Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandraisana Fianarana avy Amin’ny Tsy Fahatokian’ny Hafa

Fandraisana Fianarana avy Amin’ny Tsy Fahatokian’ny Hafa

Toko Fahavalo Ambin’ny Folo

Fandraisana Fianarana avy Amin’ny Tsy Fahatokian’ny Hafa

Isaia 22:1-25

1. Nety ho nanao ahoana ny niaina tao amin’ny tanàna fahiny iray natao fahirano?

ALAO sary an-tsaina hoe niaina tao amin’ny tanàna fahiny iray natao fahirano ianao. Teo ivelan’ireo manda ny fahavalo​—sady natanjaka no lozabe. Fantatrao fa efa nisy tanàna maro hafa lavo teo anatrehany. Izao izy dia tapa-kevitra ny handresy sy handroba ny tanànanao ary hisavika sy hamono ny mponina ao. Nahery loatra ireo tafika fahavalo, ka tsy azo natrehina nivantana; ny hany azonao nantenaina dia ny hisakanan’ny mandan’ilay tanàna azy ireo tsy hiditra. Rehefa nijery tany ambadik’ireo manda ianao, dia nahita ireo tilikambo fanaovana fahirano nentin’ilay fahavalo. Nanana milina fanaovana fahirano, izay afaka nanipy vatobe mba hanamontsamontsanana ny fiarovanao, koa izy ireo. Nahita ireo lohondry vy fandravany sy ireo tohatra fianihany ianao, ary koa ireo mpandefa zana-tsipìkany sy kalesiny ary andia-miaramilany. Naharaiki-tahotra tokoa!

2. Oviana no nitranga ilay fanaovana fahirano voalaza ao amin’ny Isaia toko faha-22?

2 Ao amin’ny Isaia toko faha-22 isika dia mamaky momba ny fanaovana fahirano toy izany​—ny nanaovana fanafihana an’i Jerosalema. Oviana? Sarotra ny manondro marina ny nanaovana fahirano manokana iray nahatanterahan’ireo lafiny rehetra ireo. Miharihary fa ny tsara indrindra dia ny fandraisana io faminaniana io ho toy ny filazana ankapobe ny amin’ireo fanaovana fahirano maro samihafa an’i Jerosalema, ho toy ny fampitandremana ankapobe ny amin’izay ho avy.

3. Nanao ahoana ny fihetsiky ny mponin’i Jerosalema teo anoloan’ilay fanaovana fahirano voalazan’i Isaia?

3 Teo anoloan’ilay fanaovana fahirano voalazan’i Isaia, inona moa no nataon’ny mponin’i Jerosalema? Ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena izy ireo. Koa moa àry ve izy ireo niantso an’i Jehovah mba hamonjy azy? Tsia, nampiseho fihetsika tena tsy naneho fahendrena izy ireo, toy izay hita ankehitriny eo amin’ny olona maro mihambo ho manompo an’Andriamanitra.

Tanàna iray natao fahirano

4. a) Inona moa ilay “Lohasahan’ny Fahitana”, ary nahoana izy io no nitondra io anarana io? b) Nanao ahoana ny fahasalamana ara-panahin’ny mponin’i Jerosalema?

4 Tao amin’ny Isaia toko faha-21, ny tsirairay tamin’ireo hafatra fanamelohana telo dia nanomboka tamin’ilay teny hoe “Faminaniana ny amin’ny”. (Isaia 21:1, 11, 13). Manomboka toy izany koa ny toko faha-22. “Faminaniana ny amin’ny Lohasahan’ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa hianareo”. (Isaia 22:1). Manondro an’i Jerosalema ny hoe “Lohasahan’ny Fahitana”. Nantsoina hoe lohasaha ilay tanàna, satria, na dia avo aza izy io, dia voahodidina tendrombohitra avo noho izy io. Ampifandraisina amin’ny “fahitana” izy io, satria fahitana sy fanambarana maro avy tamin’Andriamanitra no nomena tao. Noho izany antony izany, dia tokony hitandrina ny tenin’i Jehovah ny mponin’ilay tanàna. Tsy niraharaha azy kosa izy ireo, fa nania ka nanaraka fivavahan-diso. Ilay fahavalo nanao fahirano ilay tanàna dia fitaovana nampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ilay vahoakany naniasia.​—Deoteronomia 28:45, 49, 50, 52.

