Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mpanjaka sy Ireo Andrianany

Ilay Mpanjaka sy Ireo Andrianany

Toko Fahadimy Amby Roapolo

Ilay Mpanjaka sy Ireo Andrianany

Isaia 32:1-20

1, 2. Inona no azo lazaina momba ny soratra ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia?

TANY amin’ny faramparan’ireo taona 1940, dia nisy fitambarana horonana mahavariana hita tao amin’ireo zohy teo akaikin’ny Ranomasina Maty, any Palestina. Nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty izy ireo, ary ninoana fa nosoratana teo anelanelan’ny taona 200 al.f.i. sy 70 am.f.i. Ny malaza indrindra amin’izy ireo dia ny horonan’ny Isaia izay nosoratana tamin’ny teny hebreo, teo amin’ny hoditra mateza. Saika ny bokin’i Isaia manontolo no tao amin’io horonana io, ary ny soratra ao aminy dia tsy misy fahasamihafana firy amin’ny soratra ao amin’ireo soratanana masoretika vita tokony ho 1 000 taona tatỳ aoriana. Araka izany, io horonana io dia manaporofo fa nampitaina araka ny marina ny soratra ao amin’ny Baiboly.

2 Misy tsipirian-javatra iray mendri-komarihina momba ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia: Misy marika hoe “X”, nosoratan’ny mpanora-dalàna iray teo amin’ny sisiny, ilay tapany fantatra ankehitriny ho ny Isaia toko faha-32. Tsy fantatsika ny antony nanoratan’ilay mpanora-dalàna an’io marika io, fa fantatsika kosa fa misy zavatra manokana amin’io tapany amin’ny Baiboly Masina io.

Fanapahana araka ny fahamarinana sy araka ny rariny

3. Fitantanan-draharaha inona no voalazan’ny faminaniana ao amin’ny bokin’i Isaia sy ny Apokalypsy?

3 Manomboka amin’izao faminaniana mampientam-po izao, izay tanteraka amin’ny fomba mahatalanjona amin’izao androntsika izao, ny Isaia toko faha-32: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny.” (Isaia 32:1). Eny, “Indro”. Io hiaka io dia mampahatsiahy teny mitovy aminy hita ao amin’ny boky ara-paminaniana farany ao amin’ny Baiboly, manao hoe: “Hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” (Apokalypsy 21:5; izahay no manao soramandry.) Ny bokin’i Isaia sy ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly, izay nisy 900 taona ny elanelam-potoana nanoratana azy, dia samy manome filazalazana manafana ny fo momba ny fitantanan-draharaha vaovao iray​—ny “lanitra vaovao”, voaforon’ilay Mpanjaka, Kristy Jesosy, izay nomena fiandrianana tany an-danitra tamin’ny 1914, sy ireo mpiara-manapaka aminy 144 000, izay “navotana avy tamin’ny olona”​—sy momba ny “tany vaovao”, izany hoe fitambaran’olona tafaray maneran-tany. * (Apokalypsy 14:1-4; 21:1-4; Isaia 65:17-25). Ny sorom-panavotan’i Kristy no nahatonga an’io fandaharana manontolo io hety.

4. Inona ilay fototry ny tany vaovao izay efa misy ankehitriny?

4 Rehefa nahazo fahitana ny amin’ny fanisiana tombo-kase farany an’ireo 144 000 mpiara-manapaka amin’ilay mpanjaka ireo ny apostoly Jaona, dia nilaza hoe: “Hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry”. (Izahay no manao soramandry.) Ireo no fototry ny tany vaovao​—olona betsaka miisa an-tapitrisany maro ankehitriny, nangonina ho eo anilan’ireo olom-bitsy sisa tavela amin’ireo 144 000 izay efa zokiolona ny ankamaroany. Ireo olona betsaka ireo dia ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe mihamanatona haingana, ary rehefa ao amin’ny tany zary paradisa, dia hohatevenin’ireo olo-nahatoky hitsangana amin’ny maty sy ireo an’arivo tapitrisany maro hafa homena ny fahafahana haneho finoana. Ireo rehetra haneho finoana dia homena fiainana mandrakizay.​—Apokalypsy 7:4, 9-17.

5-7. Inona no anjara asan’ireo “andriana” eo anivon’ny andian’ondrin’Andriamanitra, nambara mialoha?

