Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitandremam-pahasalamana ara-batana tsara

Fitandremam-pahasalamana ara-batana tsara

Toko faha-6

Fitandremam-pahasalamana ara-batana tsara

1, 2. Ahoana no ahafahana milaza fa ny tenan’ny olombelona dia iray amin’ireo sangan’asa tamin’ny famoronana?

 NAMPITAHA ny tenan’ny olombelona amin’ny trano iray miaraka amin’ireo varavarany sy varavarankeliny i Solomona hendry. Notondroin’ny apostoly Paoly tamin’ny fitenenana hoe “trano fonenana” izany, taonjato maro tatỳ aoriana (Mpitoriteny 12:3-7; 2 Korintiana 5:1, 2, MN.) Toy ny ataonao amin’ny tranonao, dia tokony hikarakara ny vatanao koa ianao mba hahafahany manao izay zavatra tianao hataony.

2 Mitandrina tsara ny fahasalamanao ara-batana ve ianao sa manao tsirambina amin’izany lafiny izany? Ankasitrahanao ve io zava-mahatalanjona io, dia ny tenan’olombelona? Tokony hanao izany ianao satria anankiray amin’ireo sangan’asa tamin’ny famoronana teto an-tany izany. Sarotra kokoa noho ny ôrdinatera na ny “robot” ary fomba indrindra ny fiasan’ny tenan’ny olombelona; nefa dia mizotra amim-pirindrana, azo ovaovana sy amin’ny fomba mandaitra izany. Talanjona ny tena rehefa mieritreritra fa toy ny iray ihany ny fiasan’ny firafitry ny taolana, siraka (muscle), lalan-dra, hozatra ary ny hafa koa. Araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly dia “iray” ihany ny tena nefa manana rantsana maro. Mety ny hitadidiana izany sy ny hahafantarana ny fahamarinan’ity fanambarana hafa iray nataon’ilay apostoly ity: “Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena”. Eny, iray ihany ny tena na dia voaforon’ny sela an-davitrisany maro aza. Koa raha tianao ny hifaly amin’ny fomba feno amin’ny fahatanoranao sy amin’ny fiainana dia tsy azonao atao ny hanao tsirambina na dia anankiray aza amin’ireo faritra amin’ny tenanao. — 1 Korintiana 12:12, 14-26.

3-5. a) Noho ny antony tsara dia tsara inona no hikarakaranao ny tenanao (Romana 14:7, 8)? b) Nahoana ny fotopoto-pitsipika izay milaza fa ‘izay afafin’ny olona no jinjany’ no marina eo amin’ny lafin’ny fitandremam-pahasalamana ara-batana?

3 Nefa misy antony hafa iray, izay tena tsara kokoa tokony hikarakaranao tsara ny tenanao: mba hanomezam-boninahitra ny Mpamorona anao sy ireo ray aman-dreninao ary mba tsy hampahasosotra ny manodidina anao. Ny trano iray natao tsirambina dia tsy manome voninahitra ny mpanao mari-trano izay nanao ny planina na ny mpanorina izay nahavita azy. Mampaharary ny eo amin’ny manodidina azy ny trano iray misavoritaka, maloto ary mamoaka fofona mampaloiloy. Toy izany ihany koa ny tenantsika raha manao tsirambina ny fahadiovantsika ara-batana isika.

4 Marina ihany koa ity fotopoto-pitsipika ara-baiboly manaraka ity raha eo amin’ny lafin’ny fitandremam-pahasalamana ara-batana: “Izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7). Miankina amintsika ny hahatsara na haharatsy ny “vokatra”. Tsy ilaina ny miandry ny fotoam-pahanterana vao hanomboka hijinja fa manomboka aloha be, amin’ny fiantombohan’ny fiainana mihitsy aza ny fijinjana.

5 Tsy fiahiana mba tsy “harary” fotsiny izany. Tokony hitady izay hahasalama anao ihany koa ianao mba hahatsapana fahasambarana, fahazotoana miasa, hahafahana misaina tsara sy hahatonga ny tena ho olona mahafinaritra raha ifaneraserana. Aoka isika izao hijery sasantsasany amin’ireo zavatra mendrika hotandremana mandrakariva.

NY MAHA-ZAVA-DEHIBE NY SAKAFO TSARA

6-8. Inona no maha-zava-dehibe ny sakafo tsara misy a) hanina “hydrocarbonés”? b) prôteina, d) sira mineraly, e) otrikanina (vitamines)?

6 Tsy natao hanomezana hery anao fotsiny ireo sakafo hohaninao. Mitondra ho an’ny tenanao ireo fitaovana mahavelona izay ilainy izy ireny. Manome hery ireo sakafo “hydrocarbonés” toy ny siramamy, ny mofo ary ny ovy. Nefa inona no hitranga raha ataonao foto-tsakafo izy ireny? Inona no hiseho raha manandrana mivelona amin’ny sirao, limaonady na zava-mamy ianao? Hisy tsy fahampian-kery vokatry ny tsy fahampian’ny fifandanjana eo amin’ny karazan-tsakafo tena ilaina mba hanonerana ny zavatra very isan’andro ao amin’ny tenanao amin’izay.

