Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahitan-tsoa ve ny fanaovana ny marina?

Ahitan-tsoa ve ny fanaovana ny marina?

Toko faha-22

Ahitan-tsoa ve ny fanaovana ny marina?

1-4. Asa tsy marina inona avy no nety ho tsikaritrao teo amin’ireo zatovo? Nahoana no tsy tokony ho gaga raha mahita zatovo maro be manao toy izany (Isaia 9:16)?

 ANKEHITRINY, ny ankamaroan’ny olona dia tsy mihevitra fa mety ny hilazana ny marina mandrakariva. Tsy mba voamarikao ve izany? Mpanao raharaham-barotra maro no milaza fa tsy ho afaka hiatrika ny fifaninanana izy raha tsy somary mihatsaravelatsihy. Hitantsika isan’andro ireo dokam-barotra mampiseho ny zava-misy amin’ny fomba nitarina na novana. Ary na dia ireo filoha ara-politika izay heverina ho miahy ny tombontsoan’ny vahoaka aza dia tsarain’ny olona maro ho tsy mendrika itokiana.

2 Amin’ny fahitana ny tsy fahamarinana miely aoka izany eo amin’ireo olon-dehibe dia matetika ireo tanora no lasa manaraka ny lalam-pitondrantena toy izany. Any an-tsekoly dia maro no mangalatra amin’ny fanadinana na “mingitrika” noho ny antony tsy marina. Eo anatrehan’ireo namany izy dia mieboebo amin’ny fitafiana toetra noforonina na amin’ny fanafenana izay tena ataony. Any an-tokantranony izy dia ho tonga hatramin’ny famitahana ireo ray aman-dreniny. Tsy hilaza ny marina tanteraka izy amin’ireo fanontaniana mahakasika ny fitondrantenany ary hanafina ny zava-misy amin’ny fanodinana ny resany mba hanafenana izay tena heviny. Raha toa ireo ray aman-dreniny na ny olon-kafa ka miezaka hamantatra izay fihetseham-pon’izy ireo momba ny fahalotoam-pitondrantena, ny fampiasana zava-mahadomelina na zavatra hafa karazan’izany dia angamba hanao izay hanaronana ny zava-misy amin’ny resaka mampandry adrisa izy, hiezaka hanome an’ireo izay manontany azy ny valiny tiany ho re, nefa tsy milaza akory izay tena heviny. Mba hahazoan-dalana hanao izay tiany hatao na mba hahazoana vola dia manandrana manambitamby ny ray aman-dreniny izy amin’ny fiezahana mandokadoka na manangoly azy.

3 Nefa, tokony hahagaga tokoa ve izany? Raha ny marina, dia tanora maro no mihevitra fa manana zo hanao toy izany izy. Nahoana? Marina fa nampianatra azy angamba ireo ray aman-dreniny hoe ratsy ny mandainga. Nefa mety ho nahita azy ireo nanova zavatra izy mba hialana amin’ny tarehin-javatra sarotra na mba hialana amin’ny fandoavana lazam-bidy (facture), trosa na hetra. Mbola tsy nahamarika ve ianao fa tonga hatramin’ny fampandaingana ny zanany eo amin’ny toerany ireo ray aman-dreny sasany amin’ny fanaovana fialan-tsiny diso?

4 Amin’ny toe-javatra toy izany, ahoana no hahafahan’ny tanora iray, ary, na iza na iza amintsika aza, hieritreritra ny hanao fiezahana mba hitoerana ho marina amin’ny toe-javatra rehetra? Ao amin’ny tontolo iray mandainga, mamitaka na mangalatra amin’ny fomba tena mahazatra, soa misy vokany tsara inona na tombontsoa inona moa no mety ho azonao amin’ny fifikirana hatrany amin’izay marina? Tena hahita tombontsoa betsaka kokoa avy amin’izany ve ianao noho ny amin’ny tsy fanaovana ny marina, ary raha eny, karazana tombontsoa manao ahoana?

TOMBONTSOA MIHELINA SA MAHARITRA?

5-7. Nahoana no tsy maharitra ny tombontsoa entin’ny tsy fahamarinana?

5 Manontania tena hoe: Inona no iriko: fahombiazana haingana mitondra tombontsoa vetivety, sa fahombiazana misy tombony maharitra? Amin’ny fieritreretana tsara an’izany, moa ve tsy marina fa na dia mandeha tsara aza ny zavatra rehetra, ny tombontsoa mivaingana entin’ny lainga sy ny halatra dia mihelina ihany? Eny, tena marina ny Tenin’Andriamanitra rehefa milaza hoe: “Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.” — Ohabolana 12:19.