5 Kanefa, raha mbola eo foana ity tontolo feno fankahalana ity, dia mila fiarovana ireo anisan’ny olona betsaka. Ireo “lehibe”, na “andriana” (NW ), izay ‘manapaka araka ny rariny’, no manome ny ankabeazan’izany. Endrey izany fandaharana mahatalanjona! Misy filazalazana fanampiny momba ireo “andriana” ireo ao amin’ireo teny manafana ny fo ao amin’ny faminanian’i Isaia, manao hoe: “Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.”​—Isaia 32:2.

6 Dieny amin’izao fotoana feno fahoriana maneran-tany izao, dia ilaina ny “andriana”, eny, loholona izay ‘hitandrina ny ondry rehetra’, ka hikarakara ny ondrin’i Jehovah ary hampihatra ny rariny, mifanaraka amin’ireo foto-pitsipika marin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 20:28). Tsy maintsy mahafeno ireo fepetra voasoritra ao amin’ny 1 Timoty 3:2-7 sy Titosy 1:6-9 ireo “andriana” ireo.

7 Ao amin’ilay faminaniany malaza momba ny “fahataperan’izao tontolo izao” hampahory, dia nilaza i Jesosy hoe: “Mitandrema, aza matahotra”. (Matio 24:3-8). Nahoana ny mpanara-dia an’i Jesosy no tsy matahotra noho ireo toe-piainana mampidi-doza maneran-tany ankehitriny? Ny antony iray dia satria miaro amim-pahatokiana ny andian’ondry ireo “andriana”​—na voahosotra izy ireo na “ondry hafa”. (Jaona 10:16). Mikarakara tsy amin-tahotra ny rahalahiny sy ny anabaviny izy ireo, na dia ao anatin’ny adim-poko sy ny fandripahana foko manontolo mampihoron-koditra aza. Eto amin’ity tontolo mahantra ara-panahy ity, dia ataon’izy ireo izay hahazoan’ny fanahy ketraka famelombelomana, amin’ny alalan’ireo fahamarinana mampahery ao amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra.

8. Amin’ny fomba ahoana no ampiofanan’i Jehovah sy ampiasany an’ireo “andriana” anisan’ny ondry hafa?

8 Tao anatin’ireo 50 taona farany, dia niseho niharihary ireo “andriana”. Ampiofanina ankehitriny ireo “andriana” anisan’ny ondry hafa mahaforona kilasin’ny “filoha” tsy mitsaha-mitombo; amin’izay, aorian’ny fahoriana lehibe, ireo hahafeno fepetra aminy dia ho azo tendrena mba ho iray amin’ireo mpitantan-draharaha hanompo ao amin’ny “tany vaovao”. (Ezekiela 44:2, 3, NW; 2 Petera 3:13). Amin’ny fanomezan’izy ireo tari-dalana sy famelombelomana ara-panahy, rehefa manome ny ohatra eo amin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana izy ireo, dia hita ho “alo-batolampy lehibe”, izay mitondra fahamaivamaivanana ho an’ny andian’ondry, eo amin’ny fanompoam-pivavahany. *

9. Toe-piainana manao ahoana no mitaky ny hisian’ny “andriana” amin’izao andro izao?

9 Amin’izao andro farany mampidi-doza amin’ny tontolo ratsin’i Satana izao, dia tena mila fiarovana toy izany ny Kristianina vita fanoloran-tena. (2 Timoty 3:1-5, 13). Mifofofofo ny rivo-maherin’ny fampianaran-diso sy ny fampielezan-kevitra voaolana. Mamely toy ny tafio-drivotra ny ady an-trano sy ny adin’ireo firenena ary ny fanafihana an-karihary an’ireo mpivavaka mahatoky amin’i Jehovah Andriamanitra. Eo amin’ny tontolo iray karankaina ara-panahy, ny Kristianina dia tena mila ny rano velon’ny fahamarinana madio sy tsy misy fangarony, mba hanalana ny hetahetany ara-panahy. Soa ihany i Jehovah fa nampanantena fa ilay Mpanjaka nofidiny, izay efa manjaka, dia hanome fampaherezana sy tari-dalana an’ireo ketraka sy kivy amin’izao fotoan-tsarotra izao, amin’ny alalan’ireo rahalahiny voahosotra sy ireo “andriana” anisan’ny ondry hafa. Hataon’i Jehovah àry izay hanjakan’ny marina sy rariny.

