Mpanjaka i Jehovah
Toko Faharoapolo
Mpanjaka i Jehovah
1, 2. a) Iza avy no hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah? b) Ho afa-miala amin’ny famaizana ve ny Joda, ary ahoana no ahafantarantsika izany?
I BABYLONA, i Filistia, i Moaba, i Syria, i Etiopia, i Ejipta, i Edoma, i Tyro, i Asyria—samy hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah avokoa ireo. Nanambara mialoha ny loza hihatra amin’ireo firenena sy tanàna feno fankahalana ireo i Isaia. Ahoana anefa ny amin’i Joda? Moa ve ny mponin’i Joda ho afa-miala amin’ny famaizana noho ny fahotany? “Tsia” manakoako no valin-teny omen’ny tantara!
2 Diniho izay nanjo an’i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely. Tsy nihazona ilay fanekena nifanaovany tamin’Andriamanitra io firenena io. Tsy nihataka tamin’ireo fanao vetavetan’ireo firenena nanodidina izy ireo. “Nanao zavatra ratsy [kosa aza izy ireo] ka nampahatezitra an’i Jehovah (...). Koa dia tezitra indrindra tamin’ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy”. Nesorina an-keriny avy teo amin’ny taniny ny Isiraely, “ka dia lasan-ko babo niala tamin’ny taniny ho any Asyria”. (2 Mpanjaka 17:9-12, 16-18, 23; Hosea 4:12-14). Izay nanjo ny Isiraely dia nilaza loza ho an’ny Joda, ilay fanjakana rahavaviny.
Nanambara mialoha ny hahafoanan’ny Joda i Isaia
3. a) Nahoana i Jehovah no nahafoy ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda? b) Tapa-kevitra ny hanao inona moa i Jehovah?
3 Nahatoky ny mpanjaka sasany tao Joda, fa ny ankamaroany kosa tsy nahatoky. Na dia teo ambanin’ny fanapahan’ny mpanjaka nahatoky, toa an’i Jotama, aza, dia tsy niala tanteraka tamin’ny fivavahan-diso ilay vahoaka. (2 Mpanjaka 15:32-35). Nahatratra ny fara tampony ny faharatsian’ny Joda, nandritra ny fanjakan’i Manase Mpanjaka, izay lian-dra ary nampamono an’i Isaia mpaminany nahatoky, tamin’ny fanatsofana azy, araka ny lovantsofina jiosy. (Ampitahao amin’ny Hebreo 11:37.) Io mpanjaka ratsy fanahy io dia “nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema (...) mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely”. (2 Tantara 33:9). Teo ambanin’ny fanapahan’i Manase, dia nanjary vao mainka voaloto kokoa noho ny fony teo ambanin’ny fifehezan’ny Kananita aza ilay tany. Noho izany, dia hoy i Jehovah: “Indro hahatonga loza amin’i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa. (...) Hamaoka an’i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia, ka sady mamaoka no manohoka azy koa. Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan’ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon’ny fahavalony rehetra izy, satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin’ny andro nivoahan’ny razany avy tany Egypta ka mandraka andro-any.”—2 Mpanjaka 21:11-15.
4. Inona no hataon’i Jehovah amin’ny Joda, ary ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?
4 Toy ny lovia ahohoka, ka mahatonga ny ao anatiny hiraraka, dia hesorina amin’ilay tany ny mponina rehetra ao aminy. Foto-kevitry ny faminanian’i Isaia indray izao io fahafoanan’ny Joda sy i Jerosalema ho avy io. Hoy ny fanombohany: “Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.” (Isaia 24:1). Tanteraka io faminaniana io, fony i Jerosalema sy ny tempoliny noringanin’ny tafika babylonianina notarihin’i Nebokadnezara Mpanjaka, ary fony ny mponin’i Joda ripaky ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Nentina ho babo tany Babylona ny ankamaroan’ireo Jiosy tafita velona, ary izay vitsy tavela dia nandositra nankany Ejipta. Rava sady tsy nisy mponina intsony àry ny tanin’i Joda. Tsy nisy na dia biby fiompy aza tavela. Nanjary efitra sy sisan-javatra nampahonena, tsy nahitana afa-tsy bibidia sy vorona, sisa ilay tany nilaozana.