6 Aoka halaintsika sary an-tsaina, ohatra, ny mpivarotra iray mandainga eo amin’ny toetry ny zavatra amidiny. Afaka mandraiki-barotra izy amin’izany, nefa angamba hamoy mpividy anankiray miaraka amin’izay izy raha fantatr’ilay olona fa voafitaka izy. Aoka hatao koa hoe ta hangala-tahaka ianao any am-pianarana. Raha manao izay tsy hahatratrarana anao ianao dia hahazo naoty tsara. Nefa hampiasainao amin’inona izany naoty ambony izany raha mandao ny sekoly ianao avy eo nefa tsy mahay zavatra firy, ary angamba aza tsy mahay mamaky teny na manisa mazava tsara akory?

7 Raha ny marina, izay mamitaka ny namany dia mamitaka ny tenany ihany. Ampitahao fotsiny ny olona marina sy ny tsy marina. Eritrereto ny fatiantoka mahazo an’ity farany. Moa ve izay rehetra mihevitra fa afaka hanampy azy ny fandaingana mba hananana fiainana tsara kokoa na sambatra kokoa, tsy tena fohy fijery?

8-10. Nahoana no mitondra soa ny fanaovana ny marina a) eo amin’ny asa tsy ara-pivavahana? b) eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana? d) eo amin’ny mpinamana?

8 Ny laza tsara noho ny fanaovana ny marina sy ny fahitsiana no ahazoanao ny fanajana sy ny fatokian’ny hafa. Ho porofon’ny fahatsoranao, ireo namanao dia hankamamy an’io toetra io ao aminao ary hirona hamboly izany koa. Marina fa izao tontolo izao ankehitriny dia matetika no tsy manao ny marina eo amin’ny raharaha, nefa marina koa fa ireo mpampiasa amin’ny ankapobeny dia ampy fahaiza-mitsara zavatra mba haneho fankasitrahana ireo mpiasa tsy mivadika. Ny laza tsara amin’izany lafiny izany dia mety hanampy anao hahita asa amin’ny fotoana fahavitsian’ny asa na hanampy anao hihazona ny asanao rehefa mamoy ny azy ny hafa.

9 Ao an-tokantrano, ny fahatsorana dia mampisy rivo-piainana mahafinaritra sy tony amin’ny fanafoanana izay rehetra mahatonga fisalasalana na ahiahy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vadiny, toy izany koa eo amin’ireo ray aman-dreny sy zanaka. Rehefa mahazo ny fatokian’ireo ray aman-dreniny tanteraka ireo ankizy amin’ny fanehoana fahatsorana, dia hamela azy ireo hanana fahalalahana tsikelikely izy. Marina fa mety hampahatonga fanitsiana ianao amin’ny filazana ny marina momba ny fahadisoana na tsy fahamarinana iray. Nefa angamba halefaka kokoa ny famaizana noho ny fahatsoranao. Ary raha toa indray ianao ka mandà araka ny marina fa tsy nanao fahadisoana toy izao na toy izao, dia tsy isalasalana fa hino anao tsotra fotsiny ireo ray aman-dreninao.

10 Hojerentsika izao ny amin’ny olona iray izay mandainga mba tsy “ho tratra” na noho ny tombontsoa sasany. Mety hamoy izany tombontsoa tsara rehetra izany izy, satria ny fiaraha-miasa amin’ny olona iray tsy manao ny marina dia mitovitovy amin’ny fitondrana fiarakodia iray simba familiana: tsy fantatra tsara mihitsy izay handehanany. Tokony ho fantatrao koa fa raha mandainga amin’ny hafa ianao na mamitaka azy dia mamorona rivo-piahiahiana izay tsy ho afaka raha tsy taona maro. Raha toa ka ray na reny na namana ilay olona voafitaka toy izany dia hikombona angamba ny ratrany, nefa mety hitahiry fahatsiarovana mampahory maharitra toy ny holatra izy avy amin’izany. Ary raha manjary fahazarana ho anao ny mandainga, dia mety ho avy ny andro iray izay hilanao mafy na hanirianao ny hinoan’ny hafa anao na hatokiany anao, nefa tsy afaka hanao izany izy ireny. Amin’ireo tombontsoa mihelina mety homen’ny tsy fahamarinana, iza no manamarina ny fisetran-javatra toy izany?

11-13. a) Ahoana moa, amin’ny ankapobeny, no mahatonga ho zatra mandainga? b) Nahoana no hakanosana fa tsy fahasahiana ny fandaingana?

11 Raha ny marina, ny fandaingana dia fandehanana eny ambony fasi-polaka. Matetika tokoa ny lainga no mitarika lainga hafa ary dia tafalatsaka ao anatin’ny zava-manahirana tsy azo ialana ny tena. Moa ve tsy miharihary fa mampiseho fahendrena ity torohevitra omena ao amin’ny Baiboly ity: “Aza mifandainga hianareo.”? — Kolosiana 3:9.

12 Matetika ireo izay mandainga no manomboka amin’ny lainga kely na “lainga madinidinika”, ary avy eo dia tonga tsikelikely amin’ny zava-dehibe kokoa. Mitovy amin’ny filokana àry ny lainga. Manomboka amin’ny filokana madinidinika ilay mpiloka, nefa amin’ny ankapobeny izy dia tonga tsikelikely amin’ny filokana lehibe kokoa mba hanonerana fatiantoka sasany.

13 Raha vao jerena fotsiny ny olona iray mahay mandainga eo imaso nefa tsy miahotra dia mety hoheverina fa tena sahy sy tony. Angamba ianao efa nandre firesahana ny amin’olona izay mizatra mandainga amin’ny fibanjinana ny hafa eo amin’ny masony. Moa ve tsy fahasahiana izany? Tsia, ny lainga dia mariky ny hakanosana kosa satria izay tena manana herim-po dia vonona hilaza hatrany ny marina sy hiantsoroka ny vokany na inona na inona. Tsy hery ny lainga fa fahalemena satria tsy mahavita tena fa tsy maintsy tohanan’ny lainga hafa; tsy mahatohitra ny fahamarinana mihitsy izy. Nahoana àry no hanahaka ny olona iray izay mandany ny fiainany amin’ny fanafenana ny tena endriny, amin’ny fiafenana, amin’ny fandosirana ary amin’ny famoronana fialan-tsiny? Nahoana no hanahaka an’i Jodasy Iskariota izay nanjary mpamitaka ary nanao izay hananana fiainana roa sosona, mba hiafarana amin’ny tsy fahombiazana sy ny famonoan-tena? Nahoana no tsy mitondra tena toy ny tena lehilahy na vehivavy amin’ny fanehoana fahatsorana? Tsy misy fomba hafa noho izany hitanana ny fanajan-tena sy ny fieritreretana tsara.

MAHAIZA MITANA NY TENY NATAO

14-16. Nahoana no zava-dehibe ny hitanana ny teny natao?

14 Raharaha momba ny fanaovana ny marina koa ny fitanana ny teny natao. Tsy isalasalana fa halahelo mafy ianao raha tsy mitana ny teny nataony ireo ray aman-dreninao rehefa avy nampanantena zavatra anao. Nefa mahatsiaro tena ho voafatotra tanteraka koa ve ianao rehefa hoe hitana ny teny nataonao tamin’ireo ray aman-dreninao? Ahoana no hataonao amin’izany? Raha nampanantena ianao fa hitondra ny fanampianao na hanao zavatra iray, moa ve ianao miezaka hatrany hitana ny teny nataonao? Ary raha nifanao fotoana hentitra tamin’olona iray ianao, tonga ara-potoana ve ianao? Milaza inona ny teny nataonao?

15 Ny fahatanorana no vanim-potoana tsara indrindra hahazoana fahazarana mitana ny teny natao. Amin’ny fitanana na tsia ny fampanantenanao no ampisehoanao izay maha-ianao anao ao anaty, ka amin’izany no anazaranao ny sainao sy ny fonao. Mampitombo toe-tsaina sy fomba fiheveran-javatra izay mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fiforonan’ny maha-ianao anao ianao amin’izay.

16 Raha mendri-pitokiana ianao dieny izao, dia tsy isalasalana fa hitoetra ho toy izany any aoriana. Ary tena marina koa ny mifamadika amin’izany. Ohatra, raha izao ianao no tsy manaja ny teny nataonao dia mety hanao fifanekena hentitra momba ny asa iray na andraikitra iray any aoriana, ary tsy ho ela dia hanao izay hialana amin’izany. Izany no ataon’ny olona maro, nefa tsy dia hajaina firy izy ireny.

17-19. a) Nahoana ny olona no tsy mitana ny teny nataony? b) Inona no hanampy anao tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny tarehin-javatra izay mety hahatonga anao ho voan’ny fakam-panahy tsy hitana ny teny nataonao?

17 Fa nahoana ny olona no tsy mitana ny teny nataony? Amin’ny lafiny anankiray dia satria miteraka fameperana sasany ary mampisy faneriterena ny fitanana ny teny natao. Rehefa tonga ny ora hamonjena fotoana nifanaovana na hanatanterahana fampanantenana hafa dia mety hahatsiaro ho voasinton’ny zavatra hafa kokoa ny tena. Etsy an-danin’izany, dia satria tratra aoriana loatra ny tena vao mahita fa tena ho sarotra tanterahina kokoa ilay fampanantenana tsy araka ny niheverana azy tamin’ny voalohany.

18 Inona àry no hataonao? Hitana ny teny nataonao ve ianao na dia tsy maintsy hihara-pisedrana na fatiantoka aza? Mety hiteny ianao hoe: “Tsy fantatro hoe naninona aho no nanao fanekena.” Nefa ny tena fanontaniana dia ny hoe: moa ve ilay olona anankiray nanao hosoka na namitaka? Raha tsy izany no izy, na inona na inona fahasahiranana ho hitanao amin’ny fanatanterahana ny fanekenao, dia hanatsoaka fianarana sarobidy avy amin’izany ianao, fara faharatsiny, dia ny hoe: Mieritrereta alohan’ny hitenenana, alohan’ny hanomezanao teny, ary raha milaza izany ianao dia aoka mba ho amim-pahatapahan-kevitra sy amin’ny fahalalana ny anton-javatra.

19 Mety hitondra fahasahiranana ho anao ny famaliana hoe “Eny” mba hahafaly ny hafa, nefa tsy maminavina izay ho vokany. Mifanohitra amin’izany, raha toa ianao ka tsy mampanantena hanao zavatra raha tsy amim-pahamalinana, rehefa avy nandinika tsara ny toe-draharaha sy nieritreritra tsara izay mety haningotsingotra ny fiainanao, dia ho mora lavitra ho anao ny tsy hivadika amin’ny teny natao. Ho nanomana ny fonao sy ny sainao ho amin’izany ianao. “Aoka ny teninareo ho Eny, eny”, hoy i Jesosy. — Matio 5:37.

NY ENDRINY AHITAN-TSOA INDRINDRA AMIN’NY FANAOVANA NY MARINA

20-22. a) Noho ny antony tena lehibe inona no maha-zava-dehibe ny ho marina amin’ny fotoana rehetra (Salamo 15:1-4)? b) Inona no oha-pahatokiana tsara dia tsara ny amin’ny teny nataony omen’Andriamanitra antsika? Inona no hanampy antsika hanaraka ny ohatra omeny?

20 Ny antony lehibe indrindra isehoantsika ho marina sy mahitsy dia satria ny olona toy izany ihany no eken’i Jehovah Andriamanitra ho sakaizany. Nahoana? Satria ny tenany mihitsy no tena tsy mivadika tokoa amin’ny teny nataony. Noho izany no nahafahan’i Josoa nilaza tamin’ny firenen’Isiraely hoe: “Ary fantatrareo ao amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.” (Josoa 23:14). Ny tapany lehibe amin’ny Baiboly dia voaforon’ny fitantarana ireo fampanantenana notanan’i Jehovah. Ny fahatokiany tamin’ny lasa no mamela antsika hiandry amim-patokiana ireo fitahiana hoentin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenany amin’ny hoavy ho antsika.

21 Irinao ve ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra? Aoka àry hotadidinao fa tsy manome izany afa-tsy ho an’ireo izay mivavaka aminy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” ihany izy. (Jaona 4:23.) Ary aoka tsy hohadinoinao fa mankahala ny lainga amin’ny endriny rehetra izy, dia: ny famitahana, ny fideran-tena, ny fanendrikendrehana ary ny hosoka, satria ny lainga dia avy amin’ny fitiavan-tena, ny fitsiriritana, ny hamafin’ny fo ary ny tsy firaharahana ny tombontsoan’ny hafa. Fantany fa ny zava-manahirana sy ny fahorian’ny olombelona rehetra dia vokatry ny lainga avy amin’ilay “rain’ny lainga”, dia Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra lehibe indrindra. — Jaona 8:44.

22 Moa ve ianao maniry amim-pahatsorana hanaraka fitsipi-pitondrantena mahitsy ary hifikitra amin’izany amim-pahatokiana? Tokony ho takatrao raha izany fa ny fitiavana marina ny Mpamorona anao sy ny namanao ihany no hanome anao ny antony manosika ilaina. Tokony hahatsapa fitiavana lehibe ny fahamarinana ianao noho ny soa entiny ary fankahalana mafy ny lainga koa noho ny ratsy aterany. Tokony hanome lanjany ny fankasitrahan’Andriamanitra mihoatra noho ny an’ny hafa na iza na iza koa ianao. Tadidio fa noho ny tenany mihitsy tia ny fahamarinana sy mankahala ny lainga no ahafahantsika mamelona fanantenana azo antoka ho an’ny hoavy, fanantenana miorina amin’ireo fampanantenany tsy mety diso sy amin’ny fahamarinan’ny Teniny voaporofo ara-dalàna. Aoka àry ianao hiezaka hanahaka azy. Tadidio fa “Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.” — Ohabolana 12:19.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 174]

Raha mangalatra ianao, moa ve ianao handray soa marina avy amin’izany?