Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Nianjera i Babylona!”

“Nianjera i Babylona!”

Toko Fahafito Ambin’ny Folo

“Nianjera i Babylona!”

Isaia 21:1-17

1, 2. a) Inona no loha hevitra ankapoben’ny Baiboly, nefa loha hevitra lehibe fanampiny inona no hita ao amin’ny Isaia? b) Ahoana no amelabelaran’ny Baiboly ny loha hevitra momba ny fianjeran’i Babylona?

NY BAIBOLY dia azo ampitahaina amin’ny mozika malaza iray, izay misy loha hevitra lehibe iray sy loha hevitra madinika kokoa, izay ampidirina mba hanamafisana ny toetra miavak’ilay fitambarana. Toy izany koa fa manana loha hevitra lehibe iray ny Baiboly​—ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny alalan’ny fanapahan’ilay Fanjakana Mesianika. Manana loha hevitra lehibe maro hafa miverimberina koa anefa izy. Iray amin’izany ny fianjeran’i Babylona.

2 Nampidirina voalohany io loha hevitra io tao amin’ny Isaia toko faha-13 sy 14. Miverina indray izy io ao amin’ny toko faha-21 ary koa ao amin’ny toko faha-44 sy 45. Zato taona tatỳ aoriana, dia namelabelatra io loha hevitra io ihany koa i Jeremia, ary ny bokin’ny Apokalypsy dia mitondra azy io ho amin’ny famaranana makotroka. (Jeremia 51:60-64; Apokalypsy 18:1–19:4). Ny mpianatra ny Baiboly rehetra tsy manao kitoatoa dia mila mihevitra io loha hevitra lehibe fanampiny ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io. Manampy antsika amin’izany ny Isaia toko faha-21, izay manome tsipiriany mahavariana maro momba ny fianjeran’io firenena natanjaka io nambara mialoha. Ao aoriana, dia ho hitantsika fa manamafy loha hevitra ara-baiboly lehibe iray hafa ny Isaia toko faha-21​—izay hanampy antsika hanombana raha mailo tsara isika Kristianina amin’izao andro izao.

“Fahitana mampahory”

3. Nahoana i Babylona no nomena ny anarana hoe “Efitra Ranomasina”, ary milaza inona momba ny hoaviny izy io?

3 Manomboka amin’izao filazana loza izao ny Isaia toko faha-21: “Faminaniana ny amin’ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon’ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin’ny tany mahatahotra.” (Isaia 21:1). Teo amin’ny andaniny roa tamin’ny Ony Eofrata no nisy an’i Babylona, ka ny faritra atsinanana taminy dia teo anelanelan’ireo ony lehibe roa, dia i Eofrata sy i Tigra. Lavidavitra ny ranomasina no nisy azy io. Koa nahoana izy no nantsoina hoe “Efitra Ranobe”, na hoe “Efitra Ranomasina” (fanamarihana ambany pejy)? Satria isan-taona, dia nisy tondra-drano tao amin’ny faritr’i Babylona, ka nahatonga ‘ranomasin-keniheny’ nidadasika. Kanefa, nahafehy an’io efitra feno rano io ny Babylonianina, tamin’ny fanamboarana tohodrano sy vavahadin-drano ary lakandrano nifampidipiditra be dia be. Nahay nampiasa ireo rano ireo ho fiarovana ilay tanàna izy ireo. Na izany aza, dia tsy hisy ezak’olombelona hahavonjy an’i Babylona amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. Efitra izy taloha, ary dia ho tonga efitra indray. Ho tratran’ny loza izy, dia loza izay niforona toy ny iray amin’ireo tafio-drivotra mahery vaika mamely tsindraindray an’i Isiraely avy any amin’ilay efitra mahatahotra eo atsimo.​—Ampitahao amin’ny Zakaria 9:14.

4. Ahoana no iresahan’ilay fahitan’ny Apokalypsy momba an’i “Babylona Lehibe”, ny amin’ny “rano” sy ny “efitra”, ary mampiseho inona ireo “rano”?

