Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ianao ho velona ho an’ny ankehitriny sy ny hoavy

Aoka ianao ho velona ho an’ny ankehitriny sy ny hoavy

Toko 1

Aoka ianao ho velona ho an’ny ankehitriny sy ny hoavy

1-5. Nahoana moa ireo taom-pahatanoranao no tokony hahasambatra? Nefa inona no misakana izany fahasambarana izany?

 TOKONY ho taona kanto indrindra ny taonan’ny fahatanoranao. Moa ve tsy ny fahatanorana no lohataonan’ny fiainana? Tsy miavaka amin’ny fahavitrihany sy ny hatsarany ve izany? Manjary matanjaka kokoa ara-batana sy ara-tsaina mandrakariva ianao. Mahita fomba maro ahafahana mianatra sy manao zavatra ianao. Tsy misy mihitsy àry antony tsy hahatonga ireo tanora ho sambatra sy ho be hafanam-po.

2 Nefa ianao izay tanora, moa ve ianao mba sambatra na ho toy izany indray andro any? Misy anton-javatra maro izay mety hitondra na tsy hitondra fahasambarana ho anao. Ao ny sasantsasany izay tsy maintsy hatrehina, nefa ao koa ny hafa izay azo resena. Ity boky ity dia natao hanampiana anao mba handray soa be indrindra avy amin’ny fahatanoranao sy mba hanomezana soa maharitra ho anao.

3 Fotoam-pisedrana koa ny fahatanorana. Araka ny ahatsapanao azy tokoa, dia tsy isalasalana fa feno fandrika izay hisedra ny herim-ponao ny fiainana. Nefa ho mora kokoa ho anao ny hitondra tsara ny fiainanao raha mianatra mandresy an’izany aloha be ianao. Eny, isaky ny hahavaha olana iray ianao dia hahatsapa fa nahazo fandresena ary hanana fatokiana.

4 Raha izany, tsy aleo ve misetra ny zava-tsarotry ny fahatanorana, toy izay hamela ny tena hofitahin’ireo fandrika sy ireo fahasahiranana ary ireo olana? Miharihary fa ho mora kokoa ny manonofy na mamita-tena amin’ny fakana sary an-tsaina ny fiainana tsy araka izay tena fisehony akory. Nefa fantatrao tsara fa mazàna ireo mpanonofy no miafara amin’ny fahalatsahana ao anatin’ny tena fisehoan-javatra sarotra ary mety ho sahirana tokoa izy hiala amin’izany mba handroso indray. Ary dia ho very fotoana tokoa izy satria, araka ny ilazana azy matetika, dia hoe tsy impiry ho tanora.

5 Ny taona maha-zatovo dia dingana iray eo amin’ny fiainana izay isian’ny fiovana isan-karazany. Hitombo ny vatanao amin’izay mba hahatratrarana ny fahamasahany feno eo anelanelan’ny roapolo sy telo amby roapolo taona ary tsy isalasalana fa mila fotoana misimisy kokoa ihany ianao mba hahatongavana amin’ny fahamasahana ara-piraiketam-po. Hatreo, ireo fiovana sasany amin’ny tenanao dia mety hahatonga anao ho sahiran-tsaina sy tsy hatoky ny tenanao. Ahoana, ohatra, no hataonao raha misy filana eo amin’ny lahy sy ny vavy manomboka mipoitra ao aminao? Ity boky ity àry dia mampahafantatra ny momba izany fisehoan-javatra mpahazo ny zatovo izany, ary manazava ny fomba azo ifehezana izany amim-pahombiazana. Ho afaka handray fifaliana koa aza ianao amin’ny fandresena ireo fakam-panahin’ny fahatanorana, izay mahatonga izany ho vanim-potoana hafa indrindra ho nampisehoanao ny maha-olona anao ary ho nahatongavanao amin’izay tena maha-ianao anao tokoa.

FANAMPIANA AMIN’NY FITONDRANA NY FIAINANAO

6-9. Soa inona avy no ho azonao amin’ny fandinihana ny asan’ireo zokinao?

6 Mahatsapa ny tenanao ho voateritery angamba ianao indraindray satria tenenina foana hoe: “Izao no ataovy, aza manao an’izao.” Nefa amin’ny fisaintsainana tsara an’izany, dia hiaiky ianao fa manome anao endri-pahafahana iray izay tsy ho hitanao intsony mihitsy ireo taom-pahatanoranao. Marina tokoa fa afaka manokana fotoana betsaka amin’ny fianarana sy amin’ny fanitarana ny fahaizanao ary ny talentanao ianao satria tsy mba voafatotry ny andraikitra rehetra izay tsy maintsy iantsorohan’ny olon-dehibe. Mandritra ny fahatanoranao dia afaka mandany fotoana misimisy kokoa noho ireo zokinao ianao mba hankafizana sy hisaintsainana ny zava-bitan’ny olombelona sy izay ataony. Afaka manatsoaka lesona avy amin’ny fahombiazany na ny fahavoazan’izy ireo ianao amin’izany, sy hanavaka izay lafin-javatra nanaovan’izy ireo zavatra tamim-pahendrena na tamin-kadalana, ka izany no hanampy anao hifidy ny lalana handehananao eo amin’ny fiainana.

