Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray

Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray

Toko Fahasivy Amby Roapolo

Novalian-tsoa ny Finoan’ny Mpanjaka Iray

Isaia 36:1–39:8

1, 2. Ahoana no nisehoan’i Hezekia ho mpanjaka tsara kokoa noho i Ahaza?

DIMY amby roapolo taona i Hezekia, fony izy tonga mpanjakan’ny Joda. Ho mpanapaka hanao ahoana moa izy? Moa ve izy hanara-dia an’i Ahaza Mpanjaka, rainy, ka hitarika ny olom-peheziny hanaraka andriamani-diso? Sa kosa izy hitarika ilay vahoaka teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah, toa an’i Davida Mpanjaka, razambeny?​—2 Mpanjaka 16:2.

2 Tsy ela taorian’ny niakaran’i Hezekia teo amin’ny seza fiandrianana, dia nazava fa ny fikasany dia ny ‘hanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah’. (2 Mpanjaka 18:2, 3). Tamin’ny taona voalohany nanjakany, dia nandidy ny hanamboarana ny simba tamin’ny tempolin’i Jehovah sy ny hanohizana indray ny fanompoana tao amin’ny tempoly, izy. (2 Tantara 29:3, 7, 11). Avy eo, dia nandamina fankalazana ny Paska nanetriketrika iray izy, ka ilay firenena manontolo no nasaina​—anisan’izany ireo foko folon’ny Isiraely tany avaratra. Izany ka fety tsy hay hadinoina! Tsy nisy toa azy, hatramin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.​—2 Tantara 30:1, 25, 26.

3. a) Zavatra inona no nataon’ny mponin’i Isiraely sy i Joda, izay nanatrika ilay Paska nalamin’i Hezekia? b) Fianarana inona no raisin’ny Kristianina avy amin’ilay zavatra hentitra nataon’ireo izay nanatrika iny Paska iny?

3 Rehefa nifarana ilay fankalazana ny Paska, ireo mpanatrika dia voatosika handrodana ireo tsato-kazo masina sy hanorotoro ireo tsangambaton-tsampy ary handrava ireo fitoerana avo sy alitaran’ny andriamani-disony, ary avy eo dia niverina tany amin’ny tanànany izy ireo, tapa-kevitra ny hanompo an’ilay Andriamanitra marina. (2 Tantara 31:1). Endrey ny fifanoheran’izany tamin’ny fihetsika narahiny teo aloha! Afaka mandray fianarana avy amin’izany ny Kristianina marina ankehitriny, dia ny hoe zava-dehibe ny tsy ‘hahafoizantsika ny fiarahantsika miangona’. Ny fiarahany mivory toy izany, na ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana izany, na any amin’ireo fivoriambe, dia manana anjara asa tena lehibe, satria andraisany fampaherezana ary manosika azy “hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara”, noho ilay fianakavian’ny mpirahalahy sy ny fanahin’Andriamanitra.​—Hebreo 10:23-25.

Voasedra ny finoany

4, 5. a) Ahoana no nampisehoan’i Hezekia ny tsy fiankinany tamin’i Asyria? b) Inona no nataon’ny miaramilan’i Sankeriba tamin’i Joda, ary dingana inona avy no nataon’i Hezekia mba hisorohana ny fanafihana an’i Jerosalema avy hatrany? d) Ahoana no niomanan’i Hezekia mba hiarovana an’i Jerosalema tamin’ny Asyrianina?

4 Nisy fisedrana lehibe maro niandry an’i Jerosalema. Nivadika tamin’ny fanekena iray izay nifanaovan’i Ahaza tamin’ny Asyrianina, i Hezekia. Nampanompo ny Filistinina, izay naman’i Asyria, mihitsy aza izy. (2 Mpanjaka 18:7, 8). Nampahatezitra ny mpanjakan’i Asyria izany. Noho izany no amakiantsika hoe: “Tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.” (Isaia 36:1). Angamba nanantena ny hiaro an’i Jerosalema tamin’ny fanafihana tampoka hataon’ny tafika asyrianina tsy nisy indrafo i Hezekia, ka nanaiky handoa hetra goavana tamin’i Sankeriba​—talenta volafotsy 300 sy talenta volamena 30. *​—2 Mpanjaka 18:14.

