Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanambara Mialoha ny ‘Zavatra Hafahafa Hataon’i Jehovah’ i Isaia

Nanambara Mialoha ny ‘Zavatra Hafahafa Hataon’i Jehovah’ i Isaia

Toko Faharoa Amby Roapolo

Nanambara Mialoha ny ‘Zavatra Hafahafa Hataon’i Jehovah’ i Isaia

Isaia 28:1–29:24

1, 2. Nahoana ny Isiraely sy ny Joda no nahatsiaro ho voaro?

NANDRITRA ny fotoana kelikely, dia nahatsiaro ho voaro ny Isiraely sy ny Joda. Namorona fifanarahana tamin’ny firenena lehibe kokoa sady natanjaka kokoa ny mpitarika teo amin’izy ireo, mba hitadiavana fiarovana teo amin’ny tontolo iray nampidi-doza. I Samaria, renivohitr’i Isiraely, dia nitodika tany amin’i Syria teo akaiky, ary i Jerosalema, renivohitr’i Joda, kosa dia nametraka ny fanantenany tamin’i Asyria lozabe.

2 Sady nametraka ny fitokisany tamin’ny mpanampy ara-politika vaovao ny sasany tao amin’ilay fanjakana tany avaratra, no nety ho nanantena an’i Jehovah hiaro azy ireo koa​—na dia nanohy nampiasa ombilahy volamena aza izy ireo teo amin’ny fivavahany. Nino toy izany koa ny Joda fa afaka niantehitra tamin’ny fiarovan’i Jehovah izy ireo. Rehefa dinihina tokoa, moa ve tsy tao Jerosalema, renivohiny, no nisy ny tempolin’i Jehovah? Nisy fisehoan-javatra tsy nampoizina anefa niandry an’ireo firenena roa ireo. Nanome tsindrimandry an’i Isaia i Jehovah, mba haminany zavatra hitranga izay ho toa hafahafa tokoa ho an’ilay vahoakany naniasia. Ary ny teniny dia mirakitra fianarana tena lehibe ho an’ny olona rehetra amin’izao andro izao.

“Ny mpimamo any Efraima”

3, 4. Inona no nampirehareha an’ilay fanjakan’ny Isiraely tany avaratra?

3 Nanomboka ny faminaniany tamin’izao teny manaitra izao i Isaia: “Lozan’ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin’ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaky ny fileon-divay. Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra (...) no hanjerany azy mafy ho amin’ny tany. Dia hohitsahin’ny tongotra ny satroboninahitra, izay reharehan’ny mpimamo any Efraima.”​—Isaia 28:1-3.

4 I Efraima, izay ny lehibe indrindra tamin’ireo foko folo tany avaratra, dia nanjary nampiseho ilay fanjakan’ny Isiraely manontolo. I Samaria, renivohiny, dia teo amin’ny toerana tsara tarehy sady nanerinerina, teo “an-dohan’ny lohasaha lonaky ny fileon-divay”. Ireo mpitarika ny Efraima dia faly erỳ noho ilay ‘satroboninahitra reharehany’, izay nampiseho ny fahaleovan-tenany tamin’ny fanjakana davidika tany Jerosalema. “Mpimamo” anefa izy ireo, izay mamo ara-panahy, noho ilay fifanarahana nataony tamin’i Syria mba hanafika an’i Joda. Kely sisa dia hohitsakitsahin’ny tongotry ny mpanafika izay zavatra rehetra nankamamin’izy ireo.​—Ampitahao amin’ny Isaia 29:9.

