Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanantena anao hoavy mamirapiratra Andriamanitra

Mampanantena anao hoavy mamirapiratra Andriamanitra

Toko faha-24

Mampanantena anao hoavy mamirapiratra Andriamanitra

1-3. a) Nahoana isika no miaina amin’ny fotoana tena ahitana tombontsoa eo amin’ny tantaran’ny olombelona? b) Fanovana mahasambatra inona avy no tsy maintsy hataon’Andriamanitra?

 MIAINA amin’ny fotoana tena ahitana tombontsoa eo amin’ny tantaran’ny olombelona ianao amin’ny lafiny maro. Tsy noho ny toe-piainana manjaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny fa noho ireo fisehoan-javatra izay, araka ny voalazan’ny Baiboly, dia hitranga amin’ny hoavy efa antomotra.

2 Fantatr’i Jehovah Andriamanitra fa tena ilaina ny fiovana, dia fiovana lehibe etỳ ambonin’ny tany ary miharihary fa izy irery ihany no afaka hanao izany. Na dia efa an’arivony taona maro aza no niainan’ny olombelona dia mbola mijaly mandrakariva amin’ny loza mitovy ihany izy, toy ny ady, ny mosary, ny tsy fisian’ny trano hipetrahana, ny tsy rariny sy zava-manahirana maro hafa ara-toe-karena.

3 Raha ny marina dia tsy hita isa intsony izay tokony harenina ao amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Tsy maintsy ilaina àry ny fandehan-javatra iray tsara kokoa. Araka ny voalazan’ny Baiboly anefa, Jehovah Andriamanitra dia mampanantena indrindra ny hanorina anankiray tsaratsara kokoa ho an’ireo izay tia azy sy manompo azy. Ny Mpamorona tokoa dia nanararaotra ireo enina arivo taona lasa mba hanatanterahana ny fikasany dia ny hanorina fandaharan-javatra vaovao tanteraka, paradisa kanto iray izay, ampanantenain’Andriamanitra fa tsy hisy kolikoly intsony, na herisetra, na fitiavan-tena, izay samy zavatra manaisotra amin’ny olombelona ny fifaliana miaina.

FIOVANA IRAY — AHOANA ARY RAHOVIANA?

4-8. a) Ahoana no hanaovan’i Jehovah ny fanovana faniry? b) Porofo inona no ananantsika fa tena akaiky izao ny fotoam-panovana (2 Timoty 3:1-5; Matio 24:7, 8, 32, 33)?

4 Ahoana no hataon’i Jehovah? Voalohany indrindra dia hofaranany ny fanapahana mikorontana sy tsy mahombin’ireo fandehan-javatra ara-politika an-jatony maro ankehitriny. Ambonin’izany dia efa nambarany ny fikasany hanolo azy ireo amin’ny fitondram-panjakana tokana izay izy no Mpamorona azy: dia ny Fanjakany, eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy Zanany. Nanoratra toy izao teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra i Daniela mpaminany: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka [na fanapahana] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary (...) ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Rahoviana no hitranga izany fisehoan-javatra izany? Misy fomba iray hahalalana fa akaiky izy io.

5 Angamba ianao miaina ao amin’ny faritra iray antonontonony amin’ny hafanana. Amin’izany, raha mahita ravina mihamavo ary mihintsana ianao, ny lanitra mihamanjombona kokoa isan’andro, ny rivotra manjary mahery sy mangatsiaka, andiam-borona mpifindra monina mankany amin’ny faritra mafana kokoa, dia tsy ilainao ny mijery fanisanandro mba hahalalana fa akaiky ny ririnina. Nefa ny fisehon’ny anankiray monja amin’ireo zavatra ireo dia tsy azo heverina ho toy ny famantarana manambara, satria mety hanjombona ny lanitra na dia amin’ny andro fahavaratra aza, ary mety halazo sy hanintsan-dravina ny hazo amin’ny fotoana rehetra. Mifanohitra amin’izany fa ny fiarahan’ireo famantarana rehetra ireo dia mahaforona porofo tsy azo iadian-kevitra fa akaiky ny ririnina.

