Mitokia Amin’i Jehovah mba Hahazoana Tari-dalana sy Fiarovana
Toko Fahenina Ambin’ny Folo
Mitokia Amin’i Jehovah mba Hahazoana Tari-dalana sy Fiarovana
1, 2. Inona no loza natrehin’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., ary iza no notadiavin’ny maro taminy hitodihana mba hahitana fiarovana?
ARAKA ny hita tao amin’ireo toko teo aloha amin’ity boky ity, dia niatrika fandrahonana nahatahotra ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i. Nanohy nandrava tany maro samy hafa ireo Asyrianina lian-dra, ary na ho ela na ho haingana, dia hanafika ny fanjakan’ny Joda tany atsimo izy ireo. Iza no hitodihan’ny mponina tao mba hahazoana fiarovana? Nifanao fanekena tamin’i Jehovah izy ireo, ka tokony hiantehitra taminy mba hahazoana fanampiana. (Eksodosy 19:5, 6). Izany no nataon’i Davida Mpanjaka, izay niaiky hoe: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy”. (2 Samoela 22:2). Miharihary anefa fa maro, tamin’ny taonjato fahenina al.f.i., no tsy nanao an’i Jehovah ho batery fiarovana, na nitoky taminy. Nitady hitodika kokoa tany amin’i Ejipta sy i Etiopia izy ireo, tamin’ny fanantenana fa hiaro azy tamin’ny fanafihan’ny Asyrianina nananontanona, ireo firenena roa ireo. Diso hevitra izy ireo.
2 Nampiasa an’i Isaia mpaminany i Jehovah, mba hampitandremana fa hitondra loza ny fitadiavana fialofana tany Ejipta na tany Etiopia. Nanome fianarana nahasoa ho an’ireo niara-belona taminy ireo teny ara-tsindrimandry azon’ilay mpaminany, no sady mirakitra fianarana sarobidy ho antsika momba ny ilana ny hitoky amin’i Jehovah.
Tany mpandatsa-dra
3. Nanao ahoana ny fanantitranteran’i Asyria ny hery ara-tafika?
3 Nalaza noho ny heriny ara-tafika ny Asyrianina. Hoy ny boky Nahoma 3:1.
Ancient Cities: “Nanao ny tanjaka ho andriamanitra izy ireo, ary tsy nivavaka afa-tsy tamin’ny sampy vato nakadiry, dia liona sy omby nanana rantsambatana mafonja, sy elatry ny voromahery, ary lohan’olona, izay nampiseho ny tanjaka sy ny herim-po ary ny fandresena. Ny niady no raharahan’ilay firenena, ary ireo mpisorona dia tsy nitsahatra ny nampirisika hiady.” Nisy antony tsara nilazan’i Nahoma, mpaminany ao amin’ny Baiboly, an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, ho “ny tanàna mpandatsa-dra”.—4. Tamin’ny fomba ahoana no nampihorohoroan’ny Asyrianina ny fon’ireo firenena hafa?
4 Mazàna no tsy nifaditrovana ny tetikady nampiasain’ny Asyrianina. Misy sary sokitra mivohitra tamin’izany andro izany, mampiseho ireo mpiady asyrianina nitaritarika babo tamin’ny faraingo nopaingorina teo amin’ny orony na ny molony. Nanajamba ny babo sasany tamin’ny lefona izy ireo. Ny soratra iray dia milaza ny amin’ny fandresena iray, izay nandrasarasan’ireo miaramila asyrianina ny vatan’ireo babo, sy nanaovany
antontan-javatra roa teo ivelan’ilay tanàna—ny iray voaforon’ny lohan’ireo babo ary ilay faharoa voaforon’ny rantsambatany. Nodorany tamin’ny afo ny zanak’ireo resy. Tsy maintsy ho nanampy an’ireo Asyrianina teo amin’ny fanafihana nataony ny tahotra nateraky ny halozana toy izany, ka nisakana ny fanoherana rehetra avy tamin’ireo nisakantsakana ny tafiny.Ny ady tamin’i Asdoda
5. Iza no mpanapaka asyrianina nahery tamin’ny andron’i Isaia, ary ahoana no nanamarinana ny fitantaran’ny Baiboly momba azy?
