Ny Ray Iray sy Ireo Zanany Mpikomy
Toko Faharoa
Ny Ray Iray sy Ireo Zanany Mpikomy
1, 2. Hazavao ny nahatonga an’i Jehovah hanana zanaka mpikomy.
NAMELONA tsara ny zanany izy, toy ny hataon’ny ray na ny reny iray be fitiavana. Nandritra ny taona maro, dia nataony izay hahazoan’izy ireo hanina sy fitafiana ary fialofana. Rehefa nilaina, dia nanafay azy ireo izy. Tsy tafahoatra mihitsy anefa izany famaizana azy ireo izany, fa “araka ny antonony” foana. (Jeremia 30:11). Azontsika alaina sary an-tsaina mora foana àry ny alahelo mafy nahazo io ray be fitiavana io, rehefa tsy maintsy nanao izao fanambarana izao izy: “Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo niodina tamiko ireo.”—Isaia 1:2b.
2 Ireo zanaka mpikomy resahina eto dia ny vahoakan’i Joda, ary ilay ray azon’alahelo dia i Jehovah Andriamanitra. Mampalahelo tokoa lahy izany! Namelona an’ireo Jodianina i Jehovah, ary nanandratra azy ireo ho amin’ny toerana ambony noho ny an’ireo firenena. “Notafiako lamba misoratsoratra koa hianao sy nokiraroako hodi-takasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily”, hoy ny nampahatsiahiviny azy ireo tatỳ aoriana, tamin’ny alalan’i Ezekiela mpaminany. (Ezekiela 16:10). Kanefa, tsy nankasitraka ny nataon’i Jehovah ho azy ny ankamaroan’izy ireo. Nikomy, na hoe niodina, kosa aza izy ireo.
3. Nahoana i Jehovah no niantso ny lanitra sy ny tany mba ho vavolombelona ny amin’ny fikomian’ny Joda?
3 Misy antony tsara nanaovan’i Jehovah izao fanambarana izao, teo alohan’ireo teny momba ny zanany mpikomy ireo: “Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, fa Jehovah no miteny”. (Isaia 1:2a). Taonjato maro talohan’io, ny lanitra sy ny tany dia nahare, raha azo atao ny milaza izany, ny nandraisan’ireo Isiraelita fampitandremana mazava tsara momba ny ho vokatry ny tsy fankatoavana. Hoy tokoa i Mosesy tamin’izay: “Dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa hianareo tsy ho eo amin’ny tany izay alehanareo hita an’i Jordana holovana”. (Deoteronomia 4:26). Izao, tamin’ny andron’i Isaia, dia niantso ny lanitra tsy hita maso sy ny tany hita maso i Jehovah, mba ho vavolombelona ny amin’ny fikomian’ny Joda.
4. Nifidy ny hilaza ny tenany ho inona ho an’ny Joda moa i Jehovah?
4 Nitaky fandaminan-javatra nivantana ny haratsin’ilay toe-javatra. Na dia tamin’io tarehin-javatra ratsy dia ratsy io aza anefa, dia mendri-komarihina—no sady manafana ny fo—fa nilaza ny tenany ho ray be fitiavana ho an’ny Joda i Jehovah, fa tsy ho tompony nividy azy tamim-bola fotsiny. Raha ny marina, dia niangavy ny vahoakany i Jehovah hijery ilay raharaha, araka ny fijerin’ny ray iray ory dia ory noho ireo zanany naniasia. Angamba ny tenan’ny ray aman-dreny sasany tao Joda dia afaka nipetraka teo amin’io toerana sarotra io, ka nanohina ny fony ilay fampitahana. Na ahoana na ahoana, dia hanameloka ny Joda izao i Jehovah.