5 Koa satria tsy ampy ny volamena sy ny volafotsy tao amin’ny rakitry ny mpanjaka mba handoavana ilay hetra, dia naka izay metaly sarobidy azony nalaina avy tamin’ny tempoly i Hezekia. Narodany koa ireo varavaran’ny tempoly, izay voarakotra volamena, ary nalefany tany amin’i Sankeriba. Nahafa-po an’ilay Asyrianina izany, nefa vetivety foana. (2 Mpanjaka 18:15, 16). Miharihary fa takatr’i Hezekia fa tsy hamela an’i Jerosalema amin’izao ela be ny Asyrianina. Noho izany, dia tsy maintsy nanao fanomanana izy. Notampenan’ny vahoaka ireo loharano izay nety ho nanome rano ho an’ireo Asyrianina nanafika. Nohamafisin’i Hezekia koa ireo fiarovana mafin’i Jerosalema, ary nanorina fitaovam-piadiana maro isan-karazany izy, anisan’izany ny “lefona aman-ampinga betsaka”.​—2 Tantara 32:4, 5.

6. Tamin’iza no nametrahan’i Hezekia ny fitokisany?

6 Kanefa, nametraka ny fitokisany, tsy tamin’ny tetikady feno hafetsena na tamin’ny fiarovana mafy, i Hezekia, fa tamin’i Jehovah, Tompon’ny tafika. Nananatra ny mpifehy miaramilany toy izao izy: “Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’i Asyria sy ny hamaroan’ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika.” Nankatò ny vahoaka, ka “niankina tamin’ny tenin’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda”. (2 Tantara 32:7, 8). Alao sary an-tsaina ireo fisehoan-javatra nampientam-po nanaraka izany, eo am-pandinihana ny toko faha-36 ka hatramin’ny faha-39 amin’ny faminanian’i Isaia.

Nandroso ny heviny i Rabsake

7. Iza moa i Rabsake, ary nahoana izy no nirahina ho any Jerosalema?

7 Naniraka an’i Rabsake (izay anaram-boninahitra miaramila, fa tsy anaran’olona manokana), sy olo-manan-kaja roa hafa, ho any Jerosalema i Sankeriba, mba hitakiana an’ilay tanàna hitolo-batana. (2 Mpanjaka 18:17). Solontenan’i Hezekia telo no nihaona tamin’izy ireo teo ivelan’ny mandan’ny tanàna, dia i Eliakima, mpiandraikitra ny tao an-dapan’i Hezekia, sy i Sebna, mpitan-tsoratra, ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.​—Isaia 36:2, 3.

8. Ahoana no nanandraman’i Rabsake handrava ny fanoheran’i Jerosalema?

8 Tsotra ny zava-nokendren’i Rabsake​—hampiaiky an’i Jerosalema mba hanaiky ho resy, tsy niady. Niteny tamin’ny teny hebreo izy, ka nihiaka toy izao aloha: “Inona moa izato itokianao? (...) Iza no itokianao, no miodina amiko hianao?” (Isaia 36:4, 5). Avy eo, dia nihantsy an’ireo Jiosy raiki-tahotra i Rabsake, tamin’ny fampahatsiahivana taminy fa nitokana tanteraka izy ireo. Tany amin’iza no nahafahany nitodika, mba hahazoana fanohanana? Tany amin’i Ejipta, ilay “tehina volotara torotoro”, ve? (Isaia 36:6). Tamin’izay fotoana izay, dia tena toy ny tehina volotara torotoro tokoa i Ejipta; raha ny marina aza, io fanjakana natanjaka taloha io dia resin’i Etiopia vetivety, ary ilay Faraon’i Ejipta izao, i Tiraka Mpanjaka, dia tsy ejipsianina, fa etiopianina. Kely foana sisa dia ho resin’i Asyria izy. (2 Mpanjaka 19:8, 9). Koa satria tsy nahavonjy ny tenany i Ejipta, dia tsy hitondra fanampiana firy ho an’i Joda.