5 Tamin’ny andron’i Isaia, dia nahatratra fara tampon’ny heriny ny Empira Asyrianina, fony teo ambanin’ny fanapahan’i Sargona Mpanjaka. * Nandritra ny taona maro, dia nisalasala ny amin’ny fisian’io mpanapaka io ireo mpanao tsikera, satria tsy nahita soratra momba azy tao amin’ireo boky tsy ara-pivavahana. Tatỳ aoriana anefa, dia nahita ireo sisan-javatra rava tamin’ny lapan’i Sargona ireo arkeology, ary dia voamarina ilay fitantaran’ny Baiboly.
6, 7. a) Inona avy no antony azo inoana fa nandidian’i Sargona ny hanafihana an’i Asdoda? b) Inona no vokatry ny nianjeran’i Asdoda, teo amin’ireo mponina nanodidina an’i Filistia?
6 Mitantara vetivety toy izao momba ny iray tamin’ireo fanafihana ara-tafik’i Sargona i Isaia: ‘Nankany Asdoda i Tartana, raha nirahin’i Sargona, mpanjakan’i Asyria, izy ka namely an’i Asdoda ary nahafaka azy.’ (Isaia 20:1). * Nahoana i Sargona no nandidy ny hanafihana ny tanànan’i Asdoda, tany Filistia? Voalohany aloha, i Filistia dia mpiara-dia tamin’i Ejipta, ary i Asdoda, izay nisy ny tempolin’i Dagona, dia teo amin’ny lalana nanaraka ny morontsiraka avy tany Ejipta ka namakivaky an’i Palestina. Tena tsara toerana àry io tanàna io. Azo noheverina ho dingana nialoha ny fandresena an’i Ejipta ny fandresena azy. Fanampin’izany, ireo firaketana an-tsoratry ny Asyrianina dia milaza fa nioko ny hamely an’i Asyria i Azuri, mpanjakan’i Asdoda. Noho izany, dia nasain’i Sargona nesorina io mpanjaka nikomy io, ka nosoloany an’i Ahimity, zandry lahin’ilay mpanjaka, teo amin’ny seza fiandrianana. Na izany aza, dia mbola tsy voalamina ihany ilay raharaha. Nisy fikomiana iray hafa nipoaka, ka tamin’io indray mandeha io, dia nanao zavatra nahery vaika kokoa i Sargona. Nandidy ny hanafihana an’i Asdoda, izay natao fahirano ka resy, izy. Azo inoana fa io fisehoan-javatra io no nasian’ny Isaia 20:1 firesahana.
7 Ny nianjeran’i Asdoda dia fambara ratsy ho an’ireo mponina nanodidina azy, indrindra fa i Joda. Fantatr’i Jehovah fa nitady hitodika tany amin’ny “sandry nofo”, toa an’i Ejipta na i Etiopia tany atsimo, ilay vahoakany. Noho izany, dia nasainy nampiseho tamin’ny fihetsiny, fampitandremana nahatsiravina iray, i Isaia.—2 Tantara 32:7, 8.
“Sady tsy nitafy no tsy nikiraro”
