Ahoana no fiheveranao ireo ray aman-dreninao?
Toko faha-10
Ahoana no fiheveranao ireo ray aman-dreninao?
1-3. a) Inona no asehon’ny fihetsika ananana manoloana ireo ray aman-drenin’ny tena? b) Fihetsika manao ahoana no asehon’ireo zatovo fantatrao manoloana ireo ray aman-dreniny? Mitovy fomba fijery amin’izy ireny ve ianao? d) Endri-panabeazana inona no mety hanampy ny zatovo iray hanaja ireo ray aman-dreniny, ary nahoana?
REHEFA milaza izay heveriny momba ireo ray aman-dreniny ny zatovo sasany, dia miresaka kely koa ny momba ny tenany izy ireny. Ny fomba firesakao momba ireo ray aman-dreninao sy ny fihetsikao manoloana an’izy ireo tokoa dia mampiseho izay ao an-tsainao sy ao am-ponao. Milaza zavatra betsaka izany rehetra izany na eo amin’ny maha-ianao anao ankehitriny na ny ho avy. Rehefa mandeha tokoa ny fotoana, ireo fahazarana noraisina tao an-tokantrano dia hanjary toetra raikitra ao aminao.
2 Misy ny zatovo sasany manana fihetsika tsy manorina amin’ireo ray aman-dreniny saika amin’ny lafin-javatra rehetra. Maro amin’izy ireny no mihevitra fa tsy mahatakatra ny fiheviny ireo ray aman-dreniny na tsy miezaka ny hahatakatra ny fiheviny akory; toy ny “efa lany andro” tokoa ny ray aman-dreny amin’izy ireny ka tsy afaka manao asa ilaina eo amin’izao tontolo izao irimorimoan’ny zavatra rehetra. Hiova ho fikomiana tsikelikely izany fiheverana izany. Ho lasa fahazarana hiseho any ivelan’ny faritry ny fianakaviana mora foana ny toe-tsaina toy izany raha tsy sakanana. Ary vetivety foana ianao dia hiatrika tena zava-manahirana vokatry ny fandikana an-tsitra-po ireo lalàna napetraky ny fiaraha-monina mba hiantohana ny fiadanany sy ny fiarovana azy.
3 Misy anefa zatovo tsy mba mitondra tena tahaka izany. Na dia mihalehibe aza izy ireny dia manaja ireo ray aman-dreniny. Fantany ny anton’ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao ankehitriny ary mahalala izay tehirizin’ny hoavy ho an’ny tenany izy. Koa tsy ta hampifanaraka ny fitondrantenany amin’ny an’ny sasany tsy manorina izy. Ankasitrahany amin’ny fomba feno ny fiezahana asehon’ireo ray aman-dreniny mba hampianarana azy hanaja ireo fotopoto-pitsipika ambony momba ny fitondrantena tsara — izay raketin’ny Teny voasoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Manome izao torohevitra izao ny Baiboly: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah] izy.” Nankasitraka an’io endri-panabeazana io ireny tanora ireny ary niantsoroka ny andraikitr’izy ireo tamim-pahazotoana, ka izany dia namela azy hahatakatra ny toerana tanany eo anivon’ny fianakaviana. Misy fifandraisana tsara àry ao an-tokantranon’izy ireo. — Efesiana 6:4.
FANKATOAVANA MENDRIKA IREO RAY AMAN-DRENY
4-6. a) Inona no nataon’ireo ray aman-dreninao ho anao hatramin’izao? b) Ahoana no azonao ampisehoana ny fankasitrahanao amin’izy ireo (Efesiana 6:1, 2)?
4 Nefa ahoana ny amin’ireo ankizy tsy mba ampianarin’ny ray aman-dreny fotopoto-pitsipika ara-baiboly? Tsy natao hanaja ireo ray aman-dreny sy hankatò azy ve izy ireny? Na dia marina aza fa tsy tena tsara ny fanabeazana omen’ny ray aman-dreny satria tsy miorina amin’ireo zavatra takin’Andriamanitra, dia tokony hampiseho fihetsika tsara eo anoloan’ny ray aman-dreniny ihany ireo ankizy. Maro ny anton’izany.
5 Tsy afaka hahatsiaro tanteraka izay rehetra nataon’ireo ray aman-dreninao taminao ianao, noho ianao tsy niaina irery mihitsy. Nefa, eritrereto kely: Hatramin’ny nahaterahanao dia niahy anao izy ireo, isan’andro isan’andro; nanome sakafo anao, fitafiana, trano onenana, ary niantoka ny fanabeazana anao izy ireo.