Manehoa fitandremana amin’ny alalan’ny maso sy ny sofina ary ny fo

10. Fandaharana inona avy no nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny vahoakany ‘hahita’ sy ‘handre’ zavatra ara-panahy?

10 Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona betsaka ny fandaharana teokratikan’i Jehovah? Mitohy toy izao ilay faminaniana: “Tsy hikimpy ny mason’izay mahita, ary ny sofin’izay mandre dia hihaino.” (Isaia 32:3). Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nampianatra an’ireo mpanompony sarobidy ary nanampy azy ireo ho tonga matotra i Jehovah. Ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ireo fivoriana hafa atao ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany; ireo fivoriambem-pirenena sy iraisam-pirenena; ny fampiofanana natao manokana ho an’ireo “andriana” mba hikarakarany ny andian’ondry amim-pitiavana​—ireo rehetra ireo dia samy nampiorina ny firahalahian’ny olona an-tapitrisany maro tafaray maneran-tany. Na aiza na aiza misy an’ireo mpiandry ondry ireo eto an-tany, dia may izy ireo ny hanaiky ireo fanitsiana ny fomba fahazoany ny hevitry ny tenin’ny fahamarinana mihamandroso. Noho ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly, dia vonona lalandava izy ireo ny hihaino sy hankatò.​—Salamo 25:10.

11. Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no miteny amim-patokisan-tena ankehitriny, fa tsy miakanakana noho ny tsy fananan-toky?

11 Avy eo, dia mampitandrina toy izao ilay faminaniana: “Ny fon’izay maimaika hahazo fahalalana, ary ny lelan’izay mikodedidedy hahay miteny mahitsy.” (Isaia 32:4). Aoka tsy hisy ho maimaika hanatsoaka hevitra ny amin’izay tsara sy izay ratsy. Hoy ny Baiboly: “Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.” (Ohabolana 29:20; Mpitoriteny 5:1). Talohan’ny 1919, na ny vahoakan’i Jehovah aza dia voaloton’ny hevitra babylonianina. Nanomboka tamin’io taona io anefa, dia nanampy azy ireo hahatakatra mazava kokoa ny fikasany i Jehovah. Hitan’izy ireo fa ireo fahamarinana naharihariny dia tsy zavatra natao maimaika akory, fa noeritreretina tsara, hany ka miteny amin’ny fananan-toky ny amin’ny zavatra inoany izy ireo izao, fa tsy miakanakana noho ny tsy fananan-toky.

“Ny adala”

12. Iza moa ‘ireo adala’ amin’izao andro izao, ary amin’ny heviny ahoana izy ireo no tsy manana fahalalahan-tanana?

12 Manaraka izany, dia manonona fifanoheran-javatra iray ny faminanian’i Isaia: “Ny adala tsy holazaina intsony hoe [malala-tanana, “NW” ], ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be. Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany.” (Isaia 32:5, 6a). Iza moa io “adala” io? Toy ny hoe ho fanantitranterana, dia notononin’i Davida Mpanjaka indroa ny valiny: “Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao ny tsara.” (Salamo 14:1; 53:1). Mazava ho azy fa ireo tsy mino an’Andriamanitra dia milaza fa tsy misy izany hoe Jehovah izany. Raha ny marina anefa, dia toy izany koa no lazain’ireo “manam-pahalalana” sy ny hafa izay manao zavatra toy ny hoe tsy misy Andriamanitra, noho ny fiheverana fa tsy hampamoahin’iza na iza izy ireo. Tsy manana ny fahamarinana ny olona toy izany. Tsy misy fahalalahan-tanana ao am-pony. Tsy manana filazantsara ny amin’ny fitiavana izy ireo. Mifanohitra amin’ny Kristianina marina, dia tsy maika izy ireo hanampy ny mahantra ao anatin’ny fahoriana, na tsy manampy mihitsy.

13, 14. a) Ahoana no fiasan’ny mpivadi-pinoana amin’ny andro ankehitriny mba hamoronan-keloka? b) Inona no iezahan’ny mpivadi-pinoana sakanana tsy ho azon’ireo noana sy mangetaheta, nefa inona no ho fiafarana farany?

