Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah

Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah

Toko Fahadimy

Mampietry ny Manambony Tena i Jehovah

Isaia 2:6–4:1

1, 2. Nahoana no mahaliana antsika ny hafatra ara-paminanian’i Isaia ho an’ny Jiosy tamin’ny androny?

NAHATSAPA rikoriko noho ny toe-piainana nisy an’i Jerosalema sy i Joda i Isaia mpaminany, ka nitodika tany amin’i Jehovah Andriamanitra izy izao, ary nanambara hoe: “Efa nanary ny taranak’i Jakoba olonao Hianao”. (Isaia 2:6a). Inona no nahatonga an’Andriamanitra handa ilay vahoaka nofidiny ho ‘fananany manokana’?​—Deoteronomia 14:2, NW.

2 Tena mahaliana antsika ny fanamelohan’i Isaia an’ireo Jiosy tamin’ny androny. Nahoana? Satria mitovy tanteraka amin’ny toetran’ny firenen’i Isaia ny an’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina amin’izao andro izao, ary toy izany koa ny didim-pitsarana nambaran’i Jehovah. Raha mihaino ny fanambaran’i Isaia isika, dia hahatakatra mazava tsara izay melohin’Andriamanitra, ka hahazo fanampiana mba hanalavitra fanao izay tsy ankasitrahany. Tsy andrintsika àry izao izay handinihana ny teny ara-paminanian’i Jehovah, voarakitra ao amin’ny Isaia 2:6–4:1.

Niondrika tamim-piavonavonana izy ireo

3. Fahadisoan’ny fireneny inona no nieken’i Isaia?

3 Niaiky ny fahadisoan’ny fireneny toy izao i Isaia: “Feno ny fanao avy any atsinanana izy ary efa mpanandro tahaka ny Filistina sady efa be zana-bahiny.” (Isaia 2:6b). Tokony ho 800 taona talohan’io, dia nandidy an’ilay vahoaka voafidiny toy izao i Jehovah: “Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany [izay] nandotoan’ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.” (Levitikosy 18:24). Momba ireo izay nofidiny mba ho fananany manokana, dia nanery an’i Balama hilaza toy izao i Jehovah: “Eto an-tampon’ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ny jentilisa.” (Nomery 23:9, 12). Kanefa, tamin’ny andron’i Isaia, dia efa nandray an’ireo fanao nahatsiravin’ireo firenena nanodidina ny olom-boafidin’i Jehovah, ka “feno ny fanao avy any atsinanana”. Tsy nametraka ny finoany tamin’i Jehovah sy ny teniny izy ireo, fa tonga “mpanandro tahaka ny Filistina” kosa. Tsy nisaraka tamin’ireo firenena ilay tany, fa vao mainka “be zana-bahiny”, izay tsy isalasalana fa vahiny nampiditra fanao tsy tian’Andriamanitra teo amin’ny vahoakany.

4. Tsy nahatonga ny Jiosy hisaotra an’i Jehovah ny harena sy ny hery ara-tafika, fa hanao inona kosa?

4 Nahamarika ny fanambinana ara-toe-karena tamin’izay sy ny hery ara-tafiky ny Joda teo ambany fanapahan’i Ozia Mpanjaka i Isaia, ka nanambara hoe: “Ny taniny dia feno volafotsy sy volamena, sady tsy hita lany ny hareny; ary ny taniny dia feno soavaly, sady tsy hita isa ny kalesiny”. (Isaia 2:7). Nisaotra an’i Jehovah noho izany harena sy hery ara-tafika izany ve ilay vahoaka? (2 Tantara 26:1, 6-15). Tsia! Vao mainka aza izy ireo nitoky tamin’ny harena ary niala tamin’ny Loharanon’izany harena izany, dia i Jehovah Andriamanitra. Ny vokany? “Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; eo anatrehan’ny asan’ny tànany no iankohofany, dia izay nataon’ny rantsan-tànany; koa ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, ary ny olona haetry,​—ary aza mamela ny helony Hianao!” (Isaia 2:8, 9). Nampiodina ny tavany hiala tamin’ilay Andriamanitra velona izy ireo, ka niankohoka teo anoloan’ny sampy tsy nanana aina.