5. Inona no nety ho antony niakaran’ny olona teny an-tampon’ny tranony?

5 Mariho fa ‘niakatra teny an-tampon’ny tranony avokoa’ ny mponin’i Jerosalema. Tamin’ny andro fahiny, dia marin-tampona ny tafon’ireo trano teo amin’ny Isiraely, ary niara-nivory teny matetika ireo fianakaviana. Tsy nolazain’i Isaia ny antony nanaovan’izy ireo izany tamin’io fotoana io, nefa ny teniny dia maneho tsy fankasitrahana. Azo inoana àry fa nankeny an-tampon-trano izy ireo, mba hitalaho tamin’ireo andriamani-disony. Izany no fanaon’izy ireo tamin’ireo taona talohan’ny nandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i.​—Jeremia 19:13; Zefania 1:5.

6. a) Toe-piainana nanao ahoana no nanjaka tao Jerosalema? b) Nahoana ny sasany no niravoravo, nefa inona no niandry azy ireo?

6 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: ‘Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo, ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ady.’ (Isaia 22:2). Olona sesehena no nirohotra nankao amin’ilay tanàna izay feno fisafotofotoana izaitsizy izao. Nitabataba sady natahotra ny olona teny amin’ny arabe. Ny sasany anefa niravoravo, angamba satria nahatsiaro ho voaro na nino fa efa lasa ny loza. * Hadalana anefa ny niravoravoana tamin’io fotoana io. Maro tao amin’ilay tanàna no ho faty rehefa avy nijalijaly mafy lavitra noho ny amin’ny sabatra. Tapaka ny famatsian-tsakafon’ny tanàna iray atao fahirano. Mihamihena ny vatsiny. Mitondra valanaretina ny olona maty mosary sy ny mponina mifanizina. Maro tao Jerosalema àry no ho faty noho ny mosary sy ny areti-mandringana. Izany dia nitranga tamin’ny 607 al.f.i. ary koa tamin’ny 70 am.f.i.​—2 Mpanjaka 25:3; Fitomaniana 4:9, 10. *

7. Inona no nataon’ireo mpanapaka tao Jerosalema nandritra ilay fanaovana fahirano, ary inona no nanjo azy ireo?

7 Tao anatin’io fotoan-tsarotra io, nanao ahoana ny fitarihana nomen’ireo mpanapaka tao Jerosalema? Hoy ny valin-tenin’i Isaia: “Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.” (Isaia 22:3). Nandositra ireo mpanapaka sy lehilahy mahery, nefa avy eo dia tratra! Tsy nisy tsipìka nahenjana hamelezana azy ireo akory, nefa tratra ka nentina ho babo izy ireo. Izany dia nitranga tamin’ny 607 al.f.i. Rehefa vaky ny mandan’i Jerosalema, dia nandositra tamin’ny alina niaraka tamin’ireo lehilahiny mahery, i Zedekia Mpanjaka. Ren’ny fahavalo izany, ka nanenjika azy izy ireo, ary nahatratra azy teo amin’ireo tany lemak’i Jeriko. Niparitaka ireo lehilahy mahery, fa i Zedekia kosa voasambotra, natao jamba, nafatotra tamin’ny gadra varahina, ary notaritaritina nankany Babylona. (2 Mpanjaka 25:2-7). Endrey izany vokatra mampalahelon’ny tsy fahatokiana!

Fahakiviana noho ilay loza

8. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Isaia, teo anoloan’ilay faminaniana nilaza loza ho an’i Jerosalema? b) Inona no zavatra ho hita ao Jerosalema?

