Aza Matahotra An’ilay Asyrianina
Toko Faharoa Ambin’ny Folo
Aza Matahotra An’ilay Asyrianina
1, 2. a) Raha araka ny fijerin’olombelona, nahoana i Jona no nanana antony tsara tsy haharisika azy hitory tamin’ny Asyrianina, araka ny nanirahana azy? b) Nanao ahoana ny fihetsiky ny mponin’i Ninive teo anoloan’ny hafatr’i Jona?
TEO antenatenan’ny taonjato fahasivy al.f.i., dia sahy niditra tao Ninive, renivohitry ny Empira Asyrianina, i Jona, mpaminany hebreo, zanak’i Amitahy. Nanana hafatra navesa-danja hampitaina tany izy. Hoy i Jehovah taminy: “Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.”—Jona 1:2, 3.
2 Fony nilazana voalohany ilay asa nasaina nataony i Jona, dia nandositra nankany Tarsisy, tany amin’ny lalana nifanohitra tamin’ny nanirahana azy. Raha araka ny fijerin’olombelona, dia nanana antony tsy naharisika azy izy. Olona tsy nifaditrovana ny Asyrianina. Mariho izao fomba nitondran’ny mpanjaka asyrianina iray ny fahavalony izao: “Notapahiko ny tongotra aman-tanan’ireo manamboninahitra (...) Babo maro avy taminy no nodorako tamin’ny afo, ary maro no nentiko ho babo velona. Tamin’ny sasany, dia notapahiko hiala ny tanany sy ny rantsantanany, ary tamin’ny hafa dia ny orony no notapahiko hiala.” Na dia izany aza, rehefa nampita ilay hafatr’i Jehovah ihany i Jona tamin’ny farany, dia nibebaka tamin’ny fahotany ny mponin’i Ninive, ary dia notsimbinin’i Jehovah ilay tanàna tamin’io indray mandeha io.—Jona 3:3-10; Matio 12:41.
Nandray ‘ilay tsorakazo’ i Jehovah
3. Ahoana no tsy nitovian’ny fihetsiky ny Isiraelita teo anoloan’ireo fampitandremana nampitain’ny mpaminanin’i Jehovah, tamin’ny fihetsiky ny mponin’i Ninive?
3 Ary ireo Isiraelita, izay nitorian’i Jona koa, moa ve izy ireo 2 Mpanjaka 14:25). Tsia. Niodina tamin’ny fivavahana madio izy ireo. Eny tokoa, tonga hatramin’ny ‘fiankohofana teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra sy hatramin’ny fanompoana an’i Bala’ mihitsy aza izy ireo. Tsy izay ihany, fa “nampandeha ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ka nampahatezitra Azy”. (2 Mpanjaka 17:16, 17). Tsy sahala amin’ireo mponin’i Ninive ny Isiraely, fa tsy nanaiky, rehefa naniraka ny mpaminaniny mba hampitandrina azy i Jehovah. Koa tapa-kevitra ny handray fepetra henjana kokoa àry i Jehovah.
nanaiky? (4, 5. a) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “ilay Asyrianina”, ary ahoana no nampiasan’i Jehovah azy ho “tsorakazo”? b) Oviana i Samaria no nianjera?
4 Nandritra ny fotoana kelikely taorian’ny nitsidihan’i Jona an’i Ninive, dia nihena hery ny fanafihan’ny Asyrianina. * Kanefa, teo am-piandohan’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia nanjary nahery ara-tafika indray i Asyria, ary dia nampiasa azy tamin’ny fomba nahazendana i Jehovah. Nampita izao hafatra avy tamin’i Jehovah izao ho an’ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra i Isaia mpaminany: “Endrey! ry [ilay Asyrianina, “NW” ], tsorakazon’ny fahatezerako ô, eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako! Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dàlambe.”—Isaia 10:5, 6.
