Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanjary Avo ny Tanan’i Jehovah

Nanjary Avo ny Tanan’i Jehovah

Toko Fahiraika Amby Roapolo

Nanjary Avo ny Tanan’i Jehovah

Isaia 25:1–27:13

1. Nahoana i Isaia no nanana fankasitrahana an’i Jehovah?

NANANA fitiavana lalina an’i Jehovah i Isaia, ary niravoravo nidera azy. Hoy ny fihiakany: “Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho”. Inona no nanampy an’ilay mpaminany hanana fankasitrahana tsara dia tsara ny Mpamorona azy toy izany? Ny antony lehibe iray dia ny fahalalany an’i Jehovah sy ny asany. Mampiharihary izany fahalalana nananany izany ny teniny manaraka, manao hoe: “Fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ny ela sady mahatoky no marina indrindra.” (Isaia 25:1). Sahala amin’i Josoa talohany, i Isaia dia nahalala fa mahatoky sy mendri-pitokisana i Jehovah, no sady to avokoa ny ‘zavatra efa voakasany’ rehetra.​—Josoa 23:14.

2. Fikasan’i Jehovah inona izao no ambaran’i Isaia, ary iza no mety hiharan’io fikasana io?

2 Anisan’ny zavatra nokasain’i Jehovah ireo didim-pitsarana momba ireo fahavalon’ny Isiraely. Izao i Isaia dia nilaza ny iray tamin’izany: “Efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; ny tanàna mimanda dia rava tokoa; ny lapan’ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; tsy hatsangana intsony mandrakizay iny”. (Isaia 25:2). Iza moa io tanàna tsy voatonona anarana io? Nety ho te hiresaka momba an’i Ara-moaba i Isaia​—i Moaba izay fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra efa hatramin’ny ela be. * Na nety ho te hiresaka momba ny tanàna iray hafa, natanjaka kokoa, izy​—i Babylona.​—Isaia 15:1; Zefania 2:8, 9.

3. Ahoana no ankalazan’ny fahavalon’i Jehovah azy?

3 Hanao ahoana ny fihetsik’ireo fahavalon’i Jehovah, rehefa ho tanteraka ny fikasany hamely ny tanàna mafin’izy ireo? “Hankalaza Anao ny firenena masiaka, hatahotra Anao ny tanànan’ny firenena lozabe.” (Isaia 25:3). Mora azo raha matahotra an’ilay Andriamanitra tsitoha ireo fahavalony. Amin’ny ahoana anefa no ankalazan’izy ireo azy? Hamela ny andriamani-disony ve izy ireo, ka hanaraka ny fivavahana marina? Tsia! Sahala amin’i Farao sy i Nebokadnezara kosa, dia hankalaza an’i Jehovah izy ireo, rehefa ho voatery hanaiky ny fahamboniany tsy azo lavina.​—Eksodosy 10:16, 17; 12:30-33; Daniela 4:34.

4. “Tanànan’ny firenena lozabe” iza no misy ankehitriny, ary amin’ny ahoana no hoe izy koa aza dia tsy maintsy hankalaza an’i Jehovah?

4 Ankehitriny, ilay “tanànan’ny firenena lozabe” dia ilay “tanàna lehibe, izay manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”, izany hoe i “Babylona Lehibe”, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:5, 18). Ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina no tapany lehibe indrindra amin’io empira io. Amin’ny ahoana no ankalazan’ireo mpitondra fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina an’i Jehovah? Amin’ny fiekena amim-pahasosorana fa nanatanteraka zava-mahagaga izy, mba hamonjena ny Vavolombelony. Tamin’ny 1919 indrindra, rehefa naverin’i Jehovah hanao asa amim-pahavitrihana indray ny mpanompony, izay vao nafahana avy tamin’ny fahababoana ara-panahy tao amin’i Babylona Lehibe, dia “raiki-tahotra [ireo mpitondra fivavahana ireo] ka nanome voninahitra an’Andriamanitry ny lanitra”.​—Apokalypsy 11:13. *

