Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!
Toko Fahafito
Lozan’ilay Tanimboaloboka Tsy Nahatoky!
1, 2. Inona no nambolen’ilay ‘malala’, nefa nahoana ilay voly no nandiso fanantenana?
“RAHA ny amin’ny hafatratry ny fomba fiteny sy ny fahaiza-mampita hevitra tonga lafatra, dia tsy manan-tsahala io fanoharana io.” Izany no nolazain’ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly iray momba ireo andininy manokatra ny Isaia toko faha-5. Tsy zavakanto fotsiny anefa ireo tenin’i Isaia ireo, fa manome filazalazana mampihetsi-po momba ny nikarakaran’i Jehovah tamim-pitiavana ny vahoakany. Ankoatra izany, dia mampitandrina antsika amin’ireo zavatra tsy mampifaly azy koa ireo teny ireo.
2 Manomboka toy izao ilay fanoharan’i Isaia: “Aoka aho hihira ny amin’ny Malalako, dia hiran’ny Malalako ny amin’ny tanimboalobony. Ny Malalako nanana tanimboaloboka tao an-kavoana lonaka; dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, ary novoleny karazam-boaloboka tsara, sady nanao tilikambo teo afovoany Izy ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, kanjo namoa voalobo-dratsy.” — Isaia 5:1, 2; ampitahao amin’ny Marka 12:1.
Ny fikarakarana ilay tanimboaloboka
3, 4. Fikarakarana tamim-pitiavana inona no natao tamin’ilay tanimboaloboka?
3 Na nihira ara-bakiteny io fanoharana io tamin’ireo mpihaino azy i Isaia na tsia, ny azo antoka dia hoe nambabo ny sain’izy ireo izy io. Azo inoana fa nahafantatra tsara ny asa fambolena voaloboka ny ankamaroan’izy ireo, ary mazava toy ny hitan’ny maso, no sady araka ny tena izy, ny filazalazan’i Isaia. Toy
ny mpamboly voaloboka amin’izao andro izao, ny tompon’ilay tanimboaloboka dia namboly, tsy masombolim-boaloboka akory, fa “karazam-boaloboka tsara”, na ambony karazana — dia taho na tsimo-kazo iray avy tamin’ny voaloboka iray hafa. Tena nety ny namboleny io voaloboka io teo “an-kavoana lonaka”, izay toerana hiroboroboan’ny tanimboaloboka.4 Mila asa mafy vao mamokatra ny tanimboaloboka iray. Nilaza i Isaia fa ‘niasa ilay tany sy nanesotra ny vato’ taminy ilay tompony — asa sady dridralava no manasatra! Azo inoana fa nampiasa ireo vato lehibe kokoa izy mba ‘hanaovana tilikambo iray’. Tamin’ny andro fahiny, ny tilikambo toy izany dia toerana nitobian’ireo mpiambina, izay niaro ny vokatra tamin’ny mpangalatra sy ny biby. * Afa-tsy izany koa, dia nanao fefy vato izy, mba hamaritana ireo tanimboaloboka an-tanan-tohatra. (Isaia 5:5). Fanao nahazatra izany, mba hisakanana ny nofon-tany tena ilaina, tsy ho lasan’ny rano.
5. Inona no nantenain’ny tompony araka ny tokony ho izy avy tamin’ny tanimboalobony, nefa inona no azony?
5 Rehefa avy niasa mafy aoka izany mba hiarovana ny tanimboalobony ilay tompony, dia nanana ny antony rehetra hanantenana azy io hanome voa. Ho fiandrasana izany, dia nandavaka famiazam-boaloboka izy. Tanteraka ve anefa ny fanantenany? Tsia, fa voalobo-dratsy kosa no novokarin’ilay tanimboaloboka.
Ilay tanimboaloboka sy ny tompony
6, 7. a) Iza no tompon’ilay tanimboaloboka, ary inona ilay tanimboaloboka? b) Fanasana ho amin’ny fitsarana inona no nampitain’ilay tompony?
