Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa tonga vehivavy lehibe ny zazavavikely iray

Rehefa tonga vehivavy lehibe ny zazavavikely iray

Toko faha-4

Rehefa tonga vehivavy lehibe ny zazavavikely iray

1-3. Inona no mety hahatonga ny ankizivavy iray hanahy ny amin’ny fitomboany ara-batana? Nefa ahoana no iafaran’izany?

 REHEFA mandimby ny lohataona ny fahavaratra dia manintsam-bony ny hazo ary feno voankazo. Toy izany koa, rehefa mandeha ny taona dia tonga vehivavy lehibe ny zazavavikely. Sahala amin’ny bokom-boninkazo mivelatra ka mamela haminavina izay ho voninkazo nafeniny tao, dia toy izany koa fa eo am-pifaranan’ny fotoana maha-zatovo azy no ampisehoan’ny ankizivavikely mazava kokoa hoe ho karazam-behivavy hanao ahoana izy aoriana kely. Ankoatra izany, dia afaka manao zavatra betsaka izy mba hisy heriny tsara eo amin’ny fiainan-ko aviny ny taona maha-zatovo diaviny.

2 Mandritra ny maha-zatovo anao dia mihalava eo amin’ny roa ambin’ny folo ka hatramin’ny dimy ambin’ny folo santimetatra ianao ary mitombo lanja. Mitranga mandritra ny roa taona izany “tosi-pitomboana” izany araka ny fitsipika ankapobeny. Hahita ankizivavy mitovy taona aminao mihoatra santimetatra maromaro anao angamba ianao amin’izay fotoana izay raha tsy ianao koa no mitombo tampoka alohany. Nefa aoka tsy hanahiran-tsaina anao izany satria samy hafa ny fotoana isehoan’io tosi-pitomboana tampoka io eo amin’ny ankizivavy tsirairay. Mitombo haingana toy izany iray na roa taona alohan’ny ankizilahy ny ankizivavy amin’ny ankapobeny. Tsapa araka izany amin’ny fotoana iray mandritra ny maha-zatovo fa lehibe kokoa noho ireo ankizilahy mitovy taona aminy ireo ankizivavy. Nefa dia manatratra haingana ny fahatarany izy ireo ary tonga lehibe kokoa sy matanjaka kokoa noho ny ankizivavy amin’ny ankapobeny, satria mitohy maharitra kokoa ny fitomboany.

3 Mety hitombo haingana kokoa noho ny hafa ny faritra iray amin’ny tenanao indraindray. Izany no antony ahitanao ireo tananao na ireo tongotrao ho toa lava loatra amin’ny fotoana sasany. Nefa hanao toy izany avokoa ny faritra sisa amin’ny tenanao amin’ny farany, ary dia hilamina ny zavatra rehetra. Ny fihalavan’ny tena ambony sy ny fivelaran’ny taolan-tratra mazàna no miseho farany indrindra. Miova miandalana ihany koa ny soritr’endrikao. Amin’izay fotoana izay no misy tavy manomboka miforona amin’ny faritra sasany amin’ny tenanao izay mahatonga anao hanana bikam-behivavy.

FIOVANA HAFA KOA

4-6. a) “Fombam-behivavy” manao ahoana no manomboka miseho eo amin’ny ankizivavy iray? Inona no zava-kendren’izany fadimbolana izany? b) Fiovana ara-batana inona avy no tsapan’ny ankizivavy iray amin’izany?

4 Eo amin’ny fiandohan’ny taona maha-zatovo dia mahatsapa fisehoan-javatra tena vaovao tanteraka ao aminy ny ankizivavy iray. Izany ilay antsoin-dRahely, vehivavy iray voatonona ao amin’ny Baiboly hoe “fombam-behivavy”, na fadimbolana, raha lazaina amin’ny teny hafa (Genesisy 31:34, 35). Zavatra tena manaitra ny fadimbolany voalohany ho an’ny ankizivavy iray satria milaza izany fa tonga vehivavy lehibe izy. Misy tsiranoka hôrmônaly manomboka miseho ao amin’ny tenany ka manaitaitra ny fihary atodinaina izay handefa tsirivavy isaky ny efatra herinandro eo ho eo, ka miovaova aloha ary ara-potoana amin’izay avy eo. Mankao amin’ny tranon-jaza ny tsirivavy raha vao mivoaka, ary efa misy famonosana manify manokana vokatry ny fahataitairana ao mandray azy raha toa izy ka matoy. Raha tsy matoy ny tsirivavy dia miendaka ny sosona ivelan’izany famonosana manify izany amin’ny fandehanan’ny ra. Io fandehanan-dra sy ranoka ary soson-javatra vitsivitsy io no mahaforona ny antsoina hoe fadimbolana. Na dia mety hahasosotra na haharary mihitsy aza izany dia fisehoan-javatra voajanahary tanteraka izay tsy tokony hampanahy ny ankizivavy.

5 Amin’ny fotoana toy inona no manomboka miseho ao amin’ny ankizivavy iray izany fadimbolana izany? Tena miovaova izy io. Any amin’ny ankamaroan’ireo faritra amin’ny gilaoby, ireo ankizivavy amin’ny ankapobeny dia tonga fotoana voalohany eo amin’ny fahatelo ambin’ny folo taonany. Nefa mety ho tonga fotoana eo amin’ny fahafolo taonany na alohan’izany ny sasantsasany aminy na mifamadika amin’izay koa fa aorian’ny fahenina ambin’ny folo taonany na aoriana kokoa aza. Toy izany koa fa miovaova eo amin’ny telo ka hatramin’ny dimy andro ny faharetan’ny fadimbolana.

6 Rehefa mandao ny fahazazana ho tonga olon-dehibe ny zazavavikely iray dia mihalehibe ny maojany ary manomboka mivelatra ny tratrany. Izany fiovana rehetra izany na hita maso na tsia, dia manomana azy hiantsoroka ny andraikitra roa sosona nomanin’ny Mpamorona ho azy: dia ny ho vady sy ho reny. Manamora ny fiterahana sy ny fitondrany ireo zanany kely ihany koa ny fananan’ny vehivavy iray maoja malalaka kokoa. Mandritra ny fitondrany vohoka, ireo tavy miforona amin’ny fomba voajanahary tanteraka ao amin’ny vehivavy bevohoka dia mahaforona tahiry ho azy izay hangalany sakafo ho an’ny zanany aloha sy aorian’ny fahaterahany. Noho izany ihany koa no mampisy ronono azy amin’ny fotoana ahaterahan’ny zanany.

MIHAMANINTONA KOKOA

7-10. a) Nahoana ireo fiovana ireo no manome an’ilay tovovavy andraikitra raha ny amin’ny fitondrantenany? b) Ahoana no ampisehoan’ny Tonon-kiran’i Solomona an-tsary an’io andraikitra io amin’ny fampitahana ny zazavavy iray amin’ny “mànda” na amin’ny “varavarana”?

7 Nanankina tombontsoa lehibe ho an’ny vehivavy Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny olombelona. Manana andraikitra hanaja ny fikasany sy hiaina mifanaraka amin’izany àry izy ireo. Mba hahafahana miteraka indrindra no nanaovan’Andriamanitra ny fifanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Rehefa nitombo ara-batana ka afaka miteraka ny zazavavy iray dia manintona kokoa ny sain’ireo lehilahy izay efa afaka miteraka. Nefa mety hampiasa amin’ny fomba ratsy izany fahafahany manintona izany izy. Inona àry no tokony hotadidinao ao an-tsaina mba hanarahana ny lalana tsara, izay hiantoka hoavy sambatra sy maharitra ho anao ary koa ny fankasitrahan’Andriamanitra?

8 Ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, boky ao amin’ny Baiboly, no ahitantsika teny mahaliana izay tsy isalasalana fa notononin’ireo anadahin’ny zazavavy iray avy any Solema. Nanambara toy izao aloha ny anankiray tamin’izy ireo: “Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay; ahoana no hataonay amin’ny zandrivavinay raha mby amin’izay andro hangatahan’olona azy ho vady?” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe ahoana no hataon’izy ireo amin’ny anabaviny rehefa tsy zazavavikely tsy misy nono intsony izy io, fa ho lehibe ary misy olona tonga mangataka azy ho vady? Namaly toy izao àry ny iray hafa tamin’ireo anadahiny: “Raha mànda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.” (Tonon-kiran’i Solomona 8:8, 9). Inona no dikan’ireo teny ireo?

9 Tamin’ny alalan’izany sarin-teny izany dia toa te hilaza ireo zatovo ireo fa raha miseho ho tsy azo hozongozonina toy ny “mànda” ny anabavin’izy ireo, dia homeny voninahitra ary homeny valisoa tsara. Nefa ahoana no ahafahany mitoetra tsy azo hozongozonina tahaka ny “mànda”? Amin’ny fahavononana hadio hatrany, amin’ny fananana ny hery hanoherana an’izay rehetra hitarika azy hanaraka fitondrantena maloto ary amin’ny fifikirana mafy amim-pahatokiana amin’ireo foto-pitsipika marina rehefa tonga amin’ny taona tokony hanambadiany izy. Mifanohitra amin’izany kosa, fa raha mitovy amin’ny “varavarana” ilay zazavavy ka mivoha amin’ny tosika faran’izay mora indrindra ataon’iza na iza, eny fa na dia olona izay maloto fitondrantena aza, dia tsy maintsy mandray fepetra hentitra momba azy ireo anadahiny, dia ny ‘fanampenana azy’, toy ny atao amin’ny olona iray tsy azo itokiana raha ny amin’ny fihetsiny eo anoloan’ny olona iray tsy vehivavy tahaka azy. Hanahaka ny varavarana izay mikatona sy mivoha mora foana koa izy amin’ny heviny hoe hanana fihetseham-po tena miovaova izy; ho mora raiki-pitia amin’ny olona iray izy ary handao azy haingana koa mba hitia olon-kafa indray.

10 Nandalo ny fisedrana tamim-pahombiazana ilay tovovavy solemita rehefa tonga vehivavy lehibe nanana bika nivelatra, ary afaka nilaza toy izao tamin’ireo anadahiny: “Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony [ny an’ilay ho vadiny] dia toy ny efa mahita soa aho.” — Tonon-kiran’i Solomona 8:10.

11-14. a) Nahoana ny tovovavy iray no mety hamorona zava-manahirana ho an’ny tenany amin’ny fanaovana zipo fohy na akanjo ba mampiseho tratra? b) Amin’ny inona kosa no irin’ny zazavavy iray hanintonana ny sain’ny zazalahy?

11 Ianao izay eo an-dalam-pivelarana mba ho tonga vehivavy lehibe, ianao koa dia tsy maintsy mandalo karazam-pisedrana mitovy amin’izany. Maniry hahita fiadanam-po sy saina ve ianao ka hanana fieritreretana madio ary hisakana zava-manahirana izay hanaisotra aminao izany fiadanana izany? Tokony hifehy tena àry ianao ary hifikitra mafy amin’izay mahitsy. Ho tsara ve ny hiniavana hampiharihary ireo faritra mifandray amin’ny fiterahana amin’ny tenanao, ohatra, amin’ny fitondrana zipo fohy sady tery, ambonin’akanjo mibalela-bozona na akanjo vita amin’ny ba mampiseho tratra? Hanaitra ny faniriana ara-nofon’ny lehilahy ny fitafiana toy izany. Ary avy eo?

12 Ho ampy tanjaka sy tsy fileferana ve ianao mba hanoherana izay fangatahana anao rehetra, vokatry ny nataonao ihany? Ary na dia masaka ara-batana aza ianao, moa ve ianao efa mba mahatratra ny fahamasahana ara-panahy sy ara-piraiketam-po ilaina mba hiantsorohana ireo andraikitra avy amin’ny fanambadiana sy ny mety ho fiterahana? Ny sakavavy iray dia afaka miteraka raha vao roa ambin’ny folo volana, ary noho ny fahaizana tsy nianarana no hahafahany mikarakara azy ireo tsara. Ny olombelona anefa dia tsy mba tarihin’ny fahaizana tsy nianarana. Mianatra zavatra be dia be mihoatra noho izay nolovany avy hatrany avy amin’ireo ray aman-dreniny izy. Nefa mila fotoana ny fianarana. Ny fitiavana hanafaingan-javatra dia toy ny fanokafana an-tery ny bokon-draozy iray nefa mbola tsy tonga akory ny fotoana hivelarany. Fanimbana ilay voninkazo fotsiny izany satria raha vao mivelatra fotsiny iny dia tsy ho tsara araka izay tokony ho izy. Aoka tsy hohadinoinao fa rehefa manambady ny tovovavy iray dia tsy hoe ho tonga vadin’ny lehilahy iray fotsiny. Tsy maintsy mikarakara tokantrano koa izy, mahandro sakafo sy manasa lamba. Ambonin’izany, raha miteraka izy dia mila maneho faharetana lehibe amin’ireo zanany ireo na an-kasoavana na an-karatsiana, na marary izy amin’izay na salama.

13 Nefa, mety hieritreritra ny zazavavy iray fa vonona hanambady izy. Karazana lehilahy manao ahoana no mba iriny haka azy ho vady? Raha toa ny tovolahy iray ka voasintony noho ny finoany fotsiny fa ho afaka hanome fahafahampo ny faniriany eo amin’ny lahy sy ny vavy ilay tovovavy, tsy maintsy ho vady tsara ve izany lehilahy izany? Moa ve tsy ny hitady ny tena namana izay ho tia anao noho ny maha-ianao anao, noho ny toe-tsainao sy ny fonao no tokony hataonao, fa tsy ny hanintona ny hafa noho ny bikanao? Afaka manao izany ianao amin’ny fampitomboana ny toetoetra mahafinaritra, nefa koa amin’ny resaka ataonao, amin’ny fanehoana fiheverana ny fiainana tsara sy madio ary amin’ny fampisehoana fa tianao aoka izany ny fahatsorana, ny fanetren-tena, ny fahamaotinana, ny hatsaram-po ary ny fahalalahan-tanana.

14 Afaka mampiseho ny fahatsoranao amin’izany lafiny izany ianao amin’ny fandavana tsy hiala amin’ireo toetra ireo mba hahazoana fahafinaretana vetivety izay hamoizanao ny hajanao sy ny an’ireo olona hajainao, ankasitrahanao ary tiavinao. Amin’ny fampisehoana indrindra fa manatratra zava-kendrena mendrika ny hatao ianao eo amin’ny fiainana, ka maniry ‘hahatsiaro ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao’, no hahazoanao namana izay ho sarobidy aminao hatrany ny fisakaizana aminy sy ho afaka hanome anao tena fahasambarana. — Mpitoriteny 12:1.

FIHETSIKA ANTONONY EO ANOLOAN’NY HATSARAN-TAREHY

15, 16. a) Na dia voajanahary eo amin’ny tovovavy aza ny fiahiana ny hatsaran-tarehiny, inona no hitondra fahasambarana kokoa ho azy amin’ny hoavy? b) Hazavao ny Ohabolana 11:22 sy 31:30 amin’ny fampiharana ireo andalan-teny ireo amin’ny fiainana mahazatra.

15 Voajanahary tokoa raha mikarakara ny hatsaran-tarehiny ny tovovavy. Nefa aoka ianao tsy hanahy na ho kivy noho ny bikanao na ny endrikao, toy ny hoe miankina amin’izany ery ny hoavinao manontolo. Jereo ireo olon-dehibe izay ifaneraseranao sy tianao na ankasitrahanao. Moa ve ny ankamaroan’izy ireny tsy manana bika tsy dia tsara loatra? Tsy ny hatsaran-tarehy no tsiambaratelon’ny fahasambarana.

16 Marina izany na dia ho an’ny zazavavy iray tena tsara tarehy aza. Tokony hanaiky tokoa izy fa vehivavy tsara tarehy maro be no miafara amin’ny fananana fiainana tsy misy fotony, ary matetika aza no maloto. Manambara tsara izany fahamarinana izany ny bokin’ny Ohabolana rehefa miteny toy izao: “Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.” (Ohabolana 11:22). Na koa hoe: “Fitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” — Ohabolana 31:30.

FANDANJALANJANA NY FIHETSEHAM-PO

17-19. a) Fiovana amin’ny lafiny ara-pihetseham-po inona no mety ho tsapan’ny zatovovavy iray ao aminy? Inona no mety hanampy azy hahay handanjalanja amin’io lafiny io (Galatiana 5:22, 23)? b) Fahazarana tsara inona avy no hanampy azy hahay handanjalanja?

17 Ireo fiovana ara-batana mpahazo ny zatovo indraindray dia mitarika fikorontanana ara-pihetseham-po eo amin’ny zazavavy iray. Toy ny ahatsapany ho feno hery amin’ny fotoana sasany ary torovana fotoana fohy aorian’izay, dia tahaka izany fa mety hiovaova be mihitsy izy eo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po. Araka izany, ireo fotoam-pifaliana sy hafanam-po dia mety harahin’ny alahelo tampoka, na fahakiviana mihitsy aza. Mety hanontany tena angamba ianao indraindray raha tena ara-dalàna ny tenanao na ho tonga karazam-behivavy manao ahoana ianao. Eo amin’izao fiaraha-monina androsoan’ny taozava-baventy misy antsika izay manana rafi-bidy tena miovaova be izao, dia ireo zazavavy indrindra no mora voan’izao karazana fihenjanana sy fisalasalana rehetra izao.

18 Miharihary fa mora ny manaiky ho resin’izany fiovaovana ara-pihetseham-po izany ka mety hikombona ary tsy hihevitra afa-tsy ny tena, tsy ho tia fiankinana na hieboebo ny tena amin’ny farany. Lasa tsy mahalala fomba, mora tezitra ary tsy mendrika ny zazavavy sasany tamin’izany. Ny hafa indray miseho ivelany fotsiny ho tsy araka ny tena maha-izy azy. Nefa zava-poana izany rehetra izany. Vao mainka manasarotra ny toe-javatra ny fihetsika toy izany. Tsy zaza intsony ianao ankehitriny, ary izao no fotoana tokony hanaovanao ezaka hambolena ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia ny fitiavana izany, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena.

19 Mampitomboa koa fahazarana tsara izay hahaizanao mandanjalanja. Aoka ianao, ohatra, hiahy ny hampilamina sy hampadio ny efitranonao fa tsy hamela izany hikorontana. Miezaha matory sy misakafo amin’ny ora tsy miovaova. Ilain’ny vatanao izay eo an-dalam-pitomboana izany. Arakaraka ny hiahinao an’ireo zavatra ireo no hahatony sy hampilamina anao ary izany no hanampy anao handamina mora kokoa ireo zava-manahirana anao ara-pihetseham-po.

20, 21. a) Raha ny amin’ny fanontaniana momba ny fiainana, nahoana ny ray aman-dreninao no hanome anao fanazavana azo antoka kokoa noho ny zatovovavy hafa? b) Inona no tena hahatonga anao hanintona?

20 Nefa, aoka ianao hiahy indrindra ny amin’ny tsy hisarahana amin’ireo ray aman-dreninao mandritra io vanim-potoana teteza-mita io, dia ny taona maha-zatovo izany. Izy ireo tokoa no afaka mitondra ho anao fanampiana mandaitra sy fanorenana iray mafy sy mendrika itokiana izay hianteheranao mba hahaizanao handanjalanja hatrany mandritra ireo taom-piovana ireo. Raha misy ankizivavy hafa mitady hitaona anao hanahaka azy, dia aza hadinoina fa eo an-dalam-piovana koa izy ireny. Izay tian’izy ireo androany tsy voatery ho tiany rahampitso. Vao mainka ianao hampitombo ireo zava-manahirana anao raha mihevitra loatra izay lazain’izy ireny ny aminao. Izany no antony maha-mety ny hakanao hevitra amin’ireo ray aman-dreninao raha manontany momba ny tenanao manokana na tsiambaratelo ianao. Ho feno kokoa ary hety kokoa ny valin-tenin’izy ireo noho izay mety homen’ireo mpiara-mianatra aminao anao.

21 Aorian’ny orana mivatravatra amin’ny fahavaratra no mivelatra ireo voninkazo tsara tarehy. Toy izany koa fa hahita fahatoniana ianao sy hahazo toky raha toa ka mianatra mamakivaky ny oram-baratra sy mandingana ireo vato misakana amin’ny fotoana maha-zatovo. Tokony hiahy indrindra ny hitoerana ho madio sy salama ara-batana ianao (noho ny sakafo tsara sy fahadiovana mandrakariva). Nefa, aoka ianao tsy dia hanahy be loatra ny amin’ny vatanao, fa ny amin’ny maha-ianao anao kosa. Ny firavaky ny “saina tony sy malefaka” avy amin’ny “toetra miafina ao am-po”, izany no hahatonga anao ho tena manintona na eo imason’Andriamanitra na eo imason’ny olona. — 1 Petera 3:3, 4, MN.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Tahaka ny varavarana ve ianao. . .

[Sary, pejy 29]

. . .sa tahaka ny mànda?

[Sary, pejy 32]

Manisy vidiny be loatra ny hatsaran-tarehinao ve ianao?