Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ampionòny ny Oloko”

“Ampionòny ny Oloko”

Toko Fahatelopolo

“Ampionòny ny Oloko”

Isaia 40:1-31

1. Inona no fomba iray ampiononan’i Jehovah antsika?

I JEHOVAH no ilay ‘Andriamanitry ny fampiononana’. Ny fomba iray ampiononany antsika dia amin’ny alalan’ireo fampanantenana nasainy noraketina ao amin’ny Teniny. (Romana 15:4, 5). Ohatra, rehefa maty ny olona iray tianao, mety hisy zavatra ho afaka hampionona kokoa noho ny fanantenana ny hitsanganan’izany olona izany amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, ve? (Jaona 5:28, 29). Ary ahoana ny amin’ilay fampanantenan’Andriamanitra hamarana tsy ho ela ny faharatsiana sy hanova ity tany ity ho paradisa? Tsy mampionona ve ny manana fanantenana ny ho tafita velona ao amin’izany Paradisa ho avy izany, ka tsy ho faty mihitsy?​—Salamo 37:9-11, 29; Apokalypsy 21:3-5.

2. Nahoana isika no afaka matoky ireo fampanantenan’Andriamanitra?

2 Tena afaka mitoky amin’ireo fampanantenan’Andriamanitra ve isika? Eny tokoa! Azo itokisana tanteraka ilay Mpanome an’ireo fampanantenana ireo. Manana ny fahaizana sy ny faniriana hanatanteraka ny teny nataony izy. (Isaia 55:10, 11). Izany dia naseho tamin’ny fomba mahery, fony i Jehovah nanambara tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, fa hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio tao Jerosalema izy. Andeha isika handinika io faminaniana io, ao amin’ny Isaia toko faha-40, satria izany dia afaka manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah, ilay Mpanatanteraka fampanantenana.

Fampanantenana manome fampiononana

3, 4. a) Teny fampiononana inona, izay hilain’ny vahoakan’Andriamanitra any aoriana, no noraketin’i Isaia an-tsoratra? b) Nahoana no hatao sesitany any Babylona ny mponin’i Joda sy Jerosalema, ary hafiriana no haharetan’ny fanandevozana azy?

3 Tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., i Isaia mpaminany dia nirakitra an-tsoratra teny fampiononana izay hilain’ny vahoakan’i Jehovah any aoriana. Rehefa avy nilaza tamin’i Hezekia Mpanjaka momba ny fandringanana an’i Jerosalema nihananatona, sy ny fitondrana ny vahoaka jiosy tany Babylona, i Isaia, dia nanonona avy hatrany ny tenin’i Jehovah izay nampanantena famerenana amin’ny laoniny, toy izao: “Ampionòny, ampionòny ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony.”​—Isaia 40:1, 2.

4 Ny hoe “Ampionòny”, ilay teny fanokafana ny Isaia toko faha-40, dia milaza tsara ilay hafatra momba ny fahazavana sy fanantenana voarakitra ao amin’ny tapany sisa amin’ny bokin’i Isaia. Noho izy ireo tonga mpivadi-pinoana, dia hatao sesitany any Babylona ny mponin’i Joda sy i Jerosalema, amin’ny 607 al.f.i. Tsy hanompo ny Babylonianina mandrakizay anefa ireo Jiosy babo ireo, fa mandra-paha-“voavela” ny helony ihany. Hafiriana izany? Araka an’i Jeremia mpaminany, dia 70 taona. (Jeremia 25:11, 12). Aorian’izany, dia hitarika sisa mibebaka amin’ny olony avy any Babylona hiverina any Jerosalema i Jehovah. Amin’ny taona faha-70 nahafoanan’i Joda, dia toy inona moa ny fiononana ho tsapan’ireo babo ireo, rehefa takany fa antomotra ny fotoanan’ilay fanafahana nampanantenaina azy!​—Daniela 9:1, 2.

5, 6. a) Nahoana ilay dia lava be avy tany Babylona hankany Jerosalema no tsy hisakana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra? b) Inona no ho vokatry ny famerenana ny Jiosy any an-tanindrazany, eo amin’ireo firenena hafa?

5 Hisy 800 na 1 600 kilaometatra ilay lalana avy any Babylona hankany Jerosalema, arakaraka ny lalana halehany. Hisakana ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ve ilay dia lava be? Tsia! Hoy i Isaia: “Injay! misy feon’ny miantso hoe: Manamboara làlana any an-efitra ho an’i Jehovah, manaova làlambe any an-tany foana ho an’Andriamanitsika. Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dàlana ho tonga lemaka; dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.”​—Isaia 40:3-5.

6 Talohan’ny niaingana hanaovana dia iray, dia matetika no naniraka lehilahy hanomana ny lalana, ireo mpanapaka tatsinanana. Nanaisotra ireo vato be ireny olona ireny, ary nanamboatra fefiloha sy nampitovy tantana ny havoana mihitsy aza. Raha ny amin’ireo Jiosy hiverina hody, dia toy ny hoe Andriamanitra mihitsy no hisava ny lalana, amin’ny fanesorana ireo vato misakana. Rehefa dinihina tokoa, dia vahoaka nitondra ny anaran’i Jehovah ireo, ary raha nanatanteraka ny fampanantenany hamerina azy ireo any an-tanindrazany izy, izany dia hampiharihary ny voninahiny eo anoloan’ny firenena rehetra. Na ho tian’ireo firenena ireo izany na tsia, dia ho voatery hahita izy ireo fa Mpanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah.

7, 8. a) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’ny Isaia 40:3 tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.? b) Fahatanterahana lehibe kokoa inona no nananan’ny faminanian’i Isaia tamin’ny 1919?

7 Tsy ilay famerenana tamin’ny laoniny tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. ihany no fahatanterahan’io faminaniana io. Nanana fahatanterahany tamin’ny taonjato voalohany am.f.i. koa izy io. I Jaona Mpanao Batisa no ilay feon’olona ‘niantso mafy tany an’efitra’, ho fahatanterahan’ny Isaia 40:3. (Lioka 3:1-6). Teo ambanin’ny tsindrimandry, dia nampihatra ny tenin’i Isaia tamin’ny tenany i Jaona. (Jaona 1:19-23). Nanomboka tamin’ny 29 am.f.i., dia nanomana ny lalana ho an’i Jesosy Kristy i Jaona. * Ny fanambarana mialoha nataon’i Jaona dia nandrisika ny olona hitady ny Mesia nampanantenaina, mba hahafahan’izy ireo kosa hihaino azy sy hanaraka azy. (Lioka 1:13-17, 76). Amin’ny alalan’i Jesosy, i Jehovah dia hitarika an’ireo mibebaka ho amin’ilay fahafahana izay ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manome azy​—fanafahana amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana. (Jaona 1:29; 8:32). Nanana fahatanterahany lehibe kokoa ny tenin’i Isaia, rehefa nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy, tamin’ny 1919, ka naverina hanaraka ny fivavahana marina.

8 Ahoana anefa ny amin’ireo izay mendrika ny handray soa avy amin’ny fahatanterahana voalohan’ilay fampanantenana​—ireo Jiosy babo tany Babylona? Moa ve izy ireo tena afaka nitoky tamin’ny fampanantenan’i Jehovah hamerina azy tany an-tanindrazany malala? Eny tokoa! Nampiasa teny sy fanoharana mazava toa hitan’ny maso avy tamin’ny fiainana andavanandro i Isaia izao, mba hanomezana antony hampiaiky azy ireo hatoky tanteraka fa hitana ny teny nataony i Jehovah.

Andriamanitra iray manan-teny maharitra mandrakizay

9, 10. Ahoana no nampifanoheran’i Isaia ny hafohin’ny fiainan’ny olona amin’ny faharetan’ny ‘tenin’Andriamanitra’?

9 Voalohany aloha, dia maharitra mandrakizay ny tenin’Ilay nampanantena famerenana amin’ny laoniny. Hoy i Isaia: “Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha; maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ny fofonain’i Jehovah ireny; eny, ahitra tokoa ny olona. Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.”​—Isaia 40:6-8.

10 Fantatry ny Isiraelita tsara fa tsy maharitra mandrakizay ny ahitra. Mandritra ny main-tany, noho ny hafanan’ny masoandro migaingaina, dia lasa maina ilay ahi-maitso. Misy itoviana amin’ny ahitra ny fiainan’ny olombelona​—mihelina ihany. (Salamo 103:15, 16; Jakoba 1:10, 11). Mampifanohitra ny hafohin’ny fiainan’ny olona amin’ny faharetan’ny ‘tenin’Andriamanitra’, na ny fikasany voambara, i Isaia. Eny, maharitra mandrakizay “ny tenin’Andriamanitsika”. Rehefa miteny Andriamanitra, dia tsy misy na inona na inona afaka manafoana ny teniny, na misakana azy tsy ho tanteraka.​—Josoa 23:14.

11. Nahoana isika no afaka matoky fa hanatanteraka ny fampanantenana raketin’ny Teniny voasoratra i Jehovah?

11 Ankehitriny, dia manana ny Baiboly, izay misy ny fanambarana ny fikasan’i Jehovah an-tsoratra, isika. Niatrika fanoherana faran’izay mafy ny Baiboly tao anatin’ireo taonjato maro lasa, ary nisy mpandika teny sy olon-kafa tsy nanan-tahotra nanao vivery ny ainy mba hiarovana azy io. Na izany aza, dia tsy manazava ny antony nahatafitan’ny Baiboly hatramin’izao, raha ny ezak’izy ireny fotsiny. Tsy maintsy ho i Jehovah, ‘ilay Andriamanitra velona sady maharitra’, no omena ny voninahitra rehetra noho izany. (1 Petera 1:23-25). Eritrereto àry izao: Raha niaro ny Teniny voasoratra i Jehovah, moa ve isika tsy afaka matoky fa hotanterahiny ny fampanantenana voarakitra ao?

Andriamanitra matanjaka iray izay miahy amim-piraiketam-po ny ondriny

12, 13. a) Nahoana no azo nitokisana ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny? b) Vaovao tsara inona no nisy ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany, ary nahoana izy ireo no afaka natoky?

12 Nanome antony faharoa ahafahana mitoky amin’ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny, i Isaia. Ilay nanome azy io dia Andriamanitra matanjaka iray izay miahy amim-piraiketam-po ny vahoakany. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: [Ianao, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Ziona, “NW” ], miakara any an-tendrombohitra avo; [ianao, ry vehivavy mitondra vaovao tsara ho an’i Jerosalema, “NW” ], asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo! Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny [dia hanapaka ho azy, “NW” ]; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany. Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.”​—Isaia 40:9-11.

13 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia fanaon’ny vehivavy ny nankalaza ny fandresena, tamin’ny fikiakiahana na fihirana ny vaovao tsara momba ny fandresena tamin’ny ady na ny fahantomoran’ny fanamaivanana. (1 Samoela 18:6, 7; Salamo 68:11). Notondroin’ny faminanian’i Isaia fa nisy vaovao tsara ho an’ireo Jiosy tany an-tsesitany, dia vaovao azo nokiakiahina tsy tamin-tahotra, na dia avy teny an-tampon’ny tendrombohitra aza, nanao hoe: Hitarika ny vahoakany hiverina ho any Jerosalema, tanànany malala, i Jehovah! Afaka natoky izy ireo, satria ho avy “amin’ny heriny” i Jehovah. Noho izany, dia tsy hisy na inona na inona ho afaka hisakana azy tsy hanatanteraka ny fampanantenany.

14. a) Ahoana no nampisehoan’i Isaia ny firaiketam-po hasehon’i Jehovah, rehefa hitarika ny vahoakany izy? b) Ohatra inona no mampiseho ny fikarakaran’ny mpiandry ondry amim-piraiketam-po ny ondriny? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 405.)

14 Etsy an-danin’izany anefa, dia manana lafin-toetra malefaka koa io Andriamanitra mahery io. Lazalazain’i Isaia amim-pitiavana ny fomba hitarihan’i Jehovah ny vahoakany hiverina any an-tanindrazany. Toy ny mpiandry ondry be fitiavana izay manangona ny zanak’ondriny, ka mitrotro azy ireo eo “an-tratrany”, i Jehovah. Ilay teny hoe ‘tratra’ eto dia manondro ireo mivalombalona ambony indrindra tamin’ny akanjo. Tao matetika no nitondran’ireo mpiandry ondry an’ireo zanak’ondry vao teraka, izay tsy nahara-dia an’ilay andian’ondry. (2 Samoela 12:3). Ny sary mampihetsi-po momba ny fiainan’ny mpiandry ondry toy izany dia tsy maintsy ho nanome toky an’ilay vahoakan’i Jehovah tany an-tsesitany ny amin’ny fiahiany sy ny fitiavany azy ireo. Tena azo nitokisana fa hanatanteraka izay nampanantenainy ny Andriamanitra mahery nefa feno firaiketam-po toy izany!

15. a) Oviana i Jehovah no tonga ‘tamin’ny heriny’, ary iza moa ilay ‘sandry manapaka ho azy’? b) Vaovao tsara inona no tsy maintsy ambara tsy amin-tahotra?

15 Mirakitra faminaniana ho an’ny androntsika ireo tenin’i Isaia. Tamin’ny 1914, dia tonga ‘tamin’ny heriny’ i Jehovah, ka nanorina ny Fanjakany tany an-danitra. Ilay ‘sandry hanapaka ho azy’ dia i Jesosy Kristy, Zanany, izay napetrany teo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra. Tamin’ny 1919, dia nanafaka an’ireo mpanompony voahosotra eto an-tany avy tamin’ny fahababoana tamin’i Babylona Lehibe i Jehovah, ary nanomboka namerina tamin’ny laoniny tanteraka ny fivavahana madio amin’ilay Andriamanitra velona sady marina. Izany dia vaovao tsara izay tsy maintsy ambara tsy amin-tahotra, toy ny hoe amin’ny fikiakiahana avy eny an-tampon’ny tendrombohitra, mba ho re hatraiza hatraiza ilay fanambarana. Aoka àry isika hanandratra ny feontsika, ka hampahafantatra amim-pahasahiana amin’ny hafa fa namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio aminy eto an-tany i Jehovah Andriamanitra!

16. Amin’ny fomba ahoana no itarihan’i Jehovah ny vahoakany ankehitriny, ary modely ny amin’inona moa izany?

16 Ny teny ao amin’ny Isaia 40:10, 11 dia manana heviny fanampiny ho antsika ankehitriny. Tena mampionona ny manamarika ilay firaiketam-pon’i Jehovah eo am-pitarihana ny vahoakany. Toy ny ahafantaran’ny mpiandry ondry iray ny zavatra ilain’ny ondry tsirairay​—anisan’izany ireo zanak’ondry madinika izay tsy mahara-dia ny hafa​—i Jehovah dia mahatakatra fa manan-javatra mametra ny mety ho vitany ny tsirairay amin’ireo mpanompony mahatoky. Fanampin’izany, i Jehovah, izay Mpiandry ondry be firaiketam-po, dia namela modely ho an’ny mpiandry kristianina. Tsy maintsy mitondra ny andian’ondry amim-piraiketam-po ireo loholona, ka manahaka ny fiahiana sy ny fitiavana nasehon’i Jehovah. Tsy maintsy tadidin’izy ireo mandrakariva ny fihetseham-po tsapan’i Jehovah momba ny tsirairay ao amin’ny andian’ondriny, “izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany”.​—Asan’ny Apostoly 20:28, NW.

Faran’izay mahery, faran’izay hendry

17, 18. a) Nahoana ireo Jiosy tany an-tsesitany no afaka natoky ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny? b) Fanontaniana nahatahotra inona avy no napetrak’i Isaia?

17 Afaka natoky an’ilay fampanantenana famerenana amin’ny laoniny ireo Jiosy tany an-tsesitany, satria faran’izay mahery sady faran’izay hendry Andriamanitra. Hoy i Isaia: “Iza no namatra ny rano teo am-pela-tànany, ary [nandrefy, “NW” ] ny lanitra tamin’ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana? Iza no nanome hevitra ny Fanahin’i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny làlan’ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny làlan’ny fahendrena?”​—Isaia 40:12-14.

18 Ireo fanontaniana nahatahotra ireo dia natao hosaintsainin’ireo Jiosy tany an-tsesitany. Afaka misakana ny fisondrotan’ny ranomasina ve ny olombelona? Mazava ho azy fa tsia! Kanefa, amin’i Jehovah, ny ranomasina izay mandrakotra ny tany dia toy ny rano indray mitete eo am-pelatanany. * Moa ve izay olombelona ambany kely erỳ afaka mandrefy ny lanitra midadasika sy feno kintana, na mandanja ireo tendrombohitra sy havoanan’ny tany? Tsia. Kanefa, i Jehovah dia mandrefy ny lanitra mora foana, toy ny andrefesan’ny olona zavatra iray amin’ny zehy​—halavan-drefy hatreo amin’ny ankibe ka hatramin’ny tendron’ny fanondroadala henjanina tsara. Toy ny hoe afaka mandanja ireo tendrombohitra sy havoana amin’ny mizana Andriamanitra. Moa ve ny olombelona hendry indrindra eto ambonin’ny tany afaka manoro hevitra an’Andriamanitra ny amin’izay tokony hatao amin’izao toe-javatra ankehitriny izao, na milaza aminy izay tokony hatao amin’ny hoavy? Tsia!

19, 20. Mba hanantitranterana ny halehiben’i Jehovah, sarin-teny mazava toa hitan’ny maso inona avy no nampiasain’i Isaia?

19 Ahoana ny amin’ireo firenena matanjaka eto ambonin’ny tany​—moa ve izy ireo hahatohitra an’Andriamanitra, rehefa hanatanteraka ny fampanantenany izy? Namaly izany i Isaia, tamin’ny filazana toy izao momba ireo firenena: “Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra. Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana. Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman’ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.”​—Isaia 40:15-17.

20 Amin’i Jehovah, ny firenena manontolo dia toy ny rano indray mitete miraraka avy amin’ny siny iray. Tsy misy ihoaran’izy ireo amin’ny vovoka manify miangona eo ambonin’ny mizana, nefa tsy mampihontsina azy io akory. * Aoka hatao hoe nisy olona nikasa hanamboatra alitara goavana iray, ka hampiasa ny hazo rehetra nandrakotra ireo tendrombohitr’i Libanona, ho kitay ho an’ilay alitara. Avy eo, dia aoka hatao hoe nikasa hanao fanatitra ny biby rehetra nirenireny teny amin’ireny tendrombohitra ireny izy. Na dia ny fanatitra toy izany aza dia tsy ho mendrika an’i Jehovah. Toy ny hoe mbola tsy ampy ihany ireo fanoharana nampiasainy hatramin’izao, dia nanao izao fanambarana mbola nahery kokoa izao i Isaia: Ny firenena rehetra dia tahaka ny “tsinontsinona” eo imason’i Jehovah.​—Isaia 40:17.

21, 22. a) Ahoana no nanantitranteran’i Isaia fa tsy manan-tsahala i Jehovah? b) Hevitra inona no azontsika tsoahina avy amin’ireo filazalazana mazava nataon’i Isaia? d) Fanambarana marina ara-tsiansa inona no noraketin’i Isaia mpaminany an-tsoratra? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 412.)

21 Mba hanantitranterana ihany fa tsy misy afa-mitaha amin’i Jehovah, dia nampiseho ny hadalan’ireo izay nanao sampy avy tamin’ny volamena, ny volafotsy na ny hazo, i Isaia. Tena hadalana ny hieritreretana fa ny sampy toy izany dia hety ho sary hampiseho “Ilay monina eo ambony faribolan’ny tany” (“NW” ) sy mifehy ny mponina eo aminy!​—Vakio ny Isaia 40:18-24.

22 Hevitra iray no azontsika tsoahina avy amin’ireo filazalazana mazava toa hitan’ny maso rehetra ireo​—tsy misy na inona na inona afaka misakana an’i Jehovah, ilay faran’izay mahery sy ilay faran’izay hendry ary ilay tsy manan-tsahala, tsy hanatanteraka ny fampanantenany. Tsy maintsy ho nampionona sy nanatanjaka an’ireo Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona tokoa ireo tenin’i Isaia ireo, noho izy ireo efa naniry mafy ny hiverina tany an-tanindrazany! Isika ankehitriny koa dia afaka matoky fa ho tonga zava-misy ireo fampanantenan’i Jehovah ny amin’ny hoavintsika.

“Iza no nahary ireny?”

23. Nahoana koa ireo Jiosy tany an-tsesitany no afaka nahazo fampaherezana, ary inona izao no nohamafisin’i Jehovah momba ny tenany?

23 Mbola nisy antony iray hafa nahazoan’ny Jiosy tany an-tsesitany fampaherezana. Ilay nampanantena fanafahana dia ilay Mpamorona ny zava-drehetra sady Loharanon’ny fahatanjahana rehetra. Mba hanamafisana ny fahefany mahazendana, dia nisarika ny saina ho amin’ny fahaizany ahariharin’ny famoronana i Jehovah. “Ampitovinareo amin’iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”​—Isaia 40:25, 26.

24. Rehefa niresaka momba ny tenany i Jehovah, ahoana no nampisehoany fa tsy misy mitovy aminy?

24 Niresaka momba ny tenany ilay Iray Masin’ny Isiraely teo. Mba hampisehoana fa tsy misy mitovy aminy, dia nisarika ny saina ho amin’ireo kintana eny amin’ny lanitra i Jehovah. Toy ny komandin’ny tafika iray mahay mandamina ny miaramilany, i Jehovah dia mahafehy tsara ireo kintana. Raha toa ka hoe nila ny hanao fizahana azy ireo izy, dia ‘tsy hisy ho diso ireo na dia iray akory aza’. Na dia be dia be aza ny isan’ny kintana, dia antsoiny amin’ny anarany avy izy ireo, na anarana manokana izany, na fiantsoana mitovy amin’ny anarana. Toy ny miaramila mpankatò, dia mitana ny toerany avy izy ireo, ary manaraka filaharana tsara, satria miavaka noho ny “haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha” ilay Mpitarika azy ireo. Noho izany, dia nanana antony tokony hatokisana ireo Jiosy tany an-tsesitany. Manana ny hery hanohanana ny mpanompony ny Mpamorona, izay mibaiko ny kintana.

25. Ahoana no mety ho fihetsitsika eo anoloan’ny fanasan’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 40:26, ary inona no vokany?

25 Iza amintsika no tsy hanoina ilay fanasan’Andriamanitra ao amin’ny Isaia 40:26, manao hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere”? Ireo zavatra hitan’ireo astronoma maoderina dia nampiseho fa vao mainka mahatahotra kokoa noho ny tamin’ny andron’i Isaia ny fahitana ny lanitra feno kintana. Ireo astronoma mandinika ny lanitra amin’ny alalan’ny teleskaopiny matanjaka be, dia manombana fa misy vahindanitra 125 000 tapitrisa eny amin’ny habakabaka azo dinihina. Ny iray amin’izy ireny monja​—ny Voie lactée​—dia misy kintana maherin’ny 100 000 tapitrisa, araka ny fanombanana sasany! Tokony hamoha ao am-pontsika fanajana lalina an’ilay Mpamorona antsika sy fatokisana tanteraka ny fampanantenany, izany fahalalana izany.

26, 27. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo natao sesitany tany Babylona, ary zavatra inona avy no tokony ho efa fantany?

26 Fantatr’i Jehovah fa hampihena ny herim-pon’ireo Jiosy tany an-tsesitany ilay fahababoana nandritra ny an-taonany maro, hany ka nanome tsindrimandry an’i Isaia izy mba hirakitra an-tsoratra mialoha ireto teny fanomezan-toky ireto: “Nahoana no miteny hianao, ry Jakoba ô, ary milaza hianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’i Jehovah ny làlako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitra ny rariny tokony ho ahy? Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.”​—Isaia 40:27, 28.

27 Noraketin’i Isaia an-tsoratra ny tenin’i Jehovah nilaza ny fihetseham-pon’ireo natao sesitany tany Babylona, tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro avy tany amin’ny tanindrazany. Nisy nihevitra fa tsy hitan’ilay Andriamaniny na tsy fantany ny ‘lalany’​—ilay fiainana mafy nodiaviny tany. Nihevitra izy ireo fa tsy niraika tamin’ireo tsy rariny niaretan’izy ireo i Jehovah. Nampahatsiahivina azy ireo àry ireo zavatra tokony ho efa fantany, na avy tamin’ny zavatra niainan’ny tenany manokana izany, na fara faharatsiny, avy tamin’ny fitantarana nampitaina taminy. Sady afaka manafaka ny vahoakany i Jehovah, no maniry hanao izany. Izy no ilay Andriamanitra mandrakizay sady Mpamorona ny tany manontolo. Noho izany, dia mbola manana ilay hery nasehony fony nanao ny famoronana, izy, ka na i Babylona nahery be aza dia tsy maintsy ho tratran’ny tanany. Tsy afaka ny ho reraka na handiso fanantenana ny vahoakany ny Andriamanitra toy izany. Tsy tokony hanantena ny hahazo amin’ny fomba feno ny zavatra ataon’i Jehovah izy ireo, satria tsy ho takatry ny sain’izy ireo ny fahalalany​—ny fahaizany mahataka-javatra sy ny fahaizany manavaka ary ny fahatakarany zavatra haingana.