4 Araka ny nianarantsika tao amin’ny toko faha-14 amin’ity boky ity, i Babylona fahizay dia manana ny mifanitsy aminy ankehitriny​—i “Babylona Lehibe”, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Ao amin’ny Apokalypsy, dia misy resaka “efitra” sy “rano” koa ny filazalazana momba an’i Babylona Lehibe. Nentina tany amin’ny efitra iray ny apostoly Jaona, mba hampisehoana an’i Babylona Lehibe. Nilazana izy fa “mipetraka eny ambonin’ny rano maro”, izay mampiseho “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”, izy io. (Apokalypsy 17:1-3, 5, 15). Ny fanohanan’ny sarambabem-bahoaka foana no tena nahatonga ny fivavahan-diso tsy ho faty, nefa tsy hiaro azy ireo “rano” ireo amin’ny farany. Sahala amin’ilay nifanitsy taminy fahiny, dia ho foana sy hilaozana ary ho lao izy amin’ny farany.

5. Ahoana no nahatongavan’i Babylona ho nalaza ho “mpamitaka” sy “mpandringana”?

5 Tamin’ny andron’i Isaia, dia mbola tsy ny fanjakana natanjaka indrindra naneran-tany i Babylona, nefa efa hitan’i Jehovah mialoha sahady fa, rehefa ho tonga izany fotoana izany, dia hanararaotra ny fahefany izy. Nanohy ny teniny toy izao i Isaia: “Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana.” (Isaia 21:2a). Tena handringana sy hamitaka an’ireo firenena horeseny tokoa i Babylona, anisan’izany i Joda. Handroba an’i Jerosalema ny Babylonianina, ka hamabo ny tempoliny ary hitondra ny vahoakany any Babylona. Any, ireo babo tsy hanam-piarovana ireo dia hoentina amim-pitaka, sy hesoina noho ny finoany, ary tsy homena fanantenana ny hody any an-tanindrazany.​—2 Tantara 36:17-21; Salamo 137:1-4.

6. a) Fisentoana inona no hofaranan’i Jehovah? b) Firenena iza avy no nambara mialoha fa hanafika an’i Babylona, ary ahoana no hahatanterahan’izany?

6 Eny, tena mendrika tsara an’io “fahitana mampahory” io i Babylona, ka fotoan-tsarotra ho azy no ho dikan’izany. Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: [Miakara, ry Elama ô! Manaova fahirano, ry Media ô, “NW” ]! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.” (Isaia 21:2b). Hahazo fahamaivamaivanana ireo nampahorin’io empira mpamitaka io. Ela ny ela ka hifarana ny fisentoan’izy ireo! (Salamo 79:11, 12). Amin’ny alalan’ny inona no hahatongavan’io fahamaivamaivanana io? Manonona firenena roa, izay hanafika an’i Babylona, i Isaia: i Elama sy i Media. Roanjato taona atỳ aoriana, amin’ny 539 al.f.i., dia hitarika ny tafika mitambatry ny Persanina sy ny Medianina hamely an’i Babylona, i Kyrosy Persanina. Raha ny amin’i Elama kosa, dia ho efa nanana faritra iray, fara fahakeliny, tao amin’io tany io ireo mpanjaka persanina, talohan’ny 539 al.f.i. * Nisy Elamita àry tao amin’ireo tafika persanina.

7. Inona no vokatr’ilay fahitana azon’i Isaia, teo amin’ny tenany, ary midika ho inona izany?

7 Mariho ny fomba nilazan’i Isaia ny vokatr’io fahitana io teo amin’ny tenany. “Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ny vehivavy raha miteraka; niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; tora-kovitra aho ka tsy nahita izany. Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.” (Isaia 21:3, 4). Toa nankafy an’ilay somambisamby iny, dia ilay fotoam-pandinihan-javatra amim-pahatoniana, ilay mpaminany. Tsy nahita fahafinaretana intsony anefa izy, rehefa tonga ny alina, izay tsy nitondra afa-tsy tahotra sy fanaintainana ary fangovitana. Niharan’ny fijalijaliana toy ny an’ny vehivavy miteraka izy, ary ‘niemponempona ny fony’. Nandika an’io teny io hoe “midobodoboka mafy ny foko” ny manam-pahaizana iray, ary nilaza fa manondro “fitepon’ny fo haingam-be sady mitsitapitapy” izy io. Nahoana i Isaia no ory toy izany? Miharihary fa ara-paminaniana ny fihetseham-pony. Amin’ny alin’ny 5/6 Oktobra 539 al.f.i., dia hiharan’ny horohoro hitovy amin’izany ny Babylonianina.