5. Ahoana no iarovan’i Jehovah an’ireo izay manana fatokisana tanteraka azy?

5 Na dia nahatahotra aza ny fahitan’ireo fahavalony an’i Jehovah, dia fialofana kosa izy ho an’ireo malemy fanahy sy manetry tena izay maniry hanompo azy. Ireo olon-dozabe ara-pivavahana sy ara-politika dia mety hanandrana ny zava-drehetra mba handravana ny finoan’ireo mpivavaka marina, nefa tsy hahomby izy ireo, satria manana fatokisana tanteraka an’i Jehovah ireo mpivavaka aminy ireo. Amin’ny farany, dia hampangininy mora foana ireo mpanohitra azy, toy ny hoe hanarona amin’ny rahona ny masoandro mahamay any an’efitra izy, na hoe hisakana ny herin’ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.​—Vakio ny Isaia 25:4, 5.

“Fanasana ho an’ny firenena rehetra”

6, 7. a) Karazana fanasam-be inona no velarin’i Jehovah, ary ho an’iza? b) Tandindon’ny inona moa ilay fanasana ao amin’ny faminanian’i Isaia?

6 Toy ny ray be fitiavana iray, dia tsy vitan’ny hoe hiaro ny zanany i Jehovah, fa hamahana azy ireo koa, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Rehefa avy nanafaka ny vahoakany tamin’ny 1919 izy, dia namelatra teo anoloan’izy ireo fanasam-bem-pandresena, dia sakafo ara-panahy tondraka. “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.”​—Isaia 25:6.

7 Velarina eo amin’ny ‘tendrombohitr’i’ Jehovah ilay fanasana. Inona moa io tendrombohitra io? Izany dia “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”, izay itanjozoran’ny firenena rehetra ‘atỳ am-parany’, ny ‘tendrombohitra masin’i’ Jehovah, misy ny mpanompony mahatoky, izay tsy mandratra na manimba. (Isaia 2:2; 11:9). Eo amin’io toeram-panompoana avo io, i Jehovah dia mamelatra ny fanasam-beny misy sakafo tondraka, ho an’ireo olo-mahatoky. Ary ireo zava-tsoa ara-panahy omena antsika ankehitriny amim-pahalalahan-tanana dia tandindon’ireo zava-tsoa ara-nofo homena antsika, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no ho hany fitondram-panjakana hitondra ny olombelona. Tsy hisy intsony ny hanoanana amin’izay. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”.​—Salamo 72:8, 16.

8, 9. a) Fahavalon’ny olombelona lehibe roa inona avy no hesorina? Hazavao. b) Inona no hataon’Andriamanitra mba hanesorana ilay fanalam-baraka natao tamin’ny vahoakany?

8 Manana fahatsinjovan-javatra be voninahitra ireo izay mihinana amin’io fanasam-be ara-panahy omen’Andriamanitra io ankehitriny. Henoy ireo tenin’i Isaia manaraka. Mampitaha ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny “rakotra”, na “sarona” iray, manempotra, toy izao i Isaia: “Hofoanany eto amin’ity tendrombohitra ity ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”.​—Isaia 25:7, 8a.

9 Eny, tsy hisy fahotana sy fahafatesana intsony! (Apokalypsy 21:3, 4). Ambonin’izany, dia hesorina koa ilay fahafaham-baraka tsy marina niaretan’ny mpanompon’i Jehovah nandritra ny an’arivony taona maro. “Hanafa-tondromaso ny olona eny amin’ny tany rehetra [izy], fa Jehovah no efa niteny.” (Isaia 25:8b). Ahoana no hitrangan’izany? Hanaisotra ny loharanon’izany fanalam-baraka izany, dia i Satana sy ny taranany, i Jehovah. (Apokalypsy 20:1-3). Tsy mahagaga raha ho voatosika hihiaka ny vahoakan’Andriamanitra hoe: “Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika; indro Jehovah, Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.”​—Isaia 25:9.