28, 29. a) Ahoana no nampahatsiahivan’i Jehovah ny vahoakany fa hanampy an’ireo reraka izy? b) Ohatra inona no nampiasaina mba hampisehoana fa manome hery ny mpanompony i Jehovah?

28 Nanohy nampahery an’ireo Jiosy kivy tany an-tsesitany, tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah. “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”​—Isaia 40:29-31.

29 Rehefa niresaka momba ny ilana hanomezana hery ny reraka i Jehovah, dia mety ho nieritreritra momba ilay dia mafy dia mafy tsy maintsy hataon’ireo tany an-tsesitany, mba hiverenana hody. Nampahatsiahy ny vahoakany i Jehovah fa fanaony mampiavaka azy ny manampy an’ireo sasatra izay mitodika any aminy mba hahazoana fanohanana. Na dia ireo mavitrika indrindra eo amin’ny olombelona​—ny “tanora” sy ny “zatovo”​—aza dia mety hanjary ho lanaky ny hasasarana na ho potraka noho ny hatrotrahana. Kanefa nampanantena i Jehovah fa hanome hery​—hery tsy mety ritra mba hihazakazahana sy handehanana an-tongotra​—an’ireo izay nitoky taminy. Ny fanidin’ny voromahery, izay vorona matanjaka afaka manidina ambony be mandritra ny ora maro, nefa toa tsy manao ezaka firy akory, dia sary mampiseho ny fanomezan’i Jehovah hery ny mpanompony. * Afaka nanantena ny fanohanan’Andriamanitra ireo Jiosy tany an-tsesitany, ka tsy nanana antony tokony hampamoy fo.

30. Fampiononana inona no azon’ny Kristianina marina ankehitriny tovozina avy amin’ireo andininy mamarana ny Isaia toko faha-40?

30 Ireo andininy mamarana ny Isaia toko faha-40 ireo dia mirakitra teny fampiononana ho an’ny Kristianina marina velona amin’ny andro farany amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. Noho ireo fanerena sy zava-manahirana maro be izay toa manakivy antsika, dia manome toky ny mahafantatra fa tsy hoe tsy hitan’ilay Andriamanitsika ireo zava-tsarotra zakaintsika sy tsy rariny iaretantsika. Afaka matoky isika fa ilay Mpamorona ny zava-drehetra, Ilay ‘manam-pahalalana tsy hita lany’, dia hanitsy ny tsy rariny rehetra amin’ny fotoana sy araka ny fomba voatondrony. (Salamo 147:5, 6). Mandra-pahatongan’izany, dia tsy voatery hiaritra amin’ny herin’ny tenantsika manokana isika. Afaka manome hery​—“hery mihoatra noho ny mahazatra” mihitsy aza​—ho an’ny mpanompony, amin’ny fotoam-pisedrana, i Jehovah, izay manan-tahiry tsy mety ritra.​—2 Korintiana 4:7, NW.

31. Fampanantenana fahazavana inona no noraketin’ny faminanian’i Isaia ho an’ireo Jiosy babo tany Babylona, ary afaka matoky tanteraka ny amin’ny inona isika?

31 Eritrereto ireo Jiosy babo tany Babylona tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. ireo. Tany amin’ny an-jatony kilaometatra maro avy teo, dia lao i Jerosalema, ilay tanànany malala, ary rava ny tempoliny. Ho azy ireo, ny faminanian’i Isaia dia nirakitra fampanantenana fahazavana sy fanantenana feno fampiononana, dia ny hoe: Hamerina azy ireo any an-tanindrazany i Jehovah! Tamin’ny 537 al.f.i., dia nitarika ny vahoakany hody i Jehovah, ka nanaporofo tamin’izany fa izy no ilay Mpanatanteraka fampanantenana. Isika koa dia afaka matoky tanteraka an’i Jehovah. Ho tonga zava-misy ireo fampanantenana ny amin’ny Fanjakany, izay voalaza amin’ny fomba kanto ao amin’ny faminanian’i Isaia. Izany ka vaovao tsara​—hafatra mitondra fahazavana ho an’ny olombelona rehetra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Nanambara mialoha ny amin’ny fanomanana ny lalana teo anoloan’i Jehovah i Isaia. (Isaia 40:3). Kanefa ireo Filazantsara dia mampihatra io faminaniana io amin’izay nataon’i Jaona Mpanao Batisa mba hanomanana ny lalana ho an’i Jesosy Kristy. Nanao izany fampiharana izany ireo mpanoratra ara-tsindrimandry ny Soratra Grika Kristianina, satria i Jesosy dia nisolo tena ny Rainy ary tonga tamin’ny anaran’ny Rainy.​—Jaona 5:43; 8:29.

^ feh. 18 Nisy nandrefy ny “lanjan’ny ranomasimbe [ho] sahabo ho 1 350 000 tapitrisa tapitrisa (1,35 x 1018) taonina, na tokony ho 1/4400-n’ny lanjan’ny Tany manontolo”.​—Encarta 97 Encyclopedia.

^ feh. 20 Hoy ny The Expositor’s Bible Commentary: “Ny mpivarotra teny an-tsena any Proche-Orient dia tsy niraharaha ny rano indray mitete bitika kely tao anaty siny famarana, na ny vovoka kely teo ambonin’ny mizana, rehefa nandanja hena na voankazo.”

^ feh. 29 Mitsingevaheva eny amin’ny rivotra, nefa tsy mampiasa afa-tsy hery faran’izay kely, ny voromahery. Afaka manao izany izy amin’ny fanararaotana amim-pahakingana ireo rivotra mafana miakatra.

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 404, 405]

Jehovah, Mpiandry Ondry Be Fitiavana

Nampitaha an’i Jehovah tamin’ny mpiandry ondry be fitiavana, izay nitrotro ny zanak’ondriny teo an-tratrany, i Isaia. (Isaia 40:10, 11). Miharihary fa zavatra tena nataon’ireo mpiandry ondry no nanorenan’i Isaia io fanoharana maneho fitiavana io. Ny olona iray nitazana mpiandry ondry teny amin’ireo tehezan’ny Tendrombohitra Hermona, any Moyen-Orient, tamin’izao androntsika izao, dia nilaza hoe: “Nanara-maso akaiky ny andian’ondriny ny mpiandry ondry tsirairay, mba hahitana hoe nanao ahoana izy ireo. Rehefa nahita zanak’ondry vao teraka izy, dia nampiditra azy tao anatin’ireo mivalombalona tamin’ny (...) kapaotiny malalaka, satria nalemy loatra, ka tsy naharaka an-dreniny ilay izy. Raha efa feno zavatra ny teo an-tratrany, dia nataony antsangory ireo zanak’ondry, ka nohazoniny tamin’ny tongony, na napetrany tao anaty kitapo na harona teo andamosin’ny ampondra iray, mandra-paharak’ireo zanany kely ireo an-dreniny.” Tsy manome fampiononana ve ny mahafantatra fa manompo Andriamanitra mahatsapa firaiketam-po toy izany amin’ny vahoakany isika?

[Efajoro/Sary, pejy 412]

Manao Ahoana ny Bikan’ny Tany?

Tamin’ny andro fahiny, dia nino ny olona tamin’ny ankapobeny fa fisaka ny tany. Tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. anefa, dia efa namoaka teoria i Pythagore, filozofa grika, hoe tsy maintsy ho bola ny tany. Na izany aza, roanjato taona talohan’ny nanononan’i Pythagore ny teoriany, dia efa nanambara tamin’ny teny mazava sady azo antoka i Isaia mpaminany hoe: “Misy Ilay monina eo ambony faribolan’ny tany”. (Isaia 40:22, NW ). Ilay teny hebreo hoe chugh, izay nadika eto hoe ‘faribolana’ dia azo adika hoe “bola”. Mahaliana fa ny zavatra boribory toy ny bola ihany no hita ho faribolana avy amin’ny faritra rehetra. * Nihoatra lavitra ny fahalalana tamin’ny androny àry ilay fanambarana nataon’i Isaia mpaminany, izay marim-pototra ara-tsiansa ary tsy voaloton’ny angano fahiny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 72 Raha ny tena izy, ny tany dia bola iray, saingy somary fisaka ny tendrony.

[Sary, pejy 403]

Feo iray ‘niantso mafy tany an’efitra’ i Jaona Mpanao Batisa