Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpaminany Fahiny Iray Nitondra Hafatra Maoderina

Mpaminany Fahiny Iray Nitondra Hafatra Maoderina

Toko Voalohany

Mpaminany Fahiny Iray Nitondra Hafatra Maoderina

Isaia 1:1

1, 2. a) Manao ahoana ny toe-piainana eto an-tany amin’izao andro izao? b) Ahoana no nilazan’ny senatera amerikanina iray ny fanahiany ny amin’ny fikororosian’ny fiaraha-monina?

IZA moa ankehitriny no tsy maniry fanamaivanana amin’ireo zava-manahirana manjo ny olombelona? Kanefa, impiry impiry moa isika no diso fanantenana! Manonofinofy fandriampahalemana isika, nefa ianjadian’ny ady. Mankamamy ny lalàna sy ny filaminana isika, nefa tsy afaka misakana ny fitomboan’ny fandrobana sy ny fisavihana ary ny vonoan’olona tsy an-kijanona. Maniry hatoky ny mpiray tanàna amintsika isika, nefa tsy maintsy manidy lakile ny varavarantsika mba ho voaro. Tia ny zanatsika isika ary miezaka mampianatra azy fitsipi-pitondran-tena tsara, nefa matetika isika no tsy afa-manoatra, rehefa resin’ny fitaoman-dratsin’ny mitovy taona aminy izy.

2 Tena mety hitovy hevitra amin’i Joba isika, rehefa nilaza izy hoe “vontom-pahoriana” ny fiainana fohin’ny olombelona. (Joba 14:1). Toa marina indrindra izany ankehitriny, satria mihamikororosy mbola tsy nisy toy izany ny fiaraha-monina. Hoy ny nomarihin’ny senatera amerikanina iray: “Efa tapitra izao ny Ady Mangatsiaka, nefa mampalahelo fa izao tontolo izao dia vao mainka mora ipoahan’ny herisetra sy ny habibiana ara-pirazanana sy ara-poko ary ara-pivavahana. (...) Nampidina ny fari-pitsipi-pitondran-tenantsika isika, hany ka misafotofoto ny sain’ny maro amin’ireo tanorantsika, izay manjary kivy sy mahita zava-manahirana lehibe koa. Mijinja ny vokatry ny tsirambina ataon’ny ray aman-dreny, ny fisaraham-panambadiana, ny fampijaliana ankizy, ny zatovo manana anaka, ny ankizy miala amin’ny fianarana, ny zava-mahadomelina, ary ny arabe anjakan’ny herisetra, isika ankehitriny. Toy ny hoe nieren-doza tamin’ilay horohoron-tany lehibe antsointsika hoe ny Ady Mangatsiaka ny tranontsika, nefa izao dia lanin’ny vitsikazo tsikelikely.”

3. Boky iza ao amin’ny Baiboly indrindra no manolotra fanantenana ho an’ny hoavy?

3 Kanefa, tsy avela tsy hanana fanantenana isika. Tokony ho 2 700 taona lasa izay, dia nanome tsindrimandry ny lehilahy iray tany Moyen-Orient Andriamanitra, mba hanonona faminaniana maromaro izay manana heviny manokana ho an’ny androntsika. Ireo hafatra ireo dia voarakitra ao amin’ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anaran’io mpaminany io​—Isaia. Iza moa i Isaia, ary nahoana isika no afaka milaza fa manome fahazavana ho an’ny olombelona rehetra amin’izao andro izao ny faminaniany, nefa noraketina an-tsoratra efa ho telo arivo taona lasa izay?

Lehilahy marina iray tamin’ny fotoana feno hotakotaka

4. Iza moa i Isaia, ary oviana izy no mpaminanin’i Jehovah?

4 Ao amin’ny andininy voalohany amin’ny bokiny, dia mampahafantatra ny tenany ho “zanak’i Amoza”, * i Isaia ary milaza amintsika fa mpaminanin’Andriamanitra ny tenany, nanompo “tamin’ny andron’i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda”. (Isaia 1:1). Midika izany fa nanao ny asan’ny mpaminanin’Andriamanitra ho an’ny firenen’ny Joda nandritra ny 46 taona, fara fahakeliny, i Isaia, angamba nanomboka tamin’ny faran’ny fotoana nanjakan’i Ozia​—tokony ho tamin’ny taona 778 al.f.i.

5, 6. Inona no tsy maintsy ho marina raha ny amin’ny fiainam-pianakavian’i Isaia, ary nahoana?

