Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampietry ny Fiavonavonan’i Tyro i Jehovah

Nampietry ny Fiavonavonan’i Tyro i Jehovah

Toko Fahasivy Ambin’ny Folo

Nampietry ny Fiavonavonan’i Tyro i Jehovah

Isaia 23:1-18

1, 2. a) Karazana tanàna nanao ahoana moa i Tyro fahizay? b) Inona no nolazain’i Isaia mialoha momba an’i Tyro?

‘TANTERAKA ny hatsaran-tarehiny’ ary tondraka ny ‘harenany samy hafa rehetra’. (Ezekiela 27:4, 12). Namakivaky ny ranomasina ho any amin’ny toerana lavitra ny andian-tsambony maro be. Nanjary “be voninahitra [izy] teo amin’ny ranomasina”, ary ‘nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany tamin’ny haben’ny harenany’. (Ezekiela 27:25, 33). Tamin’ny taonjato fahafito al.f.i., dia toy izany no fahalehibeazan’i Tyro​—tanàna fenisianina iray teo amin’ny farany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane.

2 Kanefa efa nanangasanga ny fandringanana an’i Tyro. Tokony ho 100 taona talohan’ny nilazan’i Ezekiela momba azy, i Isaia mpaminany dia efa nanambara mialoha ny hianjeran’io batery fiarovana fenisianina io sy ny alahelon’ireo izay niankina taminy. Naminany koa i Isaia fa, rehefa afaka fotoana kelikely, dia hampitodika ny sainy ho amin’io tanàna io Andriamanitra, ka hanome azy fanambinana indray. Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’ilay mpaminany? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’izay rehetra nanjo an’i Tyro? Rehefa takatsika mazava tsara izay nihatra taminy sy ny antony nitrangan’izany zavatra izany, dia hihamatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah sy ny fampanantenany.

“Midradradradrà hianareo, ry sambon’i Tarsisy ô!”

3, 4. a) Taiza moa no nisy an’i Tarsisy, ary inona no nifandraisan’i Tyro sy i Tarsisy? b) Nahoana no hanana antony ‘hidradradradrana’ ireo tantsambo nanao varotra tamin’i Tarsisy?

3 Eo ambanin’ilay lohateny hoe “Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Tyro”, dia hoy i Isaia: “Midradradradrà hianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao”. (Isaia 23:1a). Misy mino fa i Tarsisy dia faritra iray tany Espaina, lavitra an’i Tyro izay teo amin’ny faritra atsinanan’i Mediterane. * Na izany aza, dia tantsambo za-draharaha ireo Fenisianina, ary lehibe nefa nahatohitra ny ranomasina ny sambony. Mino ny mpahay tantara sasany fa ny Fenisianina no voalohany nahita ny fifandraisan’ny volana amin’ny fisondrotan’ny ranon’ny ranomasina sy ny fisintonany, ary nampiasa ny fahalalana momba ny kintana mba hitarihana azy teny an-dranomasina. Koa tsy vato nisakana azy ireo àry ilay halaviran-dalana lehibe nampisaraka an’i Tyro sy i Tarsisy.

4 Tamin’ny andron’i Isaia, i Tarsisy, izay tany lavitra, dia tsenam-barotra ho an’i Tyro, ary angamba ny loharano voalohan’ny harenany, tamin’ny fe-potoana iray tamin’ny tantarany. Nanana toeram-pitrandrahana feno volafotsy, vy, firapotsy ary metaly hafa i Espaina. (Ampitahao amin’ny Jeremia 10:9; Ezekiela 27:12.) Ireo “sambon’i Tarsisy”, angamba avy tany Tyro ary nandranto tany Tarsisy, dia hanana antony tsara ‘hidradradradrana’, na hitomaniana noho ny fandringanana an’ilay seranany tany an-tanindrazany.

5. Aiza no handrenesan’ireo tantsambo avy tany Tarsisy, ny amin’ny nianjeran’i Tyro?

5 Ahoana no hahafantaran’ireo tantsambo tany an-dranomasina ny nianjeran’i Tyro? Hoy ny navalin’i Isaia: “Avy tany amin’ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.” (Isaia 23:1b). Ny hoe “tany Kitima” dia mety hanondro ny nosin’i Chypre, tokony ho 100 kilaometatra teo andrefan’ny morontsirak’i Fenisia. Io no fijanonana farany, ho an’ireo sambo avy tany Tarsisy ka niantsinanana, talohan’ny nahatongavany tany Tyro. Noho izany, dia hahazo vaovao momba ny nionganan’ilay seranany malala tany an-tanindrazany ireo tantsambo, rehefa nijanona vetivety tao Chypre izy ireo. Endrey izany ho fahatairan’izy ireo! Ho vonton’alahelo izy ireo, ka ‘hidradradradra’, noho ny fahakiviana.