Aetry ny mpieboebo

10, 11. Fitondrana amim-pahasiahana inona no atokan’i Jehovah ho an’i Moaba?

10 Mamonjy an’ireo anisan’ny vahoakany maneho fanetren-tena i Jehovah. Kanefa, i Moaba, teo akaikin’ny Isiraely, dia niavonavona, ary halan’i Jehovah ny fiavonavonana. (Ohabolana 16:18). Noho izany, dia voatokana ho amin’ny fampietrena i Moaba. “Hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tànan’i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra; ary [tsy maintsy hamelaka eo afovoan’io ny tanany, toy ny rehefa mamelaka amin’ny tanany mba hilomanosana ny mpilomano iray, “NW” ]; fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin’ny tany, dia hatramin’ny vovoka.”​—Isaia 25:10-12.

11 “Hipetraka” eo ambonin’ny tendrombohiny masina ny tanan’i Jehovah, mba hiaro azy. Hofelahina sy hohosihosehina toy ny “ao am-pahitra” anefa i Moaba mpieboebo. Tamin’ny andron’i Isaia, dia nohitsakitsahina ho antontan-jezika ny mololo; koa nanambara mialoha àry i Isaia fa haetry i Moaba, na dia teo aza ireo mandany avo sy toa voaro tsara.

12. Nahoana i Moaba no nosinganina ho amin’ny didim-pitsaran’i Jehovah?

12 Nahoana i Moaba no nosinganin’i Jehovah ho amin’io fikasany feno fahasiahana io? Taranak’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama sady mpanompon’i Jehovah, ireo Moabita. Noho izany, dia tsy vitan’ny hoe mponina teo akaikin’ilay firenena nanaovan’Andriamanitra fanekena izy ireo, fa havany koa. Na izany aza, dia nanaraka andriamani-diso izy ireo, ary naneho fandrafiana lalim-paka tamin’ny Isiraely. Mendrika ilay fiafarana nahazo azy izy ireo. Tamin’izany, i Moaba dia nitovy tamin’ireo fahavalon’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Ny tena nitoviany dia ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, izay mihambo ho avy amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany, nefa izy io no tapany lehibe indrindra amin’i Babylona Lehibe, araka ny hita teo aloha.

Hiram-pamonjena

13, 14. “Tanàna mafy” inona no ananan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, ary iza no avela hiditra ao?

13 Ahoana ny amin’ny vahoakan’Andriamanitra? Nientam-po izy ireo, satria nanana ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fiarovany, ka nanandra-peo mba hihira. “Amin’izany andro izany dia hohiraina eto amin’ny tanin’ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; famonjena no hotendren’i Jehovah ho mànda sy fiarovana. Vohay ny vavahady, mba hidiran’ny firenena marina, izay mitana ny fahamarinana.” (Isaia 26:1, 2). Na dia tsy isalasalana aza fa tanteraka tamin’ny andro fahiny ireo teny ireo, dia mazava fa tanteraka amin’izao andro izao koa izy ireo. Ilay ‘firenena marin’i’ Jehovah, ny Isiraely ara-panahy, dia manana fandaminana mafy, oharina amin’ny tanàna. Izany ka antony hifaliana sy hihirana!

14 Karazan’olona manao ahoana no miditra ao amin’io “tanàna” io? Manome ny valiny ilay hira: “Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.” (Isaia 26:3, 4). “Ny saina tsy miovaova”, na “fironana” (NW ), tohanan’i Jehovah dia ny faniriana hankatò ireo foto-pitsipiny marina sy hitoky aminy, fa tsy amin’ny fandehan-javatra ara-barotra sy ara-politika ary ara-pivavahana mihilangilan’ity tontolo ity. I “Jehovah Tompo”, na “Jah Jehovah” (NW ), no ilay hany Vatolampy fiarovana azo itokisana. Ireo manana fatokisana feno an’i Jehovah dia hahazo ny fiarovany ary hanana “fiadanana tanteraka”, na “mitohy” (NW ).​—Ohabolana 3:5, 6; Filipiana 4:6, 7.