5 Raha ampitahaina amin’izay fantatsika momba ny mpaminany hafa sasany, dia tsy mahafantatra firy momba ny fiainana manokan’i Isaia isika. Ny fantatsika dia hoe nanambady izy ary niantso ny vadiny hoe “ny mpaminanivavy”. (Isaia 8:3). Araka ny Cyclopedia of Biblical, Theological, and Ecclesiastical Literature, nataon’i McClintock sy i Strong, io fomba fiantsoana azy io dia mampiseho fa “tsy vitan’ny hoe nifanaraka tsara tamin’ny asany [ny fanambadian’i Isaia], fa nifamatotra akaiky taminy koa”. Tena nety ho notendrena hanao ny asan’ny mpaminany koa ny vadin’i Isaia, toy ny sasany tamin’ireo vehivavy hafa natahotra an’Andriamanitra teo amin’ny Isiraely fahiny.​—Mpitsara 4:4; 2 Mpanjaka 22:14.

6 Nanan-janaka roa lahy, fara fahakeliny, i Isaia sy ny vadiny, ka samy nomena anarana nanan-keviny ara-paminaniana izy mirahalahy. Ilay lahimatoa, i Seara-jasoba, dia niaraka tamin’i Isaia, fony i Isaia nampita ny hafatr’Andriamanitra tamin’i Ahaza, mpanjaka ratsy fanahy. (Isaia 7:3). Miharihary fa nanao ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra ho raharaha niarahan’ny fianakaviana natao, i Isaia sy ny vadiny​—ohatra tsara dia tsara ho an’ny mpivady amin’izao andro izao!

7. Lazalazao ny toe-piainana nisy tao Joda tamin’ny andron’i Isaia.

7 Niaina tamin’ny fe-potoana feno hotakotaka teo amin’ny tantaran’ny Joda i Isaia sy ny fianakaviany. Zavatra nahazatra ny korontana ara-politika, nandoto ny fitsarana ny kolikoly, ary nampahalemy ny rafitra ara-pivavahana niorenan’ilay fiaraha-monina ny fihatsarambelatsihy. Feno alitara ho an’ny andriamani-diso ireo tampon-kavoana. Ny sasany tamin’ireo mpanjaka aza dia nampandroso ny fanompoan-tsampy. I Ahaza, ohatra, dia tsy vitan’ny hoe nilefitra teo anoloan’ny fanompoan-tsampy nataon’ny olom-peheziny, fa nanao azy io koa ny tenany. “Nampamakiny ny afo” mihitsy aza ny zanany, ho fanatitra ho an’i Moloka, ilay andriamanitra kananita. * (2 Mpanjaka 16:3, 4; 2 Tantara 28:3, 4). Ary izany rehetra izany dia nitranga teo anivon’ny vahoaka iray izay nifanao fanekena tamin’i Jehovah!​—Eksodosy 19:5-8.

8. a) Inona no ohatra navelan’i Ozia sy i Jotama Mpanjaka, ary moa ve ny vahoaka nanaraka ny tari-dalan’izy ireo? b) Ahoana no nampisehoan’i Isaia fahasahiana, teo anivon’ny vahoaka iray mpikomy?

8 Azo noderaina ny sasany tamin’ireo niara-belona tamin’i Isaia​—anisan’izany ny mpanapaka sasany​—izay niezaka hampandroso ny fivavahana marina. Anisan’izany i Ozia Mpanjaka, izay “nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah”. Na dia izany aza, nandritra ny fotoana nanjakany, dia “namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ny fitoerana avo” ilay vahoaka. (2 Mpanjaka 15:3, 4). I Jotama Mpanjaka koa dia “nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah”. Kanefa, “ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany”. (2 Tantara 27:2). Eny, nandritra ny ankabeazan’ny fotoana naminanian’i Isaia, dia nahonena ny toe-piainana ara-panahin’ny fanjakan’ny Joda sy ny fitondran-tenany. Tamin’ny ankapobeny, dia ninia tsy nijery izay fitaomana tsara nety ho nomen’ireo mpanjakany ilay vahoaka. Tsy mahagaga àry raha tsy ho mora ny hampitana ireo hafatr’Andriamanitra tamin’io vahoaka be kiry io. Na dia izany aza, rehefa nametraka ilay fanontaniana hoe “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” i Jehovah, dia tsy nisalasala i Isaia, fa nihiaka hoe: “Inty aho, iraho aho.”​—Isaia 6:8.

Hafatra momba ny famonjena

9. Inona no hevitry ny anaran’i Isaia, ary ahoana no ifandraisan’izany amin’ny loha hevitry ny bokiny?

9 Ny anaran’i Isaia dia midika hoe “Famonjen’i Jehovah”, izay tena mety ho ny loha hevitry ny hafatra nampitainy. Marina fa momba ny didim-pitsarana ny sasany tamin’ireo faminanian’i Isaia. Kanefa, ny loha hevitra momba ny famonjena no tena hita misongadina. Namerimberina nilaza i Isaia fa amin’ny fotoana voatondrony, i Jehovah dia hanafaka ny Isiraelita amin’ny fahababoana tany Babylona, ka hamela sisa aminy hiverina any Ziona sy hahatonga an’ilay tany hanana ny voninahiny teo aloha. Tsy isalasalana fa nitondra fifaliana lehibe indrindra ho an’i Isaia ny tombontsoa hilaza sy hanoratra faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny an’i Jerosalema malalany!

