Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafaverina ny Paradisa!

Tafaverina ny Paradisa!

Toko Fahavalo Amby Roapolo

Tafaverina ny Paradisa!

Isaia 35:1-10

1. Nahoana ny fivavahana maro no manolotra fanantenana fiainana ao amin’ny paradisa?

“NY EMBONA ny paradisa no iray amin’ireo fihetseham-po toa tsy mitsaha-mamelovelo ao am-pon’ny olombelona. Mety ho ny mahery indrindra sady ny maharitra indrindra amin’ny rehetra izy io. Miharihary eo amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fiainana ara-pivavahana ny faniriana ny paradisa.” Izany no nolazain’ny The Encyclopedia of Religion. Tsy mahagaga velively ny embona toy izany, satria milaza amintsika ny Baiboly fa ny fiainan’ny olombelona dia nanomboka tao amin’ny Paradisa​—zaridaina kanto iray tsy nahitana aretina na fahafatesana. (Genesisy 2:8-15). Tsy mahagaga raha maro amin’ireo fivavahana eto ambonin’ny tany no samy mampanantena fiainana ao amin’ny karazana paradisa samy hafa amin’ny hoavy.

2. Aiza no ahitantsika ny tena fanantenana Paradisa ho avy?

2 Ao amin’ny tapany maro ao amin’ny Baiboly, dia afaka mamaky momba ny tena fanantenana ny Paradisa ho avy isika. (Isaia 51:3). Ohatra, ilay tapany amin’ny faminanian’i Isaia voarakitra ao amin’ny toko faha-35, dia milaza ny fiovan’ny tany hay ho zaridaina fitsangantsanganana sy saha mahavokatra. Hahita ny jamba, ho afa-miteny ny moana ary handre ny marenina. Ao amin’io Paradisa nampanantenaina io, dia tsy hisy alahelo na fisentoana, ka izany dia milaza fa na ny fahafatesana aza dia tsy hisy intsony. Endrey izany fampanantenana mahatalanjona! Ahoana no tokony hahatakarana ny hevitr’ireo teny ireo? Manolotra fanantenana ho antsika amin’izao andro izao ve izy ireo? Hamaly ireo fanontaniana ireo ny fandinihana io toko ao amin’ny Isaia io.

Mifaly ny tany lao iray

3. Araka ny faminanian’i Isaia, fiovana inona moa no ho hitan’ilay tany?

3 Manomboka amin’izao teny izao ilay faminaniana ara-tsindrimandry momba ny Paradisa ho tafaverina: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy, ny voninahitr’i Libanona dia homena azy mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.”​—Isaia 35:1, 2.

4. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana ny tanindrazan’ny Jiosy no tonga toy ny tany karankaina?

4 Nanoratra ireo teny ireo, tany amin’ny taona 732 al.f.i. tany ho any, i Isaia. Tokony ho 125 taona tatỳ aoriana, dia nandringana an’i Jerosalema ny Babylonianina, ary natao sesitany ny mponin’i Joda. Navela ho tsy nisy mponina sy tonga lao ny tanindrazan’izy ireo. (2 Mpanjaka 25:8-11, 21-26). Tamin’izay, dia tanteraka ny fampitandreman’i Jehovah hoe hatao sesitany ny vahoakan’ny Isiraely, raha tsy nahatoky. (Deoteronomia 28:15, 36, 37; 1 Mpanjaka 9:6-8). Rehefa nanjary babo tany an-tanin’olon-kafa ilay firenena hebreo, dia navela ho tsy nisy nikarakara nandritra ny 70 taona ireo sahany sy saham-boankazony voatondraka tsara, ka tonga toy ny tany hay.​—Isaia 64:9; Jeremia 4:23-27; 9:9-11.

5. a) Ahoana no hamerenana ny toe-piainam-paradisa tao amin’ilay tany? b) Amin’ny heviny ahoana no ‘hahitan’ilay vahoaka ny voninahitr’i Jehovah’?

5 Kanefa, nanambara mialoha ny faminanian’i Isaia fa tsy ho lao mandrakizay akory ilay tany. Hatao ho tonga tena paradisa indray izy io. Homena “ny voninahitr’i Libanona” sy ny “hatsaran-tarehin’i Karmela sy Sarôna” izy. * Amin’ny fomba ahoana? Raha vao ho tafaverina avy any an-tsesitany ireo Jiosy, dia ho afaka hiasa sy hanondraka ny sahany indray, ary dia ho tonga lonaka sy hahavokatra toy ny taloha indray ny taniny. I Jehovah irery ihany no azo omena ny voninahitra noho izany. Noho ny sitrapony sy ny fanohanany ary ny fitahiany no hahafahan’ny Jiosy hahazo toe-piainam-paradisa toy izany. Ho afaka hahita “ny voninahitr’i Jehovah (...) sy ny famirapiratan’[ny Andriamaniny]” ilay vahoaka.