15. Ahoana no nampietrena an’ilay “tanàna avo”, ary ahoana no anosihosen’ny “tongotry ny ory” azy io?

15 Endrey ny fifanoheran’izany amin’izay hanjo ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra! “Naetriny ny mponina avo toerana; ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ny tany ka azerany ho amin’ny vovoka. Hitsahin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ny mahantra.” (Isaia 26:5, 6). Eto indray koa, dia nety ho nanondro “tanàna avo” iray hafa tany Moaba i Isaia, na nety ho te hiresaka momba ny tanàna iray hafa, toa an’i Babylona, izay tena avo dia avo, raha ny amin’ny fiavonavonana. Na ahoana na ahoana, dia namadika ny rasa i Jehovah, ka lasa any ambany ilay “tanàna avo”, izay hohitsahin’ny olony ‘ory sy mahantra’. Ankehitriny, dia mifanentana tsara amin’i Babylona Lehibe, ary indrindra fa amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, io faminaniana io. Tamin’ny 1919, dia voatery nanafaka ny vahoakan’i Jehovah io “tanàna avo” io​—fianjerana nampietry tokoa​—ka ireo indray no nanomboka nanitsakitsaka an’io mpamabo azy taloha io. (Apokalypsy 14:8). Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanambarana ampahibemaso ny famalian’i Jehovah azy ho avy.​—Apokalypsy 8:7-12; 9:14-19.

Faniriana ny fahamarinana sy ny “fahatsiarovana” an’i Jehovah

16. Oha-pifikirana amin’Andriamanitra tsara dia tsara inona no navelan’i Isaia?

16 Taorian’io hiram-pandresena io, dia nampiharihary ny halalin’ny fifikirany tamin’Andriamanitra sy ireo valisoa avy tamin’ny fanompoana an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana, i Isaia. (Vakio ny Isaia 26:7-9.) Nanome ohatra tsara dia tsara ny amin’ny ‘fiandrasana an’i Jehovah’ sy ny fananana faniriana lalina ny ‘anaran’i’ Jehovah sy ny “fahatsiarovana” Azy, ilay mpaminany. Inona moa io fahatsiarovana an’i Jehovah io? Hoy ny Eksodosy 3:15: “Jehovah (...) no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” Mankamamy ny anaran’i Jehovah sy izay rehetra asehon’izy io i Isaia, anisan’izany ny fari-pitsipiny sy ny lalany marina. Ireo izay mamboly fitiavana an’i Jehovah toy izany dia matoky fa hotahiny.​—Salamo 5:8; 25:4, 5; 135:13; Hosea 12:6.

17. Tombontsoa inona avy no tsy homena ny ratsy fanahy?

17 Tsy ny rehetra anefa no tia an’i Jehovah sy ny fari-pitsipiny ambony. (Vakio ny Isaia 26:10.) Na dia asaina aza ny ratsy fanahy, dia hikiry tsy hianatra ny fahamarinana mba hidirana ao amin’ny “tanin’ny fahamarinana”, dia ilay tany misy ny mpanompon’i Jehovah marina ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Ho vokatr’izany, dia “tsy [hahita, “NW” ] ny fahalehibiazan’i Jehovah” ny ratsy fanahy. Tsy ho velona mba hahita ireo fitahiana hirotsaka amin’ny olombelona, aorian’ny nanamasinana ny anaran’i Jehovah, izy ireo. Na dia ao amin’ny tontolo vaovao aza, rehefa ho “tanin’ny fahamarinana” ny tany manontolo, dia mety hisy tsy hanaiky ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana. Tsy hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran’ny olona toy izany.​—Isaia 65:20; Apokalypsy 20:12, 15.

18. Ahoana no nifidianan’ny sasany tamin’ny andron’i Isaia ny ho jamba, ary rahoviana izy ireo no voatery ‘hahita’ an’i Jehovah?