6. Resaho ny amin’ny fifandraisan’i Tyro sy i Sidona.

6 Ho kivy koa ireo olona eo amin’ny morontsirak’i Fenisia. Hoy ilay mpaminany: “Mangìna, hianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, izay mandeha eny ambonin’ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao. Teny amin’ny rano be ny varin’i Sihora, dia ny vokatr’i Neily, ka nampiditra harena ho azy; ary tonga tsenan’ny firenena izy.” (Isaia 23:2, 3). Ireo “mponina amoron-tsiraka”​—ireo teo akaikin’i Tyro​—dia hangina noho ny fahatairana tanteraka, rehefa handre ny nianjeran’i Tyro. Iza moa ireo “mpandranto avy any Sidona”, izay “nampanan-karena” an’ireo mponina ireo? Zanatanin’ny tanàna an-tseranan’i Sidona, izay 35 kilaometatra monja tany avaratra, i Tyro, tamin’ny voalohany. Teo amin’ireo volany vy, dia nilaza tena ho renin’i Tyro i Sidona. Na dia nihoaran’ny harenan’i Tyro aza ny an’i Sidona, dia mbola ‘zanakavavin’i Sidona’ ihany izy, ary mbola niantso ny tenany hoe Sidonianina ihany ny mponina tao aminy. (Isaia 23:12, NW ). Noho izany, ilay teny hoe “mpandranto avy any Sidona” angamba dia manondro ireo mponin’i Tyro mpanao varotra.

7. Ahoana no nananan’ireo mpandranto sidonianina harena hatraiza hatraiza?

7 Nanao raharaham-barotra ireo mpandranto sidonianina nanankarena, ka nita ny Ranomasina Mediterane. Nentin’izy ireo tany amin’ny toerana maro ny varin’i Sihora, dia ilay sampan’ny Onin’i Neily farany atsinanana, tao amin’ny hefak’i Ejipta. (Ampitahao amin’ny Jeremia 2:18.) Nisy vokatra hafa avy tany Ejipta, tao amin’ny “vokatr’i Neily”. Ny fanaovam-barotra sy fifanakalozana an’ireo entana ireo dia tena nitondra tombony be ho an’ireo mpandranto an-dranomasina, ary koa ho an’ireo firenena nifanaovany varotra. Nampidi-bola be ho an’i Tyro ireo mpanao varotra sidonianina. Halahelo tokoa izy ireo, rehefa ho lao i Tyro!

8. Hanao ahoana ny vokatry ny fandringanana an’i Tyro eo amin’i Sidona?

8 Nanaraka izany, dia nilaza ireto teny ireto tamin’i Sidona i Isaia: “Aoka ho menatra hianao, ry Sidona; fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.” (Isaia 23:4). Aorian’ny fandringanana an’i Tyro, ilay morontsiraka nisy an’ilay tanàna taloha dia ho ngazana sy lao. Toa hiantsoantso amin-tebiteby ilay ranomasina, toy ny reny iray izay namoy ny zanany ka ory aoka izany, hany ka izao izy dia mandà ho niteraka azy ireo. Ho menatra koa i Sidona, noho izay hitranga amin’ny zanany vavy.

9. Ny alahelon’ny olona aorian’ny nianjeran’i Tyro dia hitovy amin’izay tsapan’ny olona taorian’ny fisehoan-javatra hafa inona?

9 Eny, hiteraka alahelo hatraiza hatraiza ny vaovao momba ny fandringanana an’i Tyro. Hoy i Isaia: “Toy ny tamin’ilay tatitra momba an’i Ejipta, dia hanaintaina mafy koa ny olona, noho ilay tatitra momba an’i Tyro.” (Isaia 23:5, “NW” ). Hitovy amin’ny fanaintainana naterak’ilay tatitra momba an’i Ejipta ny an’ireo hisaona. Tatitra inona moa no tian’ilay mpaminany holazaina tamin’izany? Angamba ny fahatanterahan’ilay ‘faminaniana teo aloha ny amin’ny loza hanjo an’i Ejipta’. * (Isaia 19:1-25). Na angamba ny tian’ilay mpaminany holazaina dia ilay tatitra ny amin’ny nandringanana ny tafik’i Farao tamin’ny andron’i Mosesy, izay nahaketraka ny olona hatraiza hatraiza. (Eksodosy 15:4, 5, 14-16; Josoa 2:9-11). Na ahoana na ahoana, ireo izay hahare ny tatitra momba ny nandringanana an’i Tyro dia hanaintaina mafy. Nasaina handositra ka hitady fialofana tany Tarsisy lavitra teo izy ireo, ary nomena baiko mba haneho ny alahelony tamin’ny feo avo. “Mità ho any Tarsisy hianareo; midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.”​—Isaia 23:6.

Niravoravo “hatry ny fony fahagola”

10-12. Resaho ny amin’ny haren’i Tyro sy ny fahanterany ary ny fahefany.

10 Tanàna tranainy i Tyro, araka ny ampahatsiahivin’i Isaia antsika amin’izao fanontaniana izao: “Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola”? (Isaia 23:7a). Ny tantaran’i Tyro niroborobo dia tonga hatrany amin’ny andron’i Josoa, fara fahaingany. (Josoa 19:29). Tao anatin’ireo taona maro lasa, dia nanjary nalaza i Tyro, noho ny fanamboarana zavatra metaly sy entana vita tamin’ny fitaratra ary ny loko volomparasy. Ny akanjo volomparasin’i Tyro dia lafo vidy indrindra, ary ny lamba lafo vidin’i Tyro dia notadiavin’ireo andriana fatratra. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 27:7, 24.) Foibe fanaovam-barotra ho an’ireo andian’ny mpandranto mpiara-dia an-tanety, i Tyro, no sady toeram-pitobian’ireo entana ampidirina sy aondrana.

11 Ambonin’izany, dia natanjaka ara-tafika ilay tanàna. Hoy ny nosoratan’i L. Sprague de Camp: “Na dia tsy tia ady loatra aza ny Fenisianina​—mpandraharaha izy ireo, fa tsy miaramila​—dia niaro ny tanànany tamin-kerim-po sy kiry tafahoatra. Ireo toetra ireo, mbamin’ny herin’ny tafiny an-dranomasina, dia nahatonga an’i Tyro hahatohitra ny tafika asyrianina, izay ny natanjaka indrindra tamin’ny androny.”

12 Eny tokoa, namela soritra naharitra teo amin’ny faritr’i Mediterane i Tyro. “Nentin’ny tongony hivahiny any lavitra” izy. (Isaia 23:7b). Nankany amin’ny toerana lavitra ny Fenisianina, ka nanorina toeram-pivarotana sy seranana madinika kokoa, izay nihanitombo ka tonga zanatany indraindray. I Carthage, teo amin’ny morontsiraka avaratr’i Afrika, ohatra, dia zanatanin’i Tyro. Tatỳ aoriana, dia nihoatra an’i Tyro izy ary nifaninana tamin’i Roma mba hahazoana ny fahamboniana teo amin’ny faritr’i Mediterane.

Haetry ny fiavonavonany

13. Nahoana no mipetraka ilay fanontaniana momba ny hoe iza no sahy hanambara didim-pitsarana hamelezana an’i Tyro?

13 Rehefa heverina ny fahanteran’i Tyro sy ny harenany, dia mety ilay fanontaniana manaraka manao hoe: “Iza no nikasa izany hamelezana an’i Tyro, mpanome satroboninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, olo-malaza amin’ny tany ny mpivarony.” (Isaia 23:8). Iza no sahy hanao teny hanohitra an’ilay tanàna izay nanendry olona ho amin’ny toerana ambony tany amin’ireo zanataniny sy tany an-toeran-kafa​—ka tonga “mpanome satroboninahitra”? Iza no sahy hanao teny hanohitra an’ilay renivohitra izay nahitana andriana mpandranto sy olo-mendrika mpivarotra? Hoy i Maurice Chehab, tale fahinin’ny sampan’ireo zavakanto fahagola ao amin’ny Tranombako-pirenen’i Beyrouth, any Liban: “Hatramin’ny taonjato fahasivy ka hatramin’ny fahenina al.f.i., dia nihazona ilay toerana ambony fantatr’i Londres teo am-piandohan’ny taonjato faharoapolo, i Tyro.” Koa iza àry no sahy hanao teny hanohitra an’io tanàna io?

14. Iza no nanambara didim-pitsarana hamelezana an’i Tyro, ary nahoana?

14 Hahaketraka ny mponina ao Tyro ilay valin-teny ara-tsindrimandry. Hoy i Isaia: “Jehovah, Tompon’ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan’ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.” (Isaia 23:9). Nahoana i Jehovah no nanambara didim-pitsarana an’io tanàna tranainy nanankarena io? Moa ve satria mpivavaka tamin’i Bala, andriamani-diso, ny mponina tao? Moa ve noho ny fifandraisan’i Tyro tamin’i Jezebela​—zanakavavin’i Etibala, mpanjakan’i Sidona, anisan’izany i Tyro​—izay nanambady an’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely ary nandripaka an’ireo mpaminanin’i Jehovah? (1 Mpanjaka 16:29, 31; 18:4, 13, 19). “Tsia” avokoa no valin’ireo fanontaniana ireo. Nomelohina i Tyro, noho ny avonavony feno fizahozahoana​—tonga mpanan-karena izy, noho ny fahavoazan’ny hafa, anisan’izany ny Isiraelita. Tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i., dia hoy i Jehovah tamin’i Tyro sy ny tanàna hafa, tamin’ny alalan’i Joela mpaminany: “Ny zanak’i Joda sy ny zanak’i Jerosalema dia namidinareo tamin’ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.” (Joela 4:6). Afaka mody tsy nahita ny fitondran’i Tyro an’ilay vahoaka nanaovany fanekena ho toy ny entam-barotra fotsiny ve Andriamanitra?

15. Hanao ahoana ny fihetsik’i Tyro, rehefa hianjera eo an-tanan’i Nebokadnezara i Jerosalema?

15 Tsy hanova an’i Tyro ireo zato taona nandalo. Rehefa handringana an’i Jerosalema amin’ny 607 al.f.i. ny tafik’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, dia hiravoravo toy izao i Tyro: “Hia! sakoa izay! rava [i Jerosalema] ilay vavahadin’ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana”. (Ezekiela 26:2). Hifaly i Tyro, ka hanantena handray soa avy amin’ny fandringanana an’i Jerosalema. Koa satria tsy ho mpifaninana aminy intsony ilay renivohitr’i Joda, dia hanantena ny hahazo varotra bebe kokoa izy. Hahafa-boninahitra an’ireo izay nanandra-tena ho “olo-malaza”, ary miandany amin’avonavona amin’ny fahavalon’ny vahoakany, i Jehovah.

16, 17. Inona no hanjo an’ireo mponin’i Tyro, rehefa hianjera ilay tanàna? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

16 Nanohy ny teny fanamelohan’i Jehovah an’i Tyro toy izao i Isaia: “Ry [zanakavavin’i Tarsisy, “NW” ], aoka hianao hanafotra ny taninao tahaka an’i Neily; fa tsy misy fifehezana intsony. Ny tànan’i Jehovah nahinjiny tambonin’ny ranomasina; nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin’i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy. Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony hianao, ry [ampahorina, dia ny zanakavavy virjinin’i Sidona, “NW” ]; miaingà, mità ho any Kitima; kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory hianao.”​—Isaia 23:10-12.

17 Nahoana i Tyro no nantsoina hoe “zanakavavin’i Tarsisy”? Angamba satria, aorian’ny faharesen’i Tyro, dia i Tarsisy no ho tanàna mahery kokoa amin’izy roa. * Ireo mponin’i Tyro rava dia hiparitaka toy ny rano vakin’ny renirano tondraka ka hihoatra ho any amin’ireo tany lemaka manodidina rehetra ny ranony. Manantitrantitra ny hamafin’izay hanjo an’i Tyro ny hafatr’i Isaia ho an’ny “zanakavavin’i Tarsisy”. I Jehovah mihitsy no haninjitra ny tanany sy hanome ilay baiko. Tsy hisy ho afaka hanova ny fiafarany.

18. Nahoana i Tyro no nantsoina hoe “zanakavavy virijinin’i Sidona”, ary ahoana no hiovan’izany?

18 Miantso an’i Tyro hoe “zanakavavy virjinin’i Sidona” koa i Isaia, mba hampisehoana fa mbola tsy nisy mpandresy vahiny naka azy na nandroba azy teo aloha, no sady mbola tsy nofehezin’iza na iza izy. (Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 19:21; Isaia 47:1; Jeremia 46:11.) Izao anefa dia tsy maintsy hofoanana izy, ary toy ny mpitsoa-ponenana, ny sasany amin’ireo mponina ao aminy dia hiampita ho any Kitima, zanatanin’i Fenisia. Na izany aza, dia efa namoy ny tanjany ara-toe-karena izy ireo, ka tsy hahita fitsaharana any.

Handrava azy ny Kaldeanina

19, 20. Iza no nolazain’ny faminaniana fa handresy an’i Tyro, ary ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?

19 Hery ara-politika iza no hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah amin’i Tyro? Hoy ny nambaran’i Isaia: “Indro ny tanin’ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon’ny Asyriana fonenan’ny bibi-dia any an-efitra; manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan’ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato. Midradradradrà hianareo, ry sambon’i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.” (Isaia 23:13, 14). Ny Kaldeanina​—fa tsy ny Asyrianina​—no handresy an’i Tyro. Hanangana tilikambo fanaovana fahirano izy ireo, sy hanjera ireo toeram-ponenan’i Tyro, ary hahatonga an’io batery fiarovan’ny sambon’i Tarsisy io ho korontam-bato.

20 Nifanaraka tsara tamin’ilay faminaniana, tsy ela taorian’ny nianjeran’i Jerosalema, dia nikomy tamin’i Babylona i Tyro, hany ka nataon’i Nebokadnezara fahirano. Nino ny tenany ho tsy nety resy i Tyro, ka nanohitra. Nandritra ilay fahirano, dia “tonga sola” ny lohan’ireo miaramila babylonianina, noho ny fikasokasohany lava tamin’ny fiarovan-dohany, ary “niendaka ny sorony”, noho ny fitondrana ireo fitaovana nanaovana ilay fahirano. (Ezekiela 29:18). Nandanian’i Nebokadnezara vola be ilay fanaovana fahirano. Nandringana ilay tanànan’i Tyro teo amin’ny kontinanta izy, nefa tsy nahababo zavatra tao akory. Nafindra tany amin’ny nosy kely iray, valonjato metatra avy teo amin’ny morontsiraka, ny ankabeazan’ireo harenan’i Tyro. Tsy nanana andian-tsambo ilay mpanjaka kaldeanina, ka tsy afaka nandresy an’ilay nosy. Rehefa afaka 13 taona, dia nilavo lefona i Tyro, nefa mbola nanohy nisy ihany izy, ka nahita ny fahatanterahan’ny faminaniana hafa.

“Hiverina amin’ny filan-tangy izy”

21. Ahoana no ‘hanadinoana’ an’i Tyro, ary mandritra ny hafiriana?

21 Manohy ny faminaniany toy izao i Isaia: “Amin’izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron’ny mpanjaka iray”. (Isaia 23:15a). Aorian’ny handringanan’ny Babylonianina an’ilay tanàna teo amin’ny kontinanta, dia “hohadinoina” ilay tanàna anosin’i Tyro. Nifanaraka tsara tamin’ilay faminaniana, nandritra ny fisian’ny “mpanjaka iray”​—ny Empira Babylonianina​—dia tsy ho hery ara-bola lehibe ilay tanàna anosin’i Tyro. Nampidirin’i Jehovah, tamin’ny alalan’i Jeremia, ho anisan’ireo firenena izay hosinganina mba hisotro ny divain’ny fahatezerany i Tyro. Hoy izy: “Ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona.” (Jeremia 25:8-17, 22, 27). Marina aloha fa tsy nofehezin’i Babylona nandritra ny 70 taona feno ilay tanàna anosin’i Tyro, satria nianjera tamin’ny 539 al.f.i. ny Empira Babylonianina. Miharihary àry fa ireo 70 taona dia mampiseho ilay fe-potoan’ny fahambonian’i Babylona​—fony ny tarana-mpanjaka babylonianina nirehareha ho nanandratra ny seza fiandrianany ho “ambonin’ny kintan’Andriamanitra”. (Isaia 14:13). Firenena samy hafa no nanjary teo ambanin’io fanapahana io, tamin’ny fotoana samy hafa. Tamin’ny faran’ireo 70 taona anefa, dia hirodana io fanapahana io. Inona no hanjo an’i Tyro amin’izay?

22, 23. Inona no hanjo an’i Tyro, rehefa hiala avy amin’ny fanapahan’ny Babylonianina izy?

22 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan’ilay tonon-kalon’ny janga manao hoe: ‘Makà lokanga, ka miveziveze eran’ny tanàna hianao, ry kala janga hadino; mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao.’ Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an’i Tyro, ka dia hiverina amin’ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin’ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.”​—Isaia 23:15b-17.

23 Taorian’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i., dia tonga faritra notapahin’ny Empiran’i Media-Persia i Fenisia. Mpanapaka nalala-tsaina i Kyrosy Lehibe, mpanjaka persanina. Eo ambanin’io fanapahana vaovao io, dia hanohy indray ny asany teo aloha i Tyro, ka hiezaka mafy mba hekena indray ho foibem-barotra maneran-tany​—toy ny vehivavy janga iray hadinon’ny olona sy namoy ny lehilahiny, ka mitady hanintona lehilahy vaovao, amin’ny fivezivezena eran’ny tanàna sy amin’ny filalaovana ny lokangany ary amin’ny fihirana ny hirany. Hahomby ve i Tyro? Eny, homen’i Jehovah fahombiazana izy. Rehefa mandeha ny fotoana, dia hanjary hahita fanambinana aoka izany ilay tanàna anosy, amin’ny faran’ny taonjato fahenina al.f.i., hany ka hilaza i Zakaria mpaminany hoe: “Tyro nanao mànda mafy ho azy ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dàlambe.”​—Zakaria 9:3.

‘Hohamasinina ny varony’

24, 25. a) Amin’ny ahoana no hoe nanjary zavatra masina ho an’i Jehovah ny tombony azon’i Tyro? b) Na dia nanampy ny vahoakan’Andriamanitra aza i Tyro, faminaniana inona no nanomezan’i Jehovah tsindrimandry mba holazaina momba azy?

24 Tena mahavariana ireo teny ara-paminaniana manaraka! “Ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an’i Jehovah; tsy hotehirizina na horaketina izany; fa ny varony dia ho an’izay mitoetra eo anatrehan’i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.” (Isaia 23:18). Amin’ny ahoana no hoe nanjary zavatra masina ny tombony ara-nofo azon’i Tyro? Hitarika ny raharaha mba hampiasana azy ireo araka ny sitrapony i Jehovah​—mba hamokisana ny vahoakany sy hitafiany. Taorian’ny niverenan’ny Isiraelita avy tany an-tsesitany tany Babylona no nahatongavan’izany. Nanampy azy ireo, ny vahoakan’i Tyro, tamin’ny fanomezana hazo sedera hanamboarana indray ny tempoly. Notohizin’izy ireo indray koa ny fanaovam-barotra tamin’ny tanànan’i Jerosalema.​—Ezra 3:7; Nehemia 13:16.

25 Na dia teo aza izany, dia nanome tsindrimandry mba hanononana faminaniana fanampiny ny amin’ny loza hanjo an’i Tyro, i Jehovah. Hoy ny faminanian’i Zakaria momba io tanàna anosy nanjary nanankarena io: “Indro, hofoanan’ny Tompo ny fananany, sady hasiany koa ny heriny ao amin’ny ranomasina; ary ny tenany ho levon’ny afo.” (Zakaria 9:4). Tanteraka tamin’ny Jolay 332 al.f.i. izany, fony i Aleksandra Lehibe nandrava an’io mpanjakavavy niavonavon’ny ranomasina io.