5 Fietrena re izany ho an’ny Isiraelita! Nampiasa firenena mpanompo sampy—“ilay Asyrianina”—ho ‘tsorakazo’ hanafaizana azy ireo i Jehovah. Tamin’ny 742 al.f.i., dia nanao fahirano an’i Samaria, renivohitry ny firenen’i Isiraely nivadi-pinoana, i Salmanesera V, mpanjakan’i Asyria. Avy teo amin’ny toerana ambony teo an-tampon-kavoana, tany amin’ny 90 metatra, nisy azy, i Samaria dia nahavita nampihemotra ny fahavalony nandritra ny efa ho telo taona. Tsy misy tetikadin’2 Mpanjaka 18:10.
olombelona afaka misakana ny fikasan’Andriamanitra anefa. Tamin’ny 740 al.f.i., dia nianjera i Samaria, voahitsakitsaky ny Asyrianina.—6. Tamin’ny ahoana ilay Asyrianina no nihoatra ny fikasan’i Jehovah ny aminy?
6 Na dia nampiasain’i Jehovah mba hanome fianarana ho an’ny vahoakany aza ny Asyrianina, dia tsy nanaiky an’i Jehovah ireo Asyrianina. Izany no antony nanohizan’i Jehovah ny teniny toy izao: “Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.” (Isaia 10:7). Fikasan’i Jehovah ny hampiasa an’ilay Asyrianina ho fitaovana teo an-tanany. Nanam-paniriana ny ho zavatra hafa anefa ilay Asyrianina. Nampirisika azy hitetika ny hanakatra ambony kokoa ny fony—ny fandresena ilay izao tontolo izao fantatra tamin’izay!
7. a) Hazavao ilay teny hoe “Moa tsy mpanjaka koa va ireo andrianako?” b) Inona no tokony homarihin’izay rehetra mandao an’i Jehovah amin’izao andro izao?
7 Maro tamin’ireo tanàna tsy isiraelita resin’ilay Asyrianina no nanana mpanjaka, teo aloha. Ireo mpanjaka taloha ireo izao dia voatery nanaiky ny ho ‘governora’, na ‘andriana’ (NW ), teo ambanin’ny fahefan’ny mpanjakan’i Asyria, izay tena afaka nirehareha marina hoe: “Moa tsy mpanjaka koa va ireo andrianako?” (Isaia 10:8, “NW” ). Tsy afaka namonjy ny mpivavaka taminy tsy ho ringana ny andriamani-dison’ireo tanàn-dehiben’ireo firenena. Ireo andriamanitra nivavahan’ny mponin’i Samaria, toa an’i Bala sy i Moloka ary ireo ombilahy kely volamena, dia tsy hiaro an’io tanàna io. Nandao an’i Jehovah i Samaria, ka tsy nanana zo hanantena azy hisalovana ho azy. Aoka izay rehetra mandao an’i Jehovah amin’izao andro izao, hahamarika ny fiafarana ratsy nanjo an’i Samaria! Afaka nirehareha tsara toy izao momba an’i Samaria sy ny tanàna hafa noreseny ilay Asyrianina: “Tsy tahaka an’i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an’i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an’i Damaskosy va Samaria?” (Isaia 10:9). Nitovy daholo ireo, tamin’ilay Asyrianina—samy zavatra natao hobaboiny avokoa.
8, 9. Nahoana no tafahoatra loatra ny fikasan’ilay Asyrianina handresy an’i Jerosalema?
Isaia 10:10, 11). Betsaka lavitra noho ny an’i Jerosalema, na ny an’i Samaria mihitsy aza, ny sampin’ireo fanjakana efa noresen’ilay Asyrianina. ‘Inona’, hoy ny fanjohian-keviny, ‘no hisakana ahy tsy hanao amin’i Jerosalema izay nataoko tamin’i Samaria?’
8 Kanefa, tafahoatra loatra ny fireharehan’ilay Asyrianina. Hoy izy: “Tahaka ny nahatraran’ny tànako ny fanjakan’ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an’i Jerosalema sy ny an’i Samaria aza ny sampin’ireo, dia tsy tahaka ny nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamani-tsi-izy va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny koa?” (9 Mpandoka tena! Tsy hamela azy haka an’i Jerosalema i Jehovah. Marina fa tsy hoe tonga lafatra foana ny fanarahan’ny Joda ny fivavahana madio. (2 Mpanjaka 16:7-9; 2 Tantara 28:24). Efa nampitandrina i Jehovah fa, noho ny fivadihany, dia hijaly mafy ny Joda mandritra ny fanafihan’ilay Asyrianina. Ho tafita velona anefa i Jerosalema. (Isaia 1:7, 8). Fony nanafika ireo Asyrianina, dia i Hezekia no mpanjaka tao Jerosalema. Tsy tahaka an’i Ahaza, rainy, i Hezekia. Tamin’ny volana voalohany nanjakany izy dia efa namoha indray ireo varavaran’ny tempoly sy namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina!—2 Tantara 29:3-5.
