Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra

Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra

Toko Fahavalo

Ao Amin’ny Tempoliny Masina i Jehovah Andriamanitra

Isaia 6:1-13

1, 2. a) Oviana i Isaia mpaminany no nahazo ny fahitany ny amin’ny tempoly? b) Nahoana i Ozia Mpanjaka no namoy ny fankasitrahan’i Jehovah?

“TAMIN’NY taona nahafatesan’i Ozia mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sady manerinerina, ary ny ebaneban’akanjony nahafeno ny tempoly.” (Isaia 6:1). Ireo tenin’ilay mpaminany ireo no niantombohan’ny toko faha-6 amin’ny bokin’i Isaia. Ny taona 778 al.f.i. tamin’izay.

2 Ny ankabeazan’ireo 52 taona nanjakan’i Ozia tao Joda dia nahitana fahombiazana niavaka. Nanao izay “mahitsy eo imason’i Jehovah” izy, ka nahazo ny fanohanan’Andriamanitra teo amin’ny raharaha ara-tafika sy ny fanorenana ary ny fambolena nataony. Nahatonga ny fahalavoany koa anefa ny fahombiazany. Tamin’ny farany, dia nanjary niavonavona ny fony, ary dia “nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny [izy] ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah handoro ditin-kazo manitra”. Noho io fahasahisahian-dratsy feno fieboeboana io sy ny nisafoahany tamin’ireo mpisorona nanome tsiny azy, dia boka mandra-pahafatiny i Ozia. (2 Tantara 26:3-22). Tokony ho tamin’io fotoana io i Isaia no nanomboka ny fanompoan’ny mpaminany.

3. a) Tena nahita an’i Jehovah ve i Isaia? Hazavao. b) Inona no hitan’i Isaia, ary noho ny antony inona?

3 Tsy lazaina amintsika ny toerana nisy an’i Isaia, fony izy nahazo ilay fahitana. Mazava anefa fa fahitana ilay hitan’ny masony ara-bakiteny, fa tsy tena ny Tsitoha, satria “tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. (Jaona 1:18; Eksodosy 33:20). Na izany aza, ny hoe mahita an’i Jehovah Mpamorona, na dia ao amin’ny fahitana aza, dia fanandraman-javatra mahatahotra. Mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana manerinerina, izay sary mampiseho ny toeran’ny Mpanjaka sady Mpitsara mandrakizay tanany, ilay Mpanapaka eo Amin’izao Rehetra Izao sady Loharanon’ny fitondram-panjakana rehetra manan-jo hisy! Mameno ilay tempoly ny akanjony lava sady miebanebana. Nantsoina mba hanao ny fanompoan’ny mpaminany, izay hanandratra ny fiandrianan’i Jehovah sy ny fitiavany ny rariny, i Isaia tamin’io. Ho fanomanana azy, dia homena fahitana ny amin’ny fahamasinan’Andriamanitra izy.

4. a) Nahoana no an’ohatra ireo filazalazana momba an’i Jehovah hita tao amin’ny fahitana sy voarakitra ao amin’ny Baiboly? b) Inona no azo ianarana momba an’i Jehovah, avy amin’ny fahitan’i Isaia?

4 Tsy milazalaza ny fisehoan’i Jehovah i Isaia tao amin’ilay fahitana azony​—tsy toy ny fahitana azon’i Ezekiela sy i Daniela ary i Jaona. Ary samy hafa avokoa ny zavatra hita tany an-danitra, tao amin’ireo fahitana ireo. (Ezekiela 1:26-28; Daniela 7:9, 10; Apokalypsy 4:2, 3). Kanefa tsy maintsy tadidina ao an-tsaina ny toetran’ireny fahitana ireny sy ny zava-nokendreny. Tsy filazalazana ara-bakiteny ny fanatrehan’i Jehovah akory izy ireny. Tsy afaka mahita zavatra ara-panahy ny maso ara-bakiteny, ary tsy afaka mahatakatra ny atao hoe faritra ara-panahy ny sain’olombelona voafetra. Noho izany, dia mampiasa teny takatry ny sain’olombelona ireny fahitana ireny mba hampitana izay tiana ho fantatra. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 1:1.) Ao amin’ilay fahitana azon’i Isaia, dia tsy ilaina ny filazalazana ny amin’ny fisehoan’Andriamanitra. Mampahafantatra amin’i Isaia fotsiny izy io fa ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah, fa masina izy ary madio ny didim-pitsarany.

