Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah

Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah

Toko Fahafito Amby Roapolo

Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah

Isaia 34:1-17

1, 2. a) Afaka matoky ny amin’ny inona isika, raha ny amin’ny famalian’i Jehovah? b) Inona no tanterahin’Andriamanitra, rehefa mampihatra famaliana izy?

MANANA faharetana i Jehovah Andriamanitra, tsy amin’ireo mpanompony mahatoky ihany, fa amin’ireo fahavalony koa, rehefa manome antony tsara hanehoany izany ny fikasany. (1 Petera 3:19, 20; 2 Petera 3:15). Mety tsy hankasitraka ny faharetany ireo fahavalon’i Jehovah, ary mety hihevitra azy io ho tsy fahaizana na tsy fahavononana hanao zavatra. Na dia izany aza, araka ny asehon’ny toko faha-34 amin’ny Isaia, dia hampamoaka ireo fahavalony foana i Jehovah amin’ny farany. (Zefania 3:8). Nisy fotoana namelan’Andriamanitra an’i Edoma sy ny firenena hafa hanohitra ny vahoakany, tsy nisy fanakantsakanana. Nanana ny fotoana voatondrony hampiharana famaliana anefa i Jehovah. (Deoteronomia 32:35). Toy izany koa, amin’ny fotoana voatondrony, dia hampihatra ny famaliany amin’ny tapany rehetra amin’ny tontolo ratsy ankehitriny, izay mihantsy ny fiandrianany, i Jehovah.

2 Ny zava-kendrena voalohan’ny famalian’Andriamanitra dia mba hampisehoana ny fiandrianany sy hanomezam-boninahitra ny anarany. (Salamo 83:13-18). Manamarina an’ireo mpanompony ho tena solontenany koa ny famaliany, no sady manafaka azy ireo amin’ny toe-javatra tsy faniry. Ambonin’izany, dia mifanaraka tanteraka amin’ny rariny foana ny famalian’i Jehovah.​—Salamo 58:10, 11.

Mihainoa ianareo, ry firenena

3. Fanasana inona no nampitain’i Jehovah tamin’ireo firenena, tamin’ny alalan’i Isaia?

3 Talohan’ny nifantohana tamin’ny famaliana an’i Edoma, dia nampita izao fanasana lehibe izao tamin’ny firenena rehetra aloha i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: “Manatòna, hianareo jentilisa, mba handre; ary mihainoa, hianareo firenena; aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.” (Isaia 34:1). Niverimberina nanameloka an’ireo firenena tsy tia an’Andriamanitra ilay mpaminany. Izao izy dia hamintina ireo fanamelohan’Andriamanitra azy ireo. Misy heviny ho antsika amin’izao andro izao ve ireny fampitandremana ireny?

4. a) Inona no nangatahina hataon’ireo firenena, araka ny Isaia 34:1? b) Moa ve ny fampiharan’i Jehovah didim-pitsarana amin’ireo firenena manaporofo fa Andriamanitra lozabe izy? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 363.)

4 Eny. Ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao dia manana ady hatao amin’ny tapany rehetra amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. Izany no antony nangatahana an’ireo “firenena” sy ny “tany” hihaino ilay hafatra miorina amin’ny Baiboly, izay nasain’i Jehovah nambara maneran-tany. Nampiasa teny mampahatsiahy ny Salamo 24:1 i Isaia, tamin’ny filazana fa ny tany manontolo dia ho rakotra an’io hafatra io​—dia faminaniana izay tanteraka amin’izao androntsika izao, noho ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah “hatramin’ny faran’ny tany”. (Asan’ny Apostoly 1:8). Tsy nihaino anefa ireo firenena. Tsy noheverin’izy ireo ho zava-dehibe ilay fampitandremana momba ny fiafarany ho avy. Mazava ho azy fa tsy hisakana an’i Jehovah tsy hanatanteraka ny teniny izany.

5, 6. a) Noho ny inona no hampamoahan’Andriamanitra an’ireo firenena? b) Inona no hevitry ny hoe “ny tendrombohitra hiempo azon’ny rany”?