6 Iza moa ilay tompon-tany, ary inona ilay tanimboaloboka? Ny tompon’ilay tanimboaloboka mihitsy no manome ny valin’ireo fanontaniana ireo, rehefa niteny hoe: “Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ny Joda, masìna hianareo, tsarao Aho sy ny tanimboaloboko. Inona moa no Isaia 5:3-5.
mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, nahoana no namoa voalobo-dratsy izy? Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ny tanimboaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy”. —7 Eny, i Jehovah no ilay tompon’ilay tanimboaloboka, ary toy ny hoe naka toerana tao amin’ny efitra fitsarana iray izy, mba hangataka ny hisian’ny fitsarana teo aminy sy ilay tanimboalobony nandiso fanantenana azy. Inona àry, araka izany, ilay tanimboaloboka? Hoy ny nohazavain’ilay tompony: “Ny taranak’Isiraely no tanimboalobok’i Jehovah, Tompon’ny maro, ary ny lehilahy amin’ny Joda no voly tiany”. — Isaia 5:7a.
8. Milaza inona ny fiantsoan’i Isaia an’i Jehovah hoe “ny Malalako”?
Isaia 5:1). Afaka niresaka momba an’i Jehovah tamin’izany fomba fanehoam-pitiavana izany i Isaia, satria nanana fifandraisana akaiky taminy. (Ampitahao amin’ny Joba 29:4; Salamo 25:14.) Kanefa toa vasobasoka izany fitiavan’ilay mpaminany an’Andriamanitra izany, raha oharina amin’ny fitiavana nasehon’Andriamanitra tamin’ilay “tanimboalobony” — ilay firenena izay ‘namboleny’. — Ampitahao amin’ny Eksodosy 15:17; Salamo 80:8, 9.
8 Niantso an’i Jehovah, ny tompon’ilay tanimboaloboka, hoe “ny Malalako” i Isaia. (9. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa toy ny tanimboaloboka sarobidy ilay fireneny?
9 ‘Namboly’ ilay fireneny tao amin’ny tanin’i Kanana i Jehovah, ary nanome azy ny lalàny sy ny didiny, izay toy ny rindrina niaro azy ireo tsy ho voaloton’ireo firenena hafa. (Eksodosy 19:5, 6; Salamo 147:19, 20; Efesiana 2:14). Ankoatra izany, dia nanome azy ireo mpitsara sy mpisorona ary mpaminany mba hampianatra azy ireo i Jehovah. (2 Mpanjaka 17:13; Malakia 2:7; Asan’ny Apostoly 13:20). Rehefa norahonan’ny fanafihana ara-tafika ny Isiraely, dia nanangana mpanafaka i Jehovah. (Hebreo 11:32, 33). Noho ny antony tsara àry no nanontanian’i Jehovah hoe: “Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?”
Famantarana ilay tanimboalobok’Andriamanitra amin’izao andro izao
10. Fanoharana inona momba ny tanimboaloboka no nomen’i Jesosy?
10 Nety ho tao an-tsain’i Jesosy ireo tenin’i Isaia ireo, fony izy nanome ilay fanoharana ny amin’ireo mpiasa tany mpamono olona: “Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ny tany hafa izy.” Mampalahelo fa nivadika tamin’ny tompon’ilay tanimboaloboka ireo mpiasa tany, ka namono ny zanany mihitsy aza. Nanohy ny teniny i Jesosy, ka nampiseho fa tsy ny Isiraely ara-nofo fotsiny no noresahin’io fanoharana io, tamin’ny hoe: “Hesorina aminareo Matio 21:33-41, 43.
[ny Isiraely ara-nofo] ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” —11. Tanimboaloboka ara-panahy inona no nisy tamin’ny taonjato voalohany, nefa inona no nitranga taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly?