5. Nanao ahoana ilay toerana nihilangilana nisy ny Isiraely, nefa fanantenana inona no nampitain’i Isaia?

5 Tsy takatr’i Efraima fa nihilangilana ny toerana nisy azy. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Ny voninkazo mihamalazo amin’ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan’ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan’ny aviavy mialintaona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany.” (Isaia 28:4). Ho latsaka eo an-tanan’i Asyria i Efraima, ka ho toy ny zava-mamy hatao indray mandrapaka fotsiny. Tsy nisy fanantenana àry ve izany? Toy ny nitranga matetika, ireo faminanian’i Isaia momba ny didim-pitsarana dia nohalefahin’ny fanantenana. Na dia ho lavo aza ilay firenena, dia hisy olona mahatoky ho tafita velona, noho ny fanampian’i Jehovah. “Jehovah, Tompon’ny maro, dia ho satroboninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa, ary ho fanahy fitsarana ho an’izay mipetraka eo amin’ny fitsarana, sy ho hery ho an’izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.”​—Isaia 28:5, 6.

‘Miraingiraingy izy ireo’

6. Oviana ny Isiraely no niongana, nefa nahoana ny Joda no tsy tokony hifaly noho izany?

6 Tonga tamin’ny 740 al.f.i. ny andro fampamoahana an’i Samaria, fony nandrava ilay tany ny Asyrianina, ka nitsahatra tsy ho firenena nahaleo tena intsony ilay fanjakana tany avaratra. Ahoana ny amin’ny Joda? Hotafihin’i Asyria ny taniny, ary atỳ aoriana, dia horinganin’i Babylona ny renivohiny. Tamin’ny andron’i Isaia anefa, dia mbola niasa ny tempoly sy ny fisoronana tao Joda, ary mbola nanohy naminany ireo mpaminaniny. Tokony hifaly noho ilay fionganana ho avy hahazo an’ilay firenena teo akaikiny, tany avaratra, ve ny Joda? Tsia! Handamina raharaha miaraka amin’ny Joda sy ireo mpitarika azy koa i Jehovah, noho ny tsy fankatoavany sy ny tsy fananany finoana.

7. Tamin’ny heviny ahoana ireo mpitarika ny Joda no mamo, ary inona avy no vokatr’izany?

7 Navantan’i Isaia tamin’ny Joda izao ny teniny, nanao hoe: “Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ny divay ary mivembena azon’ny toaka; ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ny toaka; resin’ny divay ireo; mivembena azon’ny toaka izy; miraingiraingy amin’ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ny fitsarana. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.” (Isaia 28:7, 8). Maharikoriko! Ny fimamoana ara-bakiteny tao amin’ny tranon’Andriamanitra dia efa ratsy. Ireto mpisorona sy mpaminany ireto anefa dia mamo ara-panahy​—nohamaizinin’ny fatokisana loatra ny fifanarahan’olombelona ny sainy. Namita-tena izy ireo, ka nihevitra fa ny lalana narahiny no hany lalana tsara, angamba tamin’ny finoana fa izao izy ireo dia nanana tetikady faharoa azo nianteherana, raha sendra tsy ampy ny fiarovan’i Jehovah. Noho izy ireo mamo ara-panahy, dia nandoa teny maloto nahatsiravina ireo mpitarika ara-pivavahana ireo, ka izany dia nitory ny tsy fananany finoana nibaribary an’ireo fampanantenan’Andriamanitra.

8. Nanao ahoana ny fandraisana ny hafatr’i Isaia?

8 Nanao ahoana ny fihetsiky ny Joda teo anoloan’ny fampitandreman’i Jehovah? Nihomehy an’i Isaia izy ireo, ka niampanga azy ho niteny taminy toy ny tamin’ny zazakely. “Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va? Fa didy anampy didy, didy anampy didy; fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; kely etỳ, ary kely erỳ”. (Isaia 28:9, 10). Toa lavareny sady hafahafa ny tenin’i Isaia tamin’izy ireo! Namerimberina ny teniny i Isaia hoe: ‘Izao no nandidian’i Jehovah! Izao no nandidian’i Jehovah! Izao no fitsipik’i Jehovah! Izao no fitsipik’i Jehovah!’ * Tsy ho ela anefa dia ‘hiteny’ amin’ireo mponin’i Joda amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra i Jehovah. Handefa ny tafik’i Babylona​—olona vahiny izay tena niteny fiteny hafa tokoa​—mba hamely azy ireo, izy. Tena hanatanteraka ‘ireo didy nanampy ireo didin’i Jehovah’ tokoa ireo tafika ireo, ary dia ho lavo ny Joda.​—Vakio ny Isaia 28:11-13.

