Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Mitsahatra Miandry An’i Jehovah

Aza Mitsahatra Miandry An’i Jehovah

Toko Fahatelo Amby Roapolo

Aza Mitsahatra Miandry An’i Jehovah

Isaia 30:1-33

1, 2. a) Inona no raketin’ny Isaia toko faha-30? b) Fanontaniana inona avy no hodinihintsika izao?

NY ISAIA toko faha-30 dia manome antsika faminanian’Andriamanitra hafa koa ny amin’ny loza hanjo ny ratsy fanahy. Na izany aza, ity tapany amin’ny faminanian’i Isaia ity dia manasongadina ny sasany amin’ireo toetran’i Jehovah mahate ho tia. Raha ny marina aza, dia lazaina amin’ny teny mazava toa hitan’ny maso ireo toetran’i Jehovah, hany ka toy ny hoe mahita azy manatrika eo sady mampionona antsika, isika, sy mandre ny feony mitarika antsika, ary mahatsapa ny tanany manasitrana antsika.​—Isaia 30:20, 21, 26.

2 Na dia izany aza, ireo mpiray tanindrazana tamin’i Isaia, ny mponin’ny Joda nivadi-pinoana, dia tsy nety niverina tamin’i Jehovah. Ny nataon’izy ireo kosa dia ny nitoky tamin’ny olombelona. Inona no tsapan’i Jehovah momba izany? Ary ahoana no anampian’io tapany amin’ny faminanian’i Isaia io ny Kristianina ankehitriny, mba tsy hitsahatra hiandry an’i Jehovah? (Isaia 30:18). Aoka hofantarintsika izany.

Hadalana izay hitera-doza

3. Fiokoana inona no nahariharin’i Jehovah?

3 Nandritra ny fotoana kelikely, dia nitady hevitra an-tsokosoko mba tsy hofehezin’ny ziogan’i Asyria ireo mpitarika tao Joda. Kanefa, nitazana azy ireo i Jehovah. Izao dia aharihariny ny fiokoan’izy ireo. “Lozan’ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ny ota, dia izay mandeha hidina any Egypta”.​—Isaia 30:1, 2a.

4. Ahoana no nametrahan’ilay vahoakan’Andriamanitra nikomy, an’i Ejipta teo amin’ny toeran’Andriamanitra?

4 Endrey ny fahatairan’ireo mpitarika nioko ireo, nahare fa voala sarona ny tetikadiny! Ny fankanesana tany Ejipta mba hiray dina taminy dia tsy vitan’ny hoe famelezana an’i Asyria, fa fikomiana tamin’i Jehovah Andriamanitra koa. Tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, dia nanao an’i Jehovah ho fiarovany mafy ilay firenena, ary nialoka ‘teo amin’ny aloky ny elany’. (Salamo 27:1; 36:7). Izao kosa izy ireo dia ‘nandositra ho any amin’ny fiarovana mafin’i Farao’ ary ‘nialokaloka tao amin’ny alokalok’i Ejipta’. (Isaia 20:2b). Napetrany teo amin’ny toeran’Andriamanitra i Ejipta! Famadihana re izany!​—Vakio ny Isaia 30:3-5.

5, 6. a) Nahoana no fahadisoana nitera-doza ny dina nifanaovan’ny Joda tamin’i Ejipta? b) Dia inona nataon’ny vahoakan’Andriamanitra taloha no nanasongadina fa nampiseho hadalana izao dia ho any Ejipta izao?

