Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lozan’ireo Mpikomy!

Lozan’ireo Mpikomy!

Toko Fahiraika Ambin’ny Folo

Lozan’ireo Mpikomy!

Isaia 9:7–10:4

1. Fahadisoana lehibe inona no nataon’i Jeroboama?

FONY nizara ho fanjakana roa ilay vahoaka nanaovan’i Jehovah fanekena, dia nanjary teo ambanin’ny fanapahan’i Jeroboama ilay fanjakan’ny foko folo tany avaratra. Mpanapaka nahay sady navitrika be ilay mpanjaka vaovao. Tsy nanana tena finoana an’i Jehovah anefa izy. Noho izany, dia nanao fahadisoana lehibe iray, izay nisy vokany ratsy teo amin’ny tantaran’ilay fanjakana tany avaratra manontolo, izy. Teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, ny Isiraelita dia nodidiana mba hiakatra intelo isan-taona tany amin’ny tempoly tany Jerosalema, izay tany amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo tamin’izay. (Deoteronomia 16:16). Natahotra i Jeroboama sao hahatonga ny olom-peheziny hieritreritra ny ho tafaray indray tamin’ireo rahalahiny tany atsimo ireny dia natao tsy tapaka ireny, ka “nanao ombilahy kely volamena roa [izy]; ary hoy izy tamin’ny olona: Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô, indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta. Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana”.​—1 Mpanjaka 12:28, 29.

2, 3. Inona avy no vokatry ny fahadisoan’i Jeroboama teo amin’ny Isiraely?

2 Nandritra ny fotoana kelikely, dia toa nahomby ny tetik’i Jeroboama. Nitsahatra tsikelikely tsy nankany Jerosalema ilay vahoaka, ka nanomboka nivavaka teo anoloan’ireo ombilahy kely roa. (1 Mpanjaka 12:30). Kanefa dia nanimba ilay fanjakan’ny foko folo io fanao nampiseho fivadiham-pinoana io. Tamin’ireo taona tatỳ aoriana, na dia i Jeho aza, izay nampiseho zotom-po mendri-piderana tamin’ny fanesorana teo amin’ny Isiraely ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala, dia mbola nanohy niankohoka teo anoloan’ireo ombilahy kely volamena ireo ihany. (2 Mpanjaka 10:28, 29). Inona koa no vokatry ny fanapahan-kevitra nampahonena noraisin’i Jeroboama? Fikorontanana ara-politika sy fijaliana ho an’ny vahoaka.

3 Noho i Jeroboama nivadi-pinoana, dia nilaza i Jehovah fa tsy hanjaka eo amin’ilay tany ny taranany, ary amin’ny farany dia hiharan’ny loza mahatsiravina ilay fanjakana tany avaratra. (1 Mpanjaka 14:14, 15). Marina ny tenin’i Jehovah. Ny fito tamin’ireo mpanjakan’ny Isiraely dia tsy nanjaka afa-tsy nandritra ny roa taona na latsaka​—ny sasany aza nandritra ny andro vitsivitsy monja. Ny mpanjaka iray namono tena, ary ny enina hafa novonoin’ny lehilahy fatra-paniry laza, izay nandrombaka ny seza fiandrianana. Taorian’ny fanjakan’i Jeroboama II, izay nifarana tokony ho tamin’ny 804 al.f.i., fony i Ozia nanjaka tao Joda, tamin’izay indrindra ny Isiraely no nianjadian’ny korontana sy ny herisetra ary ny vonoan’olona. Tao anatin’izany toe-javatra izany i Jehovah no nandefa fampitandremana, na “teny”, nivantana, tamin’ny alalan’i Isaia, ho an’ilay fanjakana tany avaratra. “Ny Tompo mandefa teny ho an’i Jakoba, ka mihatra amin’ny Isiraely izany.”​—Isaia 9:7. *

Ny fahatezeran’Andriamanitra no tambin’ny fiavonavonana sy ny fireharehana

4. “Teny” inona no nalefan’i Jehovah hamelezana ny Isiraely, ary nahoana?