8. Araka ilay faminaniana, nanao ahoana ny fihetsiky ny Babylonianina, na dia efa teo ivelan’ireo manda aza ny fahavalony?

8 Rehefa tonga ny haizina tamin’io alina nitondra loza io, dia lavitra ny sain’ny Babylonianina ny hoe horohoro. Roanjato taona mialoha, dia efa naminany i Isaia hoe: “Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona”. (Isaia 21:5a). Eny, nanao fanasam-be i Belsazara, ilay mpanjaka nizahozaho. Nalamina ny toerana hipetrahan’ireo mpanolo-tsainy arivo, sy ireo vadiny sy vady tsindranony maro be. (Daniela 5:1, 2). Fantatr’ireo mpanao fety fa nisy tafika teo ivelan’ireo mandany, nefa nino izy ireo fa tsy nety resy ny tanànany. Ireo rindriny natevim-be sy hady voriny lalina dia toa nahatonga azy io ho tsy nety ho azo; ireo andriamaniny maro be dia nahatonga izany ho tsy azo noeritreretina. Koa aoka ‘hihinana sy hisotro’! Nanjary mamo i Belsazara, ary tsy izy irery angamba. Toa domelina ireo manamboninahitra ambony, satria nilaina notairina, araka ny asehon’ireo teny ara-paminanian’i Isaia manaraka.

9. Nahoana no nanjary nilaina ny ‘nanosotra ny ampinga’?

9 “Mitsangàna, hianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!” (Isaia 21:5b). Tampoka teo, dia tapaka ilay lanonana. Tsy maintsy nitsangana ireo andriana. Nampanantsoina i Daniela, ilay mpaminany efa be taona, izay nahita ny nandatsahan’i Jehovah horohoro nitovy tamin’izay nolazain’i Isaia, tamin’i Belsazara, ilay mpanjaka babylonianina. Latsaka tao anatin’ny fisafotofotoana ireo mpanolo-tsain’ilay mpanjaka, rehefa novakin’ireo tafika nitambatry ny Medianina sy ny Persanina ary ny Elamita, ireo fiarovan’ilay tanàna. Nianjera avy hatrany i Babylona! Inona anefa no hevitry ny hoe “hosory ny ampinga”? Indraindray ny Baiboly dia miantso ny mpanjakan’ny firenena iray hoe ny ampingany, satria izy no mpiaro an’ilay tany. * (Salamo 89:18). Koa azo inoana àry fa naminany ny amin’ny hilana mpanjaka vaovao iray io andinin-teny ao amin’ny Isaia io. Nahoana? Satria “tamin’io alina io ihany”, dia novonoina i Belsazara. Noho izany, dia nilaina ny ‘nanosotra ny ampinga’, na nanendry mpanjaka vaovao iray.​—Daniela 5:1-9, 30.

10. Fampiononana inona no azon’ny mpanompon’i Jehovah raisina avy amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia momba ilay mpamitaka?

10 Izay rehetra tia ny fivavahana marina dia mahita fampiononana avy amin’io fitantarana io. I Babylona Lehibe, ilay Babylona maoderina, dia mpamitaka sady mpandringana toy ilay nifanitsy taminy fahiny ihany. Mandraka ankehitriny, ireo mpitondra fivavahana dia miara-mioko mba hahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah ho voarara, henjehina na hitakiana hetra fanasaziana. Araka ny ampahatsiahivin’io faminaniana io amintsika anefa, dia hitan’i Jehovah avokoa ny famitahana rehetra toy izany, ary tsy havelany tsy ho voasazy. Hofaranany ny fivavahana rehetra izay mampiseho azy amin’ny fomba diso sy mitondra ny vahoakany amin’ny fomba ratsy. (Apokalypsy 18:8). Mety hisy ve ny zavatra toy izany? Mba hampiorenana ny finoantsika, dia tsy mila afa-tsy ny mijery ny efa nahatanterahan’ireo fampitandremany momba ny hianjeran’i Babylona fahiny sy ilay mifanitsy aminy ankehitriny isika.

