Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no irinao mba ho sakaiza?

Iza no irinao mba ho sakaiza?

Toko faha-8

Iza no irinao mba ho sakaiza?

1-5. a) Amin’ny ahoana ny fisakaizana no mety hitondra fahasambarana? b) Lazalazao ny toetran’ny tena sakaiza (Ohabolana 18:24).

 TOY INONA moa ny hafaliana amin’ny fananana tena sakaiza! Mahalana no sambatra na tsy sambatra mihitsy ireo “mpitoka-monina” sy ireo izay mandositra ny fiarahana amin’ny mpiara-belona aminy. Nefa, hoy angamba ianao, amin’ny ahoana ny fisakaizana no mety hitondra fahasambarana be dia be toy izany?

2 Tena loharanom-pifaliana tokoa ny asa iray iaraha-manao amin’ny namana iray. Nilaza i Jesosy, rehefa niresaka ny amin’ny mpiandry ondry iray very ondry anankiray sy ny vehivavy very farantsa kely iray, fa rehefa nahita indray ny fananany very ireo olona roa ireo dia samy namory ny namany ka nanao hoe: “Avia hiara-mifaly amiko.” (Lioka 15:6, 9). Tena voajanahary ny fitiavana hizara vaovao tsara iray amin’ny sakaizan’ny tena; ahatsapana fahafahampo lehibe lavitra ny fanaovana izany. Tsy maintsy ho efa nahatsapa izany ianao, sa tsy izany?

3 Ambonin’izany, raha toa ka tsy mizotra tsara ny zavatra rehetra ary mahatsiaro ho kivy ianao, ny namana tsotra iray dia afaka manao be mba hampisava ny alahelonao. Toy izany koa, rehefa tojo fahasahiranana dia hita fa tena fanampiana lehibe ny namana iray matetika. Mbola afaka mampitandrina anao ny amin’ny loza anankiray ihany koa izy, manampy anao handositra izany ary hampahery anao amin’ny fotoan-tsarotra. Ho tsapanao tokoa ny fahamarinan’ity ohabolana ity: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” — Ohabolana 17:17.

4 Io andalan-teny ao amin’ny Baiboly io dia manoritra ny anankiray amin’ireo antony maha-tsara indrindra ny tena fisakaizana, dia ny fahatokiana. Ny maha-sakaiza akory tsy midika fotsiny hoe mitondra tena toy ny sakaiza. Ny tena sakaiza dia miseho ho mahatoky amin’ilay namany ka miasa amim-pahitsiana ho an’ny tombontsoany. Manana izany toetra tsara izany ve ireo sakaizanao?

5 Toa maniry kokoa hisongona ny mpiara-belona aminy fa tsy hanampy azy ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao. Toetra tsy dia fahita firy ny fahatokiana na dia eo amin’ireo izay milaza ho mpinamana aza; mifanohitra amin’izany fa ny toe-tsaina tia fifaninanana no hita matetika. Fisakaizana maro no misy raha mbola tsy voatery hifandefitra ireo mpisakaiza na hampangina ny fitiavan-tenany. Eo amin’izao tontolo izao ankehitriny tsy ialan’ny fifaninanana, dia tsy misy zavatra tsy fahita firy toy ny tena sakaiza.

6-8. Ahoana no nisehoan’i Jonatana sy Hosay ho sakaizan’i Davida?

6 Ny Baiboly dia mitantara ny momba an’i Davida izay tena nanana namana nahatoky vitsivitsy. Fantatrao angamba fa rehefa avy nandresy an’ilay Goliata mpiady mahery i Davida dia nahazo ho namana an’i Jonatana, zanak’i Saoly mpanjaka. Raha olona be fialonana i Jonatana dia nety ho nihevitra an’i Davida ho mpisandoka fanjakana teo amin’ny Isiraely ary nankahala azy. Tsy izany anefa no izy fa fantany fa nanana ny fankasitrahan’Andriamanitra i Davida ary “dia raiki-pitia tamin’i Davida ny fanahin’i Jonatana, ka tia azy hoatra ny tenany mihitsy izy”. (1 Samoela 18:1.) Noho ny herim-pon’i Davida sy ny fananany finoana an’i Jehovah Andriamanitra no nitiavan’i Jonatana azy. Ary mbola azo atao ny manatsoaka avy amin’izany fa nitovy tamin’izany koa ny fitiavan’i Jonatana an’i Jehovah. Tsy nety hisy fototra tsaratsara kokoa noho izany ho an’ny fisakaizan’ireo lehilahy roa ireo àry.

