Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
Toko Fahefatra Ambin’ny Folo
Mampietry ny Tanàna Mizahozaho Iray i Jehovah
1. Tonga hatraiza izao ny fotoana jeren’ny bokin’i Isaia mialoha?
NY BOKY ara-paminanian’i Isaia dia nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., nandritra ny nanafihan’ny Asyrianina ny Tany Nampanantenaina. Araka ny efa hitantsika tao amin’ireo toko teo aloha amin’ity boky ity, i Isaia dia nanambara mialoha araka ny marina tsara ny ho fizotran’ireo fisehoan-javatra. Kanefa mijery any ankoatra ny fotoan’ny fahambonian’ny Asyrianina ny bokiny. Ambarany mialoha ny hiverenan’ilay vahoaka nanaovan’i Jehovah fanekena, avy tany an-tsesitany tany amin’ny tany maro, anisan’izany i Sinara, toerana nisy an’i Babylona. (Isaia 11:11). Ao amin’ny Isaia toko faha-13 isika dia mahita faminaniana iray mahavariana, izay ho tanteraka ka hanokatra ny lalana ho amin’izany fiverenana izany. Manomboka amin’izao teny izao io faminaniana io: “Faminaniana hitan’i Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’ny loza hanjo an’i Babylona.”—Isaia 13:1.
‘Haetriko ny fiavonavonana’
2. a) Tamin’ny ahoana i Hezekia no nanjary nifampiraharaha tamin’i Babylona? b) Inona moa ilay “faneva” izay hatsangana?
2 Nanjary nisy nifampiraharahan’i Joda tamin’i Babylona, tamin’ny andron’i Isaia. Nanjary narary mafy i Hezekia Mpanjaka, ary avy eo dia sitrana. Nisy ambasadaoro avy tany Babylona tonga niarahaba azy noho ny fahasitranany. Azo inoana anefa fa nanan-java-nokendrena niafina izy ireo, dia ny hitady hahazo ny fanampian’i Hezekia mba hiady amin’i Asyria. Tsy naneho fahendrena i Hezekia Mpanjaka nampiseho azy ireo ny harenany rehetra. Ho vokany, dia nilazan’i Isaia i Hezekia fa, rehefa maty izy, dia hindaosina any Babylona izany harena rehetra izany. (Isaia 39:1-7). Tanteraka tamin’ny 607 al.f.i. izany, fony ringana i Jerosalema ary natao sesitany ilay firenena. Kanefa, tsy nijanona mandrakizay tany Babylona akory ilay vahoaka voafidin’Andriamanitra. Nanambara mialoha i Jehovah fa hanokatra ny lalana hiverenan’izy ireo hody izy. Hoy izy nanomboka ny teniny: “Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady hianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tànana izy hiditra amin’ny vavahadin’ireo mpanapaka.” (Isaia 13:2). Ilay “faneva” dia ny firenena matanjaka iray, izay hampiala an’i Babylona avy eo amin’ny toerana ambony nisy azy. Hasandratra ho “eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady” izy io—ho tazan’ny maso rehetra avy eny lavitra be. Hantsoina mba hanafika an’i Babylona io firenena matanjaka vaovao io, ka hitsofoka ao amin’ny “vavahadin’ireo mpanapaka”, dia ny vavahadin’ilay tanàna lehibe, ary handresy azy io.
3. a) Iza moa ireo ‘nohamasinina’, izay hatsangan’i Jehovah? b) Tamin’ny heviny ahoana ireo tafika mpanompo sampy no ‘nohamasinina’?
3 Izao i Jehovah dia nilaza hoe: “Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko Aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako. Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an’ny vahoaka be! dia ny fitabataban’ny fanjakan’ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon’ny maro, no manomana miaramila hiady”. (Isaia 13:3, 4). Iza moa ireo ‘nohamasinina’ ireo, izay voatendry mba hampietry an’i Babylona nieboebo? Izany dia tafi-pirenena maromaro nikambana, “firenena efa tafatambatra”. Hidina hamely an’i Babylona avy any an-tendrombohitra lavitra, izy ireo. “Avy any amin’ny tany lavitra, any amin’ny faravodilanitra [izy ireo]”. (Isaia 13:5). Amin’ny heviny ahoana izy ireo no nohamasinina? Tsy hoe masina akory izy ireo, satria tafika mpanompo sampy, izay tsy liana velively ny hanompo an’i Jehovah. Kanefa, ao amin’ny Soratra Hebreo, ny hoe ‘hamasinina’ dia midika hoe “voatokana mba hampiasain’Andriamanitra”. Afaka manamasina ny tafik’ireo firenena i Jehovah, ka hampiasa ny fanirian-dazany fatratra miharo fitiavan-tena, mba hanehoana ny fahatezerany. Nampiasa an’i Asyria tamin’izany fomba izany izy. Hampiasa an’i Babylona amin’izany fomba izany koa izy. (Isaia 10:5; Jeremia 25:9). Ary dia hampiasa firenena hafa mba hanafaizana an’i Babylona izy.