6 Toy izany koa ny amin’ny “famantarana” misy lafiny maro be lazain’ny Baiboly. Io famantarana io dia manondro fa akaiky ny fotoana hanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny planetantsika. Ampy ny mamaky gazety na mihaino ireo vaovao ao amin’ny radiao na ao amin’ny fahitalavitra mba hanavahana io famantarana io. Nefa inona moa izany?

7 Nilaza mialoha i Jesosy fa hisy taranaka iray hiavaka noho ny ady, mosary, areti-mandringana, horohorontany, ny tahotra sy ny fahaverezan-kevitry ny olona momba ny hoavy eto an-tany. Moa ve ireo loharanom-baovao isan-karazany tsy milaza aminao isan’andro izany karazam-pisehoan-javatra izany? Teo amin’ny Tantara manontolo dia tsy nisy mihitsy taranaka nahita ny fisian’ny loza aman’antambo amin’ny ambaratonga lehibe toy izany raha tsy ny taranaka niaina hatramin’ny 1914. Izany no antony nilazan’ireo mpanoratra tantara fa “fiolahana” iray teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona ny 1914.

8 Nanampy toy izao i Jesosy raha niresaka ny amin’ny taranaka izay hahita ny “famantarana”: “Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Lioka 21:31, 32). Manamarina ny fisehoan-javatra fa manakaiky ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Inona àry ireo fiovana hoentiny?

FIOVANA HAHASAMBATRA NY FIANAKAVIAN’OLOMBELONA

9-13. a) Toe-piainana hanao ahoana avy no ho hitan’ny olombelona ao anatin’ny fandaharana vaovao nampanantenain’Andriamanitra? b) Porofo inona avy no ananantsika fa tsy maintsy hitranga tokoa ireo fisehoan-javatra ireo (Apokalypsy 21:5)?

9 Mampanantena Andriamanitra fa amin’ny fametrahana ny tany sy ny mponina eo aminy eo ambanin’ny fanapahan’ny fitondram-panjakana tokana, tanteraka ary tarihina avy any an-danitra no hanafoanany tanteraka ny ady sy ny fifandrafiana ara-politika izay miteraka fandanilaniam-poana ny haren’ny tany. Tsy ho hitantsika intsony àry ireo ady izay manaisotra amin’ny firenena ny tsara indrindra amin’ireo tanorany izay, raha vao vita ny ady, dia mody ao an-tokantrano amin’ny tongotra na tanana tapaka, kilemaina, jamba, raha tsy mamoy ny ainy any aza izy ireo. Ireo vahoakan’ny fandaharan-javatra vaovaon’Andriamanitra dia ho olona tia fihavanana avokoa izay ho nanatanteraka an’ity faminaniana ao amin’ny Baiboly ity: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Rehefa hanjaka maneran-tany ny fiadanana, asa mahagaga toy inona moa no mety ho tanteraka mba hahasambatra indrindra ny olombelona!

10 Tsy ny fanimbana vokatry ny politika sy ny fandanilaniam-poana ihany no hanjavona. Hofaranan’Andriamanitra koa ny faniriana mihoa-pampan’ireo fandehan-javatra ara-barotra goavana. Maro amin’izy ireo no manimba ny tany, mandoto ny rivotra, ny rano, ny tany sady mandringana ny biby ao aminy. Nefa milaza ny Baiboly, ao amin’ny Apokalypsy 11:18, fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. Amin’izay ny olombelona dia hahita indray, amin’ny famirapirany toy ny fahiny, ireo ala kanton’ny tany, ny rian-dranony sy ny farihiny madio mangalahala, ny rivony mamelombelona sy manitra, tsy hadinoina ireo voromanidina, ny trondro ary ireo biby dia izay mameno azy. Afaka ny ho anisan’ireo izay hahita an’izany toe-piainana ao anatin’ny hoavy mamirapiratra ampanantenain’Andriamanitra an’ireo izay mino ny Teniny izany ianao.