Mpimamo ara-panahy amin’izao andro izao

9, 10. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana ireo tenin’i Isaia no nisy heviny ho an’ny taranaka tatỳ aoriana?

9 Teo amin’ny Isiraely sy ny Joda fahiny ihany ve no nahatanterahan’ireo faminanian’i Isaia? Tsia! I Jesosy sy i Paoly dia samy nanonona ny teniny ary nampihatra azy ireo tamin’ilay firenena tamin’ny androny. (Isaia 29:10, 13; Matio 15:8, 9; Romana 11:8). Ankehitriny koa dia misy tarehin-javatra toy ny tamin’ny andron’i Isaia.

10 Ankehitriny, dia ireo mpitondra fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina no mametraka ny fitokisany amin’ny politika. Mivembena mitady hianjera, sahala amin’ireo olona mamo teo amin’ny Isiraely sy ny Joda, izy ireo, sy mitsabaka amin’ny raharaha ara-politika, ary faly erỳ rehefa maka saina any aminy ireo antsoina hoe olona ambony eto ambonin’ny tany. Tsy miteny ny fahamarinana madio ao amin’ny Baiboly izy ireo, fa miteny zavatra maloto kosa. Manjavozavo ny fahitany ara-panahy, hany ka tsy mpitarika azo antoka ho an’ny taranak’olombelona izy ireo.​—Matio 15:14.

11. Manao ahoana ny fihetsik’ireo mpitondra fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina eo anoloan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra?

11 Manao ahoana ny fihetsik’ireo mpitondra fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, rehefa misarika ny sainy ho amin’ilay hany fanantenana, dia ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah? Tsy azon’izy ireo ny heviny. Amin’izy ireo, dia toy ny zazakely mibadabada mamerimberin-teny ny Vavolombelona. Manamavo an’ireo mpitondra hafatra ireo ny mpitondra fivavahana ary mihomehy azy. Sahala amin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy, dia tsy tia ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, no sady tsy tia ny hihainoan’ny andian’ondriny momba azy io. (Matio 23:13). Noho izany, dia ilazana izy ireo fa tsy hanohy hiteny mandrakariva amin’ny alalan’ireo irany tsy mampidi-doza, i Jehovah. Ho avy ny andro ‘hanorotoroana sy hamandrihana ary hisamborana’, eny, handringanana tanteraka, an’ireo izay tsy manaiky hofehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

“Fanekena tamin’ny fahafatesana”

12. Inona moa ilay nantsoina hoe “fanekena tamin’ny fahafatesana” nataon’ny Joda?

12 Hoy ny tohin’ny faminanian’i Isaia: Hianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin’ny [Sheola, “NW” ], ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminay izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena”. (Isaia 28:14, 15). Ireo mpitarika teo amin’ny Joda dia nirehareha hoe tsy ho azon’ny faharesena izy ireo, noho ireo fifanarahana ara-politika nataony. Nihevitra izy ireo fa nanao “fifanarahana tamin’ny fahafatesana” mba tsy hikitikitihan’izy io azy ireo. Tsy hiaro azy ireo anefa ilay fialofany poakaty. Lainga fotsiny ireo fifanarahana nataony. Toy izany koa amin’izao andro izao, ny fifandraisana akaiky ananan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao dia tsy hiaro azy, rehefa ho tonga ny fotoana hampamoahan’i Jehovah azy. Eny tokoa, fanafoanana azy no hoentin’izany.​—Apokalypsy 17:16, 17.

13. Iza moa ilay “vato voazaha toetra”, ary ahoana no nandavan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina azy?