10, 11. a) Nahoana no mahaliana antsika amin’izao andro izao ny bokin’i Isaia? b) Ahoana no isarihan’ny bokin’i Isaia ny saina ho amin’ny Mesia?

10 Inona anefa no ifandraisan’ireny hafatra momba ny didim-pitsarana sy ny famonjena ireny amintsika? Soa ihany fa tsy naminany ho an’ilay fanjakan’ireo foko roan’ny Joda fotsiny i Isaia. Manana heviny manokana ho an’ny androntsika kosa aza ireo hafatra nampitainy. Manome filazalazana mahatalanjona ny amin’ny fitahiana lehibe hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela ho an’ny tanintsika i Isaia. Ampahany lehibe amin’ny soratr’i Isaia no mifandray amin’izany ary mifantoka amin’ilay Mesia nampanantenaina, izay ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 9:25; Jaona 12:41). Tsy sendrasendra velively raha milaza hevitra mitovy ihany ny anarana hoe Jesosy sy Isaia, satria ny hoe Jesosy dia midika hoe “I Jehovah dia Famonjena”.

11 Mazava ho azy fa tsy teraka raha tsy fitonjato taona teo ho eo taorian’i Isaia i Jesosy. Kanefa, ireo faminaniana momba ny Mesia raketin’ny bokin’i Isaia dia feno tsipiriany aoka izany ary marina aoka izany, hany ka toy ny fitantaran’ny olona nanatri-maso ny fiainan’i Jesosy teto an-tany ny famakiana azy ireo. Nanamarika ny mpanoratra iray fa indraindray dia antsoina hoe ny “Filazantsara Fahadimy” ny bokin’i Isaia. Noho izany, dia tsy mahagaga velively raha ny bokin’i Isaia no nakan’i Jesosy sy ny apostoliny teny matetika indrindra, mba hampahafantarana mazava tsara ny Mesia.

12. Nahoana isika no may hanomboka hianatra ny bokin’i Isaia?

12 Manome filazalazana mahatalanjona ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” izay ‘hanjakan’ny mpanjaka iray araka ny fahamarinana’ sy ‘hanapahan’ny lehibe araka ny rariny’, i Isaia. (Isaia 32:1, 2; 65:17, 18; 2 Petera 3:13). Araka izany, dia manondro ilay fanantenana manafana ny fo ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra hotarihin’ny Mesia, dia i Jesosy Kristy, Mpanjaka nomena fiandrianana, ny bokin’i Isaia. Izany ka fampirisihana antsika hiandry amim-pifaliana ny ‘famonjen’i Jehovah’ amin’ny andro tsirairay iainantsika! (Isaia 25:9; 40:28-31). May àry isika izao handinika ilay hafatra sarobidy ao amin’ny bokin’i Isaia. Eo am-panaovantsika izany, dia hihamafy ny fatokisantsika ireo fampanantenan’Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, dia hahazo fanampiana isika mba hampitomboana ny fiekentsika fa tena ilay Andriamanitry ny famonjena antsika tokoa i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 I Amoza, rain’i Isaia, dia tsy tokony hampifangaroina amin’i Amosa, izay naminany teo am-piandohan’ny fotoana nanjakan’i Ozia ary nanoratra ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany.

^ feh. 7 Misy milaza fa ny hoe “nampamakiny ny afo” dia mety hilaza fotsiny fombafomba fanadiovana. Ao amin’io fitantarana io anefa, dia toa manondro fanatitra ara-bakiteny ilay teny. Tsy misy iadian-kevitra fa fanao narahin’ny Kananita sy ny Isiraelita nivadi-pinoana ny fanaovana fanatitra ankizy.​—Deoteronomia 12:31; Salamo 106:37, 38.

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Iza moa i Isaia?

HEVITRY NY ANARANY: “Famonjen’i Jehovah”

FIANAKAVIANY: Nanambady, nanan-janaka roa lahy, fara fahakeliny

TOERANA NONENANY: Jerosalema

TAONA NANOMPOANY: 46 taona, fara fahakeliny, nanomboka tamin’ny 778 al.f.i. tany ho any, ka hatreo aoriana kelin’ny 732 al.f.i.

MPANJAKAN’NY JODA NIARA-BELONA TAMINY: Ozia, Jotama, Ahaza, Hezekia

MPAMINANY NIARA-BELONA TAMINY: Mika, Hosea, Odeda

[Sary, pejy 6]

Nanao ny fivavahana tamin’Andriamanitra ho raharaha niarahan’ny fianakaviana natao i Isaia sy ny vadiny