4, 5. a) Inona no nambaran’i Jehovah mialoha ho an’i Babylona? b) Inona no tsy maintsy noresen’ireo izay nanafika an’i Babylona?
4 Mbola tsy ny firenena natanjaka indrindra eran-tany i Babylona tamin’izay. Na izany aza, dia namoaka fanambarana iray tamin’ny alalan’i Isaia i Jehovah, fanambarana izay nahitany mialoha ny fotoana rehefa hitana io toerana io i Babylona, sy nilazany mialoha ny hianjerany. Hoy izy: “Midradradradrà hianareo, fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.” (Isaia 13:6). Eny, fidradradradrana noho ny alahelo mafy, no ho solon’ny fireharehan’i Babylona. Nahoana? Noho “ny andron’i Jehovah”, dia ny andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany aminy.
5 Ahoana anefa no hahatonga an’i Babylona hiharan’ny loza? Rehefa ho tonga ny fotoana voatondron’i Jehovah ho amin’izany, dia toa ho voaro tsara ny fahitana an’ilay tanàna. Voalohany aloha, ireo tafika hanafika azy dia tsy maintsy miatrika an’ireo fiarovana voajanahary nomen’ny Ony Eofrata, izay namakivaky ny tao afovoan’ilay tanàna ary nanovozana rano mba hamenoana hady vory fiarovana iray sy hamatsiana rano hosotroin’ny iray tanàna. Rehefa afaka izay, dia teo ireo manda roa sosona natevim-be, izay toa tsy nety resy. Ambonin’izany, dia feno ny tahirin-tsakafon’ilay tanàna. Milaza ny boky Daily Bible Illustrations fa i Nabonida—ilay mpanjakan’i Babylona farany—dia “nisahirana mafy mba hamatsiana ny tahirin-tsakafon’ilay tanàna, ary notombanana fa nisy [sakafo] ampy mba hamelomana ny mponina nandritra ny roapolo taona tao”.
6. Inona no hiseho, tsy araka ny nampoizina, rehefa hitranga ilay fanafihana an’i Babylona nambara mialoha?
6 Kanefa, afaka mamitaka ny fisehoana ivelany. Hoy i Isaia: “Ary noho izany dia hiraviravy ny tànana rehetra, ary ho kivy ny fon’ny zanak’olombelona rehetra; ho tora-kovitra izy; fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Isaia 13:7, 8). Rehefa hanafika ilay tanàna ireo tafika tonga mba handresy, dia fanaintainana tampoka sady faran’izay mafy, toy ny an’ny vehivavy miteraka, no ho solon’ny tsy fananan’ny mponina ahiahy. Ho kivy noho ny tahotra ny fon’izy ireo. Tsy ho afa-mihetsika ny tanany, ka hiraviravy, tsy ho afaka hiaro azy. ‘Hitarehin-delafo’, noho ny tahotra sy ny tebiteby mafy, ny tarehiny. Hifampijery izy ireo, talanjona, ary hanontany tena hoe ahoana no nahatonga ilay tanànany lehibe hianjera.
mitarehin-delafo ny tarehiny.” (7. Inona ilay “andron’i Jehovah” ho avy, ary inona no ho vokany ho an’i Babylona?
7 Na izany aza, dia hianjera tokoa izy io. Hiatrika andro fampamoahana i Babylona, dia “andron’i Jehovah” iray, izay hampanaintaina tokoa. Haneho ny fahatezerany ilay Mpitsara fara tampony, ka hampihatra didim-pitsarana mendrika ny mponin’i Babylona mpanota. Hoy ilay faminaniana: “Indro, avy ny andron’i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.” (Isaia 13:9). Nanjombona ny hoavin’i Babylona. Toy ny hoe samy nitsahatra tsy nanome hazavana avokoa na ny masoandro na ny volana na ny kintana. “Ny kintan’ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin’ny iposahany; ary ny volana tsy hangarangarana.”—Isaia 13:10.