“Nianjera izy!”

11. a) Inona no andraikitry ny mpiambina, ary iza no mpiambina marisika amin’izao andro izao? b) Inona no asehon’ilay kalesin’ady nisy boriky sy ilay nisy soavaly?

11 Miteny amin’ilay mpaminany izao i Jehovah. Hoy ny tatitra nataon’i Isaia: “Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; ka izay hitany no aoka holazainy.” (Isaia 21:6). Ireo teny ireo dia mampiditra loha hevitra lehibe iray hafa ato amin’ity toko ity​—ny an’ny tily, na mpiambina. Mahaliana ny Kristianina marina rehetra amin’izao andro izao izany, satria i Jesosy dia nampirisika ny mpanara-dia azy mba ‘tsy hitsahatra ny hiambina’. Ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia mbola tsy nitsahatra mihitsy nilaza izay hitany, momba ny fahakekezan’ny andro fitsaran’Andriamanitra sy ireo loza entin’ity tontolo simba tanteraka ity. (Matio 24:42, 45-47, NW ). Inona no hitan’ilay mpiambin’ny fahitan’i Isaia? “Nahita izy ka indreo [kalesin’ady iray nisy soavaly roa, kalesin’ady iray nisy boriky, kalesin’ady iray nisy rameva, “NW” ], — ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino”. (Isaia 21:7). Ireo kalesy tsirairay ireo dia azo inoana fa nampiseho andiana kalesy niara-nandroso ho amin’ny ady, tamin’ny hafainganam-pandehan’ny soavaly voaofana. Ilay kalesy nisy boriky sy ilay kalesy nisy rameva dia nampiseho tsara an’ireo fanjakana roa, dia i Media sy Persia, izay hikambana mba hanomboka ilay fanafihana. Ankoatra izany, ny tantara dia manamarina fa nampiasa boriky sy rameva ny tafika persanina, tamin’ny ady.

12. Toetra tsara inona avy no nasehon’ilay mpiambin’ny fahitan’i Isaia, ary iza no mila ireo toetra ireo amin’izao andro izao?

12 Voatery nanao tatitra àry ilay mpiambina. “Niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina; koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa”. (Isaia 21:8, 9a). Niantsoantso tamin-kerim-po, tamin’ny “feon-diona”, ilay mpiambina tao amin’ny fahitana. Nilana herim-po ny niantsoantso hafatra iray ho fanamelohana firenena nahatahotra iray toa an’i Babylona. Nisy zavatra iray hafa koa notakina​—ny fiaretana. Nijanona teo amin’ny toeram-piambenany andro aman’alina ilay mpiambina, ka tsy namela ny fitandremany hihena mihitsy. Toy izany koa, ny kilasin’ny mpiambina amin’izao andro farany izao dia mila herim-po sy fiaretana. (Apokalypsy 14:12). Mila ireo toetra ireo ny Kristianina marina rehetra.

13, 14. a) Ahoana no niafaran’i Babylona fahiny, ary tamin’ny heviny ahoana no hoe voatorotoro ireo sampiny? b) Tamin’ny fomba ahoana ary oviana i Babylona Lehibe no nianjera toy izany?

13 Ilay mpiambina tao amin’ny fahitan’i Isaia dia nahita kalesin’ady iray nandroso. Inona ilay vaovao? “Nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: [Nianjera izy! Nianjera i Babylona, “NW” ]! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:9b). Tatitra mampientam-po re izany! Ela ny ela ka nianjera io mpandringana sady mpamitaka ny vahoakan’Andriamanitra io! * Amin’ny heviny ahoana anefa no hoe voatorotoro ireo sarin-javatra voasokitr’i Babylona sy ireo sampiny? Moa ve ireo mpanafika medianina sy persanina hitsofoka ao amin’ireo tempolin’i Babylona, ka hanamontsamontsana ireo sampiny tsy toko tsy forohana? Tsia, tsy nilaina ny hanaovana izany. Ho voatorotoro ireo andriamanitra sampin’i Babylona, amin’ny heviny hoe ho voala sarona ho tsy manan-kery hiaro ilay tanàna izy ireo. Ary hianjera i Babylona, amin’ny heviny hoe tsy ho afaka hanohy hampahory ny vahoakan’Andriamanitra izy.