13 Maro amin’ny adala toy izany no nanjary nankahala ireo izay miaro ny fahamarinan’Andriamanitra. “Ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsarambelatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin’i Jehovah”. (Isaia 32:6b). Tena marina mihitsy izany ny amin’ireo mpivadi-pinoana amin’ny andro ankehitriny! Any amin’ny tany maro any Eoropa sy Azia, dia nikambana tamin’ny mpanohitra hafa ny fahamarinana ireo mpivadi-pinoana, ka nilaza lainga an-karihary tamin’ireo manam-pahefana, mba handrarana na hameperana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maneho ny toe-tsain’ilay “mpanompo ratsy fanahy” izy ireo. Hoy ny faminanian’i Jesosy momba azy ireo: “Raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.”​—Matio 24:48-51.

14 Mandra-pahatongan’izany, ny mpivadi-pinoana dia manao “izay tsy hahazoan’ny noana hanina sy izay tsy hahazoan’ny mangetaheta rano hosotroina”. (Isaia 32:6d ). Ireo fahavalon’ny fahamarinana dia miezaka misakana an’ireo noana ny fahamarinana tsy hahazo sakafo ara-panahy, ary miezaka misakana an’ireo mangetaheta tsy hisotro ny rano mamelombelon’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny ho fiafarana farany anefa dia ilay nambaran’i Jehovah tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’ny mpaminaniny iray hafa toy izao: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.”​—Jeremia 1:19; Isaia 54:17.

15. Amin’izao andro izao, iza indrindra indrindra no “mpifetsy”, “teny lainga” inona no nampirisihany, ary inona no vokany?

15 Nanomboka teo antenatenan’ny taonjato faha-20, dia tsy voatana ny fihanaky ny fahalotoam-pitondran-tena any amin’ireo tany lazaina fa kristianina. Nahoana? Manome antony iray toy izao ilay faminaniana: “Ary ratsy ny hafetsen’ny mpifetsy; mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo”. (Isaia 32:7). Ho fahatanterahan’ireo teny ireo, dia maro amin’ny mpitondra fivavahana indrindra indrindra no nanjary milefitra loatra raha ny amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ny tokantranomaso, ny firaisan’ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy​—eny tokoa, “ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra”. (Efesiana 5:3). ‘Manimba’ ny andian’ondriny tokoa izy ireo, amin’ny teniny lainga.

16. Inona no mahasambatra ny Kristianina marina?

16 Mifanohitra amin’izany kosa, dia endrey ny famelombelomana entin’ny fahatanterahan’ireo teny manaraka nataon’ilay mpaminany! “Raha ny amin’ny malala-tanana, dia mba hanomezan-javatra maro be no nanoroany hevitra; ary mba hanomezan-javatra maro be no hitsanganany.” (Isaia 32:8, “NW”). I Jesosy koa dia nampirisika mba halala-tanana, rehefa niteny hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” (Lioka 6:38). Ny apostoly Paoly koa dia nanondro ireo fitahiana ho azon’ny malala-tanana, rehefa nilaza hoe: “[Tsarovy] ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.’ ” (Asan’ny Apostoly 20:35). Ny mahasambatra ny Kristianina marina dia, tsy ny fahazoana harena ara-nofo na toerana ara-tsosialy ambony akory, fa ny fanehoana fahalalahan-tanana​—tsy misy hafa amin’i Jehovah, Andriamaniny, izay malala-tanana. (Matio 5:44, 45). Ny fahasambaran’izy ireo lehibe indrindra dia avy amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, avy amin’ny fanomezana ny tenany sy ny fotoanany amim-pahalalahan-tanana mba hampahafantarana amin’ny hafa “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra sambatra”.​—1 Timoty 1:11, NW.

17. Iza amin’izao andro izao no sahala amin’ireo “zazavavy matokitoky foana” resahin’i Isaia?

17 Mitohy toy izao ny faminanian’i Isaia: “Mitsangàna, ry vehivavy miadana, ka mandrenesa ny feoko; ry zazavavy matokitoky foana, mihainoa ny teniko. Raha afaka herintaona mahery dia ho raiki-tahotra hianareo, ry vehivavy matokitoky foana; fa hanjahitra ny taom-piotazam-boaloboka, ary tsy hisy ny fanangonam-boankazo. Mangovita, ry vehivavy miadana, mangorohoroa, ry vehivavy matokitoky foana”. (Isaia 32:9-11a). Mety hampahatsiahy antsika an’ireo olona ankehitriny, izay mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa tsy be zotom-po eo amin’ny fanompoana azy, ny fihetsik’ireo vehivavy ireo. Ao amin’i “Babylona lehibe, Renin’ny mpijangajanga”, no ahitana olona toy izany. (Apokalypsy 17:5). Ohatra, ireo mpikambana ao amin’ny fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina dia tena mitovy be amin’ireo “vehivavy” lazain’i Isaia ireo. “Miadana” izy ireo, na hoe tsy miraika, raha ny amin’ny didim-pitsarana sy ny tahotra hahazo azy ireo tsy ho ela.