Ireo serafima

5. a) Iza moa ireo serafima, ary inona no hevitr’io teny io? b) Nahoana ireo serafima no manafina ny tavany sy ny tongony?

5 Henoy ange e! Izao no tohin’ny tenin’i Isaia: “Nisy serafima nitsangana teo amboniny, samy nanana elatra enina avy: ny roa nanaronany ny tavany, ny roa nanaronany ny tongony, ary ny roa nanidinany.” (Isaia 6:2). Ny Isaia toko faha-6 no hany toerana ao amin’ny Baiboly anononana ny serafima. Miharihary fa zavaboary anjely manompo an’i Jehovah izy ireo, izay mitana toerana ambony dia ambony, raha ny amin’ny tombontsoa sy ny voninahitra, satria mitoetra manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra izy ireo. Tsy mitovy amin’i Ozia, mpanjaka niavonavona, anefa izy ireo, fa mitana ny toerany amim-panetren-tena sy amim-piheveran-tena araka ny antonony. Noho izy ireo eo anatrehan’ilay Tompom-piandrianana any an-danitra, dia manarona ny tavany amin’ny elatra roa izy ireo; ary ho fanehoam-panajana an’ilay toerana masina, dia manarona ny tongony amin’ny elatra roa hafa izy ireo. Eo akaikin’ilay Tompom-piandrianana Manerana Izao Rehetra Izao ireo serafima, ka vao mainka mimpirimpirina, mba tsy hivilian’ny saina tsy hahita ny voninahitr’Andriamanitra. Ny teny hoe “serafima”, izay midika hoe “izay midedadeda” na “izay mirehitra”, dia toa manondro fa mamirapiratra izy ireo, nefa manafina ny tavany amin’ilay famirapiratana sy voninahitra lehibe kokoa an’i Jehovah.

6. Manao ahoana ny toerana tanan’ireo serafima, raha oharina amin’ny an’i Jehovah?

6 Mampiasa ny elany roa hafa farany ireo serafima mba hanidinana, ary tsy isalasalana fa mba ‘hitsanganana’, na hoe hihevahevana, eo amin’ny toerany. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 31:15, NW.) Hoy ny Profesora Franz Delitzsch, momba ny toerana tanan’izy ireo: “Tena tsy hihoatra ho ambony noho ny lohan’Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana mihitsy ireo serafima, fa nihevaheva teo ambonin’ilay akanjo izay Azy sy nameno ilay efitra.” (Commentary on the Old Testament). Toa azon’ny saina ekena izany. ‘Nitsangana teo ambony’ izy ireo, tsy hoe nitana toerana ambony noho ny an’i Jehovah akory, fa niandry fanirahana, sady nankatò no vonona ny hanompo.

7. a) Inona no asa nanendrena ny serafima ka notontosainy? b) Nahoana ireo serafima no nanambara ny fahamasinan’Andriamanitra intelo?

7 Henoy izao ny tenin’ireo serafima nahazo tombontsoa ireo! “Nanandratra ny feony izy ka nifamaly hoe: Masina, masina, masina Jehovah, Tompon’ny maro; henika ny voninahiny ny tany rehetra.” (Isaia 6:3). Ny asa nanendrena azy ireo dia ny mba hahazoana antoka fa voambara ny fahamasinan’i Jehovah ary ekena ny voninahiny, manerana izao rehetra izao, anisan’izany ny tany. Hita amin’ny zavatra rehetra noforoniny ny voninahiny ary tsy ho ela dia ho takatry ny mponin’ny tany rehetra. (Nomery 14:21; Salamo 19:1-3; Habakoka 2:14). Tsy porofon’ny Trinite akory ilay fanambarana telo sosona hoe “masina, masina, masina”, fa fanantitranterana telo sosona ny fahamasinan’Andriamanitra kosa. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 4:8.) Mahatratra ny fara tampon’ny fahamasinana i Jehovah.