8. Zavatra ara-paminaniana, avy tamin’ny tsindrimandry, inona no nasehon’i Isaia tamin’ny fihetsiny?
8 Hoy i Jehovah tamin’i Isaia: “Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ny tongotrao.” Nankatò ny baikon’i Jehovah i Isaia. “Nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.” (Isaia 20:2). Ny lamba fisaonana dia fitafiana maraorao fanaon’ireo mpaminany, indraindray tamin’ny fotoana nanambarana hafatra fampitandremana iray. Nanaovana tamin’ny fotoan-tsarotra koa izy io, na taorian’ny nandrenesana vaovao nilaza loza. (2 Mpanjaka 19:2; Salamo 35:13; Daniela 9:3). Tena nandehandeha tsy nitafy tokoa ve i Isaia, izany hoe tsy nisy lamba nanarona ny vatany mihitsy? Tsy voatery ho izany. Ilay teny hebreo nadika hoe “tsy nitafy”, na hoe “nitanjaka” (NW ), dia afaka midika koa hoe tsy nitafy firy, na hoe zara raha nitafy. (1 Samoela 19:24, NW, fanamarihana ambany pejy). Koa nety ho nanala ny akanjony ivelany fotsiny àry i Isaia, fa nihazona kosa ilay akanjo anaty fohy, izay nanara-batana mazàna. Toy izany matetika no ampisehoana an’ireo lehilahy babo, ao amin’ireo sary sokitra asyrianina.
9. Inona no hevitra ara-paminanian’ilay zavatra nataon’i Isaia?
9 Tsy navela hisalasala isika raha ny amin’ny hevitr’ilay zavatra tsy nahazatra nataon’i Isaia. “Hoy Jehovah: Tahaka ny Isaia 20:3, 4). Eny, tsy ho ela dia hoentina ho babo ny Ejipsianina sy ny Etiopianina. Tsy hisy hotsimbinina, na dia iray aza. “Na tanora na antitra”—na ankizy na zokiolona—dia hendahina aminy ny fananany rehetra, ka hoentina any an-tsesitany izy. Nampiasa io sarin-teny tsy nanome fanantenana io i Jehovah, mba hampitandremana ny mponin’i Joda fa ho zava-poana ny hitokisany amin’i Ejipta sy i Etiopia. Ny fianjeran’ireo firenena ireo dia hitarika ho amin’ny ‘fitanjahany’—ny fietreny farany!
nandehanan’Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin’i Egypta sy Etiopia, dia ho toy izany no hitondran’ny mpanjakan’i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, [dia ny fitanjahan’i Ejipta, “NW” ].” (Nirodana ny fanantenana, nalazo ny hatsaran-tarehy
10, 11. a) Hanao ahoana ny ho fihetsiky ny Joda, rehefa ho hitany fa tsy nanan-kery teo anoloan’i Asyria i Ejipta sy i Etiopia? b) Nahoana ny mponin’i Joda no nety hitady hitoky tamin’i Ejipta sy i Etiopia?
10 Nanaraka izany, i Jehovah dia naminany momba ny ho fihetsik’ilay vahoakany, rehefa ho hitan’izy ireo fa tsy nanan-kery teo anoloan’ny Asyrianina i Ejipta sy i Etiopia, dia ilay fialofana nantenainy. “Ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany. Ary amin’izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ny mpanjakan’i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?”—Isaia 20:5, 6.
11 Toa toy ny tany lavalava kely amorontsiraka i Joda, raha nampitahaina tamin’ny fanjakan’i Ejipta sy i Etiopia. Angamba raiki-pitia tamin’ny hatsaran-tarehin’i Ejipta ny sasany tamin’ny mponin’io tany “amoron-dranomasina” io—ny rirakitsony nijoalajoala, sy ny tempoliny nanerinerina, ary ny trano fonenany nidadasika sy voahodidina zaridaina sy saha voavoly hazo fihinam-boa ary kamory. Ireo fanorenana kanton’i Ejipta dia toa porofo nampiharihary toetra tsy hihozongozona sy haharitra. Tsy ho azo foanana velively io tany io! Tsy maintsy ho nampiaiky
volana an’ireo Jiosy koa ny mpandefa zana-tsipìka sy ny kalesy ary ny mpitaingin-tsoavalin’i Etiopia.12. Iza no tokony hitokian’ny Joda?