8. Nahoana i Jehovah no nandidy ny hianjeran’i Babylona?
8 Nahoana no izany no hanjo an’io tanàna niavonavona io? Hoy i Jehovah: “Hatsingeriko amin’izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ny ratsy fanahy ny helony; ary hatsahatro ny fireharehan’ny mpiavonavona, ary haetriko ny fiavonavonan’ny mpampahory.” (Isaia 13:11). Ny fanamparan’i Jehovah ny fahatezerany dia ho famaizana an’i Babylona, noho ny halozana nampihariny tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Hijaly noho ny faharatsian’ny Babylonianina ilay tany manontolo. Tsy hihantsy an’i Jehovah mivantana intsony mihitsy ireny mpanao jadona miavonavona ireny!
9. Inona no hanjo an’i Babylona amin’ny andro fitsaran’i Jehovah?
9 Hoy i Jehovah: “Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra Isaia 13:12). Eny, tsy hisy mponina intsony ilay tanàna, ho lao. Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin’ny fitoerany noho ny fahatezeran’i Jehovah, Tompon’ny maro, sy noho ny andro firehetan’ny fahatezerany.” (Isaia 13:13). Ny ‘lanitr’i’ Babylona, izany hoe ireo andriamaniny sy andriamanibaviny sesehena, dia hihorohoro, tsy ho afaka hanampy an’ilay tanàna amin’io fotoana hilany izany io. “Ny tany”, izany hoe ilay Empira Babylonianina, dia hohozongozonina hiala amin’ny toerany, ka ho fahatsiarovana sisa, dia ny an’ny empira maty iray hafa koa. “Ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman-osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy.” (Isaia 13:14). Ireo vahiny mpanohana an’i Babylona rehetra dia handao azy ka handositra, noho ny fanantenana ny hanorina fifandraisana vaovao amin’ilay firenena matanjaka nandresy azy. Hahatsapa ilay fangirifiriana mahafadiranovana ny tanàna resy i Babylona, dia fangirifiriana izay nampianjadiany tamin’ny olon-kafa maro be aoka izany, fony izy teo amin’ny voninahiny. “Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon’ny sabatra. Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.”—Isaia 13:15, 16.
noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.” (Ny fitaovam-pandringanan’Andriamanitra
10. Iza no hampiasain’i Jehovah mba handresy an’i Babylona?
10 Firenena iza no hampiasain’i Jehovah mba hampianjerana an’i Babylona? Hoy ny valiny nahariharin’i Jehovah, tokony ho 200 taona mialoha: “Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena. Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran’ny masony. Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro, tabiha sy reharehan’ny Kaldeana, dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora”. (Isaia ). Hianjera i Babylona niezinezina, ary ny fitaovana hampiasain’i Jehovah hanatanterahana izany dia tafika avy any amin’ny tany lavitra sy be tendrombohitr’i Media. 13:17-19 * Amin’ny farany, dia ho lao, toy ireo tanànan’i Sodoma sy i Gomora faran’ izay naloto fitondran-tena, i Babylona.—Genesisy 13:13; 19:13, 24.
11, 12. a) Ahoana no nahatongavan’i Media ho firenena matanjaka eran-tany? b) Lafin-toetra tsy fahita inona no notononin’ilay faminaniana momba ireo tafik’i Media?
11 Tamin’ny andron’i Isaia, dia samy teo ambanin’ny ziogan’ny Asyrianina i Media sy i Babylona. Tokony ho zato taona tatỳ aoriana, tamin’ny 632 al.f.i., dia nikambana i Media sy i Babylona ka nanongana an’i Ninive, renivohitr’i Asyria. Izany dia nanokatra ny lalana hahatongavan’i Babylona ho ny firenena natanjaka indrindra. Tsy azony an-tsaina mihitsy tamin’izay fa, rehefa afaka 100 taona teo ho eo, dia handringana azy i Media! Iza, ankoatra an’i Jehovah Andriamanitra, no ho afaka hilaza zavatra mialoha amim-pahasahiana toy izany?
* Rehefa heverina izany, dia tsy mahagaga raha toa, rehefa nanafaka ny Isiraelita avy tany an-tsesitany tany Babylona i Kyrosy, mpanapaka persanina, ka namerina tamin’izy ireo fanaka volamena sy volafotsy an’arivony maro, izay nobaboin’i Nebokadnezara avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema.—Ezra 1:7-11.