8. Inona no vokatra nateraky ny fanambaran’ireo serafima?

8 Na dia tsy voalaza aza ny isan’ireo serafima, dia mety hisy antokona serafima maromaro mitoetra eo akaikin’ny seza fiandrianana. Tao amin’ny hira nahafinaritra iray, dia nifandimby namerina ilay fanambarana ny amin’ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny voninahiny izy ireo. Inona no vokatra voamaritsika? Henoy indray ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Nihorohoro ny fanambanin’ny tokonana noho ny feon’ireo nanandratra ny feony; ary feno setroka ny trano. (Isaia 6:4). Ao amin’ny Baiboly, dia matetika no porofo hita mason’ny fanatrehan’Andriamanitra ny setroka na ny rahona. (Eksodosy 19:18; 40:34, 35; 1 Mpanjaka 8:10, 11; Apokalypsy 15:5-8). Mitory voninahitra izay tsy azontsika zavaboary olombelona hatonina izy io.

Tsy mendrika, nefa voadio

9. a) Nanao ahoana ny vokatr’ilay fahitana teo amin’i Isaia? b) Inona no fifanoherana niharihary teo amin’i Isaia sy i Ozia Mpanjaka?

9 Nisy vokany lalina teo amin’i Isaia io fahitana ny seza fiandrianan’i Jehovah io. Hoy ny notantarainy: “Hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko.” (Isaia 6:5). Tena nanaitra ny fifanoherana nisy teo amin’i Isaia sy i Ozia Mpanjaka! Nandrombaka ny toeran’ny mpisorona voahosotra i Ozia, ary nitsofoka, tsy nisy fanajana, tao tamin’ny efitra Masin’ny tempoly. Na dia nahita ireo fitoeran-jiro volamena sy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, ary ireo latabatra fitoeran’ny “mofon’ny Fanatrehana” aza i Ozia, dia tsy nahita kosa ny tavan’i Jehovah nankasitraka azy, no sady tsy nirahiny hanao asa manokana izy. (1 Mpanjaka 7:48-50, NW; fanamarihana ambany pejy). Tetsy an-danin’izany kosa, i Isaia mpaminany dia tsy nanilika ireo mpisorona na niditra tsy ara-dalàna tao amin’ny tempoly. Kanefa dia nahita fahitana an’i Jehovah tao amin’ny tempoliny masina izy ary nomem-boninahitra, rehefa nirahin’Andriamanitra nivantana. Raha tsy sahy nijery ilay Tompon’ny tempoly teo amin’ny seza fiandrianany ireo serafima, i Isaia kosa dia navela hijery, tao amin’ny fahitana, “ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro” mihitsy!

10. Nahoana i Isaia no natahotra, rehefa nahita ilay fahitana?

10 Nahatonga an’i Isaia hahatsiaro tena ho maloto indrindra ny fifanoherana hitany teo amin’ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny toetran’ny tenany mpanota. Raiki-tahotra izy, ka nanatsoaka hevitra fa ho faty. (Eksodosy 33:20). Reny ireo serafima nidera an’Andriamanitra tamin’ny molotra madio, nefa ny molotry ny tenany naloto sady vao mainka voaloto noho ny fahalotoan’ny molotr’ilay vahoaka niarahany nonina ka reny ny teniny. Masina i Jehovah, ary tsy maintsy manome taratr’io toetra io ny mpanompony. (1 Petera 1:15, 16). Na dia efa nofidina mba ho mpitondra tenin’Andriamanitra aza i Isaia, dia mbola taitra ihany izy, rehefa nahatsapa fa mpanota ny tenany ary tsy nanana ireo molotra madion’ny mpitondra tenin’ilay Mpanjaka be voninahitra sy masina. Inona no ho valin-teny avy any an-danitra?

