Nasandratra ny Tranon’i Jehovah
Toko Fahefatra
Nasandratra ny Tranon’i Jehovah
1, 2. Teny inona no misoratra eo amin’ny rindrina iray eo amin’ny kianjan’ny Firenena Mikambana, ary teny avy aiza moa izy ireo?
“HANEFY ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Misoratra eo amin’ny rindrina iray eo amin’ny kianjan’ny Firenena Mikambana, ao New York, ireo teny ireo. Nandritra ny am-polony taona maro, dia tsy nampahafantarina hoe avy aiza izy ireo. Koa satria ny tanjon’ny ONU dia ny hahatratra ny fandriampahalemana haneran-tany, dia mora ny nanatsoaka hevitra fa ireo namorona ny ONU, tamin’ny 1945, no nanonona io teny io.
2 Tamin’ny 1975 anefa, dia natao sokitra teo amin’ilay rindrina, teo ambanin’ilay teny, ny anaran’i Isaia. Niharihary tamin’izay àry fa tsy tamin’izao andro ankehitriny izao no nipoiran’ireo teny ireo. Raha ny marina, dia noraketina an-tsoratra ho faminaniana izy ireo, 2 700 taona mahery lasa izay, tao amin’ilay fantatra ankehitriny ho ny toko faha-2 amin’ny bokin’i Isaia. Hatramin’ny an’arivony taona maro, dia nieritreritra momba ny fomba sy ny fotoana hitrangan’ireo zavatra nambaran’i Isaia mialoha ireo, ny olona tia fandriampahalemana. Ankehitriny anefa dia tsy misy ilana ny hanontanian-tena intsony. Hitantsika eo anoloantsika ny fahatanterahana mahatalanjon’io faminaniana tranainy io.
3. Iza moa ireo firenena izay nanefy ny sabany ho fangady?
3 Iza moa ireo firenena izay nanefy ny sabany ho fangady? Azo antoka fa tsy ireo firenena sy governemanta ara-politika amin’ny andro ankehitriny. Hatramin’izao, ireo firenena ireo dia nanamboatra sabatra, na fitaovam-piadiana, mba hanaovana ady, Filipiana 4:9.
nefa koa mba hiarovana ny “fandriampahalemana” amin’ny alalan’ny hery. Raha ny tena izy aza, ny fironan’ireo firenena dia ny hanefy foana ny fangadiny ho sabatra! Ny faminanian’i Isaia dia tanteraka amin’ny solontena avy amin’ny firenena rehetra, dia ilay vahoaka manompo an’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fiadanana”.—Ireo firenena izay mitanjozotra mankany amin’ny fivavahana madio
4, 5. Inona no ambara mialoha ao amin’ireo andininy voalohany ao amin’ny Isaia toko faha-2, ary inona no manantitrantitra fa azo itokisana ireo teny ireo?
4 Manomboka amin’izao teny izao ny Isaia toko faha-2: “Ny teny izay hitan’Isaia, zanak’i Amoza, ny amin’ny Joda sy Jerosalema. Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.” — Isaia 2:1, 2.
5 Mariho fa tsy fanombantombanana fotsiny akory izany nambaran’i Isaia mialoha izany. Nasaina nandrakitra an-tsoratra fisehoan-javatra izay “ho tonga”—tsy misy isalasalana—izy. Na inona na inona kasain’i Jehovah dia “ambinina”, na “azo antoka ny hahombiazany” (NW ). (Isaia 55:11). Nanome tsindrimandry an’i Mika mpaminany, niara-belona tamin’i Isaia, mba handrakitra an-tsoratra ao amin’ny bokiny io faminaniana ao amin’ny Isaia 2:2-4 io koa Andriamanitra, mba hanantitranterana fa azo itokisana ny fampanantenany.—Mika 4:1-3.
