Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

Toko Fahatelo Ambin’ny Folo

Famonjena sy Fifaliana eo Ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia

Isaia 11:1–12:6

1. Lazalazao ny toetra ara-panahin’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena, tamin’ny andron’i Isaia.

TAMIN’NY andron’i Isaia, dia ratsy ny toetra ara-panahin’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. Na dia teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjaka nahatoky toa an’i Ozia sy i Jotama aza, dia maro tamin’ny vahoaka no nivavaka tany amin’ireo fitoerana avo. (2 Mpanjaka 15:1-4, 34, 35; 2 Tantara 26:1, 4). Fony tonga mpanjaka i Hezekia, dia tsy maintsy nanaisotra tamin’ilay tany ireo zavatra nifandray tamin’ny fivavahana tamin’i Bala. (2 Tantara 31:1). Tsy mahagaga raha nampirisika ny vahoakany hiverina taminy i Jehovah, sy nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana ho avy!

2, 3. Fampaherezana inona no omen’i Jehovah an’ireo izay maniry hanompo azy, na dia miely patrana aza ny tsy fahatokiana?

2 Na izany aza, dia tsy ny rehetra no mpikomy matevin-koditra. Nanana mpaminany nahatoky i Jehovah, ary azo inoana fa nisy Jiosy sasany nihaino azy ireo. Nanana teny fampiononana ho an’ireo Jiosy ireo i Jehovah. Rehefa avy nilaza ny amin’ireo fandravana mahatsiravina hampiharin’ny fanafihan’ny Asyrianina amin’ny Joda i Isaia mpaminany, dia nahazo tsindrimandry hanoratra ny iray amin’ireo andalan-teny kanto indrindra ao amin’ny Baiboly, izay manoritra ireo fitahiana hoentin’ny fanjakan’ny Mesia. * Ny lafiny sasany amin’ireo fitahiana ireo dia nanana fahatanterahana tamin’ny ambaratonga kely, fony niverina avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona ny Jiosy. Manana fahatanterahana amin’ny ambaratonga lehibe amin’izao andro izao koa anefa io faminaniana io. Marina fa tsy nahita ireo fitahiana ireo i Isaia sy ny Jiosy nahatoky sasany tamin’ny androny. Niandry izany tamim-pinoana anefa izy ireo, ary hahita ny fahatanterahan’ny tenin’i Isaia, rehefa ho tafatsangana amin’ny maty.​—Hebreo 11:35.

3 Mila fampaherezana koa ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Samy misedra azy rehetra ny fitsipi-pitondran-tena mikororosy haingana eo amin’ity tontolo ity, sy ny fanoherana amin-kabibiana ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary ny fahalemen’ny tenany manokana. Afaka manatanjaka sy manampy ny vahoakan’Andriamanitra hiatrika ireo fisedrana ireo ny teny faran’izay mahafinaritra nataon’i Isaia momba ny Mesia.

Ny Mesia​—Mpitarika mahay

4, 5. Inona no nambaran’ny faminanian’i Isaia momba ny fiavian’ny Mesia, ary ahoana no toa nampiharan’i Matio ny tenin’i Isaia?

4 Taonjato maro talohan’ny andron’i Isaia, dia nisy mpanoratra ny Baiboly hebreo hafa nanondro ny hiavian’ny Mesia, ilay tena Mpitarika, izay hirahin’i Jehovah ho any amin’ny Isiraely. (Genesisy 49:10; Deoteronomia 18:18; Salamo 118:22, 26). Izao, tamin’ny alalan’i Isaia, dia nanampy tsipiriany hafa i Jehovah. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Hisy Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese, ary hisy [tsimoka, “NW” ] mitrebona avy eo amin’ny fàkany”. (Isaia 11:1; ampitahao amin’ny Salamo 132:11.) Ny hoe “Solofo” sy ny hoe “tsimoka” dia samy manondro fa ilay Mesia dia ho ilay taranak’i Jese, amin’ny alalan’i Davida zanany, izay nohosorana diloilo mba ho mpanjakan’ny Isiraely. (1 Samoela 16:13; Jeremia 23:5; Apokalypsy 22:16). Rehefa tonga ilay tena Mesia, io “tsimoka” io, izay avy amin’ny taranak’i Davida, dia hamoa voa tsara.