5 Izao ilay faminaniana dia milaza ny amin’ny hoavy manjombona miandry an’ireo firenena tsy tia an’Andriamanitra​—izay mifanohitra tanteraka amin’ny fanantenana mamirapiratra ananan’ny vahoakan’Andriamanitra, izay lazalazaina aoriana kely. (Isaia 35:1-10). Hoy ilay mpaminany: “Jehovah dia tezitra amin’ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina. Ary izay voavono amin’ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon’ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon’ny rany.” — Isaia 34:2, 3.

6 Sarihina ho amin’ny trosan-dran’ireo firenena izao ny saina. Ankehitriny, dia ireo firenena ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina no tena manana trosan-dra indrindra. Nataony vonton’ny ran’olombelona ny tany, tamin’ireo ady lehibe roa sy ireo fifandonana kely kokoa maro be. Iza no tokony hanana ny zo hitaky ny rariny, noho izany trosan-dra rehetra izany? Tsy iza fa ny Mpamorona, ilay Mpanome ny Fiainana. (Salamo 36:9). Nosoritan’ny lalàn’i Jehovah toy izao ny fari-pitsipika harahina: “Hanome aina solon’ny aina hianao”. (Eksodosy 21:23-25; Genesisy 9:4-6). Mifanaraka amin’io lalàna io, dia hampandriaka ny ran’ireo firenena izy​—mandra-pahafatin’izy ireo. Hameno ny rivotra ny hamaimbon’ireo faty tsy halevina​—fahafatesana mahamenatra tokoa! (Jeremia 25:33). Ilay ra angatahina ho fanonerana dia ho ampy mba hahatonga an’ireo tendrombohitra hiempo, na hitsonika, raha azo atao ny milaza izany. (Zefania 1:17). Rehefa ho ringana tanteraka ireo tafiny, dia hahita ny firodanan’ny fitondram-panjakany, izay asehon’ny faminanian’ny Baiboly ho toy ny tendrombohitra, ireo firenen’ity tontolo ity.​—Daniela 2:35, 44, 45; Apokalypsy 17:9.

7. Inona moa no asehon’ny hoe “lanitra”, sy ny hoe “tafiky ny lanitra”?

7 Nampiasa sarin-teny mazava toy ny hitan’ny maso indray i Isaia, nanohy ny teniny toy izao: “Izay rehetra [ao amin’ny tafiky ny, “NW” ] lanitra dia ho levona, ary ny lanitra hahorona tahaka ny [horonam-boky, “NW” ]; ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon’ny ravina mihintsana avy amin’ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny aviavy.” (Isaia 34:4). Ilay teny hoe ‘izay rehetra ao amin’ny tafiky ny lanitra’ akory tsy manondro ny kintana sy ny planeta ara-bakiteny. Ny andininy faha-5 sy faha-6 dia miresaka momba ny fampiharana didim-pitsarana, oharina amin’ny sabatra vonton-dran’ireo izay any amin’ireo “lanitra” ireo. Noho izany, dia tsy maintsy ho sary mampiseho zavatra eo amin’ny tontolon’ny olombelona io teny io. (1 Korintiana 15:50). Noho ny fahamboniany, ireo fahefana lehibe, na fitondram-panjakan’olombelona, dia oharina amin’ny lanitra manapaka ny fitambaran’olona eto an-tany. (Romana 13:1-4). Ilay “tafiky ny lanitra” àry dia mampiseho ny tafik’ireo fitondram-panjakan’olombelona ireo mitambatra.

8. Inona no hevitry ny hoe ho “tahaka ny horonam-boky” ireo lanitra ara-panoharana, ary inona no hanjo an’ireo ‘tafiny’?

8 Ho “levona”, na ho potipotika, sahala amin’ny zavatra mety simba, io “tafika” io. (Salamo 102:26; Isaia 51:6). Ny maso tsotra mijery ny lanitra ara-bakiteny eo ambonintsika dia mahita azy io ho mivohon-tsotro, toy ny horonam-boky tranainy, izay nahitana ny soratra teo amin’ny atiny mazàna. Rehefa avy nandalo teo anoloan’ny mason’ny mpamaky azy ilay soratra teo amin’ny atin’ilay horonana, dia nahorona ilay horonana voavaky ary nampirimina. Toy izany koa, ‘ny lanitra dia hahorona tahaka ny horonam-boky’, amin’ny heviny hoe tsy maintsy hifarana ireo fitondram-panjakan’olombelona. Hahatratra ny pejy farany amin’ny tantarany izy ireo, ka tsy maintsy hofaranana ao amin’i Haramagedona. Ireo “tafika” mahazendana ireo dia hianjera toy ny ravina malazo mihintsana avy amin’ny voaloboka na “avy amin’ny aviavy”. Ho vita eo ny amin’izy ireo.​—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:12-14.