4 Tsy misy afaka mody tsy mahita ny ‘tenin’i’ Jehovah. “Ho fantatr’izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin’ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ny fony”. (Isaia 9:8). Ny hoe “Jakoba”, “Isiraely”, “Efraima” ary “Samaria” dia samy manondro ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, ka i Efraima no foko natanjaka indrindra tao aminy ary i Samaria no renivohiny. Fanambarana ara-pitsarana nahery ny tenin’i Jehovah namely an’io fanjakana io, satria nihamafy hatoka tao amin’ny fivadiham-pinoany i Efraima, ka sahisahy ratsy tsy nanan-kenatra teo anatrehan’i Jehovah. Tsy hiaro ilay vahoaka tamin’ireo vokatry ny lalan-dratsiny Andriamanitra. Ho voatery handre, na hanongilan-tsofina amin’ny tenin’Andriamanitra izy ireo.​—Galatiana 6:7.

5. Ahoana no nampisehoan’ny Isiraelita fa tsy nampihontsina azy ny didim-pitsaran’i Jehovah?

5 Mbola niharatsy ihany ny toe-javatra, hany ka namoy zavatra maro ilay vahoaka, anisan’izany ny fonenany​—izay mazàna no vita tamin’ny biriky tany sy hazo mora vidy. Nampahalefaka ny fon’izy ireo ve izany? Hanaraka ny tenin’ireo mpaminan’i Jehovah ve izy ireo, ka hiverina ho amin’ilay Andriamanitra marina? * Notantarain’i Isaia toy izao ny valin-tenin’ilay vahoaka nidaondaom-bava: “Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.” (Isaia 9:9). Nihantsy an’i Jehovah ireo Isiraelita, no sady nanilika an’ireo mpaminaniny, izay nilaza taminy ny antony nianjadian’ny zava-tsarotra taminy. Raha ny marina, dia toy ny nilaza ilay vahoaka hoe: ‘Mety ho namoy trano vita tamin’ny biriky tany mora simba sy hazo mora vidy izahay, nefa mihoatra lavitra noho izany zavatra nafoinay izany no hanoneranay azy, amin’ny fanorenana amin’ny fitaovana ambony karazana kokoa​—vato voapaika sy sedera!’ (Ampitahao amin’ny Joba 4:19.) Famaizana fanampiny no hany tsy maintsy nampiharin’i Jehovah taminy, noho izany.​—Ampitahao amin’ny Isaia 48:22.

6. Ahoana no nanafoanan’i Jehovah ilay fiaraha-miokon’ny Syrianina sy ny Isiraelita hanohitra an’i Joda?

6 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy”. (Isaia 9:10a). Mpiara-dia i Peka, mpanjakan’i Isiraely, sy i Rezina, mpanjakan’i Syria. Niara-nioko mba handresy ny fanjakan’ireo foko roan’i Joda izy ireo, sy hametraka teo ambonin’ny seza fiandrianan’i Jehovah tao Jerosalema, mpanjaka iray ho saribakoliny​—izany “zanak’i Tabeala” izany. (Isaia 7:6). Tsy hahomby anefa ilay fiokoana. Nanana fahavalo nahery i Rezina, ary ‘hanandratra’ an’ireny fahavalo ireny hamely “azy”, izany hoe an’i Isiraely, i Jehovah. Ilay teny hoe “manandratra” dia midika hoe manome lalana azy ireo hanao ady tena hisy vokany, izay hamarana ilay fifanarahana sy ny zava-kendreny.

7, 8. Inona no vokatry ny nandresen’i Asyria an’i Syria, ho an’i Isiraely?