9. Inona no toa nanosika an’i Rabsake hanatsoaka hevitra hoe handao ny vahoakany i Jehovah, nefa inona no tena izy?

9 Izao i Rabsake dia nandroso hevitra hoe tsy hiady ho an’ny vahoakany i Jehovah, satria hoe tsy faly tamin’izy ireo Izy. Hoy i Rabsake: “Raha hoy hianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay,​—moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman-alitara izay noravan’i Hezekia, izay nilaza tamin’ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ity alitara ity no hiankohofanareo?” (Isaia 36:7). Mazava ho azy fa tsy fandavana an’i Jehovah akory ny nandrodanan’ny Jiosy ireo fitoerana avo sy alitara teo amin’ilay tany, fa vao mainka aza fiverenana tany amin’i Jehovah.

10. Nahoana no tsy zava-dehibe ny hamaroana na ny havitsian’ireo mpiaro ny Joda?

10 Nanaraka izany, dia nampahatsiahy an’ireo Jiosy i Rabsake fa nihoatra lavitra noho ny azy ireo ny tafiny. Namoaka izao fihantsiana feno fizahozahoana izao izy: “Homeko soavaly roa arivo hianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.” (Isaia 36:8). Raha ny tena izy anefa, zava-dehibe ve ny hamaroana na ny havitsian’ny mpitaingin-tsoavaly voaofan’ny Joda? Tsia, satria tsy niankina tamin’ny tanjaka ara-tafika nahery kokoa ny famonjena ny Joda. Manazava izany toy izao ny Ohabolana 21:31: “Voaomana ny soavaly ho amin’ny andro iadiana; fa an’i Jehovah ihany ny fandresena.” Avy eo, dia nilaza i Rabsake fa ny Asyrianina, fa tsy ny Jiosy, no nahazo ny fitahian’i Jehovah. Raha tsy izany, hoy izy, dia tsy ho tafatsofoka lavitra be toy izao tany amin’ny tanin’ny Joda, ny Asyrianina. Isaia 36:9, 10.

11, 12. a) Nahoana i Rabsake no nanizingizina ny hiteny tamin’ny “teny Jiosy”, ary ahoana no nitadiavany haka fanahy an’ireo Jiosy nihaino? b) Inona no nety ho vokatry ny tenin’i Rabsake teo amin’ireo Jiosy?

11 Nanahy ny amin’ny ho vokatry ny hevitra naroson’i Rabsake, teo amin’ireo lehilahy afaka nahare azy avy teny ambonin’ilay mandan’ny tanàna, ireo solontenan’i Hezekia. Nangataka àry ireo tompon’andraikitra jiosy ireo hoe: “Masìna hianao, teny Syriana no ataovy amin’ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ny olona eny ambonin’ny mànda.” (Isaia 36:11). Tsy vonona ny hiteny tamin’ny teny syrianina anefa i Rabsake. Naniry hamafy voan’ny fisalasalana sy ny tahotra tao amin’ireo Jiosy izy, amin’izay dia hilavo lefona mora foana izy ireo ary dia ho resy tsy niady i Jerosalema! (Isaia 36:12). Noho izany, dia niteny indray tamin’ny “teny Jiosy” ilay Asyrianina. Nampitandrina ny mponin’i Jerosalema toy izao izy: “Aza mety hofitahin’i Hezekia hianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.” Taorian’izay, dia nitady haka fanahy an’ireo izay nihaino izy, tamin’ny filazalazana ilay karazam-piainana ho hitan’ny Jiosy eo ambanin’ny fanapahana asyrianina. “Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranony avy hianareo, mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanimboaloboka.”​—Isaia 36:13-17.

12 Tsy ho afaka hijinja na inona na inona ny Jiosy tamin’io taona io​—tsy afaka namboly izy ireo noho ilay fanafihan’ny Asyrianina. Tsy maintsy nanintona mafy an’ireo lehilahy teny ambonin’ny manda ny fahatsinjovana ny hihinana voaloboka matsiro sy hisotro rano mangatsiatsiaka. Mbola tsy tapitra ihany anefa ny fanandraman’i Rabsake hampahalemy ny Jiosy.