Ny biby tsy manan-tsaina aza mahay kokoa
5. Nifanohitra tamin’ny Isiraely, amin’ny fomba ahoana moa no anehoan’ny ombilahy sy ny boriky fahatokiana?
5 Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia: “Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa ny Isiraely tsy mahalala, ny oloko tsy misaina.” (Isaia 1:3). * Biby mpitondra entana mahazatra an’ireo mponina any Moyen-Orient ny omby sy ny boriky. Eny tokoa, tsy afaka nanda ireo Jodianina fa na dia ireo biby ambany ireo aza dia naneho fahatokiana sy nahatsapa tsara fa nanana tompo. Momba izany, dia mariho izao natrehin’ny mason’ny mpanao fikarohana momba ny Baiboly izao, tamin’ny fifaranan’ny andro tao amin’ny tanàna iray any Moyen-Orient: “Raha vantany vao tafiditra tao anatin’ireo manda ilay andiam-biby, dia nanomboka niparitaka. Ny ombilahy tsirairay dia nahafantatra tsara ny tompony, sy ny lalana nankany an-tranony, no sady tsy sanganehana na dia kely akory aza teo amin’ireo lalan-kely tery sy niolakolaka ary nifampidipiditra. Ary ny boriky dia nanitsy nankany amin’ny varavarana, ka hatrany amin’ny ‘fihinanam-bilon’ny tompony’.”
6. Tamin’ny ahoana ny mponin’i Joda no tsy nitondra tena tamim-pahaiza-misaina?
6 Koa satria tsy maintsy ho zavatra nahazatra tamin’ny andron’i Isaia ny fisehoan-javatra toy izany, dia mazava ny tian’ilay hafatr’i Jehovah holazaina: Raha ny biby tsy manan-tsaina aza nahafantatra ny tompony sy ny fihinanam-bilony, inona no fialan-tsiny azon’ny vahoakan’i Joda naroso, noho izy nandao an’i Jehovah? Tena ‘tsy nisaina’, na hoe ‘tsy nitondra tena tamim-pahaiza-misaina’ (NW ), marina izy ireo. Toy ny hoe tsy tsapan’izy ireo fa niankina tamin’i Jehovah ny fanambinana azony, ary na dia ny ainy mihitsy aza. Tena porofon’ny famindram-pon’i Jehovah tokoa ny mbola niantsoany an’ireo Jodianina hoe “ny oloko”!
7. Inona avy no fomba sasany azontsika isehoana ho velom-pankasitrahana noho ireo fanomezan’i Jehovah?
7 Na oviana na oviana isika dia tsy haniry hitondra tena tsy amim-pahaiza-misaina, ka tsy haneho fankasitrahana noho izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika! Ny tokony hataontsika kosa dia ny hanahaka an’i Davida, mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.” (Salamo 9:1). Hampirisika antsika hanao izany ny fandraisana fahalalana momba an’i Jehovah tsy tapaka, satria milaza ny Baiboly fa “ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina”. (Ohabolana 9:10). Ny fisaintsainana isan’andro momba ireo fitahian’i Jehovah dia hanampy antsika ho velom-pankasitrahana sy tsy hihevitra ilay Raintsika any an-danitra ho tsy dia misy vidiny firy. (Kolosiana ). “Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy”, hoy i Jehovah, “ary izay mitandrina ny làlany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.”— 3:15Salamo 50:23.
Fanevatevana nanafintohina an’ilay “Iray Masin’ny Isiraely”
8. Nahoana ny vahoakan’i Joda no azo nantsoina hoe “firenena mpanota”?
8 Nanohy ny hafany tamin’izao teny mahery ho an’ny firenen’ny Joda izao i Isaia: “Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an’i Jehovah izy, efa nanamavo ny Iray Masin’ny Isiraely, efa nihodina izy.” (Isaia 1:4). Afaka miavovona ka manjary toy ny enta-mavesatra mampahory ny olona iray, ireo zava-dratsy vitany. Tamin’ny andron’i Abrahama, dia nolazain’i Jehovah ho ‘navesatra indrindra’ ny fahotan’i Sodoma sy i Gomora. (Genesisy 18:20). Ny nitovy tamin’izany izao no niharihary teo amin’ny vahoakan’i Joda, satria nilaza i Isaia fa “mavesa-keloka” izy ireo. Fanampin’izany, dia nantsoiny hoe “taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka”, izy ireo. Eny, toy ny ankizy maditra ireo Jodianina. Efa “nihodina” izy ireo, na hoe “tafasaraka tanteraka” tamin’ny Rainy, araka ny ilazan’ny New Revised Standard Version azy.
