Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Aoka Isika Hamerin-javatra Amin’ny Laoniny”

“Aoka Isika Hamerin-javatra Amin’ny Laoniny”

Toko Fahatelo

“Aoka Isika Hamerin-javatra Amin’ny Laoniny”

Isaia 1:10-31

1, 2. Nampitahain’i Jehovah tamin’iza moa ireo mpanapaka sy vahoakan’i Jerosalema sy i Joda, ary nahoana izany no marim-pototra?

NETY ho nahatsiaro ho voatosika hanamarin-tena ireo mponin’i Jerosalema, rehefa avy nahare ilay fanamelohana voarakitra ao amin’ny Isaia 1:1-9. Tsy maintsy ho naniry hanondro tamim-pireharehana ireo fanatitra rehetra natolony ho an’i Jehovah izy ireo. Kanefa, ny andininy faha-10 ka hatramin’ny faha-15 dia manome ny valin-tenin’i Jehovah namely azy ireo, teo anoloan’ny fihetsika toy izany. Toy izao no iantombohany: “Mandrenesa ny tenin’i Jehovah, ry mpitsaran’i Sodoma; mihainoa ny lalàn’Andriamanitsika, ry vahoakan’i Gomora.”​—Isaia 1:10.

2 I Sodoma sy i Gomora dia noringanina, tsy noho ny fanaovany firaisana mamoafady fotsiny, fa noho ny hamafisam-pony sy ny fieboeboany koa. (Genesisy 18:20, 21; 19:4, 5, 23-25; Ezekiela 16:49, 50). Tsy maintsy ho nanafintohina an’ireo nihaino an’i Isaia ny fandrenesana ny fampitahana ny tenany tamin’ny mponin’ireo tanàna voaozona ireo. * Nahita ny vahoakany araka ny tena izy anefa i Jehovah, ary i Isaia dia tsy nanalefaka ny hafatr’Andriamanitra mba ‘hahafinaritra ny sofin’izy ireo’.​—2 Timoty 4:3, NW.

3. Inona no tian’i Jehovah holazaina tamin’ny hoe “efa tofoka” tamin’ny fanatitra nataon’ilay vahoaka izy, ary nahoana izy no nahatsapa toy izany?

3 Mariho izay tsapan’i Jehovah momba ny fivavahana ho fanaraham-pomba fotsiny nataon’ny vahoakany. “Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra odorana sy ny saboran’ny zanak’omby mifahy Aho, ary tsy sitrako ny ran’ny vantotr’ombilahy sy ny an’ny zanak’ondry ary ny an’ny osilahy.” (Isaia 1:11). Hadinon’ilay vahoaka fa tsy niankina tamin’ny fanatitra nataon’izy ireo i Jehovah. (Salamo 50:8-13). Tsy mila na inona inona mety hatolotry ny olombelona ho azy izy. Koa raha nihevitra àry ilay vahoaka hoe nanao soa ho an’i Jehovah ny tenany, tamin’ny alalan’ireo fanatitra natolony tsy nisy hafanam-po, dia diso hevitra izy. Nampiasa sarin-teny mahery i Jehovah. Ilay teny hoe “efa tofoka aho” dia azo adika koa hoe “leony aho” na hoe “boboka aho”. Efa tsapanao ve ny hoe voky loatra, ka na dia ny mijery hanina hafa fotsiny aza dia efa mankaloiloy anao? Toy izany indrindra no tsapan’i Jehovah momba ireny fanatitra ireny​—loiloy tanteraka!

4. Ahoana no analan’ny Isaia 1:12 sarona fa tsy nisy heviny ny nahatongavan’ilay vahoaka tao amin’ny tempoly tao Jerosalema?

4 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Raha avy miseho eo anatrehako hianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?” (Isaia 1:12). Tsy ny lalàn’i Jehovah ihany ve no nitaky ny ‘hidiran’ilay vahoaka hiseho teo anatrehany’, izany hoe ny hahatongavany tao amin’ny tempoliny tao Jerosalema? (Eksodosy 34:23, 24). Eny, kanefa rehefa tonga tao izy ireo, dia noho ny fanaraham-pomba fotsiny, ka nentim-pahazarana fotsiny izy ireo teo amin’ny fanarahany ny fivavahana madio, tsy nisy antony madio nanosika azy. Tamin’i Jehovah, ny fitsidihana maro nataon’izy ireo tao amin’ny kianjany dia toy ny ‘fanitsakitsahana’ fotsiny, izay nandany ny gorodona fotsiny.

5. Inona avy no sasany tamin’ireo zavatra nataon’ny Jiosy teo amin’ny fanompoam-pivavahany, ary nahoana izy ireny no nanjary ‘enta-mavesatra’ tamin’i Jehovah?