18 “Jehovah ô, [nanjary avo ny tananao, nefa tsy hitan’izy ireo. Hahita izy ireo, ka ho menatra noho ny zotom-po ho an’ny vahoakanao, “NW” ]; eny, afo no handevona ny fahavalonao.” (Isaia 26:11). Tamin’ny andron’i Isaia, dia nisandratra ny tanan’i Jehovah, fony izy nitahy ny vahoakany tamin’ny famelezana ny fahavalon’izy ireo. Tsy nanaiky izany anefa ny ankamaroany. Ny olona toy izany, izay nifidy ny ho jamba ara-panahy, tamin’ny farany dia voatery ‘nahita’, na hoe ‘niaiky’ ny amin’i Jehovah, rehefa holevonin’ny afon’ny zotom-pony izy ireo. (Zefania 1:18). Hoy Andriamanitra tamin’i Ezekiela tatỳ aoriana: “Ho fantany fa Izaho no Jehovah.”​—Ezekiela 38:23.

“Izay tian’i Jehovah no faizany”

19, 20. Nahoana ary tamin’ny fomba ahoana i Jehovah no nanafay ny vahoakany, ary iza no nandray soa avy tamin’izany famaizana izany?

19 Fantatr’i Isaia fa izay fiadanana sy fanambinana rehetra azon’ireo mpiray tanindrazana taminy dia noho ny fitahian’i Jehovah. “Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.” (Isaia 26:12). Na izany aza, ary na dia napetrak’i Jehovah teo anoloan’ny vahoakany aza ny fahafahana ho tonga “fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina”, dia nifandimby ny soa sy ny ratsy teo amin’ny tantaran’ny Joda. (Eksodosy 19:6). Niverimberina nitodika tany amin’ny fanompoam-pivavahan-diso izy ireo. Ho vokany, dia nofaizina tsy an-kijanona izy ireo. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah anefa ny famaizana toy izany, satria “izay tian’i Jehovah no faizany”.​—Hebreo 12:6.

20 Matetika i Jehovah no nanafay ny vahoakany, tamin’ny famelana “tompo hafa”, na firenena hafa, hanapaka teo amin’izy ireo. (Vakio ny Isaia 26:13.) Tamin’ny 607 al.f.i., dia namela ny Babylonianina hitondra azy ireo tany an-tsesitany izy. Nitondra soa ho azy ireo ve izany? Raha ny fijaliana fotsiny dia tsy hitondra soa ho an’ny olona iray. Kanefa, raha mandray fianarana avy amin’izay mitranga ny olona mijaly iray, ka mibebaka ary manolotra fifikirana tsy mizarazara ho an’i Jehovah, amin’izay izy dia handray soa. (Deoteronomia 4:25-31). Nisy Jiosy nampiseho fibebahana araka an’Andriamanitra ve? Eny! Hoy ny nolazain’i Isaia ara-paminaniana: “Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.” Rehefa tafaverina avy tany an-tsesitany ny Jiosy tamin’ny 537 al.f.i., dia nila nofaizina matetika, noho ny fahotana hafa, fa tsy noho ny fivavahana tamin’andriamanitra vato intsony mihitsy.

21. Inona no hanjo an’ireo izay nampahory ny vahoakan’Andriamanitra?

21 Ahoana ny amin’ireo mpamabo ny Joda? “Ny maty tsy ho velona intsony, [tsy hanan-kery ao amin’ny fahafatesana izy ireo, ka tsy hitsangana, “NW” ]; fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovanao azy.” (Isaia 26:14). Hijaly noho ireo habibiana nampianjadiany tamin’ilay firenena nofidin’i Jehovah i Babylona. Hampiasa ny Medianina sy ny Persanina i Jehovah, mba hanonganana an’i Babylona niavonavona sy hanafahana an’ilay vahoakany tany an-tsesitany. Hanjary tsy hanan-kery, toy ny maty mihitsy, i Babylona, ilay tanàna lehibe. Amin’ny farany, dia tsy hisy intsony izy.