5. Nahoana no tsy fanehoana fanetren-tena ny fiankohofana eo anatrehan’ny sampy?

5 Afaka mampiseho fanetren-tena ny fiankohofana. Ny fiankohofana eo anatrehan’ny zavatra tsy manana aina anefa dia zava-poana, ary mahatonga ilay mpanompo sampy ‘hietry’, hivarilavo. Ahoana no hahafahan’i Jehovah hamela ny heloka toy izany? Inona no hataon’ireo mpanompo sampy ireo, rehefa hampamoaka azy i Jehovah?

‘Haetry ny maso miandranandrana’

6, 7. a) Inona no nanjo an’ireo nanambony tena tamin’ny andro fitsaran’i Jehovah? b) Inona na iza no nampiharan’i Jehovah ny fahatezerany, ary nahoana?

6 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Midira ao amin’ny vatolampy, ary miere ao amin’ny vovoka noho ny tahotra avy amin’i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.” (Isaia 2:10). Tsy nisy vatolampy lehibe afaka niaro azy ireo, na rakotra matevina afaka nanafina azy ireo tamin’i Jehovah, ilay Tsitoha, anefa. Rehefa ho tonga hampihatra ny didim-pitsarany izy, “ny fiandranandran’ny mason’ny zanak’olombelona dia haetry, ary ny fiavonavonan’ny olona hatao mitanondrika; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany”.​—Isaia 2:11.

7 Ho avy ny “andron’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Izy io dia ho fotoana hanehoan’Andriamanitra ny fahatezerany amin’ny “sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, sy ny hazo ôka rehetra any Basana sy ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina sy ny tilikambo miringiringy rehetra sy ny mànda mafy rehetra sy ny sambon’i Tarsisy rehetra sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra”. (Isaia 2:12-16). Eny, ny fikambanana rehetra natsangan’olombelona hireharehany, sy ny olona rehetra tsy tia an’Andriamanitra, dia hotsaraina amin’ny andron’ny fahatezeran’i Jehovah. Amin’izay, “ny fireharehan’ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, ary ny fiavonavonan’ny olona haetry; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany”.​—Isaia 2:17.

8. Ahoana no nahatanterahan’ilay andro fitsarana nambara mialoha tamin’i Jerosalema, tamin’ny 607 al.f.i.?

8 Nihatra tamin’ireo Jiosy tamin’ny 607 al.f.i. ilay andro fitsarana nambara mialoha, fony nandringana an’i Jerosalema i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Nahita ilay tanàna malalany nirehitra, sy ireo tranony nireharehany rava, ary ireo mandany natanjaka potipotika, ny mponina tao. Poti-javatra no sisa tavela tamin’ny tempolin’i Jehovah. Na ny harenany na ny kalesiny dia samy tsinontsinona, tamin’ny “andron’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Ary ny sampin’izy ireo? Izao nambaran’i Isaia mialoha izao indrindra no nanjo azy: “Ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.” (Isaia 2:18). Natao sesitany tany Babylona ireo Jiosy​—anisan’izany ny lehibe sy ny lehilahy nahery. Natao ho lao nandritra ny 70 taona i Jerosalema.

9. Ahoana no itovian’ny toetran’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina amin’ny an’i Jerosalema sy i Joda tamin’ny andron’i Isaia?

9 Tena mitovy tanteraka amin’ny toe-piainana nisy an’i Jerosalema sy i Joda tamin’ny andron’i Isaia ny misy ny Tontolo Lazaina fa Kristianina! Namboly fifandraisana akaiky tamin’ireo firenen’ity tontolo ity tokoa ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Mpanohana mafana fo ny Firenena Mikambana izy, ary nameno ny tranony tamin’ny sampy sy ny fanao tsy araka ny Soratra Masina. Miahy fatratra ny zavatra ara-nofo ny mpikambana ao aminy, ary mametraka ny fitokisany amin’ny hery ara-tafika. Ary moa ve izy ireo tsy mihevitra ny mpitondra fivavahany ho mendrika mari-panavahana lehibe, amin’ny fanomezana azy ireo anaram-boninahitra sy fanehoam-panajana? Tsy maintsy hatao ho tsinontsinona ny fanambonian-tenan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Rahoviana anefa?

