ireo apostoly izy, ary koa tsy ahitantsika mihitsy faneken’ny apostoly hafa sy ny mpianatra sasany an’i Petera ho “papa” sy ny fanajany azy toy izany ny famakiana ny Baiboly. Indray mandeha ny apostoly Paoly dia hita fa voatery nananatra ampahibemaso an’i Petera (Kefasy), satria nanao zavatra tsy nifanaraka tamin’ny finoana kristiana marina izy. Ary raha nisy nahadiso an’i Petera nikasika ny finoana sy ny fomba ka nahatsiaro tena ho nanana alalana hiteny azy Paoly, izany dia manome porofo fa tsy noheverina ho filoha “tsy mety diso” teo amin’ireo apostoly na ny Fiangonana voalohany Petera (Galatiana 2:11-14). Ao amin’ny tena Fiangonana na Eglizy dia tokana ihany ny Filoha, dia Jesosy Kristy, izay “velona mandrakizay” nanomboka tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka noho izany dia tsy mila mpandimby. — Hebreo 7:23-25.
FIANGONANA NA EGLIZY TSY MIVAKY
13. a) Inona moa no tenin’i Jesosy mampiseho fa ny kongregasiona dia tsy azo nozaraina ho klerjy sy lahika? b) Inona moa no tokony ho toetra hananan’ireo olona izay hitarika eo amin’ny kongregasiona?
13 Jesosy, ilay Filoha, dia tsy nizara mihitsy ny tenan’ny kongregasionany ho kilasy roa: dia ny klerjy (mpitondra) sy ny lahika na “mpiangona”. Hoy izy tamin’ireo mpianany: “Aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” (Matio 23:8-10). Ireo tenin’i Jesosy ireo dia mampiseho fa tsy mba misy fisaratsarahana eo amin’ireo izay mahaforona ny tena Fiangonana na Eglizy. Jesosy kosa anefa dia nanao fandaharana mba hisian’ny lehilahy sasany ho fakan-tahaka ao anatin’ny kongregasiona kristiana, ka hanome izay ilain’ny rahalahiny amin’ny ara-panahy sady handamina ny fitoriana ny vaovao tsara. Nofaritany tsara anefa fa ireo lehilahy ireo dia tsy tokony “hanapaka” eo amin’ny rahalahiny, fa ho an’ireo izy dia ho toy ny mpanompo na mpikarakara (Matio 20:25-28). Moa ve toy izany ny klerjy ao amin’ny fivavahana arahinao?
14. Nahoana moa ireo anisan’ny tena Fiangonana na Eglizy no tsy maintsy mivondrona ao anatin’ny fandaminana tokana ihany mba hanompo an’Andriamanitra?
14 Mba hifanarahany amin’ny filazalazan’ny Baiboly ny amin’ny tena Fiangonana na Eglizy, ireo izay ao anatiny dia tsy maintsy miray tsara raha ny amin’ny fanompoam-pivavahany. Mikasika izany no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” (I Korintiana 1:10). Araka ny Soratra Masina, ireo anisany dia tsy tokony hiely ao anatin’ireo antokom-pinoana mifandaka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izy ireo dia tokony hiray ao anatin’ny fandaminana tokana, araka ny voasoratra ao amin’ny Efesiana 4:4, 5 hoe: “Iray ny tena, (...) iray ny Tompo, iray ny finoana.” Ho antsika dia ilaina indrindra ny hanekena izany “finoana” tokana izany.
AOKA ISIKA HANAIKY NY TENA FIANGONANA NA EGLIZY SY NY FANORENANY
15. a) Ahoana moa no hitondran’i Kristy sy ny kongregasionany fahasoavana ho an’ny olona mankatò hafa rehetra? b) Tamin’ny fotoana nandraisan’i Jesosy ny fahefan’ny Fanjakana, inona moa no andraikitra natao hankininy amin’ny tena Fiangonana na Egliziny?