11 Io “firenena” vaovao io dia “ny Isiraelin’Andriamanitra” — firenena ara-panahy voaforon’ny Kristianina voahosotra miisa 144 000. (Galatiana 6:16; 1 Petera 2:9, 10; Apokalypsy 7:3, 4). Noharin’i Jesosy tamin’ny ‘sampana’ eo amin’ny “tena voaloboka”, izany hoe ny tenany, ireo mpianatra ireo. Raha ny ara-dalàna, dia antenaina hamoa ireo sampana ireo. (Jaona 15:1-5). Tsy maintsy maneho toetra toy ny an’i Kristy izy ireo, ary mandray anjara amin’ny asa fitoriana “ity filazantsaran’ny fanjakana ity”. (Matio 24:14; Galatiana 5:22, 23). Hatramin’ny nahafatesan’ireo apostoly roa ambin’ny folo anefa, dia hita fa sandoka ny ankamaroan’ireo izay nihambo ho sampan’ilay “tena voaloboka”, ka namoa voalobo-dratsy, fa tsy voa tsara. — Matio 13:24-30, 38, 39.
12. Ahoana no nanamelohan’ny tenin’i Isaia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ary inona no lesona azon’ny Kristianina marina raisina avy amin’izany?
12 Noho izany, dia mihatra amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’izao andro izao ny fanamelohan’i Isaia ny Joda. Rehefa mandinika ny tantaran’izy io isika — ny ady sy ny kroazada ary ny Inquisitions rehetra nataony — dia hahita miharihary ny haratsin’ny voany! Na dia izany aza, ilay tanimboaloboka tena izy, voaforon’ireo Kristianina voahosotra sy ireo “olona betsaka” namany, dia tsy maintsy manaraka ny tenin’i Isaia. (Apokalypsy 7:9). Na ny isam-batan’olona na ny fitambarany dia tsy maintsy mamoa voa izay mampifaly ny tompon’ilay tanimboaloboka, raha tian’izy ireo koa ny hampifaly azy.
“Voalobo-dratsy”
13. Inona no hataon’i Jehovah amin’ny tanimboalobony, noho izy io mamoa voa ratsy?
13 Rehefa avy nanao ezaka mafy dia mafy mba hanolokoloana sy hikarakarana ny tanimboalobony i Jehovah, dia rariny Isaia 27:2). Kanefa, tsy namoa voa azo nampiasaina izy io, fa “voalobo-dratsy” kosa, na hoe “zavatra mantsina” na “voaroy masiso (lo)”. (Isaia 5:2, NW, fanamarihana ambany pejy; Jeremia 2:21). Noho izany, dia nanambara i Jehovah fa hesoriny ny ‘fefiny tsilo’ fiarovana tsy hanodidina ilay firenena intsony. ‘Hatao simba dia simba’ ilay firenena, ary hilaozana sy ho voan’ny hain-tany. (Vakio ny Isaia 5:6.) I Mosesy dia efa nampitandrina azy ireo hoe hiharan’izany izy ireo, raha tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra. — Deoteronomia 11:17; 28:63, 64; 29:22, 23.
raha manantena azy io ho tonga “tanimboaloboka ahazoana divay mahery” izy. (14. Vokatra inona no nantenain’i Jehovah avy tamin’ilay fireneny, nefa inona kosa no novokarin’izy io?
14 Nanantena an’ilay firenena hamoa voa tsara Andriamanitra. Hoy ny nambaran’i Mika, niara-belona tamin’i Isaia: “Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” (Mika 6:8; Zakaria 7:9). Kanefa, tsy nanaraka ny fananaran’i Jehovah ilay firenena. “Nanantena fitsarana marina [Andriamanitra], kanjo fandatsahan-dra; niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.” (Isaia 5:7b). Nilaza mialoha i Mosesy fa hamoa voaloboka mahafaty avy amin’ny “tahom-boalobok’i Sodoma” ilay firenena tsy nahatoky. (Deoteronomia 32:32). Azo inoana àry fa nahafaoka fahalotoam-pitondran-tena, anisan’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny fihatahan’izy ireo tamin’ny Lalàn’Andriamanitra. (Levitikosy 18:22). Ankoatra izany, ny “fandatsahan-dra” nataon’izy ireo dia tsy isalasalana fa nahatonga an’ireo nampijalina ‘hitaraina’, ary tonga hatrany an-tsofin’ilay Mpamboly ilay tanimboaloboka izany fitarainana izany. — Ampitahao amin’ny Joba 34:28.