Ilay “andron’i Jehovah” mananontanona

10. “Andron’i Jehovah” inona moa no noresahin’ny apostoly Paoly sy Petera?

10 Ny Soratra Masina dia manondro “andron’i Jehovah” iray izay ho lehibe lavitra noho ilay andro fitsarana nihatra tamin’i Jerosalema sy i Joda fahiny. Nampifandraisin’ny apostoly Paoly, nahazo tsindrimandry, tamin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy, Mpanjaka nomena fiandrianana, ilay “andron’i Jehovah” ho avy. (2 Tesaloniana 2:1, 2, NW ). I Petera dia nanonona io andro io, fony izy niresaka momba ny fiorenan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. (2 Petera 3:10-13). Izy io ilay andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ny fandehan-javatra ratsy manontolo, anisan’izany ny Tontolo Lazaina fa Kristianina.

11. a) Iza no ‘hahatanty’ ilay “andron’i Jehovah” ho avy? b) Ahoana no ahafahantsika manao an’i Jehovah ho fialofantsika?

11 “Indrisy ny andro!”, hoy i Joela mpaminany, “fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny”. Rehefa heverina ny fahantomoran’io “andro” io, moa ve tsy tokony ho zavatra hahin’ny rehetra ny ho voaro? “Iza no mahatanty izany?”, hoy i Joela nanontany. Namaly izy hoe: “Jehovah no fialofan’ny olony”. (Joela 1:15; 2:11; 4:16). Moa ve i Jehovah Andriamanitra ho fialofana ho an’ireo mieboebo sy mametraka ny fitokisany amin’ny harena sy ny hery ara-tafika ary ny andriamanitra nataon’olombelona? Na oviana na oviana! Na dia ilay vahoaka nofidiny aza dia nolavin’Andriamanitra, rehefa nanao zavatra toy izany izy ireo. Tena iankinan’ny ain’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra àry ny ‘hitadiavana ny fahamarinana sy ny hitadiavana ny fandeferana’ ary ny handinihana amim-pitandremana ny toerana tanan’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny fiainany!​—Zefania 2:2, 3.

“Ho an’ny voalavo sy ny [ramanavy]”

12, 13. Nahoana no tena mety ny hanipazan’ireo mpanompo sampy ny andriamaniny “ho an’ny voalavo sy ny [ramanavy]”, amin’ny andron’i Jehovah?

12 Ahoana no hiheveran’ireo mpanompo sampy ny sampiny amin’ilay andro lehiben’i Jehovah? Namaly toy izao i Isaia: “Hiditra ao amin’ny zohy sy ny lava-bato ny olona noho ny tahotra avy amin’i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. Amin’izany andro izany dia harian’ny olona ho an’ny voalavo sy ny [ramanavy] ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany (...) mba hidirany eo amin’ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato noho ny tahotra avy amin’i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy. Mitsahara, fa aza mitoky amin’ny olona; fa fofonaina foana no eo am-bavorony, ka hatao zinona izy?”​—Isaia 2:19-22.

13 Ny karazam-boalavo sasany dia miaina any anaty lavaka ambanin’ny tany, ary ny ramanavy dia mipetraka any anaty zohy maizina sy lao. Ambonin’izany, any amin’izay iraisan’ny ramanavy be dia be toerana, dia misy fofona mankaloiloy sy sosona matevina tain-dramanavy. Tena mety ny hanipazana ireo sampy any amin’ny toerana toy izany. Toerana maizina sy maloto ihany no mendrika azy ireo. Raha ny amin’ilay vahoaka kosa, dia hitady fialofana any anaty zohy sy any an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, amin’ilay andro fitsaran’i Jehovah. Koa hitovy àry ny hiafaran’ireo sampy sy ny manompo azy. Nifanaraka tamin’ny faminanian’i Isaia, ireo sampy tsy nanana aina dia tsy namonjy ny nanompo azy na namonjy an’i Jerosalema, tamin’ny tanan’i Nebokadnezara, tamin’ny 607 al.f.i.

14. Amin’ny andro fitsaran’i Jehovah ho avy amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, inona moa no hataon’ireo lehilahy mpanohana ity tontolo ity?