Andro famaliana iray

9. a) Avy taiza ny fiavian’i Edoma, ary nanao ahoana ny fifandraisan’ny Isiraely sy i Edoma tamin’ny farany? b) Inona no nandidian’i Jehovah momba an’i Edoma?

9 Izao dia nosinganin’ilay faminaniana ny firenena iray nisy tamin’ny andron’i Isaia​—i Edoma. Ireo Edomita dia taranak’i Esao (Edoma), izay nivarotra ny fizokiany tamin’i Jakoba, rahalahiny kambana taminy, ho takalon’ny mofo sy ny voanemba masaka. (Genesisy 25:24-34). Noho i Jakoba naka ny toeran’i Esao, raha ny amin’ny fizokiana, dia nanjary nankahala ny rahalahiny i Esao. Tatỳ aoriana, dia nanjary mpifahavalo ny firenen’i Edoma sy ny firenen’i Isiraely, na dia taranak’olona izay sady mpirahalahy no kambana aza izy ireo. Noho io fankahalany ny vahoakan’Andriamanitra io, dia nanjary tezitra tamin’i Edoma i Jehovah, izay nilaza avy eo hoe: “Ny sabatro dia mamon-dra any amin’ny lanitra; indro, hidina hihatra amin’i Edoma iny sy amin’ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. Ny sabatr’i Jehovah feno ra, eny, mihosi-menaka amin’ny matavy sy amin’ny ran’ny zanak’ondry sy ny osilahy ary amin’ny fonom-boan’ny ondrilahy; fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra ary mahafaty be ao amin’ny tany Edoma.” — Isaia 34:5, 6.

10. a) Iza no hampietren’i Jehovah, rehefa hampihatra ny sabany “any amin’ny lanitra” izy? b) Fihetsika nanao ahoana no nasehon’i Edoma, rehefa notafihin’i Babylona ny Joda?

10 Teo amin’ny faritra avo sy be tendrombohitra no nisy an’i Edoma. (Jeremia 49:16; Obadia 8, 9, 19, 21). Na izany aza, dia tsy hanampy azy firy ireo fiarovana voajanahary ireo, rehefa hampihatra ny sabany, na didim-pitsarany, “any amin’ny lanitra”, i Jehovah, ka hampietry an’ireo mpanapaka an’i Edoma avy eny amin’ny toerany avo. Mahery be ny tafik’i Edoma, ary niara-namindra nanerana ireo tendrombohitra avo tomandavana ireo miaramilany, mba hiarovana ilay tany. Tsy hanampy anefa i Edoma mahery be, rehefa hotafihin’ny tafik’i Babylona ny Joda. Vao mainka aza i Edoma ho dibo-kafaliana hahita ny fitotongan’ny fanjakan’i Joda, ary hampirisika an’ireo mpandresy azy io. (Salamo 137:7). Nanenjika ny Jiosy, izay nandositra mba hamonjy ny ainy, mihitsy aza i Edoma, ary nanolotra azy ireo teo an-tanan’ny Babylonianina. (Obadia 11-14). Nikasa ny haka ilay tany nilaozan’ny Isiraelita ny Edomita, ary niteny ratsy an’i Jehovah tamim-pireharehana.​—Ezekiela 35:10-15.