13 Aiza àry no tokony hitodihan’ireo mpitondra fivavahana ireo? Noraketin’i Isaia toy izao ny fampanantenan’i Jehovah: “Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino. Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; hopaohin’ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ny rano ny fierena.” (Isaia 28:16, 17). Tsy ela taorian’ny nilazan’i Isaia ireo teny ireo, dia nomena ny fiandrianana tao Ziona i Hezekia, mpanjaka nahatoky, ary voaro ny fanjakany, tsy tamin’ny alalan’ireo mpanampy teo akaiky, fa noho i Jehovah nisalovana. Kanefa tsy tanteraka tamin’i Hezekia ireo teny ara-tsindrimandry ireo. Nasehon’ny apostoly Petera, izay nanonona ny tenin’i Isaia, fa i Jesosy Kristy, taranak’i Hezekia ela be tatỳ aoriana, no ilay “vato voazaha toetra”, ka na iza na iza maneho finoana Azy dia tsy mila ny hatahotra. (1 Petera 2:6). Tena mampalahelo tokoa fa ireo mpitondra fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, izay milaza tena ho Kristianina, dia nanao izay tsy neken’i Jesosy hatao! Mitady toerana ambony sy fahefana eto amin’ity tontolo ity izy ireo, fa tsy miandry an’i Jehovah kosa mba hitondra ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka.​—Matio 4:8-10.

14. Rahoviana no hofoanana ny ‘fanekena nifanaovan’ny Joda tamin’ny fahafatesana’?

14 Rehefa ho avy eo amin’ilay tany “ny loza manafotra”, izany hoe ny tafik’i Babylona, dia hanala sarona an’ilay fialofana ara-politikan’ny Joda ho lainga, araka ny tena izy, i Jehovah. “Hofoanana ny fanekenareo amin’ny fahafatesana”, hoy i Jehovah. “Raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany hianareo. Ary na oviana na oviana no ihaviany, (...) ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.” (Isaia 28:18, 19). Eny, misy lesona mafonja tokony hianarana avy amin’izay manjo an’ireo izay milaza ho manompo an’i Jehovah, nefa mametraka ny fitokisany amin’ny fifanarahana ataony amin’ireo firenena.

15. Ahoana no nampisehoan’i Isaia tamin’ny ohatra ny tsy fahombiazan’ny fialofan’ny Joda?

15 Diniho ny toerana nisy an’ireo mpitarika ny Joda ireo izao. “Fohy loatra ny farafara ka tsy azon’ny olona ilamparana; ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.” (Isaia 28:20). Toy ny hoe nitsotra mba haka aina izy ireo, nefa very maina fotsiny izany. Na nivoaka ny lamba ny tongony, ka nangatsiaka, na namoritra ny tongony izy, satria kely loatra ny lamba mba hirakofana sy hahazoana hafanana. Izany no toe-javatra tsy nahafinaritra nisy tamin’ny andron’i Isaia. Ary izany no toe-javatra misy ankehitriny an’izay rehetra mitoky amin’ny fialofan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, izay lainga fotsiny. Tena maharikoriko tokoa ny mpitondra fivavahana sasany ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, izay mitsabaka amin’ny politika, ka voarohirohy amin’ny fanaovana habibiana mahatsiravina, toy ny fanadiovana ara-pirazanana na ny fandripahana foko manontolo!

‘Ny zavatra hafahafa ataon’i Jehovah’