14 Amin’ny andro fitsaran’i Jehovah ho avy amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina sy ny tapany hafa amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, inona moa no hataon’ny olona? Hiatrika ny fikororosian’ny toe-piainana maneran-tany ny ankamaroany, ka azo inoana fa hahatakatra fa tsy misy vidiny ny sampiny. Tena tsy maintsy hitady fialofana sy fiarovana any amin’ny fikambanana tsy ara-panahy sy an’olombelona kosa izy ireo, ka anisan’izany angamba ny Firenena Mikambana, ilay “bibi-dia mivolon-jaky” voalazan’ny Apokalypsy toko faha-17. Ireo ‘tandroka folon’io’ bibidia ara-panoharana io no handringana an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ka tapany lehibe ao ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina.​—Apokalypsy 17:3, 8-12, 16, 17.

15. Amin’ny ahoana no hoe i “Jehovah ihany no hisandratra”, amin’ny andro fitsarany?

15 Na dia mety ho ireo tandroka folo ara-panoharana ireo aza no hanao ilay fandravana sy fandoroana an’i Babylona Lehibe, raha ny marina, dia ho fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah izany. Hoy ny ambaran’ny Apokalypsy 18:8 momba an’i Babylona Lehibe: “Koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.” Koa i Jehovah Andriamanitra, ilay Tsitoha, àry no hahazo ny voninahitra, noho ny fanafahana ny olombelona avy amin’ny fanapahan’ny fivavahan-diso. Araka ny nambaran’i Isaia, dia i ‘Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany, fa andron’i Jehovah, Tompon’ny maro, izany’.​—Isaia 2:11b, 12a.

‘Mampivily anareo ny mpitarika’

16. a) Inona no “andry sy tohana” iorenan’ny fitambaran’olona iray? b) Ahoana no hijalian’ny firenen’i Isaia, rehefa hesorina ny “andry sy tohana” niorenan’ny fitambaran’olona nisy azy ireo?

16 Mba hahafahan’ny fitambaran’olona iray hiorina mafy, dia tsy maintsy manana ny ‘andriny sy ny tohany’ izy​—zavatra tena ilaina toy ny hanina sy ny rano ary indrindra fa mpitarika mendri-pitokisana izay afaka mitari-dalana ny olona sy mitandro ny filaminam-bahoaka. Hoy anefa ny nambaran’i Isaia mialoha momba ny Isiraely fahiny: “Indro, Jehovah, Tompon’ny maro, manaisotra amin’i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan’aina, ny lehilahy mahery sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpanao fankatovana sy ny loholona, ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.” (Isaia 3:1-3). Ankizilahy kely no ho lehibe, na andriana, ary hanapaka araka ny haitraitrany. Tsy vitan’ny hoe hampahory ny vahoaka ny mpanapaka, fa “hifanipaka izy samy iray firenena (...); ny tovolahy hirehareha amin’ny anti-panahy, ary ny tsy manan-daza amin’ny manan-daza”. (Isaia 3:4, 5). ‘Hirehareha’ amin’ireo olon-dehibe ny ankizy, amin’ny tsy fanehoana fanajana azy. Ho ambany dia ambany ny toe-piainana, hany ka hilaza amin’ny olona tsy mahafeno fepetra hanapaka, ny iray hafa hoe: “Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao”. (Isaia 3:6). Handa anefa ireo izay hasaina toy izany, ka hanizingizina fa tsy manana ny fahaizana hanasitrana an’ilay tany, na ny harena hiantsorohana ilay andraikitra, ny tenany. Hilaza izy ireo hoe: “Tsy mety ho dokotera aho, fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.”​—Isaia 3:7.

17. a) Tamin’ny heviny ahoana ny fahotan’i Jerosalema sy i Joda no ‘tahaka ny an’i Sodoma’? b) Iza no nomen’i Isaia tsiny noho ny toetran’ilay fireneny?