15 Ny Baiboly dia milaza fa ireo izay anisan’ny tena Fiangonana na Eglizy manaiky ny Filohany, Kristy, dia tonga “taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana”. (Galatiana 3:29.) Araka izany teny fikasana izany, ny olona mankatò rehetra dia ho voatahy amin’ny alalan’i Kristy sy ny kongregasionany (Genesisy 22:18). Ny Baiboly dia milaza mialoha fa amin’ny fotoana hiorenan’ny Fanjakan’i Kristy dia tsy hisy afa-tsy ambiny kely fotsiny sisa eto an-tany amin’ireo zanak’i “Jerosalema any ambony”, na ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra (Galatiana 4:26; Apokalypsy 12:10, 17). Jesosy dia nilaza fa ireo anisan’ny Fiangonany na Egliziny mbola tavela eto an-tany ireo dia ho “mpanompo mahatoky sady malina”, ary nambarany fa ireo izay ho hitany eo am-panompoana amim-pahatokiana rehefa ho tonga izy hanao ny fitsarana, dia hotendreny ho mpanapaka “ny fananany rehetra”, izany hoe, izay rehetra fananan’ny Fanjakan’i Kristy eto an-tany. Izy ireo no ho fakan-tahaka eo amin’ny fitoriana an’ilay Fanjakana efa miorina eo amin’ny firenena rehetra, amin’ny “fotoan’ny farany”. — Matio 24:14, 45-47, MN; 25:19-23.
16. Inona avy moa no fitahiana ho azon’ireo izay manaiky sy manaja izany fandaharana izany?
16 Izay rehetra manantena ny hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, amin’izao fotoana izao, dia tsy maintsy manaiky izany fandaharana izany. Nilaza tokoa mantsy Jesosy fa, amin’ny “fotoan’ny farany” izay misy antsika izao no havahany amin’ny olona sasany ireo izay haneho fahatsaram-panahy amin’ny sisa amin’ny “rahalahiny” mbola eto an-tany (dia ireo mpiara-mandova aminy izay mahaforona ny kongregasiona kristiana), ka dia hapetrany eo amin’ny toeram-pankasitrahana ireo (Matio 25:31-40). Ireo anisan’ny sisa tavela no “vato velona” farany voantso harafitra mba hahaforona trano ara-panahy na tempoly, izay “fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy”. (I Petera 2:5; Efesiana 2:20-22.) Ny olona mampiseho ny hatsaram-panahiny amin’ireo anisan’io kilasin’ny tempoly io dia aseho ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ho “vahoaka be” arovan’Andriamanitra. Mariho koa fa faly izy ireo manompo an’Andriamanitra “andro aman’alina ao an-tempoliny”, izany hoe, mifandray amin’ny sisa amin’ny kilasin’ny tempoly ara-panahy, dia ny kongregasiona kristiana. — Apokalipsa 7:9, 10, 15, Kat.
17. Ara-panoharana, inona moa no ambaran’ny “ondry” amin’ireo anisan’ny sisa amin’ny tena Fiangonana na Eglizy?
17 Ara-panoharana, ireo “ondry” ireo dia miteny amin’ireo mpandova ny teny fikasana natao tamin’i Abrahama manao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Toy ny andehanan’ireo anisan’ny tena Fiangonana na Eglizy na kongregasiona amim-pahatokiana manaraka ny dian’i Kristy ka anambarany ny hafatra mikasika ilay Fanjakana, dia toy izany koa fa ireo “ondry” ireo dia mandeha ‘miaraka aminy’ mba hanompo an’Andriamanitra eo anilany. Moa ve hianao anisan’ireo “ondry” ireo izay manao toy izany? Raha izany no izy, dia mahazo manantena ny hahazo ny fiainana mandrakizay eto an-tany hianao, ary hahazo koa an’ireo fitahiana hafa rehetra hirotsaka amin’ny alalan’i Kristy sy ny kongregasionany efa nahazo voninahitra any an-danitra.
[Fanontaniana]