16. Inona moa ilay ‘zavatra hafahafa hataon’i Jehovah’, ary nahoana izany no asa tsy mahazatra?

16 Ny hiafaran’ny toe-draharaha dia hifanohitra tanteraka amin’izay nantenain’ireo mpitarika ara-pivavahan’ny Joda. Hanao zavatra izay hafahafa amin’ireo mpimamo ara-panahin’ny Joda i Jehovah. “Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy, mba hanaovany ny [zavatra hataony​—hafahafa ny zavatra ataony, “NW” ], ary hahavitany ny [asany​— tsy mahazatra ny asany, “NW” ].” (Isaia 28:21). Tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, i Jehovah dia nahatonga ny vahoakany handresy ny Filistinina tamin’ny fomba niezinezina, teo amin’ny Tendrombohitra Perazima sy teo amin’ny lemak’i Gibeona. (1 Tantara 14:10-16). Tamin’ny andron’i Josoa, dia nahatonga ny masoandro tsy hihetsika teo ambonin’i Gibeona mihitsy aza izy, mba ho tanteraka ny fandresen’ny Isiraely ny Amorita. (Josoa 10:8-14). Tena faran’izay tsy nahazatra tokoa izany! Izao i Jehovah dia hiady indray, nefa tamin’izao indray mandeha izao, dia mba hamelezana an’ireo izay nilaza ho vahoakany. Mety hisy zavatra hafahafa na tsy mahazatra noho izany ve? Tsy misy, rehefa heverina fa i Jerosalema no foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, no sady ny tanànan’ny mpanjaka voahosotr’i Jehovah. Hatramin’izay, dia mbola tsy nisy nanongana mihitsy ny tarana-mpanjakan’i Davida tao Jerosalema. Na izany aza, dia tsy maintsy hanatanteraka ilay ‘zavatra hafahafa hataony’ i Jehovah.​—Ampitahao amin’ny Habakoka 1:5-7.

17. Inona no ho vokatry ny fanesoana, eo amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia?

17 Noho izany, dia mampitandrina toy izao i Isaia: “Aza maniratsira intsony hianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin’i Jehovah, Tompon’ny maro, hamelezana ny tany rehetra.” (Isaia 28:22). Na dia naneso aza ireo mpitarika, dia marina ny hafatr’i Isaia, izay avy tamin’i Jehovah, ilay nifanaovan’ireo mpitarika ireo fanekena. Toy izany koa amin’izao andro izao, ireo mpitondra fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina dia maneso, rehefa mahare ny amin’ny ‘zavatra hafahafa hataon’i’ Jehovah. Mitabataba sy misafoaka mafy mihitsy aza izy ireo. Marina anefa ny hafatry ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita ao amin’ny Baiboly, ilay boky lazain’ireo mpitondra ireo hoe ambarany, izy io.

18. Ahoana no nampisehoan’i Isaia an’ohatra ny fahaizan’i Jehovah mandanjalanja, raha ny amin’ny fampiharana famaizana?

18 Raha ny amin’ny isam-batan’olona tso-po izay tsy manaraka an’ireo mpitondra ireo, dia hanarina azy ireo i Jehovah, ka hanome azy ireo indray ny fankasitrahany. (Vakio ny Isaia 28:23-29.) Toy ny ampiasan’ny mpamboly iray fomba malefaka kokoa mba hivelezana voa marefo kokoa, toy ny komina, dia toy izany no ampifanarahan’i Jehovah ny famaizana amin’ny isam-batan’olona sy ny toe-javatra. Tsy manampatra fahefana na mampahory na oviana na oviana izy, fa manao zavatra mba hanarenana ireo mania. Eny, raha manoina ny fiangavian’i Jehovah ireo isam-batan’olona, dia misy fanantenana. Toy izany koa amin’izao andro izao, na dia azo antoka aza ny hanjo ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’ny fitambarany, izay rehetra manaiky hofehezin’ny Fanjakan’i Jehovah dia afaka mandositra ilay didim-pitsarana ho avy.

Lozan’i Jerosalema!

19. Amin’ny heviny ahoana i Jerosalema no ho tonga ‘fatan’ny alitara’, ary oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nitrangan’izany?

19 Inona anefa izao no resahin’i Jehovah? “Lozan’i Ariela, lozan’i Ariela, tanàna nitoeran’i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; dia hampahory an’i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; ary ho tonga [fatan’ny alitaran’Andriamanitra, “NW” ] tokoa amiko izy.” (Isaia 29:1, 2). Ny hoe “Ariela” angamba dia midika hoe “Fatan’ny Alitaran’Andriamanitra”, ary eto izy io dia miharihary fa manondro an’i Jerosalema. Tao no nisy ny tempoly sy ny alitarany fanolorana fanatitra. Ny Jiosy dia nanaraka ny fahazarana nankalaza andro firavoravoana sy nanolotra fanatitra tao, nefa tsy nahafaly an’i Jehovah ny fanompoam-pivavahan’izy ireo. (Hosea 6:6). Nandidy kosa aza izy hoe ho tonga “fatan’ny alitara”, amin’ny heviny hafa, ilay tanàna. Sahala amin’ny alitara iray, dia ho feno ra izy io ary hodorana. Milaza izay hitranga mihitsy aza i Jehovah. “Hanao fahirano anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako mànda hamelezana anao. Dia haetry hianao ka hiteny ao amin’ny tany, ary ao amin’ny vovoka no hibitsibitsihanao”. (Isaia 29:3, 4). Izany dia tanteraka tamin’ny Joda sy i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., fony nanao fahirano sy nandringana an’ilay tanàna ny tafika babylonianina, ary nandoro ny tempoly. Naetry hitovy tantana tamin’ilay tany nanorenana azy i Jerosalema.