15, 16. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina marina tsy hamoa voa ratsy toy ny an’ny Isiraely?
15 “Tia fahamarinana sy rariny” i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 33:5). Nandidy ny Jiosy toy izao izy: “Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana; aza miandany foana amin’ny malahelo, na menamaso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.” (Levitikosy 19:15). Noho izany, dia tsy maintsy manalavitra ny fizahan-tavan’olona isika eo amin’ny fifampiraharahantsika samy isika, ka tsy hamela na ny firazanana, na ny taona, na ny harena, na ny fahantrana, hanolana ny fomba fijerintsika olona. (Jakoba 2:1-4). Tena zava-dehibe indrindra ny ‘tsy hanaovan’ireo mpiandraikitra na inona na inona amin’ny fiangarana’, fa hitady izay hihainoana foana kosa ny andaniny sy ny ankilany amin’ny raharaha iray, alohan’ny hanaovana fitsarana. — 1 Timoty 5:21; Ohabolana 18:13.
16 Ankoatra izany, dia ho mora ho an’ny Kristianina miaina eo anivon’ity tontolo tsy tan-dalàna ity ny hamboly fihetsika feno fanoherana na fikomiana eo anoloan’ny fari-pitsipik’Andriamanitra. Ny Kristianina marina anefa dia tsy maintsy ho “vonona hankatò” ireo lalàn’Andriamanitra. (Jakoba 3:17, NW ). Na dia eo aza ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny herisetran’ireo “miara-belona ratsy fanahy”, dia mila ‘mitandrina tsara izay fandehany izy ireo, mba tsy hitondrany tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry’. (Galatiana 1:4; Efesiana 5:15). Maniry hanalavitra ny fomba fihevitra milefitra loatra momba ny lahy sy ny vavy izy ireo, ary rehefa mipoitra ny tsy fitovian-kevitra, dia tokony handamina izany tsy misy fampiasana ‘fahavinirana na fahatezerana na fitabatabana na fitenenan-dratsy’ izy ireo. (Efesiana 4:31). Raha mamboly fahitsiana ny Kristianina marina, dia manome voninahitra an’Andriamanitra ka mahazo sitraka aminy.
Ny vidin’ny fitsiriritana tafahoatra
17. Fitondran-tena ratsy inona no nomelohina tao amin’ilay loza voalohany nambaran’i Isaia?
17 Eo amin’ny andininy faha-8, dia tsy manonona ny tenin’i Jehovah intsony i Isaia. Ny tenany mihitsy izao no manameloka ny sasany amin’ireo “voalobo-dratsy” vokatra tao Joda, ka manonona ny voalohany tamin’ny loza enina: “Lozanareo izay mangorona trano lalandava sady mampiharo vala ny saha amin’ny saha, ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony, mba ho tonga mponina manirery eo amin’ny tany Isaia 5:8-10.
hianareo! Izao no ren’ny sofiko avy amin’i Jehovah, Tompon’ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra. Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanimboaloboka folo zemeda, ary efaha iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran’ny homera.” —18, 19. Ahoana no tsy niraharahan’ireo niara-belona tamin’i Isaia ny lalàn’i Jehovah momba ny fananana, ary inona no ho vokatr’izany ho azy ireo?
18 Teo amin’ny Isiraely fahiny, dia an’i Jehovah ny tany rehetra, raha ny tena izy. Ny fianakaviana tsirairay dia nanana lova avy tamin’Andriamanitra, izay azony nahofa na natao bailina, fa tsy azony natao “varo-maty” kosa. (Levitikosy 25:23). Nisakana ny fanararaotana, toy ny fanaovana ampihimamba trano sy tany, io lalàna io, no sady niaro ireo fianakaviana tsy hahantra faraidiny. Natosiky ny fitsiriritana tafahoatra anefa ny sasany tao Joda, ka nandika ireo lalàn’Andriamanitra momba ny fananana. Hoy ny nosoratan’i Mika: “Mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, sy trano koa ka mahalasa azy; ary mampahory olona mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany.” (Mika 2:2). Nampitandrina anefa ny Ohabolana 20:21 hoe: “Ny harena [azo amin’ny fitsiriritana tafahoatra, NW ] eo am-boalohany dia tsy hotahina any am-parany.”