10. Inona no nampanantenain’i Jehovah momba ilay Asyrianina?
10 Koa tsy nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah àry ny fikasan’i Asyria hanafika an’i Jerosalema. Nampanantena ny hampamoaka an’io firenena natanjaka sahisahy ratsy io i Jehovah: “Rehefa vitan’ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ny fon’ny mpanjakan’i Asyria sy ny reharehan’ny fiandranandran’ny masony”.—Isaia 10:12.
Andeha hanafika an’i Joda sy i Jerosalema!
11. Nahoana ilay Asyrianina no nieritreritra fa ho remby mora azo i Jerosalema?
11 Valo taona taorian’ny nianjeran’ilay fanjakana tany avaratra, tamin’ny 740 al.f.i., dia nandroso hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba, ilay mpanjaka vaovaon’i Asyria. Nilazalaza tamin’ny tenin-tononkalo toy izao ny tetikady feno avonavon’i Sankeriba i Isaia: “Nanaisotra ny fari-tanin’ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka; ary tahaka ny fakàna ny ao amin’ny akanim-borona no nakan’ny tànako ny haren’ny firenena; ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin’ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka.” (Isaia 10:13, 14). Nanjohy hevitra i Sankeriba hoe efa nianjera ireo tanàna hafa ary tsy eo intsony i Samaria, koa remby ho azo mora foana i Jerosalema! Mety hanohitra ihany ilay tanàna, nefa zara raha hikiakiaka ireo mponina ao, fa vetivety dia ho resy, ary ny fananany horaisim-potsiny toy ny atody avy ao amin’ny akanim-borona iray efa nilaozana.
12. Inona no nasehon’i Jehovah ho ny fomba fiheverana tsara, raha ny amin’ny fireharehan’ilay Asyrianina?
Isaia 10:15). Fitaovana teo an-tanan’i Jehovah fotsiny ny Empira Asyrianina, toy ny famaky, ny tsofa, ny tehina, na ny tsorakazo izay mety hampiasain’ny mpianala, ny mpikapa hazo, na ny mpiandry ondry. Ahoana no ahasahian’ilay tsorakazo hanandra-tena ho ambony noho ilay mampiasa azy izao!
12 Kanefa dia nisy zavatra iray hadinon’i Sankeriba. Mendrika ilay famaizana azony i Samaria nivadi-pinoana. Teo ambany fanapahan’i Hezekia Mpanjaka anefa, dia nanjary manda fiarovan’ny fivavahana madio indray i Jerosalema. Na iza na iza nitady hikasika an’i Jerosalema dia hahita an’i Jehovah! Tezitra tokoa i Isaia nanontany hoe: “Ny famaky va hirehareha amin’izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony!” (13. Fantaro ary lazao izay hanjo a) an’ireo ‘tremalahy’. b) an’ireo ‘ahidratsy sy kirihitr’ala’. d) “ny voninahitry ny alany”.
13 Inona no hanjo an’ilay Asyrianina? “Izany no anateran’ny Tompo, dia ny Tompon’ny maro, fahahiazana amin’ny tremalahiny; ary ao ambanin’ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo. Ary ny fahazavan’ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny [ahidratsiny sy ny kirihitr’alany, “NW” ]; ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak’izay marary mafy izany. Ary ho vitsy ny hazo sisa any an-alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy.” (Isaia 10:16-19). Eny, hampietry an’io “tsorakazo” asyrianina io i Jehovah! Ireo “tremalahy” tao amin’ny tafika asyrianina, izany hoe ireo miaramilany tomady, dia ho voan’ny “fahahiazana”. Tsy dia hatanjaka intsony ny ho fahitana azy ireo! Toy ny mitranga amin’ny ahidratsy sy ny kirihitr’ala maro, dia hodoran’i Jehovah Andriamanitra, ilay Fahazavan’ny Isiraely, ireo miaramilany nandeha an-tongotra. Ary “ny voninahitry ny alany”, izany hoe ireo manamboninahitry ny tafiny, dia ho ringana. Rehefa vitan’i Jehovah ny raharahany tamin’ilay Asyrianina, dia ho vitsy aoka izany ny sisa tavela amin’ireo manamboninahitra, hany ka na dia zazalahy kely aza dia ho afaka hanisa azy ireo amin’ny rantsantanany!—Jereo koa ny Isaia 10:33, 34.