22. Amin’ny andro ankehitriny, ahoana no nitahiana ny vahoakan’Andriamanitra?

22 Amin’ny fahatanterahany maoderina, dia nisy sisa tamin’ny Isiraely ara-panahy nofaizina, nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ary naverina ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah tamin’ny 1919. Nahazo tanjaka indray ireo Kristianina voahosotra, ka nilofo hanao ny asa fitoriany. (Matio 24:14). I Jehovah kosa dia nitahy azy ireo, ka nampitombo azy ireo, ary nanome azy ireo olona betsaka amin’ny “ondry hafa” mihitsy aza, mba hiara-manompo aminy. (Jaona 10:16). “Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany. Jehovah ô, nony azom-pahoriana izy, dia nitady Anao; nony niharan’ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.”​—Isaia 26:15, 16.

“Hitsangana” izy ireo

23. a) Fampisehoana miavaka ny herin’i Jehovah inona no nitranga tamin’ny 537 al.f.i.? b) Fampisehoana inona nitovy tamin’izany no nitranga tamin’ny 1919 am.f.i.?

23 Miverina ho amin’ilay tarehin-javatra nisy ny Joda, fony izy io mbola babo tany Babylona, indray i Isaia. Ampitahainy amin’ny vehivavy iray mihetsi-jaza, nefa tsy afaka miteraka raha tsy misy fanampiana, ilay firenena. (Vakio ny Isaia 26:17, 18.) Tonga tamin’ny 537 al.f.i. izany fanampiana izany, ka niverina tany an-tanindrazany ny vahoakan’i Jehovah, may ny hanorina indray ilay tempoly sy hamerina indray ny fivavahana marina. Toy ny hoe nitsangana tamin’ny maty ilay firenena. “Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ny oloko hitsangana; koa mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin’ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.” (Isaia 26:19). Izany ka fampisehoana ny herin’i Jehovah! Ary izany ka fampisehoana miavaka ny heriny, fony tanteraka tamin’ny heviny ara-panahy ireo teny ireo tamin’ny 1919! (Apokalypsy 11:7-11). Ary toy inona moa ny fiandrandrantsika ny fotoana, rehefa ho tanteraka ara-bakiteny ao amin’ny tontolo vaovao ireo teny ireo, ka handre ny ‘feon’i Jesosy’ ireo tsy manan-kery ao amin’ny fahafatesana ‘ary hivoaka’ avy ao amin’ny fasam-pahatsiarovana!​—Jaona 5:28, 29.

24, 25. a) Ahoana no nety ho nankatoavan’ny Jiosy tamin’ny 539 al.f.i. ny baikon’i Jehovah mba hiery? b) Inona no mety hotondroin’ny hoe ‘efitrano’ amin’ny andro ankehitriny, ary fihetsika inona no tsy maintsy ambolentsika eo anatrehan’izy ireo?

24 Kanefa, raha ta hahazo ireo fitahiana ara-panahy nampanantenaina tamin’ny alalan’i Isaia ireo olo-mahatoky, dia tsy maintsy mankatò ny baikon’i Jehovah manao hoe: “Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrìna varavarana hianao, ka miere kely indray mipì-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana. Fa, indro, Jehovah mivoaka avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoiny teo aminy.” (Isaia 26:20, 21; ampitahao amin’ny Zefania 1:14.) Nety ho nanana fahatanterahana voalohany io andalan-teny io, fony nandresy an’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i., ny Medianina sy ny Persanina, notarihin’i Kyrosy Mpanjaka. Araka an’i Xénophon, mpahay tantara grika, rehefa niditra tao Babylona i Kyrosy, dia nandidy ny rehetra mba hijanona tao an-tranony, satria nahazo “baiko hamono an’izay rehetra hitany teny ivelany” ny miaramilany mpitaingin-tsoavaly. Ankehitriny, dia azo ampifandraisina akaiky amin’ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah an’aliny maro maneran-tany ireo ‘efitrano’ voalazan’ilay faminaniana. Mbola hanana anjara asa fototra eo amin’ny fiainantsika ireo kongregasiona ireo, na dia mandritra ny “fahoriana lehibe” aza. (Apokalypsy 7:14). Tena zava-dehibe àry ny hihazonantsika fihetsika tsara momba ny kongregasiona, ka hifaneraserantsika aminy tsy tapaka!​—Hebreo 10:24, 25.