7 Ny fahafoanan’io fifanarahana io dia nanomboka fony i Asyria nanafika an’i Syria. ‘Niakatra hamely an’i Damaskosy [renivohitr’i Syria] ny mpanjakan’i Asyria ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny; fa Rezina kosa novonoiny.’ (2 Mpanjaka 16:9). Nafoin’i Peka ilay mpiara-dia taminy nahery, koa hitany àry fa nandamòka ny fikasan-dratsiny momba an’i Joda. Raha ny tena izy, tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Rezina, i Peka koa dia novonoin’i Hosea, izay nandrombaka ny seza fiandrianan’i Samaria avy eo.​—2 Mpanjaka 15:23-25, 30.

8 I Syria, ilay mpiara-dia tamin’i Isiraely teo aloha, izao dia teo ambany fahefan’i Asyria, ilay fanjakana nahery indrindra teo amin’ilay faritra. Naminany momba ny fomba hampiasan’i Jehovah an’io fitambarana ara-politika vaovao io, i Isaia: “Mamporisika ny fahavalony [ny an’i Isiraely] [i Jehovah], dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.” (Isaia 9:10b, 11). Eny, fahavalon’i Isiraely izao i Syria, ary tsy maintsy miomana ny hotafihin’i Asyria sy i Syria i Isiraely. Nahomby ilay fanafihana. Nataon’i Asyria ho mpanompony i Hosea, ilay mpandrombaka toeran’olona, ka nampandoa azy hetra navesa-be. (Am-polony taona vitsivitsy talohan’izay, dia nahazo vola avy tamin’i Menahema, mpanjakan’i Isiraely i Asyria.) Tena marina ilay tenin’i Hosea mpaminany hoe: “Lanin’ny vahiny ny heriny [ny an’i Efraima]”!​—Hosea 7:9; 2 Mpanjaka 15:19, 20; 17:1-3.

9. Nahoana isika no afaka milaza fa nanafika “avy ao aoriana” ny Filistinina?

9 Tsy nilaza koa ve i Isaia fa hanafika “avy any andrefana”, na hoe “avy ao aoriana” (NW ), ny Filistinina? Eny. Talohan’ny andron’ny famantaranavaratra, ny Hebreo dia nanondro toerana, araka ny fijerin’ny olona iray manatrika ny fiposahan’ny masoandro. Araka izany, ny “atsinanana” dia ny teo aloha, fa ny “andrefana” kosa, ny fonenan’ny Filistinina teo amorontsiraka, dia ny tao aoriana. Ilay “Isiraely” voatonona ao amin’ny Isaia 9:11 dia mety ho nahafaoka an’i Joda tamin’io indray mandeha io, satria nanafika an’i Joda ireo Filistinina, nandritra ny fanjakan’i Ahaza, niara-belona tamin’i Peka, ka naka sy nibodo tanàna sy vohitra mimanda maromaro tany Joda. Sahala amin’i Efraima tany avaratra, dia mendrika ny famaizana avy tamin’i Jehovah i Joda, satria izy koa dia vonton’ny fivadiham-pinoana.​—2 Tantara 28:1-4, 18, 19.

Hatramin’ny ‘lohany ka hatramin’ny rambony’ — Firenena manontolo mpikomy

10, 11. Famaizana inona no hamelezan’i Jehovah ny Isiraely, noho ny nikomian’izy ireo tsy an-kijanona?

10 Na dia teo aza izany fijaliana rehetra izany​—ary na dia teo aza ireo faminaniana nahery nambaran’ireo mpaminanin’i Jehovah​—dia mbola nikiry nikomy tamin’i Jehovah ihany ilay fanjakana tany avaratra. “Ny olona tsy miverina amin’Izay mamely azy, eny, Jehovah, Tompon’ny maro, tsy mba tadiaviny.” (Isaia 9:12). Ho vokany, dia hoy ilay mpaminany: “Hofongoran’i Jehovah amin’ny Isiraely indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro (ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo); fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, ary izay tarihiny dia voatelina.”2​Isaia 9:13-15.