5. Hisy ho afa-miala amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah ve? Hazavao.
Isaia 24:2, 3). Tsy hanova na inona na inona na ny harena na ny tombontsoam-panompoana tao amin’ny tempoly. Tsy hisy haningana na iray aza. Simba ara-pitondran-tena aoka izany ilay tany, ka tsy maintsy entina any an-tsesitany izay rehetra tafita velona—mpisorona, mpanompo sy tompo, mpividy sy mpivarotra.
5 Hisy hanehoana fiangarana ve ao Joda, mandritra io fampiharana didim-pitsarana ho avy io? Hoy ny navalin’i Isaia: “Ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanàna vola. Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.” (6. Nahoana i Jehovah no nanaisotra ny fitahiany tamin’ilay tany?
6 Mba tsy hisian’ny tsy fahazoan-kevitra, dia nilaza i Isaia fa ho feno io loza ho avy io ary nohazavainy ny antony. “Misaona sy malazo ny tany; milofika sy malazo izao tontolo izao; milofika ny lehibe indrindra amin’ny olona etỳ an-tany. Ary ny tany dia efa voavetavetan’ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay. Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin’ny tany, ka dia olona vitsy foana no sisa ao.” (Isaia 24:4-6). Fony nomena ny tanin’i Kanana ny Isiraelita, dia “tany tondra-dronono sy tantely” no nahitan’izy ireo azy. (Deoteronomia 27:3). Na izany aza, dia mbola niankina tamin’ny fitahian’i Jehovah ihany izy ireo. Raha nitandrina ny didiny sy ny lalàny tamim-pahatokiana izy ireo, dia “hahavoka-javatra ny tany”, fa raha nandika ny didiny sy ny lalàny kosa izy ireo, dia “tsy hahavoka-javatra” ny ezaka nataony mba hambolena ny tany, ary “tsy hamoa” izy io. (Levitikosy 26:3-5, 14, 15, 20). ‘Handevona ilay tany’ ny ozon’i Jehovah. (Deoteronomia 28:15-20, 38-42, 62, 63). Tsy maintsy manampo ny hiharan’io fanozonana io izao ny Joda.
7. Amin’ny ahoana ny faneken’ny Lalàna no ho fitahiana ho an’ny Isiraelita?
Eksodosy 24:3-8). Araka ny fepetran’io faneken’ny Lalàna io, raha nankatò ny didin’i Jehovah izy ireo, dia hahazo fitahiana tondraka, fa raha nandika ilay fanekena kosa izy ireo, dia hamoy ny fitahiany ka hoentin’ny fahavalony ho babo. (Eksodosy 19:5, 6; Deoteronomia 28:1-68). Io faneken’ny Lalàna io, izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy, dia tsy maintsy hanan-kery hatrany amin’ny fotoana tsy voafaritra, na tsy voafetra. Hiaro ny Isiraelita izy io, mandra-pisehon’ny Mesia.—Galatiana 3:19, 24.
7 Tokony ho 800 taona talohan’ny andron’i Isaia, dia nifanao fanekena tamin’i Jehovah an-tsitrapo ny Isiraelita, ary nanaiky ny hanaraka azy io. (8. a) Ahoana no ‘nandikan’ilay vahoaka ny lalàna’ sy ‘nanovany ny didy’? b) Tamin’ny fomba ahoana avy ireo “lehibe indrindra” no voalohany ‘nilofika’?