Halaviro ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny avonavona

26. Nahoana Andriamanitra no nanameloka an’i Tyro?

26 Nanameloka an’i Tyro i Jehovah, noho ny avonavony, izay toetra ankahalainy. “Ny maso miavonavona” no voalohany amin’ireo zavatra fito tanisaina hoe halan’i Jehovah. (Ohabolana 6:16-19). I Paoly dia nampifandray ny avonavona tamin’i Satana Devoly, ary ny filazalazan’i Ezekiela momba an’i Tyro niavonavona dia ahitana lafiny sasany mampiavaka an’i Satana. (Ezekiela 28:13-15; 1 Timoty 3:6). Nahoana no niavonavona i Tyro? Hoy i Ezekiela, niteny tamin’i Tyro: “Miavonavona ny fonao noho ny harenao”. (Ezekiela 28:5). Nanokan-tena ho amin’ny fanaovam-barotra sy ny fangoronan-karena ilay tanàna. Ny fahombiazan’i Tyro tamin’izany dia nahatonga azy hieboebo tsy nisy ohatra izany. Nampiasa an’i Ezekiela i Jehovah, mba hilaza tamin’ny “mpanjakan’i Tyro” hoe: “Miavonavona ny fonao, ka hoy hianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin’ny anankiray amin’ny fipetrahan’Andriamanitra no ipetrahako”.​—Ezekiela 28:2.

27, 28. Afaka ny ho latsaka ao anatin’ny fandrika inona moa ny olombelona, ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy izany?

27 Ny firenena dia afaka ny ho resin’ny avonavona sy ny fiheveran-diso momba ny harena​—ary toy izany koa ny olona. Nanome fanoharana iray i Jesosy, mba hampisehoana io fandrika mamitaka io. Niresaka momba ny lehilahy mpanan-karena iray, izay nanana saha nahavokatra be, izy. Faly be io lehilahy io, ka nikasa ny hanorina sompitra lehibe kokoa ho an’ny vokany, ary faly nanantena fa hahazo fiainam-piadanana lava be. Tsy nitranga anefa izany. Hoy Andriamanitra taminy: “Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao?” Eny, maty ilay lehilahy, ary tsy nanampy azy na tamin’inona na tamin’inona ny harenany.​—Lioka 12:16-20.

28 Namarana ilay fanoharana toy izao i Jesosy: “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’Andriamanitra.” (Lioka 12:21). Tsy ratsy ny hoe manankarena, ary tsy fahotana ny fananana vokatra be. Ny fahadisoan’ilay lehilahy dia ny nanaovany ireo zavatra ireo ho ny zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Tamin’ny harenany no nametrahany ny fitokisany rehetra. Rehefa nijery ny hoavy izy, dia tsy niraharaha an’i Jehovah Andriamanitra.

29, 30. Ahoana no nampitandreman’i Jakoba ny amin’ny fatokisan-tena?

29 I Jakoba koa dia nampiseho tamin-kery an’io hevitra io. Hoy izy: “He! hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon’ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.” (Jakoba 4:13-15). Avy eo, dia nasehon’i Jakoba ny ifandraisan’ny harena sy ny avonavona, tamin’ny tohin’ny teniny manao hoe: “Izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo hianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.”​—Jakoba 4:16.

30 Eto indray koa, tsy fahotana akory ny fanaovana raharaham-barotra. Ny fahotana dia ilay avonavona sy ilay fizahozahoana ary ilay fatokisan-tena ateraky ny fahazoana harena. Mampiseho fahendrena ilay ohabolana tranainy manao hoe: “Aza manome ahy [fahantrana, NW ] na harena”. Afaka mahatonga ny fiainana ho tena mafy dia mafy ny fahantrana. Ny harena anefa dia afaka mitarika ny olona iray “handa [an’Andriamanitra] ka hanao hoe: Iza moa Jehovah?”​—Ohabolana 30:8, 9.