18. Iza no asaina ‘misikina lamba fisaonana’, ary nahoana?

18 Koa andefasana izao antso izao àry ny fivavahan-diso: “Endaho ny akanjonareo, ka mitanjaha, ary misikina lamba fisaonana. Miteha-tratra izy, fa malahelo ny saha nahafinaritra sy ny voaloboka vokatra. Ho rakotry ny tsilo sy ny hery ny tanin’ny oloko, eny, na dia ny ao amin’ny trano mahafaly rehetra ao an-tanàna ravoravo aza”. (Isaia 32:11b-13). Ilay teny hoe “Endaho ny akanjonareo, ka mitanjaha” akory tsy midika hoe fiboridanana tanteraka. Fomba fahiny ny nanao akanjo ivelany teo ambonin’ny atin’akanjo. Matetika no marika famantarana ilay akanjo ivelany. (2 Mpanjaka 10:22, 23; Apokalypsy 7:13, 14). Ilay faminaniana àry dia mandidy ny mpikambana ao amin’ny fivavahan-diso mba hanaisotra ny akanjony ivelany​—ny fihamboany ho mpanompon’Andriamanitra​—ka hitafy lamba fisaonana, ho mariky ny alahelony noho ny didim-pitsarana ho avy aminy tsy ho ela. (Apokalypsy 17:16). Tsy mamoa voa araka an’Andriamanitra ireo fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, izay mihambo ho “tanàna ravoravo”, na ny sisa amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. ‘Tsilo sy hery’, izany hoe fanaovana tsirambina sy fandaozana, no vokatra aterany.

19. Manao ahoana ny toe-piainana misy an’i “Jerosalema” nivadi-pinoana, izay alan’i Isaia sarona?

19 Mihatra amin’ny tapany rehetra amin’i “Jerosalema” nivadi-pinoana io sary manjombona io. “Ho foana ny lapan’ny mpanjaka; hitsahatra ny fihorikoriky ny tanàna; Ofela sy ny tilikambo fitazanana ho tonga naman’ny zohy ho mandrakizay, dia fikarenjen’ny boriki-dia sy fiandrasana ny andian’ny ondry aman-osy”. (Isaia 32:14). Eny, na i Ofela aza dia voafaoka koa. I Ofela dia toerana avo tao Jerosalema, izay nanome fiarovana mafy. Ny filazana fa tonga naman’ny zohy i Ofela dia mitory fahafoanana tanteraka ho an’ilay tanàna. Ny tenin’i Isaia dia mampiseho fa i “Jerosalema” nivadi-pinoana​—ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina​—dia tsy mitandrina mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy mamokatra eo amin’ny lafiny ara-panahy izy io, ka tsy ahitana ny fahamarinana sy ny rariny velively​—tsy misy hafa amin’ny biby.

Fifanoheran-javatra be voninahitra!

20. Inona no vokatry ny fandrotsahana ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny vahoakany?

20 Manaraka izany, dia manolotra fanantenana manafana ny fo ho an’ireo izay manao ny sitrapon’i Jehovah, i Isaia. Izay fahafoanana ho hitan’ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy haharitra afa-tsy “mandra-pandatsaka ny Fanahy avy amin’ny avo ho amintsika, ka ny efitra ho tonga saha mahavokatra, ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala”. (Isaia 32:15). Mahafaly fa, nanomboka tamin’ny 1919, ny fanahin’i Jehovah dia narotsaka be dia be teo amin’ny vahoakany, ka tonga saha mahavokatra indray ny Vavolombelona voahosotra, raha azo atao ny milaza izany, ary arahin’ny ondry hafa, oharina amin’ny ala mihamitatra. Fanambinana sy fitomboana no mampiavaka ny fandaminany eto an-tany ankehitriny. Ao amin’ilay paradisa ara-panahy tafaverina amin’ny laoniny, dia hita taratra eo amin’ny vahoakany, izay manambara maneran-tany ny Fanjakany ho avy, “ny voninahitr’i Jehovah (...) sy ny famirapiratan’Andriamanitsika”.​—Isaia 35:1, 2.