11. a) Inona no nataon’ny iray tamin’ireo serafima, ary sary mampiseho inona izany? b) Hanampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fisaintsainantsika momba izay nolazain’ilay serafima tamin’i Isaia, rehefa mahatsiaro ho tsy mendrika ny ho mpanompon’Andriamanitra isika?

11 Tsy nandroaka an’i Isaia, ambany toerana, tsy ho eo anatrehan’i Jehovah ireo serafima, fa nanampy azy kosa. Hoy ilay fitantarana: “Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vainafo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara. Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.” (Isaia 6:6, 7). Amin’ny heviny an’ohatra, ny afo dia manan-kery hanadio. Rehefa natehik’ilay serafima tamin’ny molotr’i Isaia ilay vainafo nahamay avy teo amin’ny afo masin’ilay alitara, dia nanome toky an’i Isaia izy fa nanavotra azy tamin’ny helony mba hahafahany hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra sy hirahina hanao asa iray. Endre ny toky omen’izany antsika! Isika koa dia mpanota sy tsy mendrika ny hanatona an’Andriamanitra. Navotana anefa isika noho ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy, ka afaka mahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra sy manatona azy amim-bavaka.​—2 Korintiana 5:18, 21; 1 Jaona 4:10.

12. Alitara inona no hitan’i Isaia, ary inona no vokatra ateraky ny afo?

12 Ny fanononana ny hoe “alitara” dia mampahatsiahy antsika indray fa fahitana ilay izy. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 8:3; 9:13.) Nisy alitara roa tao amin’ny tempoly tao Jerosalema. Teo aloha kelin’ny efitra lamban’ny Masina Indrindra dia nisy ilay alitara kely fandoroana ditin-kazo manitra, ary teo anoloan’ny fidirana tao amin’ny fitoerana masina dia nisy ilay alitara lehibe fanaovana fanatitra sy nisy afo navela hirehitra mandrakariva. (Levitikosy 6:5, 6; 16:12, 13). Tandindona sy sary nampiseho zavatra lehibe kokoa anefa ireny alitara teto an-tany ireny. (Hebreo 8:5; 9:23; 10:5-10). Afo avy tany an-danitra no nandevona ilay fanatitra dorana teo ambonin’ny alitara, fony notokanan’i Solomona Mpanjaka ny tempoly. (2 Tantara 7:1-3). Ary izao dia afo avy tany amin’ilay tena alitara any an-danitra no nanesotra ny fahalotoan’ny molotr’i Isaia.

13. Fanontaniana inona no napoitran’i Jehovah, ary iza no nampidiriny tao amin’ny hoe “irakay”?

13 Aoka isika hihaino, miaraka amin’i Isaia: “Nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8). Mazava fa natao hovalian’i Isaia ilay fanontaniana napoitran’i Jehovah, satria tsy nisy mpaminany olombelona hafa niseho tao amin’ilay fahitana. Tsy azo lavina fa fanasana an’i Isaia mba ho irak’i Jehovah ilay izy. Nahoana anefa i Jehovah no nanontany hoe: “Iza no handeha ho irakay?” Amin’ny fifindrana avy amin’ilay mpisolo anarana milaza tokana hoe “-ko”, ho amin’ilay mpisolo anarana milaza maro hoe “-ay”, izao i Jehovah dia mampiditra olona iray hafa, fara fahakeliny, miaraka aminy. Iza anefa? Moa ve izany tsy ilay Zanany lahitokana, izay tonga ilay lehilahy Jesosy Kristy tatỳ aoriana? Eny tokoa, io Zanany io ihany ilay nilazan’Andriamanitra hoe: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika”. (Genesisy 1:26; Ohabolana 8:30, 31). Eny, miaraka amin’i Jehovah any amin’ny kianja any an-danitra ilay Zanany lahitokana.​—Jaona 1:14.