12 Rehefa heverina ilay fampitandremana nasehon’i Isaia tamin’ny fihetsiny sy ireo teny ara-paminanian’i Jehovah, na iza na iza nilaza tena ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra nefa nitady hitoky tamin’i Ejipta sy i Etiopia, dia tsy maintsy nieritreritra tsara. Tena tsara lavitra ny mitoky amin’i Jehovah, toy izay amin’ny olombelona! (Salamo 25:2; 40:4). Araka ny fitrangan-javatra, dia nijaly mafy teo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria ny Joda, ary tatỳ aoriana dia noringanin’i Babylona ny tempoliny sy ny renivohiny. Kanefa, nisy “ampahafolony”, na “taranaka masina”, sisa tavela, toy ny fototry ny hazo goavana iray. (Isaia 6:13). Rehefa ho tonga ny fotoana, dia hanatanjaka be dia be ny finoan’io antokon’olom-bitsy io, izay nanohy nitoky tamin’i Jehovah, ny hafatr’i Isaia!
Mitokia amin’i Jehovah
13. Fanerena inona avy no mianjady amin’ny rehetra—na mpino na tsy mpino—amin’izao andro izao?
13 Tsy tantara mivalona fotsiny akory ilay fampitandreman’i Isaia hoe zava-poana ny fitokisana tamin’i Ejipta sy i Etiopia. Azo ampiharina amin’izao androntsika izao izy iny. Miaina amin’ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ isika ankehitriny. (2 Timoty 3:1, NW ). Ny loza ara-toe-karena, ny fahantrana miely patrana, ny tsy fahazoana antoka ara-politika, ny hotakotaka, ary ny ady amin’ny ambaratonga kely na lehibe, dia miteraka vokatra mahatsiravina—tsy eo amin’ireo manao tsinontsinona ny fanapahan’Andriamanitra ihany, fa eo amin’ireo izay manompo an’i Jehovah koa. Ilay fanontaniana atrehin’ny tsirairay dia hoe: ‘Iza no hitodihako, mba hahazoako fanampiana?’
14. Nahoana isika no tokony tsy hitoky afa-tsy amin’i Jehovah?
14 Mety hisy hiaiky volana noho ireo kingalahy eo amin’ny ara-bola sy ireo mpanao politika ary ireo mpahay siansa, izay milaza ny handamina ireo zava-manahirana ny olona, amin’ny alalan’ny fahaiza-mamoron-kevitra sy ny teknolojian’olombelona. Kanefa dia tsotra ny fanambaran’ny Baiboly hoe: “Tsara ny matoky an’i Jehovah noho ny matoky ny mpanapaka.” (Salamo 118:9). Ny tetika rehetra foronin’ny olona ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fiarovana dia ho tsinontsinona, noho ilay antony nambaran’i Jeremia mpaminany araka ny marina toy izao: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.
15. Aiza ny hany fanantenan’ny olombelona ory?
15 Faran’izay tena ilaina àry ny tsy hahatongavan’ireo mpanompon’Andriamanitra hitolagaga loatra, eo anoloan’izay toa tanjaka na fahendren’ity tontolo ity. (Salamo 33:10; 1 Korintiana 3:19, 20). Ny hany fanantenana ho an’ny olombelona ory dia i Jehovah, ilay Mpamorona. Ho voavonjy izay mitoky aminy. Araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona nahazo tsindrimandry, dia “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”.—1 Jaona 2:17.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Antsoin’ireo mpahay tantara hoe Sargona II io mpanjaka io. Mpanjaka iray teo aloha, tsy tany Asyria, fa tany Babylona, no antsoina hoe “Sargona I”.
^ feh. 6 Tsy anarana ny hoe “Tartana” fa anaram-boninahitra manondro an’ilay komandà nitarika ny tafika asyrianina, angamba ilay olona nahery indrindra faharoa tao amin’ilay empira.
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 209]
Nanajamba ny sasany tamin’ireo olona nataony babo ny Asyrianina
[Sary, pejy 213]
Mety hiaiky volana noho ireo zava-bitan’olombelona ny sasany, nefa tsara kokoa ny mitoky amin’i Jehovah