11 Ny “loha” sy ny “sampan-drofia” dia nampiseho “ny loholona sy ny manan-kaja”​—ireo mpitarika teo amin’ilay firenena. Ny “rambo” sy ny “zozoro” dia nanondro an’ireo mpaminany sandoka izay nanonona teny nampifaly an’ireo mpitarika azy. Hoy ny nosoratan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Nantsoina hoe rambo ireo Mpaminany sandoka, satria izy ireo no olona ambany toetra indrindra teo amin’ny ara-pitondran-tena, ary koa satria izy ireo no mpanohana sady mpisolelaka feno fihatsarambelatsihy an’ireo mpanapaka ratsy fanahy.” Hoy ny nolazain’ny Profesora Edward J. Young momba ireny mpaminany sandoka ireny: “Tsy mpitarika akory izy ireny, fa mpanaraka am-bokony tany amin’izay nitarihan’ny mpitarika azy, nandokadoka sy nanasohaso fotsiny, toy ny rambon’alika nipelipelika.”​—Ampitahao amin’ny 2 Timoty 4:3.

Na ny ‘mpitondratena sy ny kamboty’ aza dia mpikomy

12. Tafatsofoka hatraiza ny fahasimbana ara-pitondran-tena, teo amin’ny fiaraha-monina isiraelita?

12 I Jehovah no ilay Mpiaro ny mpitondratena sy ny kamboty. (Eksodosy 22:21, 22). Kanefa, henoy izay lazain’i Isaia izao: “Tsy mahafaly an’i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.” (Isaia 9:16). Nanimba ny sarangan’olona rehetra ny fivadiham-pinoana, ary na dia ny mpitondratena sy ny kamboty aza! Naneho faharetana i Jehovah naniraka ny mpaminaniny, tamin’ny fanantenana fa hiova ilay vahoaka. I Hosea, ohatra, dia nitalaho hoe: “Ry Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka hianao.” (Hosea 14:2). Tsy maintsy ho nampalahelo mafy an’ilay Mpiaro ny mpitondratena sy ny kamboty ny nahavoatery azy hampihatra ny didim-pitsarany tamin’izy ireo koa!

13. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny toe-javatra nisy tamin’ny andron’i Isaia?

13 Sahala amin’i Isaia, dia miaina amin’ny andro sarotra isika, alohan’ny andro hitsaran’i Jehovah ny ratsy fanahy. (2 Timoty 3:1-5). Tena zava-dehibe àry ny hitoeran’ny Kristianina marina ho madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena ary ara-tsaina, na inona na inona toe-javatra misy azy eo amin’ny fiainana, mba hihazonana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Aoka ny tsirairay samy hiaro amim-pahasarotam-piaro ny fifandraisany amin’i Jehovah. Aoka tsy hisy na iza na iza, izay efa nandositra an’i “Babylona lehibe”, ‘hiombona ota aminy’ indray.​—Apokalypsy 18:2, 4.

Miteraka herisetra ny fivavahan-diso

14, 15. a) Miteraka inona ny fivavahana amin’ny demonia? b) Naminany i Isaia fa hianjadian’ny fijaliana mitohy inona ny Isiraely?

14 Ny fivavahan-diso, raha ny tena izy, dia fivavahana amin’ireo demonia. (1 Korintiana 10:20). Araka ny hita niharihary talohan’ny Safo-drano, dia nitarika ho amin’ny herisetra ny fitaoman’ireo demonia. (Genesisy 6:11, 12). Tsy mahagaga àry raha nameno ny tany ny herisetra sy ny faharatsiana, rehefa nivadi-pinoana ny Isiraely, sy nanomboka nivavaka tamin’ireo demonia.​—Deoteronomia 32:17; Salamo 106:35-38.

15 Nampiasa sarin-teny mazava toy ny hitan’ny maso i Isaia, mba hilazalazana ny fihanaky ny faharatsiana sy ny herisetra teo amin’ny Isiraely: “Ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana. Noho ny fahatezeran’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia efa maintin’ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ny afo; tsy misy olona miantra ny rahalahiny. Ary mandripaka eny an-kavanana izy, nefa noana ihany; ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra: eny, Manase mihinana an’i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’i Manase, ary izy roa tonta dia miara-mamely an’i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.”​—Isaia 9:17-20.