5 Toy ny hoe mba hamaliana ny olona nety ho nilaza hoe fitsidihana tsy voaomana ilay dia ho any Ejipta, dia nanome tsipiriany fanampiny i Isaia. “Faminaniana ny amin’ny behemota any amin’ny tany atsimo. Any amin’ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ny trafon’ny rameva”. (Isaia 30:6a). Mazava fa voaomana tsara ilay dia. Nandamina andiana rameva sy boriky niray dia ireo iraka, ka nampitondra entana sarobidy an’ireo biby ireo ary nitarika azy ireo hatrany Ejipta, namakivaky efitra ngazana feno liona nierona sy bibilava nisy poizina. Farany, dia tonga tany amin’ny tiany haleha ireo iraka, ka nanolotra ireo harenany an’ireo Ejipsianina. Nividy fiarovana izy ireo​—araka ny fiheviny. Kanefa, dia hoy i Jehovah: “Ho any amin’ny firenena tsy mahasoa azy [izy ireo]. Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen’ny Egyptiana; koa izany no nanaovako azy hoe: [Rahaba, “NW” ] tsy mety manao na inona na inona!” (Isaia 30:6b, 7). Nanjary sary nampiseho an’i Ejipta i ‘Rahaba’, nantsoina koa hoe ‘dragona’. (Isaia 51:9, 10). Nampanantena izao zavatra rehetra izao izy, nefa tsy nanao na inona na inona. Fahadisoana nitera-doza ho an’ny Joda ny niraisany dina taminy.

6 Rehefa nilazalaza ny dian’ireo iraka ireo i Isaia, dia nety ho nahatadidy dia iray hafa tamin’ny andron’i Mosesy ireo mpihaino azy. Io ‘efitra nahatahotra’ io ihany no nandehanan’ireo razambeny. (Deoteronomia 8:14-16). Tamin’ny andron’i Mosesy anefa, dia nivoaka avy tany Ejipta ary niala avy tamin’ny fanandevozana ireo Isiraelita. Tamin’izao indray mandeha izao kosa, dia nankany Ejipta ireo iraka ireo, ary niditra tao amin’ny ziogan’ny fifehezana, raha ny tena izy. Hadalana re izany! Enga anie isika tsy handray fanapahan-kevitra tsy maneho fahendrena toy izany na oviana na oviana, ka hanakalo ny fahafahantsika ara-panahy amin’ny fanandevozana!​—Ampitahao amin’ny Galatiana 5:1.

Notoheriny ny hafatr’ilay mpaminany

7. Nahoana no nasain’i Jehovah noraisin’i Isaia an-tsoratra ilay fampitandremana nomeny ny Joda?

7 Nasain’i Jehovah noraisin’i Isaia an-tsoratra ilay hafatra vao avy nampitainy, “mba haharitra amin’ny andro any aoriana mandrakizay doria”. (Isaia 30:8). Tsy maintsy noraketina an-tsoratra tokoa ny tsy fankasitrahan’i Jehovah ny fametrahana ny dina ifanaovana amin’olombelona ho ambony noho ny fianteherana Aminy. Izany dia mba hahasoa an’ireo taranaka ho avy​—anisan’izany ny taranaka misy antsika ankehitriny. (2 Petera 3:1-4). Nisy antony maika kokoa nilana ilay firaketana an-tsoratra anefa. “Firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn’i Jehovah”. (Isaia 30:9). Nanda ny torohevitr’Andriamanitra ilay vahoaka. Noho izany, dia tsy maintsy noraisina an-tsoratra ilay izy, mba tsy hahafahan’izy ireo hilaza atỳ aoriana hoe tsy nahazo fampitandremana izy ireo.​—Ohabolana 28:9; Isaia 8:1, 2.

8, 9. a) Tamin’ny fomba ahoana no nitadiavan’ireo mpitarika tao Joda hanimba ireo mpaminanin’i Jehovah? b) Ahoana no nampisehoan’i Isaia fa tsy nanaiky hampitahorina izy?

8 Izao i Isaia dia nanome ohatra iray ny amin’ny fikomian’ilay vahoaka. “Manao amin’ny mpahita [izy ireo] hoe: Aza mahita, ary amin’ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka”. (Isaia 30:10). Rehefa nandidy an’ireo mpaminany nahatoky mba tsy hiteny zavatra “marina” intsony, fa hiteny zavatra “malefaka” sy “fitaka” kosa, ireo mpitarika ny Joda, dia nampiseho fa izay hahafinaritra ny sofiny fotsiny no tadiaviny. Tiany ny hoderaina, fa tsy homelohina. Araka ny fiheviny, izay mpaminany tsy vonona haminany zavatra araka izay tian’izy ireo, dia tokony ‘hiala amin’ny lalana sy hivily amin’ny aleha’. (Isaia 30:11a). Tokony hiteny zavatra tian’ny sofiny ho re izy, raha tsy izany, dia tokony hitsahatra tsy hitory tsotra izao!