17 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Tafintohina Jerosalema, ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’i Jehovah mba hihaika ny mason’ny voninahiny. Ny fisehon’ny tarehiny miampanga azy; ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.” (Isaia 3:8, 9). Niodina tamin’ilay Andriamanitra marina, tamin’ny teniny sy tamin’ny nataony, ny vahoakan’Andriamanitra. Na dia ny fisehon’ny tarehiny tsy nisy henatra sy tsy nibebaka aza dia nanala sarona ny fahotany, izay naharikoriko tahaka ny an’i Sodoma. Nifanao fanekena tamin’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, kanefa tsy hanova ny fari-pitsipiny ho azy ireo izy. ‘Hahita soa ny marina, fa ny vokatry ny asany no hohaniny. Lozan’ny ratsy fanahy! hiharan’ny ratsy izy, satria ny valin’ny nataon’ny tanany ihany no hanody azy. Ny amin’ny oloko, dia zaza no mampahory azy, ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao sady mandrava ny lalana alehanao.’​—Isaia 3:10-12.

18. a) Inona no didim-pitsarana navoakan’i Jehovah momba ireo loholona sy andriana tamin’ny andron’i Isaia? b) Inona no fianarana azontsika raisina avy amin’ny fitsaran’i Jehovah an’ireo loholona sy andriana?

18 ‘Nitsara’ sy ‘niampanga’ ny loholona sy ny andriana tao Joda toy izao i Jehovah: “Hianareo no efa nandevona ny tanimboaloboka; ary ao an-tranonareo ny fananan’ny malahelo izay efa nalaina an-keriny. Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, ary torotoroinareo ny tavan’ny malahelo?” (Isaia 3:13-15). Tsy nanao izay hahasoa ny vahoaka ireo mpitarika, fa nanao zavatra tamim-pitaka kosa. Nanararaotra ny fahefany izy ireo, ka nangoron-karena ho an’ny tenany ary naka ny an’ny mahantra sy ny nila fanampiana. Tsy maintsy nampamoahin’i Jehovah anefa ireo mpitarika ireo, noho ny fampahoriany an’ireo nalahelo. Izany ka fampitandremana ho an’ireo izay mitana toeram-piandraiketana amin’izao andro izao! Enga anie izy ireo hitandrina mandrakariva mba tsy hanararaotra ny fahefany.

19. Meloka noho ny fampahoriana sy ny fanenjehana inona moa ny Tontolo Lazaina fa Kristianina?

19 Ny Tontolo Lazaina fa Kristianina​—indrindra fa ny mpitondra fivavahana sy ny lehibe ao aminy​—dia naka tamim-pitaka izay tokony ho an’ny sarambabem-bahoaka, izay nampahoriny ary mbola ampahoriny. Nikapoka sy nanenjika ary namely ny vahoakan’Andriamanitra izy, no sady tena nanala baraka ny anaran’i Jehovah. Amin’ny fotoana voatondrony, i Jehovah dia tena hiampanga azy tokoa.

“Ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ny vy mahamay”

20. Nahoana i Jehovah no nanameloka “ireo zanakavavin’i Ziona”?

20 Rehefa avy nanameloka ny ratsy nataon’ireo mpitarika i Jehovah, dia nitodika tany amin’ireo vehivavin’i Ziona, na Jerosalema. Angamba ho fanarahan-damaody, “ireo zanakavavin’i Ziona” dia nanao “rojo parapaingo”​—rojo kely nafatotra teo amin’ny kitrokeliny​—izay nikorintsandrintsana nahafinaritra. Ninia nanao dingana madinika ireo vehivavy ary “kasikasy fandeha”, ka namboly izay nety ho noheverina ho fandeham-behivavy malemy paika. Inona no naharatsy izany, raha toa ka hoe ratsy ilay izy? Ny fihetsik’ireny vehivavy ireny no ratsy. Hoy i Jehovah: “Miavonavona ireo zanakavavin’i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka”. (Isaia 3:16). Tsy maintsy hisy valiny ny fieboeboana toy izany.