8 “Nivadika ny fanekena mandrakizay” anefa ilay vahoaka. Nandika ireo lalàna nomen’Andriamanitra izy ireo, tamin’ny tsy firaharahana azy ireo. “Nanota”, na hoe “nanova” (NW ) ny “didy” izy ireo, tamin’ny fanarahana fanao ara-pitsarana hafa noho izay nomen’i Jehovah. (Eksodosy 22:24; Ezekiela 22:12). Noho izany, dia hesorina amin’ilay tany ilay vahoaka. Tsy hisy famindram-po, rehefa hampiharina ilay didim-pitsarana ho avy. Ho anisan’ny voalohany ‘hilofika’, noho ny fanesoran’i Jehovah ny fiarovany sy ny fankasitrahany, ireo “lehibe indrindra”, dia ny taranak’andriana. Ho fahatanterahan’izany, rehefa nihananatona ny fandringanana an’i Jerosalema, dia nataon’ny Ejipsianina aloha, ary avy eo dia ny Babylonianina, teo ambany fahefany ireo mpanjaka jodianina. Ho vokany, dia i Joiakina Mpanjaka sy ny mpianakavy hafa tao amin’ny fianakavian’ny mpanjaka no anisan’ny voalohany nentina ho babo tany Babylona.—2 Tantara 36:4, 9, 10.
Niala teo amin’ilay tany ny fifaliana
9, 10. a) Inona no anjara toerana notanan’ny fambolena sy ny fiompiana teo amin’ny Isiraely? b) Inona no hevitry ny hoe samy ‘mipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny’?
9 Fitambaran’olona mpamboly sy mpiompy ny firenen’ny Isiraely. Raha vao niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, dia nanorim-ponenana mba hamboly sy hiompy. Nitana toerana lehibe teo amin’ny lalàna nomena ny Isiraely àry ny fambolena sy ny fiompiana. Naneren’ny lalàna ny hanomezana sabata fitsaharana ho an’ny tany isaky ny fito taona, mba hahatongavan’ilay tany ho lonaka indray. (Eksodosy 23:10, 11; Levitikosy 25:3-7). Ireo andro firavoravoana telo isan-taona, izay nandidiana mba hankalazain’ilay firenena, dia nifanitsy tamin’ireo vanin-taonan’ny fambolena.—Eksodosy 23:14-16.
10 Fahita nanerana an’ilay tany ny tanimboaloboka. Tanisain’ny Soratra Masina ho anisan’ny fanomezana avy amin’Andriamanitra izay “mampifaly ny fon’ny olona” ny divay, vokatry ny voaloboka. (Salamo 104:15). Ny hoe samy ‘mipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny’ dia mitory fanambinana sy fiadanana ary fiarovana eo ambanin’ny fanapahana marin’Andriamanitra. (1 Mpanjaka 5:5; Mika 4:4). Ny fotoam-piotazana voaloboka nahomby dia noheverina ho fitahiana sady antony hihirana sy hifaliana. (Mpitsara 9:27; Jeremia 25:30). Marina koa ny nifanohitra tamin’izany. Rehefa nilofika ny voaloboka na tsy namoa, ka tonga antontan-tsilo lao ny tanimboaloboka, izany dia porofo fa nanaisotra ny fitahiany i Jehovah—fotoam-palahelovana lehibe.
11, 12. a) Ahoana no nampisehoan’i Isaia ny toe-piainana hateraky ny fampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah? b) Fahatsinjovan-javatra manjombona inona no nolazain’i Isaia?
11 Tena nety àry ny nampiasan’i Isaia ny tanimboaloboka sy ny voany mba hampisehoana ny toe-piainana nateraky ny fanesoran’i Jehovah ny fitahiany tamin’ilay tany. “Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po; mitsahatra ny firavoravoana amin’ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban’ny niravoravo; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga; tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin’izay misotro azy ny toaka; rava ny tanàna be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran’olona; misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; voaroaka ny faharavoravoan’ny tany. Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady.”—12 Ny ampongatapaka sy ny lokanga dia zavamaneno mahafinaritra nampiasaina mba hiderana an’i Jehovah sy hanehoana fifaliana. (2 Tantara 29:25; Salamo 81:2). Tsy ho re ny feony amin’ny fotoan’ny famaizan’Andriamanitra. Tsy hisy fotoam-piotazana voaloboka falifaly. Tsy hisy feo falifaly ao amin’ireo sisan-javatra laon’i Jerosalema, satria “rava sady montsamontsana” ny vavahadiny, ary ‘narindrina’ ny tranony, mba tsy hisy hiditra. Fahatsinjovan-javatra manjombona re izany ho an’ny mponin’ny tany iray izay tena lonaka, raha ny marina!