14. Nanao ahoana ny fihetsik’i Isaia teo anoloan’ilay fanasan’i Jehovah, ary ohatra inona no navelany ho antsika?

14 Tsy nisalasala namaly i Isaia! Na hanao ahoana na hanao ahoana ilay hafatra, dia namaly avy hatrany izy hoe: “Inty aho, iraho aho.” Tsy nanontany koa izy hoe inona no tombony ho azony, raha nanaiky io asa nanendrena azy io izy. Ny toe-tsainy feno fahavononana dia ohatra faran’izay tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra amin’izao andro izao, izay nirahina hitory ‘ny vaovao tsaran’ilay fanjakana any amin’ny tany onenana manontolo’. (Matio 24:14, NW ). Sahala amin’i Isaia, dia mifikitra amim-pahatokiana amin’ny asa nanendrena azy izy ireo, ary manatontosa ilay fanambarana “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, na dia eo aza ny tsy firaikan’ny olona hatraiza hatraiza. Ary mandroso amim-patokisana izy ireo, sahala amin’i Isaia, noho ny fahafantarana fa avy amin’ilay mpanome lalana ambony indrindra ny asa nanirahana azy.

Ny asa nanirahana an’i Isaia

15, 16. a) Inona no tokony holazain’i Isaia tamin’‘io firenena io’, ary hanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? b) Nanan-tsiny ve i Isaia tamin’izany fihetsiky ny vahoaka izany? Hazavao.

15 Izao i Jehovah dia manoritra izay holazain’i Isaia sy izay ho fihetsiky ny olona: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahalala; ary mijere mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahafantatra. Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana.” (Isaia 6:9, 10). Midika ve izany fa tokony hivantambatam-piteny sy tsy hahay handanjalanja i Isaia, ka haharikoriko ny Jiosy, ary tsy hampanatona azy ireo an’i Jehovah? Tsia! Firenen’i Isaia ihany ireo, ary nahatsiaro ho mpihavana taminy izy. Ny tenin’i Jehovah anefa dia nanondro ny ho fihetsik’ilay vahoaka eo anatrehan’ilay hafatra, na nanao ahoana na nanao ahoana ny fahatokiana nasehon’i Isaia tamin’ny fanatanterahana ny asany.

16 Ilay vahoaka no nanan-tsiny. Hiteny “mandrakariva ihany” i Isaia, nefa tsy hanaiky ilay hafatra izy ireo, na hahazo hevi-javatra. Ho be kiry ny ankamaroany, ka tsy hihontsina, toy ny hoe jamba sady marenina. Amin’ny fiverimberenana mankany aminy, i Isaia dia hamela an’‘io firenena io’ hampiseho fa tsy ta hahalala, na naniry hahazo hevi-javatra, izy ireo. Hasehony fa nanidy ny sainy sy ny fony tamin’ny hafatra nentin’i Isaia​—ny hafatr’Andriamanitra​—ho azy izy. Tena marina koa izany ny amin’ny olona amin’izao andro izao! Maro be aoka izany no tsy mety mihaino ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho avy izy ireo.

17. Rehefa nanontany i Isaia hoe “Mandra-pahoviana?”, inona moa no tiany holazaina tamin’izany?

17 Velom-panahiana i Isaia: “Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ary ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa; ary Jehovah hampandeha lavitra ny olona, ka ho be ny lao ao amin’ny tany”. (Isaia 6:11, 12). Tamin’ny fanontaniana hoe: “Mandra-pahoviana?”, i Isaia akory tsy nanontany hoe mandra-pahoviana izy no tsy maintsy hanohy hitory amin’ny vahoaka iray tsy mihontsina. Velom-panahiana ny amin’ireo olona kosa izy, ka nanontany hoe haharitra hafiriana ny haratsin’ny fahasalamany ara-panahy sy ny fanalam-baraka ny anaran’i Jehovah eto an-tany. (Jereo ny Salamo 74:9-11.) Hitohy mandra-pahoviana tokoa àry io toe-javatra toa tsy misy heviny io?

18. Hitohy mandra-pahoviana ny haratsin’ny fahasalamana ara-panahin’ilay vahoaka, ary ho velona mba hahita ny fahatanterahana fenon’ilay faminaniana ve i Isaia?