5 I Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina. Ireo teny ao amin’ny Isaia 11:1 no tian’i Matio, mpanoratra filazantsara, horesahina, rehefa nilaza izy fa ny niantsoana an’i Jesosy hoe “Nazarena” dia nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany. Noho izy notezaina tao amin’ny tanànan’i Nazareta, dia nantsoina hoe Nazarena i Jesosy, anarana izay toa mifandray amin’ilay teny hebreo nampiasaina ao amin’ny Isaia 11:1 ary nadika hoe “tsimoka”. *​—Matio 2:23, NW, fanamarihana ambany pejy; Lioka 2:39, 40.

6. Ho mpanapaka hanao ahoana moa ilay Mesia nambaran’ny faminaniana?

6 Ho mpanapaka hanao ahoana moa ny Mesia? Moa ve izy ho sahala amin’ilay Asyrianina lozabe sy mahery loha, izay nandringana ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tany avaratra? Mazava ho azy fa tsia. Hoy i Isaia momba ny Mesia: “Ny Fanahin’i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; ny Fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fahatahorana an’i Jehovah; ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an’i Jehovah”. (Isaia 11:2, 3a). Ny Mesia dia nohosorana, tsy diloilo, fa tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Izany dia nitranga tamin’ny batisan’i Jesosy, fony i Jaona Mpanao Batisa nahita ny fanahy masin’Andriamanitra, niendrika voromahailala, nidina teo amin’i Jesosy. (Lioka 3:22). ‘Nitoetra teo amin’i’ Jesosy ny fanahin’i Jehovah, ary nanome porofon’izany izy, rehefa nanao zavatra nampiseho fahendrena, fahazavan-tsaina, fanoloran-tsaina, faherezana ary fahalalana. Toetra tsara dia tsara hananan’ny mpanapaka re izany!

7. Inona no fampanantenana nomen’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy mahatoky?

7 Ny mpanara-dia an’i Jesosy koa dia afaka mahazo ny fanahy masina. Hoy i Jesosy tao amin’ny iray tamin’ireo lahateniny: “Raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:13). Noho izany, dia tsy tokony hisalasala mihitsy isika ny hangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra, no sady tsy hitsahatra ny hamboly ny vokany mahasoa​—“fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaram-po, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”. (Galatiana 5:22, 23, NW ). Nampanantena i Jehovah fa hamaly ny fangatahan’ny mpanara-dia an’i Jesosy “fahendrena izay avy any ambony”, mba hanampiana azy ireo hiatrika soa aman-tsara ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.​—Jakoba 1:5; 3:17.

8. Ahoana no nahitan’i Jesosy fifaliana tao amin’ny fahatahorana an’i Jehovah?

8 Inona ilay fahatahorana an’i Jehovah asehon’ny Mesia? Azo antoka fa tsy tora-kovitra eo anatrehan’Andriamanitra i Jesosy, satria tsy matahotra ny homelohiny izy. Tahotra feno fanajana an’Andriamanitra kosa no ananan’ny Mesia, dia fanajana ara-pivavahana miharo fitiavana azy. Ny olona iray matahotra an’Andriamanitra dia maniry ‘hanao izay sitrany’ foana, toa an’i Jesosy. (Jaona 8:29). Tamin’ny teny sy ny ohatra, i Jesosy dia nampianatra fa tsy misy fifaliana lehibe kokoa noho ny fandehanana isan’andro ao amin’ny fahatahorana mahasoa an’i Jehovah.