7 Mbola manisy firesahana ny amin’i Hosay, sakaiza sy namana akaiky an’i Davida mpanjaka koa ny fitantarana ao amin’ny Baiboly. Lazalazainy amin’ny fomba mahavariana ny hoe ahoana no nanaovan’i Hosay vy very ny ainy tamin’ny nanafoanany ny tetika fikomiana nokotrehin’i Absaloma, iray tamin’ireo zanakalahin’i Davida. — Jereo 2 Samoela 15:10-37; 16:16 ka hatramin’ny 17:16.

8 Mitovy amin’i Hosay ve ireo sakaizanao? Raha tsy izany, ahoana no ahafahanao hahazo namana toy izany? Marina fa tsy azoazo fotsiny amin’izao tsy misy fiezahana ny namana mahatoky nefa mendrika ny hatao izany.

EO AM-PITADIAVANA TENA SAKAIZA

9-13. a) Ahoana no mety hahazoana tena sakaiza? Nahoana moa no tsy fahendrena ny hitadiavana hahazo namana amin’ireo fananantsika ara-nofo? b) Araka ny anoritan’ny Salamo 101:5-7 azy, eo amin’ny karazan’olona manao ahoana no tsy hitadiavantsika namana akaiky?

9 Tena marina tokoa ity fitenenana ity: “Izay mitady namana dia tokony hitondra tena toy ny namana”. Hita fa misy zatovo mahatsapa ho tohina lalina rehefa mihataka aminy ireo zatovo hafa izay mety ho nankasitrahany. Toy izany ihany koa ny amin’ireo izay diso fanantenana mafy noho izy namoy saika avy hatrany ny namany izay mba azony. Toa tsy takatr’ireny zatovo ireny fa tokony hisy fitia mifamaly eo amin’ny fisakaizana.

10 Aoka àry isika hanontany tena toy izao: Moa ve aho mitondra tena toy ny sakaiza amin’ireo mpiara-belona amiko? Amin’ny ahoana ny tombontsoa entiko ho azy ireo no amim-pahatsorana fa tsy misy fitiavan-tena? Inona no ataoko mba hahasoa sy hahasambatra azy ireo? Inona avy ireo toetra amboleko mba hahatonga ahy ho tena faniry ho sakaiza?

11 Karazana namana manao ahoana no anananao? Miankina amin’ny fomba nataonao hahazoana ny fisakaizany ny zavatra rehetra. Ny sasany miantehitra amin’ny volany na ny fananany (“chaîne stéréo”, kapila, fitaovana momba ny fanatanjahan-tena) mba hamatorana fisakaizana. Mety hahazo namana mihitsy izy amin’ny fanomezana an’ireo zavatra ireo hampiasain’ny manodidina azy. Milaza toy izao ny amin’izany tokoa ny bokin’ny Ohabolana: “Ny manan-karena no tian’ny maro.” “Ny olona rehetra samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra”. Eny, maro no manao zavatra amim-pisakaizana amin’ireo izay manome amim-pahalalahan-tanana ny volany. Nefa rehefa manjavona ny vola dia tsy hita ihany koa ny “sakaiza”. — Ohabolana 14:20; 19:6.

12 Tsy “vidim-bola” ny tena sakaiza. Tsy azo atao ny “mividy” namana iray amin’ny teny manangoly, na amin’ny fampanantenana fa hahazo ny fananantsika ara-nofo izy ka hotanterahina hatramin’ny faran’izay kely indrindra ny faniriany. Na iza izy na iza, ny namana “novidina” dia tsy mendrika ny vidiny nahazoana azy. Mifanohitra amin’izany fa ny tena namana dia mifikitra aminao, tsy noho ny fitadiavana tombontsoa fa noho izy tia ny maha-ianao anao sady mankasitraka ireo toetranao.

13 Na dia mety aza ny hisehoana ho toy ny sakaiza amin’ny olona rehetra, raha tiantsika ny hahazo namana tena tsotra tokoa dia ilaina ny mifidy tsara azy ireny. Milaza toy izao amintsika i Davida izay nahay nifidy ireo namany: “Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po; ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ny tany mba hitoerany ato amiko. (...) Tsy mba hitoetra ao anatin’ny tranoko izay manao fitaka.” (Salamo 101:5-7). Nahoana no tena zava-dehibe amin’izao andro izao ny hahaizan’ny zatovo mifidy ny namany akaiky?

NY MAHA-ZAVA-DEHIBE INDRINDRA NY FIFIDIANANA TSARA

14-16. a) Inona no mety ho herin’ny namana iray eo aminao? Hazavao ny valin-teninao. b) Mety hisy vokany inona eo amin’ny fisakaizana ny fanehoana ny tsy firaisan’ny tena hevitra amin’ilay anankiray?

14 Eo amin’ny lafin’ny fifandraisana ara-tsosialy dia misy fotopoto-pitsipika milaza fa manana fironana hanahaka ireo izay ifaneraserana tsy tapaka ny tena. Mampiseho ny maha-ianao anao sy ny hoe mety ho lasa karazan’olona manao ahoana ianao any aoriana, ny fifidiananao ireo namanao. Tsy maintsy hanan-kery eo aminao ireo namanao akaiky.

15 Mifidy ny namanao eo anivon’ireo olona marina sy tsara ve ianao? Eo anivon’ireo izay mampiseho fanajana an’Andriamanitra sy ny Teniny, ka maneho fiheverana an’ireo mpiara-belona aminy ary manana herim-po hitondra tena amim-pahitsiana? Sa kosa ianao voasinton’ireo olona faly hisongona ny hafa ka misetra loza tsy amin’ny antony mba “hisehosehoana” fotsiny noho ny tsy fananana tena herim-po? Moa ve ny olona toy izany vonona hanao fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, hangalatra, hanaram-po amin’ny zava-mahadomelina, ka hirehareha fa ho afa-maina amin’izany? Raha toa izy ireny ka mitady handresy lahatra anao hanaraka azy amin’ny lalana iray mety hampidi-doza anao, azo lazaina fa “sakaiza” ve izany?

16 Amin’ny fifaneraserana tsy tapaka amin’ny karazan’olona toy izany dia ho eo anoloan’ny safidy ianao: na handeha hiaraka aminy na tsy hankasitraka azy. Raha mifidy ny faharoa ianao dia mety ho izay ny faran’ny “fisakaizanareo”. Nahoana? Satria hadikan’ireo “sakaizanao” ho toy ny fanomezan-tsiny, fanamelohana, ny fihetsikao. Mandrakariva ny karazan’olona toy ireny dia tia ny maneso ny hafa, kanefa tsy mahazaka fananarana. Mampifanohitra ny mpaniratsira amin’ny hendry ny Ohabolana 9:8 ary milaza toy izao: “Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao.” Tsy matahotra ny hifampiteny amim-pahatsorana ny tena mpisakaiza; mifanitsy amin’ny fahadisoany izy ireo, mifanampy ho tonga olona tsaratsara kokoa. Raha manana ho namana akaiky olona iray izay manana fisainana marina sy miteny amim-pahamarinana ianao dia manana harena sarobidy tsy hay tombanana. Toy ny diamondra ny tena sakaiza: sarobidy ary tsy fahita firy. Nefa kosa toy ny vatosoa hosokosoka ny namana tsy izy: mora hita sady tena miely be.

17-19. a) Raha toa ianao ka namana akaikin’ny olona iray izay tsy mino an’Andriamanitra sy ny Teniny, inona no ho vokatr’izany eo aminao (Ohabolana 11:9; Genesisy 34:1, 2)? b) Raha maniry marina ny hanampy olona toy izany ianao, inona no fomba tsara indrindra hahatongavana amin’izany?

17 Koa satria izy ireo tsy mino ny Fisiana Andriamanitra, ilay Mpamorona, sy ny Teniny, dia tanora maro be amin’izao andro izao no nifidy ho fitsipika eo amin’ny fiainana ny hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”. Izany no filamatry ny lehilahy taloha izay voasazy hiady tamin’ny biby dia tany amin’ny kianja romana. Tsy nametraka ny finoany tamin’i Jehovah Andriamanitra sy ny fahafahany hanangana ny olo-mahatokiny ireo mpigadra ireo. Ianao izay eo amin’ny fanombohan’ny fiainana, hijery ny fiainana amin’ny fomba narahin’ireo mpigadra ireo ve ianao? Nanampy toy izao ny apostoly Paoly rehefa avy niresaka ny amin’ireo izay tsy mahalala afa-tsy ny anio ihany: “Aza mety hofitahina hianareo; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintiana 15:32, 33). Saintsaino ny fahamarinan’io fotopoto-pitsipika io. Raha mitady ny fiarahana amin’ireo izay tsy mieritreritra afa-tsy ny amin’izao fotoana izao ihany ianao, dia hofoanany marimarina tokoa ny fanantenanao sy ny fiezahanao hahita hoavy mahasambatra sy maharitra.

18 Mety hisy zatovo iray maniry hifanerasera amin’ny anankiray hafa izay manana fitondrantena sy laza mampiahiahy noho ny fikendrena hitondra ny fanampiany ho azy. Fikasana mahate-hidera izany. Nefa, raha mandray anjara amin’ny fahafinaretana feno fitiavan-tenan’io zatovo io ianao, fanampiana inona no hoentinao ho azy? Aoka hohazavaintsika amin’ny ohatra anankiray izany: Inona no hataonao raha mahita zaza iray milalao ao anaty rano maloto ianao? Eo ihany ve ianao no hanandrana hanasa azy amin’ny savony? Ho hadalana izany satria tsy hanao afa-tsy handoto ny tenanao koa aza ianao. Azo antoka fa, alohan’ny zavatra rehetra, dia hasainao hiala avy ao amin’ny ranom-potaka izy, izay vao mieritreritra ny hanadio azy ianao.

19 Raha ny marina, ny fifandraisam-pisakaizana amin’ireo izay manana fahazaran-dratsy dia matetika no miteraka vokany mampidi-doza ho azy ireo sy ho antsika. Nahoana? Satria izany fifandraisana izany dia mety hampirisika azy haharitra eo amin’ny lalany ratsy, amin’ny fahazoana antoka fa afaka miantehitra amin’ny fanohananao mandrakariva izy. Ho tsara lavitra ny tsy hifaneraserana amin’izy ireny raha tsy amin’ny fotoana hahafahanao hanampy azy amin’ny torohevitra feno fahendrena na amin’ny fanasana azy hiaraka aminao hanatrika ireo fivoriantsika kristiana.

IREO SAKAIZANTSIKA LEHIBE INDRINDRA

20. Ahoana, amin’ny fifidianana ireo namantsika, no mety hahatonga antsika ho fahavalon’Andriamanitra?

20 Tokony hoeritreretinao tsara aloha izay mety ho vokatry ny fifaneraseranao amin’olona tsy dia mendrika loatra, eo amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra sy ny Zanany. Mametraka izao fahamarinana izao i Jakoba (4:4): “Na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” Azo ampiharina io fotopoto-pitsipika io na amin’ny fifandraisantsika amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny na amin’ny fifandraisantsika amin’olona iray manokana. Araka izany, amin’ny fankasitrahana ny fitondrantena tsy mendriky ny olona iray na amin’ny fitiavana hiaraka aminy fa tsy amin’ireo zatovo maniry amim-pahatsorana hahazo sitraka amin’Andriamanitra, tsy miseho ho ‘sakaizan’izao tontolo izao’ ve isika?

21-23. a) Raha mifidy ny hanana an’i Jehovah sy Jesosy ho sakaiza isika, tombontsoa inona avy no horaisintsika avy amin’izany fisakaizana izany (Romana 8:35, 38, 39)? b) Ahoana no hampisehoantsika fa maniry marina tokoa ny hanana azy ireo ho sakaiza isika?

21 Raha tena maniry tokoa ny ho sambatra ianao amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy dia tena ilaina ny hianaranao hankasitraka ny fisakaizana amin’Andriamanitra sy ny Zanany. Efa an’arivony taona maro izao no nanehoan’Andriamanitra ny fisakaizany amin’ireo tia ny rariny tamin’ny fanatanterahana ny fikasany lehibe, mba hamelana azy ireo hiaina mandrakizay ao amin’ny toe-piainana sambatra. Fony izy tetỳ an-tany, ny Zanak’Andriamanitra dia nanaporofo ny fitiavany amim-pahatsorana ny olombelona manana fo mahitsy. Izao no nolazainy tamin’ireo mpianany: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.” — Jaona 15:13, 14.

22 Mifanohitra amin’izay rehetra mety hilaza ho sakaizanao, Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany dia tsy hahafoy na handao anao satria hoe latsaka ao anatin’ny fahasahiranana ianao. Raha mametraka ny fitokianao amin’izy ireo ianao dia tsy hitsahatra ny hanampy anao sy hanohana anao izy ireo amin’ny fotoan-tsarotra.

23 Maniry marina tokoa hanana an’i Jehovah sy Jesosy ho sakaiza ve ianao? Asehoy àry izany amin’ny fifidianana ho namana ireo izay manaiky sy mampifanaraka ny fiainany amin’ity fitsipika nomen’ny apostoly Jaona ity: “Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Ilaina ny manana sakaiza toy izany satria izany no namana mahatohitra ny zavatra rehetra.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 60]

Mba hahazoana sakaiza dia aoka ianao hitondra tena toy ny sakaiza

[Sary, pejy 62]

Toy ny diamondra ny tena sakaiza