9 Nanizingizina toy izao ireo mpanohitra an’i Isaia: “Atsaharo ny Iray Masin’ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.” (Isaia 30:11b). Aoka i Isaia hitsahatra tsy hiteny amin’ny anaran’i Jehovah, “ny Iray Masin’ny Isiraely”, intsony! Io anarana io fotsiny dia efa nahasorena azy ireo, satria ireo fari-pitsipika ambonin’i Jehovah dia nampiharihary ny toetra tsy mendrik’izy ireo. Nanao ahoana ny fihetsik’i Isaia? Hoy izy: “Izao no lazain’ny Iray Masin’ny Isiraely”. (Isaia 30:12a). Tsy nisalasala i Isaia, fa ireo teny halan’ireo mpanohitra azy indrindra no nolazainy. Tsy nanaiky hampitahorina izy. Izany ka ohatra tsara dia tsara ho antsika! Tsy tokony hanaiky lembenana mihitsy ny Kristianina, raha ny amin’ny fanambarana ny hafatr’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 5:27-29). Sahala amin’i Isaia, dia tsy mitsahatra manambara izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah’!

Ireo vokatry ny fikomiana

10, 11. Inona avy no ho vokatry ny fikomian’ny Joda?

10 Nanda ny tenin’Andriamanitra ny Joda, sy nitoky tamin’ny lainga, ary niantehitra tamin’ny “fiolakolahana. (Isaia 30:12b). Inona avy no ho vokatr’izany? Tsy hiala akory i Jehovah, araka ny nirin’ilay firenena, fa izy ireo kosa no hataony tsy hisy intsony! Hitranga tampoka sy amin’ny fomba feno izany, araka ny nantitranterin’i Isaia tamin’ny alalan’ny fanoharana iray. Ny fikomian’ilay firenena dia toy “izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin’ny mànda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany”. (Isaia 30:13). Toy ny faritra mivohitra iray eo amin’ny manda avo iray, ka hahatonga an’ilay manda hirodana amin’ny farany, dia toy izany koa fa ny fikomiana tsy nitsaha-nitombon’ireo niara-belona tamin’i Isaia dia hahatonga an’ilay firenena hirodana.

11 Nanonona fanoharana iray hafa i Isaia mba hampisehoana fa ho fandringanana tanteraka ilay ho avy. “Hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vàkiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.” (Isaia 30:14). Ho fandringanana tanteraka no hihatra amin’ny Joda, hany ka tsy hisy zava-tsarobidy na dia iray aza ho tavela​—na dia vakim-bilany handraofana lavenona mafana avy ao am-patana, na hangalana rano avy ao amin’ny honahona, aza. Fiafarana mahamenatra re izany! Ho tampoka sady ho tanteraka toy izany koa ny fandringanana hanjo an’ireo izay mikomy amin’ny fivavahana marina amin’izao andro izao.​—Hebreo 6:4-8; 2 Petera 2:1.

Nolaviny ny fanolorana nataon’i Jehovah

12. Ahoana no nahafahan’ny mponina tao Joda nandositra ny fandringanana?

12 Ho an’ireo mpihaino an’i Isaia anefa, dia tsy hoe tsy azo nandosirana akory ny fandringanana. Nisy fomba nahafahany niala, araka ny nohazavain’ilay mpaminany toy izao: “Izao no lazain’ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin’ny Isiraely: Amin’ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin’ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo”. (Isaia 30:15a). Vonona ny hamonjy ny vahoakany i Jehovah​—raha naneho finoana izy ireo, tamin’ny “fitsaharana”, izany hoe tamin’ny fitsaharana tsy hitady famonjena tamin’ny alalan’ny firaisan-dina tamin’olombelona intsony, sy tamin’ny “fanginana”, izany hoe tamin’ny fanehoana fatokisana ny hery miaron’Andriamanitra, fa tsy tamin’ny fanekena ho resin’ny tahotra. “Nefa”, hoy i Isaia tamin’ilay vahoaka, “tsy nety hianareo”.​Isaia 30:15b.