14 Ahoana ny amin’i Babylona Lehibe? Tamin’ny fiokoana ny hampahory ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia tena toy ny hoe nihazona azy ireo an-tsesitany nandritra ny fotoana kelikely izy. Saika nijanona tanteraka ny asa fitorian’izy ireo. Nampidirina an-tranomaizina, noho ny fiampangana lainga, ny prezidà sy ny mpikambana nitana toerana ambony hafa tao amin’ny Fikambanana Watch Tower. Nahitana fitsimbadihan-javatra nanaitra anefa ny taona 1919. Nafahana avy tao an-tranomaizina ireo mpikambana ambony ireo, nosokafana indray ny birao foibe, ary natomboka indray ny asa fitoriana. Nianjera àry i Babylona Lehibe, amin’ny heviny hoe tapaka ny fangejany ny vahoakan’Andriamanitra. * Ao amin’ny Apokalypsy, io fianjerana io dia nambaran’ny anjely iray indroa, tamin’ny fampiasany ireo teny ao amin’ilay fanambarana hita ao amin’ny Isaia 21:9.​—Fanambarana 14:8, NW; 18:2, NW.

15, 16. Tamin’ny heviny ahoana ny firenen’i Isaia no “voavely toy ny vary”, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Isaia teo anatrehan’izy ireo?

15 Mamarana io hafatra ara-paminaniana io amin’ny teny maneho fangoraham-po ho an’ny fireneny, i Isaia. Hoy izy: “Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.” (Isaia 21:10). Ao amin’ny Baiboly, dia matetika ny hoe mively vary no mampiseho ny famaizana sy ny fanadiovana ny vahoakan’Andriamanitra. Ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena dia ho tonga ‘zanaky ny famoloana’ (fanamarihana ambany pejy), dia ilay toerana nampisarahana ny akofa, ka tsy nihazonana afa-tsy ny voa voadio sy faniry. Tsy mifaly noho io famaizana io akory i Isaia. Nangoraka an’ireo ‘zanaky ny famoloana’ ho avy ireo izy, satria ny sasany taminy dia ho babo mandritra ny fiainany manontolo any an-tany hafa.

16 Mety ho fampahatsiahivana hahasoa antsika rehetra izany. Ao amin’ny kongregasiona kristianina ankehitriny, dia mety hisy hirona tsy haneho fangoraham-po intsony amin’ny mpanota. Ary ireo izay mahazo famaizana dia matetika no mety tsy ho faly noho izany. Kanefa, raha mitadidy isika fa manafay ny vahoakany mba hanadiovana azy, i Jehovah, dia sady tsy hanamaivana ilay famaizana sy ireo izay manaiky azy io amim-panetren-tena isika, no tsy hanohitra azy io, rehefa isika no hiharany. Aoka isika hanaiky ny famaizana araka an’Andriamanitra ho toy ny fanehoam-pitiavana avy aminy.​—Hebreo 12:6.

Fanontaniana an’ilay mpiambina

17. Nahoana no mety amin’i Edoma ilay anarana hoe “Doma”?

17 Ilay hafatra ara-paminaniana faharoa ao amin’ny Isaia toko faha-21 dia mampisongadina an’ilay mpiambina. Manomboka toy izao izy io: “Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Edoma. Misy miantso ahy any Seïra manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?” (Isaia 21:11). Taiza moa no nisy an’io Edoma, na Doma (fanamarihana ambany pejy), io? Niharihary fa nisy tanàna maromaro nanana an’io anarana io tamin’ny andron’ny Baiboly, saingy tsy nisy na iray tamin’ireo aza noresahina teto. Tsy tany Seïra, izay anarana hafa ho an’i Edoma, no nisy an’i Doma. Kanefa ny hoe “Doma” dia midika hoe “Fahanginana”. Koa toa nomena anarana manome hevitra momba ny hoaviny àry ilay faritra, toy ny tao amin’ilay faminaniana teo aloha. I Edoma, izay fahavalo ratsy fanahin’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny ela, dia hiafara ao amin’ny fahanginana​—ny fahanginan’ny fahafatesana. Alohan’ny hitrangan’izany anefa, dia hisy hanontany amin-tebiteby momba ny hoavy.

18. Ahoana no nahatanterahan’ilay faminaniana hoe “Avy ny maraina, avy koa ny alina”, teo amin’i Edoma fahiny?

18 Tamin’ny fotoana nanoratana ny Isaia, i Edoma dia nanembantsembana ny lalan’ilay tafika asyrianina nahery. Ta hahafantatra ny fotoana hifaranan’ilay alin’ny fampahoriana azy ireo, ny sasany tao Edoma. Ny valiny? “Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina”. (Isaia 21:12a). Tsy nanambara zavatra tsara ho an’i Edoma ny toe-draharaha. Hisy hangiran-dratsy eny amin’ny faravodilanitra, nefa ho vetivety foana sady hamitaka izany. Handimby avy hatrany ny maraina ny alina​—fotoam-pahoriana manjombona iray hafa. Izany ka sary mety tsara ny amin’ny hoavin’i Edoma! Hifarana ny fampahorian’ny Asyrianina, nefa ho ny fanjakana matanjaka handimby an’i Asyria i Babylona, ary handripaka an’i Edoma. (Jeremia 25:17, 21; 27:2-8). Hiverina indray io tsingerin-javatra io. Hifarana ny fampahorian’ny Babylonianina, ka harahin’ny fampahorian’ny Persanina ary avy eo dia ny an’ny Grika. Avy eo, dia hisy “maraina” vetivety mandritra ny andron’ny Romana, rehefa hahazo fahefana ao Jerosalema ireo Heroda​—izay Edomita. Tsy haharitra anefa io “maraina” io. Amin’ny farany, dia hidina ho ao amin’ny fahanginana mandrakizay i Edoma, tsy ho hita eo amin’ny tantara intsony. Ho anarana hifanentana aminy tsara ny anarana hoe Doma, amin’ny farany.

19. Rehefa nilaza ilay mpiambina hoe “Raha mbola ta-hanontany hianareo, dia manontania ihany; [tongava indray amin’ny fotoana hafa, Kat.]”, inona moa no mety ho tiany holazaina?

19 Mamarana ny hafany fohy amin’ireto teny ireto ilay mpiambina: “Raha mbola ta-hanontany hianareo, dia manontania ihany; [tongava indray amin’ny fotoana hafa, “Fandikan-teny Katolika” ].” (Isaia 21:12b). Ilay teny hoe “tongava indray” dia mety hanondro ireo “alina” hisesy tsy an-kijanona miandry an’i Edoma. Na koa, noho ilay teny azo adika koa hoe “miverena”, dia mety ho te hilaza ilay mpaminany hoe izay Edomita naniry handositra ny fiafaran’ilay firenena dia tokony hibebaka ka ‘hiverina’ ho amin’i Jehovah. Na ahoana na ahoana, dia manasa ny hafa hametraka fanontaniana fanampiny ilay mpiambina.

20. Nahoana ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 20:11, 12, no zava-dehibe amin’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao?

20 Misy heviny lehibe ho an’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro ankehitriny izao io faminaniana fohy io. * Takatsika fa tafalentika lalina ao anatin’ny alina maizin’ny fahajambana ara-panahy sy ny fisarahana amin’Andriamanitra, izay hitarika ho amin’ny fandringanana an’ity fandehan-javatra ity, ny olombelona. (Romana 13:12; 2 Korintiana 4:4). Mandritra izao alina izao, izay fanantenam-piadanana sy fiarovana mamiratra kely entin’ny olombelona dia toy ny fiposahan’ny andro mamitaka, satria arahin’ny andro maizina ihany. Mihamanatona ny tena fiposahan’ny andro​—ny fiposahan’ny andro amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy hanapaka ity tany ity. Raha mbola maharitra ihany anefa ny alina, dia tsy maintsy manaraka ny fitarihan’ny kilasin’ny mpiambina isika, amin’ny fitoerana ho mailo ara-panahy sy amin’ny fanambarana amin-kerim-po ny fahakekezan’ny faran’ity fandehan-javatra simba tanteraka ity.​—1 Tesaloniana 5:6.