25 Tsy ho ela dia ho tonga ny faran’ny tontolon’i Satana. Mbola tsy fantatsika ny fomba hiarovan’i Jehovah ny vahoakany amin’io fotoana mahatahotra io. (Zefania 2:3). Kanefa, ny fantatsika dia hoe hiankina amin’ny finoantsika an’i Jehovah sy ny tsy fivadihantsika aminy ary ny fankatoavantsika azy ny fahatafitantsika velona.

26. Inona moa “ny leviatana” tamin’ny andron’i Isaia sy amin’izao androntsika izao, ary inona no hanjo an’io “dragona ao an-dranomasina” io?

26 Mitodika any amin’io fotoana io i Isaia, raha maminany hoe: “Amin’izany andro izany ny sabatr’i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.” (Isaia 27:1). Tamin’ny fahatanterahany voalohany, ny hoe “leviatana” dia nanondro ireo tanana nanelezana ny Isiraely, toa an’i Babylona sy i Ejipta ary i Asyria. Tsy ho afaka hisakana ny vahoakan’i Jehovah tsy hiverina tany an-tanindrazany tamin’ny fotoana nety, ireo tany ireo. Iza anefa ilay Leviatana amin’ny andro ankehitriny? Toa manondro an’i Satana​—“ilay menarana ela”​—izy io, sy ny fandehan-javany ratsy eto an-tany, izay ampiasainy mba hiadiana amin’ny Isiraely ara-panahy. (Apokalypsy 12:9, 10; 13:14, 16, 17; 18:24). Tsy nahageja intsony ny vahoakan’Andriamanitra ny “leviatana” tamin’ny 1919, ary tsy ho ela izy dia hanjavona tanteraka, rehefa ‘hamono an’io dragona an-dranomasina’ io i Jehovah. Mandra-pahatongan’izany, na inona na inona mety hotadiavin’ny “leviatana” hatao amin’ny vahoakan’i Jehovah dia tsy hahomby.​—Isaia 54:17

“Tanimboaloboka ahazoana divay mahery”

27, 28. a) Nameno ny tany manontolo tamin’ny inona moa ny tanimboalobok’i Jehovah? b) Ahoana no niarovan’i Jehovah ny tanimboalobony?

27 Amin’ny alalan’ny hira iray hafa, izao i Isaia dia mampiseho amin’ny fomba kanto ny habetsahan’ny vokatra azon’ilay vahoakan’i Jehovah nafahana. “Amin’izany andro izany no hihiranareo ny amin’ny tanimboaloboka ahazoana divay mahery hoe: Izaho Jehovah no mpiaro io; isaky ny indray mipì-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy; na andro na alina dia miaro azy Aho.” (Isaia 27:2, 3). Ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy sy ireo namany miasa mafy dia tena nameno ny tany manontolo tamin’ny vokatra ara-panahy. Izany ka antony hanaovana fankalazana​—hanaovana hira! I Jehovah no mahazo ny voninahitra rehetra noho izany, dia izy izay nikarakara ny tanimboalobony tamim-pitiavana.​—Ampitahao amin’ny Jaona 15:1-8.