13, 14. Na dia teo aza ireo hevitra naroson’i Rabsake, nahoana moa no tsy azo nampiharina tamin’i Joda ny nanjo an’i Samaria?

13 Naka fiadiana am-bava iray hafa avy tao amin’ny tahiriny i Rabsake. Nampitandremany ireo Jiosy mba tsy hino an’i Hezekia, raha sendra hilaza i Hezekia hoe: “Jehovah no hamonjy antsika.” Nampahatsiahivin’i Rabsake tamin’ireo Jiosy fa tsy afaka nisakana an’ireo foko folo tsy ho resin’ny Asyrianina ireo andriamanitr’i Samaria. Ary ahoana ny amin’ireo andriamanitry ny firenena hafa izay resin’i Asyria? “Aiza moa ny andriamanitr’i Hamata sy Arpada?”, hoy izy. “Ary aiza koa ny andriamanitr’i Sefarvaima? Nahavonjy an’i Samaria tamin’ny tànako va ireo andriamaniny?”​—Isaia 36:18-20.

14 Mazava ho azy fa tsy takatr’i Rabsake, izay mpivavaka tamin’andriamani-diso, fa nisy fahasamihafana be teo amin’i Samaria nivadi-pinoana sy i Jerosalema teo ambanin’ny fanapahan’i Hezekia. Tsy nanan-kery hamonjy an’ilay fanjakan’ny foko folo ireo andriamani-dison’i Samaria. (2 Mpanjaka 17:7, 17, 18). Tetsy an-danin’izany, dia efa nihodina tamin’ireo andriamani-diso sy niverina nanompo an’i Jehovah i Jerosalema teo ambanin’ny fanapahan’i Hezekia. Kanefa, tsy nanandrana nanazava izany tamin’i Rabsake ireo solontena jodianina telo lahy. “Nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.” (Isaia 36:21). Niverina tany amin’i Hezekia i Eliakima sy i Sebna ary i Joa, ka nanao tatitra ny amin’ireo tenin’i Rabsake.​Isaia 36:22.

Nandray fanapahan-kevitra i Hezekia

15. a) Fanapahan-kevitra inona izao no tsy maintsy noraisin’i Hezekia? b) Toky inona no nomen’i Jehovah ny vahoakany?

15 Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izao i Hezekia Mpanjaka. Hitolo-batana amin’ny Asyrianina ve i Jerosalema? Sa hikambana amin’i Ejipta? Sa hijoro amin’ny heviny ka hiady? Mafy be ilay fanerena nihatra tamin’i Hezekia. Nankany amin’ny tempolin’i Jehovah izy, no sady naniraka an’i Eliakima sy i Sebna, ary koa ny lohan’ny mpisorona, mba hanontany an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany. (Isaia 37:1, 2). Nanatona an’i Isaia ireo iraky ny mpanjaka, nitafy lamba fisaonana, ka nanao hoe: “Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity (...) Angamba ho ren’i Jehovah Andriamanitra ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asyria tompony hihaika an’Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’i Jehovah Andriamanitrao”. (Isaia 37:3-5). Eny, nihaika an’ilay Andriamanitra velona ny Asyrianina! Hanisy fiheverana ny fihantsian’izy ireo ve i Jehovah? Nanome toky ny Jiosy tamin’ny alalan’i Isaia toy izao izy: “Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’iretsy ankizilahin’ny mpanjakan’i Asyria iretsy Ahy. Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin’ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.”​—Isaia 37:6, 7.

