Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hahomby ve ny fanambadianao?

Hahomby ve ny fanambadianao?

Toko faha-20

Hahomby ve ny fanambadianao?

1-4. a) Nahoana no mety hanahy ny tena raha ny amin’izay mety ho fahombiazan’ny fanambadiana? b) Inona no tena ilaina ny hahafantarana azy raha ny amin’ny fiandohan’ny fanambadiana? Nahoana (Genesisy 2:21-24; Matio 19:4-6)?

 REHEFA ho tonga ny fotoana hanambadianao dia tsy maintsy haniry ny hahombiazan’ny fanambadianao ianao. Nefa rehefa heverina ny fitomboana haingana eo amin’ny isan’ny fisaraham-panambadiana dia toa ho foana ny fanantenanao. Any amin’ny tany sasany tokoa dia saika mitovy ny isan’ny fisaraham-panambadiana sy ny fampakaram-bady. Ahoana àry no hahafahanao hiaro ny fahasambaran’ny fanambadianao amin’ireo fahasahiranana mety hanimba azy?

2 Ny fandinihana amim-pitandremana ny fototra niandohan’ny fanambadiana no hampiharihary zava-manahirana mifandray aminy sy ny vahaolana ny amin’izany. Maro no mihevitra fa naorin’ny olombelona efa hatry ny ela be ny fanambadiana, finoana izay tena nahatonga ny faharavan’ny fianakaviana amin’ny androntsika. Nahoana? Satria izany tsy miraharaha, toy ny hoe tsy misy vidiny, ireo torohevitra tsara indrindra momba ny zava-manahirana ara-panambadiana.

3 Raha ny marina, ny fanambadiana dia nanam-piandohana ambony lavitra. Ilay Andriamanitra Tsitoha mihitsy no namorona ny lehilahy sy vehivavy voalohany, nanome azy ireo fahafahana hiteraka sy nampiray azy tamin’ny fatoram-panambadiana. Nanome ireo toromarika voasoratra ao amin’ny Baiboly izay ilaina mba hampandeha tsara ny tokantrano koa izy. Ny fahasambaranao àry dia hiankina amin’ny fampiharanao an’izany amim-pahendrena.

4 Hanohitra ny sasany fa misy olona manana ny Baiboly hatramin’ny ela, nefa tsy mahomby ny fanambadiany, ary koa hoe ny fitomboan’ny isan’ny fisaraham-panambadiana dia noho ny fihenan’ny fahavononan’ny mpivady hanohy ny fiaraha-miaina tsy mahomby. Misy fahamarinany kely izay lazain’izy ireo satria mpivady misaraka an-tapitrisany maro no manana Baiboly tokoa. Nefa mba namaky izany ve izy ireny ary, ny mbola zava-dehibe kokoa ihany, moa ve izy nampihatra ireo fotopoto-pitsipiny teo amin’ny fiainany? Ireo torohevitry ny Baiboly tokoa dia nanampy mpivady ana hetsiny maro hahita fanafodin’ny zava-nanahirana azy ireo. Raha toa àry ianao ka maniry ny hahombiazan’ny fanambadianao dia hanampy anao koa izany torohevitry ny Baiboly izany.

NY FAHAFAHAMPO EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY

5-10. a) Hevitra manao ahoana tsy araka ny tena izy loatra no ananan’ny olona maro momba ny fahafinaretana eo amin’ny lahy sy ny vavy? b) Amin’ny ahoana ny torohevitry ny Baiboly mampirisika antsika hanome no mety hanampy ny mpivady hahita fifaliana amin’izany lafiny izany?