Hisy sisa amin’ny olona “hihoby”
13, 14. a) Inona avy ireo lalàn’i Jehovah momba ny fijinjana? b) Ahoana no nampiasan’i Isaia ireo lalàna momba ny fijinjana mba hampisehoana fa hisy ho tafita velona amin’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany? d) Na dia hisy fotoam-pisedrana maizina aza hiandry azy, afaka natoky ny amin’ny inona moa ireo Jodianina nahatoky?
13 Mba hanotazana oliva, dia nikapoka ireo hazo oliva tamin’ny tsora-kazo ireo Isiraelita, mba hihintsanan’ilay voankazo. Araka ny Lalàn’Andriamanitra, dia norarana tsy hiverina hitsimpona ny oliva tavela teny amin’ny rantsankazo, izy ireo. Tsy tokony hioty ny voaloboka sisa tavela koa izy ireo, rehefa avy nioty ny voalobony. Tsy maintsy navela ho an’ny mahantra Deoteronomia 24:19-21). Nampiasa an’ireo lalàna fantatra tsara ireo i Isaia, mba hampisehoana ilay zava-misy mampionona hoe hisy ho tafita velona amin’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany: “Ao amin’ny tany, ao amin’ny olona, dia hisy toy ny amin’ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy. Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; noho ny fahalehibiazan’i Jehovah dia hiantso mafy eny amin’ny ranomasina izy hoe: Mankalazà an’i Jehovah any amin’ny tany atsinanana, dia ny anaran’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin’ny amoron-dranomasina. Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina.”—Isaia 24:13-16a.
—“ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena”—izay tavela taorian’ny fijinjana, mba hotsimponiny. (14 Toy ny isian’ny voankazo tavela eo amin’ilay hazo na ilay voaloboka aorian’ny fiotazana, dia hisy koa sisa tavela aorian’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany—“ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy”. Efa niresaka momba azy ireo ilay mpaminany, teo amin’ny andininy faha-6, tamin’ny filazana fa “olona vitsy foana no sisa ao”. Na izany aza, ary na dia vitsy aza izy ireo, dia hisy ho tafita velona amin’ny fandringanana an’i Jerosalema sy ny Joda, ary atỳ aoriana dia hisy sisa amin’ny olona hiverina avy any Isaia 4:2, 3; 14:1-5). Na dia hahita fotoam-pisedrana mampalahelo aza ireo mahitsy fo, dia afaka matoky izy ireo fa hisy fanafahana sy fifaliana hiandry azy. Hahita ny hahatanterahan’ny teny ara-paminanian’i Jehovah ireo ho tafita velona, ary hahatakatra fa mpaminany marin’Andriamanitra i Isaia. Ho feno hafaliana izy ireo, rehefa hanatri-maso ny fahatanterahan’ireo faminaniana ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny. Avy tany amin’izay rehetra nanelezana azy—na tany amin’ireo nosin’i Mediterane any Andrefana izany, na tany Babylona any amin’ny “tany atsinanana” (iposahan’ny masoandro), na tany amin’ny toerana lavitra hafa—dia hidera an’Andriamanitra izy ireo, satria notsimbinina, ka hihira hoe: “Voninahitra ho an’ny marina”.
amin’ny fahababoana, mba hameno indray ilay tany. (Tsy hisy fahafaha-mandositra ny didim-pitsaran’i Jehovah
15, 16. a) Inona no tsapan’i Isaia momba izay hanjo ny fireneny? b) Inona no hihatra amin’ireo mponina tsy nahatokin’ilay tany?
15 Izao anefa, dia mbola ho aloha loatra ny fifaliana. Naverin’i Isaia ho amin’ny ankehitriny ireo niara-belona taminy, tamin’ny filazana hoe: “Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra. Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany. Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; ary izay miakatra avy ao anatin’ny lavaka dia ho voan’ny fandrika; fa misy varavarana mivoha any amin’ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan’ny tany. Rava dia rava ny tany; mitresaka dia mitresaka ny tany; mihorohoro dia mihorohoro ny tany; mivembena dia mivembena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.”—Isaia 24:16b-20.