8 Nanohina lalina an’i Isaia io faminaniana io. Hoy izy: “Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy.” (Isaia 22:4). Nalahelo noho ilay faminaniana momba ny hanjo an’i Moaba sy i Babylona i Isaia. (Isaia 16:11; 21:3). Izao ny fahakiviany sy ny fitomaniany dia vao mainka mafy, eo am-pisaintsainany momba ny loza hanjo ny fireneny. Tsy azo nampiononina izy. Nahoana? “Fa ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana dia misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny mànda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra.” (Isaia 22:5). Ho feno fitabatabana i Jerosalema. Hivezivezy etsy sy eroa ny olona, noho ny tahotra mampivadi-po. Rehefa hanomboka hamaky ireo mandan’ilay tanàna ny fahavalo, dia hisy ‘fidradradradrana hanako hatrany an-tendrombohitra’. Midika ve izany fa hiantso an’Andriamanitra ao amin’ny tempoliny masina eo amin’ny Tendrombohitra Moria ny mponin’ilay tanàna? Angamba. Rehefa heverina anefa ny tsy fahatokian’izy ireo, ny mety ho hevitr’izany fotsiny dia hoe hanako ara-bakiteny any amin’ireo tendrombohitra manodidina ny hiakiaka feno horohoron’izy ireo.

9. Lazalazao ilay tafika nandrahona an’i Jerosalema.

9 Karazana fahavalo nanao ahoana no nandrahona an’i Jerosalema? Hoy ny lazain’i Isaia amintsika: “Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin’ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; ary Kira manaisotra ny fonon’ampinga.” (Isaia 22:6). Tsy toko tsy forohana ny fitaovam-piadian’ireo fahavalo. Nisy mpandefa zana-tsipìka, izay nanana tranon-jana-tsipìka feno, teo amin’izy ireo. Nanomana ny ampingany ho amin’ny ady ireo mpiady. Nanana kalesy sy soavaly voaofana ho amin’ny ady izy ireo. Ny tafiny dia voaforona miaramila avy tany Elama, tany avaratr’izay fantatra ho ny Hoala Persika ankehitriny, sy avy tany Kira, izay nety ho teo akaikin’i Elama. Ny fanononana an’ireo tany ireo dia mampiseho fa avy tany amin’ny lavitra be no niavian’ireo mpanafika. Asehony koa fa nety ho nisy Elamita mpandefa zana-tsipìka tao amin’ilay tafika nandrahona an’i Jerosalema tamin’ny andron’i Hezekia.

Fanandramana hiaro tena

10. Fizotran-javatra nanao ahoana no nilaza loza ho an’ilay tanàna?

10 Milaza ny fizotran-javatra toy izao i Isaia: “Izay tsara indrindra amin’ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady. Dia alana ny fisalobonan’i Joda”. (Isaia 22:7, 8a). Nifanizina teo amin’ireo tany lemaka ivelan’ny tanànan’i Jerosalema ireo kalesy sy soavaly, ary naka toerana mba hanafika ireo vavahadin’ilay tanàna. Inona moa ilay “fisalobonan’i Joda” izay nalana? Izany dia nety ho vavahady iray tamin’ilay tanàna, ka ny fakana azy io dia nilaza loza ho an’ireo mpiaro azy. * Rehefa voala io fisalobonana fiarovana io, dia hibanabana ho an’ireo mpanafika ilay tanàna.

11, 12. Fomba fiarovana inona avy no nataon’ny mponin’i Jerosalema?

11 Izao i Isaia dia mifantoka amin’ireo fanandramana hiaro tena nataon’ilay vahoaka. Ny zavatra voalohany tonga tao an-tsain’izy ireo​—ny fitaovam-piadiana! “Mijery ny fiadiana ao an-Tranoala hianao amin’izany andro izany. Ary hitanareo fa banga be ihany ny Tanànan’i Davida; ary mamory ny rano avy amin’ny kamory ambany hianareo.” (Isaia 22:8b, 9). Notahirizina tao amin’ilay tranoala ireo fitaovam-piadiana. I Solomona no nanorina io tranoala io. Koa satria natao tamin’ny hazo sedera avy tany Libanona izy io, dia nanjary fantatra tamin’ny hoe “trano Alan’i Libanona”. (1 Mpanjaka 7:2-5). Nizaha ireo vaky tamin’ilay manda izy ireo, ary nanangona rano​—fomba fiarovana lehibe iray. Nila rano ny olona mba hivelomana. Raha tsy nisy rano, dia tsy hahatohitra ny tanàna iray. Mariho anefa fa tsy nisy resaka na dia kely aza momba ny fitodihana tany amin’i Jehovah mba hahazoana famonjena. Niantehitra tamin’ny hevitry ny tenany manokana kosa izy ireo. Enga anie isika tsy hanao izany fahadisoana izany na oviana na oviana!​—Salamo 127:1.

12 Inona no azo natao momba ireo vaky tamin’ny mandan’ilay tanàna ireo? “Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny mànda.” (Isaia 22:10). Nanombana ireo trano izy ireo, mba hahitana izay azo noravana mba hahazoana fitaovana hanamboarana ny simba tamin’ilay manda vaky. Izany ezaka izany dia natao mba hisakanana ny fahavalo tsy hifehy tanteraka an’ilay manda.

Vahoaka tsy nahatoky

13. Ahoana no niezahan’ny olona hahazo rano, nefa iza no nohadinoin’izy ireo?

13 “Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny mànda roa hianareo halehan’ny rano avy amin’ny kamory ela; kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao hianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.” (Isaia 22:11). Ireo ezaka natao mba hanangonan-drano, voalaza eto sy tao amin’ny andininy faha-9, dia mampahatsiahy antsika ny nataon’i Hezekia Mpanjaka mba hiarovana ilay tanàna tamin’ny fanafihan’ny Asyrianina. (2 Tantara 32:2-5). Kanefa ireo olona tao amin’ilay tanàna voalazan’io faminanian’i Isaia io dia olona faran’izay tsy nahatoky. Teo am-panomanana ny fiarovana an’ilay tanàna, dia tsy nieritreritra velively an’ilay Mpamorona izy ireo, nifanohitra tamin’i Hezekia.

14. Na dia teo aza ny hafatra fampitandreman’i Jehovah, fihetsika tsy naneho fahendrena inona no nananan’ilay vahoaka?

14 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Amin’izany andro izany Jehovah, Tompon’ny maro, hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana. Kanjo he izato hafaliana sy haravoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman-osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (Isaia 22:12, 13). Tsy nampiseho fanenenana noho ny nikomiany tamin’i Jehovah ny mponin’i Jerosalema. Tsy nitomany izy ireo, na nanapaka ny volony, na nitafy lamba fisaonana ho mariky ny fibebahana. Raha nanao izany izy ireo, dia nety ho notsimbinin’i Jehovah tamin’ireo zava-nahatsiravina ho avy. Nanaram-po tamin’ny fahafinaretan’ny nofo kosa izy ireo. Hita eo amin’ny olona maro izay tsy manam-pinoana an’Andriamanitra koa ny fihetsika toy izany ankehitriny. Noho izy ireo tsy manam-panantenana​—na ny fitsanganana amin’ny maty na ny fiainana ho avy eto amin’ny tany zary Paradisa​—dia manaraka fiainana feno fanaranam-po izy ireo, amin’ny filazana hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.” (1 Korintiana 15:32). Endrey izany tsy fitsinjovana lavitra! Raha mba mitoky amin’i Jehovah mantsy izy ireo, dia hahazo fanantenana maharitra!​—Salamo 4:6-8; Ohabolana 1:33.

15. a) Inona no hafatra fanamelohan’i Jehovah an’i Jerosalema, ary iza no hanatanteraka ny didim-pitsarany? b) Nahoana no hitovy amin’izay nanjo an’i Jerosalema ny hiafaran’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?

15 Tsy hahita fiarovana ny mponin’i Jerosalema natao fahirano. Hoy i Isaia: “Nambaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Isaia 22:14). Noho ny hamafisam-pon’ilay vahoaka, dia tsy hisy famelan-keloka. Tsy maintsy ho tonga ny fahafatesana. Azo antoka izany. I Jehovah, Tompon’ny maro, no nilaza izany. Ho fahatanterahan’ireo teny ara-paminanian’i Isaia, dia tonga indroa teo amin’i Jerosalema tsy nahatoky ny loza. Noringanin’ireo tafik’i Babylona izy io, ary tatỳ aoriana dia noringanin’ireo tafik’i Roma. Hisy loza toy izany koa hanjo ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina tsy nahatoky, noho ireo mpikambana ao aminy mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa mandà azy amin’ny asany, raha ny tena izy. (Titosy 1:16). “Efa nitehika tamin’ny lanitra” ny fahotan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ary koa ny an’ireo fivavahana hafa rehetra amin’ny tany, izay maniratsira ny lalana marin’Andriamanitra. Sahala amin’ny helok’i Jerosalema nivadi-pinoana, dia lehibe loatra ny helok’izy ireo, ka tsy hahazo famelana.​—Apokalypsy 18:5, 8, 21.

Mpitandrin-draharaha tia tena

16, 17. a) Iza izao no nahazo hafatra fampitandremana avy tamin’i Jehovah, ary nahoana? b) Noho ny fikendreny zavatra avo dia avo, inona moa no hanjo an’i Sebna?

16 Mampitodika ny sainy, avy amin’ny vahoaka manontolo tsy nahatoky, ho amin’ny olona iray tsy nahatoky, izao i Isaia. Hoy ny nosoratany: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Andeha mankao amin’ilay [mpitandrin-draharaha, “NW” ] io, dia ao amin’i Sebna, lehiben’ny ao an-dapa, ka ataovy hoe: Manao inona etỳ hianao, ary inonao moa no etỳ, no manao fasana etỳ hianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin’ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato?”​—Isaia 22:15, 16.

17 ‘Mpitandrin-draharaha tao an-dapa’, angamba ny lapan’i Hezekia Mpanjaka, i Sebna. Araka izany, dia nanana toeram-pahefana izy, nanarakaraka ny mpanjaka avy hatrany. Be dia be no nandrasana taminy. (1 Korintiana 4:2, NW ). Kanefa, raha tokony ho nikarakara voalohany indrindra ireo raharahan’ilay firenena i Sebna, dia nikatsaka voninahitra ho an’ny tenany manokana izy. Nampanao fasana fatratra iray​—nitovy tamin’ny an’ny mpanjaka​—ho an’ny tenany, teny amin’ny haram-bato izy. Nahita izany i Jehovah, ka nanome tsindrimandry an’i Isaia mba hampitandrina an’ilay mpitandrin-draharaha tsy nahatoky: “Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy hianao, dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hakodiadiany ho any amin’ny tany malalaka; dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ny voninahitrao, ry ilay henatry ny mpianakavin’ny tomponao. Ary horoahiko hiala amin’ny fitoeranao hianao sy haongako hiala amin’ny raharahanao.” (Isaia 22:17-19). Noho ny tsy nahalalany afa-tsy ny tenany, dia tsy hanana na dia fasana tsotra akory aza i Sebna ao Jerosalema. Hatsipy toy ny kodiarana, na baolina, mba ho faty any an-tany lavitra, kosa izy. Izany dia mirakitra fampitandremana ho an’izay rehetra nanankinana fahefana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny fanararaotam-pahefana dia hitarika ho amin’ny famoizana izany fahefana izany ary angamba ho amin’ny fandroahana.

18. Iza no hisolo an’i Sebna, ary inona no hevitry ny hahazoan’izy io ireo fitafiana ofisialin’i Sebna sy ny fanalahidin’ny tranon’i Davida?

18 Ahoana anefa no hanesorana an’i Sebna eo amin’ny toerany? Hoy ny fanazavan’i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: “Amin’izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia; ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin’ny fehin-kibonao izy; ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’i Joda izy. Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida; dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.” (Isaia 22:20-22). Hisolo an’i Sebna i Eliakima, ka homena ireo fitafiana ofisialin’ny mpitandrin-draharaha, ary koa ny fanalahidin’ny tranon’i Davida. Mampiasa ny teny hoe “fanalahidy” ny Baiboly, ho mariky ny fahefana, ny fitondram-panjakana, na ny hery. (Ampitahao amin’ny Matio 16:19.) Tamin’ny andro fahiny, ny mpanolo-tsaina ny mpanjaka, izay nanankinana ireo fanalahidy, dia nety ho niandraikitra tamin’ny ankapobeny ireo efitry ny mpanjaka, ka nanapa-kevitra ny amin’ireo hofidina hanompo ny mpanjaka mihitsy aza. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 3:7, 8.) Araka izany, dia zava-dehibe ny anjara raharahan’ny mpitandrin-draharaha, ary be dia be no nandrasana tamin’izay nanompo toy izany. (Lioka 12:48). Nety ho nahay i Sebna, nefa noho izy tsy nahatoky, dia hosoloan’i Jehovah.

Fihantonan-javatra ara-panoharana roa

19, 20. a) Amin’ny ahoana i Eliakima no ho fitahiana ho an’ny fireneny? b) Inona no hanjo an’ireo izay manohy miantehitra amin’i Sebna?

19 Farany, dia mampiasa teny ara-panoharana i Jehovah, mba hilazana ny famindram-pahefana avy tamin’i Sebna ho amin’i Eliakima. Hoy izy: “Hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ny fitoerana mafy izy [Eliakima] ka ho sezam-boninahitra ho an’ny mpianakavin-drainy. Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinika rehetra hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samy hafa rehetra. Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia hiala ilay fihantonan-javatra [Sebna] voatsatoka teo amin’ny fitoerana mafy; eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; fa Jehovah no efa niteny.”​—Isaia 22:23-25.

20 Ao amin’ireo andinin-teny ireo, ilay fihantonan-javatra voalohany dia i Eliakima. Ho tonga “sezam-boninahitra” ho an’ny mpianakavy, na tranon’i Hilkia, rainy, izy. Tsy hitovy amin’i Sebna izy, ka tsy hanala baraka ny trano, na ny lazan’ny rainy. I Eliakima dia ho tohana maharitra ho an’ny fanaka ao an-tokantrano, izany hoe ny hafa rehetra manompo ny mpanjaka. (2 Timoty 2:20, 21). Mifanohitra amin’izany kosa, fa ilay fihantonan-javatra faharoa dia i Sebna. Na dia nety ho toa nitsatoka mafy aza izy, dia hesorina. Izay rehetra hanohy hiantehitra aminy dia hianjera.

21. Amin’ny andro ankehitriny, iza, sahala amin’i Sebna, no nosoloana, nahoana, ary iza no nisolo azy?

21 Ny zava-nitranga tamin’i Sebna dia mampahatsiahy antsika fa eo anivon’ireo izay milaza tena ho manompo an’Andriamanitra, ireo izay manaiky tombontsoam-panompoana dia tokony hampiasa izany mba hanompoana ny hafa sy hiderana an’i Jehovah. Tsy tokony hanararaotra ny toerany izy ireo, mba hampanan-karena tena na mba hahazoan’ny tenany toerana ambony. Ohatra, ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia nanandra-tena efa hatramin’ny ela ho mpitandrin-draharaha voatendry, izany hoe ho ny solontenan’i Jesosy Kristy eto an-tany. Kanefa, toa an’i Sebna nahafa-boninahitra an-drainy, tamin’ny fitadiavana laza ho an’ny tenany manokana, ireo mpitarika ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina dia nahafa-boninahitra ny Mpamorona, tamin’ny fangoronana harena sy fahefana ho an’ny tenany. Noho izany, rehefa tonga ny fotoana ‘niantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra’ tamin’ny 1918, dia nesorin’i Jehovah ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Nisy mpitandrin-draharaha iray hafa nampahafantarina​—ny “mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina”​—sy notendrena hanapaka ny ankohonan’i Jesosy eto an-tany. (1 Petera 4:17; Lioka 12:42-44). Io kilasin’olona io dia niseho ho mendrika ny hiantsoroka ny “fanalahidin’ny” tranon’i Davida, na ny fanjakany. Toy ny “fihantonan-javatra” mendri-pitokisana, dia niseho ho tohana azo nitokisana ho an’ireo “fanaka” samy hafa rehetra izy io, dia ireo Kristianina voahosotra manana andraikitra samy hafa ary miantehitra aminy mba hahazoana hanina ara-panahy. Ny “ondry hafa” koa, sahala amin’ny ‘vahiny tao amin’ny vavahadin’i’ Jerosalema fahiny, dia miantehitra amin’io “fihantonan-javatra” io, dia i Eliakima maoderina.​—Jaona 10:16; Deoteronomia 5:14.

22. a) Nahoana no tonga tamin’ny fotoana nilana azy ny fanoloana an’i Sebna? b) Amin’ny andro ankehitriny, nahoana no tonga tamin’ny fotoana nilana azy ny fanendrena ny “mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina”?