20. Inona no hanjo an’ireo fahavalon’Andriamanitra amin’ny farany?

20 Talohan’io fotoana hitondra loza io, tsindraindray ny Joda dia mba nanana mpanjaka nankatò ny Lalàn’i Jehovah ihany. Ahoana tamin’izay? Niady ho an’ny vahoakany i Jehovah. Na dia nety ho nameno ilay tany aza ny fahavalo, dia tonga tahaka ny “vovoka madinika” sy tahaka ny “akofa” izy ireo. Amin’ny fotoana voatondrony, dia hampiely azy ireo amin’ny alalan’ny “kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, sy tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona” i Jehovah.​Isaia 29:5, 6.

21. Hazavao ilay fanoharana ao amin’ny Isaia 29:7, 8.

21 Nety ho nanantena mafy ny handroba tanteraka an’i Jerosalema, ka handrapaka an’ireo zavatra ho azo baboina tao ny tafika feno fankahalana. Ho taitra tampoka anefa izy ireo! Sahala amin’ny olona mosarena iray, izay manonofy ho mihinana hanim-py, nefa rehefa mifoha avy eo dia mbola noana ihany, dia toy izany koa ireo fahavalon’ny Joda, izay tsy hankafy akory ilay hanim-py nantenainy mafy aoka izany. (Vakio ny Isaia 29:7, 8.) Diniho izay nanjo ny tafika asyrianina notarihin’i Sankeriba, fony izy ireo nandrahona an’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjaka nahatoky. (Isaia, toko faha-36 sy faha-37). Tao anatin’ny indray alina, tsy nisy tanan’olombelona niainga akory, dia resy ilay tafika asyrianina nahatahotra​—185 000 tamin’ireo mpiadiny nahery fo no maty! Hisy nofinofim-pandresena handiso fanantenana indray koa, rehefa hivonona hanafika ny vahoakan’i Jehovah amin’ny hoavy tsy ho ela ny tafik’i Goga avy any Magoga.​—Ezekiela 38:10-12; 39:6, 7.

22. Inona no vokatry ny fahamamoana ara-panahin’ny Joda teo aminy?

22 Tamin’ny fotoana nanononan’i Isaia an’io tapany amin’ny faminaniany io, dia tsy nanana finoana toy ny an’i Hezekia ireo mpitarika teo amin’ny Joda. Nimamo ka lasa domelina ara-panahy izy ireo, tamin’ny alalan’ireo fifanarahana nataony tamin’ny firenena ratsy fanahy. “Mijanòna hianareo, ka mitalanjòna, tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba hianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin’ny divay; mivembena izy, nefa tsy tamin’ny toaka.” (Isaia 29:9). Mamo ara-panahy ireo mpitondra ireo, ka tsy mahavaka ny hevitr’ilay fahitana nomena an’ilay tena mpaminanin’i Jehovah. Hoy ny nambaran’i Isaia: “Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany). Ary ny fahitana ny amin’izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna hianao, vakio ity; fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy; fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna hianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.”​—Isaia 29:10-12.