5 Azo antoka fa efa nandre firesahana ianao fa ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy no fototry ny ankamaroan’ireo zava-manahirana ara-panambadiana. Marina izany, nefa satria matetika tokoa no aseho amin’ny olona tsy araka ny tena izy izany raharaha izany. Ireo tantaram-pitiavana fanta-bahoaka, ny revio, ny fahitalavitra ary ny sarimihetsika dia mampiseho tantarana mpivady izay rehefa avy taitran’ny “fitiavana tonga tampoka tsy hay tohaina” dia “niaina tamim-pahasambarana nandritra ny fiainan’izy ireo”. Manome fiheverana tafahoatra ny fahafinaretan’ny nofo ny haisoratra iray ka mitarika faniriana mihoa-pampana tsy mety afa-po. Nanambara toy izao, ohatra, ny vehivavy tanora iray: “Izay nandrasako avy tamin’ny firaisana dia karazana faharavoravoam-panahy feno nofinofy, toy ny hoe hirehitra tahaka ny kanety be mandeha amin’ny herin’aratra izao tontolo izao. Ekena fa tsy ratsy izany, nefa hoy aho anakampo: ‘Izay ihany ve? Dia tena izay ihany tokoa ve?’ ”

6 Angamba ianao mbola tsy manambady, nefa takatrao ve ny zava-manahirana an’io vehivavy io? Ny fanahiany be indrindra dia ny hahitana ny fahafinaretany manokana avy amin’ny firaisana, ka tsy afa-po izy. Izany no fitarainan’ny vehivavy maro momba ny vadiny izay tsy manome fahafahampo azy eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Inona no azon’ny vehivavy iray atao amin’izany toe-javatra izany? Miresaka zavatra mahasoa ve ny Baiboly? Mariho ny fampirisihana mivantana izay voasoratra ao: “Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin’ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin’ny lahy. Aza misara-pandriana hianareo, raha tsy amin’izay andro sasany ifanekenareo.” — 1 Korintiana 7:3, 5.

7 Mifanaraka amin’io torohevitra io, iza no tianao homena fahafinaretana aloha? Ny tenanao, toy ny nataon’ilay vehivavy resahina etsy ambony ve? Tsia dia tsia tokoa, fa ny vadinao. Ny fotopoto-pitsipika lehibe ao amin’ny Baiboly eto dia ny fanomezana. Ny fahasambarana sy ny fifalian’ny vadinao dia tokony hahery noho izay mety ho fiheverana hafa rehetra, ary izany dia mifanaraka amin’ireto fotopoto-pitsipika hafa ireto: “Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.” “Ny fitiavana (...) tsy mitady ny azy.” — 1 Korintiana 10:24; 13:4, 5.

8 Angamba ianao hiteny anakampo hoe: “Ahoana no hahafahako mampitombo ny fahafahampoko manokana amin’ny fanaovana izay hahazoan’ny vadiko fahafinaretana?” Ny fahafinaretana azon’ny mpivady avy amin’ny firaisany dia miankina be dia be amin’ny toe-tsain’izy ireo sy ny fihetseham-pony. Raha toa ny firaisan’ny mpivady amin’izy ireo ka fomba hampisehoana ny fifankatiavany dia handray fifaliana bebe kokoa avy amin’izany foana izy. Rehefa tsy mampifantoka mandrakariva ny sainy amin’ny fahatsapany manokana ny vehivavy iray dia mora milefitra kokoa ary tsy maintsy mahita ny fahafinaretana manokana andrasany avy amin’ny firaisan’ny mpivady.

9 Jesosy Kristy, ilay mpampianatra lehibe indrindra tamin’izay rehetra niaina teto an-tany, dia nampiseho fa mandray fahafahampo lalina tokoa ny tena amin’ny fanomezana avy amin’ny tena. Nilaza izy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Hita fa marina tokoa io fitenenana io raha ny amin’ny firaisana ao amin’ny faritry ny fanambadiana. — Asa 20:35.

