Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena

Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena

Toko Fahadimy Ambin’ny Folo

Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena

Isaia 14:24–19:25

1. Fanambarana didim-pitsarana hanjo an’i Asyria inona no nosoratan’i Isaia?

AFAKA mampiasa ireo firenena mba hanafaizana ny vahoakany, noho ny faharatsiany, i Jehovah. Na izany aza, dia tsy nalany tsiny ireo firenena ireo, noho ny halozany tsy amin’ny antony, sy ny avonavony ary ny fankahalany ny fivavahana marina. Ela be mialoha àry i Jehovah dia efa nanome tsindrimandry an’i Isaia mba hanoratra ‘ny faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Babylona’. (Isaia 13:1). Kanefa i Babylona dia mbola fandrahonana ho amin’ny hoavy. Tamin’ny andron’i Isaia, dia i Asyria no nampahory ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. Nandringana ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra i Asyria ary nandrava ny ankabeazan’i Joda. Voafetra anefa ny fandresen’i Asyria. Hoy ny nosoratan’i Isaia: “Jehovah, Tompon’ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy, (...) dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin’ny taniko ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin’ireo, ary ny entany ho afaka amin’ny sorony.” (Isaia 14:24, 25). Tsy ela taorian’ny nanononan’i Isaia io faminaniana io, dia nesorina avy tao Joda ny fandrahonana avy tamin’ny Asyrianina.

2, 3. a) Tamin’ny andro fahiny, mba hamelezana an’iza moa no naninjiran’i Jehovah ny tanany? b) Inona no hevitry ny hoe maninjitra ny tanany hamelezana “ny firenena rehetra” i Jehovah?

2 Ahoana anefa ny amin’ireo firenena hafa izay fahavalon’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena? Izy ireo koa dia tsy maintsy hotsaraina. Hoy ny nambaran’i Isaia: “Izany no fikasana [mba hamelezana ny tany rehetra, ary izany no tanana izay voahinjitra mba hamelezana ny firenena rehetra, “NW” ]. Fa Jehovah, Tompon’ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?” (Isaia 14:26, 27). Ny ‘fikasan’i’ Jehovah dia ny fahatapahan-keviny hentitra, ny didiny. (Jeremia 49:20, 30). Ny ‘tanan’i’ Jehovah kosa dia ny heriny am-perinasa. Ao amin’ireo andinin-teny farany amin’ny Isaia toko faha-14 sy ao amin’ny toko faha-15 ka hatramin’ny faha-19, dia mba hamelezana an’i Filistia, i Moaba, i Damaskosy, i Etiopia ary i Ejipta, ny fikasan’i Jehovah.

3 Kanefa nilaza i Isaia fa voahinjitra mba hamelezana “ny firenena rehetra” ny tanan’i Jehovah. Noho izany, na dia tanteraka voalohany tamin’ny andro fahiny aza ireo faminanian’i Isaia ireo, dia mihatra koa amin’ny “andro farany”, rehefa haninjitra ny tanany hamelezana ny fanjakana rehetra amin’ny tany i Jehovah. (Daniela 2:44; 12:9; Romana 15:4; Apokalypsy 19:11, 19-21). Efa nampiharihary tamim-patokiana ny fikasany, ela be mialoha ilay Andriamanitra tsitoha, dia i Jehovah. Tsy misy afaka mampihemotra ny tanany voahinjitra.​—Salamo 33:11; Isaia 46:10.

“Menaran’afo manidina” iray mba hamelezana an’i Filistia

4. Inona avy no tsipiriany sasany amin’ny faminanian’i Jehovah ny amin’ny loza hanjo an’i Filistia?

4 Ny Filistinina no nitodihana voalohany. “Tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao: Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon’ny bibilava no hihavian’ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran’afo manidina.”​Isaia 14:28, 29.

5, 6. a) Tamin’ny heviny ahoana i Ozia no toy ny bibilava, tamin’ny Filistinina? b) Hita ho inona moa i Hezekia, teo anoloan’i Filistia?

5 Ampy hery mba handresena tosika ilay fandrahonana avy tamin’i Filistia i Ozia Mpanjaka. (2 Tantara 26:6-8). Tamin’izy ireo, dia toy ny bibilava izy, ary ny tsorakazony dia tsy nitsahatra namely an’io mponina teo akaikiny tsy tia azy io. Rehefa maty i Ozia​—rehefa ‘tapaka ny tsorakazony’​—dia i Jotama nahatoky no nanapaka, nefa “ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany”. Nanaraka azy, dia i Ahaza no tonga mpanjaka. Niova ny toe-javatra, ka nahavita nanafika tampoka an’i Joda imbetsaka ny tafiky ny Filistinina. (2 Tantara 27:2; 28:17, 18). Izao anefa, dia niova indray koa ny toe-javatra. Tamin’ny 746 al.f.i., dia maty i Ahaza Mpanjaka, ka i Hezekia tanora no niakatra teo ambonin’ny seza fiandrianana. Raha nihevitra ny Filistinina fa mbola hanampy azy ireo ihany ny toe-javatra, dia diso hevitra tanteraka izy ireo. Hita ho fahavalo tsy niantra i Hezekia. Taranak’i Ozia (‘naterany avy ao an-kibony’) i Hezekia, ary toy ny “menaran’afo manidina”​—niantoraka haingana toy ny tselatra rehefa nanafika, ka nampangirifiry an’ireo nokaikeriny, toy ny tamin’ny poizina.

6 Tena filazalazana nifanentana tsara tamin’ilay mpanjaka vaovao izany. “[I Hezekia] no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny faritaniny”. (2 Mpanjaka 18:8). Araka ireo bokin-tantaran’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, dia tonga olom-pehezin’i Hezekia ny Filistinina. “Ny faraidina indrindra”​—ilay fanjakan’i Joda nanjary osa​—dia nanjary nahita filaminana sy fahavokarana ara-nofo, fa i Filistia kosa nianjadian’ny mosary. — Vakio ny Isaia 14:30, 31.