23. Nahoana i Jehovah no hampamoaka ny Joda, ary amin’ny fomba ahoana no hanaovany izany?

23 Nilaza tena ho malina ara-panahy ireo mpitarika ara-pivavahana teo amin’ny Joda, nefa nandao an’i Jehovah izy ireo. Nampianatra ny heviny manokana sady voaolana ny amin’izay tsara sy ratsy izy ireo, ka nitady hanamarina ny tsy fananany finoana sy ny fahalotoam-pitondran-tenany ary ny fitarihany an’ilay vahoaka hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny ‘zava-mahatalanjona’ iray​—ilay ‘zavatra hafahafa hataony’​—dia hampamoaka azy ireo, noho ny fihatsarambelatsihiny, i Jehovah. Hoy izy: “Satria manatona Ahy amin’ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin’olombelona ampianariny azy ihany, dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin’ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; ka ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ny mazava sainany.” (Isaia 29:13, 14). Ho foana izay lazain’ny Joda hoe fahendren’ny tenany sy fahalalany, rehefa hitantana ny toe-draharaha i Jehovah mba handripahan’i Babylona​—ny Fanjakana natanjaka indrindra​—ny fandaminany ara-pivavahana nivadi-pinoana manontolo. Nisy zavatra toy izany koa nitranga tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nitarika an’ilay firenena haniasia ireo mpitarika nilaza tena ho hendry teo amin’ny Jiosy. Hisy zavatra toy izany ihany koa hanjo ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina amin’izao androntsika izao.​—Matio 15:8, 9; Romana 11:8.

24. Ahoana no nisehoan’ny Jodianina ho tsy nanana tahotra araka an’Andriamanitra?

24 Izao anefa, ireo mpitarika mpirehareha teo amin’ny Joda dia nino fa nahira-tsaina ny tenany, ka ho afa-maina, na dia nanolana ny fivavahana marina aza. Marina ve izany? Nosintonin’i Isaia ny saron-tavan’izy ireo, ka nalany sarona ny tsy fananany tahotra an’Andriamanitra sy tena fahendrena vokatr’izany. “Lozan’izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan’i Jehovah, sady ao amin’ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika? Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?” (Isaia 29:15, 16; ampitahao amin’ny Salamo 111:10.) Na dia niafina tsara toy inona aza ny fiheverany ny tenany, teo imason’Andriamanitra izy ireo dia ‘nihanjahanja sy niharihary’.​—Hebreo 4:13.

‘Handre ny marenina’

25. Amin’ny heviny ahoana no handrenesan’ny “marenina”?

25 Kanefa, hisy famonjena ho an’ny isam-batan’olona izay naneho finoana. (Vakio ny Isaia 29:17-24; ampitahao amin’ny Lioka 7:22.) “Ho ren’ny marenina ny tenin’ny taratasy”, izany hoe ny hafatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Eny, tsy fanasitranana ny sofin’ny marenina ara-bakiteny akory izany, fa fanasitranana ara-panahy. Teto indray koa i Isaia dia nanondro mialoha ny hiorenan’ny Fanjakana Mesianika sy ny hamerenan’ny fanapahan’ny Mesia eto an-tany ny fivavahana marina. Efa nitranga tamin’izao androntsika izao izany, ary olona tso-po an-tapitrisany maro no namela ny tenany ho voahitsin’i Jehovah, ka mianatra ny hidera azy. Endrey izany fahatanterahana mampientam-po! Amin’ny farany, dia ho avy ny andro hideran’ny rehetra, ny zava-miaina rehetra, an’i Jehovah ka hanamasinany ny anarany masina.​—Salamo 150:6.