19 Nampanantena ny hanaisotra tamin’ireny mpierina ireny ny tombony azon’izy ireo tamin-karatsiam-panahy i Jehovah. Ireo trano nalain’izy ireo an-keriny dia “tsy hisy mpitoetra”. Ireo tany izay notsiriritiny dia tsy hamokatra afa-tsy ampahany kely amin’izay tokony hovokariny. Tsy voalaza ny fomba sy ny fotoana marina hahatanterahan’izany fanozonana izany. Azo inoana fa nanondro ny sasany, fara fahakeliny, tamin’ireo toe-piainana hoentin’ny sesitany tany Babylona tatỳ aoriana izy io. — Isaia 27:10.
20. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina amin’izao andro izao tsy hanahaka ny fihetsika feno fitsiriritana tafahoatra nasehon’ny sasany teo amin’ny Isiraely?
20 Ny Kristianina amin’izao andro izao dia tsy maintsy mankahala ny fitsiriritana tafahoatra sy tsy mety afa-po, toy izay nasehon’ny Isiraelita sasany tamin’izany andro izany. (Ohabolana ). Rehefa manjary zava-dehibe loatra ny zavatra ara-nofo, dia mora ny mampietry tena hampiasa ny fomban’ny maty eritreritra mba hahazoana vola. Mety ho voafandrika mora foana hanao raharaha maizimaizina na tetika mampanan-karena haingana tsy araka ny zava-misy, ny olona iray. “Izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.” ( 27:20Ohabolana 28:20). Tena zava-dehibe àry ny fahaiza-mianina amin’izay ananantsika! — 1 Timoty 6:8.
Ny fandriky ny fialam-boly mampisalasala
21. Fahotana inona avy no melohina ao amin’ilay loza faharoa nambaran’i Isaia?
21 Manaraka izany ny loza faharoa nambaran’i Isaia: “Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay! Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; fa ny asan’i Jehovah tsy mba jereny, ary ny ataon’ny tànany tsy mba hitany.” — Isaia 5:11, 12.
22. Tsy fanehoana fifehezan-tena tamin’inona moa no hita teo amin’ny Isiraely, ary inona no ho vokatr’izany ho an’ilay firenena?
22 I Jehovah no ilay “Andriamanitra finaritra”, ka tsy mampaninona azy raha miala voly araka ny antonony ny mpanompony. (1 Timoty 1:11). Kanefa, ireto mpanenjika fahafinaretana ireto kosa dia nihoa-pefy! “Izay mamo dia mamo amin’ny alina”, hoy ny Baiboly. (1 Tesaloniana 5:7). Ireo mpiliba voalazan’ilay faminaniana anefa dia manomboka ny fanaranam-pony amin’ny fimamoana, amin’ny vao mangiran-dratsy ka manohy misotro hatramin’ny hariva! Mitondra tena toy ny hoe tsy misy Andriamanitra, izy ireo, toy ny hoe tsy hampamoaka azy ireo amin’ny ataony izy. Nilaza mialoha i Isaia fa hanjombona ny hoavin’ny olona toy izany. “Ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, ary ny olona ambony ho mosarena, ary ny valalabemandry ho main’ny hetaheta.” (Isaia 5:13). Noho ny fandavany tsy hanao araka ny fahalalana marina, dia hidina ho any amin’ny Sheola ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena — na ny ambony toerana na ny ambany toerana. — Vakio ny Isaia 5:14-17.
23, 24. Fifehezan-tena sy fahalalana onony amin’inona no asaina asehon’ny Kristianina?
Galatiana 5:21; 2 Petera 2:13). Koa tsy mahagaga raha tsy nampiseho fahaiza-mitsara zavatra teo amin’ny fiaraha-mikorana ny Kristianina sasany vita fanoloran-tena amin’izao andro izao. Ny tsy fahalalana onony amin’ny fisotroana zavatra misy alkaola dia nahatonga ny sasany ho be tabataba sy horakoraka. (Ohabolana 20:1). Nisy aza nanao fitondran-tena maloto, satria nisotro be loatra, ary ny korana sasany dia navela hitohy nandritra ny alina manontolo, ka nanakantsakana ny fanaovana asa kristianina ny ampitso.