16. Ahoana no nahatanterahan’ny teny ao amin’ny Isaia 9:17-20?

16 Toy ny lelafo izay mahazo tsikelikely ny kirihitr’ala tsirairay, dia tsy tana ny herisetra ka niely haingana tany amin’ireo “ala mikirindro”, ka nanjary toy ny doro ala nidedadeda be. Nilaza i Keil sy i Delitzsch, mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, fa ny habetsahan’ny herisetra tamin’izay no “fandringanan-tena tsy nifaditrovana indrindra nandritra ny ady an-trano iray nikorontana izaitsizy. Tsy nahitana firaiketam-po velively teo amin’izy ireo, izay nifampihinana, nefa tsy afa-po akory”. Azo inoana fa, matoa nosinganina ny fokon’i Efraima sy i Manase teto, dia satria izy ireo no solontena lehibe indrindran’ilay fanjakana tany avaratra, ary noho izy ireo taranaky ny zanak’i Josefa roa lahy, dia izy ireo no mpihavana akaiky indrindra tamin’ireo foko folo. Na izany aza anefa, dia tsy nampitsahatra ny herisetra nifamonoan’ny mpirahalahy izy ireo, raha tsy rehefa hiara-miady tamin’i Joda tany atsimo.​—2 Tantara 28:1-8.

Nihaona tamin’ny mpitsara azy ireo mpitsara mpandray kolikoly

17, 18. Fahasimbana ara-pitondran-tena nanao ahoana no hita teo amin’ny lalàna sy ny fitantanan-draharaha teo amin’ny Isiraely?

17 Avy eo i Jehovah dia nampifantoka ny fitsarany tamin’ireo mpitsara sy manam-pahefana hafa mpandray kolikoly tao Isiraely. Nanararaotra ny fahefany izy ireo, tamin’ny fandrobana ireo mahantra sy ory izay nanatona azy mba hitady ny rariny. Hoy i Isaia: “Lozan’izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana, hampialany ny mahantra amin’ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin’izay ory eo amin’ny oloko, handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!”​—Isaia 10:1, 2.

18 Nandrara ny endriny rehetra amin’ny tsy rariny ny Lalàn’i Jehovah: “Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana; aza miandany foana amin’ny malahelo, na menamaso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.” (Levitikosy 19:15). Tsy niraharaha io lalàna io ireo manam-pahefana ireo, ka nanao ny “fikasany tsy marina” azy manokana, mba hampanekena ho ara-dalàna izay azo antsoina mihitsy hoe ny fangalarana tsy nifaditrovana indrindra​—ny fakana ny fananana zara fa nisin’ny mpitondratena sy ny kamboty. Mazava ho azy fa nanakimpy ny masony tsy hahita izany tsy rariny izany ireo andriamani-dison’ny Isiraely, nefa tsy mba toy izany kosa i Jehovah. Tamin’ny alalan’i Isaia, dia nampifantoka ny sainy tamin’ireo mpitsara ratsy fanahy ireo izao izy.

19, 20. Inona no fiovana hanjo an’ireo mpitsara isiraelita mpandray kolikoly, ary inona no hanjo ny ‘voninahiny’?

19 “Ahoana no hataonareo amin’ny andro famaliana sy amin’ny fandravana izay avy amin’ny lavitra? Ho any amin’iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo? Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin’ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin’ny voavono.” (Isaia 10:3, 4a). Tsy nanana mpitsara nanao ny marina, izay azony nitalahoana, ireo mpitondratena sy kamboty. Tena nety àry izao ny nanontanian’i Jehovah an’ireo mpitsara isiraelita mpandray kolikoly ireo hoe iza no hitodihan’izy ireo amin’izao i Jehovah nampamoaka azy ireo izao. Eny, tsy ho ela dia ho fantatr’izy ireo fa “zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona”.​—Hebreo 10:31.