13. Inona no natokisan’ireo mpitarika tao Joda, ary azo nohamarinina ve izany fatokisana izany?

13 Nanazava toy izao i Isaia avy eo: “Fa hoy kosa hianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; koa noho izany dia handositra tokoa hianareo; ary hoy hianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.” (Isaia 30:16). Nihevitra ireo Jodianina fa soavaly faingam-pandeha, fa tsy i Jehovah, no hahavonjy azy. (Deoteronomia 17:16; Ohabolana 21:31). Kanefa, nofinofy ihany ny fitokisan’izy ireo, hoy ilay mpaminany nanohitra izany, satria ho tratran’ny fahavalony izy ireo. Na dia betsaka aza izy ireo, dia tsy hanampy azy ireo izany. “Ny arivo handositra, raha rahonan’ny anankiray, eny, handositra hianareo, raha rahonan’ny dimy”. (Isaia 30:17a). Hisahotaka ny tafiky ny Joda, ka handositra, raha vao hahare ny hiakiakan’ny fahavalo vitsy kely monja. * Amin’ny farany, dia sisa amin’izy ireo ihany no ho tavela irery, “tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana”. (Isaia 30:17b). Nifanaraka tsara tamin’ilay faminaniana, fony ringana i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., dia sisa tamin’ny mponina tao ihany no tafita velona.​—Jeremia 25:8-11.

Fampiononana tao anatin’ny fanamelohana

14, 15. Fampiononana inona no atolotry ny teny ao amin’ny Isaia 30:18 ho an’ny mponina tao Joda tamin’ny andro fahiny sy ho an’ny Kristianina marina ankehitriny?

14 Raha mbola nanako tao an-tsofin’ireo mpihaino an’i Isaia ireo teny nampieritreritra ireo, dia niova ny fihetseham-po nampitain’ny hafany. Nanome toerana ho an’ny fampanantenana fitahiana ny fandrahonana ny amin’ny loza. “Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary [noho izany dia hitsangana izy mba haneho famindram-po aminareo, “NW” ]; fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; sambatra izay rehetra miandry Azy.” (Isaia 30:18). Endrey izany teny mankahery! I Jehovah dia Ray feno fangoraham-po, izay maniry mafy ny hanampy ny zanany. Tena mahafaly azy ny maneho famindram-po.​—Salamo 103:13; Isaia 55:7.

15 Ireo teny feno fanomezan-toky ireo dia natao tamin’ny sisa tamin’ny Jiosy, izay nanehoana famindram-po ka navela ho tafita velona tamin’ny fandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., ary koa tamin’ireo olona vitsy niverina tany amin’ny Tany Nampanantenaina tamin’ny 537 al.f.i. Kanefa manome fampiononana ho an’ny Kristianina ankehitriny koa ireo tenin’ilay mpaminany ireo. Ampahatsiahivina isika fa “hitsangana” i Jehovah mba hamonjy antsika, rehefa hamarana ity tontolo ratsy ity izy. Afaka matoky ireo mpanompony mahatoky fa i Jehovah​—“Andriamanitry ny fahamarinana”​—dia tsy hamela ny tontolon’i Satana haharitra mihoatra ny indray andro noho izay takin’ny rariny. Noho izany, dia manana antony tsara mba hahasambatra ireo izay “miandry Azy”.

Mampionona ny vahoakany i Jehovah, amin’ny famaliana ny vavak’izy ireo

16. Ahoana no ampaherezan’i Jehovah an’ireo kivy?

16 Mety ho kivy anefa ny sasany, satria tsy tonga haingana araka ny nantenainy ny famonjena. (Ohabolana 13:12; 2 Petera 3:9). Enga anie izy ireo hahita fampiononana avy amin’ireo tenin’i Isaia manaraka, izay manasongadina ny lafin-toetran’i Jehovah manokana iray. “Fa hianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.” (Isaia 30:19). Naneho fitiavana i Isaia tamin’ireo teny ireo, satria tsy nampiasa ny hoe ‘ianareo’, milaza maro, toy ny tao amin’ny andininy faha-18, intsony izy, fa ny hoe ‘ianao’, milaza tokana, ao amin’ny andininy faha-19. Rehefa mampionona ny ory i Jehovah, dia mahita ny olona tsirairay. Amin’ny maha Ray azy, dia tsy manontany amin’ny zanany kivy izy hoe: ‘Nahoana àry ianao no tsy mba matanjaka tahaka ny rahalahinao?’ (Galatiana 6:4). Tsia, fa mihaino ny tsirairay amim-pitandremana kosa izy. Raha ny marina aza, “raha vao reny izany, dia hamaly (...) Izy”. Izany ka teny feno fanomezan-toky! Afaka mahazo tanjaka indray ireo kivy, raha mivavaka amin’i Jehovah.​—Salamo 65:2.