6. Oviana no tanteraka ny faminanian’i Isaia?
6 Rahoviana no tokony ho tanteraka ny faminanian’i Isaia? “Any am-parany”. Ny Fandikan-teny Katolika dia manao hoe: “Any amin’ny andro farany”. Nanambara mialoha lafin-javatra hamantarana io fe-potoana io ny Soratra Grika Kristianina. Anisan’izany ny ady, ny horohoron-tany, ny areti-mandringana, ny mosary, ary ny “fotoan-tsarotra tsy ho mora setraina”. * (2 Timoty 3:1-5, NW; Lioka 21:10, 11). Ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo dia manome porofo tondraka fa miaina ‘atỳ am-parany’, dia ny andro faran’ity fandehan-javatra ankehitriny ity, isika. Araka ny fandrindran-kevitra àry ny hanampoizantsika hahita ny fahatanterahan’ireo zavatra nambaran’i Isaia mialoha, amin’izao androntsika izao.
Tendrombohitra iray anaovana fanompoam-pivavahana
7. Sary ara-paminaniana inona no omen’i Isaia?
7 Manome sary ara-paminaniana mazava toy ny hitan’ny maso, amin’ny teny vitsivitsy, i Isaia. Mahita tendrombohitra manerinerina iray, izay ravahan’ny trano iray be voninahitra, dia ny tempolin’i Jehovah, eo an-tampony, isika. Mijoalajoala, avo noho ireo tendrombohitra sy havoana manodidina, io tendrombohitra io. Kanefa, tsy milaza loza na mampahatahotra akory izy io, fa manintona kosa. Maniry mafy ny hiakatra ho any amin’ilay tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah ny olona amin’ny firenena rehetra; mitanjozotra mankany izy ireo. Mora ny mahita izany an’eritreritra, nefa inona no heviny?
8. a) Nampifandraisina tamin’inona moa ny havoana sy ny tendrombohitra, tamin’ny andron’i Isaia? b) Sary mampiseho inona ny fitanjozotran’ireo firenena hankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”?
8 Tamin’ny andron’i Isaia, ny havoana sy ny tendrombohitra matetika dia nampifandraisina tamin’ny fivavahana. Ohatra, tany no toerana nanaovana fanompoan-tsampy sy nametrahana ny tempolin’ireo andriamani-diso. (Deoteronomia 12:2; Jeremia 3:6). Kanefa, ny trano, na tempolin’i Jehovah, dia nandravaka ny tampon’ny Tendrombohitra Moria tao Jerosalema. Nankany Jerosalema intelo isan-taona ireo Isiraelita nahatoky ary niakatra ny Tendrombohitra Moria, mba hanolotra fanompoam-pivavahana marina ho an’ilay Andriamanitra marina. (Deoteronomia 16:16). Koa ny fitanjozotran’ireo firenena hankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” àry dia sary mampiseho ny fiangonan’ny vahoaka maro hanaraka ny fivavahana marina.
9. Inona no asehon’ilay “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”?
9 Mazava ho azy fa amin’izao andro izao, dia tsy miangona eo amin’ny tendrombohitra iray ara-bakiteny, misy tempoly vato, Hebreo 8:2). Io tabernakely ara-panahy io dia ny fandaharana hanatonana an’i Jehovah eo amin’ny fanompoam-pivavahana, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. (Hebreo 9:2-10, 23). Mifanaraka amin’izany, ilay “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” voalaza ao amin’ny Isaia 2:2, dia mampiseho ny fivavahana madio amin’i Jehovah, izay nasandratra, amin’izao androntsika izao. Ireo izay manaiky ny fivavahana madio dia tsy miangona eo amin’ny toerana ara-bakiteny iray, fa miara-manao fanompoam-pivavahana amim-piraisan-tsaina kosa.
ny vahoakan’Andriamanitra. Noringanin’ny tafika romanina tamin’ny 70 am.f.i. ilay tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Ankoatra izany, dia nataon’ny apostoly Paoly mazava tsara fa sary tandindona ilay tempoly tao Jerosalema sy ilay tabernakely talohany. Nampiseho zava-nisy ara-panahy, lehibe kokoa, dia “ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona”, izy ireny. (Ny fanandratana ny fivavahana madio
10, 11. Amin’ny heviny ahoana no nanandratana ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, amin’izao androntsika izao?
