Ahoana no fiheveranao ny lalàm-pifehezana?
Toko faha-13
Ahoana no fiheveranao ny lalàm-pifehezana?
1-4. a) Nahoana isika rehetra no mirona hanao fahadisoana? b) Ankoatra ny tsy fahalalana, manonòna antony iray hafa mahatonga fahadisoana.
ANGAMBA ianao mahafantatra namana iray any an-tsekoly na mpampianatra mihitsy aza, izay tsy miaiky mihitsy ny tsy rariny ataony ary tsy mamela fahadisoana. Ahoana no fiheveranao ny olona toy izany? Raha miteny aminao izy indray andro any hoe: “Miala tsiny aho fa nanao fahadisoana”, hanana fiheverana tsaratsara kokoa momba azy ve ianao, sa mifanohitra amin’izany kosa, hietry izy eo anatrehanao?
2 Miharihary tsara fa manao fahadisoana avokoa isika rehetra. Tsy misy tanteraka na tsy misy pentina; izany no asehon’ny Baiboly. Noho ny tsy fankatoavan’i Adama dia mandova tsy fahatanterahana sy ota avokoa ny olombelona rehetra. Manazava ny Tenin’Andriamanitra fa “tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra”. — Romana 5:12.
3 Manao fahadisoana ny sasany noho ny “tsy fahalalana”, nefa ny ankamaroany dia manao ny tsy mety noho ny tsirambina. Any anaty fiaramanidina, ohatra, ny mpandeha iray dia mety tsy hitandrina ireo toromariky ny hôtesy rehefa manazava ny fomba fampiasa ny salotra famonjena (gilet de sauvetage) na ny fitaovana fifohana ôksizenina izy io. Raha mitranga ny loza aman’antambo iray ka maty io mpandeha io, noho ny tsy nampiasana ireo fomba famonjena natao hampiasainy, tsy misy idiran’ny tsy fahalalana amin’izany. Ny tsirambina no ho fototry ny tsy fahalalany.
4 Tsy azo atao àry ny mampitovy ny fahadisoana rehetra amin’ny fahadisoan-kevitra fotsiny. Ny tsy fahalalana niniana natao matetika no mahatonga izany. Mbola ratsy kokoa fa ny sasany minia manao ratsy sady mitady fialan-tsiny noho ny antony iray na ny hafa.
5, 6. a) Nahoana ny fanitsiana no mahasoa na ho an’ny zatovo na ho an’ny olon-dehibe? b) Inona no zava-kendren’ny lalàm-pifehezana (Ohabolana 1:1-4)?
5 Izay hita teo dia mampiseho ny ilàna ny lalàm-pifehezana izay ny fanitsiana no mahaforona endriny iray. Na zatovo isika na be taona dia mila ny ahitsy avokoa. Tsy afaka handroso eo amin’ny lafiny na inona na inona ny olona raha tsy misy ny lalàm-pifehezana sy ny fanitsiana. Hikiry amin’izany fahazaran-dratsy izany foana izy amin’ny finoana hevi-diso, ka tsy hanatsara ny fahalalany na ny fahaizany.
6 Nefa fantatrao ve fa milaza zavatra bebe kokoa noho ny fanitsiana ny lalàm-pifehezana? Endri-panabeazana iray koa izy io, izay manazatra ny olona iray, manatanjaka azy ary mahatonga azy ho tsaratsara kokoa. Noho ny fikendrena hanitsy, hitondra fanatsarana ho amin’ny hoavy no nanomezana ny lalàm-pifehezana.
NAHOANA NO TSY MORA NY MANAIKY NY LALÀM-PIFEHEZANA?
7-9. a) Nahoana no sarotra matetika ny manaiky ny fifehezana? b) Ahoana no atao mba hananana fihetsika tsara manoloana ny fifehezana?
7 Raha ny lalàm-pifehezana no loharanon’ny soa toy izany, nahoana no sarotra aoka izany amin’ny olona maro ny manaiky azy? Satria tsy tanteraka izy ireny ary izany ihany koa no antony ilàn’izy ireny ny hofehezina. Mety hiteraka fahasahiranana ny lalàm-pifehezana; mety hanohina ny hambom-pontsika ihany koa izany. Aoka anefa homarihintsika ny endriny iray hafa momba ilay raharaha, araka ny ampisehoan’ny apostoly Paoly azy: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” — Hebreo 12:11.
8 Ny fanetren-tena no manafoana ny tapany lehibe amin’ny hamafin’ny fifehezana. Nefa, maro be ireo izay mamela ny avonavona sy ny ditra hahatonga azy ireo hanohitra ny fifehezana. Raha tsara orina anefa ny fanitsiana sy ny fananarana dia heverina ho toy ny adala eo imason’ny hafa ilay mandà azy. Manambara momba izany toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.” — Ohabolana 1:7.
9 Mifanohitra amin’izany, izao no vakintsika: “Ny hendry no anaro dia ho tiany hianao.” Nahoana? Satria fantany fa noho ny fanitsiana dia “hihahendry izy.” — Ohabolana 9:8, 9.
AHOANA NO HO FIHETSIKAO?