7 Ny tenan’ny olombelona dia mila tsy tapaka prôteina izay hita ao amin’ny ronono, ohatra, na ao amin’ny frômazy, ny tsaramaso mbamin’ny karazany, ny hena ary ny trondro. Miseho amin’ny alalan’ny fitsaharan’ny fitomboana na tsy fahampian-kery na tsy fahampian’ny fahatanjahan’ny siraka (muscles) ny tsy fisian’ny prôteina ao amin’ny tena. Mila sira mineraly ihany koa ny vatana fa raha tsy misy izany dia ho simba haingana ny nify ary ho tapaka mora foana ny taolana. Be otrikanina (vitamines) na mpampifandrindra ara-tsimia ny ana-maitso ka ireo no miaro ny tena amin’ny aretina sasany. Ny voankazo sy ny voamadinika no tena loharanon’izany. Tena ilaina koa ny rano. Tokony ho betsaka izany satria izy no mahaforona izay maha-izy ny ra sy ireo tsiranoka rehetra ao amin’ny taova.

8 Tsapa raha vao eo amin’ny fotoana maha-zatovo ireo vokatry ny fahatsarana na faharatsian-tsakafo fa tsy miandry hoe any amin’ny fahenimpolo na fahafitopolo taona. Hita tamin’ny fanandraman-javatra fa mahavita fianarana tsara kokoa ireo mpianatra manaraka fitandremana ara-tsakafo nohatsaraina. Na iza na iza mihinan-tsakafo tsy dia tsara loatra dia tsy hanao ahoana koa ny asa vitany ary ho mora iharan-doza izy. Manala haingana ny fahatanjahan’ny vatana sy ny hatsarany voajanahary ny sakafo toy izany.

MANATSARA NY FAHASALAMANA NY FAHADIOVANA

9-14. a) Amin’ny heviny ahoana ny fandroana matetika no fiarovana? b) Amin’ny ahoana ny fahadiovana ara-batana no mety hanan-kery eo amin’ny fomba itsaran’ny olona anao ary nahoana? d) Nahoana no zava-dehibe ny hamotsiana tsy tapaka sy amim-pitandremana ny nify? e) Inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fahadiovana (Eksodosy 30:17-21; Matio 6:17, 18)?

9 Tahaka ny maha-tsara ny miaina ao amin’ny trano iray madio sy milamina no ahatsapana fahafinaretana raha mitandrina ireo fitsipi-pahadiovana ara-batana ny tena. Sady manala havizanana no mitondra vokany mahasoa ny fandroana matetika. Mifampikasoka maharitra amin’ireo tsimokaretina entin’ny rivotra fohintsika sy ireo zavatra raisintsika ny tenanao. Mpitondra aretina ny sasantsasany amin’ireny otrikaretina ireny. Mety àry ny hisasana amin’ny savony sy ny rano; mamono ny tsimokaretina ny savony ary natao hanesorana ny otrikaretina maty kosa ny rano. Hokarakarainao manokana ny tananao satria izy no andraisanao ireo sakafonao, ny olon-kafa ary ireo zavatra hafa ampiasainy.

10 Tsy hoe mitondra fahafinaretana ho anao fotsiny ny fahadiovana ara-batana tsara fa hahatonga ny fisianao hahafinaritra kokoa ireo manodidina anao ihany koa. Rehefa mahita trano iray maloto sy tsy voakarakara ianao, ahoana no fiheveranao ny olona mipetraka ao? Toy izany koa fa manana fironana hitsara anao araka ny fisehoanao ivelany ny olona. Ny tarehy maloto, ny sofina tsy voadio, ny vozona ratsy sasa, ny volo maloto, ny tanana tsy madio ary ny hoho mainty dia azo antoka fa tsy hanampy anao hahazo ny fisakaizana sy ny fankasitrahan’ireo mpiara-belona aminao. Nefa dia hahazo fankasitrahana lehibe kokoa avy amin’ny tenanao ihany ianao raha miahy ny amin’ny fahadiovan’ny vatanao.

11 Fisehoan-javatra voajanahary ny hatsembohana. Tsemboka ny vatana na dia rehefa manao asa kely monja aza na tsy manao asa ara-batana goavana akory. Ny hatsembohana miangona dia mamoaka fofona mahasosotra. Aoka àry ianao handro tsy tapaka ary hanasa amim-pitandremana ireo faritra mora tsemboka (helika, tongotra sns...). Hahafinaritra kokoa ny manodidina anao ny fisianao amin’izay. Noho ny fahadiovana tsara ara-batana sy ara-tsakafo no hanananao ihany koa endrika mazava sy malambolambo.

12 Mila miahy ny amin’ny fahadiovan’ny nifinao koa ianao. Mety hiraikitra eny anelanelan’ny nify tokoa ireo faikan-tsakafo na hipetraka eny ambonin’ny nify; hiteraka asidra izay hamely ny ivelan’ny nifinao ireny faikan-javatra ireny. Miafara amin’ny fahasimban’ny ivelan’ny nify ny fiverimberenan’izany mandritra ny volana maromaro ary dia hiseho amin’izay ny olitra. Mety hitarika aretin’ny akanjonify ny fanaovana tsirambina ny vava ka mety hiafara amin’ny fialana sy fihintsanan’ny nify izany. Mieritreritra ve ianao fa hanome hatsarana ny fitsikinao ny nify voan’ny olitra na banga?