10 Misy antony hafa koa izay mahatonga ny fampiharana ireo torohevitry ny Baiboly hahazoanao fahafahampo manokana rehefa manambady ianao. Ny fihetsika toy izany tokoa no fomba tsara indrindra hitarihana ny vadinao hanao zavatra amim-pitiavana sy hiahy ny amin’izay ilainao sy irinao. Voaporofo izany amin’ireo fanambadiana maro izay andraisan’ilay tapa-kevitra hanome voalohany, soa koa avy eo. Noho izany no andidian’ny Baiboly ny amin’ny hanariana izay rehetra mety ho endriky ny fitiavan-tena ka hanehoana fitiavana eo amin’ny adidy ara-panambadiana. Aoka hotadidinao izany satria hahatonga fifanarahana tsara eo amin’ny fanambadianareo.

11-15. a) Inona no tokony ho fantatry ny lehilahy iray hanambady momba ny filan’ny vehivavy hotiavina? b) Araka ny voalazan’ny Baiboly, inona no andraikitry ny lehilahy vady manoloana izany?

11 Angamba ianao efa nandre firesahana fa mitaraina matetika ireo lehilahy manambady noho ireo vadiny “mangatsiaka” loatra ka tsy mety ho namana tsara. Fantatrao ve hoe inona amin’ny ankapobeny no mahatonga izany fitarainana izany? Manambara toy izao ny Baiboly: “Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy.” (Efesiana 5:28, 29). Miharihary fa matetika mihitsy ny ratsy no avy amin’ny lehilahy ihany, izay tsy mampihatra ny fotopoto-pitsipika voalaza eo.

12 Tena mampiseho ny filana hahatsapa ho tian’ny vadiny tokoa ve ireo vehivavy? Eny, tsy misy hiadian-kevitra izany. Ireo mpanolo-tsaina momba ny fanambadiana dia manoritra matetika an’ity fahamarinana tsotra ity: Mba hahasambatra tanteraka, ny vehivavy dia mila mahatsapa fa tiana izy. Aoka ianao hitadidy tsara, rehefa manambady, fa ny tsiambaratelon’ny fifankatiavana mafana eo amin’ny mpivady dia ny hanomezana fahafahampo an’io filan’ny vadinao hotiavina io. Mananatra ireo lehilahy vady toy izao ny Baiboly: “Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra.” — Efesiana 5:33.

13 Mety hieritreritra angamba ianao fa rehefa manome ireo zavatra ilain’ny vadinao ara-nofo ianao dia ho ampy izany mba hanaporofoana aminy ny fitiavanao. Nefa raha mahihitra ianao amin’ny fanehoana firaiketam-po, inona tokoa no ho tsapany? Ho fantatrao izany amin’ny famakiana izay nosoratan’ny vehivavy iray manambady toy izao: “Ny zava-manahirana ahy dia noho izaho maniry mafy (...) teny mamy, fiderana, ny sandriny mamihina ahy rehefa mikarakara sakafo aho, mba ho afaka mipetraka eo am-pofoany. Homeko an-tsitrapo izay ananako rehetra mba ho takalon’ny famihinana ahy amim-piraiketam-po.”

14 Eny, ilain’ny vehivavy ny hampisehoan’ny lehilahy ny fitiavany. Miramirana izy amin’izay, sambatra ary matetika aza no manjary manintona kokoa. Noforonina niaraka taminy izany filana fitiavana izany ary noho izany no itakian’Andriamanitra ny hitiavan’ny lehilahy ny vadiny. Ny tsy fanajana an’io fitsipika io no antony lehibe mahatonga ny fanambadiana tsy hahomby ankehitriny. Ahoana izany?

15 Ny vehivavy iray tsy anehoam-pitiavana sy firaiketam-po dia mahatsapa fa tsy raharahain’ny vadiny ary tonga amin’ny fanahiana ny amin’ny hatsarany. Mety ho tonga hatramin’ny fankahalana kely ny vadiny aza izy ary haniry tsy nahy ny hamaly ratsy azy.

16-18. a) Fiheveran-diso inona no ananan’ny lehilahy maro momba ny fomba itiavan’ny vehivavy hitondrana azy? b) Inona no hevitry ny torohevitra omena ao amin’ny 1 Petera 3:7?