5 Tsy mahagaga raha vao mainka nampiasa fiteny mahery kokoa izao i Jehovah! “Aza mitondra fanati-poana intsony; fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana​tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana! Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ny fanahiko, mavesatra amiko izany, ka sasatra mitondra azy Aho.” (Isaia 1:13, 14). Fanatitra hohanina, emboka manitra, Sabata, fivoriana masina​—samy anisan’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely avokoa ireo. Raha ny amin’ny “voaloham-bolana” kosa, dia nilaza fotsiny ny Lalàna fa tokony hotandremana izy ireo, nefa nisy lovantsofina tsara tafaorina niandalana, momba ny fitandremana azy ireo. (Nomery 10:10; 28:11). Ny voaloham-bolana dia noheverina ho toy ny sabata isam-bolana ihany, tsy nanaovan’ilay vahoaka asa na nivoriany mba hampianarin’ny mpaminany sy ny mpisorona mihitsy koa aza. (2 Mpanjaka 4:23; Ezekiela 46:3; Amosa 8:5). Tsy diso ny fitandremana azy ireny. Ny tsy nety dia ny nanaovan’izy ireo azy ho fisehosehoana fotsiny. Ambonin’izany, dia nampiarahin’ny Jiosy tamin’ny ‘faharatsiana’, na ‘hery nifono zava-miafina’ (NW ), izay fanao amin’ny spiritisma, ny fitandremany ny Lalàn’Andriamanitra. * Noho izany, dia ‘enta-mavesatra’ taminy ireo zavatra nataon’izy ireo teo amin’ny fanompoam-pivavahany tamin’i Jehovah.

6. Tamin’ny heviny ahoana i Jehovah no nanjary “sasatra”?

6 Ahoana anefa no hetezan’i Jehovah hahatsiaro ho “sasatra”? Rehefa dinihina tokoa, dia ‘be ny fahatanjahany’ ary “tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy”. (Isaia 40:26, 28). Nampiasa sarin-teny iray mazava toy ny hitan’ny maso i Jehovah eto, mba hanampiana antsika hahatakatra ny fihetseham-pony. Efa mba nitondra enta-mavesatra iray ela be ve ianao, ka trotraka aoka izany, ka ny hanadaboka azy io no hany notadiavinao? Toy izany indrindra no tsapan’i Jehovah momba ny fanompoam-pivavahana feno fihatsarambelatsihy nataon’ny vahoakany.

7. Nahoana i Jehovah no nitsahatra tsy nihaino ny vavaky ny vahoakany intsony?

7 Izao i Jehovah dia nanonona ilay zavatra miafina indrindra sy manokana indrindra ataon’ny olona iray eo amin’ny fanompoam-pivavahany. “Raha mananty tànana hianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho; feno ran’olona ny tànanareo.” (Isaia 1:15). Ny hoe mananty tanana, izany hoe mihazona ny tanana hitsotra, ka misokatra ny felatanana, dia fanehoana fitalahoana. Tamin’i Jehovah, dia nanjary tsy nisy heviny io fihetsika io, satria feno fandatsahan-dra ny tanan’ny vahoakany. Nihanaka nanerana ilay tany ny herisetra. Tsy nanaitra intsony ny fampahoriana ny malemy. Naharikoriko ny fivavahana sy ny fangataham-pitahiana nataon’ny olona mpanararaotra sy tia tena toy izany. Tsy mahagaga raha nilaza i Jehovah hoe: “Tsy hihaino Aho”!

8. Inona no fahadisoana ataon’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ankehitriny, ary latsaka tao amin’ny fandrika inona mitovy amin’izany ny Kristianina sasany?

8 Amin’izao androntsika izao, dia tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra toy izany koa ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, noho ireo vavaka tsy misy heviny sy averimberina tsy an-kijanona, sy noho ireo “asa” ara-pivavahana hafa ataony. (Matio 7:21-23). Tena zava-dehibe ny tsy hahalatsaka antsika ao anatin’izany fandrika izany. Indraindray, dia latsaka ao amin’ny fahazarana manao fahotana lehibe ny Kristianina iray, ary avy eo dia manjohy hevitra hoe raha manafina ilay ataony izy ka mampitombo ny asany ao amin’ny kongregasiona kristianina, dia hanonitra ny fahotany izany asany izany. Tsy mampifaly an’i Jehovah ny asa ho fanaraham-pomba fotsiny toy izany. Iray monja ny fanafodin’ny aretina ara-panahy, araka ny asehon’ireo andininy manaraka ao amin’ny Isaia.

Ny fanafodin’ny aretina ara-panahy

9, 10. Zava-dehibe ve ny fahadiovana, eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika amin’i Jehovah?

9 Nampiasa feo naneho fitiavana kokoa sy niangavy kokoa izao i Jehovah, ilay Andriamanitra be fangoraham-po. “Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo; mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin’ny mpitondratena.” (Isaia 1:16, 17). Eto isika dia mahita baiko, na didy, sivy misesy. Momba ny zavatra tokony hofadina ny efatra voalohany, ho fanesorana ny fahotana; ny dimy farany kosa dia momba ny zavatra tokony hatao mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah.

10 Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana madio foana ny fisasana sy ny fahadiovana. (Eksodosy 19:10, 11; 30:20; 2 Korintiana 7:1). Tian’i Jehovah ho lalina kokoa anefa ny fidiovana, hatrany amin’ny fon’ireo mpivavaka aminy mihitsy. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ara-panahy, ary izany no tian’i Jehovah horesahina eto. Tsy zavatra iray ihany averina indroa fotsiny akory ireo didy roa voalohany eo amin’ny andininy faha-16. Ny manam-pahaizana iray momba ny fitsipi-pitenenana hebreo dia nilaza fa ilay voalohany, manao hoe “misasà hianareo”, dia manondro ny fidiovana voalohany atao, fa ilay faharoa kosa, manao hoe “diovy ny tenanareo”, dia manondro ezaka mitohy mba hihazonana izany fahadiovana izany.

11. Mba hiadiana amin’ny fahotana, inona moa no tokony hataontsika, ary inona no tsy tokony hataontsika na oviana na oviana?

11 Tsy afaka manafina na inona na inona amin’i Jehovah isika. (Joba 34:22; Ohabolana 15:3; Hebreo 4:13). Koa ilay didiny hoe “Esory tsy ho eo anoloan’ny masoko ny ratsy fanaonareo”, dia tsy afaka ny hidika afa-tsy zavatra tokana​—atsaharo ny fanaovan-dratsy. Izany akory tsy midika hoe manandrana manafina fahotana lehibe, satria na izay fotsiny aza dia efa fahotana. Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 28:13: “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.”

12. a) Nahoana no zava-dehibe ny ‘mianatra hanao ny tsara’? b) Ahoana no mety hampiharan’ny loholona indrindra indrindra ny toromarika mba ‘hikaroka izay rariny’ sy ‘hananatra ny mpampahory’?

12 Be dia be no azo ianarana avy amin’ireo zavatra tokony hatao, izay andidian’i Jehovah eo amin’ny andininy faha-17 amin’ny Isaia toko voalohany. Mariho fa tsy milaza fotsiny izy hoe “manaova ny tsara”, fa hoe “mianara hanao ny tsara”. Mitaky fanaovana fianarana manokana ny Tenin’Andriamanitra ny fahatakarana izay tsara eo imason’Andriamanitra sy ny faniriana hanao izany. Ankoatra izany, dia tsy nilaza fotsiny i Jehovah hoe “manaova ny rariny”, fa hoe “diniho [“karohy”, NW ] izay rariny”. Na dia ny loholona za-draharaha aza dia mila manao fikarohana lalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hahitana ny lalana ara-drariny tokony harahiny amin’ny raharaha sarotra sasany. Andraikitr’izy ireo koa ny ‘mananatra ny mpampahory’, araka ny didin’i Jehovah manaraka. Zava-dehibe ho an’ny mpiandry kristianina amin’izao andro izao ireo toromarika ireo, satria maniry hiaro ny andian’ondry amin’ny “amboadia masiaka” izy ireo.​—Asan’ny Apostoly 20:28-30.

13. Ahoana no mety hampiharantsika ireo didy mahakasika ny kamboty sy ny mpitondratena amin’izao andro izao?

13 Ny didy roa farany dia mahakasika ny sasany amin’ireo mora voa indrindra eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra​—ny kamboty sy ny mpitondratena. Mailaka erỳ ity tontolo ity hanararaotra azy ireo; tsy tokony ho izany no izy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. ‘Manome rariny’ ny zazalahy kely sy ny zazavavy kely kamboty ny loholona be fitiavana ao amin’ny kongregasiona, ka manampy azy ireo hahazo rariny sy fiarovana eto amin’ity tontolo ity, izay mitady hanararaotra azy ireo sy hanimba azy ireo. ‘Mitsara ny adin’ny’ mpitondratena ny loholona, na hoe ‘miady mafy’ ho azy, araka ny hevitra iray hafan’io teny hebreo io. Raha ny tena izy, dia ny Kristianina rehetra no maniry hanome fialofana sy fampiononana ary rariny ho an’ireo mahantra eo anivontsika, satria sarobidy amin’i Jehovah izy ireny.​—Mika 6:8; Jakoba 1:27.

14. Hafatra manorina inona no ampitaina ao amin’ny Isaia 1:16, 17?

14 Hafatra hentitra sy manorina tokoa no nampitain’i Jehovah tamin’ny alalan’ireo didy sivy ireo! Indraindray, ireo nanao fahotana dia mampiaiky tena hoe tsy vitan’ny tenany tsotra izao ny manao ny tsara. Mahakivy ny fiheverana toy izany, no sady diso. Fantatr’i Jehovah​—ary tiany ho fantatsika​—fa noho ny fanampiany, na mpanota iza na mpanota iza dia afaka miala amin’ilay lalan’ny fahotana narahiny, sy miverina ary manao ny tsara kosa.