Henoy ny feon’Andriamanitra manome fitarihana, amin’ny famakiana ny Teniny

17, 18. Na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza, inona moa no tari-dalana omen’i Jehovah?

17 Nanohy ny teniny ihany i Isaia, ka nampahatsiahy ny mpihaino azy fa ho avy ny fahoriana. Hahazo “mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana” ilay vahoaka. (Isaia 30:20a). Ilay fahoriana sy fahalahelovana hahazo azy ireo, rehefa hatao fahirano izy ireo, dia ho zavatra fahita toy ny mofo sy ny rano. Na izany aza, dia vonona hamonjy an’ireo mahitsy fo i Jehovah. “Tsy hiery intsony ny [Mpampianatra Lehibe Indrindra, “NW” ] anao; ny masonao hahita ny [Mpampianatra Lehibe Indrindra, “NW” ] anao; fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.”​Isaia 30:20b, 21. *

18 I Jehovah no ilay “Mpampianatra Lehibe Indrindra”. Tsy manan-tsahala ny fahaizany mampianatra. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona ‘mahita’ sy ‘mandre’ azy? Mampiharihary ny tenany i Jehovah, amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminaniny, voarakitra ao amin’ny Baiboly. (Amosa 3:6, 7). Ankehitriny, rehefa mamaky ny Baiboly ireo mpivavaka mahatoky, dia toy ny hoe milaza aminy ny lalana tokony haleha ny feon’Andriamanitra Rainy, ka mampirisika azy ireo hanitsy ny fitondran-tenany, mba handehanany eo amin’izany lalana izany. Tokony hihaino amim-pitandremana ny Kristianina tsirairay, rehefa miteny amin’ny alalan’ireo pejy ao amin’ny Baiboly sy amin’ny alalan’ny boky sy gazety ara-baiboly omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, i Jehovah. (Matio 24:45-47, NW ). Aoka àry ny tsirairay hilofo hamaky ny Baiboly, satria ‘fiainany izany’.​—Deoteronomia 32:46, 47; Isaia 48:17.

Saintsaino ireo fitahiana ho avy

19, 20. Fitahiana inona avy no miandry an’ireo izay manoina ny feon’ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra?

19 Ireo izay manoina ny feon’ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra dia hanary ny sampiny voasokitra, noho ny fiheverana azy ireny ho maharikoriko. (Vakio ny Isaia 30:22.) Amin’izay izy ireo dia hahazo fitahiana mahatalanjona, araka ny noraketin’i Isaia ao amin’ny Isaia 30:23-26, izay faminaniana mahafinaritra indrindra momba ny famerenana amin’ny laoniny. Tanteraka voalohany izy io tamin’ny 537 al.f.i., fony niverina avy tany amin’ny fahababoana ny sisa tamin’ny Jiosy. Ankehitriny, io faminaniana io dia manampy antsika hahita ireo fitahiana mahatalanjona entin’ny Mesia ao amin’ny paradisa ara-panahy dieny izao sy ao amin’ny Paradisa ara-bakiteny ho avy.

20 “Hanome ranonorana ho an’ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; ary amin’izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ny tany malalaka; ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin’ny sahiratsy sy ny fikororohana.” (Isaia 30:23, 24). Mofo, izay “sady tsara no vokatra”​—feno otrikaina mahasalama​—no ho foto-tsakafon’ny olona isan’andro. Ho tondraka aoka izany ny vokatry ny tany, ka na ny biby aza dia handray soa avy aminy. Ny biby fiompy dia homena “vilona voaisy sira”​—vilona matsiro natokana ho amin’ny fotoan-dehibe ihany. “Voatsikerakera” mihitsy aza io sakafo io​—fanao natokana ho an’ny voa fihinan’ny olombelona. Endrey izany tsipirian-javatra mahafinaritra omen’i Isaia eto, mba hampisehoana ny fitahiana tondraka homen’i Jehovah ho an’ny olombelona mahatoky!

21. Lazalazao ireo fitahiana feno ho avy.

21 “Any amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony”. (Isaia 30:25a). * Nanome filazalazana mety tsara i Isaia eto mba hanantitranterana fa ho feno ireo fitahian’i Jehovah. Tsy hisy tsy fahampian’ny rano, izay zava-tsarobidy hikoriana, tsy eny amin’ny tany lemaka ihany, fa eny amin’ny tendrombohitra rehetra koa, eny, “any amin’ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra”. Eny, ho anisan’ny lasa ny hanoanana. (Salamo 72:16). Ankoatra izany, dia nanjary nifindra ho amin’ny zavatra avo kokoa noho ny tendrombohitra indray ny sain’ilay mpaminany. “Ny fahazavan’ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ny masoandro, ary ny fahazavan’ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’i Jehovah fahatorotoroan’ny olony, sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezany azy.” (Isaia 30:26). Izany ka fara tampony mampientam-po ho an’io faminaniana faran’izay miavaka io! Hamirapiratra ao amin’ny hatsarany rehetra ny voninahitr’Andriamanitra. Ireo fitahiana miandry ny mpivavaka mahatoky amin’Andriamanitra dia hihoatra lavitra​—ho avo fito heny​—noho izay rehetra hitan’izy ireo taloha.

Didim-pitsarana sy fifaliana

22. Mifanohitra amin’ireo fitahiana ho azon’ny olo-mahatoky, inona kosa no ampanantenain’i Jehovah ny ratsy fanahy?

22 Niova indray ny fihetseham-po nampitain’ny hafatr’i Isaia. “Indro”, hoy izy, toy ny hoe mba hahatonga ny mpihaino azy hihaino. “Avy any lavitra any ny anaran’i Jehovah, mirehitra amin’ny fahatezerany Izy sady midonaka amin’ny setroka be; ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona”. (Isaia 30:27). Hatramin’izao, dia tsy nisalovana i Jehovah, fa namela ny fahavalon’ny vahoakany hanao izay tiany hatao. Izao kosa izy dia nihananatona kokoa​—toy ny oram-baratra mihamanatona tsikelikely​—mba hampihatra didim-pitsarana. “Ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin’ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin’ny valanoranon’ny olona.” (Isaia 30:28). Ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra dia ho voahodidina “riaka manafotra”, sy voahozongozona amin-kerisetra “amin’ny sivana fandevonana”, ary voafehy amin’ny alalan’ny “lamboridy”. Ho ringana izy ireo.

23. Inona no mahatonga ny Kristianina ankehitriny hahatsapa “hafalian’ny fo”?

23 Niova indray koa ny fihetseham-po ampitain’ny fomba fanoratr’i Isaia, rehefa nilazalaza momba ny fahasambaran’ireo mpivavaka nahatoky, izay hody any amin’ny taniny indray andro any, izy. “Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin’ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian’ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban’ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr’i Jehovah, dia any amin’ny Vatolampin’ny Isiraely”. (Isaia 30:29). Ny Kristianina marina ankehitriny dia mahatsapa “hafalian’ny fo” toy izany, rehefa mandinika ny didim-pitsarana hihatra amin’ny tontolon’i Satana, sy ny fiarovana homen’i Jehovah, ilay “Vatolampy famonjena”, azy ireo, ary ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana.​—Salamo 95:1.

24, 25. Ahoana no nanantitranteran’ny faminanian’i Isaia fa zavatra tena hisy ny didim-pitsarana hihatra amin’i Asyria?