11. Ahoana no hamalian’i Jehovah ny fihetsika feno fitaky ny Edomita?

11 Moa ve tsy hitan’i Jehovah io fihetsiky ny Edomita tsy naneho fitiavan-drahalahy io? Hitany tokoa. Vao mainka aza izy naminany momba an’i Edoma hoe: “Ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ny vantotr’omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-dra ny taniny, ary mihosi-menaka any ny vovo-taniny.” (Isaia 34:7). Nantsoin’i Jehovah hoe ombilahy sy vantotr’ombilahy ara-panoharana, ary koa hoe ondrilahy tanora sy osilahy, ireo lehibe sy kely kokoa tao amin’ilay firenena. Ho vonton’ny ran’ny vahoakany ihany ny tanin’io firenena mivesatra trosan-dra io, noho ny “sabatr’i” Jehovah nampihatra ny didim-pitsarany.

12. a) Iza no nampiasain’i Jehovah mba hanafay an’i Edoma? b) Inona no nambaran’i Obadia mialoha momba an’i Edoma?

12 Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanafay an’i Edoma, noho izay nataony tamin-karatsiam-panahy tamin’ilay fandaminany teto an-tany, nantsoina hoe Ziona. Hoy ilay faminaniana: “Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona.” (Isaia 34:8). Tsy ela taorian’ny nandringanana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., dia nanomboka nampihatra ny famaliany ara-drariny tamin’ny Edomita i Jehovah, tamin’ny alalan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. (Jeremia 25:15-17, 21). Rehefa hamely an’i Edoma ny tafik’i Babylona, dia tsy hisy na inona na inona ho afaka hamonjy ny Edomita! “Taona famaliana” no hihatra amin’io tany be tendrombohitra io. Hoy ny nambaran’i Jehovah mialoha tamin’ny alalan’i Obadia mpaminany: “Noho ny fampahoriana an’i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra hianao ka ho fongotra mandrakizay. (...) Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.”​—Obadia 10, 15; Ezekiela 25:12-14.

Hoavy manjombona ho an’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina

13. Iza ankehitriny no sahala amin’i Edoma, ary nahoana?

13 Amin’ny andro ankehitriny, dia misy fikambanana iray manan-tantara toy ny an’i Edoma. Fikambanana iza? Iza moa amin’izao andro izao no nitari-dalana tamin’ny fitenenan-dratsy sy ny fanenjehana ny mpanompon’i Jehovah? Moa ve izany tsy ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, amin’ny alalan’ny mpitondra fivavahana ao aminy? Eny tokoa! Nanandra-tena ho avo toy ny tendrombohitra, eo amin’ny raharahan’ity tontolo ity, izy. Mihambo ho mitana toerana ambony eo amin’ny fandehan-javatr’olombelona izy, ary ireo fivavahana ao aminy dia mahaforona ny tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe. Nandidy ny hisian’ny “taona famaliana” an’io Edoma maoderina io anefa i Jehovah, noho ny fitondrana ratsy tafahoatra nampihariny tamin’ny Vahoakany, dia ny Vavolombelony.

14, 15. a) Inona no hanjo ny tanin’i Edoma sy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina? b) Milaza inona ny hoe dity mirehitra sy ny hoe setroka maharitra mandrakizay, ary tsy milaza inona kosa izy ireo?

14 Noho izany, rehefa mandinika ny tapany farany amin’io faminanian’i Isaia io isika, dia hieritreritra, tsy an’i Edoma fahiny ihany, fa ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina koa. “Hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra, na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay”. (Isaia 34:9, 10a). Nanjary tany karankaina aoka izany i Edoma, hany ka toy ny solifara ny vovo-tany, ary feno dity, fa tsy rano, ny renirano. Avy eo, dia narehitra ireo zavatra mora may ireo!​—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 17:16.

15 Misy mihevitra fa porofon’ny fisian’ny afobe mirehitra ny fanononana ny afo sy ny dity ary ny solifara. Tsy natsipy tao amin’ny afobe iray noforonin’ny saina fotsiny, mba hodorana ao mandrakizay, anefa i Edoma. Noringanina kosa izy, ka nanjavona tsy hita intsony eo amin’ny sehatr’ity tontolo ity, toy ny hoe nolevonin’ny afo sy ny solifara. Araka ny tohin’ilay faminaniana, ny fiafarany farany dia, tsy fijaliana mandrakizay akory, fa ‘[fahabangana, NW ], fahafoanana, fahafonganana’. (Isaia 34:11, 12). Mampiseho izany amin’ny fomba mazava toa hitan’ny maso ilay setroka “hisavoana mandrakizay”. Rehefa may ny trano iray, dia misy setroka mivoaka avy amin’ireo lavenona mandritra ny fotoana kelikely, na dia efa maty aza ireo lelafo, ka manome porofo ho an’ireo mpijery hoe nisy afo nirehitra teo. Koa satria mandray fianarana avy amin’ny fandringanana an’i Edoma ny Kristianina amin’izao andro izao, dia toy ny hoe mbola misavoana ilay setroka avy amin’ny nandoroana an’i Edoma.