21. Inona no vokatry ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Jerosalema teo amin’ireo vehivavy jiosy?

21 Noho izany, rehefa hihatra amin’ilay tany ny didim-pitsaran’i Jehovah, dia hafoin’ireo “zanakavavin’i Ziona” niavonavona ireo ny zava-drehetra​—na dia ny hatsaran-tarehiny izay nireharehany fatratra aza. Hoy ny faminanian’i Jehovah: “Noho izany dia hataon’ny Tompo feno takopery ny tampon-dohan’ny zanakavavin’i Ziona, ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany. Amin’izany andro izany dia hesorin’i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara, na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka, na ny peratra, na ny kavin’orona, na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, na ny saly, na ny poketra, na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana”. (Isaia 3:17-23). Nampalahelo tokoa lahy izany fitsimbadihan-javatra izany!

22. Ankoatra ny firavahany, inona koa no ho verin’ireo vehivavin’i Jerosalema?

22 Mitohy toy izao ilay hafatra ara-paminaniana: “Ny manitra hosoloana ny maimbo; ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin’ny vy mahamay.” (Isaia 3:24). Tamin’ny 607 al.f.i., dia nivarina avy tamin’ny fananam-be ho amin’ny fahantrana ireo vehivavy niavonavon’i Jerosalema. Nafoiny ny fahafahany, ka nahazo ny “tomboka amin’ny vy mahamay”, dia ny an’ny fanandevozana, izy ireo.

‘Tena hodiovina tanteraka ny tanàna’

23. Inona no nambaran’i Jehovah momba an’i Jerosalema?

23 Niresaka tamin’ny tanànan’i Jerosalema i Jehovah izao, ka nanambara hoe: “Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, ary ny mahery ao aminao ho faty an-ady; ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; ary [tena hatao madiodio izy, “NW” ] ka hanjokaiky.” (Isaia 3:25, 26). Ireo lehilahin’i Jerosalema, izany hoe ireo maheriny, dia ho faty any an’ady. Ho rava tanteraka ilay tanàna. Ho an’ny “vavahadiny”, dia ho fotoana ‘hitomaniany sy hisaonany’ amin’izay. “Hodiovina tanteraka” ary havela ho lao i Jerosalema.

24. Fahavoazana mafy dia mafy inona no hoentin’ny famoizana an’ireo lehilahy tamin’ny alalan’ny sabatra, ho an’ireo vehivavin’i Jerosalema?

24 Ny famoizana an’ireo lehilahy amin’ny alalan’ny sabatra dia hitondra fahavoazana mafy dia mafy ho an’ireo vehivavin’i Jerosalema. Namarana io tapany amin’ny bokiny ara-paminaniana io tamin’izao fanambarana mialoha izao i Isaia: “Amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ny anaranao izahay, ka afaho tondromaso.” (Isaia 4:1). Ny tsy fahampian’ny lehilahy azo novadina dia ho mafy dia mafy, hany ka vehivavy maromaro no hamikitra amin’ny lehilahy iray ihany, mba hantsoina amin’ny anarany​—izany hoe, mba ho fantatra ampahibemaso ho vadiny​—ka ho afaka amin’ilay tondro molotra hoe tsy nanambady. Ny Lalàn’i Mosesy dia nitaky ny hanomezan’ny lehilahy hanina sy fitafiana ho an’ny vadiny. (Eksodosy 21:10). Kanefa, ny faneken’ireo vehivavy ireo hoe ‘ny haniny ihany no hohaniny, ary ny lambany ihany no hotafiny’ dia nampiseho fa nanaiky an-tsitrapo ny hanafaka ilay lehilahy tamin’ny adidiny araka ny lalàna izy ireo. Nampamoy fo tokoa ny toe-javatra nisy an’ireo “zanakavavin’i Ziona” nieboebo taloha ireo!

25. Inona no tsy maintsy hanjo an’ireo manambony tena?

25 Mampietry ny manambony tena i Jehovah. Tamin’ny 607 al.f.i., dia tena nataony ‘nitanondrika’ tokoa ny fieboeboan’ilay vahoaka voafidiny, ary ‘naetriny ny fiavonavonany’. Enga anie ny Kristianina marina tsy hanadino na oviana na oviana fa “Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena”.​—Jakoba 4:6.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 50]

Tsy nahavonjy an’i Jerosalema tamin’ny andro fitsaran’i Jehovah ny sampy sy ny harena ary ny fahaizana ara-tafika

[Sary, pejy 55]

Amin’ny “andron’i Jehovah”, dia ho rava ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso