Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Sisa Amin’ny Olony Amindran’i Jehovah Fo

Misy Sisa Amin’ny Olony Amindran’i Jehovah Fo

Toko Fahenina

Misy Sisa Amin’ny Olony Amindran’i Jehovah Fo

Isaia 4:2-6

1, 2. Inona no nambaran’i Isaia mialoha momba an’i Joda sy i Jerosalema?

MISY tafio-drivotra mahery vaika mamely ny faritra iray be mponina. Rivotra mifofofofo sy oram-batravatra ary tondra-drano be no mampitondra faisana an’ilay tany, ka mandrava ny trano sy manimba ny voly ary maka ain’olona. Tsy ela anefa dia lasa ilay tafio-drivotra, ary manaraka azy avy hatrany, dia misy fe-potoana tony. Ho an’ireo nieren-doza, dia amin’izay no fotoana hamerenana amin’ny laoniny sy hanorenana indray.

2 Nanambara mialoha zavatra hitovy amin’izany momba an’i Joda sy i Jerosalema i Isaia mpaminany. Ilay oram-be mitrahotrahon’ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia nihanitatao hatrany​—ary noho ny antony tsara! Navesatra ny helok’ilay firenena. Na ny mpanapaka na ny vahoaka dia samy nameno ilay tany tamin’ny tsy rariny sy ny fandatsahan-dra. Nampiasa an’i Isaia i Jehovah mba hanalana sarona ny heloky ny Joda sy mba hampitandremana fa hampihatra ny didim-pitsarany tamin’io firenena naditra io Izy. (Isaia 3:25). Havela ho lao tanteraka ny tanin’i Joda, aorian’io tafio-drivotra io. Tsy maintsy ho nampalahelo an’i Isaia izany fahatsinjovan-javatra izany.

3. Vaovao tsara inona no raketin’ilay hafatra ara-tsindrimandry ao amin’ny Isaia 4:2-6?

3 Nisy vaovao tsara anefa! Ho lasa ilay tafio-drivotry ny didim-pitsarana marin’i Jehovah, ary hisy sisa amin’ny olony ho tafita velona. Eny, hohalefahin’ny famindram-po ny fitsaran’i Jehovah ny Joda! Mitsinjo an’io fotoana feno fitahiana io ilay hafatra ara-tsindrimandrin’i Isaia voarakitra ao amin’ny Isaia 4:2-6. Toy ny hoe miposaka avy ao ambadik’ireo rahona ny masoandro; miala avy eo amin’ireo sary sy feo mifandray amin’ny didim-pitsarana​—voalazalaza tao amin’ny Isaia 2:6–4:1​—ilay filazalazana, ka mifindra ho amin’ilay tany sy vahoaka nohavaozina sy nanjary tsara tarehy.

4. Nahoana isika no tokony handinika ny faminanian’i Isaia ny amin’ny famerenana sisa tamin’ny Jiosy ho amin’ny toe-piainany taloha?

4 Ny faminanian’i Isaia momba ny famerenana sisa amin’ny Jiosy ho amin’ny toe-piainany taloha, sy ny fiarovana azy ireo aorian’izay, dia mahita fahatanterahana amin’izao androntsika ‘atỳ am-parany’ izao koa. (Isaia 2:2-4). Andeha isika handinika io hafatra tonga amin’ny fotoana ilana azy io, satria tsy vitan’ny hoe manana heviny ara-paminaniana izy io, fa mampianatra antsika koa momba ny famindram-pon’i Jehovah sy ny fomba mety hahazoantsika isam-batan’olona izany famindram-pon’i Jehovah izany.

‘Ny zavatra ampitsimohin’i Jehovah’

5, 6. a) Ahoana no ilazalazan’i Isaia ilay fe-potoana milamina aorian’ilay rivo-doza ho avy? b) Inona no hevitr’ilay teny hoe ‘tsimoka’, ary manondro inona izany momba ny tanin’i Joda?

5 Manjary mahafinaritra izao ny fomba fitenin’i Isaia, eo am-pijereny ny any ambadik’ilay rivo-doza ho avy ka hatrany amin’ny fe-potoana iray milamina kokoa. Hoy ny nosoratany: “Amin’izany andro izany ny rantsan’i Jehovah [“zavatra ampitsimohin’i (tsimok’i) Jehovah”, “NW”, fanamarihana ambany pejy] dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an’ny Isiraely sisa afaka”.​—Isaia 4:2.

6 Miresaka momba ny famerenana amin’ny laoniny i Isaia eto. Ilay anarana hebreo nadika hoe ‘tsimoka’ dia manondro zavatra ‘izay mitsiry, solofo, rantsana’. Mifandray amin’ny fanambinana sy ny fitomboana ary ny fitahiana avy amin’i Jehovah izy io. Sary momba ny fanantenana àry no omen’i Isaia eto, dia ny hoe tsy haharitra mandrakizay ilay fahafoanana nihananatona. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia hanome vokatra tondraka indray ilay tanin’i Joda nambinina taloha. *​—Levitikosy 26:3-5.

7. Amin’ny heviny ahoana ilay zavatra ampitsimohin’i Jehovah no ho an’ny “fahatsaran-tarehy sy ny voninahitra”?

7 Nampiasa teny mazava toy ny hitan’ny maso i Isaia, mba hilazana ny hafatratr’ilay fiovana ho avy. Ilay zavatra ampitsimohin’i Jehovah dia ho an’ny “fahatsaran-tarehy sy voninahitra”. Ilay teny hoe “fahatsaran-tarehy”, na “ravaka” (NW ), dia mampahatsiahy ny hakanton’ilay Tany Nampanantenaina, fony i Jehovah nanome azy io ho an’ny Isiraely, an-jatony taona maro talohan’io. Kanto aoka izany ilay izy, ka noheverina ho ny “ravaky [“firavaky”, New American Bible] ny tany rehetra”. (Ezekiela 20:6, NW ). Nanome toky an’ilay vahoaka àry ny tenin’i Isaia fa haverina ho amin’ny voninahiny sy ny hakantony taloha ny tanin’i Joda. Eny tokoa, ho toy ny firavaka satroboninahitra eto an-tany izy io.

8. Iza no ho eo mba hankafy ny hakanton’ilay tany indray, ary ahoana no ilazalazan’i Isaia ny fihetseham-pon’izy ireo?

8 Iza anefa no ho eo mba hankafy ny hakanton’ilay tany indray? “Ny Isiraely sisa afaka”, hoy ny nosoratan’i Isaia. Eny, hisy ho tafita velona amin’ilay fandringanana mampietry nambara teo aloha. (Isaia 3:25, 26). Hisy sisa amin’ireo ho tafita velona hiverina any Joda, ka handray anjara amin’ny famerenana azy io amin’ny laoniny. Ho an’ireo hiverina ireo​—“ireo afa-nandositra”​—ny vokatra tondrak’ilay taniny tafaverina amin’ny laoniny dia ho tonga “zavatra hireharehana sy zavatra kanto”. (Isaia 4:2, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny fahatsapana fietrena naterak’ilay fahafoanana dia hanome toerana ho an’ny fahatsapana rehareha vaovao indray.

9. a) Ho fahatanterahan’ny tenin’i Isaia, inona moa no nitranga tamin’ny 537 al.f.i.? b) Nahoana no azo lazaina fa nisaina ho “afa-nandositra” ny sasany tamin’ireo teraka tany an-tsesitany? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

9 Araka ny tenin’i Isaia, dia tonga tamin’ny 607 al.f.i. ilay tafio-drivotry ny didim-pitsarana, fony nandringana an’i Jerosalema ny Babylonianina ka Isiraelita maro no maty. Nisy tafita velona ka natao sesitany tany Babylona, nefa raha tsy noho ny famindram-pon’Andriamanitra, dia tsy ho nisy tafita velona na iray aza. (Nehemia 9:31). Tamin’ny farany, dia navela ho lao tanteraka i Joda. (2 Tantara 36:17-21). Avy eo, tamin’ny 537 al.f.i., ilay Andriamanitry ny famindram-po dia namela olona “afa-nandositra” hiverina tany Joda, mba hamerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. * (Ezra 1:1-4; 2:1). Ny fibebahana tamim-pahatsoran’ireo tany an-tsesitany ka niverina ireo, dia voalaza amin’ny fomba kanto ao amin’ny Salamo 137, izay azo inoana fa nosoratana nandritra ilay fahababoana, na tsy ela taoriany. Rehefa tafaverina tany Joda izy ireo, dia niasa ny tany ary namafy voa tao. Eritrereto ny tsy maintsy ho tsapan’izy ireo, nahita fa notahin’Andriamanitra ny ezaka nataony, ka nahatonga an’ilay tany hitsimoka tahaka ny “saha Edena” nahavokatra!​—Ezekiela 36:34-36.

10, 11. a) Tamin’ny heviny ahoana no hoe babon’i “Babylona Lehibe” ireo Mpianatra ny Baiboly, teo am-piandohan’ny taonjato faha-20? b) Ahoana no nitahian’i Jehovah ny sisa tamin’ny Isiraelita ara-panahy?

10 Nisy famerenana tamin’ny laoniny toy izany koa nitranga tamin’izao androntsika izao. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia nanjary babon’i “Babylona Lehibe”, na ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, tamin’ny heviny ara-panahy, ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. (Apokalypsy 17:5). Na dia nanda ny maro tamin’ireo fampianaran’ny fivavahan-diso aza ireo Mpianatra ny Baiboly, dia mbola voapentin’ny hevitra sy ny fanaon’i Babylona sasany ihany. Ho vokatry ny fanoherana napoitran’ny mpitondra fivavahana, dia nampidirina an-tranomaizina ara-bakiteny ny sasany taminy. Navela ho lao ny taniny ara-panahy​—ny toe-piainany ara-pivavahana, na ara-panahy.

11 Tamin’ny lohataonan’ny 1919 anefa, dia namindran’i Jehovah fo ireo sisa tamin’ny Isiraelita ara-panahy ireo. (Galatiana 6:16). Hitany ny fibebahany sy ny faniriany hanompo azy tamin’ny fahamarinana, hany ka nataony izay hahafahan’izy ireo avy tao amin’ny tranomaizina ara-bakiteny, ary indrindra fa avy tao amin’ny fahababoana ara-panahy. Naverina ho amin’ilay toe-piainana ara-panahy nomen’Andriamanitra azy, ireo “afa-nandositra” ireo, nanjary nanome tsimoka tondraka. Nanintona ny fisehon’io tany ara-panahy io, ka nisarika olon-kafa an-tapitrisany maro natahotra an’Andriamanitra hanatevin-daharana ny sisa amin’ireo voahosotra, ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina.

12. Amin’ny ahoana ny tenin’i Isaia no mankalaza ilay famindram-pon’i Jehovah tamin’ny vahoakany?

12 Mankalaza ilay famindram-pon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany ny tenin’i Isaia eto. Na dia niodina tamin’i Jehovah aza ny firenen’ny Isiraely tamin’ny fitambarany, dia nisy sisa taminy nibebaka ka namindrany fo. Afaka manovo fampiononana isika avy amin’ny fahafantarana fa na dia ireo nanao fahadisoana lehibe aza dia afaka miverina ho amin’i Jehovah amim-panantenana. Tsy mila ny hihevi-tena ho tsy mendrika ny famindram-pon’i Jehovah ireo mibebaka, satria tsy mandà ny fo iray feno fanenenana izy. (Salamo 51:17). Manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Mamindra fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy”. (Salamo 103:8, 13). Tena mendrika ny fiderana rehetra avy amintsika ny Andriamanitra be famindram-po toy izany!

Nisy sisa tamin’ny olony nanjary masina ho an’i Jehovah

13. Araka ny voarakitra ao amin’ny Isaia 4:3, ahoana no ilazalazan’i Isaia ireo sisa tamin’ny Jiosy izay hanehoan’i Jehovah famindram-po?

13 Efa nampifankahalalaina tamin’ireo sisa tamin’ny Jiosy izay hanehoan’i Jehovah famindram-po isika, nefa izao i Isaia dia manome tsipiriany bebe kokoa momba azy ireo. Hoy ny nosoratany: “Izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina [aminy, “NW” ]. Dia izay rehetra voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema”.​—Isaia 4:3.

14. Iza moa ireo “sisa” sy ireo “mbola mitoetra” ireo, ary nahoana izy ireo no hamindran’i Jehovah fo?

14 Iza moa ireo “sisa” sy ireo “mbola mitoetra” ireo? Izany dia ireo afa-nandositra voalaza ao amin’ilay andininy teo aloha​—ireo Jiosy tany an-tsesitany, izay havela hiverina any Joda. Izao i Isaia dia mampiseho ny antony namindran’i Jehovah fo tamin’izy ireo​—“hatao hoe masina aminy” izy ireo. Ny hoe fahamasinana dia midika hoe “fahadiovana na tsy fisian’ny loto ara-pivavahana; toetran’izay masina”. Ny hoe masina dia hoe madio, na tsy misy loto, na amin’ny teny na amin’ny atao, mba hifanaraka amin’ny fari-pitsipik’i Jehovah ny amin’izay tsara sy mety. Eny, hamindra fo amin’ireo izay “masina aminy” i Jehovah, ary hamela azy ireo hiverina any Jerosalema, ilay “tanàna masina”.​—Nehemia 11:1.

15. a) Mampahatsiahy antsika ny amin’ilay fomba jiosy inona moa ny teny hoe “voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema”? b) Fampitandremana mampieritreritra inona no fonosin’ny tenin’i Isaia?

15 Hitoetra ao ve ireo sisa tamin’ny Jiosy nahatoky ireo? Ho “voasoratra ho isan’ny velona any Jerosalema” izy ireo, hoy ny nampanantenain’i Isaia. Izany dia mampahatsiahy antsika an’ilay fomban’ny Jiosy nihazona an-tsoratra tamim-pitandremana ny anaran’ireo fianakaviana sy fokon’ny Isiraely. (Nehemia 7:5). Ny fanoratana toy izany ny anaran’ny olona iray dia nidika fa velona izy, satria rehefa maty izy, dia nofafana ny anarany. Any amin’ny tapany hafa amin’ny Baiboly, isika dia mamaky momba ny boky an’ohatra iray, izay mirakitra ny anaran’ireo izay homen’i Jehovah fiainana ho valisoa. Misy fepetra anefa ny fanoratana anarana ao amin’io boky io, satria afaka ‘mamono’ anarana i Jehovah. (Eksodosy 32:32, 33; Salamo 69:28). Nifono fampitandremana nampieritreritra àry ireo tenin’i Isaia​—tsy nahazo nanohy niaina tao amin’ilay taniny tafaverina tamin’ny laoniny ireo niverina tany, raha tsy nitoetra ho masina teo imason’Andriamanitra.

16. a) Inona no notakin’i Jehovah tamin’ireo izay navelany hiverina tany Joda tamin’ny 537 al.f.i.? b) Nahoana no azo lazaina fa tsy very maina ny famindram-pon’i Jehovah tamin’ny sisa amin’ireo voahosotra sy ny “ondry hafa”?

16 Tamin’ny 537 al.f.i., ireo sisa tamin’ny Jiosy niverina tany Jerosalema dia nanao izany noho ny antony madio​—mba hamerina tamin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina. Tsy nisy olona voaloton’ny fanaon’ny fanompoan-tsampy na ny fitondran-tena maloto, izay efa nampitandreman’i Isaia tamin-kery mafy, nanana zo hiverina tany. (Isaia 1:15-17). Ireo izay noheverin’i Jehovah ho masina ihany no afaka niverina tany Joda. (Isaia 35:8). Toy izany koa, hatramin’ny nanafahana azy avy tamin’ny fahababoana ara-panahy tamin’ny 1919, ny sisa amin’ireo voahosotra, nohatevenin’ny “ondry hafa” an-tapitrisany maro​—ireo izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany​—dia nanao ny ezaka rehetra mba ho masina eo imason’Andriamanitra. (Jaona 10:16). Nanadio tena tamin’ny fampianarana sy ny fanaon’i Babylona izy ireo. Miezaka mafy hifikitra amin’ny fari-pitsipika ambonin’Andriamanitra ny amin’ny fitondran-tena ny tsirairay aminy. (1 Petera 1:14-16). Tsy very maina ny namindran’i Jehovah fo tamin’izy ireo.

17. Ny anaran’iza no nosoratan’i Jehovah tao amin’ny “bokin’ny fiainana”, ary tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona moa isika?

17 Tsarovy fa voamarik’i Jehovah ireo izay masina teo amin’ny Isiraely ary ‘nosoratany ho isan’ny velona ny anarany’. Amin’izao andro izao koa, dia voamarik’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba ho madio ara-tsaina sy ara-batana, eo ‘am-panolorantsika ny tenantsika ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra’. (Romana 12:1). Ary izay rehetra manaraka izany fomba fiaina izany dia raketin’Andriamanitra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”​—firaketana an’ohatra ny anaran’izay mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay, na any an-danitra izany na eto an-tany. (Filipiana 4:3; Malakia 3:16). Aoka àry isika hanao izay farany azontsika atao mba hitoerana ho masina eo imason’Andriamanitra, satria amin’izay isika dia mety hihazona ny anarantsika ao amin’io ‘boky’ sarobidy io.​—Apokalypsy 3:5.

Fampanantenana fikarakarana amim-pitiavana

18, 19. Araka ny Isaia 4:4, 5, fanadiovana inona moa no hotanterahin’i Jehovah, ary amin’ny fomba ahoana no hahatontosa izany?

18 Manaraka izany i Isaia dia mampiseho ny fomba hahatongavan’ny mponin’ilay tanàna tafaverina tamin’ny laoniny ho masina, sy ny fitahiana niandry azy ireo. Hoy izy: “Rehefa voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny fahalotoany ireo zanakavavin’i Ziona, ary rehefa voadion’ny fanahy fitsarana sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, ho afaka amin’ny ran’olona nalatsany. Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro sy fahazavan’ny afo midedadeda nony alina ho eny ambonin’ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona sy ho eny ambonin’ny fivoriany rehetra; ary eny ambonin’ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo.”​—Isaia 4:4, 5.

19 Teo aloha i Isaia dia niteny mafy an’ireo “zanakavavin’i Ziona”, noho ny fahalotoany ara-pitondran-tena izay niafina tao ambanin’ny firavahany nirentirenty. Nanala sarona ny trosan-dran’ilay vahoaka tamin’ny ankapobeny koa izy, ary nampirisika azy ireo mba hisasa. (Isaia 1:15, 16; 3:16-23). Eto kosa anefa izy dia mitsinjo ny fotoana rehefa ho Andriamanitra mihitsy no ho ‘nanasa ny fahalotoana’, na ny loto ara-pitondran-tena, ary ho ‘nanadio ireo tasin-dra’. (Isaia 4:4, New International Version). Ahoana no hanatanterahana izany fanadiovana izany? Amin’ny alalan’ny “fanahy fitsarana” sy ny “fanahy fandringanana”. Ilay fandringanana an’i Jerosalema ho avy sy ilay fanaovana sesitany any Babylona dia ho fipoahan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy ny fahatezerany mirehitra amin’ny firenena iray tsy madio. Ireo sisa tamin’ny olony izay ho tafita velona amin’ireo loza ireo, ka hiverina hody, dia ho nanjary nanetry tena sy voadio. Izany no mahatonga azy ireo ho masina ho an’i Jehovah sy hamindrany fo.​—Ampitahao amin’ny Malakia 3:2, 3.

20. a) Mampahatsiahy ny amin’inona moa ny teny hoe “rahona” sy “setroka” ary “afo midedadeda”? b) Nahoana no tsy hila ny hatahotra ireo avy tany an-tsesitany izay voadio?

20 Nampanantena, tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah fa hokarakarainy amim-pitiavana ireo sisa tamin’ny olony voadio ireo. Ny teny hoe “rahona” sy “setroka” ary “afo midedadeda” dia mampahatsiahy ny fomba nikarakaran’i Jehovah an’ireo Isiraelita niala tany Ejipta. Nisy ‘andri-afo sy rahona’ niaro azy ireo tamin’ireo Ejipsianina nanenjika azy; nitarika azy ireo tany an’efitra koa izy io. (Eksodosy 13:21, 22; 14:19, 20, 24). Rehefa naneho ny fanatrehany teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Jehovah, dia “nivoa-tsetroka avokoa” ilay tendrombohitra. (Eksodosy 19:18). Tsy hila ny hatahotra àry ireo avy tany an-tsesitany izay voadio. I Jehovah no ho Mpiaro azy ireo. Homba azy ireo izy, na hivory ao an-tokantranony manokana izy ireo, na hiangona any amin’ny fivoriambe masina.

21, 22. a) Nahoana ny olona no nanorina tranolay, na trano bongo, matetika? b) Fahatsinjovan-javatra inona no apetraka eo anoloan’ireo sisa tamin’ny Jiosy voadio?

21 Namarana ny filazalazany momba ny fiarovan’Andriamanitra i Isaia, tamin’ny fifantohana tamin’ny fiainana andavanandro. Hoy ny nosoratany: “Hisy trano-lay ho fialokalofana amin’ny hainandro raha antoandro ary ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.” (Isaia 4:6). Matetika ny olona no nanorina tranolay, na trano bongo, iray tao amin’ny tanim-boaloboka na ny saha iray, ho fiarovana tamin’ny masoandro nigaingaina, tamin’ny fotoan’ny maintany, sy tamin’ny hatsiaka sy ny tafio-drivotra, tamin’ny fahavaratra.​—Ampitahao amin’ny Jona 4:5.

22 Rehefa tojo ny hafanana mivaivain’ny fanenjehana na ny tafio-drivotry ny fanoherana ireo sisa tamin’ny olon’i Jehovah voadio, dia hahita fa izy no Ilay hanome azy fiarovana sy filaminan-tsaina ary fialofana. (Salamo 91:1, 2; 121:5). Fahatsinjovan-javatra kanto àry no apetraka eo anoloan’izy ireo: Raha mamela ireo finoana sy fanao maloton’i Babylona izy ireo, ka manaiky hodiovin’ny didim-pitsaran’i Jehovah, ary miezaka hitoetra ho masina, dia ho voaro, toy ny hoe ao amin’ny ‘tranolain’ny’ fiarovan’Andriamanitra.