6. Fahatanterahan’ny tenin’i Isaia tamin’ny ambaratonga lehibe inona no hita?

6 Na izany aza, ao amin’ny tanin’i Isiraely ho tafaverina amin’ny laoniny, dia hanana fahatanterahana lehibe kokoa ny tenin’i Isaia. Tamin’ny heviny ara-panahy, dia tany maina toy ny efitra, nandritra ny taona maro, i Isiraely. Raha mbola tany an-tsesitany tany Babylona ny mponiny, dia tena voafepetra ny fivavahana marina. Tsy nisy tempoly, na alitara, na fisoronana voalamina. Naato ny fanolorana fanatitra isan’andro. Izao kosa i Isaia dia naminany ny hifamadika amin’izany. Teo ambanin’ny fitarihan’ny lehilahy toa an’i Zerobabela sy i Ezra ary i Nehemia, dia niverina tany Jerosalema ireo solontena avy tamin’ireo foko 12-n’ny Isiraely rehetra, mba hanorina indray ny tempoly sy hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah amin-kalalahana. (Ezra 2:1, 2). Izany no atao hoe paradisa ara-panahy!

Arehitry ny fanahy

7, 8. Nahoana ny Jiosy tany an-tsesitany no nila nijery ny lafy tsaran-javatra, ary inona no fampaherezana nomen’ny tenin’i Isaia?

7 Mitory fifaliana ny tenin’ny Isaia toko faha-35. Nanambara hoavy mamirapiratra ho an’ilay firenena nibebaka ilay mpaminany. Eny tokoa, miteny amim-piekena sy amim-pijerena lafy tsaran-javatra izy. Roanjato taona tatỳ aoriana, teo an-katoky ny fampodiana azy ireo, dia nila izany fiekena sy fijerena lafy tsaran-javatra izany koa ny Jiosy tany an-tsesitany. Nampirisika azy ireo ara-paminaniana toy izao, tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah: “Ampaherezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. Lazao amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.”​—Isaia 35:3, 4.

8 Fotoana hanaovan-javatra ny fifaranan’ilay sesitany naharitra ela be. Nambaran’i Kyrosy, mpanjakan’i Persa, izay nampiasain’i Jehovah hamaliana an’i Babylona, fa tsy maintsy haverina ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tao Jerosalema. (2 Tantara 36:22, 23). Fianakaviana hebreo an’arivony maro no nila nalamina mba hahafahany hanao ilay dia nampidi-doza avy tany Babylona nankany Jerosalema. Rehefa tonga any izy ireo, dia ho voatery hanangana toeram-ponenana ampy sy hanomana ilay asa goavana hanorenana indray ilay tempoly sy ilay tanàna. Ho an’ny Jiosy sasany tany Babylona, dia nety ho toa nampitakemotra izany rehetra izany. Kanefa, tsy fotoana hahatsiarovana ho malemy na ho matahotahotra izao. Tsy maintsy nifankahery sy natoky an’i Jehovah ireo Jiosy. Nomeny toky izy ireo fa ho voavonjy.

9. Fampanantenana mahatalanjona inona no natolotra an’ireo Jiosy niverina nody?

9 Hanana antony tsara hifaliana ireo izay nafahana avy tamin’ny fahababoana tany Babylona, satria hoavy mahatalanjona no niandry azy ireo, rehefa ho tafaverina any Jerosalema izy ireo. Hoy ny faminanian’i Isaia: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”.​—Isaia 35:5, 6a.

10, 11. Ho an’ireo Jiosy niverina nody, nahoana moa no tsy maintsy nanana heviny ara-panahy ny tenin’i Isaia, ary inona no tiany holazaina?

10 Miharihary fa ny toe-piainana ara-panahin’ny vahoakany no tao an-tsain’i Jehovah. Natao sesitany nandritra ny 70 taona izy ireo, ho sazin’ny fivadiham-pinoany teo aloha. Na izany aza, rehefa nampihatra famaizana tamin’ny vahoakany i Jehovah, dia tsy nahatonga azy ireo ho jamba, marenina, mandringa na moana. Araka izany, dia tsy nitaky fanasitranana kilema ara-batana ny fampodiana an’ilay firenen’ny Isiraely. Ny naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny dia ilay zavatra very, izany hoe ny fahasalamana ara-panahy.