13 Hiaro anao tsy ho maimbo vava ihany koa ny fahadiovana tsara eo amin’ny vava. Misotroa rano imbetsaky ny vera isan’andro. Ataovy ao an-tsaina tsara izao sary izao: sahala amin’ny fidirana ao amin’ny trano iray ny vavanao. Raha toa ilay trano ka tsy voakarakara ary mamoaka fofona maimbo dia hivily lalana haingana ny mpandalo.

14 Ara-dalàna ny fomba fihevitry ny Tenin’Andriamanitra momba ny fahadiovana, mifanohitra amin’ireo fiheverana tafahoatra naroson’ny sasany. Manoro sy mampianatra hanana fahadiovana ny Baiboly. Ny tanana voasasa tsara sy ny vatana nampandroina tsara dia matetika no ampiasaina ho toy ny mariky ny fahadiovana sy fahitsiana ara-panahy. Nanome izao fampirisihana izao ny apostoly Paoly: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1). Madio ao anatintsika ve isika, dia ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika? Nahoana, raha izany no tsy hokarakaraintsika koa ny tenantsika?

NY ILÀNA NY FIALAN-TSASATRA TSARA

15-18. a) Nahoana ny vatana no mila fialan-tsasatra sy torimaso? b) Na dia mahatsiaro ho salama aza ianao, nahoana no mila torimaso ampy? d) Ahoana no ampisehoantsika fanajana an’Andriamanitra amin’ny fikarakarana ny tenantsika?

15 Isan’andro dia an-tapitrisany maro amin’ireo sela amin’ny tenantsika no maty ary tokony hosoloana. Ny fanaovan-javatra rehetra, indrindra ny asa sy ny fampiasan-tena dia mitarika fiangonan-doto ao amin’ny vatana, indrindra ao amin’ireo siraka. Izany fiangonan-doto izany no mahatonga fahatsapana ho vizana ao aminao. Mila fialan-tsasatra tsara àry ny vatana mba hanesorana izany loto izany sy hanangonana indray ny hery ilaina amin’ny fanamboarana sela vaovao ka hitoerana ho salama amin’izany. Tena ilain’ny atidoha sy ny rafi-pitatitra (système nerveux) koa ny torimaso izay mitondra fialan-tsasatra ho azy ireo.

16 Mety hoheverinao, amin’ny maha-tanora anao, fa ampy ho an’ny tenanao ny matory ora vitsivitsy monja. Nefa aoka ianao tsy hanaiky ho voafitaky ny fahatanjahana sy ny herin’ny fahatanorana. Mety ho voafin’izany ireo soritr’aretina tena lehibe vokatry ny tsy fahampian-torimaso. Raha ny marina, ny ankizy na ny zatovo iray eo an-dalam-pitomboana dia mila matory maharitra kokoa noho ny olon-dehibe. Manimba ny fahiratan-tsaina sy ny fitadidiana ny tsy fahampian-torimaso; mahatonga ny tena ho kamo izany ary mampihena ny fahatsiarovan-tena hanao zavatra. Raha tsy matory tsara ianao dia hahatsapa fihenjanana anaty, fahataitairana sasany, ary hanjary ho mora tezitra sy sarotsarotiny. Izany indrindra no miseho rehefa iharan’ny fanerena isan-karazany ny tena.

17 Ampio àry ny tenanao amin’ny fanomezana azy ny fialan-tsasatra ilaina. Raha asain’ireo ray aman-dreninao matory amin’ny ora iray ianao dia aoka hanaiky ny maha-ara-dalàna ny torohevitr’izy ireo. Hamela anao hiasa haingana kokoa sy tsara kokoa ny fialan-tsasatra ampy isan’alina. Ho hitanao ho tsara kokoa ny fiainana amin’izay ary tsy dia hanan-javatra maro hitarainana ianao.

18 Raha mankamamy ny aina izay fanomezana natao ho antsika isika dia hampiasa ny tenantsika hanomezam-boninahitra ny Mpamorona antsika ary koa ny Zanany izay nanolotra ny ainy mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Tsy tokony hampiasa ny tenantsika amin’ny fomba ratsy mihitsy isika na hanao tsirambina azy io, na amin’ny tsy firaikana izany, na amin’ny hadalana na noho ny antony mampiseho fitiavan-tena. Izany dia ho tsy fahampiam-panajana an’Ilay nanome antsika ny aina. Mifanohitra amin’izany fa hitandrina izao fampirisihana ara-baiboly izao isika: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany”. Aoka àry ianao hiseho ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny fitiavana nasehony anao, dia hamaly soa anao izy ary hitahy anao be dia be tokoa. — 1 Korintiana 10:31.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 45]

Ny fihinanana sakafo tsara no fototry ny fahasalamana.

[Sary, pejy 48]

Mila fialan-tsasatra tsara ny tenanao mba hahafaka ny loto anaty.