Tonga eo amin’ny tany lemaka an’efitra ny alina

21. a) Tsilaolaon-teny inona no mety ho tiana hatao tamin’ilay teny hoe “faminaniana ny amin’ny loza hanjo [an’ilay tany lemaka an’efitra, NW ]”? b) Iza moa ireo andiana mpandranto Dedanita?

21 Navantana tamin’i “Arabia”, na “ny tany lemaka an’efitra” (NW ), ny faminaniana ny amin’ny loza farany ao amin’ny Isaia toko faha-21. Manomboka toy izao izy io: “Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Arabia. Any an-ala any Arabia no andrianareo, ry andian’ny Dedanita.” (Isaia 21:13). Ilay tany lemaka an’efitra resahina eto dia miharihary fa manondro an’i Arabia, satria navantana tamin’ny foko arabo maromaro ilay faminaniana. Ilay teny nadika hoe “tany lemaka an’efitra” indraindray dia adika hoe “hariva”, izay teny mitovy be aminy, amin’ny fiteny hebreo. Misy milaza fa tsilaolaon-teny io, toy ny hoe hisy takariva maizina​—fotoam-pahoriana​—ho tonga amin’io faritra io. Manomboka amin’ny fisehoan-javatra amin’ny alina, ahitana andiana mpandranto Dedanita, izay foko arabo lehibe, ilay faminaniana. Ny andiana mpandranto niara-dia toy izany dia nanaraka lalan’ny mpandranto, nitety ireo tany lonaka an’efitra, ary nitondra zava-manitra sy perla ary zava-tsoa hafa. Eto anefa isika dia mahita fa voatery niala tamin’ireo lalana faleha matetika izy ireo, mba hiafina nandritra ny alina. Fa nahoana?

22, 23. a) Enta-mavesatra inona no hianjady amin’ireo foko arabo, ary inona no ho vokatr’izany eo amin’izy ireo? b) Rahoviana no ho tonga io loza io, ary avy amin’ny tanan’iza?

22 Hoy ny fanazavan’i Isaia: “Itondrana rano ny mangetaheta; ny mponina amin’ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra; fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.” (Isaia 21:14, 15). Eny, hianjady amin’ireo foko arabo ireo ny enta-mavesatry ny ady. I Tema, teo amin’ny iray tamin’ireo tany lonaka voatondraka indrindra tao amin’io efitra io, dia ho voatery hitondra rano sy mofo ho an’ireo mpialokaloka noho ny ady mampalahelo. Rahoviana no ho tonga io fahoriana io?

23 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Ato anatin’ny herintaona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara; ary ny tsipìka sisa izay an’ny lehilahy mahery, taranak’i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely no efa niteny.” (Isaia 21:16, 17). Foko lehibe aoka izany i Kedara, hany ka ampiasaina izy io indraindray mba hilazana an’i Arabia manontolo. Nanapa-kevitra i Jehovah fa ireo mpandefa tsipìka sy ireo lehilahy mahery ao amin’io foko io dia hihena isa, ka vitsy sisa no ho tavela. Rahoviana? “Ato anatin’ny herintaona”, fa tsy mihoatra, toy ny mpikarama iray izay tsy miasa mihoatra noho ny fotoana nanakaramana azy. Tsy azo antoka tsara ny fomba tena nahatanterahan’izany rehetra izany. Mpanapaka asyrianina roa​—i Sargona II sy i Sankeriba​—no samy nilaza ho nifehy an’i Arabia. Samy nety ho naharipaka an’ireo foko arabo niavonavona ireo na ny iray na ny faharoa, araka ny nambara mialoha.

24. Ahoana no ahazoantsika antoka fa tanteraka ny faminanian’i Isaia momba an’i Arabia?

24 Afaka matoky anefa isika fa tanteraka hatramin’ny antsipiriany io faminaniana io. Tsy misy na inona na inona afaka manamafy kokoa an’io hevitra io noho ireo teny mamarana an’io faminaniana io hoe: “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa niteny.” Tamin’ny olona tamin’ny andron’i Isaia, dia nety ho toa tsy azo ninoana ny hoe i Babylona dia hihoatra ho avo noho i Asyria, ary avy eo dia ho voaongana mandritra ny firavoravoana feno fietrena tamin’ny indray alina monja. Nety ho toa tsy azo ninoana toy izany koa ny hoe i Edoma nahery dia hiafara ao anatin’ny fahanginan’ny fahafatesana, na ny hoe ho tonga amin’ireo foko arabo nanankarena ny alin’ny fahasahiranana sy ny tsy fisian-kanina. Nilaza anefa i Jehovah fa hitranga izany, ary dia izany tokoa no nitranga. Ankehitriny, dia milaza amintsika i Jehovah fa ho tsinontsinona ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Tsy hoe zavatra mety hitranga fotsiny izany, fa zavatra azo antoka fa hitranga. I Jehovah mihitsy no nilaza izany!

25. Ahoana no ahazoantsika manahaka ny ohatr’ilay mpiambina?

25 Aoka àry isika ho toy ilay mpiambina. Aoka isika ho mailo hatrany, toy ny hoe eo amin’ny tilikambo avo be iray, ka mitily ny faravodilanitra mba hahitana izay famantarana rehetra milaza loza mananontanona. Aoka isika hiara-dia akaiky amin’ilay kilasin’ny mpiambina mahatoky, dia ireo Kristianina voahosotra sisa tavela eto an-tany ankehitriny. Aoka isika hiaraka amin’izy ireo, amin’ny fiantsoantsoana amin-kerim-po izay hitantsika​—ny porofo tondraka fa efa manapaka any an-danitra i Kristy, fa tsy ho ela dia hofaranany ilay alina lava sady maizina nisy ny olombelona, noho izy ireo tafasaraka tamin’Andriamanitra, ary koa fa aorian’izay dia hitondra ilay tena fiposahan’ny andro izy, dia ny Fanjakana Arivo Taona izay hanapaka ny tany zary paradisa!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Indraindray dia nantsoina hoe “Mpanjakan’i Anshan”​—faritra na tanàna iray tany Elama​—i Kyrosy, mpanjaka persanina. Ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Isaia​—taonjato fahavalo al.f.i.​—dia nety ho tsy nahafantatra an’i Persia, nefa nahafantatra an’i Elama. Izany no mety hanazava ny antony nanononan’i Isaia an’i Elama, fa tsy an’i Persia.

^ feh. 9 Mpanazava ny Baiboly maro no mihevitra fa ny teny hoe “hosory ny ampinga” dia manondro ilay fanaon’ny miaramila fahiny nanisy diloilo ireo ampinga hoditra, talohan’ny ady, mba hampisolifatra fotsiny ny ankamaroan’ireo famelezana. Na dia mety ho azo ekena aza izany hevitra izany, dia tokony homarihina fa tamin’ny alina nianjeran’ilay tanàna, dia zara raha nanana fotoana hiadiana ireo Babylonianina, mainka moa fa mba hiomanana ho amin’ny ady, tamin’ny fanosorana menaka ny ampingany!

^ feh. 13 Araka ny marina aoka izany ny faminanian’i Isaia momba ny fianjeran’i Babylona, hany ka namorona hevitra ny mpanao tsikera ny Baiboly sasany hoe tsy maintsy ho nosoratana taorian’ilay fisehoan-javatra izy io. Nanamarika anefa i F. Delitzsch, manam-pahaizana momba ny fiteny hebreo, fa tsy mila manombantombana toy izany isika, raha manaiky fa mety hahazo tsindrimandry hilaza fisehoan-javatra an-jatony taona maro mialoha ny mpaminany iray.

^ feh. 14 Jereo Ny Fanambarana​—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy 164-169.

^ feh. 20 Nandritra ireo 59 taona voalohany nanontana azy, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana dia nahitana ny Isaia 21:11 teo amin’ny fonony. Io andinin-teny io koa no loha hevitry ny sermona farany nosoratan’i Charles T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy eo aloha.)

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 219]

‘Hihinana sy hisotro ny olona’

[Sary, pejy 220]

“Niantso nanao feon-diona” ilay mpiambina

[Sary, pejy 222]

“Izaho mijanona mandrakariva (...) nony antoandro, ary (...) mandritra ny alina”