21. Aiza no ahitana fahamarinana sy filaminana ary fiarovana amin’izao andro izao?

21 Henoy izao ilay fampanantenana be voninahitra nomen’i Jehovah: “Hitoetra any an-efitra ny rariny, ary ny fahamarinana honina ao amin’ny saha mahavokatra. Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay”. (Isaia 32:16, 17). Tena milaza tsara ny toe-piainana ara-panahy misy ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny izany! Mifanohitra amin’ny ankamaroan’ny olona, izay voazarazara noho ny fankahalana sy ny herisetra ary ny fahantrana ara-panahy faraidiny, ny Kristianina marina dia tafaray maneran-tany, na dia avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” aza izy ireo. Miaina sy miasa ary manompo mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireo, ka manao izany amim-patokisana ny hahazo tena fiadanana sy fiarovana mandrakizay, rehefa ela ny ela.​—Apokalypsy 7:9, 17.

22. Inona no fahasamihafana eo amin’ny toe-piainana misy ny vahoakan’Andriamanitra sy ny an’ireo ao amin’ny fivavahan-diso?

22 Ao amin’ilay paradisa ara-panahy, dia efa tanteraka sahady ny Isaia 32:18. Hoy izy ao hoe: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. (Isaia 32:18). Ho an’ny Kristianina anarana anefa, dia “hilatsaka ny havandra, rehefa aripaka ny ala, ary [haetry ambany dia ambany, “NW” ] ny tanàna”. (Isaia 32:19). Eny, ny didim-pitsaran’i Jehovah, oharina amin’ny tafio-drivotra miharo havandra, dia efa vonona hamely ny fivavahan-diso, izay toy ny tanàna sandoka, ka hampietry ireo mpanohana azy, oharina amin’ny “ala”, ary hampanjavona azy ireo mandrakizay doria!

23. Asa atao maneran-tany inona no kely sisa dia ho vita, ary ahoana no azo ilazana an’ireo mandray anjara aminy?

23 Mifarana toy izao io tapany amin’ilay faminaniana io: “Sambatra izay mamafy eny amoron’ny rano rehetra sady mampiriaria ny omby sy ny boriky.” (Isaia 32:20). Ny omby sy ny boriky dia biby mpitondra entana, izay nampiasain’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny mba hiasana ny tany sy hamafazana voa. Ankehitriny, ny vahoakan’i Jehovah dia mampiasa fitaovana fanontam-pirinty, fiasana elektronika, trano sy fitaterana maoderina, ary indrindra indrindra, fandaminana teokratika iray tafaray mba hanao pirinty sy hizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly an’arivo tapitrisany maro. Mpiasa an-tsitrapo no mampiasa ireo fitaovana ireo mba hamafazana voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana manerana ny tany, eny, “eny amoron’ny rano rehetra” ara-bakiteny. Lehilahy sy vehivavy matahotra an’Andriamanitra an-tapitrisany maro no efa voajinja, ary vahoaka sesehena hafa koa no tonga manatevin-daharana azy ireo. (Apokalypsy 14:15, 16). Tena azo lazaina ho “sambatra” tokoa izy rehetra!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny hoe “mpanjaka” ao amin’ny Isaia 32:1 dia nety ho nanondro an’i Hezekia Mpanjaka aloha. Kanefa ny tena fahatanterahan’ny Isaia toko faha-32 dia mifandray amin’ilay Mpanjaka atao hoe Kristy Jesosy.

^ feh. 8 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1999, pejy 13-18, natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 331]

Ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty, ny Isaia toko faha-32 dia misy marika hoe “X”

[Sary, pejy 333]

Ny “andriana” tsirairay dia toy ny fierena amin’ny rivotra, fialofana amin’ny orana, rano any an’efitra, ary fiarovana amin’ny masoandro

[Sary, pejy 338]

Mahita fahasambarana lehibe ny Kristianina iray, rehefa mizara ny vaovao tsara amin’ny hafa