Mpitsara marina sy be famindram-po

9. Inona no ohatra nomen’i Jesosy an’ireo izay angatahina mba hitsara raharaha ao amin’ny kongregasiona kristianina?

9 Nilaza zavatra hafa hampiavaka ny Mesia i Isaia, tamin’ny hoe: “Tsy hitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hampiaiky araka ny ren’ny sofiny”. (Isaia 11:3b). Raha tsy maintsy miakatra fitsarana ianao, tsy ho velom-pankasitrahana ve ianao, raha toy izany ny mpitsara? Ny Mesia no ho Mpitsara ny taranak’olombelona rehetra, ary tsy hampitanila ny fitsarany ny fanaporofoan-kevitra diso, ny fombafombam-pitsarana natao hifetsena, ny tsaho, na ny anton-javatra ivelany fotsiny, toy ny harena. Tsikariny foana ny famitahana ary tsy ifantohany ny fisehoana ivelany tsy dia tsara, satria “ilay olona miafin’ny fo”, na “ilay lehilahy takona”, no hitany. (1 Petera 3:4, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny ohatra fanaperana omen’i Jesosy dia modely ho an’izay rehetra angatahina mba hitsara raharaha ao amin’ny kongregasiona kristianina.​—1 Korintiana 6:1-4.

10, 11. a) Tamin’ny fomba ahoana no nanitsian’i Jesosy an’ireo mpanara-dia azy? b) Didim-pitsarana inona no havoakan’i Jesosy ho an’ny ratsy fanahy?

10 Hanao ahoana ny vokatr’ireo toetra fanaperana ananan’ny Mesia, eo amin’ny didim-pitsarana havoakany? Mamaly izany toy izao i Isaia: “Hotsarainy amin’ny fahamarinana ny malahelo; ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ny tany; hamely ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy, ary ny fofonain’ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony.”​—Isaia 11:4, 5.

11 Rehefa nila fanitsiana ireo mpanara-dia azy, dia nanome izany tamin’ny fomba nandraisan’izy ireo soa indrindra izy​—ohatra tsara dia tsara ho an’ny loholona kristianina. Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay zatra manao ratsy dia afaka manampo didim-pitsarana henjana. Rehefa hampamoaka ity fandehan-javatra ity Andriamanitra, dia “hamely ny tany” amin’ny feony maneho fahefana ny Mesia, ka hamoaka didim-pitsarana ho fandringanana ny ratsy fanahy rehetra. (Salamo 2:9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:15.) Amin’ny farany, dia tsy hisy olon-dratsy tavela mba hanelingelina ny fiadanan’ny olombelona. (Salamo 37:10, 11). Manana ny hery hanatanterahana izany i Jesosy, izay hisikina fahamarinana ary hanao fehin-kibom-pahatokiana.​—Salamo 45:3-7.

Hiova ny toe-piainana eto an-tany

12. Fanahiana inona avy no nety ho nananan’ny Jiosy iray, izay nikasa ny hiverina avy tany Babylona ho any amin’ny Tany Nampanantenaina?

12 Alao sary an-tsaina ny Isiraelita iray izay vao avy nahare ilay didy navoakan’i Kyrosy momba ny hiverenan’ny Jiosy tany Jerosalema sy hanorenany indray ny tempoly. Moa ve izy handao ilay tsy fananany ahiahy tao Babylona, ka hanao ilay dia lavitra hody any amin’ny taniny? Nandritra ireo 70 taona nahalasanan’ny Isiraely, dia nanjary feno ahidratsy ireo saha nilaozana. Amboadia, leoparda, liona ary bera izao no nirenireny malalaka nitady remby tao anatin’ireny saha ireny. Ny menarana koa dia nahita ny fonenany tao. Ho voatery hiankina amin’ny biby fiompy ireo Jiosy niverina nody mba hahafahany hivelona​—ondry aman’osy sy omby no hanome ronono sy volon’ondry ary hena, ary ombilahy no hisarika ny angadin’omby. Ho tonga rembin’iretsy biby mpihaza iretsy ve ireto biby ireto? Hokaikerin’ny bibilava ve ny ankizy madinika? Ahoana raha misy mamitsaka hamely azy eny an-dalana?