12 Rehefa nampahafantatra ilay fitaovana nofidiny mba hampiharana ilay fandringanana i Jehovah, dia nilaza fa ireo tafik’i Media dia “manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena”. Lafin-toetra tena tsy fahita amin’ny miaramila zatra ady izany! Hoy ilay manam-pahaizana momba ny Baiboly atao hoe Albert Barnes: “Vitsy dia vitsy tokoa ireo tafika mpanafika izay tsy voataonan’ny fanantenana hahazo babo.” Moa ve ireo tafika medianina hanaporofo fa marina ny tenin’i Jehovah tamin’io lafiny io? Eny. Diniho izao teny hita ao amin’ny The Bible-Work, nataon’i J. Glentworth Butler, izao: “Tsy toy ny ankamaroan’ireo firenena niady ny Medianina, ary indrindra fa ny Persanina, fa nieritreritra kokoa ny amin’ny fandresena sy ny voninahitra, noho ny amin’ny volamena.”13, 14. a) Na dia tsy liana ny hamabo zavatra aza ireo mpiady medianina sy persanina, inona kosa no nirin’izy ireo fatratra? b) Ahoana no nandresen’i Kyrosy ireo fiarovana nireharehan’i Babylona?
13 Na dia tsy niraharaha firy ny amin’ny hamaboana zavatra aza ireo mpiady medianina sy persanina, dia fatra-paniry laza ihany izy ireo. Tsy nikasa ny hitana ny toerana faharoa foana, nanarakaraka firenena hafa, teo amin’izao tontolo izao, izy ireo. Ambonin’izany, dia napetrak’i Jehovah tao am-pony ny “fandrobana”. (Isaia 13:6, NW ). Noho izany, dia tapa-kevitra ny handresy an’i Babylona izy ireo, tamin’ny fampiasana ny tsipìkany mafy be izay nampiasaina mba ‘handripahana’ ireo miaramila fahavalo, dia ny zanak’ireo reny babylonianina.
14 Tsy voasakan’ireo fiarovana mafin’i Babylona i Kyrosy, mpitarika ireo tafika medianina sy persanina. Tamin’ny alin’ny 5/6 Oktobra 539 al.f.i., dia nandidy ny hampiviliana lalana ny Daniela 5:30). Nanome tsindrimandry an’i Isaia mba haminany momba ireo fisehoan-javatra ireo i Jehovah Andriamanitra, ka tsy nisy nisalasalana mihitsy fa Izy no nitarika ny zava-drehetra.
ranon’ny Ony Eofrata izy. Rehefa nidina ny haavon’ilay rano, dia niditra an-kinafina tao amin’ilay tanàna ireo mpanafika, nandeha teo amin’ny fanambanin’ilay rano, tao anaty rano am-poto-pe. Tsy nampoizin’ny mponin’i Babylona ilay fanafihana, dia nianjera i Babylona. (15. Inona no hoavy niandry an’i Babylona?
15 Hanao ahoana ny halehiben’ny fandringanana an’i Babylona? Henoy ny faminanian’i Jehovah, manao hoe: “Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ny taranaka fara mandimby, tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any; fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any, ny kary no hifampierona ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin’ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.” (Isaia 13:20-22). Ho lao tanteraka ilay tanàna.
16. Manome antsika toky hoe ahoana ny toe-piainana misy an’i Babylona ankehitriny?
16 Tsy nitranga tamin’ny 539 al.f.i. avy hatrany akory izany. Na izany aza, dia hitantsika mazava tsara ankehitriny fa tanteraka avokoa izay rehetra nambaran’i Isaia mialoha momba an’i Babylona. “Ankehitriny, toy ny nandritra ny an-jatony taona maro, dia toerana lao hatraiza hatraiza, antontan-javatra rava” i Babylona, hoy ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly iray. Avy eo, dia hoy ny teny nanampiny: “Tsy afaka mijery azy io ny tena, ka tsy hahatsiaro fa tanteraka araka ny marina tsara ny faminanian’i Isaia sy i Jeremia.” Mazava fa tsy nisy olombelona tamin’ny andron’i Isaia, afaka nanambara mialoha ny hianjeran’i Babylona sy ny hahatongavany ho lao. Rehefa dinihina tokoa, dia tokony ho 200 taona taorian’ny nanoratan’i Isaia ny bokiny no nianjeran’i Babylona teo an-tanan’ny Medianina sy ny Persanina! Ary ny nahatongavany ho lao dia an-jatony taona maro tatỳ aoriana. Moa ve izany tsy manatanjaka ny finoantsika 2 Timoty 3:16). Ambonin’izany, koa satria i Jehovah nahatanteraka faminaniana tamin’ny andro taloha, dia afaka matoky amin’ny fomba feno isika fa ireo faminanian’ny Baiboly mbola tsy tanteraka dia ho tanteraka amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra.
ny Baiboly ho ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra? (“Fitsaharana ho afaka amin’ny fahorianao”
17, 18. Hidika ho fitahiana inona avy ho an’ny Isiraely ny faharesen’i Babylona?