11 Sitrana ireo Jiosy nibebaka, satria tonga saina indray teo amin’ny lafiny ara-panahy​—nody ny fomba fijeriny ara-panahy sy ny fahaizany mandre sy mankatò ary miteny ny tenin’i Jehovah. Nanjary takany fa nila nitoetra ho akaiky an’i Jehovah izy. Tamin’ny alalan’ny fitondran-tenany tsara dia tsara, dia ‘nihoby’ ho fiderana an’ilay Andriamaniny izy. Nanjary dodona sy narisika be teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah ireo ‘nandringa’ taloha. “Hitsambikina tahaka ny diera” izy ireo​—amin’ny heviny an’ohatra.

Mamelombelona ny vahoakany i Jehovah

12. Ho toy inona ny habetsahan-drano homen’i Jehovah an’ilay tany?

12 Sarotra ny maka sary an-tsaina paradisa iray tsy misy rano. Be dia be ny rano tao amin’ilay Paradisa voalohany tao Edena. (Genesisy 2:10-14). Ilay tany nomena ny Isiraely koa dia “tany misy renirano sy loharano ary rano lalina”. (Deoteronomia 8:7). Tena mety àry ny nanomezan’i Isaia izao fampanantenana mamelombelona izao: “Hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.” (Isaia 35:6b, 7). Rehefa hikarakara indray ilay tany ny Isiraelita, dia ho rakotra zavamaniry maitso mavana sy mandrobona ny faritra lao nirenirenen’ny amboadia. Hiova ho “heniheny” hanirian’ny zozoro sy ny zavamaniry an-drano hafa, ny tany maina sady feno vovoka.​—Joba 8:11, NW.

13. Rano ara-panahy tondraka inona no ho azon’ilay firenena hampodina?

13 Zava-dehibe kokoa anefa ny rano ara-panahin’ny fahamarinana tondraka ho azon’ireo Jiosy hampodina any an-tanindrazany. Hanome fahalalana sy fampaherezana ary fampiononana amin’ny alalan’ny Teniny i Jehovah. Ambonin’izany, ireo loholona sy andriana nahatoky dia ho sahala amin’ny “ranovelona ao amin’ny tany karankaina”. (Isaia 32:1, 2). Ireo izay nampandroso ny fivavahana madio, toa an’i Ezra, i Hagay, i Jesoa, i Nehemia, i Zakaria, ary i Zerobabela, dia ho porofo velon’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia tokoa.​—Ezra 5:1, 2; 7:6, 10; Nehemia 12:47.

“Ny làlan’ny fahamasinana”

14. Lazalazao ilay dia avy tany Babylona nankany Jerosalema.

14 Alohan’ny hahafahan’ireo Jiosy tany an-tsesitany hankafy ireo toe-piainam-paradisa ara-batana sy ara-panahy ireo anefa, dia tsy maintsy nanao ilay dia lava sady nampidi-doza avy tany Babylona nankany Jerosalema izy ireo. Raha nanao hitsin-dalana izy ireo, dia ho voatery namakivaky tany ngazana tsy nahatamana, 800 kilaometatra. Ny lalana iray hafa tsy dia hampidi-doza dia hisy 1 600 kilaometatra. Na ilay voalohany no handehanan’izy ireo, na ilay faharoa, dia ho voatery hiaritra ny toetrandro henjana mandritra ny volana maro izy ireo ary nety hifanehatra tamin’ny bibidia sy ny olona masiaka toy ny biby. Na izany aza, dia tsy nanahy be loatra ireo izay nino ny faminanian’i Isaia. Nahoana?

15, 16. a) Fiarovana inona no nomen’i Jehovah ho an’ireo Jiosy nahatoky teny an-dalana hody? b) Tamin’ny lafiny hafa inona koa no niarovan’i Jehovah ireo Jiosy?

15 Hoy ny nampanantenain’i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia: “Hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana; tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy, ka izay mandeha amin’ny làlana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; fa ny navotana no handia azy.” (Isaia 35:8, 9). Nampody ny vahoakany i Jehovah! Izy ireo no ‘navotany’, ary nomeny toky izy ireo fa harovany eny amin’ny lalany hody. Moa ve nisy lalana voaisy rarivato sy nampakarina ary voafefy ara-bakiteny, avy tany Babylona nankany Jerosalema? Tsia, fa ny fiarovan’i Jehovah ny vahoakany teny an-dalana dia azo antoka aoka izany, hany ka toy ny hoe nandeha teo amin’ny lalana toy izany izy ireo.​—Ampitahao amin’ny Salamo 91:1-16.