16, 17. Ho tonga inona moa i Edoma, ary hafiriana izy no ho toy izany?

16 Mbola mitohy ny faminanian’i Isaia, ka manambara fa bibidia no haka ny toeran’ny mponin’i Edoma, ka izany dia milaza fahafoanana. “Hatramin’ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. Fa ho zara-tanin’ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina [fahabangana, “NW” ] sy ny pilao fahafoanana. Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin’ny lapan’ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin’ny trano fiarovany; ary ho fonenan’ny amboadia sy fitoeran’ny ostritsa izy. Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin’ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; ary ilay mandehandeha amin’ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy. Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody”.​Isaia 34:10b-15. *

17 Eny, ho tonga tany foana sy hay i Edoma, ka tsy hahitana afa-tsy bibidia sy vorona ary bibilava. Io tany karankaina io dia ho toy izany “mandrakizay mandrakizay”, hoy ny andininy faha-10. Tsy hisy famerenana azy amin’ny laoniny.​—Obadia 18.

Azo antoka ny fahatanterahan’ny tenin’i Jehovah

18, 19. Inona moa ilay “bokin’i Jehovah”, ary inona no miandry ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, araka io ‘boky’ io?

18 Endrey izany hoavy mampamoy fo nasehon’io tandindona io ho an’ilay mifanitsy aminy amin’ny andro ankehitriny, dia ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina! Niseho ho fahavalo feno fankahalana an’i Jehovah Andriamanitra izy, ary manenjika ny Vavolombelony amin-karatsiam-panahy. Ary tsy isalasalana fa hanatanteraka ny teniny i Jehovah. Na rahoviana na rahoviana no hisy olona hampitaha ilay faminaniana amin’ny fahatanterahany, dia ho hita fa hifanitsy tsara izy roa ireo​—toy ireo biby nonina tao Edoma tonga lao izay ‘samy nanana ny namany avy’. Niteny toy izao tamin’ireo hianatra ny faminaniana ara-baiboly atỳ aoriana i Isaia: “Izahao ao amin’ny bokin’i Jehovah, ka vakio; tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; fa ny vavan’i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy. Ary Izy no efa nanendry anjara ho an’ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an’ireo tamin’ny famolaina; handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin’ny taranaka fara mandimby.”​—Isaia 34:16, 17.

19 Nambara mialoha tao amin’ny “bokin’i Jehovah” ny fandringanana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina efa mananontanona. Io “bokin’i Jehovah” io dia manome ny tsipirian’ireo fampamoahana hataon’i Jehovah amin’ireo fahavalony tsy azo ivalozana sy ireo izay mampahory ny vahoakany nefa tsy mibebaka. Tanteraka izay nosoratana momba an’i Edoma fahiny, ka izany dia manamafy ny fatokisantsika fa ho tanteraka koa ilay faminaniana mihatra amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, dia ny mifanitsy amin’i Edoma ankehitriny. Ilay “famolaina”, na fomba fanaovan’i Jehovah zavatra, dia manome antoka fa ho tonga tany hay sy lao io fikambanana miala aina ara-panahy io.

20. Sahala amin’i Edoma fahiny, inona moa no hanjo ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?

20 Manao izay rehetra azony atao ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina mba hampitonena ireo sakaizany ara-politika, nefa very maina foana izany! Araka ny Apokalypsy toko faha-17 sy faha-18, i Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha, dia hanome fo azy ireo mba hamely an’i Babylona Lehibe manontolo, anisan’izany ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Izany dia hanaisotra ny Kristianisma sandoka tsy ho eto an-tany. Ho sahala amin’ilay toe-piainana tsy misy fanantenana voalaza ao amin’ny Isaia toko faha-34 ny tarehin-javatra misy ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Tsy ho eo akory aza izy mandritra ilay “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, izay handamina ny zava-drehetra! (Apokalypsy 16:14). Sahala amin’i Edoma fahiny, dia hesorina tanteraka tsy ho eto ambonin’ny tany “mandrakizay mandrakizay” ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Tamin’ny andron’i Malakia, dia efa tanteraka io faminaniana io. (Malakia 1:3). Nitantara izy fa nanantena ny honina indray tao amin’ilay taniny tonga lao ny Edomita. (Malakia 1:4). Kanefa, tsy izany no sitrapon’i Jehovah, ary tatỳ aoriana, dia vahoaka hafa, ny Nabateanina, no nonina tao amin’ny tanin’i Edoma.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 363]

Andriamanitra Feno Fahatezerana Ve?

Ny teny toy izay hita ao amin’ny Isaia 34:2-7 dia nahatonga olona maro hieritreritra fa Andriamanitra feno fahatezerana sy lozabe i Jehovah, araka ny Soratra Hebreo. Marina ve izany?

Tsia. Na dia maneho ny fahatezerany aza Andriamanitra tsindraindray, dia azo hamarinina foana izany fahatezerana izany. Miorina amin’ny fitsipika foana izy io, fa tsy amin’ny fihetseham-po tsy voafehy akory. Ambonin’izany, dia ny zon’ny Mpamorona hahazo fifikirana tsy mizarazara sy ny fanohanany ny fahamarinana mandrakariva no mitaky azy io. Ny fahatezeran’Andriamanitra dia tarihin’ny fitiavany ny fahamarinana sy ny fitiavany an’ireo izay mampihatra ny fahamarinana. Mahita ny lafiny rehetra amin’ny raharaha iray i Jehovah, ary mahafantatra ny tarehin-javatra iray amin’ny fomba feno sy tsy voafetra. (Hebreo 4:13). Mahay mamaky ny ao am-pon’ny olona izy; hitany raha tsy fahalalana, na fanaovana tsirambina, na fahotana an-tsitrapo no nanosika azy; ary manao zavatra tsy misy fizahan-tavan’olona izy.​—Deoteronomia 10:17, 18; 1 Samoela 16:7; Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Kanefa, “mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana” i Jehovah Andriamanitra. (Eksodosy 34:6). Ireo izay matahotra azy ka miezaka mafy haneho fahamarinana dia mahazo famindram-po, satria fantatry ny Tsitoha fa nandova tsy fahatanterahana ny olombelona ary maneho famindram-po aminy izy, noho izany. Ankehitriny dia manao izany, miorina amin’ny soron’i Jesosy, izy. (Salamo 103:13, 14). Amin’ny fotoana mety, dia hanaisotra ny fahatezerany amin’ireo izay miaiky ny fahotany sy mibebaka ary tena manompo azy marina, izy. (Isaia 12:1). Raha ny toetrany fototra no jerena, dia tsy Andriamanitra feno fahatezerana akory i Jehovah, fa Andriamanitra sambatra, tsy Andriamanitra tsy azo hatonina akory, fa Andriamanitra mora hatonina sy tia fihavanana ary tony eo anatrehan’ireo izay manatona azy araka ny tokony ho izy. (1 Timoty 1:11). Izany dia mifanohitra tanteraka amin’ireo andriamani-diso tsy miantra sy lozaben’ireo mpanompo sampy, araka ny filazalazana momba azy ireo sy ny sary mampiseho azy ireo.

[Sarintany, pejy 362]

(Jereo ny boky)

Ranomasina Lehibe

Damaskosy

Sidona

Tyro

ISIRAELY

Dana

Ranomasin’i Galilia

Ony Jordana

Megido

Ramota-gileada

Samaria

FILISTIA

JODA

Jerosalema

Libna

Lakisy

Beri-sheba

Kadesi-barnea

Ranomasin-tsira

AMONA

Raba

MOABA

Kira-haresa

EDOMA

Bozra

Temana

[Sary, pejy 359]

Vonton-dra ny tany, noho ny nataon’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina

[Sary, pejy 360]

‘Ny lanitra dia hahorona tahaka ny horonam-boky’