13. a) Sary manafana ny fo inona no nomen’i Isaia? b) Ahoana no ahafantarantsika fa mihoatra noho ny fiarovana amin’ny bibidia no tian’i Isaia horesahina amin’ny hoe fiadanana?

13 Izao i Isaia dia manome sary manafana ny fo momba ny toe-piainana hoentin’Andriamanitra ao amin’ilay tany. Hoy izy: “Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; ny zanany hiara-mandry; ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin’ny lavaky ny menarana. Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. (Isaia 11:6-9). Tsy manohina ny fontsika ve ireo teny ireo? Mariho fa ilay fiadanana voalaza eto dia vokatry ny fahalalana an’i Jehovah. Noho izany, dia mihoatra noho ny fiarovana amin’ny bibidia fotsiny no tiana horesahina eo. Tsy hanova ny biby ny fahalalana an’i Jehovah, fa hisy vokany eo amin’ny olona kosa. Na eny an-dalana hody, na ao amin’ny taniny ho tafaverina amin’ny laoniny, dia tsy hatahotra bibidia na olona manan-toetram-biby ireo Isiraelita.​—Ezra 8:21, 22; Isaia 35:8-10; 65:25.

14. Inona no fahatanterahan’ny Isaia 11:6-9 amin’ny ambaratonga lehibe kokoa?

14 Manana fahatanterahana lehibe kokoa anefa io faminaniana io. Tamin’ny 1914, dia nomena fiandrianana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra i Jesosy, ilay Mesia. Tamin’ny 1919, ireo sisa amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” dia nafahana avy tamin’ny famaboan’i Babylona ary namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina. (Galatiana 6:16). Ho vokany, dia nisokatra ny lalana hahatanterahan’ny faminanian’i Isaia momba ny Paradisa, amin’ny andro ankehitriny. Nanova toetran’olona ny “fahalalana araka ny marina”, dia ny fahalalana an’i Jehovah. (Kolosiana 3:9, 10, NW ). Nanjary olona tsy tia ady ny olona nahery setra taloha. (Romana 12:2; Efesiana 4:17-24). Efa nahakasika olona an-tapitrisany maro izany ankehitriny, satria ny faminanian’i Isaia dia nanjary nahakasika Kristianina manantena ny hiaina eto an-tany, mihamitombo isa hatrany. (Salamo 37:29; Isaia 60:22). Ireo dia nianatra ny hiandrandra ilay fotoana hahatongavan’ny tany manontolo ho paradisa milamina sy miadana indray, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany.​—Matio 6:9, 10; 2 Petera 3:13.

15. Azo ekena ve ny fanantenantsika fa hanana fahatanterahana ara-bakiteny ao amin’ny tontolo vaovao ny tenin’i Isaia? Hazavao.

15 Ao amin’io Paradisa tafaverina amin’ny laoniny io, moa ve ny faminanian’i Isaia hanana fahatanterahana fanampiny, angamba ara-bakiteny kokoa? Toa azo ekena izany. Ilay faminaniana dia manome an’izay rehetra hiaina eo ambanin’ny fanapahan’ny Mesia, ilay toky mitovy amin’izay nomeny an’ireo Isiraelita niverina nody; tsy hahatsapa fandrahonana na avy amin’iza na avy amin’iza​—na olombelona na biby​—izy ireo sy ny zanany. Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakan’ny Mesia, ny mponin’ny tany rehetra dia hiaina ao anatin’ny toe-piainana miadana, toy ilay nisy an’i Adama sy i Eva tao Edena. Mazava ho azy fa tsy manambara ny tsipiriany rehetra momba ny fiainana tao Edena​—na ny ho fiainana ao amin’ny Paradisa​—ny Soratra Masina. Afaka matoky anefa isika fa eo ambanin’ny fanapahan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka feno fahendrena sy fitiavana, dia ho araka ny tokony ho izy tsara ny zava-drehetra.

Tafaverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina, amin’ny alalan’ny Mesia

16. Inona no faneva ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny 537 al.f.i.?

16 Niharan’ny famelezana voalohany ny fivavahana madio, tao Edena, fony i Satana nahavita nitaona an’i Adama sy i Eva tsy hankatò an’i Jehovah. Mandraka androany, dia mbola tsy nahafoy ny tanjony hampiala olona betsaka araka izay azony atao, amin’Andriamanitra, i Satana. Tsy hamela na oviana na oviana ny fivavahana madio hanjavona eto an-tany anefa i Jehovah. Ny anarany no voakasika amin’izany, no sady miahy ny amin’ireo izay manompo azy izy. Noho izany, dia nampiasa an’i Isaia izy mba hanome izao fampanantenana manaitra izao: “Amin’izany andro izany ny Solofon’i Jese, izay hitsangana ho fanevan’ny firenena, dia Izy no hotadiavin’ny jentilisa; ary ny fitoerany dia ho voninahitra.” (Isaia 11:10). Tany amin’ny taona 537 al.f.i., i Jerosalema, ilay tanàna nataon’i Davida renivohi-pirenena, dia tonga faneva, niantso sisa nahatoky tamin’ilay vahoaka jiosy niparitaka, mba hiverina sy hanorina indray ilay tempoly.

17. Ahoana no ‘nitsanganan’i Jesosy hanapaka ny jentilisa’ tamin’ny taonjato voalohany sy tamin’izao androntsika izao?

17 Kanefa, manondro zavatra mihoatra noho izany ilay faminaniana. Araka ny efa hitantsika, dia manondro ny fanapahan’ny Mesia, ilay hany tena Mpitarika ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izy io. Nanonona ny Isaia 11:10 ny apostoly Paoly, mba hampisehoana fa tamin’ny androny, dia hanana ny toerany ao amin’ny kongregasiona kristianina ny olona avy amin’ireo firenena. Nanonona io andinin-teny io avy tamin’ny fandikan-tenin’ny Septante izy, ka nanoratra hoe: “Hoy (...) Isaia: ‘Hisy Solofon’i Jese, dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa: Izy no hitokian’ny jentilisa.’ ” (Romana 15:12). Ambonin’izany, dia mahatratra atỳ lavitra kokoa aza ilay faminaniana​—hatratỳ amin’ny androntsika mihitsy, izay ahitana olona avy amin’ireo firenena mampiseho ny fitiavany an’i Jehovah, amin’ny fanohanana ireo voahosotra, rahalahin’ny Mesia.​—Isaia 61:5-9; Matio 25:31-40.

18. Amin’izao androntsika izao, amin’ny ahoana i Jesosy no toeram-pamoriana olona?

18 Amin’ny fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny, “izany andro izany”, izay resahin’i Isaia eto, dia nanomboka fony ny Mesia nomena fiandrianana ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra tamin’ny 1914. (Lioka 21:10; 2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 12:10). Hatramin’izay, i Jesosy Kristy dia faneva mazava tsara, toerana amoriana ny Isiraely ara-panahy sy ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay maniry fitondram-panjakana marina. Teo ambanin’ny fitarihan’ny Mesia, dia efa tonga hatrany amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha. (Matio 24:14; Marka 13:10). Manan-kery lehibe io vaovao tsara io. ‘Misy olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra’ manaiky hofehezin’ny Mesia, ka manatevin-daharana ny sisa voahosotra ao amin’ny fivavahana madio. (Apokalypsy 7:9). Olona vaovao mihamaro hatrany no tonga mifanerasera amin’ny sisa voahosotra, ao amin’ny “trano fivavahana” ara-panahin’i Jehovah, ka vao mainka mampitombo ny voninahitry ny ‘fitoeran’ny’ Mesia, izany hoe ny tempoly lehibe ara-panahin’Andriamanitra.​—Isaia 56:7; Hagay 2:7.