16 Narovana tamin’ny loza ara-panahy koa ireo Jiosy. Ilay lalam-be an’ohatra dia ny “Làlan’ny fahamasinana”. Tsy navela handeha teo aminy, ireo izay tsy nanaja ny zavatra masina na naloto ara-panahy. Tsy nirina izy ireo tao amin’ilay tany haverina amin’ny laoniny. Ireo nekena kosa dia ireo izay nanana antony nanosika tsara. Tsy natosiky ny fireharehana ara-pirenena na ny fikatsahana ny tombontsoan’ny tenany manokana izy ireo, raha niverina nody tany Joda sy Jerosalema. Takatr’ireo Jiosy araka ny fanahy kosa fa ny antony voalohany nodiany dia mba hampiorina indray ny fivavahana marina amin’i Jehovah tao amin’io tany io.​—Ezra 1:1-3.

Nifaly ny vahoakan’i Jehovah

17. Ahoana no nahazoan’ireo Jiosy nahatoky fampiononana avy tamin’ny faminanian’i Isaia, fony izy ireo tany an-tsesitany nandritra ny ela be?

17 Mifarana amin’izao teny maneho hafaliana izao ny toko faha-35 amin’ny faminanian’i Isaia: “Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” (Isaia 35:10). Ny Jiosy babo izay nitodika tany amin’io faminaniana io mba hahazoana fampiononana sy fanantenana, fony izy ireo tany an-tsesitany, dia mety ho nanontany tena hoe ahoana no hahatanterahan’ireo tsipiriany samy hafa tao aminy. Azo inoana fa tsy takatr’izy ireo ny hevitry ny lafiny maro tamin’ilay faminaniana. Na izany aza, dia nazava tamin’izy ireo fa “hiverina ka hankany Ziona” izy ireo.

18. Tamin’ny heviny ahoana no hoe nisolo ho fifaliana sy faharavoravoana tao amin’ilay tany tafaverina tamin’ny laoniny, ilay alahelo sy fisentoana tany Babylona?

18 Noho izany, tamin’ny taona 537 al.f.i., dia nisy lehilahy tokony ho 50 000 (anisan’izany ny andevo 7 000) niaraka tamin’ny zaza amam-behivavy, nanao ilay dia haharitra efa-bolana, mba hiverina tany Jerosalema, feno fatokisana tanteraka an’i Jehovah. (Ezra 2:64, 65). Volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana, dia voaorina indray ny alitaran’i Jehovah, ka izany no dingana voalohany ho amin’ny fanorenana indray ny tempoly tamin’ny fomba feno. Tanteraka ilay faminaniana nolazain’i Isaia 200 taona tany aloha. Nisolo ho fifaliana sy faharavoravoana tao amin’ilay tany tafaverina tamin’ny laoniny, ilay alahelo sy fisentoana tsapan’ilay vahoaka tany Babylona. Nitana ny teny nataony i Jehovah. Tafaverina ilay Paradisa​—na ara-bakiteny na ara-panahy!

Ny nahaterahan’ny firenena vaovao iray

19. Nahoana no tsy maintsy lazaina fa voafetra ihany ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia tamin’ny taonjato fahenina al.f.i.?

19 Mazava ho azy fa voafetra ny fahatanterahan’ny Isaia toko faha-35 tamin’ny taonjato fahenina al.f.i. Tsy naharitra ireo toe-piainam-paradisa nankafizin’ireo Jiosy tafody tany an-tanindrazany. Tatỳ aoriana, dia nandoto ny fivavahana madio ny fampianaran-diso ara-pivavahana sy ny fanindrahindram-pirenena. Nahatsapa alahelo sy fisentoana indray ireo Jiosy, teo amin’ny lafiny ara-panahy. Tamin’ny farany, dia nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany intsony izy ireo. (Matio 21:43). Noho ilay tsy fankatoavana indray, dia tsy naharitra ny fifalian’izy ireo. Izany rehetra izany dia manondro fa hanana fahatanterahana lehibe kokoa sy atỳ aoriana kokoa ny Isaia toko faha-35.