14. Lazalazao ny fandroson’ilay Asyrianina teo amin’ny tanin’i Joda mandra-pahatongan’ny 732 al.f.i.
14 Na izany aza, dia tsy maintsy ho sarotra tamin’ireo Jiosy nipetraka tao Jerosalema tamin’ny 732 al.f.i., ny nino hoe ho resy ilay Asyrianina. Nandroso, tsy nisy nahasakana, ilay tafika asyrianina lehibe. Henoy ny lisitr’ireo tanàna tao Joda efa nianjera: “Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an’i Migrona (...) Mikmasy (...) Geba (...) Rama (...) Gibean’i Saoly (...) Galima (...) Laisy (...) Anatota (...) Madmena (...) Gebima (...) Noba”. (Isaia 10:28-32a). * Tamin’ny farany, dia tonga tao Lakisy, 50 kilaometatra monja avy teo Jerosalema, ireo mpanafika. Tsy ela dia nisy tafika asyrianina lehibe nandrahona an’ilay tanàna. “Maninjitra ny tànany [izy] manambana ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy, dia ny havoan’i Jerosalema.” (Isaia 10:32b). Inona no afaka nampijanona an’ilay Asyrianina?
15, 16. a) Nahoana i Hezekia Mpanjaka no nila finoana mafy? b) Inona no fototra hananan’i Hezekia finoana fa ho avy hanampy azy i Jehovah?
15 Nanjary natahotra i Hezekia Mpanjaka tao amin’ny lapany tao amin’ilay tanàna. Nandriatra ny fitafiany izy, ka nitafy lamba fisaonana. (Isaia 37:1). Naniraka lehilahy tany amin’i Isaia mpaminany, mba hangataka an’i Jehovah hiaro an’i Joda, izy. Tsy ela dia niverina izy ireo, nitondra izao valin-tenin’i Jehovah izao: “Aza matahotra (...) fa hiaro ity tanàna ity Aho”. (Isaia 37:6, 35). Na izany aza, dia nandrahona sady natoky tena tsy nisy ohatra izany ireo Asyrianina.
16 Finoana—izany no hanohana an’i Hezekia Mpanjaka, mba hamakivakiana soa aman-tsara io fotoan-tsarotra io. Ny finoana dia “ny fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza”. (Hebreo 11:1, NW ). Ny dikan’izany dia hoe mijery any ambadiky ny hita miharihary. Miorina amin’ny fahalalana anefa ny finoana. Azo inoana fa tadidin’i Hezekia fa efa nilaza mialoha ireto teny feno fampiononana ireto i Jehovah: “Ry oloko, izay monina any Ziona, aza matahotra [an’ilay Asyrianina, “NW” ] (...); fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa. Eny, Jehovah, Tompon’ny maro, hamely azy amin’ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin’ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta.” (Isaia 10:24-26). * Eny, efa tao anatin’ny toe-javatra sarotra ny vahoakan’Andriamanitra taloha. Ireo razamben’i Hezekia, ohatra, dia nihoaran’ny tafika ejipsianina teo amin’ny Ranomasina Mena, raha ny amin’ny hery, ka toa tsy nisy fanantenana. An-jatony taona maro talohan’io, dia resy an’isa be koa i Gideona, rehefa nanafika an’i Isiraely i Midiana sy i Amaleka. Kanefa dia nanafaka ny vahoakany i Jehovah tamin’ireo toe-javatra roa ireo.—Eksodosy 14:7-9, 13, 28; Mpitsara 6:33; 7:21, 22.