11 Mampanantena antsika ny Mpamorona fa ho tondraka ny vokatry ny tany ao anatin’ny fandaharan-javany vaovao ary hahahenika ny olombelona rehetra, na aiza na aiza misy azy. Tsy ho hita intsony ny ankizy matin’ny mosary, be kibo sy mitrakitraky taolana, toy ny hita maro be ankehitriny. Ao amin’ny Isaia 25:6, 8, dia nampanoratra izao faminaniana manaraka izao Andriamanitra: “Ary Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra (...) amin’ny zavatra matavy (...). Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.”

12 Mbola tsara kokoa ihany, fa asehon’ny Baiboly ny hanomezan’Andriamanitra indray fahasalamana tanteraka ho an’ny olombelona mpankatò sy ny hanjavonan’ny fanahiana ary ny fahoriana rehetra vokatry ny aretina sy ny fahafatesana ho mandrakizay, satria ilay Fanjakana nankinina amin’ny Zanak’Andriamanitra dia hanafaka ny olombelona amin’ny aretina sy ny tsy fahatanterahana. Manambara toy izao momba izany ny Apokalypsy 21:4: “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”

13 Noho izany, dia ho avy ny fotoana hampitsaharan’Andriamanitra ny vokatry ny fahanterana ateraky ny tsy fahatanterahan’olombelona. Moa ve tsy porofon’ny fitiavany ny fampanantenana antsika hoavy izay tsy hijaliantsika intsony amin’ny voka-dratsin’ny fahanterana? Tsy ho hita intsony ny endrika miketrona, ny volo mihafotsy na mihintsana, ny taolana mangozohozo, ny siraka mihaosa, na olona tsy ampy hery. Raha ny amin’ireo izay efa be taona dia ho hain’Andriamanitra ny hanome azy ireo tanjaka sy fahatanorana indray, toy ny an’i Joba izay ny aminy no nanambarany toy izao: “Dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy.” (Joba 33:25). Jehovah Andriamanitra tokoa dia afaka manome ho an’ny olombelona fahasalamana tsara lavitra sy hery tena ambony noho ny an’ireo tanora amin’ny andro ankehitriny izay mety marary ary maty tampoka aza indraindray.

NY FOMBA HAHITANA AN’IO HOAVY IO

14-16. Inona no tokony hataonao mba hahitana izany hoavy mahatalanjona izany?

14 Afaka ny ho anisan’ireo izay hahita an’izany hoavy mamirapiratra izany ianao amin’ny fanarahana an’ity torohevitra ao amin’ny Baiboly ity: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao [tahaka ny olona be taona] hoe: Tsy sitrako izao.” — Mpitoriteny 12:1.

15 Tsy indraindray fotsiny no tokony hahatsiarovanao ny Mpamorona anao, fa isan’andro, tsy tapaka, amin’ny fitondranao tena amin’ny fomba tsara eo imasony, ka izany no hahazoanao ny fiainana ao anatin’ny fandaharan-javany vaovao. Tsy mampihatra fanerena aminao na dia kely aza Andriamanitra; afaka mifidy ny fitsipi-pitondrantena harahinao ianao. Fantatrao tsara fa tsy mandray fifaliana kely akory amin’ny fahitana anao manatanteraka asa iray nanereny anao hatao ireo ray aman-dreninao. Mifanohitra amin’izany kosa, raha toa ianao ka manao izany an-tsitrapo sy amim-pifaliana, amin’ny fahafantarana fa hahafaly azy ireo izany, dia hahatonga azy ireo ho sambatra ianao. Toy izany koa ny amin’i Jehovah izay milaza toy izao ao amin’ny Teniny: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko.” — Ohabolana 27:11.

16 Aoka àry ianao handray soa be indrindra avy amin’ny fahatanoranao, dia ny lohataonan’ny fiainana. Aoka ianao hamboly ireo toetra izay hamela anao hahita ny fahasambarana lehibe indrindra dieny izao sy ho mandrakizay. Hararaoty ny fahatanoranao mba hanaovana fiaingana tsara dia tsara eo amin’ny lalan’ny fiainana, tsy ho amin’ny fiainana mihelina mandritra ny am-polony taona vitsivitsy ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny izay natao ho simba sy ho rava, fa ho amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tanin’Andriamanitra izay hifalianao amin’ny fahatanorana mamirapiratra.

[Fanontaniana]