7 Nefa, araka ny hevitrao, moa ve ianao mahay mitondra ny fiainanao tsy misy fanampian’olona? Ho fahendrena ve ny hanandramana an’izany? Hampieritreritra anao ireto ohatra roa ireto.

8 Aoka hataontsika hoe ta hanamboatra maoterana fiarakodia ianao. Moa ve ianao hanao izany nefa tsy naka mialoha ny torohevitry ny mpanamboatra milina ampy fanandraman-javatra akory? Na koa, ho rafitra hanjaitra akanjo iray fitondra amin’ny lanonan-takariva ve ianao nefa tsy misy modely akory ary mbola tsy nahita olona nanjaitra mihitsy ianao hatramin’izay? Ho azonao sary an-tsaina avy hatrany hoe ho sahala amin’inona ilay akanjonao.

9 Nefa, mazava ho azy fa mbola be kojakojany lavitra noho ny maoteram-piarakodia na ny akanjo fitondra amin’ny lanonan-takariva ny fiainana.

AOKA IANAO HIFANDRAY AMIN’NY HAFA

10-16. a) Nahoana ny zatovo sasany no mihevitra fa tsy afaka mianatra na inona na inona amin’ireo zokiny izy? Ahoana ny hevitrao momba izany? b) Nahoana isika no mila loharanom-pahalalana iray hafa momba ny fiainana?

10 Hita eo amin’ny fiainana fa ny tsirairay avy amintsika dia manorina eo amin’izay fahalalana azontsika avy amin’ireo zokintsika. Nefa tsy hety izany raha tsy amin’ny fifandraisana amin’izy ireo. Tsy ho afaka handray soa be amin’ny fahalalana sy ny fanandraman-javatr’izy ireo isika raha tsy mifampiresaka aminy, mamaky na mandinika izay nianaran’ny hafa talohantsika.

11 Tsy ho afaka handray soa be indrindra avy amin’ny fahatanoranao ianao raha tsy amin’ny fanararaotana izay nianaran’ny hafa talohanao, na ny fikojakojana ny vatana izany, na ny fomba hahazoana tena sakaiza sy ny hitanana izany, ny torohevitra mahasoa momba ny fifaneraserana mialoha ny fanambadiana, ny zava-manahirana eo amin’ny fanambadiana, ny amin’ny lahy sy ny vavy na ny fampiasana zava-pisotro misy alikaola sy ny zava-mahadomelina. Izany no antony hiresahana ny momba ireo raharaha rehetra ireo ato amin’ity boky ity.

12 Nefa mety hahalasa eritreritra anao izay hitanao manodidina anao. Tsy misy afa-tsy fitiavan-tena, tsy rariny, fitaka, fandotoana, heloka bevava, ady, lainga ary fihatsarambelatsihy tokoa. Ary hoy ianao anakampo: “Inona no azoko ianarana avy amin’ny olon-dehibe izay nahatonga ny fisafotofotoana toy izany?”

13 Marina fa olon-dehibe maro no manana anjara andraikitra amin’izany fisafotofotoana izany, satria na dia tsy manao ratsy mivantana aza izy ireny dia fara faharatsiny manohana na mankasitraka ny fandehan-javatra nahatonga izany.

14 Nefa, maro ireo olona be taona kokoa noho ianao no mba tafintohina toa anao koa noho izay rehetra hitany. Marina tokoa fa tsy miseho tampoka ao anatin’ny taranaka iray ihany ireo zava-manahirana ny olombelona. Fony izy ireo teo amin’izao taonanao izao, ireo ray aman-dreninao angamba dia efa kivy noho ny toe-piainana nanjaka tamin’izany. Tsapa tokoa fa hatramin’ny fiandohan’ny taonjato, ary indrindra hatramin’ny ady tamin’ny 1914—1918, dia tsy nitsahatra ny niala tamin’ny fahasahiranana lehibe iray ny olombelona mba hidirana indray ao amin’ny iray hafa izay mbola mafy kokoa hatrany noho ny teo aloha.

15 Miharihary fa tsy ampy fotsiny ny hoe ampy taona sy fanandraman-javatra mba hahafahana mamaha ny olana rehetra eo amin’ny fiainana izay mahatonga ny toe-javatra tsy hihatsara. Indrisy, tsy izany no izy. Nefa raha izany, ankoatra ny fanandraman-javatr’ireo zokintsika, moa ve tsy misy loharanom-pahalalana iray hafa sy fanampiana tsara kokoa ary mandaitra kokoa izay mendrika ny fatokiantsika rehetra?

16 Eny, misy ny loharano toy izany, ary hojerentsika indrindra ny amin’izany izao.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]