16. Taratasy inona avy no nalefan’i Sankeriba?

16 Nandritra izany fotoana izany, dia nampanantsoina i Rabsake ho eo anilan’i Sankeriba Mpanjaka, izay niady tany Libna. Aorian’izany i Sankeriba vao hikarakara momba an’i Jerosalema. (Isaia 37:8). Na izany aza, dia mbola tsy nampihena ny fanerena tsapan’i Hezekia ny fandehanan’i Rabsake. Nandefa taratasy fandrahonana maro i Sankeriba, nilazany izay azon’ny mponin’i Jerosalema nampoizina, raha tsy nety nitolo-batana izy ireo. Hoy ny nosoratany: “Hianao efa nandre izay nataon’ireo mpanjakan’i Asyria tamin’ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka hianao kosa va no ho voavonjy? Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako (...)? Aiza ny mpanjakan’i Hamata sy ny mpanjakan’i Arpada sy ny mpanjakan’ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?” (Isaia 37:9-13). Ny tena tian’ilay Asyrianina holazaina dia hoe hadalana ny hanohitra​—vao mainka hitondra zava-manahirana fanampiny ny fanoherana!

17, 18. a) Inona no antony nanosika an’i Hezekia hangataka ny fiarovan’i Jehovah? b) Ahoana no namalian’i Jehovah an’ilay Asyrianina, tamin’ny alalan’i Isaia?

17 Nanahy mafy ny amin’ny ho vokatr’ilay fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisiny i Hezekia, ka namelatra ireo taratasin’i Sankeriba teo anoloan’i Jehovah tao amin’ny tempoly. (Isaiah 37:14). Nitalaho tamim-pahatsorana izy, mba hanomezan’i Jehovah fiheverana ireo fandrahonan’ilay Asyrianina, ka namarana ny fivavahany toy izao: “Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tànany izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Hianao irery ihany no Jehovah.” (Isaia 37:15-20). Mazava avy amin’io fa ny nampanahy an’i Hezekia voalohany indrindra dia, tsy ny famonjena ny tenany manokana akory, fa ny ho fahafaham-baraka amin’ny anaran’i Jehovah, raha nandresy an’i Jerosalema i Asyria.

18 Nomen’i Jehovah an’i Isaia ny valin’ny vavak’i Hezekia. Tsy tokony hitolo-batana tamin’i Asyria i Jerosalema, fa tsy maintsy nijoro tamin’ny fanapahan-keviny kosa. Toy ny hoe niteny tamin’i Sankeriba i Isaia, raha nanambara tamin-kasahiana toy izao ny hafatr’i Jehovah ho an’ilay Asyrianina: “Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; mihifikifi-doha [amim-panesoana] mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.” (Isaia 37:21, 22). Avy eo, dia nanampy teny toy izao i Jehovah, raha ny tena izy: ‘Iza moa ianao no mihantsy ny Iray Masin’ny Isiraely? Fantatro ny zavatra nataonao. Feno fanirian-daza ianao; mirehareha fatratra ianao. Nitoky tamin’ny herin’ny tafikao ianao ary nandresy tany maro. Tsy hoe tsy mety resy anefa ianao. Hampandamòka ny tetikadinao aho. Ho resiko ianao. Avy eo, dia hataoko aminao izay nataonao tamin’ny hafa. Hasiako faraingo ny oronao, dia hotaritiko hiverina any Asyria ianao!’​Isaia 37:23-29.

“Izao no ho famantarana ho anao”

19. Famantarana inona no nomen’i Jehovah an’i Hezekia, ary inona no heviny?

19 Inona no antoka nananan’i Hezekia fa ho tanteraka ny faminanian’i Isaia? Hoy ny navalin’i Jehovah: “Izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin’ity taona ity hianareo; ary amin’ny taona manaraka dia ny kolokolon’izany, fa amin’ny taona fahatelo kosa dia mamafaza hianareo, ka mijinjà, ary manaova tanimboaloboka, ka mihinàna izay vokatrareo.” (Isaia 37:30). Hanome sakafo ho an’ireo Jiosy voatana noho ny fahirano i Jehovah. Na dia tsy afaka namafy voa aza izy ireo, noho ny fibodoan’ny Asyrianina ny taniny, dia ho afaka hihinana avy amin’ny voa notsimponina tamin’ny fijinjana tamin’ny taona teo aloha. Amin’ny taona manaraka, izay ho taona sabata, dia tsy maintsy mamela ny sahany tsy hovolena izy ireo, na dia mampamoy fo aza ny tarehin-javatra misy azy. (Eksodosy 23:11). Nampanantena i Jehovah, fa raha nankatò ny feony ilay vahoaka, dia ho ampy hamelona azy ireo ny voa hitsimoka eny amin’ny saha. Avy eo, amin’ny taona manaraka, dia hamafy voa toy ny nahazatra ireo lehilahy, ka hankafy ny vokatry ny asany.

20. Amin’ny heviny ahoana no hahafahan’ireo izay ho afa-mandositra ny fanafihan’ny Asyrianina “hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa”?

20 Izao i Jehovah dia nampitaha ny vahoakany tamin’ny zavamaniry iray tsy azo ongotana mora foana: “Izay sisa amin’ny taranak’i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.” (Isaia 37:31, 32). Eny, ireo izay nitoky tamin’i Jehovah dia tsy nanana na inona na inona tokony hatahorana. Ho tafaorina mafy ao amin’ilay tany izy sy ny taranany.

21, 22. a) Inona no nolazain’ny faminaniana momba an’i Sankeriba? b) Tamin’ny fomba ahoana ary oviana no tanteraka ny tenin’i Jehovah momba an’i Sankeriba?

21 Ahoana ny amin’ireo fandrahonana nataon’ny Asyrianina tamin’i Jerosalema? Hoy ny navalin’i Jehovah: “Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy. Ny làlana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.” (Isaia 37:33, 34). Amin’ny farany, dia tsy hisy ady hifanaovan’i Asyria sy i Jerosalema akory. Nahagaga fa ny Asyrianina, fa tsy ny Jiosy, no ho resy tsy niady.

22 Nifanaraka tamin’ny teny nataony, dia naniraka anjely iray izay namono ny kalazalahy tao amin’ny miaramilan’i Sankeriba i Jehovah​—185 000 lahy. Toa tany Libna no nitrangan’izany, ary rehefa nifoha i Sankeriba, dia nahita fa maty ireo mpitarika sy filoha ary lehilahy nahery tao amin’ny tafiny. Menatra izy, ka niverina tany Ninive, nefa na dia teo aza izany faharesena namaivay izany, dia mbola nifikitra tamin’i Nisroka, ilay andriamani-disony, ihany izy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, raha nivavaka tao amin’ny tempolin’i Nisroka i Sankeriba, dia novonoin’ny roa tamin’ireo zanany lahy ho faty. Teo indray koa, dia tsy afa-namonjy azy i Nisroka, andriamanitra tsy nanana aina.​Isaia 37:35-38.

Vao mainka nihanatanjaka ny finoan’i Hezekia

23. Fotoan -tsarotra inona no natrehin’i Hezekia, fony i Sankeriba nanafika an’i Joda voalohany, ary inona avy no nety ho vokatr’io fotoan-tsarotra io?

23 Tokony ho tamin’ny fotoana nanafihan’i Sankeriba voalohany an’i Joda, dia narary mafy i Hezekia. Nilazan’i Isaia izy fa ho faty. (Isaia 38:1). Kivy tanteraka ilay mpanjaka, izay vao 39 taona. Ny nampanahy azy dia tsy ny fahasalaman’ny tenany manokana ihany, fa ny hoavin’ilay vahoaka koa. Norahonan’ny fanafihan’ny Asyrianina i Jerosalema sy i Joda. Raha maty i Hezekia, iza moa no hitarika ny ady? Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nanan-janaka lahy mba hiandraikitra ny fanapahana i Hezekia. Nivavaka mafy izy mba hanehoan’i Jehovah famindram-po taminy.​Isaia 38:2, 3.

24, 25. a) Ahoana no namalian’i Jehovah tamin-katsaram-panahy ny vavak’i Hezekia? b) Fahagagana inona no nataon’i Jehovah, araka ny voalaza ao amin’ny Isaia 38:7, 8?

24 Mbola tsy nandao ny kianjan’ilay lapa akory i Isaia, dia efa nasain’i Jehovah niverina teo anilan’ny fandrianan’ilay mpanjaka narary, sy nitondra izao hafatra izao: “Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao, sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tànan’ny mpanjakan’i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.” (Isaia 38:4-6; 2 Mpanjaka 20:4, 5). Hohamafisin’i Jehovah amin’ny alalan’ny famantarana tsy nahazatra iray ny fampanantenany. Hoy izy: “Indro, hampiverina ny [alok’ireo zanatohatra, “NW” ] folo Aho araka ny nampidinan’ny masoandro azy teo [amin’ireo zanatohatry ny tohatr’i, “NW” ] Ahaza.”​—Isaia 38:7, 8a.

25 Araka an’i Josèphe, mpahay tantara jiosy, dia nisy tohatra tao amin’ny lapan’ny mpanjaka, ary angamba koa andry iray teo akaikiny. Rehefa niantefa tamin’ilay andry ireo tara-masoandro, dia nanisy aloka teo amin’ireo tohatra. Afaka namantatra ny fotoana nandritra ny andro ny olona iray, tamin’ny fandinihana ny fandrosoan’ilay aloka teo amin’ireo zanatohatra. Izao i Jehovah dia hanao fahagagana. Rehefa hidina miandalana hanaraka ireo zanatohatra, araka ny mahazatra, ny aloka, dia hiverina zanatohatra folo. Iza no efa nahare zavatra toy izany? Hoy ny ambaran’ny Baiboly: “Ka dia niverina [zanatohatra, “NW” ] folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.” (Isaia 38:8b). Tsy ela taorian’izay, dia sitrana i Hezekia. Niely hatrany Babylona ilay vaovao. Rehefa nahare momba azy io ny mpanjakan’i Babylona, dia nandefa iraka tany Jerosalema mba hahafantarana ny zava-nisy.

26. Inona no vokatra iray tamin’ny nanalavana ny androm-piainan’i Hezekia?

26 Tokony ho telo taona taorian’ilay fahagagana nahasitrana an’i Hezekia, dia teraka i Manase, zanany lahimatoa. Rehefa lehibe i Manase, dia tsy naneho fankasitrahana ny fangoraham-pon’Andriamanitra, kanefa raha tsy noho izy io, dia tsy ho teraka akory izy! Vao mainka aza izy nahery nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah, saika nandritra ny androm-piainany rehetra.​—2 Tantara 32:24; 33:1-6.

Tsy fahaiza-mitsara zavatra

27. Tamin’ny fomba ahoana avy no nampisehoan’i Hezekia fankasitrahana an’i Jehovah?

27 Toa an’i Davida razambeny, dia lehilahy nanam-pinoana i Hezekia. Nihevitra ny Tenin’Andriamanitra ho sarobidy izy. Araka ny Ohabolana 25:1, dia nandamina ny hanambàrana ny fanazavana hita ao amin’ny Ohabolana toko faha-25 ka hatramin’ny faha-29 izy. Misy mino fa izy koa no nanao ny Salamo faha-119. Ilay hiram-pankasitrahana mampihetsi-po nataon’i Hezekia taorian’ny nahasitranany dia mampiseho fa lehilahy nahay nankasitraka izy. Ny famaranan-teniny dia hoe ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana dia ny fahafahana midera an’i Jehovah ao amin’ny Tempoliny ‘amin’ny andro rehetra iainantsika’. (Isaia 38:9-20). Enga anie isika rehetra hitovy hevitra aminy, momba ny fivavahana madio!

28. Fahadisoana inona teo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra no nataon’i Hezekia, fotoana kely taorian’ilay fahagagana nahasitrana azy?

28 Na dia nahatoky aza i Hezekia, dia olona tsy tanteraka ihany. Nanao fahadisoana lehibe iray teo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra izy, fotoana kely taorian’ny nanasitranan’i Jehovah azy. Hoy ny fanazavan’i Isaia: “Tamin’izany andro izany no nampitondran’i Merodakabaladana, zanak’i Baladana, mpanjakan’i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana. Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon’i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ny fanjakany rehetra.”​—Isaia 39:1, 2. *

29. a) Inona no nety ho antony nanosika an’i Hezekia hampiseho ny harenany tamin’ireo solontena babylonianina? b) Inona avy no ho vokatry ny fahadisoana teo amin’ny fahaiza-mitsara zavatra nataon’i Hezekia?

29 Na dia taorian’ilay faharesena namaivay nampiharin’ilay anjelin’i Jehovah taminy aza, dia mbola nandrahona firenena maro, anisan’izany i Babylona, ihany i Asyria. Nety ho naniry hampiaiky volana ny mpanjakan’i Babylona, izay nety ho mpiray dina aminy any aoriana, i Hezekia. Kanefa, tsy tian’i Jehovah hikambana amin’ny fahavalony ny mponin’i Joda; tiany hitoky aminy kosa izy ireo! Nampahafantatra ny hoavy tamin’i Hezekia, tamin’ny alalan’i Isaia toy izao i Jehovah: “Avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka andro-any; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona (...). Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona ireo.” (Isaia 39:3-7). Eny, ilay firenena izay notadiavin’i Hezekia hampiekena volana indrindra no handroba ny rakitr’i Jerosalema amin’ny farany, ka hahatonga ny mponina tao aminy ho andevo. Vao mainka nandranitra ny fitsiriritan’ny Babylonianina ny fampisehoan’i Hezekia ny harenany tamin’izy ireo.

30. Fihetsika tsara inona no nasehon’i Hezekia?

30 Toa niresaka momba ilay nampisehoan’i Hezekia ny harenany tamin’ireo Babylonianina ny teny ao amin’ny 2 Tantara 32:26 manao hoe: “Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan’ny fahatezeran’i Jehovah ireo [fony] fahavelon’i Hezekia.”

31. Ahoana no niafaran’ny tarehin-javatra nisy an’ i Hezekia, ary inona no ampianarin’izany antsika?

31 Na dia tsy tanteraka aza i Hezekia, dia lehilahy nanam-pinoana izy. Fantany fa tena nisy no sady nanana fihetseham-po ilay Andriamaniny, dia i Jehovah. Rehefa tao anatin’ny fanerena i Hezekia, dia nivavaka mafy tamin’i Jehovah, ary dia namaly azy i Jehovah. Nomen’i Jehovah Andriamanitra fiadanana nandritra ny androm-piainany rehetra izy, ary dia velom-pankasitrahana noho izany i Hezekia. (Isaia 39:8). Tokony ho tena misy toy izany koa i Jehovah amintsika. Rehefa mipoitra ny zava-manahirana, dia enga anie isika hitodika any amin’i Jehovah, tahaka an’i Hezekia, mba hahazoana fahendrena sy lalan-kivoahana, satria “manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa” izy. (Jakoba 1:5). Raha manohy miaritra sy maneho finoana an’i Jehovah isika, dia afaka matoky fa ho “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” izy, dieny izao sy amin’ny hoavy.​—Hebreo 11:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mitentina maherin’ny 9,5 tapitrisa dolara amerikanina ankehitriny.

^ feh. 28 Taorian’ny faharesen’i Sankeriba, dia nitondra volamena sy volafotsy ary zava-tsarobidy hafa ho fanomezana ho an’i Hezekia ireo firenena nanodidina. Milaza ny 2 Tantara 32:22, 23, 27 fa i “Hezekia [dia] nanana harena sy voninahitra be indrindra”, ary koa fa “nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy”. Ireo fanomezana ireo dia nety ho nanampy azy hameno indray ny trano firaketany, izay nanjary foana rehefa avy nandoa hetra tamin’ny Asyrianina izy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 383]

Nitoky tamin’i Jehovah i Hezekia Mpanjaka, teo anoloan’i Asyria nahery be

[Sary, pejy 384]

[Sary, pejy 389]

Nandefa iraka tany amin’i Isaia ny mpanjaka, mba hahazoana ny hevitr’i Jehovah

[Sary, pejy 390]

Nivavaka i Hezekia mba hankalazana ny anaran’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny faharesen’i Asyria

[Sary, pejy 393]

Namono Asyrianina 185 000 ny anjelin’i Jehovah iray