7. Fanambarana finoana ny inona no tsy maintsy nataon’i Hezekia tamin’ireo ambasadaoro tao Jerosalema?

7 Toa nisy ambasadaoro tonga tao Joda​—angamba mba hitady fanampiana mba hiara-mamely an’i Asyria aminy. Inona no tokony holazaina tamin’izy ireo? “Inona moa no valiny ho entin’ny iraky ny jentilisa?” Tokony hitady fiarovana tamin’ny fiarahana tamin’ny firenena hafa ve i Hezekia? Tsia! Izao no tokony holazainy amin’ireo iraka: “Jehovah efa nanorina an’i Ziona, ary ao no hialofan’izay olony ory.” (Isaia 14:32). Tsy maintsy nitoky tanteraka tamin’i Jehovah ilay mpanjaka. Mafy orina ny fanorenan’i Ziona. Ho toeram-pialofana voaro tsara tamin’ny fandrahonan’ny Asyrianina ilay tanàna, ka ho tafita velona.​—Salamo 46:1-7.

8. a) Ahoana no itovian’ny firenena sasany ankehitriny amin’i Filistia? b) Toy ny nataony tamin’ny andro fahiny, inona no nataon’i Jehovah mba hanohanana ny vahoakany amin’izao andro izao?

8 Sahala amin’i Filistia, dia manohitra amin-kabibiana ny mpanompon’Andriamanitra ny firenena sasany amin’izao andro izao. Nampidirina an-tranomaizina sy tany amin’ny toby fitanana ny Vavolombelona kristianin’i Jehovah. Norarana ny asany. Novonoina ho faty ny maro taminy. Mbola manohy “manao andiany hamely ny fanahin’ny marina” ihany ireo mpanohitra. (Salamo 94:21). Mety ho toa “faraidina indrindra” sy “mahantra” ny fahitan’ny fahavalony an’ireo Kristianina ireo. Kanefa, noho ny fanohanan’i Jehovah, dia tondraka ny tahirin-tsakafony ara-panahy, fa ny fahavalony kosa ianjadian’ny mosary. (Isaia 65:13, 14; Amosa 8:11). Rehefa haninjitra ny tanany mba hamelezana ny Filistinina amin’ny andro ankehitriny i Jehovah, dia ho voaro tsara ireo “faraidina indrindra” ireo. Aiza? Amin’ny fiarahany amin’ny “ankohonan’Andriamanitra”, ka i Jesosy no fehizoro azo antok’izy io. (Efesiana 2:19, 20). Ary ho eo ambany fiarovan’i “Jerosalema any an-danitra”, ny Fanjakan’i Jehovah any an-danitra, koa izy ireo, ka i Jesosy Kristy no Mpanjaka ao.​—Hebreo 12:22; Apokalypsy 14:1.

Ho fongotra i Moaba

9. Ny amin’ny loza hanjo an’iza moa ilay faminaniana manaraka, ary ahoana no nisehoan’io vahoaka io ho fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra?

9 Nisy mponina hafa teo akaikin’ny Isiraely, teo atsinanan’ny Ranomasina Maty​—i Moaba. Tsy sahala amin’ny Filistinina ny Moabita, fa mpihavana tamin’ny Isiraely, satria taranak’i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama. (Genesisy 19:37). Na dia teo aza izany fihavanana izany, dia nankahala ny Isiraely foana i Moaba. Tamin’ny andron’i Mosesy, ohatra, ny mpanjakan’i Moaba dia nanakarama an’i Balama mpaminany, mba hanozona ny Isiraelita. Rehefa tsy nahomby izany, dia nampiasa ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fivavahana tamin’i Bala i Moaba, mba hamandrihana ny Isiraely. (Nomery 22:4-6; 25:1-5). Tsy mahagaga àry raha nanome tsindrimandry an’i Isaia i Jehovah mba hanoratra ny “faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba”. — Isaia 15:1a.

10, 11. Inona no hanjo an’i Moaba?

10 Ny faminanian’i Isaia dia momba ny loza hanjo tanàna sy toerana maro tao Moaba, anisan’izany i Ara-moaba sy i Kira-moaba (na Kira-haresa) ary i Dibona. (Isaia 15:1b, 2b). Halahelo ny ampempam-boalobok’i Kira-haresa, izay nety ho ny vokatra lehibe indrindran’ilay tanàna, ireo Moabita. (Isaia 16:6, 7). Hisy hamely i Sibma sy i Jazera, izay nalaza noho ny famboleny voaloboka. (Isaia 16:8-10). I Egleta-selisia kosa, anarana izay mety hidika hoe “Ombivavy Kely Telo Taona”, dia ho sahala amin’ny ombivavy tanora matanjaka nefa hamoaka fidradradradram-pahoriana mampalahelo. (Isaia 15:5). Ho maina ny ahitr’ilay tany, ary ny “ranon’i Dimona” dia feno ra, noho ny fandripahana ny Moabita. Ny “ranon’i Nimrima” (NW ) dia ho tonga “karankaina”, na amin’ny heviny an’ohatra na amin’ny heviny ara-bakiteny​—angamba noho ireo fahavalo nanisy tohodrano teo amin’ireo reniranony. Isaia 15:6-9.

11 Hisikina lamba mariky ny fisaonana ny Moabita. Hokakasany ny lohany, mba hanamarihana henatra sy tomany. Ho “voaharatra” ny volombavany, ho fanehoana alahelo sy fahafaham-baraka faraidiny. (Isaia 15:2b-4). Na i Isaia aza, izay natoky tanteraka ny fahatanterahan’ireo didim-pitsarana ireo, dia nahatsiaro fihetseham-po lalina. Toy ny tadin-dokanga mangovitra, dia nipararetra ny tsinainy, onena noho ilay hafatra nilaza loza ho an’i Moaba. Isaia 16:11, 12.

12. Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Isaia ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba?

12 Rahoviana no ho tanteraka io faminaniana io? Tsy ho ela. “Izany no tenin’i Jehovah nataony fahiny ny amin’i Moaba. Ary ankehitriny koa Jehovah miteny hoe: Amin’ny telo taona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho tsinontsinona ny voninahitr’i Moaba, na dia betsaka aza ny vahoakany; ary izay sisa dia ho vitsy, eny, ho vitsy foana, fa tsy ho maro.” (Isaia 16:13, 14). Mifanaraka tsara amin’izany, dia misy porofo hitan’ny arkeology fa, nandritra ny taonjato fahavalo al.f.i., dia nijaly mafy i Moaba, ary maro tamin’ireo toerana tao aminy no tsy nisy mponina intsony. I Tiglato-pilesera III dia nanonona an’i Salamanu, andrianan’i Moaba, ho anisan’ireo mpanapaka nandoa hetra taminy. I Sankeriba dia nahazo hetra avy tamin’i Kammusunadbi, mpanjakan’i Moaba. I Esara-hadona sy i Assourbanipal, mpanjakan’i Asyria, dia nanonona an’i Musuri sy i Kamashaltu, mpanjakan’i Moaba, ho olom-peheziny. Taonjato maro lasa izay, dia tsy nisy intsony ilay vahoaka moabita. Nisy sisan-javatra tamin’ny tanàna heverina ho tanàna moabita, hita, nefa tsy misy porofo azo tsapain-tanana firy ny amin’io fahavalon’ny Isiraely nahery taloha io, hita hatramin’izao.

Ho foana i “Moaba” maoderina

13. Fikambanana inona amin’izao andro izao no azo ampitahaina amin’i Moaba?

13 Amin’izao andro izao, dia misy fikambanana iray maneran-tany, mitovy amin’i Moaba fahiny. Izany dia ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ny tapany lehibe indrindra amin’i “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:5). I Moaba sy ny Isiraely dia samy avy tamin’i Tera, rain’i Abrahama. Toy izany koa, ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, sahala amin’ny kongregasionan’ny Kristianina voahosotra amin’izao andro izao, dia mihambo ho nipoitra avy amin’ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Galatiana 6:16). Kanefa, ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina​—sahala amin’i Moaba​—dia simba tanteraka, mampirisika ny fijangajangana ara-panahy sy ny fivavahana amin’andriamanitra maro, fa tsy amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah. (Jakoba 4:4; 1 Jaona 5:21). Amin’ny fitambarany, ireo mpitarika ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia manohitra an’ireo izay mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.​—Matio 24:9, 14.

14. Na dia eo aza ny fikasan’i Jehovah hamely an’i “Moaba” maoderina, inona no fanantenana ho an’ireo anisan’io fikambanana io?

14 Nofongorana i Moaba tamin’ny farany. Toy izany koa no hanjo ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. Hampiasa ny mifanitsy amin’i Asyria amin’ny andro ankehitriny i Jehovah, ka hahatonga an’i Moaba ho lao. (Apokalypsy 17:16, 17). Kanefa misy fanantenana ho an’ny olona ao amin’io “Moaba” maoderina io. Eo afovoan’ny faminaniany ny amin’ny loza hanjo an’i Moaba, dia hoy i Isaia: “Hisy seza fiandrianana hampitoerina amin’ny famindrampo, ka hisy hipetraka eo aminy amin’ny fahamarinana, ao an-dain’i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.” (Isaia 16:5). Tamin’ny 1914, dia nanorina mafy ny seza fiandrianan’i Jesosy, Mpanapaka avy amin’ny taranak’i Davida Mpanjaka, i Jehovah. Ny fanjakan’i Jesosy dia fanehoana famindram-po avy amin’i Jehovah, ary haharitra mandrakizay izy io, ho fahatanterahan’ilay fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida Mpanjaka. (Salamo 72:2; 85:10, 11; 89:3, 4; Lioka 1:32). Olona malemy fanahy maro no nandao an’i “Moaba” maoderina, ka nanaiky hofehezin’i Jesosy, mba hahazoany ny fiainana. (Apokalypsy 18:4). Fampiononana toy inona moa no tsapan’izy ireo, noho ny fahafantarana fa “hampiseho mazava amin’ireo firenena izay atao hoe rariny” i Jesosy!​—Matio 12:18, NW; Jeremia 33:15.

Ho tonga korontam-bato i Damaskosy

15, 16. a) Fanehoam-pankahalana inona no nataon’i Damaskosy sy ny Isiraely tamin’i Joda, ary inona no vokany ho an’i Damaskosy? b) Iza no tafiditra tao amin’ilay faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Damaskosy? d) Inona no azon’ny Kristianina amin’izao andro izao ianarana avy amin’ny ohatra navelan’ny Isiraely?

15 Manaraka izany, dia nanoratra ny “faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Damaskosy” i Isaia. (Vakio ny Isaia 17:1-6.) “Ny lohan’i Syria” i Damaskosy, tany avaratry ny Isiraely. (Isaia 7:8). Nandritra ny fanjakan’i Ahaza, mpanjakan’i Joda, dia niara-nivondrona tamin’i Peka, mpanjakan’ny Isiraely, i Rezina, mpanjakan’i Damaskosy, mba hanafika an’i Joda. Araka ny fangatahan’i Ahaza anefa, dia niady tamin’i Damaskosy i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, ka nandresy azy ary nitondra maro tamin’ny mponina tao ho any an-tsesitany. Taorian’izay, dia tsy nandrahona an’i Joda intsony i Damaskosy.​—2 Mpanjaka 16:5-9; 2 Tantara 28:5, 16.

16 Angamba noho ny fiarahan’ny Isiraely tamin’i Damaskosy, dia tafiditra tao amin’ilay faminanian’i Jehovah ny amin’ny loza hanjo an’i Damaskosy koa ny filazana didim-pitsarana an’ilay fanjakana tany avaratra nivadika. (Isaia 17:3-6). Ho toy ny saha iray amin’ny fotoam-pijinjana, ka tsy hahitana vary firy, ny Isiraely, na ho sahala amin’ny hazo oliva, izay efa nahintsana hiala tamin’ny rantsany ny ankamaroan’ny voany. (Isaia 17:4-6). Izany ka ohatra mampieritreritra, ho an’ireo izay nanolo-tena ho an’i Jehovah! Manampo fifikirana tsy mizarazara izy, ary tsy manaiky afa-tsy fanompoana masina avy amin’ny fo. Ary mankahala an’ireo izay tsy tia ny rahalahiny koa izy.​—Eksodosy 20:5; Isaia 17:10, 11; Matio 24:48-50.

Fatokisana feno an’i Jehovah

17, 18. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny sasany teo amin’ny Isiraely teo anoloan’ireo fampitandreman’i Jehovah, nefa inona no fihetsiky ny ankamaroany? b) Ahoana no itovian’ny fisehoan-javatra ankehitriny amin’ny tamin’ny andron’i Hezekia?

17 Izao i Isaia dia milaza hoe: “Amin’izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin’ny Isiraely. Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro.” (Isaia 17:7, 8). Eny, hankatò ny fampitandreman’i Jehovah ny sasany teo amin’ny Isiraely. Ohatra, fony i Hezekia nandefa fanasana tany amin’ny mponin’ny Isiraely, mba hiara-mankalaza ny Paska amin’ny Joda, dia nanoina ny antso ny Isiraelita sasany, ka nankany atsimo mba hiara-manolotra fanompoam-pivavahana madio, tamin’ireo rahalahiny. (2 Tantara 30:1-12). Na izany aza, ny ankamaroan’ny mponin’ny Isiraely dia naneso an’ireo iraka nitondra ilay fanasana. Mpivadi-pinoana tsy azo nositranina intsony ilay firenena. Noho izany, dia tanteraka ny fikasan’i Jehovah hamely azy. Noringanin’i Asyria ireo tanànan’ny Isiraely, foana ilay tany ary tsy namokatra ireo kijana. — Vakio ny Isaia 17:9-11.

18 Ahoana ny amin’izao andro izao? Firenena nivadi-pinoana ny Isiraely. Noho izany, ny ezaka nataon’i Hezekia mba hanampiana ny isam-batan’olona tao amin’io firenena io mba hiverina ho amin’ny fivavahana madio dia mampahatsiahy antsika ny ezaka ataon’ny Kristianina amin’izao andro izao mba hanampiana olona ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina nivadi-pinoana. Hatramin’ny 1919, dia nisy iraka avy tamin’ny “Isiraelin’Andriamanitra” nitety ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, mba hanasa olona hiaraka aminy ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio. (Galatiana 6:16). Ny ankamaroany dia nanda. Maro no naneso ireny iraka ireny. Nisy anefa nanaiky. Miisa an-tapitrisany maro izy ireo ankehitriny, ary ravoravo izy ireo ‘mijery ny Iray Masin’ny Isiraely’, satria ampianariny. (Isaia 54:13). Mandao ny fivavahana any amin’ireo alitara maharikoriko​—ny fifikirana sy ny fitokiana amin’andriamanitra nataon’olona​—izy ireo, ka mitodika amim-pahadodonana any amin’i Jehovah. (Salamo 146:3, 4). Sahala amin’i Mika, niara-belona tamin’i Isaia, dia milaza toy izao ny tsirairay amin’izy ireo: “Izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.”​—Mika 7:7.

19. Iza no hotezeran’i Jehovah mafy, ary hidika ho inona ho azy ireo izany?

19 Mifanohitra tanteraka amin’izany ireo izay mitoky amin’ny olombelona! Herisetra sy hotakotaka no tsy mitsahatra mamely ny olombelona amin’izao andro farany izao. ‘Ny ranomasin’ny’ olombelona misamboaravoara sy mpikomy dia manetsika tsy fahafaliana sy fanonganam-panjakana. (Isaia 57:20; Apokalypsy 8:8, 9; 13:1). ‘Hitezitra mafy’ an’io vahoaka mitabataba io i Jehovah. Handringana ny fikambanana sy ny olona rehetra miteraka korontana ilay Fanjakany any an-danitra, ary dia “handositra lavitra (...) tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin’ny tadio” izy ireo. Isaia 17:12, 13; Apokalypsy 16:14, 16.

20. Na dia ‘robain’ireo’ firenena aza ny Kristianina marina, matoky ny amin’inona izy ireo?

20 Inona no ho vokany? Hoy i Isaia: “Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran’izay mamabo antsika, sy tambin’izay mandroba antsika.” (Isaia 17:14). Maro no mandroba ny vahoakan’i Jehovah, ka mitondra azy ireo amin’ny fomba henjana sy tsy misy fanajana. Noho izy ireo tsy anisan’ireo fivavahana lehiben’ity tontolo ity​—no sady tsy maniry ho anisany, dia heverin’ny mpanakiana feno fanavakavahana sy ny mpanohitra mirehitra fatratra, ho remby mora azo ny Kristianina marina. Matoky anefa ny vahoakan’Andriamanitra fa mihamanatona haingana ilay “maraina”, rehefa hifarana ny fahoriana mahazo azy.​—2 Tesaloniana 1:6-9; 1 Petera 5:6-11.

Hitondra fanomezana ho an’i Jehovah i Etiopia

21, 22. Firenena iza no nahazo ny fanamelohana nanaraka, ary ahoana no nahatanterahan’ireo teny azon’i Isaia tamin’ny tsindrimandry ireo?

21 Tamin’ny toe-javatra roa, fara fahakeliny, i Etiopia, eo atsimon’i Ejipta, dia niady ara-tafika tamin’i Joda. (2 Tantara 12:2, 3; 13:23; 14:8-14; 16:8). Izao i Isaia dia maminany ny amin’ny fanamelohana an’io firenena io: “Indrisy ny tany be fibiziziokan’elatra! izay any an-dafin’ny onin’i Etiopia”. (Vakio ny Isaia 18:1-6.) * Nandidy i Jehovah fa ‘horantsanana sy hotapahina ary hesorina’ i Etiopia.

22 Milaza amintsika ny tantara fa tamin’ny tapany farany tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., dia nandresy an’i Ejipta i Etiopia, ka nanapaka azy io nandritra ny 60 taona teo ho eo. Nifandimby nanafika i Esara-hadona sy i Assourbanipal, emperoran’i Asyria. Rehefa avy noringanin’i Assourbanipal i Thèbes, dia nogejain’i Asyria i Ejipta, ka izany dia namarana ny fahambonian’ny Etiopianina teo amin’ny Lohasahan’i Neily. (Jereo koa ny Isaia 20:3-6.) Ahoana ny amin’izao andro ankehitriny izao?

23. Inona no anjara asa tanan’i “Etiopia” maoderina, ary nahoana izy no ho ringana?

23 Ao amin’ny faminanian’i Daniela momba ny “faran’ny andro”, dia voalaza fa ‘manaraka’ an’ilay “mpanjakan’ny avaratra” vonon-kiady i Etiopia sy i Libya, izany hoe manaiky ny fitarihany. (Daniela 11:40-43). Voatonona ho anisan’ireo tafik’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” koa i Etiopia. (Ezekiela 38:2-5, 8). Rehefa hanafika ilay firenena masin’i Jehovah ireo tafik’i Goga, anisan’izany ny mpanjakan’ny avaratra, dia ho ringana. Noho izany, dia voahinjitra koa ny tanan’i Jehovah, hamely an’i “Etiopia” maoderina, noho izy manohitra ny fiandrianan’i Jehovah.​—Ezekiela 38:21-23; Daniela 11:45.

24. Amin’ny heviny ahoana avy i Jehovah no hoe mahazo “fanomezana” avy amin’ireo firenena?

24 Na izany aza, dia hoy koa ilay faminaniana: “Amin’izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, (...) ho ao amin’ny fitoeran’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.” (Isaia 18:7). Na dia tsy manaiky ny fiandrianan’i Jehovah aza ireo firenena, indraindray izy ireo dia nanao zavatra izay nitondra soa ho an’ny vahoakan’i Jehovah. Any amin’ny tany sasany, dia namoaka lalàna sy didim-pitsarana izay nanome ny rariny ho an’ny mpivavaka mahatoky amin’i Jehovah, ny manam-pahefana. (Asan’ny Apostoly 5:29; Apokalypsy 12:15, 16). Ary misy fanomezana hafa koa. ‘Hitondra fanatitra ho anao ny mpanjaka maro. Ho avy ny tremalahin’i Ejipta; i Etiopia halaky hananty tanana amin’Andriamanitra.’ (Salamo 68:29-31). Ankehitriny, dia “Etiopianina” maoderina an-tapitrisany maro, matahotra an’i Jehovah, no mitondra “fanatitra”, na “fanomezana” (NW ), amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho azy. (Malakia 1:11). Mandray anjara amin’ilay asa goavana fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana manerana ny tany izy ireo. (Matio 24:14; Apokalypsy 14:6, 7). Izany ka fanomezana faran’izay tsara ho an’i Jehovah!​—Hebreo 13:15.

Ketraka ny fon’i Ejipta

25. Ho fahatanterahan’ny Isaia 19:1-11, inona no nanjo an’i Ejipta fahiny?

25 Ny mponina eo akaiky indrindran’i Joda, eo atsimo, dia i Ejipta, izay fahavalon’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena, hatramin’ny ela be. Ny Isaia toko faha-19 dia mitantara ny toe-draharaha nikorontana tao Ejipta tamin’ny andron’i Isaia. Nisy ady an-trano tao Ejipta, ka ‘ny tanàna niady tamin’ny tanàna, ary ny fanjakana tamin’ny fanjakana’. (Isaia 19:2, 13, 14). Manome porofo ireo mpahay tantara fa nisy tarana-mpanjaka nifandrafy, izay samy nanapaka faritra samy hafa tamin’ilay tany, tamin’ny fotoana iray ihany. Tsy namonjy an’i Ejipta avy tamin’ny “fitondrana mafy” ny fahendrena nireharehany izaitsizy, noho ireo ‘andriamani-tsi-iziny sy mpibitsibitsika tamin’ny odiny’. (Isaia 19:3, 4). Nifandimby nandresy an’i Ejipta i Asyria, i Babylona, i Persa, i Gresy ary i Roma. Samy nahatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Isaia 19:1-11 avokoa ireo fisehoan-javatra ireo.

26. Amin’ny fahatanterahany lehibe, hanao ahoana no ho fihetsiky ny mponin’i “Egypta” maoderina eo anoloan’ny fampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany?

26 Kanefa, ao amin’ny Baiboly, dia matetika i Ejipta no mampiseho ny tontolon’i Satana. (Ezekiela 29:3; Joela 4:19; Apokalypsy 11:8). Noho izany, moa ve manana fahatanterahany lehibe kokoa ny “faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Egypta” nolazain’i Isaia? Eny tokoa! Ireto teny fanokafan’ilay faminaniana ireto dia tokony hanome ho an’ny rehetra antony hanehoana fitandremana: “Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon’i Egypta dia ketraka ao anatiny.” (Isaia 19:1). Tsy ho ela dia hihetsika i Jehovah, mba hamelezana ny fandaminan’i Satana. Amin’izay fotoana izay, dia ho hita fa tsinontsinona tokoa ireo andriamanitr’ity fandehan-javatra ity. (Salamo 96:5; 97:7). “Ny fon’i Egypta dia [ho] ketraka”, noho ny tahotra. Hoy ny nambaran’i Jesosy mialoha momba io fotoana io: “Hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”.​—Lioka 21:25, 26.

27. Fisaratsarahana anaty inona avy no nambara mialoha fa ho hita ao “Egypta”, ary ahoana no ahatanterahan’izany ankehitriny?

27 Raha ny amin’ny fotoana hitarika ho amin’ny fampiharany ny didim-pitsarany, dia nanambara izao faminaniana izao i Jehovah: “Hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin’ny rahalahiny avy sy amin’ny namany avy izy; ny tanàna hiady amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.” (Isaia 19:2). Nanomboka tamin’ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914, “ny famantarana ny [fanatrehan’i Jesosy]” dia voamariky ny firenena hitsangana hamely firenena sy fanjakana hitsangana hamely fanjakana. Ny fifamonoana ara-poko sy ny fandripahana tsy an-kiantra vahoaka manontolo ary izay antsoina hoe fanadiovana ara-pirazanana dia naka ain’olona an-tapitrisany maro, nandritra izao andro farany izao. Vao mainka aza hiharatsy ny “fahoriana” toy izany, arakaraka ny anatonan’ny farany.​—Matio 24:3, 7, 8, NW.

28. Amin’ny andro fitsarana, ho afaka hanao inona moa ny fivavahan-diso mba hamonjena ity fandehan-javatra ity?

28 “Ho very hevitra ny Egyptiana; eny, hofoanako ny saina ataony; ary hila saina amin’ny andriamani-tsi-izy sy amin’ny mpibitsibitsika amin’ny odiny izy sy amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ny mpanao sikidy.” (Isaia 19:3). Fony niseho teo anatrehan’i Farao i Mosesy, dia nalam-baraka ireo mpisoron’i Ejipta, satria tsy afaka nifampitaha hery tamin’i Jehovah. (Eksodosy 8:14, 15; Asan’ny Apostoly 13:8; 2 Timoty 3:8). Toy izany koa, amin’ny andro fitsarana, dia tsy ho afaka hamonjy an’ity fandehan-javatra simba tanteraka ity ny fivavahan-diso. (Ampitahao amin’ny Isaia 47:1, 11-13.) Tamin’ny farany, i Ejipta dia nanjary teo ambanin’ny “fitondrana mafy”, dia i Asyria. (Isaia 19:4). Izany dia mampiseho ny hoavy tsy misy fanantenana miandry an’ity fandehan-javatra ity.

29. Rehefa ho avy ny andron’i Jehovah, inona no hilana ny mpanao politika?

29 Ahoana anefa ny amin’ireo mpitarika ara-politika? Afaka manampy ve izy ireo? “Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; hevi-poana no avoak’izay hendry indrindra amin’ny mpanolo-tsain’i Farao”. (Vakio ny Isaia 19:5-11.) Ho zava-poana tokoa ny hanantenana fa hitondra fanampiana ireo mpanolo-tsaina olombelona, amin’ny andro fitsarana! Na dia hanana ny fahalalana rehetra eto ambonin’ny tany aza izy ireo, dia mbola tsy hanana ny fahendrena araka an’Andriamanitra ihany. (1 Korintiana 3:19). Nanda an’i Jehovah izy ireo, ka nitodika tany amin’andriamanitra nataony ho solony, toy ny siansa sandoka, ny filozofia, ny vola, ny fahafinaretana ary ny hafa. Ho vokany, dia tsy mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra izy ireo. Voafitaka izy ireo, ka mikorontan-tsaina. Very maina foana ny asany. (Vakio ny Isaia 19:12-15.) “Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; indro, ny tenin’i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?”​—Jeremia 8:9.

Famantarana sy vavolombelona ho an’i Jehovah

30. Amin’ny heviny ahoana no hoe ‘ho fahatahoran’i Ejipta ny tanin’i Joda’?

30 Kanefa, na dia malemy, “tahaka ny vehivavy”, aza ireo mpitarika an’i “Egypta”, dia misy olona tsirairay ihany mitady ny fahendrena araka an’Andriamanitra. ‘Milaza ny hatsaran’Andriamanitra’ ireo voahosotr’i Jehovah sy ny namany. (Isaia 19:16; 1 Petera 2:9). Manao izay azony atao izy ireo, mba hampitandremana ny olona ny amin’ny fiafaran’ny fandaminan’i Satana ho avy. Nitsinjo mialoha io tarehin-javatra io Isaia, raha nanao hoe: “Ny tanin’ny Joda dia ho fahatahoran’i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan’i Jehovah, Tompon’ny maro, izay kasainy ny amin’ny hamelezana azy.” (Isaia 19:17). Ireo iraka mahatokin’i Jehovah dia mandeha milaza amin’ny olona ny fahamarinana​—anisan’izany ny fanambarana ireo loza nolazain’i Jehovah mialoha. (Apokalypsy 8:7-12; 16:2-12). Manelingelina an’ireo mpitondra fivavahana eo amin’ity tontolo ity izany.

31. Amin’ny ahoana no hoe hotenenina ao amin’ireo tanànan’i Ejipta “ny fitenin’i Kanana” a) tamin’ny andro fahiny? b) amin’ny andro ankehitriny?

31 Inona no vokatra mahagaga aterak’io asa fanambarana io? “Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy amin’ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin’i Kanana sy hianiana ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro; ny anankiray hatao hoe [Tanàna haringana, fanamarihana ambany pejy].” (Isaia 19:18). Tamin’ny andro fahiny, dia toa tanteraka io faminaniana io, fony ny teny hebreo nampiasaina tany amin’ireo tanàna ejipsianina, nankanesan’ireo Jiosy nandositra. (Jeremia 24:1, 8-10; 41:1-3; 42:9–43:7; 44:1). Ankehitriny, dia misy olona ao amin’ny faritanin’i “Egypta” maoderina, nianatra ny “fiteny madio”, dia ny fahamarinana ara-baiboly. (Zefania 3:9, NW ). Ny iray amin’ireo tanàna an’ohatra dimy dia antsoina hoe “Tanàna haringana”, izay milaza fa ny tapany iray amin’ny “fiteny madio” dia ny fanalana sarona sy ny ‘fandringanana’ ny fandaminan’i Satana.

32. a) “Alitara” inona no eo afovoan’ny tany Ejipta? b) Amin’ny ahoana ireo voahosotra no toy ny “andry” eo akaikin’ny sisin-tanin’i Ejipta?

32 Noho ilay asa fanambarana ataon’ny vahoakan’i Jehovah, dia hanjary ho fantatra tokoa ny anarany lehibe, eto amin’ity fandehan-javatra ity. “Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’i Jehovah eo [afovoan’ny, “NW” ] tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’i Jehovah.” (Isaia 19:19). Ireo teny ireo dia manondro ny toerana tanan’ny Kristianina voahosotra, izay nifanao fanekena tamin’Andriamanitra. (Salamo 50:5). Toy ny “alitara” izy ireo, manolotra ny fanatiny, no sady “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”, manao fanambarana momba an’i Jehovah. (1 Timoty 3:15; Romana 12:1; Hebreo 13:15, 16). ‘Eo afovoan’ilay tany’ izy ireo, satria hita​—miaraka amin’ireo “ondry hafa” namany​—any amin’ny tany sy nosy maherin’ny 230. “Tsy anisan’ity tontolo ity” anefa izy ireo. (Jaona 10:16; 17:15, 16, NW ). Azo lazaina hoe mitsangana eo amin’ny sisiny mampisaraka ity tontolo ity sy ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo, vonona ny hiampita ilay sisin-tany ka hahazo ny valisoany any an-danitra.

33. Amin’ny heviny ahoana avy ireo voahosotra no “famantarana” sy “vavolombelona” ao Ejipta?

33 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Ho famantarana sy vavolombelona ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, ao amin’ny tany Egypta izany; fa hitaraina amin’i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.” (Isaia 19:20). Toy ny “famantarana” sy “vavolombelona” ireo voahosotra, mitari-dalana eo amin’ny asa fitoriana ary manandratra ny anaran’i Jehovah eto amin’ity fandehan-javatra ity. (Isaia 8:18; Hebreo 2:13). Re manerana ny tany ny fitarainan’ireo ampahorina, nefa amin’ny ankapobeny, dia tsy afaka manampy azy ireny ireo fitondram-panjakan’olombelona. Kanefa i Jehovah dia haniraka Mpamonjy Lehibe iray, i Jesosy Kristy Mpanjaka, mba hanafaka an’ireo malemy fanahy rehetra. Rehefa hahatratra ny fara tampony amin’ny adin’i Haramagedona izao andro farany izao, dia hitondra fanamaivanana sy fitahiana mandrakizay ho an’ny olombelona matahotra an’Andriamanitra izy.​—Salamo 72:2, 4, 7, 12-14.

34. a) Amin’ny fomba ahoana no hahafantaran’ny “Egyptiana” an’i Jehovah, ary fanatitra inona sy fanomezana inona no homen’izy ireo azy? b) Rahoviana i Jehovah no hamely an’i “Egypta”, ary fahasitranana inona no hanaraka izany?

34 Mandra-pahatongan’izany, dia sitrapon’Andriamanitra ny hahazoan’ny karazan’olona rehetra fahalalana araka ny marina sy ny hahavoavonjy azy. (1 Timoty 2:4). Noho izany, dia nanoratra i Isaia hoe: “Jehovah hanao izay hahafantaran’ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an’i Jehovah amin’izany andro izany; dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-dra sy amin’ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin’i Jehovah sady hanefa ny voadiny. Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; dia hiverina ho any amin’i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.” (Isaia 19:21, 22). Misy olona avy amin’ny firenena rehetra ao amin’ny tontolon’i Satana, dia “Egyptiana” isam-batan’olona, manjary mahafantatra an’i Jehovah ka manolotra fanatitra ho azy, dia “ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany”. (Hebreo 13:15). Manao voady amin’i Jehovah izy ireo, amin’ny fanolorana ny tenany ho azy, ary manefa izany voadiny izany, amin’ny fanehoana tsy fivadihana aminy eo amin’ny fanompoana azy. Aorian’ny ‘hamelezan’i’ Jehovah an’ity fandehan-javatra ity ao amin’i Haramagedona, dia hampiasa ny Fanjakany izy mba hanasitranana ny olombelona. Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy, dia hasandratra hanana fahalavorariana ara-panahy, ara-tsaina, ara-pitondran-tena ary ara-batana ny olombelona​—fahasitranana tokoa!​—Apokalypsy 22:1, 2.

‘Hotahina anie ny oloko’

35, 36. Ho fahatanterahan’ny Isaia 19:23-25, fifandraisana inona avy no nanjary nisy teo amin’i Ejipta sy i Asyria ary ny Isiraely, tamin’ny andro fahiny?

35 Avy eo, dia nahita fisehoan-javatra mahavariana iray ilay mpaminany. “Amin’izany andro izany dia hisy làlambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. Amin’izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin’ny tany; fa hotahin’i Jehovah, Tompon’ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan’ny tànako, ary Isiraely lovako.” (Isaia 19:23-25). Eny, indray andro any, dia hisy fifandraisam-pisakaizana eo amin’i Ejipta sy i Asyria. Amin’ny fomba ahoana?

36 Rehefa namonjy ny vahoakany avy tamin’ireo firenena i Jehovah, tamin’ny andro taloha, dia nanamboatra ho azy ireo, lalambe nitarika ho amin’ny fahafahana izy, raha azo atao ny milaza izany. (Isaia 11:16; 35:8-10; 49:11-13; Jeremia 31:21). Nisy fahatanterahany voafetra io faminaniana io taorian’ny naharesen’i Babylona, fony naverina avy tany Asyria sy Ejipta ary i Babylona ho any amin’ny Tany Nampanantenaina ireo natao sesitany. (Isaia 11:11). Ahoana anefa ny amin’ny andro ankehitriny?

37. Ahoana no ampisehoan’ny fiainan’ny olona an-tapitrisany maro fa toy ny misy lalambe iray mampifandray an’i “Asyria” sy i “Egypta”?

37 Amin’izao andro izao, dia “ho fitahiana eo amin’ny tany” ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy voahosotra. Mampandroso ny fivavahana marina izy ireo, ary manambara ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona any amin’ny firenena rehetra. Ny sasany amin’ireo firenena ireo dia sahala amin’i Asyria, manan-tafika sy fitaovam-piadiana tsy toko tsy forohana. Ny firenena hafa kosa dia malala-tsaina kokoa, angamba sahala amin’i Ejipta​—“ny mpanjakan’ny atsimo” taloha, araka ny faminanian’i Daniela. (Daniela 11:5, 8). Olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena manan-tafika sy fitaovam-piadiana sy avy amin’ny firenena malala-tsaina kokoa, no niroso teo amin’ny lalan’ny fivavahana marina. Olona avy amin’ny firenena rehetra àry no tafaray mba “hiara-mivavaka”. Tsy misy fisaratsarahana noho ny fanindrahindram-pirenena, eo anivon’izy ireo. Mifankatia izy ireo, ary tena azo lazaina marina fa ‘mankany Ejipta ny Asyrianina, ary ny Ejipsianina mankany Asyria’. Toy ny hoe misy lalambe iray mampifandray azy ireo.​—1 Petera 2:17.

38. a) Amin’ny ahoana ny Isiraely no “ho fahatelony amin’i Egypta sy i Asyria”? b) Nahoana i Jehovah no nilaza hoe ‘Hotahina anie ny oloko’?

38 Amin’ny ahoana anefa “ny Isiraely no ho fahatelony amin’i Egypta sy Asyria”? Teo am-piandohan’ny “andro farany”, dia anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra” ny ankamaroan’ireo izay nanompo an’i Jehovah teto an-tany. (Daniela 12:9; Galatiana 6:16). Nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia niseho ny olona betsaka amin’ny “ondry hafa”, izay manantena ny hiaina eto an-tany. (Jaona 10:16a; Apokalypsy 7:9). Mivoaka avy amin’ireo firenena​—nasehon’i Ejipta sy i Asyria​—izy ireo, ka mirohotra ho amin’ny tranon’i Jehovah fanolorana fanompoam-pivavahana ary manasa ny hafa hiaraka aminy. (Isaia 2:2-4). Manatontosa ilay asa fitoriana ataon’ireo rahalahiny voahosotra koa izy ireo, miaritra fitsapana mitovy amin’ny azy, maneho fahatokiana sy tsy fivadihana tahaka azy, ary mivelona amin’ny sakafo ara-panahy mitovy amin’ny azy. Tena ‘andiany iray, manana mpiandry iray ihany’ tokoa ny voahosotra sy ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16b). Misy afaka misalasala ve fa hoe faly noho ny asan’izy ireo i Jehovah, izay mahita ny zotom-pony sy ny fiaretany? Tsy mahagaga raha manonona izao tso-drano izao ho azy ireo izy: ‘Hotahina anie ny oloko’!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Misy manam-pahaizana manipy hevitra fa ilay teny hoe “tany be fibiziziokan’elatra” dia manondro ireo andiam-balala izay mandrakotra an’i Etiopia tsindraindray. Ny hafa kosa milaza fa ilay teny hebreo hoe tsela·tsalʹ, nadika hoe ‘fibizizioka’, dia mitovy feo amin’ilay anarana hoe tsaltsalya, nomen’ny Galla, mponina hamitika monina any Etiopia ankehitriny, ho an’ny lalitra tsetse.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 191]

Mpiady filistinina manafika ny fahavalony (sary sokitra ejipsianina, tamin’ny taonjato faha-12 al.f.i.)

[Sary, pejy 192]

Sary vato mampiseho mpiady na andriamanitra moabita (teo anelanelan’ny taonjato faha-11 sy faha-8 al.f.i.)

[Sary, pejy 196]

Mpiady syrianina mitaingina rameva (taonjato fahasivy al.f.i.)

[Sary, pejy 198]

‘Ny ranomasin’ny’ olombelona misamboaravoara sy mpikomy dia manetsika tsy fahafaliana sy fanonganam-panjakana

[Sary, pejy 203]

Ireo mpisoron’i Ejipta dia tsy afaka nifampitaha hery tamin’i Jehovah