16 Vonton’alahelo i Isaia, noho izay hihatra amin’ny fireneny. Nahatonga azy hahatsiaro harary sy hatahotra ny toe-draharaha. Maro be ny mpamitaka, ka naharaiki-tahotra ny mponin’Ohabolana 1:24-27). Ho tonga ny loza, na dia nitady hampiaiky an’ilay vahoaka aza ireo mpamitaka teo amin’ilay tany fa nandeha tsara ny zava-drehetra, ka nampiasa lainga sy fitaka, mba hitarihana azy ireo ho amin’ny fandringanana. (Jeremia 27:9-15). Ho avy ireo fahavalo avy any ivelany, ka handroba azy ireo ary hitondra azy ireo ho babo. Tena nampahory an’i Isaia izany rehetra izany.
ilay tany. Rehefa hanaisotra ny fiarovany i Jehovah, dia ho feno horohoro ireo mponina tsy nahatokin’i Joda, na andro na alina. Tsy ho azony antoka na dia ny fiainany aza. Tsy hisy hahafaha-mandositra ilay loza hihatra aminy, noho izy nandao ny didin’i Jehovah, ka tsy niraharaha ny fahendren’Andriamanitra. (17. a) Nahoana no tsy hisy fahafaha-mandositra? b) Rehefa halefan’i Jehovah avy any an-danitra ny hery mpampihatra ny didim-pitsarany, inona no hanjo an’ilay tany?
17 Kanefa dia tsy maintsy nanambara ilay mpaminany fa tsy hisy fahafaha-mandositra. Na aiza na aiza hitadiavan’ilay vahoaka handosirana, dia ho tratra izy ireo. Mety handositra ny loza iray ny sasany, nefa ho tratran’ny loza iray hafa—tsy hisy fiarovana. Izany dia ho sahala amin’ny biby hazaina iray tsy latsaka ao anaty lavaka iray, nefa tratran’ny fandrika. (Ampitahao amin’ny Amosa 5:18, 19.) Halefa avy any an-danitra ny hery mpampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah, ka hampihorohoro ny fanorenan’ilay tany. Sahala amin’ny olona mamo, dia hivembena ilay tany ka ho potraka, satria mitambesatra aminy ny helony ary tsy ho tafarina intsony izy. (Amosa 5:2). Tsy azo iverenana ny didim-pitsaran’i Jehovah. Fandringanana sy faharavana tanteraka no hihatra amin’ilay tany.
Hanjaka amim-boninahitra i Jehovah
18, 19. a) Mety hanondro inona moa ny hoe “antokon’ny lanitra”, ary ahoana no anangonana azy ireo “ao an-trano-maizina”? b) Araka ny azo inoana, ahoana, no ampitodihana ny saina ho amin’ilay ‘antokon’ny lanitra, rehefa afaka andro maro’? d) Ahoana no ampitodihan’i Jehovah ny sainy ho amin’ireo “mpanjakan’ny tany”?
18 Ampiharin’i Isaia amin’ny ambaratonga lehibe kokoa izao ny faminaniany, izay manondro ny fahatanterahana faran’ny fikasan’i Jehovah. “Amin’izany andro izany dia any an-danitra no hamalian’i Jehovah ny antokon’ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan’ny tany. Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy. Dia hivoaramena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon’ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan’ny loholony dia misy voninahitra.”—Isaia 24:21-23.