20. Isiraely vaovao iza no niforona tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.?

20 Tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia niforona ny Isiraely iray hafa, ara-panahy. (Galatiana 6:16). Nanao ny dingana voalohany mba hahaterahan’io Isiraely vaovao io i Jesosy, nandritra ny fanompoany teto an-tany. Namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio izy, ary tamin’ny alalan’ny fampianarany, dia nanomboka nikoriana indray ny ranon’ny fahamarinana. Nanasitrana ny marary izy, na ara-batana na ara-panahy. Nisy hiaka feno hafaliana re, rehefa nambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fito herinandro taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany tamin’ny maty, i Jesosy nomem-boninahitra dia nanorina ny kongregasiona kristianina​—Isiraely ara-panahy voaforon’ny Jiosy sy ny hafa izay navotan’ny ra nalatsak’i Jesosy, ary nateraka ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra sady rahalahin’i Jesosy, ary koa voahosotry ny fanahy masina.​—Asan’ny Apostoly 2:1-4; Romana 8:16, 17; 1 Petera 1:18, 19.

21. Momba ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany, fisehoan-javatra inona avy no azo heverina ho fahatanterahan’ny lafiny sasany amin’ny faminanian’i Isaia?

21 Rehefa nanoratra ho an’ny mpikambana tao amin’ny Isiraely ara-panahy ny apostoly Paoly, dia nanonona ny teny ao amin’ny Isaia 35:3, manao hoe: “Hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy”. (Hebreo 12:12). Miharihary àry fa tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia nisy fahatanterahan’ny tenin’ny Isaia toko faha-35. Nanao fahagagana ara-bakiteny i Jesosy sy ny mpianany, mba hampahiratana ny jamba sy hampahaladiana ny sofin’ny marenina. Nahatonga ny “mandringa” handeha, sy ny moana hiteny, izy ireo. (Matio 9:32; 11:5; Lioka 10:9). Ny zava-dehibe kokoa dia ny nahafahan’ireo olona nahitsy fo nandositra ny fivavahan-diso, ka nankafy paradisa ara-panahy teo anivon’ny kongregasiona kristianina. (Isaia 52:11; 2 Korintiana 6:17). Toy ireo Jiosy niverina avy tany Babylona, ireo afa-nandositra ireo dia nahita fa tena nilaina ny fahaiza-mijery lafy tsaran-javatra sy ny herim-po.​—Romana 12:11.

22. Ahoana no nahatongavan’ny Kristianina tso-po nitady ny fahamarinana amin’ny andro ankehitriny ho babon’i Babylona?

22 Ahoana ny amin’ny androntsika? Moa ve ny faminanian’i Isaia manana fahatanterahana hafa, izay feno kokoa ary mahakasika ny kongregasiona kristianina ankehitriny? Eny. Taorian’ny nahafatesan’ny apostoly, dia nihena be ny isan’ny Kristianina marina voahosotra, ary niroborobo naneran-tany ny Kristianina sandoka, na “tsimparifary”. (Matio 13:36-43; Asan’ny Apostoly 20:30; 2 Petera 2:1-3). Na dia nisy olona tso-po tsirairay nanomboka nisaraka tamin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ka nitady ny fivavahana madio aza, nandritra ny taonjato faha-19, dia mbola voapentin’ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina ihany ny fomba fahazoany hevitra. Tamin’ny 1914, dia notendrena ho Mpanjaka Mesianika i Jesosy, nefa tsy ela taorian’izay, dia toa tsy nisy fanantenana ny tarehin-javatra ho an’ireo olona tso-po nitady ny fahamarinana ireo. Ho fahatanterahan’ny faminaniana, dia ‘niady taminy, ka naharesy azy’ ireo firenena, ary rehefa nanandrana nitory ny vaovao tsara ireny Kristianina tso-po ireny, dia nosakanana. Raha ny tena izy, dia nanjary babon’i Babylona izy ireo.​—Apokalypsy 11:7, 8.

23, 24. Tamin’ny lafiny inona avy no nahatanterahan’ny tenin’i Isaia, teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919?

23 Tamin’ny 1919 anefa, dia niova ny zava-drehetra. Nanafaka ny vahoakany avy tany amin’ny fahababoana i Jehovah. Nanomboka nanda ireo fampianaran-diso, izay nandoto ny fanompoam-pivavahany teo aloha, izy ireo. Ho vokany dia sitrana izy ireo. Nanjary tonga tao amin’ny paradisa ara-panahy, izay mbola miely maneran-tany na dia ankehitriny aza, izy ireo. Amin’ny heviny ara-panahy, dia mianatra mahita ny jamba, ary mianatra mandre ny marenina​—izany hoe nanjary mailo tanteraka, raha ny amin’ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra, sy mitandrina mandrakariva mba hitoetra ho akaiky an’i Jehovah. (1 Tesaloniana 5:6; 2 Timoty 4:5). Tsy moana intsony ny Kristianina marina, fa mazoto erỳ “hihoby”, ka hanambara ireo fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa. (Romana 1:15). Ireo izay nalemy, na hoe ‘nandringa’, ara-panahy taloha, dia maneho zotom-po sy fifaliana ankehitriny. Amin’ny heviny an’ohatra, dia afaka ‘mitsambikina tahaka ny diera’ izy ireo.

24 Mandeha eo amin’ny “Làlan’ny fahamasinana” ireo Kristianina naverina tamin’ny laoniny ireo. Misokatra ho an’ny mpivavaka rehetra madio ara-panahy io ‘Lalana’ io, izay mivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe ka mitarika ho amin’ny paradisa ara-panahy. (1 Petera 1:13-16). Afaka miantehitra amin’i Jehovah izy ireo, mba hahazoana fiarovana, ka hatoky fa tsy hahomby ny fanafihana ataon’i Satana amin-kabibiana mba hanafoanana ny fivavahana marina. (1 Petera 5:8). Tsy havela hanimba an’ireo izay eo amin’ny lalam-ben’ny fahamasinan’Andriamanitra ny tsy mpankatò sy izay rehetra mitondra tena toy ny bibidia lian-dremby. (1 Korintiana 5:11). Eo anivon’io tontolo voaro io, ireo navotan’i Jehovah​—ny voahosotra sy ny “ondry hafa”​—dia mahita fifaliana eo am-panompoana ilay hany Andriamanitra marina.​—Jaona 10:16.

25. Hisy fahatanterahana ara-batan’ny Isaia toko faha-35 ve? Hazavao.

25 Ahoana ny amin’ny hoavy? Ho tanteraka amin’ny lafiny ara-batana ve ny faminanian’i Isaia indray andro any? Eny. Ireo fahagagana nataon’i Jesosy sy ny apostoliny tamin’ny taonjato voalohany dia nampiseho ny fanirian’i Jehovah sy ny fahaizany hanao fanasitranana toy izany amin’ny ambaratonga lehibe amin’ny hoavy. Ireo Salamo ara-tsindrimandry dia miresaka momba ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fiadanana eto an-tany. (Salamo 37:9, 11, 29). Nampanantena fiainana ao amin’ny Paradisa i Jesosy. (Lioka 23:43). Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia mampanantena paradisa ara-bakiteny ny Baiboly. Amin’izany fotoana izany, dia ho sitrana ara-batana mandrakizay ny jamba, ny marenina, ny mandringa ary ny tsy afa-miteny. Handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Haharitra mandrakizay doria tokoa ny fifaliana.​—Apokalypsy 7:9, 16, 17; 21:3, 4.

26. Ahoana no anovozan’ny Kristianina ankehitriny tanjaka avy amin’ny tenin’i Isaia?

26 Na dia miandry ny famerenana ny Paradisa ara-bakiteny eto an-tany aza ny Kristianina marina, dia efa mahita fitahiana ao amin’ny paradisa ara-panahy izy ireo, na ankehitriny aza. Mijery ny lafy tsaran-javatra izy ireo, rehefa miatrika fisedrana sy fahoriana. Matoky tanteraka an’i Jehovah izy ireo, ka mifampahery, ary mankatò ilay fananarana hoe: “Ampaherezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. Lazao amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra”. Itokisany tanteraka ilay fanomezan-toky ara-paminaniana manao hoe: “Indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.”​—Isaia 35:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Milaza ny Soratra Masina fa tany nahavokatra sy feno ala nandrobona sy hazo sedera nijoalajola, toy ny tao amin’ny Saha Edena, i Libanona fahiny. (Salamo 29:5; 72:16; Ezekiela 28:11-13). I Sarôna dia fantatra noho ireo renirano sy alan’oaka tao aminy; i Karmela kosa dia nalaza noho ny tanimboalobony sy ny saham-boankazony ary ny tehezany rakotra voninkazo.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 370]

[Sary, pejy 375]

Hiova ho toerana voatondraka tsara, hanirian’ny zozoro sy ny zavamaniry an-drano hafa, ireo tany efitra

[Sary, pejy 378]

Nanasitrana ny marary, na ara-panahy na ara-batana, i Jesosy