Manompo an’i Jehovah ny vahoaka tafaray iray

19. Tamin’ny toe-javatra roa inona avy no namerenan’i Jehovah sisa tamin’ny olony izay niely eran’ny tany?

19 Nanaraka izany, dia nampahatsiahy an’ireo Isiraelita i Isaia fa efa namonjy azy ireo indray mandeha i Jehovah taloha, fony ilay firenena nampahorin’ny fahavalo nahery iray. Nankamamin’ny Jiosy nahatoky rehetra iny tapany amin’ny tantaran’ny Isiraely iny​—ny nanafahan’i Jehovah ilay firenena tamin’ny fahababoana tany Ejipta. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Amin’izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Asyria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata ary ny avy any amin’ny moron-dranomasina. Dia hanangana faneva ho an’ny jentilisa Izy ka hamory ny Isiraely izay voaroaka sy hanangona ny Joda izay voaely avy any amin’ny vazan-tany efatra.” (Isaia 11:11, 12). Toy ny hoe hitantana azy ireo i Jehovah, ka hitarika sisa nahatoky tamin’ny Isiraely sy ny Joda avy any amin’ireo firenena izay nielezan’izy ireo, ary hitondra azy ireo hody soa aman-tsara. Tanteraka tamin’ny ambaratonga kely izany, tamin’ny 537 al.f.i. Ho be voninahitra lavitra noho izany anefa ny fahatanterahany amin’ny ambaratonga lehibe! Tamin’ny 1914, dia nanangana an’i Jesosy Kristy nomena fiandrianana, ho “faneva ho an’ny jentilisa”, i Jehovah. Nanomboka tamin’ny 1919, dia nirohotra ho amin’io faneva io ny sisa tavela amin’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, may ny hanaraka ny fivavahana madio eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nivoaka avy tamin’ny “fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” io firenena ara-panahy tsy manam-paharoa io.​—Apokalypsy 5:9.

20. Firaisan-tsaina nanao ahoana no nisy teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra tafaverina avy tany Babylona?

20 Izao i Isaia dia nilazalaza ilay firaisan-tsain’ilay firenena tafaverina tany amin’ny taniny. Niantso ilay fanjakana tany avaratra hoe Efraima izy ary ilay fanjakana tany atsimo hoe Joda, ka nanao hoe: “Hitsahatra ny fialonan’i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana an’i Joda: Efraima tsy hialona an’i Joda, ary Joda tsy handrafy an’i Efraima. Fa hipaoka ny tanin’ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tànany, ary ny taranak’i Amona hanoa azy.” (Isaia 11:13, 14). Rehefa hiverina avy any Babylona ny Jiosy, dia tsy hizara ho firenena roa intsony. Ho tafaray ny mpikambana ao amin’ireo foko rehetran’ny Isiraely, rehefa hiverina any amin’ny taniny. (Ezra 6:17). Tsy hifaneho lolompo na fandrafiana intsony izy ireo. Ho vahoaka tafaray izy ireo, ka handresy an’ireo fahavalony ao amin’ireo firenena manodidina.

21. Nahoana no tena miavaka ny firaisan-tsain’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao?

21 Vao mainka manaitra noho izany aza ny firaisan-tsain’ny “Isiraelin’Andriamanitra”. Ireo foko 12 ara-panoharan’ny Isiraely ara-panahy dia manana firaisan-tsaina miorina amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny rahalahiny sy anabaviny ara-panahy, efa ho hatramin’ny 2 000 taona izao. (Kolosiana 3:14; Apokalypsy 7:4-8). Ankehitriny, ny vahoakan’i Jehovah​—na ny Isiraelita ara-panahy izany na ireo manantena ny hiaina eto an-tany​—dia ao anatin’ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina maneran-tany eo ambanin’ny fanapahan’ny Mesia, toe-piainana izay tsy fantatra ao amin’ireo fiangonan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Toy ny vahoaka iray tsy mivaky ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah, manohitra ny ezaka ataon’i Satana mba hanakantsakanana ny fivavahany. Miray hina tanteraka ilay vahoaka, manatontosa ilay asa nanirahan’i Jesosy azy hitory sy hampianatra ny vaovao tsaran’ny fanjakan’ny Mesia any amin’ny firenena rehetra.​—Matio 28:19, 20.