19 Ny hoe “antokon’ny lanitra” dia mety hanondro an’ireo demonia “mpanapak’ity tontolo ity eo amin’izao fahamaizinana izao, (...) ireo hery ara-panahy ratsy eny amin’ny faritry ny lanitra”. (Efesiana 6:12, NW ). Nanan-kery lehibe teo amin’ireo firenena matanjaka teto ambonin’ny tany izy ireo. (Daniela 10:13, 20; 1 Jaona 5:19). Ny zava-kendreny dia ny hampiala ny olona amin’i Jehovah sy ny fivavahana madio aminy. Tena nahomby izy ireo, tamin’ny famitahana ny Isiraely hanaraka ireo fanao feno faharatsiam-pitondran-tenan’ireo firenena nanodidina azy, ka ho mendrika ny didim-pitsaran’Andriamanitra! Tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra anefa i Satana sy ireo demoniany, rehefa hampitodika ny sainy ho amin’izy ireo izy, ary koa ho amin’ireo mpanapaka ny tany, dia ‘ny mpanjakan’ny tany etỳ an-tany’, izay notaominy hanohitra an’Andriamanitra sy handika ny lalàny. (Apokalypsy 16:13, 14). Mampiasa teny ara-panoharana i Isaia, amin’ny filazana fa hangonina izy ireo, ka “hohidiana ao an-trano-maizina”. “Rehefa afaka andro maro”, angamba rehefa hafahana vetivety i Satana sy ireo demoniany (fa tsy ireo ‘mpanjakan’ny tany etỳ an-tany’ akory), amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy, dia hampihatra aminy ny famaizana farany mendrika azy Andriamanitra.—Apokalypsy 20:3, 7-10.
20. Tamin’ny andro fahiny, ary koa amin’ny andro ankehitriny, ahoana ary oviana no ‘nahatongavan’i Jehovah ho mpanjaka’?
Isaia 52:7, NW ). Amin’ny andro ankehitriny, i Jehovah dia “tonga mpanjaka” tamin’ny 1914, fony izy nametraka an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka tao amin’ny Fanjakany any an-danitra. (Salamo 96:10). ‘Tonga mpanjaka’ koa izy tamin’ny 1919, fony izy naneho ny herin’ny fanjakany, tamin’ny fanafahana ny Isiraely ara-panahy avy tamin’ny fahababoana tao amin’i Babylona Lehibe.
20 Nanome antoka mahatalanjona ho an’ny Jiosy io tapany amin’ny faminanian’i Isaia io. Amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia hahatonga ny fianjeran’i Babylona fahiny izy, ary hamerina ny Jiosy any an-tanindrazany. Tamin’ny 537 al.f.i., rehefa naneho ny heriny sy ny fiandrianany tamin’izany fomba izany, mba hamonjena ny vahoakany, izy, dia tena azo natao ny nilaza tamin’izy ireo hoe: “Tonga mpanjaka ny Andriamanitrao!” (21. a) Amin’ny ahoana ‘ny volana no hivoaramena ary ny masoandro no hivaloarika’? b) Antso manakoako inona no ho tanteraka amin’ny fomba mahatalanjona?
21 Ho ‘tonga mpanjaka” indray koa i Jehovah, rehefa hamarana an’i Babylona Lehibe sy ny sisa amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. (Zakaria 14:9, NW; Apokalypsy 19:1, 2, 19-21). Aorian’izay, dia ho fatratra aoka izany ny fanapahan’ny Fanjakan’i Jehovah, hany ka na ny diavolana mangoratsaka amin’ny alina, na ny masoandro mamirapiratra amin’ny mitataovovonana, dia tsy ho afaka ny hifampitaha amin’ny voninahiny. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 22:5.) Ho menatra izy ireo, raha azo atao ny milaza izany, ny hifampitaha amin’ilay Tompon’ny tafika be voninahitra, dia i Jehovah. Izy no ho mpanjaka fara tampony. Hiharihary amin’ny rehetra ny heriny sy ny voninahiny tsitoha. (Apokalypsy 4:8-11; 5:13, 14). Izany ka fahatsinjovan-javatra mahatalanjona! Amin’izay, dia hanakoako maneran-tany ilay antso ao amin’ny Salamo 97:1, izay ho tanteraka amin’ny fomba mahatalanjona, manao hoe: “Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; aoka ho ravoravo ny nosy maro.”
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 262]
Tsy ho re eo amin’ilay tany intsony ny mozika sy ny fifaliana
[Sary, pejy 265]
Hisy ho tafita velona amin’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany, toy ny isian’ny voankazo tavela eo amin’ny hazo aorian’ny fijinjana
[Sary, pejy 267]
Vonton’alahelo i Isaia, noho izay hihatra amin’ny fireneny
[Sary, pejy 269]
Na ny masoandro na ny volana dia tsy ho afaka hifampitaha amin’i Jehovah, raha ny amin’ny voninahitra