20 Ny ‘harena’, na ‘voninahitra’ (fanamarihana ambany pejy), an’ireo mpitsara ratsy fanahy ireo​—ny laza sy ny haja ary ny fahefana entin’ny harenany sy ny toerany​—dia tsy haharitra ela. Ho tonga babo an’ady ny sasany, ka ‘hihohoka’, na hitorovoka, hiaraka amin’ny babo hafa, ary ny hafa kosa hovonoina, ka ny fatiny dia ho voasaron’ireo maty an’ady. Tafiditra ao amin’ny ‘voninahiny’ koa ny harena azony tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, nefa horobain’ny fahavalo.

21. Rehefa heverina ireo famaizana azon’ny Isiraely, moa ve nitsahatra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izy ireo?

21 Mamarana io andininy farany io amin’izao fampitandremana mahatahotra izao i Isaia: “Kanefa, na dia izany rehetra izany [ny loza rehetra nianjady tamin’ilay firenena] aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.” (Isaia 10:4b). Eny, mbola tsy tapitra ny tian’i Jehovah holazaina tamin’ny Isiraely. Tsy hiverina ny tanany nihinjitra, raha tsy rehefa avy namely mafy farany an’ilay fanjakana mpikomy tany avaratra izy.

Aza manaiky ho voan’ny lainga sy ny fitiavan-tenan’ny hafa na oviana na oviana

22. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’izay nanjo ny Isiraely?

22 Nahery ny teny namelezan’i Jehovah ny Isiraely, tamin’ny alalan’i Isaia, ary ‘tsy niverina taminy foana, raha tsy efa nahatanteraka izay sitrany’. (Isaia 55:10, 11). Ny tantara dia mirakitra ny fiafarana nahonena nahazo ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, ary azontsika an-tsaina tsara ny fijaliana tsy maintsy niaretan’ny mponina tao aminy. Azo antoka tahaka izany koa ny hahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, indrindra fa amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina nivadi-pinoana. Tena zava-dehibe àry ny tsy hihainoan’ny Kristianina fampielezan-kevitra feno lainga sy manohitra an’Andriamanitra! Noho ny Tenin’Andriamanitra, dia voala sarona efa hatramin’ny ela ireo tetikady feno hafetsen’i Satana, hany ka tsy mila ny ho voafitak’izy ireny, sahala amin’ny vahoakan’i Isiraely fahiny, isika. (2 Korintiana 2:11). Enga anie isika rehetra tsy hitsahatra mihitsy ny hanompo an’i Jehovah “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:24). Amin’izay, dia tsy hamely ny mpanompony, toy ny namelezany an’i Efraima mpikomy, ny tanany mihinjitra; hamihina azy ireo amim-pitiavana kosa ny sandriny, ary hanampy azy ireo hamakivaky ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay eto amin’ny tany zary paradisa, izy.​—Jakoba 4:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny Isaia 9:7–10:4 dia voaforona andininy efatra (fizarazarana ao anatin’ny andalan-teny iray misy ngadona), izay samy miafara amin’izao fiverenan-teny milaza loza izao: “Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.” (Isaia 9:11, 16, 20; 10:4). Io fomba fandaharan-teny an-tsoratra io dia mampitambatra ny Isaia 9:7–10:4 ho “teny” iray ihany. (Isaia 9:7). Mariho koa fa ‘mbola mihinjitra ihany ny tanan’i’ Jehovah, tsy mba hanolorana fampihavanana indray akory, fa mba hitsarana.​—Isaia 9:11.

^ feh. 5 Anisan’ireo mpaminany nirahin’i Jehovah tany amin’ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra i Jeho (tsy ilay mpanjaka), i Elia, i Mikaia, i Elisa, i Jona, i Odeda, i Hosea, i Amosa ary i Mika.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 139]

Nihanaka nanerana an’i Isiraely, toy ny doro ala, ny faharatsiana sy ny herisetra

[Sary, pejy 141]

Hampamoaka an’ireo izay manararaotra ny hafa i Jehovah