6 Raha nilaina ny naka mpiasa an-trano iray mahafoy tena toy ireo ray aman-dreninao hatramin’ny nahaterahanao, dia ho nandanianao harena izany! Mendrika ny fanajanao ireo ray aman-dreninao noho izay rehetra vitany. Any aoriana, rehefa manambady ianao ka manorina fianakaviana, dia ho takatrao kokoa ny andraikitr’ireo ray aman-dreninao. Nefa nahoana no tsy aseho dieny izao amin’izy ireo ny fankasitrahanao? Raha mamaly kely amin’ny fitiavana nitandreman’ireo ray aman-dreninao anao ianao amin’ny fanehoana fankatoavana sy fanajana azy ireo, dia hanome porofo fa tonga olona matotra sy feno fahendrena, izay mihevitra ireo manisy soa azy, ianao.
7-12. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny zatovo ny fahadisoana ataon’ireo ray aman-dreniny (Matio 6:14, 15)? b) Araka ny ampisehoan’ny Baiboly azy, toerana manao ahoana no nomen’Andriamanitra ireo ray aman-dreny (Ohabolana 6:20)? Nahoana no ilaina izany? d) Ratsy ve ny tsy fankatoavana ny ray aman-drenin’ny tena?
7 Tsy tokony hanatsoaka hevitra avy amin’izany anefa ianao fa tanteraka ireo ray aman-dreninao. Hita fa manao fahadisoana tahaka ny tenanao koa izy ireo. Ianao anefa no manao bebe kokoa, noho ianao tsy manana ny fanandraman-javatra hitan’izy ireo. Manakiana azy ireo amin’ny fahadisoany ve ianao nefa manantena azy hanaronany ny anao? Mba ho ara-dalàna dia tsy tokony hijery ny tsy fahalavorarian’izy ireo ianao, satria ireo ray aman-dreninao manao toy izany aminao. Ary satria mavesatra indrindra ny andraikitra omena azy ireo, dia takatra mora foana fa mety hanao fahadisoana izy indraindray. Marina ny fotopoto-pitsipika manaraka hoe: “Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary ny famindrampo kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.” — Jakoba 2:13.
8 Amin’ny toe-javatra sasany anefa, izay raisinao ho toy ny fahadisoana dia mety ho fomba fijery hafa noho ny anao fotsiny. Raha toy izany no izy, ary raha toa ireo ray aman-dreninao ka nanaraka fihetsika voafaritra tsara, inona no tokony hataonao?
9 Tokony hotadidinao fa hafa noho ny anao ny toeran’ireo ray aman-dreninao. Araka ny fandaharana avy amin’Andriamanitra dia mitana toerana ambony izy ireo ary nanome azy fahefana sy andraikitra Andriamanitra, fa mbola tsy sahaza anao kosa izany. Amin’izany, ireo fanapahan-kevitra raisin’ireo ray aman-dreninao momba anao dia ananan’izy ireo fahefana feno. Izany no antony anomezan’ny Tenin’Andriamanitra ity torohevitra manaraka ity: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.” Miharihary fa izany dia ny fankatoavana izay rehetra andidian’ny ray aman-dreny ka tsy mifanohitra amin’ireo lalàn’Andriamanitra. — Kolosiana 3:20.
10 Ilaina ny fandaminana eo amin’ny fiaraha-monina satria hisafotofoto ny zavatra rehetra ary hikorontana raha tsy misy izany. Ny tantsambo iray, ohatra, tsy handeha hilaza amin’ny kapiteniny ny amin’izay tokony hataony mba hampandehanana ny sambony, ary ny mpanao baolina iray tsy hampianatra ny mpanazatra azy ny fitarihana ny antokony. Marina fa ny kapiteny tsara iray toy ny mpanazatra tsara iray dia hanaiky ireo fanoloran-kevitra ary ho tonga hatramin’ny fitadiavana izay hilazana izany eo amin’ireo izay tarihiny. Nefa raha manaiky handray baiko izy ireo, na atoro azy ny fitsipi-pitondrantenany dia ho foana ny fahefany ary hiteraka fikorontanana sy fisafotofotoana izany. Sa tsy izany, hoy ianao?
11 Manana ny toerany koa àry ny filaminana ao anatin’ny faritry ny fianakaviana. Noho ny fitsipika naorin’Andriamanitra dia miasa amin’ny maha-filoha ny ray ary miara-miasa akaiky aminy ny reny. Nanankinana ny fitarihana ireo zanany izy ireo. Koa rehefa mitaky zavatra sasany ireo ray aman-dreninao, na ny ora tokony hodianao ny hariva izany na ny fifaneraseranao, ny fomba fiakanjonao, sns... ka manaraka ny toromariny ianao dia manaja ny lalàn’Andriamanitra. Nefa raha tsy mankatò ireo ray aman-dreninao kosa ianao dia mandika izany lalàna izany. Amin’ny toe-javatra toy izany dia manohitra an’Andriamanitra izay nahary anao sy ireo ray aman-dreninao ianao. Ary ianao no hamoy be indrindra amin’izany ady izany. Ny fihetsikao manoloana ny fahefan’ireo ray aman-dreninao dia hampiseho ny fiheverana omenao an’Ilay eo ambonin’izy ireo izay tokony hekeny, dia Jehovah Andriamanitra.