Ho resy ireo sakana

22. Ahoana no ‘handritan’i Jehovah ny sakeli-dranomasina ejipsianina’ sy ‘haninjirany ny tanany amin’ny Ony’?

22 Nisy sakana maro, na ara-bakiteny na ara-panoharana, nanembantsembana ny fiverenan’ny Isiraelita avy tany an-tsesitany. Ahoana no handresen’izy ireo azy ireny? Hoy i Isaia: “Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin’ny Ony ka hamely azy amin’ny rivony mahamay ka hampisaraka azy hisampana fito ary haha-tafita ny olona tsy miala kapa.” (Isaia 11:15). I Jehovah no hanaisotra izay rehetra hanakantsakana ny fiverenan’ny vahoakany hody. Na dia ny sakana goavana toy ny sakeli-dranon’ny Ranomasina Mena (toy ny Hoalan’i Suez), na ny sakana tsy azo dinganina toy ny Ony Eofrata mahery, aza dia ho ritra, raha azo atao ny milaza izany, mba hahafahan’ny olona iray hita azy, tsy manala kapa akory!

23. Amin’ny fomba ahoana no ‘hisian’ny lalana voavoatra iray avy any Asyria’?

23 Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nanomana ny lalana, mba hahafahan’ny Isiraely handositra avy tany Ejipta sy hiroso ho any amin’ny Tany Nampanantenaina, i Jehovah. Hanao zavatra mitovy amin’izany koa izy izao. “Hisy làlana voavoatra halehan’ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an’ny Isiraely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.” (Isaia 11:16). Hitarika an’ireo niverina nody avy tany an-tsesitany i Jehovah, toy ny hoe handeha eo amin’ny lalana voavoatra iray avy tany an-tsesitany ho any an-tanindrazany izy ireo. Hitady hanajanona azy ireo ny mpanohitra, nefa homba azy ireo ny Andriamaniny, dia i Jehovah. Ny Kristianina voahosotra sy ny namany amin’izao andro izao koa dia tafihina amin-kabibiana, nefa mandroso amin-kerim-po izy ireo! Nivoaka avy tao amin’i Asyria maoderina, ny tontolon’i Satana, izy ireo, ary manampy ny hafa hanao izany koa. Fantany fa hahomby sy hiroborobo ny fivavahana madio. Tsy olombelona no hanao izany, fa Andriamanitra.

Fifaliana tsy hisy farany ho an’ny olom-pehezin’ny Mesia!

24, 25. Hihiaka teny fiderana sy fankasitrahana inona ny vahoakan’i Jehovah?

24 Mampiasa teny feno hafaliana izao Isaia, mba hilazana ny faharavoan’ny vahoakan’i Jehovah, noho ny fahatanterahan’ilay teniny hoe: “Hiteny hianao amin’izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.” (Isaia 12:1). Henjana ny famaizana nampiharin’i Jehovah tamin’ilay vahoakany naniasia. Nahatratra ny zava-nokendreny anefa ilay izy, ka nampihavana ilay firenena taminy indray ary namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Nanome toky ny mpanompony nahatoky izy fa hamonjy azy ireo amin’ny farany. Tsy mahagaga raha naneho fankasitrahana izy ireo!

25 Nohamafisina tanteraka izao ny fatokisan’ireo Isiraelita an’i Jehovah, hany ka nihiaka izy ireo hoe: “Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; fa Jehovah Tompo no heriko sy fidèrako, fa efa famonjena ahy Izy. Koa amin’ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ny loharanom-pamonjena.” (Isaia 12:2, 3). Ilay teny hebreo nadika hoe ‘fiderana’ eo amin’ny andininy faha-2 dia midika koa hoe ‘hira’. Nihiaka hiram-piderana ireo mpivavaka, noho ilay famonjena avy amin’i “Jehovah Tompo”, na “Jah Jehovah” (NW ). Fanafohezana ny anarana hoe Jehovah ny hoe “Jah”, ary ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hampitana fiderana sy fankasitrahana izay vao mainka nitombo. Ny fampiasana ny hoe “Jah Jehovah”​—ilay anaran’Andriamanitra natao verindroa​—àry dia mampitombo ny hamafin’ny fiderana an’Andriamanitra hahatratra ambaratonga ambony kokoa ihany.

26. Iza amin’izao andro izao no mampahafantatra any amin’ny firenena ireo zavatra ataon’Andriamanitra?

26 Tsy afaka mihazona ny fifaliany ho an’ny tenany ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah. Hoy ny nambaran’i Isaia mialoha: “Hiteny hianao amin’izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany, ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany. Mankalazà an’i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.” (Isaia 12:4, 5). Nanomboka tamin’ny 1919, ny Kristianina voahosotra​—izay nampian’ireo “ondry hafa” namany tatỳ aoriana​—dia ‘nilaza ny hatsaran’ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga’. “Taranaka voafidy, (...) firenena masina”, izy ireo, voatokana ho amin’izany zava-kendrena izany. (Jaona 10:16; 1 Petera 2:9). Manambara ireo voahosotra fa hasandratra ny anarana masin’i Jehovah, ary mampahafantatra azy io manerana ny tany izy ireo. Mitarika ny mpanompon’i Jehovah rehetra izy ireo hifaly noho io fandaharana nataony ho famonjena azy ireo io. Izany dia mifanaraka tsara amin’ilay hiakan’i Isaia manao hoe: “Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin’ny Isiraely”! (Isaia 12:6). I Jehovah Andriamanitra io Iray Masin’ny Isiraely io.

Miandrandrà ny hoavy amim-patokisana!

27. Matoky ny amin’inona ny Kristianina, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fanantenany?

27 Ankehitriny, dia olona an-tapitrisany maro no efa nirohotra ho amin’ilay “faneva ho an’ny jentilisa”​—i Jesosy Kristy nomena fiandrianana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Faly izy ireo manaiky hofehezin’io Fanjakana io, ary mientam-po izy ireo mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany. (Jaona 17:3). Mahita fahasambarana lehibe izy ireo, noho ilay fiarahana amin’ny Kristianina tafaray, ary miezaka mafy hitsimbina ilay fiadanana izay ny marika hamantarana ny tena mpanompon’i Jehovah. (Isaia 54:13). Miaiky izy ireo fa Andriamanitra manatanteraka ny fampanantenany i Jah Jehovah, ka matoky ny fanantenany sady mahita faharavoana lehibe mizara izany fanantenany izany amin’ny hafa. Enga anie ny mpanompon’i Jehovah tsirairay ka hanohy hampiasa ny heriny rehetra hanompoana an’Andriamanitra sy hanampiana ny hafa hanao izany koa. Aoka ny rehetra handray am-po ny tenin’i Isaia sy hifaly noho ilay famonjena amin’ny alalan’ny Mesian’i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Ny hoe “Mesia” dia avy amin’ilay teny hebreo hoe ma·shiʹach, izay midika hoe “Izay Voahosotra”. Ny teny grika mifanitsy aminy dia hoe Khri·stosʹ, na “Kristy”.​—Matio 2:4, NW, fanamarihana ambany pejy.

^ feh. 5 Ilay teny hebreo nadika hoe “tsimoka” dia hoe neʹtser, ary ilay nadika hoe “Nazarena” dia hoe Nots·riʹ.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 158]

Ny Mesia dia “solofo” avy amin’i Jese, amin’ny alalan’i Davida Mpanjaka

[Sary, pejy 162]

[Sary, pejy 170]

Ny Isaia 12:4, 5, hita ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (Nasongadina ireo toerana isehoan’ny anaran’Andriamanitra)