17 Hitondra fanamaivanana ho an’ny Isiraely ny fianjeran’i Babylona. Ny dikan’izany dia hoe ho afaka amin’ny fahababoana izy ireo ary hanana fahafahana hiverina any amin’ny Tany Nampanantenaina. Noho izany, dia nilaza i Isaia izao hoe: “Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak’i Jakoba ho namany. Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ny tanin’i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay mamabo azy izy ary hampanompo izay nampahory azy.” (Isaia 14:1, 2). Ny hoe “Jakoba” eto dia manondro ny Isiraely tamin’ny fitambarany—ireo foko 12 rehetra. Haneho famindram-po amin’i “Jakoba” i Jehovah, amin’ny famelana ilay firenena hiverina hody. Hisy vahiny an’arivony maro hiaraka amin’izy ireo, ka ny maro aminy dia ho mpanompo ao amin’ny tempoly ho an’ny Isiraelita. Ny Isiraelita sasany aza dia hanjary hanana fahefana amin’ireo mpamabo azy teo aloha. *
18 Ho anisan’ny lasa ilay fangirifiriana niainana tany an-tsesitany. Hanome ho an’ny vahoakany ‘fitsaharana ho afaka amin’ny fahoriany sy ny fitebitebin’ny fony ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana azy’ kosa i Jehovah. (Isaia 14:3). Noho izy efa afaka tamin’ny zioga ara-bakitenin’ny fanandevozana, dia tsy hijaly intsony noho ny fahoriana sy ny fitebiteben’ny fo, noho ny niainany teo anivon’ny mpivavaka tamin’andriamani-diso, ny Isiraely. (Ezra 3:1; Isaia 32:18). Hoy ny fanazavan’ny boky Lands and Peoples of the Bible momba izany: “Ho an’ny Babylonianina, ireo andriamaniny dia toy ny tenany ihany, nanana ireo lafin-toetrany ratsy indrindra. Kanosa sy mpimamo ary donendrina izy ireny.” Toy inona moa ny fahamaivamaivanan’ny Isiraelita, afa-nandositra ny toe-piainana nietry ara-pivavahana toy izany!
19. Inona no nilaina, raha tian’ny Isiraely ny hahazo ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
19 Na izany aza, dia tsy hoe tsy nisy fepetra ny famindram-pon’i Jehovah. Tsy maintsy naneho fanenenana noho ny faharatsiany, izay nanosika an’Andriamanitra hanafay azy ireo tamin’ny fomba henjana toy izany, ilay vahoakany. (Jeremia 3:25). Hahazoany ny famelan-keloka avy amin’i Jehovah ny fiekeny heloka amim-pahatsorana sy avy amin’ny fo. (Jereo ny Nehemia 9:6-37; Daniela 9:5.) Mbola marina ihany io foto-pitsipika io ankehitriny. Koa satria “tsy misy olombelona tsy manota”, dia mila ny famindram-pon’i Jehovah isika rehetra. (2 Tantara 6:36). I Jehovah, ilay Andriamanitra be famindram-po, dia manasa antsika amim-pitiavana hiaiky ny fahotantsika aminy, sy hibebaka, ary hitsahatra tsy hanaraka lalan-dratsy intsony, mba hahasitrana antsika. (Deoteronomia 4:31; Isaia 1:18; Jakoba 5:16). Izany dia tsy vitan’ny hoe hamerina ny fankasitrahany antsika, fa hanome antsika fampiononana koa.—Salamo 51:1; Ohabolana 28:13; 2 Korintiana 2:7.
“Oha-teny” hamelezana an’i Babylona
20, 21. Ahoana no nifalian’ireo firenena nanodidina an’i Babylona, noho ny nianjerany?