16 Hihevitra angamba ianao fa tsy fisehoana ho lehilahy ny fanomezana mari-pitiavana betsaka ho an’ny vehivavy iray nalainao ho vady. Mety ho efa nandre firesahana aza ianao fa tian’ny vehivavy ny hoentina amin’ny fomba henjana, nefa tsy izany no izy. Mifanohitra amin’izany fa mety ho hitan’ny vehivavy ho mandiso fanantenana ary mahasosotra mihitsy aza ny firaisan’ny lahy sy ny vavy raha toa ilay vadiny ka manadino fa nataon’Andriamanitra hiseho hankatò ny vady iray malemy fanahy sy mampiseho fiheverana ny vehivavy, fa tsy ny vady iray masiaka sy mitaky be loatra.

17 Fantatry ny Mpamorona fa ireo lehilahy, manoloana ireo hevi-diso maro be momba ny fanambadiana, dia hila ny hampianarina ny amin’ny fomba hitiavany ny vadiny. Izany no antony ampirisihany azy ireo mba ho be fitiavana, malemy fanahy, amin’ny filazana amin’izy ireo hoe: “Ary toy izany koa, hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa.” — 1 Petera 3:7.

18 Tena zava-dehibe manokana ny hanarahan’ny lehilahy vady an’ireo torohevitra ireo raha ny amin’ny firaisany amin’ny vadiny. Tokony hoheveriny ho zava-dehibe àry ny fomba nanamboaran’Andriamanitra ny vehivavy. Amin’ny ankapobeny, ny vehivavy dia malemy kokoa noho ny lehilahy eo amin’ny ara-batana, nefa mora tohina sy be fihetseham-po kokoa noho izy. Izany no nilazan’Andriamanitra amin’ny lehilahy vady mba hanaja azy tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sy hihevitra ny toe-pony, ny fetran’ny heriny ary ny fiovaovan-toetrany.

IREO ZAVA-MANAHIRANA HAFA

19. Endriny hafa inona amin’ny toetram-behivavy no tokony hoheverin’ny lehilahy vady iray raha tiany hahomby ny fanambadiany (Kolosiana 3:12-14)?

19 Raha ny marina, ny momba ny lahy sy ny vavy dia ny anankiray monja amin’ireo endriky ny fanambadiana tokony hanarahana ireo toromarik’Andriamanitra. Rehefa manambady ianao dia ho tsapanao fa mety hisy heriny eo amin’ny fahasalamany sy ny toe-tsainy ary ny toe-pony ny tsingerim-potoana miseho eo amin’ny vadinao. Mety hilaza na hanao zavatra tsy mahazatra azy àry izy. Hilainao ny mihevitra izany rehetra izany sy tsy ho tezitra raha sendra miteny mahery loatra izy indraindray na manao zavatra tsy amim-piheverana, fa, mifanohitra amin’izany, hanohy hitondra azy amim-pahalemem-panahy.

20-24. a) Ho amin’ny andraikitra inona no namoronan’Andriamanitra ny vehivavy miaraka amin’ireo toetra mampiavaka azy? b) Ahoana no ampisehoan’ny vehivavy iray fa manaja marina ny fahefan’ny vadiny izy? d) Inona no tokony hataon’ny lehilahy vady iray mba hahatonga azy ho filoham-pianakaviana tia?

20 Mbola misy koa zavatra maro hafa tafiditra ao amin’ny fanambadiana. Mba hahatonga ny fanambadian’izy ireo ho sambatra dia tokony hiara-miasa akaiky ny mpivady ary tsy hitsahatra ny hifampiresaka mihitsy. Ny fahalalana tsara ny Tenin’Andriamanitra no hanampy anao amin’izany. Asehony tokoa fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia noforonina hanana toetra sy andraikitra tsy mitovy, mba hahatonga ny fanambadiana hahasambatra azy ireo. Nilaza toy izao Andriamanitra rehefa avy namorona ny lehilahy: “Hanaovako vady sahaza [mpanampy azy ho famenony, MN] izy.” — Genesisy 2:18.