23. Nahoana i Jehovah no nitahy ny sisa amin’ireo voahosotra sy ireo namany?

23 Mariho fa ny fanadiovana no lasa aloha, avy eo vao ny fitahiana. Marina izany tamin’izao androntsika izao. Tany amin’ny taona 1919, dia nanaiky tamim-panetren-tena hodiovina ny sisa amin’ireo voahosotra, ary dia ‘voasasan’i’ Jehovah ny fahalotoan’izy ireo. Hatramin’izay, dia nisy “olona betsaka” amin’ny ondry hafa nanaiky hodiovin’i Jehovah koa. (Apokalypsy 7:9). Rehefa voadio toy izany ny sisa amin’ireo voahosotra sy ireo namany, dia notahina​—sady nokarakarain’i Jehovah no narovany. Tsy manao fahagagana izy mba hisakanana azy ireo tsy hovesaran’ny hafanan’ny fanenjehana na ny tafio-drivotry ny fanoherana. Miaro azy ireo anefa izy, ka toy ny hoe manangana eo ambonin’izy ireo ‘tranolay ho fialokalofana sy ho fialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra’. Amin’ny fomba ahoana?

24. Ahoana no ahitana miharihary fa nitahy ny vahoakany tamin’ny fitambarany i Jehovah?

24 Hevero izao: Ny sasany tamin’ireo fitondram-panjakana natanjaka indrindra teo amin’ny tantara dia nandrara ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah na nitady hanafoana azy ireo tanteraka. Na izany aza, dia tsy nihozongozona izy ireo ary nanohy nitory tsy an-kijanona! Nahoana ireo firenena matanjaka no tsy afaka nampijanona ny asan’io antokon’olona toa vitsy sy toa tsy nanam-piarovana io? Satria i Jehovah dia nametraka ireo mpanompony madio tao anatin’ny “trano-lay” fiarovana iray izay tsy azon’olombelona ravana!

25. Midika ho inona ho antsika isam-batan’olona ny fananana an’i Jehovah ho Mpiaro antsika?

25 Ahoana ny amintsika isam-batan’olona? Ny fananana an’i Jehovah ho Mpiaro antsika akory tsy midika fa ho afaka amin’ny zava-manahiran’ity fandehan-javatra ity ny fiainantsika. Kristianina mahatoky maro no miatrika zava-tsarotra mafy, toy ny fahantrana, ny loza voajanahary, ny ady, ny aretina ary ny fahafatesana. Rehefa tojo fahoriana toy izany isika, dia aoka isika tsy hanadino na oviana na oviana fa momba antsika ilay Andriamanitsika. Miaro antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy izy, ka manome antsika izay ilaintsika​—na dia “ny hery mihoatra noho ny mahazatra” aza​—mba hiaretantsika fisedrana amim-pahatokiana. (2 Korintiana 4:7, NW ). Satria eo izy, dia voaro isika, ka tsy mila ny hatahotra. Rehefa dinihina tokoa, raha mbola manao araka izay fara herintsika koa isika mba hitoerana ho masina eo imasony, dia tsy hisy na inona na inona “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra”.​—Romana 8:38, 39.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy manam-pahaizana manipy hevitra fa ilay teny hoe ‘tsimok’i Jehovah’ dia manondro ny Mesia, izay tsy hiseho afa-tsy aorian’ny namerenana an’i Jerosalema tamin’ny laoniny. Ao amin’ireo Targum aramianina, dia toy izao no ilazana an’io teny io: “Ny Mesian’i [Kristin’i] Jehovah.” Mahaliana fa io teny hebreo (tseʹmach) io ihany no nampiasain’i Jeremia tatỳ aoriana, fony izy nilaza ny Mesia ho “tsimoka marina” natsangana ho an’i Davida.​—Jeremia 23:5, NW; 33:15, NW.

^ feh. 9 Nisaina ho “afa-nandositra” ny sasany tamin’ireo izay teraka tany an-tsesitany. Azo noheverina ho “afa-nandositra” izy ireny, satria tsy ho teraka velively, raha tsy tafita velona tamin’ilay fandringanana ireo razambeny.​—Ezra 9:13-15; ampitahao amin’ny Hebreo 7:9, 10.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 63]

Nihatra tamin’ny Joda ny tafio-drivotry ny didim-pitsaran’Andriamanitra