24 Taorian’io fanehoana hafaliana io, dia niverina ho amin’ny didim-pitsarana indray i Isaia, ary nampahafantatra ilay nampahatezitra an’Andriamanitra. “Jehovah hanandratra ny feon’ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan’ny sandriny amin’ny firehetan’ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy. Fa ny feon’i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; hasiany amin’ny tsorakazo ireo.” (Isaia 30:30, 31). Nampiasa io filazalazana mazava toa hitan’ny maso io i Isaia, mba hanantitranterana fa zavatra tena hisy ny didim-pitsaran’Andriamanitra hihatra amin’i Asyria. Toy ny hoe nitsangana teo anatrehan’Andriamanitra i Asyria, ka nangovitra nahita ny “fiantefan’ny sandriny” hampihatra didim-pitsarana.

25 Hoy ny tohin’ny tenin’ilay mpaminany: “Ary na aiza na aiza no amelezan’ny tsorakazo voatendry, izay amelin’i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; ary amin’ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy. Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; eny, efa nataony vonona ho an’ny mpanjaka izany; efa nataony lalina sady malalaka izy; ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; ary ny fofonain’i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.” (Isaia 30:32, 33). I Tofeta, tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma, eto dia teny ampiasaina mba hanondroana toerana an’ohatra fandoroana amin’ny afo. Tamin’ny fampisehoana fa any no hiafaran’i Asyria, dia nantitranterin’i Isaia ny fandringanana tampoka sy tanteraka hanjo an’io firenena io.​—Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 23:10.

26. a) Inona no fampiharana ny fanambarana nataon’i Jehovah momba ny loza hanjo an’i Asyria, amin’ny andro ankehitriny? b) Amin’ny fomba ahoana ny Kristianina ankehitriny no tsy mitsahatra miandry an’i Jehovah?

26 Na dia navantana tamin’i Asyria aza io hafatra momba ny didim-pitsarana io, dia mahafaoka be kokoa ny faminanian’i Isaia. (Romana 15:4). Ho avy any lavitra indray i Jehovah, raha azo atao ny milaza izany, mba hanafotra sy hanozongozona ary hanisy lamboridy an’izay rehetra mampahory ny vahoakany. (Ezekiela 38:18-23; 2 Petera 3:7; Apokalypsy 19:11-21). Enga anie mba ho tonga haingana izany andro izany! Mandra-pahatongan’izany, dia tsindrian-daona ny Kristianina eo am-piandrasana ilay andro famonjena. Manovo tanjaka izy ireo, amin’ny fisaintsainana momba ireo teny mazava toa hitan’ny maso, voarakitra ao amin’ny Isaia toko faha-30. Ireo teny ireo dia mampirisika ny mpanompon’Andriamanitra hankamamy ny tombontsoa hivavaka, sy hilofo hianatra ny Baiboly, ary hisaintsaina momba ireo fitahiana hoentin’ilay Fanjakana. (Salamo 42:1, 2; Ohabolana 2:1-6; Romana 12:12). Toy izany no anampian’ny tenin’i Isaia antsika rehetra tsy hitsahatra hiandry an’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Mariho fa raha nahatoky ny Joda, dia ny nifanohitra tamin’io indrindra no nety ho nitranga.​—Levitikosy 26:7, 8.

^ feh. 17 Io no hany toerana iantsoana an’i Jehovah hoe “Mpampianatra Lehibe Indrindra”, ao amin’ny Baiboly.

^ feh. 21 Hoy ny Isaia 30:25b: “Amin’ny andro hianjeran’ny tilikambo.” Tamin’ny fahatanterahany voalohany, izany dia mety ho nanondro ny nianjeran’i Babylona, izay nanokatra ny lalana nahafahan’ny Isiraely nahazo ireo fitahiana voambara mialoha tao amin’ny Isaia 30:18-26. (Jereo ny fehintsoratra faha-19.) Mety hanondro ny fandringanana ao amin’i Haramagedona koa izy io, izay hahatonga ny fahatanterahana malaza indrindran’ireo fitahiana ireo, ao amin’ny tontolo vaovao.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 305]

Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nandositra avy tany Ejipta ny Isiraelita. Tamin’ny andron’i Isaia, dia nitady vonjy tany Ejipta ny Joda

[Sary, pejy 311]

‘Any amin’ny havoana avo rehetra dia hisy ony’

[Sary, pejy 312]

‘Hirehitra amin’ny fahatezerany i Jehovah sady hidonaka amin’ny setroka be’