18 Mampalahelo fa ny valin-tenin’i Jehovah dia mampiseho fa ny haratsin’ny fahasalamana ara-panahin’ilay vahoaka dia hitohy mandra-pahatanteraky ny vokatra fenon’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra, araka ny voasoritra tao amin’ny fanekeny. (Levitikosy 26:21-33; Deoteronomia 28:49-68). Ho rava ilay firenena, hatao sesitany ilay vahoaka, ary ho lao ilay tany. Tsy ho velona mba hahita ny handringanan’ny tafika babylonianina an’i Jerosalema sy ny tempoliny amin’ny 607 al.f.i. i Isaia, na dia naminany nandritra ny 40 taona mahery, hatramin’ny fotoana nanjakan’i Hezekia, zafiafin’i Ozia Mpanjaka, aza izy. Na izany aza, dia hanohy hanao amim-pahatokiana ny asa nanirahana azy i Isaia, mandra-pahafatiny, 100 taona mahery talohan’ny nitrangan’io loza io tamin’ilay firenena.

19. Na dia hokapaina toy ny hazo aza ilay firenena, inona no toky nomen’Andriamanitra an’i Isaia?

19 Tsy maintsy tonga ilay fandringanana izay hamela an’i Joda “ho lao tokoa”, nefa tsy hampamoy fo ny toe-javatra. (2 Mpanjaka 25:1-26). Nanome toky an’i Isaia toy izao i Jehovah: “Na dia misy ampahafolony aza sisa, dia mbola hosimbana ihany koa izany; kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.” (Isaia 6:13). Eny, mbola hisy “ampahafolony, (...) taranaka masina” sisa tavela, tsy misy hafa amin’ny foto-kazo izay tavela, rehefa avy nokapaina ny hazo be iray. Tsy maintsy ho nanome fampiononana an’i Isaia io toky io​—hisy sisa masina tavela eo anivon’ilay fireneny. Na dia nodorana imbetsaka aza ilay firenena, toy ny hazo be iray kapaina mba hahazoana kitay, dia mbola hisy fotony mbola velona amin’ny Isiraely, ilay hazo an’ohatra. Ho taranaka masina ho an’i Jehovah izy io. Any aoriana, dia hitsimoka indray izy io, ary haniry indray ilay hazo.​—Ampitahao amin’ny Joba 14:7-9; Daniela 4:23.

20. Inona no fahatanterahana voalohan’ny tapany farany tamin’ilay faminanian’i Isaia?

20 Tanteraka ve ireo tenin’ny faminaniana ireo? Eny. Fitopolo taona taorian’ny nahafoanan’ny tanin’i Joda, dia nisy sisa tamin’ny Jiosy natahotra an’Andriamanitra niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona. Nanorina indray ny tempoly sy ny tanàna izy ireo, ary namerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina tao amin’ilay tany. Nahatonga ny fahatanterahana faharoan’io faminaniana nomen’i Jehovah an’i Isaia io hety, ny famerenana an’ireo Jiosy tany amin’ny taniny nomen’Andriamanitra azy. Inona izany?​—Ezra 1:1-4.

Fahatanterahana hafa koa

21-23. a) Tamin’iza, tamin’ny taonjato voalohany, no tanteraka ny faminanian’i Isaia, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Iza moa ilay “taranaka masina” tamin’ny taonjato voalohany, ary tamin’ny ahoana izy io no voatsimbina?

21 Ny asan’ny mpaminany nataon’i Isaia dia tandindon’ny asa hataon’ilay Mesia, dia i Jesosy Kristy, tokony ho 800 taona tatỳ aoriana. (Isaia 8:18; 61:1, 2; Lioka 4:16-21; Hebreo 2:13, 14). Na dia lehibe noho i Isaia aza i Jesosy, dia vonona tsy nisy hafa taminy ny hirahin’ilay Rainy any an-danitra, tamin’ny filazana hoe: “Inty Aho tonga (...) hanao ny sitraponao.”​—Hebreo 10:5-9; Salamo 40:6-8.

22 Sahala amin’i Isaia, i Jesosy dia nanatontosa tamim-pahatokiana ilay asa nanendrena azy ary tojo fihetsik’olona nitovy tamin’ny hitany. Tsy vonona ny hanaiky ilay hafatra, tsy misy hafa amin’ireo Jiosy nitorian’i Isaia mpaminany, ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. (Isaia 1:4). Lafiny iray nampiavaka ny fanompoan’i Jesosy ny fampiasana fanoharana. Izany dia nanosika ny mpianany hanontany hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Namaly i Jesosy hoe: “Satria hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela. Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala. Dia tanteraka aminy ny faminanian’Isaia, izay manao hoe: ‘Handre mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahafantatra: ary hijery mandrakariva ihany hianareo, fa tsy hahita; fa efa adala ny fon’izao olona izao, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho’.”​—Matio 13:10, 11, 13-15; Marka 4:10-12; Lioka 8:9, 10.

23 Rehefa naka teny avy tao amin’ny Isaia i Jesosy, dia nampiseho fa nanana fahatanterahana tamin’ny androny ilay faminaniana. Ny olona tamin’ny fitambarany dia nanana toe-po sahala amin’ny an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Isaia. Nifidy ny ho jamba sady marenina tamin’ilay hafatra izy ireo, ka niharan’ny fandringanana koa. (Matio 23:35-38; 24:1, 2). Izany dia nitranga fony nanafika an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. ireo tafika romanina notarihin’ny Jeneraly Titus, ary nanapotika an’ilay tanàna sy ny tempoliny. Kanefa, nisy nihaino an’i Jesosy ka tonga mpianany. Nanambara azy ireny ho “sambatra” i Jesosy. (Matio 13:16-23, 51). Efa nampahafantariny azy ireo fa rehefa hahita an’i “Jerosalema voahodidin’ny miaramila” izy ireo, dia tokony “handositra ho any an-tendrombohitra”. (Lioka 21:20-22). Araka izany, dia voavonjy ilay “taranaka masina”, izay naneho finoana, ka voaforona ho firenena ara-panahy, dia “ny Isiraelin’Andriamanitra”. *​—Galatiana 6:16.

24. Ahoana no nampiharan’i Paoly ny faminanian’i Isaia, ary manondro inona izany?

24 Tokony ho tamin’ny 60 am.f.i., dia voatana tao amin’ny trano iray tao Roma ny apostoly Paoly. Tao izy dia nandamina fihaonana tamin’ireo “lohandohany tamin’ny Jiosy” sy ny hafa koa, ary “nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra”. Rehefa nisy olona maro tsy nanaiky ny hafatra nentiny, dia nanazava i Paoly fa fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia izany. (Asan’ny Apostoly 28:17-27; Isaia 6:9, 10). Koa nanatontosa asa nitovy tamin’ny an’i Isaia àry ny mpianatr’i Jesosy.

25. Inona no takatry ny Vavolombelon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny, ary manao ahoana ny fihetsik’izy ireo?

25 Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mahatakatra fa ao amin’ny tempoliny masina i Jehovah Andriamanitra. (Malakia 3:1). Sahala amin’i Isaia, dia hoy izy ireo: “Inty aho, iraho aho.” Feno zotom-po izy ireo mampanakoako ilay hafatra fampitandremana momba ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity, izay mihamanatona. Araka ny nasehon’i Jesosy anefa, dia olona vitsy monja no manokatra ny masony sy ny sofiny mba hahita sy handre ka ho voavonjy. (Matio 7:13, 14). Eny tokoa, sambatra izay manongilan-tsofina hihaino ka “ho sitrana”!​—Isaia 6:8, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Tamin’ny 66 am.f.i., ho setrin’ny fikomian’ny Jiosy, dia nanodidina an’i Jerosalema ireo tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus, ka nitsofoka tao amin’ilay tanàna, hatreo amin’ireo mandan’ny tempoly mihitsy. Avy eo, dia nisintona izy ireo, ka namela ny mpianatr’i Jesosy handositra ho any an-tendrombohitr’i Pere, talohan’ny niverenan’ny Romanina tamin’ny 70 am.f.i.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 94]

“Inty aho, iraho aho.”

[Sary, pejy 97]

“Mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina”