Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lany andro ve ny fitsipika momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?

Lany andro ve ny fitsipika momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?

Toko faha-18

Lany andro ve ny fitsipika momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy?

1-3. Ahoana no fahitan’ny maro ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana?

 MAHERY ny fanerena hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana eo amin’ny faritra maro be, amin’izao andro ankehitriny izao. Raha ny marina, izao tontolo izao dia voakasiky ny “revaolisiona eo amin’ny lahy sy ny vavy”. Nanazava toy izao ny gazety Daily News, mivoaka isan’andro any New York: “Ankehitriny ny firaisan’ny lahy sy ny vavy ivelan’ny fanambadiana dia eken’ny ray aman-dreny, ny any am-pianarana ary ny vahoaka amin’ny ankapobeny, amin’ny fomba malalaka. Izany dia fileferana mangina eo anoloan’ny faharatsiam-pitondrantena, toy ny hoe zava-poana ny fanakanana io onja mahery vaovao io.”

2 Olona maro no mitaky fahafahana hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’izay olona tiany sy amin’ny fomba itiavany azy. Izany fihetsika izany anefa dia tsy miteraka afa-tsy fivadibadihan-javatra eo amin’izay manaraka azy. Nilaza ny fahasahiranana karazan’izany hitany teo amin’ny fanaovany fotoana ny zatovovavy mpianatra iray: “Nanontany ahy izy hoe: ‘Fa nahoana kosa?’ Nandany ny antsasaky ny fotoana niarahanay aho niezahana nanazava taminy ny maha-zava-dehibe ny fitondrantena tsara. Raha efa izany, dia nanontany tena aho hoe: Fa nahoana kosa?” Ianao koa dia mety ho efa nanontany tena hoe: “Fa nahoana kosa?” Tena ilaina tokoa ve ny hitoerana ho madio?

3 Amin’ny ankapobeny, dia mihevitra ny tanora, fa noho izy afaka manana firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny ara-batana, sy noho izy io lazaina fa mitondra ‘fahafinaretana be dia be’, dia tokony hanao izany izy ireo. Kanefa izany tokoa ve no izy? Mety ve ny hitondrana tena toy izany alohan’ny fanambadiana? Ary indrindra, moa ve izany manampy hahatonga ny fiainantsika ho sambatra kokoa?

VOKANY TSARA SA RATSY?

4-7. a) Inona moa no vokany fatra-piely azo avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana? b) Inona no mampiseho fa ny fanao ratsy eo amin’ny lahy sy ny vavy dia tsy tena fitsipika “vaovao” momba ny fitondrantena (Mpitsara 19:22-25; Joda 7)? d) Nahoana moa ny torohevitra ao amin’ny 1 Korintiana 6:18 no tokony hoheverina tsara (Asan’ny apostoly 15:28, 29; 1 Tesaloniana 4:3, 7, 8)?

4 Ahoana no fiheveranao ny amin’ny fihamboan’ny sasany fa ny fahafahana eo amin’ny lahy sy ny vavy dia mitondra fahasambarana manokana kokoa, izany hoe ‘fahafinaretana be dia be’? Ny gazety The Journal of the American Medical Association dia nitatitra ity fanatsoahan-kevitry ny zazalahy izay nanana firaisana tamin-jazavavy maro talohan’ny fanambadiana ity: “Tsapako fa tsy nitondra fahasambarana ho ahy izany.” Mbola vao mainka ho latsaka noho izany ny fahasambarana ho tsapan’ny zazavavy avy amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Tamin-dranomaso no nilazan’ny zazavavy mpianatra iray ny fanandraman-javatra hitany: “Tena tsy nisy antony izany, tsy nahafaly mihitsy na dia kely akory aza, ary hatramin’izay dia nijaly aho.”