21 Noforonina hiaraka àry izy ireo ka hifandanja na hifameno ireo toetrany. Samy noforonina miaraka amin’ny filana izay tokony hofenoin’ny anankiray izy ireo. Milaza toy izao ny Baiboly amin’ny vehivavy izay tokony ho mpanampy ny vadiny: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo (...) Fa ny lahy no lohan’ny vavy.” Izao koa no lazainy: “Ary aoka kosa ny vavy hanaja [hanana fanajana lalina, MN] ny lahy.” (Efesiana 5:22, 23, 33). Marina izany satria ao amin’ny tokantrano iray izay misy loham-pianakaviana tsy hajain’ny vadiny, dia miseho haingana ny tsy fifanarahana sy ny fikorontanana.

22 Mihasahisahy ny vehivavy amin’izao andro izao; mifaninana amin’ny lehilahy izy eo amin’ny lafiny maro, ary fantatr’ireo manam-pahaizana manokana momba ny raharaha ara-panambadiana fa izany fihetsika izany no mampisy zava-manahirana maro be eo amin’ireo mpivady. Izany no maha-fahendrena ny hanekena hotarihin’ny Baiboly, rehefa manambady ianao. Raha tsy mandray ny fitarihana ny tokantrano araka ny tokony hataony ny vadinao, dia tsy isalasalana ny hanontanianao tena toy izao: Moa ve aho tsy ho afaka hampirisika azy bebe kokoa hiantsoroka ny andraikiny amin’ny maha-filohan’ny fianakaviana? Mba manontany ny heviny na toroheviny ve aho? Moa ve ny fihetsiko mampiseho fa maniry hahita azy mitarika ny tokantranonay aho? Miahy ny amin’ny tsy hanakianana izay ataony ve aho ka tsy manambany azy? Raha toa, amin’ny zavatra faran’izay kely indrindra aza, ka mampiseho faniriana ny handray fanapahan-kevitra izy na hiantsoroka ny andraikiny amin’ny maha-filoham-pianakaviana, moa ve aho mba mankasitraka azy amin’izany?

23 Ny lehilahy vady indrindra anefa no afaka mitondra ny fanambadiana amin’ny fahombiazana amin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Aoka ianao hitadidy izany ao an-tsaina foana rehefa manambady. Ho filohan’ny fianakavianao ianao, nefa izany tsy hanome fahefana anao hanao zavatra toy ny mpanjakazaka mihitsy, satria ny Tenin’Andriamanitra dia manome baiko ny lehilahy ho tia ny vadiny “tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana [kongregasiona, MN] ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesiana 5:25.) An-tsitrapo tanteraka sy amim-pitiavana àry, araka ny torohevitry ny Baiboly, no hanaovanao sorona ho an’ny vadinao. Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra, dia ho fahendrena ny hiheverana ny fomba fijeriny zavatra sy izay tiany ary hanome fahafahampo azy aza, raha toa ilay raharaha ka tsy zava-dehibe loatra. Amin’izany fomba izany no hanehoanao fitiavana sy fanajana ny vadinao araka ny andidian’ny Baiboly anao.

24 Vokatr’izany, raha toa ianao ka manaraka amim-pitandremana ireo toromarik’Andriamanitra, dia hifaly amin’ny fanambadiana milamina sy mirindra izay ho fahombiazana tsara, rehefa tonga ny fotoana. Ho hitanao amin’izany ny fahasambarana tian’ny Mpamorona antsika homena ny olombelona rehefa nanorina an’io fikambanana mahagaga io izy, dia ny fanambadiana izany.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 161]

Mba hahasambatra azy, ny vehivavy iray dia mila mahatsapa fa tiana izy.

[Sary, pejy 164]

Henoy ny vadinao rehefa miteny aminao. Tena ilaina izany mba hahasambatra ny fanambadianareo.