28 Tena nosoloan’ny fifaliana tokoa ilay fahatezeran’i Jehovah teo aloha! “Tsy misy fahatezerana ato amiko; enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako, dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa! Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; eny, aoka hihavana amiko izy.” (Isaia 27:4, 5). Mba hahazoana antoka fa hanohy hamokatra “divay mahery” be dia be ny voalobony, i Jehovah dia hanotohoto sy handoro toy ny amin’ny afo, an’izay fitaomana rehetra mety hanimba ny tanimboalobony, ka oharina amin’ny ahidratsy. Noho izany, dia aoka tsy hisy hampidi-doza ny fahasambaran’ny kongregasiona kristianina! Aoka kosa aza ny rehetra ‘hifikitra amin’ny herin’i Jehovah’, ka hitady ny fankasitrahany sy ny fiarovany. Amin’ny fanaovana izany, dia mihavana amin’Andriamanitra izy ireo​—izay tena zava-dehibe aoka izany, ka tononin’i Isaia indroa. Ny vokany? “Amin’ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany.” (Isaia 27:6). * Tena porofo mahatalanjon’ny herin’i Jehovah ny fahatanterahan’io andinin-teny io! Nanomboka tamin’ny 1919, dia nameno ny tany tamin’ny ‘famokarany’ sakafo ara-panahy mahavelona, ireo Kristianina voahosotra. Ho vokany, dia nanjary nisy ondry hafa mahatoky an-tapitrisany maro nanatevin-daharana azy ireo, ka ‘miara-manompo an’Andriamanitra aminy andro aman’alina’. (Apokalypsy 7:15). Eo anivon’ny tontolo iray simba tanteraka, izy ireo kosa dia faly mihazona ny fari-pitsipiny ambony. Ary manohy mitahy azy ireo i Jehovah, ka mampitombo azy ireo. Enga anie isika tsy hanadino na oviana na oviana ilay tombontsoa lehibe, mihinana amin’io ‘vokatra’ io sy mizara azy amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny hiakam-piderana ataon’ny tenantsika!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 “Tanàna” angamba no dikan’ny anarana hoe Ara.

^ feh. 4 Jereo Ny Fanambarana​—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy 170.

^ feh. 28 Ny Isaia 27:7-13 dia dinihina ao amin’ilay faritra voafefy eo amin’ny  pejy faha-285.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 285]

 Manambara Fahafahana ny “Anjomara Lehibe” Iray

Tamin’ny 607 al.f.i., dia nitombo ny fanaintainan’ny Joda, rehefa nanafay ilay fireneny naniasia i Jehovah, tamin’ny famelana azy hoentina an-tsesitany. (Vakio ny Isaia 27:7-11.) Lehibe loatra ny helok’ilay firenena, ka tsy azo navotana tamin’ny alalan’ny fanatitra biby. Koa toy ny mety hanaparitahana ondry na osy amin’ny alalan’ny “hiakiaka mahatahotra” (NW ), na toy ny mety hitsofan’ny ‘rivotra mifofofo’ (NW ) ny ravinkazo, dia toy izany no handroahan’i Jehovah ny Isiraely avy ao an-tanindrazany. Aorian’izany, na dia ny olona malemy, asehon’ny hoe vehivavy, aza dia afaka manararaotra izay tavela teo amin’ilay tany.

Kanefa, tonga ny fotoana hanafahan’i Jehovah ny vahoakany avy tany amin’ny fahababoana. Nanafaka azy ireo izy, toy ny mpamboly iray nanafaka ireo oliva voahazona ho babo teo ambonin’ny hazo, raha azo atao ny milaza izany. “Amin’izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’i Jehovah hatramin’ny ony mandriaka [Eofrata] ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta; ary hianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’Isiraely. Ary amin’izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.” (Isaia 27:12, 13). Taorian’ny fandreseny tamin’ny 539 al.f.i., dia namoaka didy i Kyrosy, mba hanafahana ny Jiosy rehetra tao amin’ny empirany, anisan’izany ireo izay tany Asyria sy Ejipta. (Ezra 1:1-4). Toy ny hoe nisy “anjomara lehibe” naneno, ka nampanakoako hiram-panafahana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.

[Sary, pejy 275]

“Fanasana amin’ny zavatra matavy”

[Sary, pejy 277]

Hohitsakitsahin’ny tongotr’ireo izay babo fahiny i Babylona

[Sary, pejy 278]

“Midira ao amin’ny efi-tranonao”