23 Zava-nanahirana teo amin’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany koa ny “filalaovan-dratsy”, na “korana anaranam-po” (NW ), na “lanonana tsy voafehy” (Byington). (24 Ny Kristianina mahay mandanjalanja anefa dia mamoa voa tsara, ka maneho fifehezan-tena sy fahalalana onony eo amin’ny fialam-boly fidiny. Manaraka izao torohevitr’i Paoly hita ao amin’ny Romana 13:13 izao izy ireo: “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro; tsy amin’ny [korana anaranam-po, NW ], na amin’ny fahamamoana”.
Ankahalao ny ota ary tiavo ny fahamarinana
25, 26. Fomba fisaina ratsin’ny Isiraelita nanao ahoana no alan’i Isaia sarona, ao amin’ny loza fahatelo sy fahefatra nambarany?
25 Henoy izao ny loza fahatelo sy fahefatra nambaran’i Isaia: “Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny faharatsiana. Ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsariety, dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, ary aoka izay kasain’ny Iray Masin’ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika! Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!” — Isaia 5:18-20.
26 Endre izany sary mazava toy ny hitan’ny maso ny amin’ireo zatra manota! Mifatotra amin’ny ota, toy ny omby amin’ny sarety, izy ireo. Tsy matahotra izay andro fitsarana ho avy Jeremia 6:15; 2 Petera 3:3-7.
ireo mpanota ireo. Hoy izy ireo, maniratsira: “Aoka hododonany ny [asan’Andriamanitra]”. Tsy manaiky ny Lalàn’Andriamanitra izy ireo, fa manolan-javatra kosa, ka milaza “ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy”. — Ampitahao amin’ny27. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina amin’izao andro izao manalavitra ny fihetsika toy ny an’ny Isiraelita?
27 Tsy maintsy manalavitra ny fihetsika toy izany na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona ny Kristianina amin’izao andro izao. Ohatra, tsy mety manaiky ny fomba fijerin’ity tontolo ity, izay mihevitra ny fijangajangana sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ho azo ekena, izy ireo. (Efesiana 4:18, 19). Marina fa mety ho “azon’ny ota tsy nahy”, izay mety hahatonga azy hanao fahotana lehibe, ny Kristianina iray. (Galatiana 6:1). Vonona ny hanampy an’ireo izay lavo ka mila fanampiana anefa ireo loholona ao amin’ny kongregasiona. (Jakoba 5:14, 15). Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny torohevitra miorina amin’ny Baiboly, dia azo atao ny ho tafarina ara-panahy. Raha tsy izany, dia mety ho tonga “andevon’ny ota” ny olona iray. (Jaona 8:34). Tsy haniratsira an’Andriamanitra, na hanadino ilay andro fitsarana ho avy, àry ny Kristianina, fa hiezaka mafy kosa hitoetra “tsy hanan-tsiny amam-pondro” eo anatrehan’i Jehovah. — 2 Petera 3:14; Galatiana 6:7, 8.
28. Fahotana inona avy no melohina ao amin’ireo loza farany nambaran’i Isaia, ary ahoana no ahafahan’ny Kristianina amin’izao andro izao manalavitra fahotana toy izany?