20 Zato taona mahery talohan’ny nisandratan’i Babylona ho firenena matanjaka indrindra eran-tany, i Isaia dia efa nanambara mialoha ny ho fihetsik’izao tontolo izao eo anatrehan’ny fianjerany. Nanome baiko ara-paminaniana toy izao an’ireo Isiraelita izay nafahana avy tamin’ny fahababoana tany, izy: “Hataonao izao oha-teny ny amin’ny mpanjakan’i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny, tsy ao intsony ilay Isaia 14:4-6). Nanjary nalaza be ho mpandresy sy ho mpampahory, izay nanandevo olona afaka, i Babylona. Tena nety àry ny nankalazana ny nianjerany tamin’ny “oha-teny” iray, izay niantefa voalohany tamin’ilay tarana-mpanjaka babylonianina—nanomboka tamin’i Nebokadnezara ary nifarana tamin’i Nabonida sy i Belsazara—izay nanapaka nandritra ireo andro be voninahitr’ilay tanàna lehibe!
tanàna volamena! Jehovah efa nanapatapaka ny tehin’ny ratsy fanahy, dia ny tehina fanapahan’ny mpanapaka, izay namely firenena tamin’ny fahatezerana, tamin’ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin’ny fahatezerana, tamin’ny fanenjehana tsy misy antra.” (21 Fiovana toy inona moa no hoentin’ny fianjerany! “Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby,—eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.” (Isaia 14:7, 8). Tamin’ireo mpanapak’i Babylona, dia toy ny hazo natao hokapaina sy hampiasaina ho amin’izay ilain’ny tenany manokana ireo mpanjakan’ireo firenena nanodidina. Tapitra hatreo izany rehetra izany. Nifarana teo ny fikapany hazo, izany hoe ny fanapahana babylonianina!
22. Amin’ny voambolan-tononkalo, inona no ho vokatry ny fianjeran’ilay tarana-mpanjaka babylonianina tao amin’ny Sheola?
22 Nahazendana aoka izany ny nianjeran’i Babylona, hany ka nisy fiantraikany teo amin’ny fasana mihitsy. “Taitra ny [Sheola, “NW” ] any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin’ny fihavianao; mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin’ny tany; aingainy hiala amin’ny seza fiandrianany ny mpanjakan’ny firenena rehetra. Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! hianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay hianao! Efa navarina ho [any amin’ny Sheola, “NW” ] ny tabihanao mbamin’ny feon’ny valihanao; kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.” (Isaia 14:9-11). Sary an-tononkalo mahery re izany! Toy ny hoe hamoha an’ireo mpanjaka rehetra nialoha lalana ny tarana-mpanjaka babylonianina tany amin’ny fahafatesana, ny fasana falehan’ny ny olombelona, mba hahafahan’izy ireo hiarahaba an’ilay vao tonga. Naneso an’ilay mpanapaka babylonianina izy ireo, noho izy io tsy nanam-piarovana intsony, nitsotra teo ambonin’ny farafaran-kankana, fa tsy fandriana sarobidy intsony, voarakotra olitra fa tsy lambam-pandriana lafo vidy intsony.
“Tahaka ny faty hitsakitsahin’ny tongotra”
23, 24. Fizahozahoana tafahoatra inona no nasehon’ireo mpanjakan’i Babylona?
23 Hoy ny tohin’ny oha-tenin’i Isaia: “Endrey! latsaka avy tany an-danitra hianao, ry ilay fitarik’andro, zanaky ny maraina; voakapa hianjera amin’ny tany hianao, ry ilay mpandripaka firenena.” (Isaia 14:12). Avonavona niharo fitiavan-tena no nanosika an’ireo mpanjakan’i Babylona hanandra-tena ho ambony noho ireo nanodidina azy. Toy ny kintana mamiratra be eny amin’ny lanitra vao maraina, dia nampihatra ny heriny sy ny fahefany tamim-pizahozahoana izy ireny. Ny antony miavaka iray nampirehareha azy ireo dia ny nandresen’i Nebokadnezara an’i Jerosalema, zavatra izay tsy vitan’i Asyria. Ilay oha-teny dia mampiseho an’ilay tarana-mpanjakan’i Babylona niavonavona ho niteny hoe: “Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana any am-parany avaratra aho; hiakatra ho any ambonin’ny havoan’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra”. (Isaia 14:13, 14). Mety hisy zavatra manafintohina kokoa noho izany ve?