10-12. a) Araka ny Ohabolana 19:20, ahoana no ananan’ny fifehezana heriny eo amin’ny fiainanao? b) Nahoana Jehovah no manafay antsika (Hebreo 12:5, 6)? d) Iza no nandray fahefana hampihatra fifehezana?
10 Mitranga àry ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no tianao hanaovana ny fiainanao? Moa ve ianao handeha araka ny toe-javatra miseho sa kosa hiasa ho an’ny hoavy mendrika izany anarana izany? Ahoana no fiheveranao ny lalàm-pifehezana? Ekenao ve ny Tenin’Andriamanitra izay manambara toy izao: “Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana mba ho hendry hianao amin’izay hiafaranao.” — Ohabolana 19:20.
11 Na inona na inona fomba fijerinao, dia hisy toe-javatra eo amin’ny fiainana izay tsy maintsy hilanao ny hofehezina. Raha tadidinao hatrany fa avy amin’i Jehovah ny fifehezana dia ho mora kokoa aminao ny hiaritra izany. Nataon’Andriamanitra izany satria tia antsika izy, satria iriny ny hanampy antsika mba hihatsara. Noho izany no ilazan’ny Baiboly fa na iza na iza mankahala ny fifehezana dia ‘manary ny tenin’Andriamanitra eo ivohony’. — Salamo 50:17.
12 Manana fototra avy amin’ny fahefana ny lalàm-pifehezana. Araka ny hevitrao, iza no tsara toerana indrindra mba hanome ny lalàm-pifehezana ho an’ny zatovo? Nanankina an’io asa io amin’ireo ray aman-dreny Andriamanitra, satria izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny fiainan’ireo zanany. Fa raha ny amin’ny kongregasiona kristiana kosa, dia nomen’Andriamanitra azy ny “loholona” amin’ny heviny ara-panahy izay mahay ‘mananatra amin’ny fampianarana tsy misy kilema sady mandresy lahatra ny mpanohitra’. — Titosy 1:5-9.
13-17. Raha mirona ho tezitra isika rehefa ahitsy, ny amin’inona no tokony hoeritreretintsika mba hahazoantsika manitsy ny fihetsitsika (Ohabolana 4:1, 2; 13:24; 15:32)?
13 Ahoana no fihetsikao rehefa mifehy anao ireo ray aman-dreninao? Maro ny tanora no tezitra amin’izany, na dia tsy maharitra aza indraindray, ary mandao ny tokantranony mihitsy aza noho izany antony izany. Raha toa ny torohevitra na ny fananarana ka manakorontan-tsaina anao dia manontania tena hoe: Nahoana ireo ray aman-dreniko no nanao fiezahana sy naka fotoana mba hanomezana ahy torohevitra na fananarana toy izany? Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, na dia tsy amin’izy rehetra aza, dia hiaiky ianao fa tsy dia nahafinaritra azy loatra izany; nananatra anao izy ireo satria ampy fitiavana anao mba hanaovana fiezahana amin’izany. Na dia izany ihany aza dia tokony hanosika anao hieritreritra tsara izay nolazaina taminao.
14 Marina fa ilaina ny herim-po mba hiaikena fahadisoana. Ary mila manetry tena mba hanaiky ny fifehezana, indrindra raha heverinao fa tsy voamarina izany. Nefa raha tony hatrany ianao fa tsy mikomy dia handray soa avy amin’izany ary hihamalefaka ny toe-javatra.
15 Tadidio koa fa tsy manao izay hanerena anao handeha eo amin’ny lalan’ny fiainana ireo izay manafay anao. Mifanohitra amin’izany fa miezaka manampy anao handroso izy, mba tsy hahitanao fahasahiranana lehibe. Manafaka anao amin’izay rehetra mety ho tonga loharanom-pahasahiranana hanelingelina ny fandrosoanao ny lalàm-pifehezana. Raha manaiky ny fanitsiana ianao dia mampanantena anao izao manaraka izao ny Baiboly: “Raha mandeha hianao, dia tsy ho èty ny làlanao; ary raha mihazakazaka hianao, dia tsy ho tafintohina. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; hazòny izy fa ainao. — Ohabolana 4:10-13.
16 Miharihary fa tsy mila miandry hahitsin’ny hafa mihitsy ianao; afaka mampihatra ny fifehezan-tena ianao. Raha malina ianao dia hahafantatra ny ankamaroan’ireo fahadisoanao ary hanao izay rehetra azonao atao mba hanitsiana azy.
17 Loharanon’ny soa maro be ny fahaiza-manaiky anatra. Ny fanekena amim-pahatsorana ireo fahadisoan’ny tena dia manova ny fihetseham-po lalina; mahay mamantatra izay marina ny fontsika sy ny saintsika amin’izany. Mihatsara ny fifandraisantsika amin’ireo mpiara-belona amintsika noho izy ireo mihevitra antsika ho marina, manetry tena, tsy miovaova ary tena hafa noho ireo olona manodidina antsika. Ambonin’izany rehetra izany, io toetra io dia tena ilaina mba hanorenana fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra sy mba hitanana izany. Miantoka hoavy sambatra sy maharitra ho antsika izy io. Eny, “làlan’aina ny anatra famaizana.” — Ohabolana 6:23.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 94]
Rehefa ahitsy ianao, ahoana no ataonao?