17. Ahoana no ‘hahatapaka’ an’ilay zioga asyrianina, ary nahoana?
17 Hamerina izay nataony tamin’ireny toe-javatra ireny ve i Jehovah? Eny. Hoy ny nampanantenainy: “Amin’izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin’ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany.” (Isaia 10:27). Hobataina avy eo an-tsoroka sy avy eo am-bozon’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena, ny ziogan’ilay Asyrianina. Eny, ‘hotapahina’ ilay zioga—ary dia tapaka tokoa! Tao anatin’ny indray alina, dia namono 185 000 tamin’ireo Asyrianina ny anjelin’i Jehovah. Tsy teo intsony ilay fandrahonana, ka nandao ny tanin’i Joda mandrakizay ireo Asyrianina. (2 Mpanjaka 19:35, 36). Fa nahoana? “Noho ny fihatavezany”, na “ny diloilo” (NW ). Io dia mety hanondro ilay diloilo nampiasaina mba hanosorana an’i Hezekia ho mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida. Notanterahin’i Jehovah àry ilay fampanantenany hoe: “Hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ny tenako sy Davida mpanompoko.”—2 Mpanjaka 19:34.
18. a) Manana fahatanterahana mihoatra ny iray ve ny faminanian’i Isaia? Hazavao. b) Fandaminana iza amin’izao andro izao no sahala amin’i Samaria fahiny?
Romana 15:4). Midika ve izany fa manana ny mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny ireo mpandray anjara lehibe indrindra tao amin’io fitantarana nampangitakitaka io—ny mponin’i Samaria sy i Jerosalema ary koa ireo Asyrianina? Eny. Sahala amin’i Samaria mpanompo sampy, ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia mihambo ho manompo an’i Jehovah, nefa mpivadi-pinoana hiringiriny izy. Ao amin’ny An Essay on the Development of Christian Doctrine, dia miaiky i John Henry Cardinal Newman, izay katolika romanina, fa ireo zavajavatra ampiasain’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina hatramin’ny an-jatony taona maro, toy ny emboka manitra, ny labozia, ny rano voahasina, ny akanjon’ny pretra ary ny sary masina, dia “samy avy amin’ny mpanompo sampy avokoa”. Tsy mampifaly an’i Jehovah, toy ny fanompoan-tsampin’i Samaria ihany, ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina nivadika ho fanompoan-tsampy.
18 Ny fitantaran’i Isaia dinihina ato amin’ity toko ity dia mifandray amin’ny zava-nitranga tao Joda maherin’ny 2 700 taona lasa izay. Misy heviny faran’izay lehibe ho an’izao andro izao anefa ireny zava-nitranga ireny. (19. Nahazo fampitandremana ny amin’inona moa ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ary avy amin’iza?
19 Hatramin’ny taona maro, ny Vavolombelon’i Jehovah dia efa nampitandrina ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina ny amin’ny tsy fahafalian’i Jehovah. Tamin’ny 1955, ohatra, dia natao maneran-tany ilay lahateny ampahibemaso nitondra ny lohateny hoe “Ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina sa ny Kristianisma—Iza no ‘Fahazavan’izao Tontolo Izao’?” Nohazavain’izy io tsara ny fomba naniasiavan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina avy tamin’ny fampianarana sy ny fanao kristianina marina. Taorian’izay, dia natao kopia iny lahateny nahery vaika iny, ary nandefasana ny mpitondra fivavahana tany amin’ny tany maro. Tsy nanaraka ilay fampitandremana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, tamin’ny fitambarany. Tsy
nisy azon’i Jehovah natao, afa-tsy ny nanafay azy tamin’ny “tsorakazo”.20. a) Iza no ho ilay Asyrianina maoderina, ary ahoana no hampiasana azy ho toy ny tsorakazo? b) Hanao ahoana ny hamafin’ny famaizana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?
20 Iza no hampiasain’i Jehovah mba hanafay ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina mpikomy? Hahita ny valiny isika ao amin’ny toko faha-17 amin’ny Apokalypsy. Ao isika dia ampahafantarina ny amin’ny vehivavy janga iray, dia i “Babylona Lehibe”, izay mampiseho ny fivavahan-diso rehetra amin’ny tany, anisan’izany ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Mitaingina bibidia iray mivolon-jaky ilay vehivavy janga, ary manana loha fito sy tandroka folo. (Apokalypsy 17:3, 5, 7-12). Mampiseho ny fandaminan’ny Firenena Mikambana io bibidia io. * Sahala amin’ny nandringanan’ilay Asyrianina fahiny an’i Samaria, ilay bibidia mivolon-jaky dia “hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo”. (Apokalypsy 17:16). Hamely ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’ny fomba mahery vaika àry ilay Asyrianina maoderina (ireo firenena mifandray amin’ny ONU), ka hanamontsamontsana azy tsy hisy intsony.
21, 22. Iza no handrisika an’ilay bibidia hanafika ny vahoakan’Andriamanitra?
21 Ho levona miaraka amin’i Babylona Lehibe ve ny Vavolombelon’i Jehovah mahatoky? Tsia. Tsy misy tsy mahafaly an’Andriamanitra aminy. Ho tafita velona ny fivavahana madio. Kanefa, ilay bibidia izay handringana an’i Babylona Lehibe dia hitily amim-pitsiriritana ny vahoakan’i Jehovah koa. Ny fanaovan’ilay bibidia izany dia tsy ho fanatanterahana ny hevitr’Andriamanitra, fa ny an’olon-kafa. Iza? I Satana Devoly.
22 Nanala sarona toy izao ny teti-dratsy feno avonavon’i Satana i Jehovah: “Amin’izany andro izany dia hisy eritreritra Ezekiela 38:10-12). Hanjohy hevitra i Satana hoe: ‘Eny, nahoana tokoa raha entanina hamely ny Vavolombelon’i Jehovah ireo firenena? Mora voa izy ireo, tsy voaro, ary tsy manan-kery ara-politika. Tsy hanohitra izy ireo. Horaisim-potsiny, toy ny atody ao anaty akanim-borona tsy voaro, izy ireo!’
hiditra ao an-tsainao [ny an’i Satana], ary hamoron-kevi-dratsy hianao ka hanao hoe: (...) Hankamin’izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy mànda [miaro] (...) mba hamabo sy handroba”. (23. Nahoana ilay Asyrianina maoderina no tsy ho afaka hanao amin’ny vahoakan’Andriamanitra izay ataony amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?
23 Mitandrema anefa, ry firenena! Fantaro fa raha mikasika ny vahoakan’i Jehovah ianareo, dia hahita aminy! Tia ny vahoakany i Jehovah, ary hiady ho azy ireo izy, tsy misy hafa amin’ny niadiany ho an’i Jerosalema tamin’ny andron’i Hezekia. Rehefa hitady hanafoana ny mpanompon’i Jehovah ilay Asyrianina maoderina, dia tena hiady amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ondry, izy io. Tsy ho afaka ny handresy ilay Asyrianina amin’io ady io. “Ny Zanak’ondry haharesy azy”, hoy ny Baiboly, “satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy”. (Apokalypsy 17:14; ampitahao amin’ny Matio 25:40.) Sahala amin’ilay Asyrianina fahizay, dia ho “lasa ho amin’ny fandringanana” ilay bibidia mivolon-jaky. Tsy hatahorana intsony izy.—Apokalypsy 17:11.
24. a) Tapa-kevitra ny hanao inona ny Kristianina marina, mba hiomanana ho amin’ny hoavy? b) Ahoana no itsinjovan’i Isaia ny lavitra kokoa? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 155.)
24 Afaka miatrika ny hoavy tsy amin-tahotra ny Kristianina marina, raha mihazona fifandraisana matanjaka amin’i Jehovah izy ireo, ka manao ny fanaovana ny sitrapony ho ny zavatra ahiny voalohany indrindra eo amin’ny fiainany. (Matio 6:33). Amin’izay izy ireo dia tsy mila ny “hatahotra ny loza”. (Salamo 23:4). Amin’ny mason’ny finoana izy ireo dia hahita ny sandry maherin’Andriamanitra hiainga avo, tsy mba hanafaizana azy akory, fa mba hiarovana azy amin’ny fahavalony. Ary ny sofiny dia handre an’ireto teny fanomezan-toky ireto: “Aza matahotra”.—Isaia 10:24.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky 1, pejy 211.
^ feh. 14 Mba hanamorana ny fahazoan-kevitra, dia hodinihina alohan’ny Isaia 10:20-27 ny Isaia 10:28-32.
^ feh. 16 Ahitana fanazavana momba ny Isaia 10:20-23 ao amin’ny hoe “Mitsinjo ny Lavitra Kokoa i Isaia”, eo amin’ny pejy 155.
^ feh. 20 Misy fanazavana fanampiny momba ilay vehivavy janga sy ilay bibidia mivolon-jaky ao amin’ny toko 34 sy 35 amin’ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 155, 156]
MITSINJO NY LAVITRA KOKOA I ISAIA
Ny toko faha-10 amin’ny Isaia dia mifantoka voalohany indrindra amin’ny fomba hampiasan’i Jehovah ny fanafihan’i Asyria mba hampiharana didim-pitsarana tamin’ny Isiraely, sy amin’ny fampanantenan’i Jehovah hiaro an’i Jerosalema. Koa satria eo afovoan’io faminaniana io no misy ny andininy faha-20 ka hatramin’ny faha-23, dia azo raisina ho manana fahatanterahana ankapobe mandritra io fe-potoana io ihany izy ireo. (Ampitahao amin’ny Isaia 1:7-9.) Kanefa, ilay fomba fanoratra dia manondro fa ireo andinin-teny ireo dia mihatra indrindra amin’ny fe-potoana atỳ aoriana, rehefa tsy maintsy hampamoahina koa i Jerosalema, noho ny fahotan’ny mponina ao aminy.
Nitady fiarovana i Ahaza Mpanjaka, ka nangataka fanampiana tamin’i Asyria. Nanambara mialoha i Isaia mpaminany fa any aoriana, dia tsy hanaraka lalana feno hadalana toy izany intsony mihitsy ireo anisan’ny taranak’Isiraely ho tafita velona. Milaza ny Isaia 10:20 fa i “Jehovah, Iray Masin’ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa”. Ny andininy faha-21 anefa dia mampiseho fa vitsy ihany no hanao izany: “Izay sisa amin’i Jakoba dia hiverina”. Izany dia mampahatsiahy antsika an’i Seara-jasoba, zanak’i Isaia, satria famantarana tao Isiraely izy ary ny anarany dia midika hoe “Hisy Sisa Hiverina”. (Isaia 7:3). Ny andininy faha-22 amin’ny toko faha-10 dia mampitandrina ny amin’ny “fandringanana” iray ho avy, izay efa voatondro. Ho marina sy mahitsy izany fandringanana izany, satria famaizana ara-drariny hihatra amin’ny vahoaka mpikomy iray. Ho vokany, amin’ny firenena iray feno olona “tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina”, dia sisa aminy ihany no hiverina. Ny andininy faha-23 dia mampitandrina fa hisy vokany eo amin’ilay tany manontolo io fandringanana ho avy io. Tsy ho voatsimbina i Jerosalema amin’io indray mandeha io.
Ireo andinin-teny ireo dia milazalaza tsara izay nitranga tamin’ny 607 al.f.i., fony i Jehovah nampiasa ny Empira Babylonianina ho toy ny ‘tsorakazony’. Nianjera teo an-tanan’ny mpanafika ilay
tany manontolo, anisan’izany i Jerosalema. Nentina ho babo tany Babylona nandritra ny 70 taona ireo Jiosy. Taorian’izay anefa, dia nisy sasany—na dia “sisa aminy ihany” aza—niverina mba hanorina indray ny fivavahana marina tao Jerosalema.Nanana fahatanterahana fanampiny ny faminaniana ao amin’ny Isaia 10:20-23, tamin’ny taonjato voalohany, araka ny asehon’ny Romana 9:27, 28. (Ampitahao amin’ny Isaia 1:9; Romana 9:29.) Nanazava i Paoly fa, amin’ny heviny ara-panahy, dia nisy “sisa” tamin’ny Jiosy ‘niverina’ tamin’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., satria nisy Jiosy nahatoky vitsy an’isa tonga mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ka nanomboka nanompo an’i Jehovah ‘tamin’ny fanahy sy ny fahamarinana’. (Jaona 4:24). Nisy Jentilisa nino nanatevin-daharana azy ireo tatỳ aoriana, ka niforona ny firenena ara-panahy iray, dia “ny Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16). Tamin’izay, dia tanteraka ny tenin’ny Isaia 10:20 manao hoe: Ny firenena iray nanolo-tena ho an’i Jehovah dia tsy hiala aminy “intsony” mihitsy mba hitady fanohanana any amin’olombelona.
[Sary, pejy 147]
Nanjohy hevitra i Sankeriba fa mora toy ny famoriana atody ao anaty akanim-borona ny famoriana ireo firenena