24 Ao amin’ny Baiboly, dia ampitahaina amin’ny kintana ireo mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida. (Nomery 24:17). Nanomboka tamin’i Davida, dia nanapaka teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ireny “kintana” ireny. Rehefa avy nanorina ny tempoly tao Jerosalema i Solomona, dia nanjary nanondro ilay tanàna manontolo ny anarana hoe Ziona. Teo ambanin’ny faneken’ny Lalàna, dia tsy maintsy nankany Ziona intelo isan-taona ny Isiraelita lahy rehetra. Noho izany, dia nanjary fantatra ho ‘tendrombohitra fivoriana’ izy io. Tapa-kevitra ny hifehy an’ireo mpanjaka jodianina, ary avy eo dia hanala azy ireo avy teo amin’io tendrombohitra io, i Nebokadnezara, ka nanambara ny fikasany hanandra-tena ho ambony noho ireo “kintana” ireo. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, noho ny nandreseny azy ireo, izy. Raha ny marina kosa aza, dia toy ny naka ny toeran’i Jehovah tamim-pizahozahoana izy.
25, 26. Nanao ahoana ny fiafarana tsy mendrika nahazo an’ilay tarana-mpanjaka babylonianina?
25 Fitsimbadihan-javatra toy inona moa no niandry an’ilay tarana-mpanjaka babylonianina niavonavona! Tsy hisandratra ho ambony noho ireo kintan’Andriamanitra velively i Babylona. Hoy kosa i Jehovah: “Hampidinina hatrany amin’ny [Sheola, “NW” ] ho any am-para-vodi-lavaka hianao. Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?” (Isaia 14:15-17). Hidina any amin’ny Hadesy (Sheola) ilay tarana-mpanjaka fatra-paniry laza, toy ny olombelona hafa rehetra ihany.
26 Aiza, amin’izay, ilay firenena natanjaka izay nandresy fanjakana maro, sy nandrava tany namokatra ary nanongana tanàna maro tsy hita isa? Aiza ilay firenena natanjaka indrindra eran-tany, izay namabo olona ary tsy namela azy ireo hiverina hody mihitsy? Na fandevenana mendrika aza dia tsy ho azon’ilay tarana-mpanjaka babylonianina! Hoy i Jehovah: “Ny mpanjaka rehetra amin’ny firenena samy mandry amin’ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy; fa hianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin’ny fatin’ny voavono hianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin’ny vato ao an-davaka,—tahaka ny faty hitsakitsahin’ny tongotra. Tsy halevina tahaka ireny hianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!” (Isaia 14:18-20). Teo amin’ny tontolo fahiny, dia noheverina ho fahafaham-baraka ny tsy nahazoan’ny mpanjaka iray fandevenana nihaja. Koa ahoana àry ny amin’ny tarana-mpanjakan’i Babylona? Marina fa nisy mpanjaka tsirairay nalevina tamim-panajana, nefa ilay tarana-mpanjaka nanam-boninahitra avy tamin’i Nebokadnezara dia nariana “tahaka ny solofon-kazo ratsy”. Toy ny hoe natsipy tany anaty fasana tsy nisy anarana ilay tarana-mpanjaka—toy ny miaramila mandeha an-tongotra tsotra maty an’ady. Fietrena re izany!
27. Ahoana no hijalian’ireo taranaky ny Babylonianina ho avy, noho ny fahadisoan’ny razambeny?
27 Mifarana amin’ny didy famaranana nomena ny Medianina sy ny Persanina nandresy, ilay oha-teny. “Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, na hanorina tanàna eran’izao tontolo izao.” (Isaia 14:21). Haharitra ny fianjeran’i Babylona. Ho fongotra ilay tarana-mpanjaka babylonianina. Tsy ho tafarina intsony izy ireo. Hijaly noho “ny heloky ny razany” ireo taranaky ny Babylonianina ho avy.
28. Inona no fototry ny fahotan’ireo mpanjaka babylonianina, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
28 Manome fianarana sarobidy ho antsika ilay didim-pitsarana nambara tamin’ilay tarana-mpanjaka babylonianina. Ny fototry ny fahotan’ireo mpanjaka babylonianina dia ny fanirian-dazany fatratra sy tsy nisy farany. (Daniela 5:23). Feno faniriana fahefana ny fony. Naniry hanapaka ny hafa izy ireo. (Isaia 47:5, 6). Nitady mafy ny homen’olombelona voninahitra koa izy ireo, nefa Andriamanitra ihany no manana ny zo hahazo izany. (Apokalypsy 4:11). Izany dia fampitandremana ho an’izay rehetra mitana fahefana—na dia ao anatin’ny kongregasiona kristianina aza. Ny fanirian-daza fatratra sy ny avonavona miharo fitiavan-tena dia lafin-toetra tsy holeferin’i Jehovah, na eo amin’ny olona tsirairay na eo amin’ny firenena.