Fiangaviana feno fangoraham-po sy rariny

15. Hevi-diso inona no azon’ny olona, amin’ilay teny hoe “aoka isika hamerin-javatra amin’ny laoniny eo amintsika”, ary inona no tena hevitr’izy io?

15 Vao mainka mihamaneho fitiavana sy fangoraham-po izao ny feon’i Jehovah. “Avia ary [aoka isika hamerin-javatra amin’ny laoniny eo amintsika, “NW” ], hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18). Matetika no tsy azon’ny olona ilay fanasana eo am-piandohan’io andinin-teny kanto io. Ohatra, ny Fandikan-teny Malagasy dia manao hoe: “Avia ary hifandahatra isika”​—toy ny hoe samy tsy maintsy manaiky hilefitra ny andaniny sy ny ankilany, mba hahafahany hifanaraka amin’ny farany. Tsy izany velively no izy! Tsy azo tsinìna mihitsy i Jehovah, ary indrindra fa teo amin’ny fifampiraharahany tamin’io vahoaka mpikomy sy mpihatsaravelatsihy io. (Deoteronomia 32:4, 5). Ny resahin’ilay andininy dia, tsy fifampiresahana mba hahitana marimaritra iraisana teo amin’ny olona nitovy zo, fa momba ny fitsaran’ny antoko-mpitsara iray mba hampiorenana ny rariny. Toy ny hoe nihaika ny Isiraely hiditra amin’ny fitsarana i Jehovah eto.

16, 17. Ahoana no ahafantarantsika fa vonona ny hamela na dia ny fahotana lehibe aza i Jehovah?

16 Toa nety hampahatahotra izany, nefa i Jehovah no ilay Mpitsara be famindram-po sy fangoraham-po indrindra. Tsy manan-tsahala ny fahaizany mamela heloka. (Salamo 86:5). Izy irery no afaka nanesotra ny fahotan’ny Isiraely izay “tahaka ny jaky”, sy nanadio azy ireo, ka nahatonga azy ireo ho “fotsy tahaka ny orampanala”. Tsy misy ezak’olombelona, tsy misy asa, fanatitra, na vavaka asaina atao, afaka manesotra ny loton’ny fahotana. Ny famelan’i Jehovah heloka ihany no afaka manadio ny fahotana. Manome izany famelan-keloka izany i Jehovah, miorina amin’ny fepetra naorin’ny tenany, ka anisan’izany ny fibebahana marina avy amin’ny fo.

17 Zava-dehibe aoka izany io fahamarinana io, hany ka naverin’i Jehovah, tamin’ny fampiasana voambolan-tononkalo hafa​—ny fahotana “tahaka ny sily” dia ho tonga tahaka ny volon’ondry fotsy vaovao, tsy nolokoana. Tian’i Jehovah ho fantatsika fa izy no tena Mpamela heloka marina, na dia ny fahotana tena lehibe aza, raha mbola hitany fa mibebaka amim-pahatsorana koa isika. Ireo izay mahita fa sarotra aminy ny mino fa mihatra amin’ny tenany izany, dia haneho fahendrena raha mandinika ny ohatra toy ny an’i Manase. Nahatsiravina ny fahotana vitany​—nandritra ny taona maro. Kanefa dia nibebaka izy ka nahazo famelan-keloka. (2 Tantara 33:9-16). Tian’i Jehovah ho fantatsika rehetra, anisan’izany ireo izay nanao fahotana lehibe, fa tsy diso aoriana loatra izao mba ‘hamerenana amin’ny laoniny’ ny fifandraisantsika aminy.

18. Safidy inona no napetrak’i Jehovah teo anoloan’ilay vahoakany mpikomy?

18 Nampahatsiahy ny vahoakany i Jehovah fa tsy maintsy nanao safidy izy ireo. “Raha manaiky sy mankatò hianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin’ny tany; fa raha mbola mandà sy miodina ihany hianareo, dia ho lanin’ny sabatra; fa ny vavan’i Jehovah no efa niteny.” (Isaia 1:19, 20). Eto i Jehovah dia manantitrantitra ny amin’ny fihetsika, ka mampiasa sarin-teny iray hafa mazava toy ny hitan’ny maso, mba hanamafisana ny hevitra tiany hampitaina. Izao no safidin’ny Joda: Na hihinana izy, na hohanina. Raha nanana fihetsika vonona hihaino sy hankatò an’i Jehovah izy ireo, dia hihinana ny vokatra tsaran’ilay tany. Kanefa, raha nikiry tamin’ny fihetsiny feno fikomiana izy ireo, dia hohanina​—ho lanin’ny sabatry ny fahavalo! Toa mila tsy ho azo saintsainina ny hifidianan’ny vahoaka iray ny sabatry ny fahavalony, fa tsy ny famindram-po sy ny fanambinana tondraka avy amin’ny Andriamanitra iray mamela heloka. Na dia izany aza, dia izany indrindra no nataon’i Jerosalema, araka ny asehon’ireo andininy manaraka ao amin’ny Isaia.

Hira fisaonana iray momba ilay tanàna malala

19, 20. a) Ahoana no nampitan’i Jehovah ny fahatsapany ho nivadihana? b) Tamin’ny heviny ahoana no hoe ‘nonina tao Jerosalema ny fahamarinana’?

19 Ao amin’ny Isaia 1:21-23, isika dia mahita ny tena halehiben’ny faharatsian’i Jerosalema tamin’izany fotoana izany. Izao i Isaia dia manomboka tononkalo ara-tsindrimandry iray, miendrika hira fisaonana, na fitarainana: “Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky! Izay feno ny rariny taloha sady nitoeran’ny fahamarinana, fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.”​—Isaia 1:21.

20 Endre ny fahalavoan’ilay tanàna, dia i Jerosalema! Vehivavy nahatoky teo anatrehan’ny vadiny izy taloha, nefa izao dia tonga vehivavy janga. Misy teny hafa afaka mampita amin-kery kokoa noho izany ny fahatsapan’i Jehovah ho nivadihana sy ho diso fanantenana ve? ‘Nitoeran’ny fahamarinana io tanàna io taloha’. Oviana? Na dia talohan’ny nisian’ny Isiraely aza, tamin’ny andron’i Abrahama, dia nantsoina hoe Salema io tanàna io. Lehilahy iray, izay sady mpanjaka no mpisorona, no nanapaka tao. Ny anarany hoe Melkizedeka dia midika hoe “Mpanjakan’ny Fahamarinana”, ary tena nifanentana taminy tsara izy io. (Hebreo 7:2; Genesisy 14:18-20). Tokony ho 1 000 taona taorian’i Melkizedeka, dia nahatratra fara tampony i Jerosalema, teo ambany fanjakan’i Davida sy i Solomona. “Nitoeran’ny fahamarinana” izy io taloha, indrindra fa rehefa nanome ny ohatra ho an’ny vahoaka ny mpanjakany, tamin’ny fanarahana ny lalan’i Jehovah. Tamin’ny andron’i Isaia anefa, dia efa navalon’ny taona ny fahatsiarovana izany fotoana izany.

21, 22. Inona no tiana holazaina tamin’ny tain-drendrika sy ny labiera notampohan-drano, ary nahoana ireo mpitarika ny Joda no mendrika an’io filazalazana io?

21 Toa ireo mpitarika teo amin’ilay vahoaka no tena olana. Nanohy ny fitarainany toy izao i Isaia: “Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; ny divainao efa voatsatso rano; ny lehibenao dia mpiodina sady naman’ny mpangalatra; samy tia kolikoly sy fatra-pitady tambitamby avokoa izy rehetra; ny kamboty tsy mba omeny rariny, ary ny adin’ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.” (Isaia 1:22, 23). Fanoharana roa mazava toy ny hitan’ny maso, misesy haingana, no manomana ny mpamaky ho amin’izay hanaraka izany. Ny mpanefy vy eo amin’ny fatany dia manala ireo tain-drendrika avy amin’ny volafotsy voarendrika, ka manary azy io. Ireo lehibe, na andriana (NW ), sy mpitsara teo amin’ny Isiraely dia toy ilay tain-drendrika, fa tsy toy ilay volafotsy. Nilaina nariana izy ireo. Tsy nisy azo nampiasana azy izy ireo, toy ny divay, na ny labiera (NW ), notampohan-drano ka very tsiro. Tsy misy azo atao afa-tsy ny manary ny zava-pisotro toy izany any amin’ny rano maloto!

22 Ny andininy faha-23 dia mampiseho hoe nahoana ireo mpitarika no mendrika ny filazana toy izany. Nanandratra ny vahoakan’Andriamanitra ny Lalàn’i Mosesy, ka nampisaraka azy ireo tamin’ireo firenena hafa. Ohatra iray ny amin’izany ny didy mba hiarovana ny kamboty sy ny mpitondratena. (Eksodosy 22:21-23). Tamin’ny andron’i Isaia anefa, dia tsy afaka nanantena firy ny hahazo rariny tamin’ny fitsarana ny kamboty. Raha ny amin’ny mpitondratena kosa, dia tsy afaka nahita olona hihaino ny raharahany akory izy, mainka fa hoe olona hiady mafy ho azy. Tsia, sahirana loatra tamin’ny fiahiana ny tombontsoan’ny tenany manokana ireny mpitsara sy mpitarika ireny​—nitady kolikoly sy tambitamby, sy nanampy an’ireo mpangalatra namany, angamba tamin’ny fiarovana ny mpanao heloka sy tamin’ny famelana ny hafa hiharam-pahavoazana noho ny nataon’ireo. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia hoe “mpiodina”, na “be kiry” (NW ), na hoe nikiribiby, teo amin’ny fanaovan-dratsiny izy ireo. Nampalahelo tokoa lahy izany!