26. Fampahatsiahivana ara-panahy inona avy no ren’ny “marenina” amin’izao andro izao?

26 Inona no ianaran’ny “marenina” toy izany, izay mandre ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny? Ianarany fa ny Kristianina rehetra, indrindra fa ireo izay ohatra itodihan’ny kongregasiona, dia tsy maintsy mitandrina fatratra mba tsy ‘hiraingiraingy noho ny toaka’. (Isaia 28:7). Ankoatra izany, dia tsy tokony ho sasatra na oviana na oviana isika mandre ny fampahatsiahivan’Andriamanitra, izay manampy antsika hanana fomba fijery ara-panahy momba ny zava-drehetra. Na dia manaiky tsara an’ireo manam-pahefam-panjakana aza ny Kristianina, ary miantehitra amin’izy ireo mba hahazoana fanampiana sasany, ny famonjena kosa dia tsy ho avy amin’ity tontolo ity, fa ho avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Afa-tsy izany koa, dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa, toy ilay didim-pitsarana nihatra tamin’i Jerosalema nivadi-pinoana, dia tsy ho azo ialana ny didim-pitsaran’Andriamanitra an’ity taranaka ity. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka manohy manambara ny fampitandremany isika, na dia ao anatin’ny fanoherana aza, sahala amin’i Isaia.​—Isaia 28:14, 22; Matio 24:34; Romana 13:1-4.

27. Lesona inona avy no azon’ny Kristianina ianarana avy amin’ny faminanian’i Isaia?

27 Ny loholona sy ny ray aman-dreny dia afaka miana-javatra avy amin’ny fomba ampiharan’i Jehovah fifehezana, ka hitady foana ny hanampy an’ireo nanao ratsy, hahazo sitraka amin’Andriamanitra indray, fa tsy ny hanafay fotsiny. (Isaia 28:26-29; ampitahao amin’ny Jeremia 30:11.) Ary isika rehetra, anisan’izany ny tanora, dia ampahatsiahivina fa tena zava-dehibe ny manompo an’i Jehovah avy amin’ny fo, fa tsy mody miseho ho Kristianina fotsiny, mba hampifaliana olona. (Isaia 29:13). Tsy maintsy mampiseho isika fa tsy mitovy amin’ireo mponina teo amin’ny Joda, izay tsy nanam-pinoana, fa manana tahotra mahasoa an’i Jehovah kosa, ary koa fanajana lalina azy. (Isaia 29:16). Ambonin’izany, dia mila mampiseho isika fa manaiky fanitsiana sy fianarana avy amin’i Jehovah.​—Isaia 29:24.

28. Manao ahoana ny fomba fijerin’ny mpanompon’i Jehovah ireo asa famonjeny?

28 Tena zava-dehibe tokoa ny hananana finoana sy fatokisana an’i Jehovah sy ny fomba fanaovany zavatra! (Ampitahao amin’ny Salamo 146:3.) Amin’ny ankamaroan’ny olona, dia toa toy ny ho an-jaza ilay hafatra fampitandremana torintsika. Hevitra hafahafa sy tsy mahazatra azy ireo izany hoe fandringanana hihatra amin’ny fandaminana iray izay milaza ho manompo an’Andriamanitra, dia ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina, izany. Hanatanteraka izany ‘zavatra hafahafa hataony’ izany anefa i Jehovah. Tsy misy azo isalasalana ny amin’izany. Noho izany, mandritra izao andro farany amin’ity fandehan-javatra ity izao, ny mpanompon’Andriamanitra dia mametraka ny fitokisany feno amin’ny Fanjakany sy amin’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny. Fantatr’izy ireo fa ireo asa famonjen’i Jehovah​—hotanterahiny miaraka amin’ny ‘asany tsy mahazatra’​—dia hitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny taranak’olombelona mpankatò rehetra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Tamin’ny fiteny hebreo tany am-boalohany, ny Isaia 28:10 dia andalan-teny niady rima niverimberina, nitovitovy tamin’ny hirahiran’ankizy. Noho izany no nahitan’ireo mpitarika ara-pivavahana ny hafatr’i Isaia ho toy ny lavareny sy an-jaza.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 289]

Miantehitra amin’ny fifanarahana amin’ny mpanapaka olombelona, fa tsy amin’Andriamanitra, ny Tontolon’Ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina

[Sary, pejy 290]

Nanatanteraka ny ‘zavatra hafahafa nataony’ i Jehovah, rehefa namela an’i Babylona handringana an’i Jerosalema

[Sary, pejy 298]

Afaka ‘mandre’ ny Tenin’Andriamanitra ireo izay marenina ara-panahy taloha