9. Inona no hevitr’ilay teny hoe “ny Iray Masin’ny Isiraely”?
9 Tamin’ny faniasiavany, dia nanamavo an-karihary “ny Iray Masin’ny Isiraely” ny vahoakan’i Joda. Inona no hevitr’io teny io, izay hita in-25 ao amin’ny bokin’i Isaia? Ny hoe masina dia midika hoe madio, tsy misy loto. I Jehovah no fara tampony amin’ny fahamasinana. (Apokalypsy 4:8). Nampahatsiahivina ny amin’izany ny Isiraelita, isaky ny nijery an’ireo teny voasokitra teo amin’ilay takelaka volamena teo amin’ny hamaman’ny mpisoronabe, nanao hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.” (Eksodosy 39:30, NW ). Noho izany, tamin’ny fiantsoana an’i Jehovah hoe “ny Iray Masin’ny Isiraely”, dia nanantitrantitra ny halehiben’ny fahotan’ny Joda i Isaia. Nandika an-kitsirano an’izao didy nomena ny razambeny izao mihitsy ireo mpikomy ireo: “Manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho”!—Levitikosy 11:44.
10. Inona no azontsika atao mba tsy hanamavoana “ny Iray Masin’ny Isiraely”?
1 Petera 1:15, 16). Ary mila ‘mankahala ny ratsy’ koa izy ireo. (Salamo 97:10). Ny fanao maloto toy ny fahalotoam-pitondran-tena, ny fanompoan-tsampy, ny halatra ary ny fimamoana dia mandoto ny kongregasiona kristianina. Izany no antony androahana avy ao amin’ny kongregasiona, ireo izay tsy mety miala amin’ireo fanao ireo. Amin’ny farany, ireo izay manohy manaraka lalan’ny fahalotoana toy izany, ka tsy mibebaka, dia tsy ho anisan’ireo izay hahazo ny fitahiana hoentin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Eny tokoa, tena fanevatevana manafintohina an’ilay “Iray Masin’ny Isiraely” ny fanao ratsy rehetra toy izany.—Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 5:6-11; 6:9, 10.
10 Ny Kristianina amin’izao andro izao dia tsy maintsy miezaka mafy araka izay azony atao mba tsy hanaraka ny ohatra nomen’ny Joda, tamin’ny fanamavoana “ny Iray Masin’ny Isiraely”. Tsy maintsy manahaka ny fahamasinan’i Jehovah izy ireo. (Narary hatramin’ny lohany ka hatramin’ny faladiany
11, 12. a) Lazalazao ny haratsin’ny toe-pahasalaman’ny Joda. b) Nahoana isika no tsy tokony halahelo ny Joda?
11 Manaraka izany, dia niezaka nampanjohy hevitra ny vahoakan’i Joda i Isaia, tamin’ny fampisehoana tamin’izy ireo fa narary izy ireo. Hoy izy: “Nahoana no mbola ta-hasiana ihany hianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao?” Raha ny marina, dia toy ny nanontany azy ireo i Isaia hoe: ‘Mbola tsy ampy anareo ihany ve ny fijalianareo? Nahoana ianareo no mbola manampy trotraka ny fahavoazanareo amin’ny fanohizana mikomy?’ Nanohy ny teniny toy izao i Isaia: “Henika aretina avokoa ny loha rehetra, ary marary ny fo rehetra. Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary”. (Isaia 1:5, 6a). Nahatsiravina ny aretin’ny Joda—narary ara-panahy izy, hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladiany. Tena ratsy tokoa izany aretina izany!
12 Tokony halahelo ny Joda ve anefa isika? Tsia! Taonjato maro talohan’io, dia nampitandremana tsara momba ny ho Deoteronomia 28:35). Amin’ny heviny ara-panoharana, izao ny Joda dia niharan’ireo vokatry ny ditrany ireo. Ho azo nosorohina anefa izany rehetra izany, raha nankatò an’i Jehovah fotsiny ny vahoakan’i Joda.
sazin’ny tsy fankatoavana ny firenen’ny Isiraely manontolo. Izao no anisan’ny nolazaina taminy: “Hamelin’i Jehovah anao ny vay ratsy, izay tsy azom-panafody, dia amin’ny lohalikao sy ny tongotrao, hatramin’ny faladianao ka hatramin’ny tampon-dohanao.” (13, 14. a) Ratra inona avy no nahazo ny Joda? b) Moa ve ny fahorian’ny Joda nahatonga azy hieritreritra indray momba ny fikomiany?
13 Nanohy nilazalaza momba ny toe-pahasalamana nampalahelon’ny Joda toy izao i Isaia: “Ratra sy dian-kapoka ary fery vao; tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ny diloilo izy.” (Isaia 1:6b). Manonona karazana ratra telo ilay mpaminany eto: ratra (toy ny rehefa voakapan’ny sabatra na ny antsy), sy dian-kapoka (mivonto noho ny fikapohana), ary fery vao (ratra vao haingana sy mbola misokatra, izay toa tsy ho azo sitranina). Ny sary tiana havoaka dia ny an’ny lehilahy iray izay nosazina mafy tamin’ny fomba rehetra azo nosaintsainina, ka tsy nisy tsy voa ny faritra rehetra tamin’ny vatany. Tena tao anatin’ny toe-javatra nampamoy fo marina ny Joda.
14 Nanosika azy hiverina ho amin’i Jehovah ve ny toe-pahasalamana nampahonenan’ny Joda? Tsia! Ny Joda dia toy ilay mpikomy voalaza toy izao ao amin’ny Ohabolana 29:1: “Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.” Toa tsy azo nositranina ilay firenena. Araka ny filazan’i Isaia azy, dia ‘tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ny diloilo ny feriny’. * Toy ny ratra iray mbola misokatra sy tsy voafehy ary mihanaka hatraiza hatraiza ny fahitana ny Joda.
15. Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika iarovan-tena tsy ho voan’ny aretina ara-panahy?
Romana 12:9). Mila mamboly ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro koa isika. (Galatiana 5:22, 23). Raha manao izany isika, dia tsy ho voan’ilay nampijaly ny Joda—harary ara-panahy hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.
15 Ny fianarana raisintsika avy amin’ny Joda dia hoe tsy maintsy mitandrina isika mba tsy harary ara-panahy. Toy ny aretina ara-batana, dia afaka mahazo na iza na iza amintsika ny aretina ara-panahy. Rehefa dinihina tokoa, iza amintsika moa no tsy mora tratran’ny filan’ny nofo? Afaka mamaka ao am-pontsika ny fitsiriritana tafahoatra sy ny faniriana fahafinaretana mihoa-pampana. Noho izany, dia mila mampiofan-tena mba ‘hankahala ny ratsy’ sy ‘hifikitra amin’ny tsara’ isika. (Tany tonga lao
16. a) Ahoana no nilazalazan’i Isaia ny toetoetran’ny tanin’i Joda? b) Nahoana no misy milaza fa notononina tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahaza ireo teny ireo, nefa ahoana no mety hahazoantsika ny hevitr’izy ireo?
16 Avelan’i Isaia izao ilay fampitahana ara-pitsaboana nataony, ka ny toetoetran’ny tanin’ny Joda no itodihany. Toy ny hoe nitazana tany lemaka iray rotidrotiky ny ady izy, ka nilaza hoe: “Ny taninareo dia efa lao; ny tanànanareo dia voadotra tamin’ny afo; ny tany volenareo dia lanin’ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan’ny fahavalo.” (Isaia 1:7). Misy manam-pahaizana milaza fa na dia eo am-piandohan’ny bokin’i Isaia aza no misy ireo teny ireo, dia azo inoana fa tatỳ aoriana kokoa tamin’ny fanompoan’ilay mpaminany no nanononana azy ireo, angamba nandritra ny fotoana nanjakan’i Ahaza, mpanjaka ratsy fanahy. Manambara izy ireo fa nahitana fanambinana loatra ny fotoana nanjakan’i Ozia, ka tsy azo hamarinina ny filazalazana mahaketraka toy io. Marina aloha fa tsy azo ambara amin’ny fomba azo antoka raha araka ny fandehan’ny fotoana no nanambàrana ireo soratra ao amin’ny bokin’i Isaia na tsia. Kanefa, ara-paminaniana angamba ireo tenin’i Isaia momba ilay tany lao. Rehefa nanonona io fanambarana eo ambony io i Isaia, dia azo inoana fa nampiasa fomba fanoratra hita any amin’ny toerana hafa ao amin’ny Baiboly izy—ny filazana fisehoan-javatra ho avy iray ho toy ny efa nitranga, mba hanantitranterana fa azo antoka ny fahatanterahan’ny faminaniana iray.—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 11:15.
17. Nahoana no tsy tokony hahagaga ny vahoakan’i Joda ny filazalazana ara-paminaniana momba ny hahalao azy?
17 Na ahoana na ahoana, ilay filazalazana ara-paminaniana momba ny hahalao an’i Joda dia tsy tokony hahagaga an’io vahoaka feno kiry sy tsy nankatò io. Taonjato maro talohan’io, dia nampitandrina azy ireo i Jehovah ny amin’izay hitranga, raha mikomy izy ireo. Hoy izy: “Hataoko lao ny tany, ka ho talanjona amin’izany ny fahavalonareo izay monina eo. Ary hianareo dia haeliko any amin’ny jentilisa, ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, ary ny tanànanareo ho rava.”—Levitikosy 26:32, 33; 1 Mpanjaka 9:6-8.
18-20. Oviana no tanteraka ny teny ao amin’ny Isaia 1:7, 8, ary ahoana no ‘namelan’i Jehovah hisy olona vitsivitsy ho sisa velona’ tamin’io indray mandeha io?
18 Ireo teny ao amin’ny Isaia 1:7, 8 dia toa tanteraka nandritra ireo fanafihana nataon’i Asyria, izay niafara tamin’ny fandringanana ny Isiraely sy tamin’ny faharinganana sy ny fahoriana niely patrana tao Joda. (2 Mpanjaka 17:5, 18; 18:11, 13; 2 Tantara 29:8, 9). Kanefa, tsy ripaka tanteraka ny Joda. Hoy i Isaia: “Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanimboaloboka, sy tahaka ny fandriana mihantona an’ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, dia tahaka ny tanàna atao fahirano.”—Isaia 1:8.
19 Tao anatin’izany fahafoanana rehetra izany, dia havela hitoetra i “Ziona zanakavavy”, dia i Jerosalema. Ho toy ny mora voa anefa ny fahitana azy—toy ny trano bongo tao anaty tanimboaloboka, na toy ny trano hevan’ny mpiambina tao anaty tanimbolim-boatango. Fony izy nanao dia nanaraka ny ony Nil, dia nahatsiaro ireo tenin’i Isaia ireo ny manam-pahaizana iray tamin’ny taonjato faha-19, rehefa nahita trano heva toy izany, izay nolazainy ho “tsy inona fa fefy misakana ny rivotra avaratra”. Tany Joda, rehefa nifarana ny fijinjana, dia navela ho rava sy hirodana ho azy, ireny trano heva ireny. Na izany aza, na dia
nety ho toa narefo dia narefo aza ny fahitan’ny tafika asyrianina faran’izay natanjaka an’i Jerosalema, dia ho tafita velona izy io.20 Namarana ny fanambarany ara-paminaniana toy izao i Isaia: “Raha tsy nosisan’i Jehovah, Tompon’ny maro, olona vitsivitsy isika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma ary nitovy tamin’i Gomora.” (Isaia 1:9). * Mba hanoherana ny herin’i Asyria, dia ho avy hanampy an’i Joda ihany i Jehovah amin’ny farany. Tsy ho tahaka an’i Sodoma sy i Gomora i Joda, satria tsy ho voafafa mandrakizay. Mbola hisy ihany izy.
21. Rehefa avy nandringana an’i Jerosalema i Babylona, nahoana no nisy ‘olona vitsivitsy navelan’i Jehovah ho sisa velona’?
21 Maherin’ny 100 taona tatỳ aoriana, dia nisy nandrahona indray i Joda. Tsy nandray fianarana avy tamin’ilay famaizana 2 Tantara 36:16). Nandresy an’i Joda i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ka tamin’ity indray mandeha ity, dia tsy nisy na inona na inona tavela, na dia “trano rantsan-kazo ao anaty tanimboaloboka” aza. Na i Jerosalema aza dia ringana. (2 Tantara 36:17-21). Na dia izany aza, dia nisy ‘olona vitsivitsy nosisan’i Jehovah’, na hoe ‘nisy olona vitsivitsy navelan’i Jehovah ho sisa velona’ (NW ). Na dia niaritra 70 taona tany an-tsesitany aza ny Joda, dia nataon’i Jehovah izay haharetan’ilay firenena, ary indrindra fa ny taranak’i Davida, izay hamokatra ilay Mesia nampanantenaina.
nampiharina taminy tamin’ny alalan’i Asyria ilay vahoaka. “Ny olona nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny”. Ho vokany, dia ‘nihatra taminy ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy nisy nahavonjy azy’. (22, 23. Tamin’ny taonjato voalohany, nahoana no nisy ‘olona vitsivitsy navelan’i Jehovah ho sisa velona’?
22 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nandia ny fotoan-tsarotra Matio 21:43; 23:37-39; Jaona 1:11). Izany ve no faran’ny fananan’i Jehovah firenena manokana eto an-tany? Tsia. Nasehon’ny apostoly Paoly fa mbola hanana fahatanterahany iray hafa ny Isaia 1:9. Naka teny avy tao amin’ny dikan-tenin’ny Septante izy, ka nanoratra hoe: “Araka izay nolazain’Isaia fahiny hoe: ‘Raha tsy Jehovah, Tompon’ny maro, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tonga tahaka an’i Gomora isika.’ ”—Romana 9:29.
niainany farany ny Isiraely, dia ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. Fony niseho ho ilay Mesia nampanantenaina i Jesosy, dia nanda azy ilay firenena, ka nolavin’i Jehovah, noho izany. (23 Tamin’io indray mandeha io, ireo tafita velona dia ireo Kristianina voahosotra, izay nino an’i Jesosy Kristy. Jiosy nino aloha no nahaforona azy ireo. Tatỳ aoriana, dia nisy Jentilisa nino nanatevin-daharana azy ireo. Tafaraka izy ireo mba hahaforona Isiraely vaovao iray, dia “ny Isiraelin’Andriamanitra”. (Galatiana 6:16; Romana 2:29). Tafita velona tamin’ny fandringanana ny fandehan-javatra jiosy tamin’ny 70 am.f.i. io “taranaka” io. Eny tokoa, mbola eto anivontsika amin’izao andro izao “ny Isiraelin’Andriamanitra”. Ary nanatevin-daharana azy ireo izao ny olona mino an-tapitrisany maro avy amin’ireo firenena, izay mahaforona “olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”.—Apokalypsy 7:9.
24. Inona no tokony hanehoan’ny rehetra fiheverana, raha iriny ny ho tafita velona amin’ilay fotoan-tsarotra ratsy indrindra eo amin’ny olombelona?
24 Tsy ho ela izao, dia hiatrika ny adin’i Haramagedona ity tontolo ity. (Apokalypsy 16:14, 16). Na dia ho fotoan-tsarotra, izay ho ratsy noho ny tamin’ny nanafihan’ny Asyrianina na ny Babylonianina an’i Joda, aza izy io, ary ho ratsy noho ny tamin’ny nanafoanan’ny Romanina an’i Jodia tamin’ny 70 am.f.i. mihitsy aza, dia hisy ho tafita velona. (Apokalypsy 7:14). Tena zava-dehibe àry ny handinihan’ny rehetra amim-pitandremana ireo tenin’i Isaia ho an’ny Joda! Nahatonga ny olona nahatoky tamin’izany andro izany ho tafita velona izy ireo. Ary afaka ny hahatonga an’ireo olona mino amin’izao andro izao ho tafita velona koa izy ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Eto, ny hoe “Isiraely” dia manondro ny fanjakan’ireo foko roan’ny Joda.
^ feh. 14 Manome taratry ny fomba fitsaboana tamin’ny androny ny tenin’i Isaia. Hoy ny nomarihin’i E. H. Plumptre, mpanao fikarohana momba ny Baiboly: “Ny ‘nanery’ na ‘nanapotsitra’ ilay ratra namoro-nana no fomba nandramana voalohany mba hanesorana ilay nana; avy eo, toy ny natao tamin’i Hezekia (toko xxxviii. 21), dia ‘nofehezina’ ilay izy, tamin’ny alalan’ny katapilasy, avy eo dia nisy diloilo na menaka fanosotra namelombelona nampiasaina, angamba diloilo sy divay, toy ny ao amin’ny Lioka x. 34, mba hanadiovana ilay fery.”
^ feh. 20 Hoy ny Commentary on the Old Testament, nataon’i C. F. Keil sy i F. Delitzsch: “Mifarana eto ny kabarin’ilay mpaminany. Misy faritra banga eo anelanelan’ny and. 9 sy 10, ka mampiseho fa mizara ho roa ilay soratra eto. Io fomba fanamarihana fizarana lehibe na kely io, na amin’ny famelana faritra banga izany, na amin’ny fanapahana ilay andalana, dia tranainy kokoa noho ny fampiasana teboka sy mari-tsindrimpeo eo amin’ny zanatsoratra, ary miorina amin’ny fomba mahazatra iray nisy hatramin’ny fahagolan-tany.”
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 20]
Tsy ho tahaka an’i Sodoma sy i Gomora i Joda, satria tsy ho foana tsy hisy mponina mandrakizay