10 Nilaza ilay mpaminany fa ilay “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”, na ny fivavahana madio, dia “haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra” ary “hasandratra ho avo noho ny havoana”. Ela be talohan’ny andron’i Isaia, i Davida Mpanjaka dia nitondra ny fiaran’ny fanekena teny amin’ny Tendrombohitra Ziona tao Jerosalema, izay tany amin’ny 760 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Nijanona teo ilay fiara mandra-pamindra azy teo amin’ilay tempoly voaorina teo amin’ny Tendrombohitra Moria. (2 Samoela 5:7; 6:14-19; 2 Tantara 3:1; 5:1-10). Araka izany, tamin’ny andron’i Isaia, dia efa nasandratra ara-bakiteny sy napetraka tao amin’ny tempoly ilay fiara masina, dia teo amin’ny toerana iray avo kokoa noho ireo havoana maro nanodidina, izay nampiasaina ho amin’ny fivavahan-diso.
11 Mazava ho azy fa amin’ny heviny ara-panahy, dia efa ambony kokoa foana noho ny fivavahan’ireo izay nanompo andriamani-diso ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah. Amin’izao androntsika izao anefa, dia nanandratra ny fivavahana aminy hahatakatra ny lanitra i Jehovah, izany hoe ho ambony noho ny endriny rehetra amin’ny fivavahana maloto, eny, ho ambony lavitra noho “ny havoana” rehetra sy ny “tampon’ny tendrombohitra”. Tamin’ny fomba ahoana? Voalohany indrindra dia tamin’ny alalan’ny fanangonana an’ireo izay maniry hanompo azy “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”.—Jaona 4:23.
12. Iza moa ireo “zanaky ny fanjakana”, ary fanangonana inona no efa niseho?
12 Nilaza i Kristy Jesosy fa “ny fahataperan’izao tontolo izao” dia fotoam-pijinjana, izay hanangonan’ny anjely an’ireo “zanaky ny fanjakana”—ireo izay manantena ny hiara-manapaka aminy amim-boninahitra any an-danitra. (Matio 13:36-43). Nanomboka tamin’ny 1919, dia nanome hery ny “sisa” amin’ireo zanaka ireo i Jehovah, mba hiarahany handray anjara amin’ny anjely amin’ilay asa fijinjana. (Apokalypsy 12:17). “Ny zanaky ny fanjakana”, dia ireo voahosotra, rahalahin’i Jesosy, àry no voalohany nangonina. Avy eo, dia mandray anjara amin’ny asa fanangonana fanampiny izy ireo.
13. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny sisa voahosotra?
13 Mandritra izao fotoam-pijinjana izao, dia nanome fanampiana miandalana ho an’ny sisa voahosotra i Jehovah, mba hahatakarany sy hampiharany ny Teniny, ny Baiboly. Izany koa dia anisan’ny nanandratra ny fivavahana madio. Na dia ‘manarona ny tany aza ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito’, ny voahosotra kosa dia “mamirapiratra toy ny mpanazava” eo anivon’ny olombelona, satria nodiovin’i Jehovah sy narendriny. (Isaia 60:2; Filipiana 2:15, NW ). ‘Feno ny fahalalana tsara ny sitrapony amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny fanahy’ ireo voahosotry ny fanahy ireo, ka ‘mamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy’.—Kolosiana 1:9; Matio 13:43.
14, 15. Ankoatra ny fanangonana ny “zanaky ny fanjakana”, fanangonana inona koa no efa niseho, ary ahoana no nanambaran’i Hagay izany mialoha?
Jaona 10:16; Apokalypsy 21:3, 4). Nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia niseho izy ireo, an’arivony maro aloha, avy eo dia ana hetsiny maro, ary ankehitriny dia an-tapitrisany maro! Tao amin’ny fahitana iray nomena ny apostoly Jaona, dia nolazaina ho “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, izy ireo.—Apokalypsy 7:9.