22 Nisolo an’i Sebna i Eliakima, fony nandrahona an’i Jerosalema i Sankeriba sy ny tariny. Toy izany koa, ny “mpitandrin-draharaha mahatoky sy manan-tsaina” dia notendrena mba hanompo mandritra ny fotoan’ny farany, izay hifarana rehefa hanafika farany “ny Isiraelin’Andriamanitra” sy ny ondry hafa namany, i Satana sy ny tafiny. (Galatiana 6:16). Toy ny tamin’ny andron’i Hezekia, dia hifarana amin’ny fandringanana ny fahavalon’ny fahamarinana io fanafihana io. Ho tafita velona ireo izay miankina amin’io “fihantonan-javatra eo amin’ny fitoerana mafy” io, izany hoe ny mpitandrin-draharaha mahatoky, toy ireo mponina nahatoky tao Jerosalema, izay tafita velona tamin’ny fanafihan’ny Asyrianina an’i Joda. Tena fahendrena àry ny tsy hifikirana amin’ilay “fihantonan-javatra” nalam-baraka, dia ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina!

23. Inona no nanjo an’i Sebna tamin’ny farany, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

23 Inona no nanjo an’i Sebna? Tsy misy tatitra momba ny nahatanterahan’ilay faminaniana momba azy voarakitra ao amin’ny Isaia 22:18. Rehefa nanandra-tena izy ka nalam-baraka avy eo, dia nitovy tamin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Nety ho naka fianarana avy tamin’ilay famaizana anefa izy. Raha ny amin’io, dia tena tsy nitovy tamin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina izy. Rehefa nitaky ny hilavoan’i Jerosalema lefona ilay Rabsake asyrianina, i Eliakima, ilay mpitandrin-draharaha vaovaon’i Hezekia, dia nitarika an’ilay antokon’olona hihaona taminy. Kanefa teo akaikiny i Sebna, izay mpitan-tsoratry ny mpanjaka tamin’izay. Miharihary fa mbola nanompo ny mpanjaka i Sebna. (Isaia 36:2, 22). Izany ka fianarana tsara dia tsara ho an’ireo izay namoy toeram-panompoana tao amin’ny fandaminan’Andriamanitra! Tsy hanjary sosotra mafy na hitahiry lolompo izy ireo, fa ho hendry kosa, raha manohy manompo an’i Jehovah amin’izay toerana rehetra anomezany lalana azy. (Hebreo 12:6). Amin’ny fanaovana izany, dia tsy hiharan’ilay loza hianjady amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina izy ireo. Hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fitahiany hatrany amin’ny mandrakizay izy ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tamin’ny 66 am.f.i., dia Jiosy maro no niravoravo, rehefa niala ireo tafika romanina nanao fahirano an’i Jerosalema.

^ feh. 6 Araka an’i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, tamin’ny 70 am.f.i., dia mafy aoka izany ny mosary tao Jerosalema, hany ka nihinana hoditra sy ahitra ary mololo ny olona. Araka ny tatitra iray, dia nisy reny iray nanatsatsika sy nihinana ny zanany lahy.

^ feh. 10 Afa-tsy izany, ilay “fisalobonan’i Joda” dia mety hanondro zavatra hafa niaro an’ilay tanàna, toy ny toerana voaro mafy, nitahirizana fiadiana sy nitobian’ny miaramila.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 231]

Rehefa nandositra i Zedekia, dia voasambotra ary natao jamba

[Sary, pejy 232, 233]

Nanjombona ny fahatsinjovan-javatra ho an’ny Jiosy voatana tao Jerosalema

[Sary, pejy 239]

Nataon’i Hezekia “fihantonan-javatra eo amin’ny fitoerana mafy” i Eliakima

[Sary, pejy 241]

Sahala amin’i Sebna, maro amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina no nahafa-boninahitra ny Mpamorona tamin’ny fangoronana harena

[Sary, pejy 242]

Amin’ny andro ankehitriny, dia nisy kilasin’ny mpitandrin-draharaha mahatoky notendren’i Jesosy hanapaka ny ankohonany