31. Fanontaniana inona avy no hanehoan’ny Kristianina iray fahendrena ny hametrahany azy?

31 Isika dia miaina eo amin’ny tontolo iray ahitana olona maro resin’ny fitsiriritana tafahoatra sy ny fitiavan-tena. Noho ny rivo-piainana ara-barotra manjaka, dia antitranterina be dia be ny harena. Noho izany, dia haneho fahendrena ny Kristianina iray, raha mandini-tena mba ho azony antoka fa tsy ho latsaka ao amin’ilay fandrika nahazo ny tanànan’i Tyro mpanao raharaham-barotra ny tenany. Moa ve izy mandany be dia be aoka izany amin’ny fotoanany sy ny heriny hikatsahana zavatra ara-nofo, hany ka andevon’ny harena ny tenany, raha ny tena izy? (Matio 6:24). Moa ve izy mitsiriritra ny sasany izay mety ho manan-javatra betsaka kokoa na tsara kokoa noho ny tenany? (Galatiana 5:26). Raha toa ka manankarena izy, moa ve izy mihevitra amim-pireharehana fa mendrika ny hanehoana fiheverana na homena tombontsoa kokoa noho ny hafa ny tenany? (Ampitahao amin’ny Jakoba 2:1-9.) Raha tsy manankarena izy, moa ve izy “tapa-kevitra ny hanankarena”, na inona na inona takin’izany? (1 Timoty 6:9, NW ). Moa ve izy sahirana aoka izany manao raharaham-barotra, hany ka tsy misy afa-tsy tapany kely monja amin’ny fiainany sisa tavela mba hanompoana an’Andriamanitra? (2 Timoty 2:4). Moa ve izy revo aoka izany amin’ny fikatsahana harena, hany ka iniany tsy jerena ireo foto-pitsipika kristianina eo amin’ny raharahany ara-barotra?​—1 Timoty 6:10.

32. Fampitandremana inona no nomen’i Jaona, ary ahoana no ahafahantsika mampihatra azy?

32 Na manao ahoana na manao ahoana fananantsika ara-bola, ilay Fanjakana dia tokony hitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika foana. Tena zava-dehibe ny tsy hanadinoantsika ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” (1 Jaona 2:15). Marina fa tsy maintsy mampiasa ireo fandaharana ara-bolan’ity tontolo ity isika, mba hahavelomana. (2 Tesaloniana 3:10). Noho izany, dia ‘mampiasa ity tontolo ity’ isika​—nefa tsy mampiasa azy “amin’ny fomba feno”. (1 Korintiana 7:31, NW ). Raha tia zavatra ara-nofo​—ireo zavatra eo amin’ity tontolo ity​—amin’ny fomba tafahoatra isika, dia tsy tia an’i Jehovah intsony. Ny fanenjehana “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana ny fananan’ny tena” dia tsy mifanaraka amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. * Ary anefa ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.​—1 Jaona 2:16, 17, NW.

33. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina manalavitra ilay fandrika nahazo an’i Tyro?

33 Latsaka tao amin’ny fandriky ny fametrahana ny fikatsahana zavatra ara-nofo ho alohan’ny zavatra hafa rehetra, i Tyro. Nahita fahombiazana ara-nofo izy, ka nanjary niavonavona be ary dia nofaizina noho ny avonavony. Fampitandremana ho an’ny firenena sy ny olona amin’izao andro izao ny nanjo azy. Tsara lavitra ny manaraka ny fananaran’ny apostoly Paoly! Nampirisika ny Kristianina izy mba “tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika”.​—1 Timoty 6:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nilaza ny manam-pahaizana sasany fa i Sardaigne, nosy iray ao amin’ny faritra andrefan’ny Mediterane, i Tarsisy. Lavitra an’i Tyro koa i Sardaigne.

^ feh. 9 Jereo ny Toko Faha-15, pejy 200-207, amin’ity boky ity.

^ feh. 17 Afa-tsy izany, ny hoe “zanakavavin’i Tarsisy” dia mety hanondro an’ireo mponin’i Tarsisy. Hoy ny boky iray: “Ireo mponin’i Tarsisy izao dia afaka nanao dia sy varotra malalaka toa an’i Neily, rehefa mikoriana any amin’ny faritra rehetra izy io.” Na izany aza, ny antitranterina eto dia ny vokatra goavan’ny fianjeran’i Tyro.

^ feh. 32 Ny hoe “fampideraderana” dia fomba iray andikana ilay teny grika hoe a·la·zo·niʹa, izay lazaina fa “fiheveran-dratsy sady poakaty izay mitoky amin’ny fahatezan’ireo zavatra eto an-tany”.​—The New Thayer’s Greek-English Lexicon.

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 256]

(Jereo ny boky)

EOROPA

ESPAINA (Ny nety ho nisy an’i TARSISY)

RANOMASINA MEDITERANE

SARDAIGNE

CHYPRE

AZIA

SIDONA

TYRO

AFRIKA

EJIPTA

[Sary, pejy 250]

Hofehezin’i Babylona, fa tsy i Asyria, i Tyro

[Sary, pejy 256]

Vola vy mampiseho an’i Melqart, andriamanitra lehibe indrindran’i Tyro

[Sary, pejy 256]

Modelin-tsambo fenisianina