14 Ambonin’izany, dia nisy hafa koa nitanjozotra nankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”. Nantsoin’i Jesosy hoe ny ‘ondriny hafa’ izy ireo, izay manantena ny hiaina mandrakizay eto amin’ny tany zary paradisa. (15 Nanambara mialoha ny hisehoan’ireo olona betsaka ireo i Hagay mpaminany. Hoy ny nosoratany: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka [tsy maintsy hiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra, NW ] [ireo izay manatevin-daharana ny Kristianina voahosotra ao amin’ny fivavahana madio]; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Hagay 2:6, 7). Ny fisian’ireo “olona betsaka” mbola mihamitombo isa ireo sy ny an’ireo namany voahosotra, dia manandratra, eny, manome voninahitra ny fivavahana madio ao amin’ny tranon’i Jehovah. Mbola tsy nisy olona be dia be toy izao tokoa hatramin’izay, fantatra ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina, ka izany dia manome voninahitra an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nomeny fiandrianana. Hoy ny nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Ny fahabetsahan’ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka”.—Ohabolana 14:28.
Fisandratan’ny fanompoam-pivavahana eo amin’ny fiainan’ny olona
16-18. Fiovana inona avy no nataon’ny sasany mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba azo ekena?
16 Mendrika ny hahazo ny voninahitra rehetra i Jehovah, noho ny fisandratan’ny fivavahana madio amin’izao androntsika izao. 1 Korintiana 6:9-11.
Na dia izany aza, ireo izay manatona azy dia manana tombontsoa handray anjara amin’io asa io. Toy ny ilana ezaka mba hianihana tendrombohitra, dia toy izany koa fa mila ezaka ny fianarana sy ny fanarahana ireo fari-pitsipika marin’Andriamanitra. Toy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny dia namela ny fomba fiaina sy ny fanao tsy mifanaraka amin’ny fivavahana marina. Nisy mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, mpangalatra, mpierina, mpimamo ary hafa koa nanova ny fiainany, ka efa “voasasa” eo imason’Andriamanitra.—17 Mampiseho tsara izany ny fiainan’ny vehivavy tanora iray, izay nanoratra hoe: “Very fanantenana aho taloha. Naloto fitondran-tena sy nimamo aho, ary nahazo aretina avy amin’ny firaisana. Nivarotra zava-mahadomelina koa aho, ary tsy niraharaha na inona na inona tsotra izao.” Rehefa avy nianatra ny Baiboly izy, dia nanao fiovana goavana, mba hanarahana ireo fari-pitsipik’Andriamanitra. Hoy izy ankehitriny: “Manana fiadanan-tsaina aho izao, manaja ny tenako, manana fanantenana ny amin’ny hoavy, sy tena fianakaviana, ary ny tsara indrindra amin’ny rehetra, dia fifandraisana amin’i Jehovah, Raintsika.”
18 Na dia efa mijoro ho olona ankasitrahana eo anoloan’i Jehovah aza ny mpanompony, izy rehetra dia tsy maintsy manohy manandratra ny fivavahana madio, amin’ny famelana azy io hibahana eo amin’ny fiainany. An’arivony taona maro lasa izay, tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah dia nilaza ny fatokisany fa hisy vahoaka sesehena amin’izao andro izao ho dodona hanao ny fanompoam-pivavahana aminy ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Anisan’izy ireny ve ianao?
Vahoaka iray ampianarina ny lalan’i Jehovah
19, 20. Inona no ampianarina ny vahoakan’Andriamanitra, ary aiza?
19 Nilaza zavatra hafa koa momba ireo izay manaiky ny fivavahana madio amin’izao andro izao i Isaia. Hoy izy: “Maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’Isaia 2:3.
ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.” —20 Tsy mamela ny vahoakany hirenireny toy ny ondry very i Jehovah. Amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, dia mampita amin’izy ireo ny ‘lalàny’ sy ny ‘teniny’ izy, mba hianaran’izy ireo momba ny lalany. Manomana azy ireo ‘handeha amin’ny atorony’ io fahalalana io. Amin’ny fo feno fankasitrahana, ary mifanaraka amin’ny fitarihan-dalan’Andriamanitra, dia mifampiresaka momba ireo lalan’i Jehovah izy ireo. Miara-miangona izy ireo any amin’ny fivoriambe sy any amin’ny fivoriana kely kokoa—ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy ao an-tokantranon’olona—mba hihaino sy hianatra ireo lalan’Andriamanitra. (Deoteronomia 31:12, 13). Amin’izany izy ireo dia manahaka ilay modely navelan’ny Kristianina tany am-boalohany, izay niara-nivory mba hifampahery sy hifandrisika, mba hitombo amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara”.—Hebreo 10:24, 25.
21. Asa inona no andraisan’ny mpanompon’i Jehovah anjara?
21 Manasa ny hafa izy ireo mba “hiakatra” ho any amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra, izay nasandratra. Izany ka mifanaraka tsara amin’ilay baiko nomen’i Jesosy ny mpianany, taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra! Hoy izy tamin’izy ireo: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Manana ny fanohanan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mankatò izany ary mamakivaky ny tany, mampianatra sy manao mpianatra, ary manao batisa azy ireo.
Ny sabatra ho fangady
22, 23. Inona no nambaran’ny Isaia 2:4 mialoha, ary inona no nolazain’ny manam-pahefana iray ao amin’ny ONU momba izany?
22 Izao isika dia tonga eo amin’ny andininy manaraka, dia ilay hita misoratra eo amin’ilay rindrina eo amin’ny kianjan’ny ONU ny tapany aminy. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Hitsara ny adin’ny jentilisa Izy ka hampiaiky firenena maro; dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny Isaia 2:4.
firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.”—23 Tsy zavatra mora ny fanatanterahana izany. Nilaza toy izao i Federico Mayor, tale jeneralin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina, indray mandeha: “Ny zava-maharikoriko rehetra amin’ny ady, izay aharihary amintsika ankehitriny amin’ny alalan’ny haino aman-jery, dia toa tsy afaka misakana ny fandroson’ireo fitaovam-piadiana tsy toko tsy forohana, izay namboarina sy nokojakojaina nandritra ny taonjato maro. Ireo taranaka ankehitriny dia manana ilay asa araka ny Soratra Masina mila tsy ho vita, dia ny ‘hanefy ny sabany ho fangady’ sy ny hanolo ny fironana hiady—nokolokoloina hatramin’ny fahagolan-tany—amin’ny faniriana fihavanana. Ny fanatratrarana izany no ho zavatra tsara indrindra sy mendrika indrindra ho vitan’ilay ‘vohitra maneran-tany’, no sady ho lova tsara indrindra ho an’ny taranatsika.”
24, 25. Eo amin’iza no tanteraka ny tenin’i Isaia, ary amin’ny fomba ahoana?
24 Ireo firenena amin’ny fitambarany dia tsy hahatratra na oviana na oviana an’io zava-kendrena mendri-kaja io. Tsy ho tratran’ny heriny tsotra izao izy io. Ny isam-batan’olona avy amin’ny firenena maro ary tafaray ao amin’ny fivavahana madio, no hanatanteraka ireo tenin’i Isaia ireo. ‘Namerin-javatra tamin’ny laoniny’ teo amin’izy ireo i Jehovah. Nampianatra ny vahoakany hiaina amim-pihavanana eo amin’izy samy izy, izy. Eny tokoa, eo anivon’ny tontolo iray misara-bazana sy rotidrotiky
ny ady, dia ‘nanefy ny sabany ho fangady ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka’, amin’ny heviny ara-panoharana, izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana?25 Voalohany aloha, dia tsy miandany na amin’iza na amin’iza izy ireo, eo amin’ny adin’ireo firenena. Fotoana fohy talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, dia nisy lehilahy nitam-piadiana tonga hisambotra azy. Rehefa nitsambikina hamely tamin’ny sabany mba hiarovana ny Tompony i Petera, dia hoy i Jesosy taminy: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52). Hatramin’izay, dia nanefy ny sabany ho fangady ireo mpanara-dia an’i Jesosy, ary niezaka tsy handray fiadiana mba hamonoana ny mpiara-belona aminy, na hanohanana ny ady tamin’ny fomba hafa. ‘Miezaka mitady fihavanana amin’ny olona rehetra’ izy ireo.—Hebreo 12:14.