28 Tena mety ny nanampian’i Isaia ireto fanambarana loza farany ireto: “Lozan’izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina! Lozan’izay fatratra — nefa amin’ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto — nefa amin’ny fampiharoharoana toaka ihany! Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin’ny marina!” (Isaia 5:21-23). Miharihary fa ireo mpitsara teo amin’ilay tany no niantefan’ireo teny ireo. Ireo loholona ao amin’ny kongregasiona amin’izao andro izao dia miezaka tsy ‘hanao azy ho hendry’. Manaiky amim-panetren-tena ny torohevitra avy amin’ireo loholona hafa izy ary manaraka akaiky ireo toromarika ara-pandaminana. (Ohabolana 1:5; 1 Korintiana 14:33). Mahalala onony izy eo amin’ny fisotroana zavatra misy alkaola, ka tsy misotro izany mihitsy alohan’ny hiantsorohany ireo andraikiny ao amin’ny kongregasiona. (Hosea 4:11). Halavirin’ireo loholona koa na dia ny fisehoana fotsiny ho miangatra aza. (Jakoba 2:9). Hafa tanteraka noho ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina tokoa izy ireo! Maro amin’izy ireny no manarontsarona ny fahotan’ireo manam-pahefana sy manankarena eo anivony, zavatra izay mifanohitra tanteraka amin’ny fampitandreman’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 1:18, 26, 27 sy 1 Korintiana 6:9, 10 ary Efesiana 5:3-5.
29. Loza inona no hanjo an’ilay tanimboalobok’i Jehovah, dia ny Isiraelita?
29 Namarana ny hafatra ara-paminaniana nentiny i Isaia Isaia 5:24, 25; Hosea 9:16; Malakia 3:19). Hoy ny nambarany: “Hanangana faneva ho amin’ny firenena [lehibe iray, “NW” ] lavitra [i Jehovah] sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran’ny tany; ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo”. — Isaia 5:26; Deoteronomia 28:49; Jeremia 5:15.
tamin’ny filazalazana ny loza hanjo an’ireo izay “nandà ny lalàn’i Jehovah” sy tsy namoa voa tsaran’ny fahitsiana. (30. Iza moa no hamory “firenena lehibe” iray hanohitra ny vahoakan’i Jehovah, ary inona no ho vokany?
30 Tamin’ny andro fahiny, dia azo nampiasaina ho “faneva”, na toerana namoriana olona na tafika, ny tsato-kazo iray teo amin’ny toerana avo iray. (Ampitahao amin’ny Isaia 18:3; Jeremia 51:27.) Izao dia i Jehovah mihitsy no hamory io “firenena lehibe” (NW ) tsy voatonona anarana io, mba hampihatra ny didim-pitsarany. * ‘Hisiaka hiantso azy’ izy, izany hoe hisarika ny sain’izy io ho amin’io zavatra mendrika ny horesena io, dia ilay vahoakany naniasia. Manaraka izany, ilay mpaminany dia milazalaza ny fanafihana haingana sady mahatahotra hataon’ireo mpandresy toy ny liona ireo, izay ‘handrapaka ny [remby]’, izany hoe ilay firenen’Andriamanitra, izay “lasany” ho babo. (Vakio ny Isaia 5:27-30a.) Ary endre ny vokatra mampalahelo ho an’ny tanin’ilay vahoakan’i Jehovah! “Raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; ary ny fahazavana hohamaizinin’ny rahona.” — Isaia 5:30b.
31. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina marina tsy ho voan’ilay famaizana nampiharina tamin’ilay tanimboalobok’i Jehovah, dia ny Isiraelita?
31 Eny, nanjary tsy namokatra ilay tanimboaloboka nokarakarain’Andriamanitra tamim-pitiavana erỳ — tsy mendrika afa-tsy ny fandringanana. Endre izany lesona mahery omen’ny tenin’i Isaia an’izay rehetra maniry hanompo an’i Jehovah amin’izao andro izao! Enga anie izy ireo tsy hamoa afa-tsy voan’ny fahitsiana, ho fiderana an’i Jehovah sy mba hahazoan’ny tenany famonjena!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Misy manam-pahaizana milaza fa rafitra tsy naharitra, toy ny trano heva, na trano bongo, izay mora vidy kokoa, no fahita matetika kokoa noho ny tilikambo vato. (Isaia 1:8). Ny fisian’ny tilikambo iray dia nanondro fa nanao ezaka niavaka ilay tompon-tany mba hiarovana ny “tanimboalobony”.
^ feh. 30 Any amin’ny faminaniana hafa, dia ampahafantarin’i Isaia fa i Babylona ilay firenena izay hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah ho fandravana an’i Joda.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 83]
Ny mpanota dia mifatotra amin’ny ota, toy ny omby amin’ny sarety
[Sary, pejy 85]