Hanadio ny vahoakany i Jehovah

23. Inona no fihetseham-pon’i Jehovah momba ny fahavalony, ampitainy eto?

23 Tsy hilefitra eo anoloan’ny fanararaotam-pahefana toy izany mandrakizay i Jehovah. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Ka dia hoy Jehovah, Tompon’ny maro, Ilay Maherin’ny Isiraely: E! hiala fo amin’ny mandrafy Ahy Aho ary hamaly ny fahavaloko.” (Isaia 1:24). Omena anarana telo i Jehovah eto, mba hanantitranterana ny zony hanam-piandrianana sy ny heriny lehibe. Ilay hiaka hoe “E!” dia azo inoana fa milaza ny alahelon’i Jehovah, miharo fahatapahan-kevitra hampihatra ny fahatezerany. Tena nisy tokoa antony hanaovany izany.

24. Asan’ny mpandrendrika inona no kasain’i Jehovah hatao ho an’ny vahoakany?

24 Ilay vahoakan’i Jehovah ihany no nanao ny tenany ho fahavalony. Mendrika tanteraka ny famaliana avy tamin’Andriamanitra izy ireo. “Hiala fo”, na hoe hanesotra azy ireo tsy ho eo aminy intsony i Jehovah. Midika ve izany fa hampanjavoniny tanteraka sy mandrakizay ilay vahoaka nitondra ny anarany? Tsia, satria hoy i Jehovah nanohy ny teniny: “Dia hamerina ny tànako ho aminao Aho, ka hodioviko amin’ny lavenona hianao hahafahan’ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.” (Isaia 1:25). Ny asan’ny mpandrendrika indray izao no raisin’i Jehovah ho fanoharana. Matetika ny mpandrendrika tamin’ny andro fahiny no nanampy lavenona, na savony ranony mahery (NW ), mba hampisarahana ny tain-drendrika tamin’ilay metaly sarobidy. Toy izany koa, i Jehovah, izay tsy nahita ny vahoakany ho ratsy tanteraka, dia ‘hananatra azy ireo araka ny antonony’. Ireo “firaka”, na “taim-piraka” (NW ), teo amin’izy ireo ihany no hesoriny​—ireo be kiry sy tsy faniry, ka tsy nety nianatra sy nankatò. * (Jeremia 46:28). Tamin’ny alalan’ireo teny ireo, i Isaia dia nanana ny tombontsoa hanoratra ny tantara talohan’ny fotoana.

25. a) Tamin’ny fomba ahoana i Jehovah no nandrendrika ny vahoakany tamin’ny 607 al.f.i.? b) Oviana i Jehovah no nandrendrika ny vahoakany amin’ny andro ankehitriny?

25 Tena nandrendrika ny vahoakany tokoa i Jehovah, tamin’ny fanesorana ny tain-drendrika, dia ireo mpitarika mpandray kolikoly sy mpikomy hafa. Tamin’ny 607 al.f.i., ela be taorian’ny andron’i Isaia, dia ringana i Jerosalema, ary nentina ho any an-tsesitany tany Babylona nandritra ny 70 taona ny mponiny. Izany dia nifanitsy tamin’ny lafiny sasany tamin’ny zavatra iray nataon’Andriamanitra ela be tatỳ aoriana. Ilay faminaniana ao amin’ny Malakia 3:1-5, nosoratana ela be taorian’ilay sesitany tany Babylona, dia nampiseho fa hanao asan’ny mpandrendrika indray Andriamanitra. Notondroin’izy io ny fotoana hitsidihan’i Jehovah Andriamanitra ny tempoliny ara-panahy, hiaraka amin’i Jesosy Kristy, ilay “iraky ny fanekena” (fanamarihana ambany pejy). Miharihary fa izany dia nitranga tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Voalohany. Nisafo an’ireo rehetra nihambo ho Kristianina i Jehovah, ka nanasivana ny marina tamin’ny sandoka. Inona no vokany?

26-28. a) Inona no fahatanterahana voalohan’ny Isaia 1:26? b) Tamin’ny ahoana io faminaniana io no tanteraka amin’izao androntsika izao? d) Ahoana no mety handraisan’ny loholona ankehitriny soa avy amin’io faminaniana io?