Fiezahana mitady ny lalan’ny fihavanana
26, 27. Ahoana no ‘itadiavan’ny vahoakan’Andriamanitra fihavanana sy anarahany azy’? Manomeza ohatra iray.
26 Mihoatra lavitra noho ny fandavana tsy handray anjara amin’ny ady ny fihavanan’ny vahoakan’Andriamanitra. Na dia any amin’ny tany maherin’ny 230, ary ahitana fiteny sy kolontsaina tsy hita isa, aza izy ireo, dia mihavana. Hita eo amin’izy ireo ny fahatanterahana maoderin’ireo tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany, manao hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). “Mpampihavana” ny Kristianina amin’izao andro izao. (Matio 5:9). ‘Mitady fihavanana’ izy ireo ka ‘manaraka azy’. (1 Petera 3:11). Ny manohana azy ireo amin’izany dia i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fiadanana”.—Romana 15:33.
27 Misy ohatra manaitra mafy maro ny amin’ny olona nianatra ny ho mpampihavana. Hoy ny nosoratan’ny lehilahy tanora iray momba ny fiainany fony izy mbola kely: “Ny toe-javatra sarotra niainako dia nampianatra ahy hiaro tena. Nahatonga ahy ho masiaka sy ho tezitra tamin’ny fiainana izany. Niady foana aho tamin’ny farany. Isan’andro aho dia niady tamin’ny ankizy
hafa teo amin’ny manodidina, indraindray tamin’ny totohondry, indraindray tamin’ny vato na tavoahangy. Nanjary nahery setra be aho.” Tamin’ny farany anefa, dia nanaiky ilay fanasana hankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” izy. Nianatra ny lalan’Andriamanitra izy, ary tonga mpanompon’Andriamanitra tia fihavanana.28. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina miezaka mitady fihavanana?
28 Tsy nahery setra toy izany ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah taloha. Na izany aza, na dia amin’ny zavatra heverina ho madinika aza—fanehoana hatsaram-panahy, famelan-keloka, fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa—dia miezaka ny hampandroso ny fihavanany amin’ny hafa izy ireo. Na dia tsy tanteraka aza izy ireo, dia miezaka mafy hampihatra ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny sasany’.—Kolosiana 3:13.
Hoavy feno fiadanana
29, 30. Inona no zavatra tsinjo fa hisy eto an-tany?
29 Nanao zavatra iray mahatalanjona i Jehovah tamin’izao ‘atỳ am-parany’ izao. Nanangona avy tamin’ny firenena rehetra, olona maniry ny hanompo azy, izy. Nampianatra azy ireo handeha eo amin’ny lalany, dia ny lalan’ny fiadanana, izy. Ireo no ho tafita velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy, ka hiditra ao amin’ny tontolo vaovao feno fiadanana izay tsy hahitana ady mandrakizay.—Apokalypsy 7:14.
30 Tsy hisy sabatra—fitaovam-piadiana—intsony. Hoy ny nosoratan’ny mpanao salamo momba io fotoana io: “Avia, jereo ny asan’i Jehovah, Izay mahatonga faharavana etỳ an-tany. Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” (Salamo 46:8, 9). Noho izany fahatsinjovan-javatra izany, dia mety ankehitriny, toy ny tamin’ny fotoana nanoratany azy, izao fananaran’i Isaia izao: “Ry taranak’i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.” (Isaia 2:5). Eny, aoka hanazava ny alehantsika ankehitriny ny fahazavan’i Jehovah, dia handeha eo amin’ny lalany mandrakizay isika.—Mika 4:5.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 6 Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, toko faha-9, “ ‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Fanontaniana]