29. Taratry ny inona moa ny avonavona sy ny fanirian-daza fatratr’ireo mpanapaka babylonianina?
29 Ny avonavon’ireo mpanapaka babylonianina dia taratry ny toe-tsain’ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, i Satana Devoly. (2 Korintiana 4:4). Izy koa dia mitady mafy ny hahazo fahefana ary maniry ny hanandra-tena ho ambony noho i Jehovah Andriamanitra. Toy ny tamin’ny mpanjakan’i Babylona sy ireo olona nofeheziny, ny fanirian-daza manafintohinan’i Satana dia nitondra fahoriana sy fijaliana ho an’ny taranak’olombelona rehetra.
30. Babylona hafa iza no tononin’ny Baiboly, ary toe-tsaina manao ahoana no asehony?
30 Ambonin’izany, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy isika dia mamaky ny amin’i Babylona iray hafa—i “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 18:2). Io fandaminana io, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia nampiseho toe-tsaina feno avonavona sy tia mampahory ary lozabe. Ho vokany, izy koa dia tsy maintsy hiatrika “andron’i Jehovah” iray ary horinganina amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. (Isaia 13:6). Nanomboka tamin’ny 1919, dia nanakoako nanerana ny tany ilay hafatra hoe: “Nianjera i Babylona Lehibe”! (Fanambarana 14:8, NW ). Rehefa tsy afaka nihazona ny vahoakan’Andriamanitra ho babo izy, dia nianjera. Tsy ho ela dia ho ringana tanteraka izy. Momba an’i Babylona fahiny, dia hoy ny baikon’i Jehovah: “Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony no mba ataovy aminy kosa; fa niavonavona tamin’i Jehovah izy, dia tamin’ny Iray Masin’ny Isiraely.” (Jeremia 50:29; Jakoba 2:13). Hiharan’ny didim-pitsarana mitovy amin’izany i Babylona Lehibe.
31. Inona no hanjo an’i Babylona Lehibe tsy ho ela?
31 Noho izany, dia tsy nihatra tamin’i Babylona fahiny ihany ilay fanambarana farany nataon’i Jehovah tao amin’io faminaniana ao amin’ny bokin’i Isaia io, fa hihatra amin’i Babylona Lehibe koa. “Hitsangana hamely azy Aho, (...) hofoanako ny anaran’i Babylona sy izay sisa ao mbamin’ny zanany sy ny taranany, (...) ary hataoko fonenan’ny sokina sy fihandronan’ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy”. (Isaia 14:22, 23). Ireo sisan-javatra laon’i Babylona fahiny dia mampiseho izay hataon’i Jehovah tsy ho ela amin’i Babylona Lehibe. Endrey izany fampiononana ho an’izay tia ny fivavahana marina! Endrey izany fampirisihana mba hiezaka mafy tsy hamela ny avonavona sy ny fizahozahoana ary ny halozana, izay toetra mampiavaka an’i Satana, tsy hitombo ao amintsika!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Ny Medianina ihany no tononin’i Isaia anarana, nefa firenena maromaro no ho mpiara-dia hamely an’i Babylona—i Media, i Persa, i Elama ary firenena kely maromaro hafa. (Jeremia 50:9; 51:24, 27, 28). Ireo firenena nanodidina dia niantso ny Medianina sy ny Persanina hoe “ny Mediana”. Ankoatra izany, tamin’ny andron’i Isaia, dia i Media no firenena natanjaka indrindra. Teo ambanin’ny fanapahan’i Kyrosy i Persa vao nanjary natanjaka kokoa.
^ feh. 12 Toa hita anefa fa nanjary tia haitraitra be ny Medianina sy ny Persanina tatỳ aoriana.—Estera 1:1-7.
^ feh. 17 I Daniela, ohatra, dia notendrena ho tandapa ambony tao Babylona, teo ambanin’ny fanapahan’ny Medianina sy ny Persanina. Ary tokony ho 60 taona tatỳ aoriana, i Estera dia tonga mpanjakavavy, vadin’i Ahasoerosy, mpanjakan’i Persa, ary i Mordekay dia tonga praiminisitr’ilay Empira Persanina manontolo.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 178]
Ho tonga toerana hirenirenen’ny biby mponina an’efitra i Babylona voazera
[Sary, pejy 186]
Sahala amin’i Babylona fahiny, i Babylona Lehibe dia ho tonga antontan-javatra rava