26 Namaly toy izao i Jehovah: “Hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ny voalohany; ary rehefa afaka izany, hianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ny fahamarinana, Tanàna mahatoky. Ziona havotana amin’ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin’ny fahamarinana”. (Isaia 1:26, 27). Nahita ny fahatanterahana voalohan’io faminaniana io i Jerosalema fahiny. Rehefa tafaverina tao amin’ilay tanàna malalany tamin’ny 537 al.f.i. ireo avy tany an-tsesitany, dia nisy mpitsara sy mpanolo-tsaina nahatoky, toy ny tamin’ny lasa indray, tao. I Hagay sy i Zakaria mpaminany, i Josoa mpisorona, i Ezra mpanora-dalàna ary i Zerobabela governora dia samy nitari-dalana sy nanome toromarika an’ireo sisa nahatoky niverina, mba handehanany teo amin’ny lalan’Andriamanitra. Kanefa, mbola nisy fahatanterahany lehibe kokoa niseho tamin’ny taonjato faha-20.

27 Tamin’ny 1919, dia tafavoaka avy tamin’ilay fe-potoam-pitsapana ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Nafahana avy tamin’ny fahababoana ara-panahy tao Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izy ireo. Nanjary niavaka tsara ny sisa voahosotra mahatoky sy ny mpitondra fivavahana mpivadi-pinoana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Nitahy ny vahoakany indray Andriamanitra, ‘tamin’ny fampodiana mpitsara sy mpanolo-tsaina ho azy ireo’​—lehilahy mahatoky izay manoro hevitra araka ny Teniny, fa tsy araka ny lovantsofin’ny olombelona. Ankehitriny, eo anivon’ny “ondry vitsy” mihamihena isa sy ny “ondry hafa” namany an-tapitrisany maro mihamitombo isa, dia misy lehilahy an’arivony maro toy izany.​—Lioka 12:32; Jaona 10:16; Isaia 32:1, 2; 60:17; 61:3, 4.

28 Tadidin’ireo loholona fa, indraindray dia “mpitsara” izy ireo ao amin’ny kongregasiona, mba hihazonana azy io ho madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy, sy mba hanitsiana ny mpanao ratsy. Miahy fatratra ny hanaovan-javatra araka ny fomban’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fanahafana ny fahaizany manavaka ny rariny, izay feno famindram-po sy voalanjalanja tsara. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana anefa, dia ‘mpanolo-tsaina’ izy ireo. Mazava ho azy fa izany dia hafa tanteraka noho ny hoe andriana na mpitondra tsy refesi-mandidy, ary manao ny ezaka rehetra izy ireo mba tsy hiseho akory ho “manjakazaka eo amin’ireo izay lovan’Andriamanitra”.​—1 Petera 5:3, NW.

29, 30. a) Inona no nambaran’i Jehovah ho an’ireo izay tsy nety nandray soa avy tamin’ilay asan’ny mpandrendrika? b) Tamin’ny heviny ahoana ilay vahoaka no nanjary ‘menatra’ noho ireo hazony sy sahany?

29 Ahoana ny amin’ilay “tain-drendrika” voalaza ao amin’ny faminanian’i Isaia? Inona no nanjo an’ireo izay tsy nety nandray soa avy tamin’ny asan’ny mpandrendrika nataon’Andriamanitra? Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota, eny, ho lany ritra izay mahafoy an’i Jehovah. Fa hahazo henatra hianareo noho ny amin’ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay hianareo noho ny amin’ny saha izay natokanareo.” (Isaia 1:28, 29). Ireo izay miodina sy manota amin’i Jehovah, ka tsy miraharaha ireo hafatra fampitandreman’ny mpaminaniny raha tsy efa diso aoriana loatra, dia tena “haringana” sy “ho lany ritra” tokoa. Izany dia nitranga tamin’ny 607 al.f.i. Inona kosa no hevitr’ireo hazo sy saha resahina eto ireo?

30 Tsy nitsahatra ny fanaovan’ny Jodianina fanompoan-tsampy. Tafiditra tao anatin’ireo fanao nietry nataon’izy ireo ny hazo sy ny saha ary ny tanimboly. Ohatra, ireo mpivavaka tamin’i Bala sy i Astarta, vadiny, dia nino fa tamin’ny main-tany, dia maty sy nalevina ireo andriamanitra roa ireo. Mba hahatonga azy ireo hifoha sy hivady, ka hamokaran’ilay tany, dia niangona ireo mpanompo sampy mba hanao firaisana mamoafady teo ambanin’ny hazo “masina” tao amin’ny tanimboly na ny saha. Rehefa nahazo orana na namokatra ilay tany, dia ireo andriamani-diso no nomena voninahitra noho izany; nahatsiaro ho voamarina teo amin’ny finoanoam-poanany ireo mpanompo sampy. Rehefa noringanin’i Jehovah anefa ireo mpanompo sampy mpikomy ireo, dia tsy nisy andriamanitra sampy niaro azy. ‘Menatra’ noho ireny hazo sy saha tsy nahavita na inona na inona ireny ireo mpikomy.

31. Niatrika zavatra inona ratsy kokoa noho ny henatra ireo mpanompo sampy?

31 Niatrika zavatra ratsy kokoa noho ny henatra anefa ireo Jodianina mpanompo sampy. Navadik’i Jehovah ilay fanoharana, ka ilay mpanompo sampy mihitsy no nampitahainy tamin’ny hazo iray. “Ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina hianareo, sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.” (Isaia 1:30). Tena nety tsara io fanoharana io, tany Moyen-Orient, izay sady mafana no maina. Tsy misy hazo na saha maharitra ela, raha tsy omena rano tsy tapaka. Mora mirehitra indrindra ny zavamaniry toy izany, rehefa maina. Noho izany, dia manaraka ho azy ilay fanoharana eo amin’ny andininy faha-31.

32. a) Iza moa ilay “mahery” resahina eo amin’ny andininy faha-31? b) Amin’ny heviny ahoana izy io no hanjary ho tahaka ny “hoto”, inona moa ilay “kilalaon’afo” handrehitra azy, ary inona no ho vokany?

32 “Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, ary ny asany ho tahaka ny kilalaon’afo, dia hiaraka hodorana izy roa tonta, ka tsy hisy hamono ny afo.” (Isaia 1:31). Iza moa io “mahery” io? Ilay teny hebreo dia mampita ny hevitra momba ny tanjaka sy ny harena. Koa azo inoana fa manondro an’ireo olona nanam-be sy natoky tena izay nanaraka an’ireo andriamani-diso, izy io. Tamin’ny andron’i Isaia, toy ny amin’ny androntsika ihany, dia tsy vitsy ireo olona mandà an’i Jehovah sy ny fivavahana madio aminy. Misy amin’izy ireny aza toa mahomby mihitsy. Kanefa, nampitandrina i Jehovah fa ny olona toy izany dia ho tahaka ny “vohavoha”, na “hoto” (NW ), toy ny kiran-drongony mbola tsy voatenona, izay marefo sy maina aoka izany, ka tapaka, raha azo atao ny milaza izany, rehefa lelafin’ny afo. (Mpitsara 16:8, 9). Ny zavatra nataon’ilay mpanompo sampy​—na ireo andriamaniny sampy izany, na ny harenany, na izay rehetra nivavahany ho solon’i Jehovah​—dia ho tahaka ny “kilalaon’afo”, dia ilay pitik’afo nandrehitra ilay afo. Samy ho may, hanjavona, ao anatin’ny afo tsy ho hain’iza na iza vonoina, na ilay kilalaon’afo na ilay hoto. Tsy misy hery eo amin’izao rehetra izao afaka mamadika ny didim-pitsarana lavorarin’i Jehovah.

33. a) Amin’ny ahoana ireo fampitandremana ny amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho avy no mampiseho koa ny famindram-pony? b) Fahafahana inona no atolotr’i Jehovah ankehitriny ho an’ny olombelona, ary inona no fiantraikan’izany eo amin’ny tsirairay amintsika?

33 Moa ve io hafatra farany io mifanaraka amin’ilay hafatra ny amin’ny famindram-po sy ny famelan-keloka eo amin’ny andininy faha-18? Eny tokoa! Noho izy be famindram-po indrindra no nanasan’i Jehovah an’ireo mpanompony hanoratra sy hampita hafatra toy izany. Rehefa dinihina tokoa, dia “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (2 Petera 3:9). Tombontsoan’ny Kristianina marina rehetra ankehitriny ny manambara ireo hafatra fampitandreman’Andriamanitra ho an’ny olombelona, mba hahafahan’ireo mibebaka handray soa avy amin’ny famelan-keloka amim-pahalalahan-tanana avy aminy, ka hiaina mandrakizay. Endre ny hatsaram-pon’i Jehovah, manome ho an’ny olombelona fahafahana ‘mamerina amin’ny laoniny’ ny fifandraisany aminy, dieny mbola tsy diso aoriana loatra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Araka ny lovantsofina jiosy tranainy, dia nampamono ho faty an’i Isaia, tamin’ny fanatsofana, i Manase, mpanjaka ratsy fanahy. (Ampitahao amin’ny Hebreo 11:37.) Milaza ny boky iray fa mba hahazoana io famonoana ho faty an’i Isaia io, dia nampiasa izao fiampangana diso izao ny mpaminany sandoka iray: “Niantso an’i Jerosalema ho Sodoma izy, ary ireo andrianan’i Joda sy i Jerosalema nambarany (ho) mponin’i Gomora.”

^ feh. 5 Ilay teny hebreo nadika hoe “hery mifono zava-miafina” dia nadika koa hoe “izay manimba”, sy hoe “izay mifono zava-miafina” ary hoe “diso”. Araka ny Theological Dictionary of the Old Testament, dia nampiasa io teny io ireo mpaminany hebreo, mba hanamelohana “ny zava-dratsy ateraky ny fanararaotam-pahefana”.

^ feh. 24 Ilay teny hoe “Hamerina ny tànako ho aminao Aho” dia midika hoe hiova anjara asa i Jehovah, ka tsy hanohana ny vahoakany intsony, fa hanafay azy ireo kosa.

[Fanontaniana]