5 Matetika tokoa izany fijaliana izany no voamarina noho ny antony maro. Ohatra, nilaza ny mpiasan’ny fahasalamana iray any Etazonia fa ao anatin’ny dimy taona, ny dimampolo isan-jaton’ny zatovo amerikana dia mety ho voan’ny angatra. Ny tompon’andraikitry ny fahasalamana dia milaza fa ny fanafody amin’ny andro ankehitriny dia tsy mahomby amin’ny fanakanana ny fitomboan’ny angatra sy ny farasisa, areti-mifindra eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy lehibe indrindra. Matetika, dia tsapan’izay rehetra voan’izy io fa diso aoriana loatra ny hisorohana ny vokany manimba sy tsy azo ialana eo amin’ny vatany. Misy heviny tokoa ve izy io ka tokony hanaovana vy very ny aina, mba hiaretana ny vokany maharitra, angamba fahajambana na fahamombàna noho ny fahalotoam-pitondrantena?

6 Tsy tokony hohadinoina koa ny mety haha-bevohoka. Misy tokoa zazavavy an-tapitrisany maro tsy manambady izay toy izany. Maro amin’izy ireny no miaritra loza sy mijaly ny amin’ny fihetseham-po noho ny fanalana zaza. Ny hafa voatery niditra tao amin’ny fanambadiana feno fijaliana. Mbola manatrika hoavy maharitra ny sasany amin’ny fitolomana irery mba hitaiza zazasary. Noho izany dia tsy sarotra ny mahatsapa fa na dia moramora kokoa aza ny fahazoana ireo fanafody tsy mampiteraka eo amin’ny zatovo, izy ireny dia tsy manome “antoka” malalaka ny tsy haha-bevohoka.

7 Raha ny marina, dia sady tsy zava-baovao no tsy “araka ny toetr’andro” akory ny fikororosiana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Efa nisy hatramin’ny ela be izany. Nanao izany ny mponina tany Sodoma sy Gomora efa ho roa arivo taona talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy. Raha mamaky ny tantaran’ny Empira romana fahiny ianao, dia ho hitanao fa izany dia voamariky ny fitambotsotry ny fitondrantena eo amin’ny lafiny rehetra toy ny amin’izao fotoana izao. Noho izany, ny fianjeran’io empira io dia niankina be dia be tamin’ny fikororosian’ny fitondrantena. Marina tokoa fa fampisehoam-pahendrena ny fanarahana ny toromariky ny Baiboly ‘mba handositra ny fijangajangana’ — 1 Korintiana 6:18.

MARIKY NY FAHALEMENA VE NY FAHADIOVAM-PITONDRANTENA?

8-11. a) Nahoana moa ny fitoerana ho madio alohan’ny fanambadiana no mitaky herin-tsaina tokoa? b) Araka ny voatantara ao amin’ny Ohabolana toko faha-7, inona no mampiseho fa ilay zazalahy izay nanaraka fahalotoam-pitondrantena dia tsy nanana antony tsara nanosika? d) Ahoana no nanoharana ny fahatapahan-kevitr’ilay zazavavy solemita hanaja ny fotopoto-pitsipika marina?

8 Kanefa, mety hitaona anao hijangajanga ny olona, ary raha tahiny ianao mandà izany, dia mety hiampanga anao ho malemy izy ireo. Amin’ny toerana maro, dia tonga fanao azo ekena ny fijangajangana. Nandinika toy izao ny mpitsabo roa izay nanoratra tao amin’ny Medical Aspects of Human Sexuality: “Zatovo maro no manjary mihevi-tena ho meloka amin’ny fandavana ny hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy, ary misy zazavavy mbola virijina eo amin’ny faha-25 taonany, mahatsiaro ho menatra.” Mariky ny fahalemena ve ny fandavana ny hanana firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana? Eny, inona aminao no mitaky hery be dia be: ny ho resin’ny fahamaimaizana sa ny manohitra azy?

9 Raha ny marina, izay rehetra malemy dia manaraka ambokony ny faniriany eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Kanefa, ny atao hoe tena “lehilahy” (na tena “vehivavy”) dia izay mifehy io faniriany io ka mitoetra ho madio hatreo amin’ny fanambadiany. Mitaky hery be dia be anefa izany amin’izao fotoana fanaranam-po eo amin’ny lafiny samihafa amin’ny faharatsiam-pitondrantena izao, satria ny fandavana izany dia midika ho fitsenana rano mahery.

10 Mampiseho fitantarana an-tsary an’io hevitra io ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly. Lazalazainy ny amin’ny zazalahy iray anisan’ny “kely saina”, izay tsy ampy antony tsara nanosika. Nirenireny teny an-dalambe izay nanatonan’ny vehivavy janga azy izy io. Teo ambany herin’ny hafetseny manangoly dia lavo ilay zazalahy, “ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadrana” (Ohabolana 7:6-23). Tsy nanana fitsipika ny amin’ny fitondrantena nahery mba hanoherana izany izy.

11 Kanefa, tao amin’ny toko iray teo aloha no namakiantsika ny amin’ilay zazavavy solemita nanintona izay nanda ny fanangolen’i Solomona mpanjaka nanan-karena. Naleony nitoetra ho nahatoky tamin’ilay zazalahy mpiandry ondry izay nantenainy hovadina. Eny, tsy toy ny “varavarana” izay mora vohana izy fa nampiseho tamin’ireo anadahiny kosa fa mafy toy ny “manda” izy tamin’ny fahatapahan-keviny hitoetra ho virijina ho an’ilay lehilahy nandrasany. — Tonon-kiran’i Solomona 8:8-10.

MISY HEVINY NY FITSIPIKA MOMBA NY FITONDRANTENA EO AMIN’NY LAHY SY NY VAVY

12-14. a) Nahoana moa no misy heviny tsara ny hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra ny amin’ny lahy sy ny vavy? b) Inona no lazain’ny Hebreo 13:4 sy ny 1 Korintiana 6:9, 10 fa ho anjaran’ny mpijangajanga? Inona moa no atao hoe fijangajangana?

12 Ny mampisy heviny ny fitsipika momba ny lahy sy ny vavy dia satria izy io fomba iray notakin’Ilay mahalala bebe kokoa ny fahasambaran’ny olona, dia Jehovah Andriamanitra. Hevero kely ange! Noho ny fitiavany, Jehovah Andriamanitra dia nanao fandaharana mba hamindrana aina avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ary izy io dia tena zava-mahatalanjona sy masina. Mandray soa avy amin’izany isika satria velona. Raha manaiky izany soa izany isika, moa ve izany tsy manery antsika handray ny fitsipik’Andriamanitra ny amin’io ambaratongam-panaovan-javatra io? Marina, fa amin’ny maha-Mpanome ny aina antsika azy, Jehovah dia manana zo hampahafantatra ny fitsipi-pitondrantena momba ny fampiasana ny taovam-pananahantsika miaraka amin’ny fahafahana hamindra aina.

13 Tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly dia nilaza tamintsika toy izao Andriamanitra: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona dia hohelohin’Andriamanitra.” (Hebreo 13:4). Ny teny hoe fijangajangana dia tsy manondro fotsiny ny fanao maloto miaraka amin’ny olona samihafa, fa ny firaisana alohan’ny fanambadiana eo amin’ny olon-droa mpifamofo koa.

14 Ny Tenin’Andriamanitra dia mamaritra tsara ny maha-ratsy ny fijangajangana sy ny fanao maloto hafa. Milaza izy fa ny olona manaraka fanao ratsy toy izany dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — 1 Korintiana 6:9, 10.

15-19. a) Nahoana moa isika no tokony hankahala marina tokoa ny fahalotoam-pitondrantena (Salamo 97:10)? b) Inona no manampy antsika hamboly fankahalana toy izany?

15 Ny filazana mazava ny amin’io lalàn’Andriamanitra io tokoa dia hahasoa antsika. Mety hahery tokoa ny faniriana eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy ary maro ny fahafahana eo amin’ny fiainan’ny ankamaroan’olona izay mahatonga ny tena ho resin’ny fakam-panahy mora foana. Raha toa ny lalàn’Andriamanitra ny amin’io raharaha io ka nanjavozavo na maivana, dia azo antoka fa izany dia tsy ho nanampy betsaka antsika. Kanefa, noho izy io mazava sy manan-kery, izany dia manampy antsika hitandrina ny saintsika, manohana sy mampahery antsika. Ary ny zava-dehibe indrindra, izany dia manampy antsika hahatsapa fankahalana ny fitondrantena ratsy. Moa ve ianao mankahala marina tokoa ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy? Nahoana no tokony hanao izany ianao?

16 Raha toa izany fanao izany mitady hisarika anao, dia manontania tena hoe: ‘Moa ve aho maniry ny fianakaviako, ny ray aman-dreniko, na ny iray tam-po amiko hitondra tena toy izany? Moa ve aho maniry ny hananan’izy ireo zanaka tsy ara-dalàna? Moa ve izany hampitombo ny fitiavako sy ny fanajako azy ireo?’ Raha tsia ny valinteninao, dia satria zavatra maharikoriko ny fitondrantena ratsy. Azo antoka, fa ianao dia tsy maniry hampitahaina amin’ny famafan-tanana izay azon’ny olon-drehetra na iza na iza izy amafana ny tanany maloto, noho ny fitondrantena ratsinao.

17 Ahoana ny amin’ny zaza teraka avy amin’ny faharatsiam-pitondrantena? Ry zazavavy, aoka hatao hoe niteraka ianao, iza no hikarakara io zaza io? Ny ray aman-dreninao sa ianao manokana? Ahoana no hataonao? Ary inona no hataon’ilay zaza rehefa lehibe izy ka mahafantatra ny fomba nahaterahany? Na raha toa ianao ka mandà ny hiantsoroka ny andraikitrao ary mametraka ilay zaza mba hatsangan’olona, ahoana no ho fiheveran’ny hafa anao? Ahoana no ho fiheveranao ny tenanao? Mety hanandrana hanafina io fahaterahana io ianao, ary handao ilay zaza teraka amin’ny fiheverana fa hisy olona hanangana azy, avy eo dia hanandrana handositra ny henatra sy ny andraikitra. Kanefa, ahoana no hahafahanao handositra ny tenanao? Tsy azo atao izany.

18 Ary ianao ry zazalahy, raha rain’io zaza tsy ara-dalàna io ianao, moa ve ianao hanana fieritreretana madio? Hevero ny amin’ny fikorontanan-tsaina sy henatra lanjaina na ho an’ilay reny na ho an’ilay zanakareo. Marina tokoa fa toe-javatra tokony hosorohina izany.

19 Raha ny marina, inona no mba zava-tsoa azo avy amin’ny faharatsiam-pitondrantena? Ahoana ny amin’io satria fahoriana maro no entiny, toy ny aretina avy amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, ny fanalana zaza, ny fifandirana vokatry ny fahasarotam-piaro ary famonoana olona koa aza? Nahoana no any amin’ny tany maro izay maha-be mpanaraka ny “fahafahana” lehibe eo amin’ny lahy sy ny vavy indrindra, no ahitana isan’ny fisaraham-panambadiana be indrindra eto amin’izao tontolo izao? Milaza fahombiazana ve ny fisaraham-panambadiana sa tena mampiharihary ny tsy fahombiazana? Moa ve izany mariky ny tena fahasambarana sa kosa fijaliana sy fahadisoam-panantenana?

20, 21. Nahoana moa izay mandà ny fahalotoam-pitondrantena no manatsara ny fahatsinjovana hahita fahombiazana eo amin’ny fanambadiana?

20 Etsy an-daniny, dia misy heviny tokoa ny fitsipika momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy, satria izay mitana izany, dia mahomby kokoa eo amin’ny fanambadiana. Izany dia noho izy ireo manaja ny fanambadiany izay fandaharan’Andriamanitra sy manaja izay ho vadiny ary ny zon’izy samy izy hanana vady madio.

21 Arakaraka ny hitandremanao mba hanalavitra ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fahafahana mandritra ny fifamofoana no hahatonga ny fanambadianao hahomby kokoa. Na ianao, na izay ho vadinao amin’izay dia tsy hanana ahiahy ny amin’ny fahatsoran’ny fitiavan’ny andaniny satria tsy ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy no hany antony nivadianareo. Alohan’ny zavatra rehetra, ny fanambadiana dia tsy firaisan’ny vatana roa fotsiny, fa izany dia firaisana eo amin’ny olona roa indrindra. Mba hitondran’ny fanambadiana fahasambarana maharitra, ny tsirairay avy amin’ireo olona roa ireo dia tokony hifampihevitra sy hifaneho fitiavana lalina.

MANAOVA FISAFIDIANANA AMIM-PAHENDRENA

22-24. a) Fianarana mahasoa inona no azon’ny zazavavy raisina avy amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’i Amnona sy Tamara? b) Inona no mampiseho fa ny fahamaimaizan’ny vadin’i Potifara tamin’i Josefa dia tsy fitiavana amim-pahatsorana akory?

22 Ny fitiavana mifototra fotsiny amin’ny fahamaimaizana dia tsy fitiavana maharitra. Tia tena sy mpierina io karazam-pitiavana io. Izany dia voalazalaza tsara ao amin’ny Baiboly tamin’izay niseho tamin’i Amnona, iray tamin’ny zanak’i Davida. “Tia” an’i Tamara, anabaviny iray ray taminy tsara tarehy, i Amnona. Tamin’ny fampiasana fitaka, dia nanery azy hanana firaisana taminy izy. Inona no nitranga avy eo? Milaza amintsika toy izao ny fitantarana: “Ary dia halan’i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha.” Nandroaka azy izy (2 Samoela 13:1-19). Noho izany, ry zazavavy, raha toa ny zazalahy iray milaza aminao fa tia anao ary maniry hanana firaisana aminao, dia mihevitra tsy amin’ahiahy ve ianao fa tena tia anao amim-pahatsorana izy? Tena mety hitovy amin’i Amnona izy.

23 Milaza amintsika ny Baiboly fa ny vadin’ny mpanao raharaham-panjakana egyptiana iray natao hoe Potifara dia nanana fihetseham-po toy izany ho an’i Josefa zatovo, nanompo tao an-tranony. Rehefa nanohitra imbetsaka ny fanangoleny i Josefa dia niseho tamin’ny tena endriny ilay vehivavy. Nandainga an-kitsirano tamin’ny vadiny ny amin’i Josefa izy, ary nahatonga ity farany higadra tsy ara-drariny. — Genesisy 39:7-20.

24 Eny, izay lazaina fa “fahafahana” eo amin’ny lahy sy ny vavy dia manova izay tokony hahafinaritra sy hadio hanjary tsy hisy vidiny sy haharikoriko. Noho izany, inona no tianao: fahafinaretana mihelina eo amin’ny fahalotoam-pitondrantena miaraka amin’izay mety ho vokany sy ny zava-manahirana entiny, sa ny fahafahampo hanana fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona rehetra ary hanana ny fanajanao ny tenanao amin’ny fotoana rehetra?

25, 26. Inona no hanampy antsika hanalavitra ny fitarihana ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena (Efesiana 5:3, 4; Filipiana 4:8)?

25 Raha maniry tsy ho resin’ny faharatsiam-pitondrantena ianao dia halaviro ny zavatra mitarika ho amin’izany: ny resaka izay mihodinkodina foana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny famakian-teny na sary izay manaitaitra ny filàna. Afantohy amin’ny zavatra madio sy manorina ny sainao sy ny masonao ary ny resakao, miezaha manatratra zava-kendrena izay hitondra soa maharitra fa tsy hahamenatra na hampisy nenina.

26 Ambonin’izany rehetra izany, ampitomboy ny fahalalanao sy ny fankasitrahanao ny Mpamorona anao, ny fahamarinana sy ny fahendren’ny lalany. Miresaha aminy amin’ny vavaka ary aoka ny fonao hibanjina ny zavatra nampanantenainy ho an’izay manompo azy. Afaka manaraka hatrany fitsipi-pitondrantena madio eo amin’ny lahy sy ny vavy ianao raha maniry tokoa izany, ary Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany dia hanome anao ny hery ilainao hanaovana azy.

[Fanontaniana]