12 Voasoratra koa fa: “Ny maso izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny dia hotsaingotsaingohin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka ary hohanin’ny zana-boromahery.” Eny, mety hitarika fahafatesana ny fihetsika ratsy manoloana ireo ray aman-dreny. — Ohabolana 30:17.
FIANARANA AZO AVY AMIN’NY FANEKENA
13-17. a) Amin’ny ahoana ny fianarana manaja ireo ray aman-dreninao sy mankatò azy no mety hahasoa anao rahatrizay miteraka ianao? b) Ahoana no andraisanao soa avy amin’izany any an-tsekoly, na any amin’ny mpampiasa anao? d) Mbola zava-dehibe kokoa ihany, amin’ny ahoana ny fitondrantenanao no hanimba ny toeranao eo anatrehan’Andriamanitra?
13 Ho tonga amin’ny taona hanambadianao ianao indray andro any. Raha hanorina tokantrano sy hanan-janaka ianao, moa ve tsy antenainao ny hanehoan’izy ireo fankatoavana sy fanajana anao? Nefa raha tsy nianatra hitondra tena tsara manoloana ireo ray aman-dreninao ianao dia azo inoana fa ho sahirana amin’ny fampianarana ireo zanakao ny fanajana. Izay afafy no jinjaina, hoy ny Baiboly (Galatiana 6:7). Dieny izao dia mianara manaiky ny toerana ambany misy anao; ho mora kokoa aminao ny hiatrika ireo andraikitra mavesatra izay iantsorohan’ireo olon-dehibe ary ireo ray aman-dreny angamba, any aoriana.
14 Raha mamboly fihetsika tsy manorina eo anoloan’ireo ray aman-dreninao ianao dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny asa hataonao amin’ny ho avy izany. Ohatra, raha miasa ao amin’ny mpampiasa iray ianao, moa tsy hahasosotra anao foana ve ny fahefana ampihariny? Raha manankina andraikitra iray aminao izy, ho hitanao ho sarotra ve ny manatanteraka izany? Tsy hitsahatra ny hitaraina noho ny asanao ve ianao? Ary inona no holazaina ny amin’ny ho fihetsikao manoloana ireo mpiara-miasa aminao? Tsy lavina fa hanana hitarainana ny amin’izy ireo koa ianao, ary tsy hieritreritra akory ny hisaotra azy ireo rehefa mba manao zavatra ho anao izy. Na koa, raha manaraka fampianarana mba hianarana asa iray ianao, na raha ampiofanina hanao asa iray ianao, herinandro vitsy monja no ho lasa dia hieritreritra ianao fa mahalala be lavitra noho ny mpampianatra anao. Ny fihetsika toy izany manoloana ny fahefana dia mety tsy hitondra ho anao afa-tsy fahasorisorena sy alahelo. Ary ho avy amin’ny fihetsika ratsy nanananao tamin’ireo ray aman-dreninao izany rehetra izany.
15 Hevero ho tena zava-misy àry ny fiainam-pianakaviana sy ny toerana tananao ao anatiny. Aoka ho takatrao fa izany no tian’i Jehovah ary tsara lavitra izany fandaharana izany.
16 Nefa raha mandà tsy handray ny toerana natao ho anao eo anivon’ny fianakaviana ianao amin’izao taonanao izao dia hahita fahasahiranana. Tsy ny fifandraisanao amin’ireo ray aman-dreninao na amin’ny hafa ihany no hisy fahavoazana avy amin’izany na ny fiainan-ko avinao ihany no ho simban’izany, fa ny mbola ratsy lavitra dia ho simban’ny fihetsikao ny toerana tananao eo anatrehan’Andriamanitra. Ary Andriamanitra no hametra na hiaina mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javany vaovao ianao na hifarana miaraka amin’ny fandravana tsy ho ela ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny ny fiainanao. Aoka àry ianao hamaly ity antso ity: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” — Ohabolana 3:1, 2.
17 Saintsaino ny valisoa horaisin’ireo izay mitandrina ny didin’ny Raintsika any an-danitra sy tsy manadino ny Lalàny. Izao izany: “Andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana.” Izany ve no tianao? Moa ve ianao maniry hiaina ela sy hifaly amin’ny fiainana milamina sy sambatra? Asehoy àry izany amin’ny fihainoana ny didin’Andriamanitra mibaiko anao hankatò ireo ray aman-dreninao.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 76]
Manaja ny ray aman-dreninao araka ny mendrika azy ireo ve ianao?