Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tsy Hisy Amin’ny Mponina ao Hilaza hoe: Marary Aho”

“Tsy Hisy Amin’ny Mponina ao Hilaza hoe: Marary Aho”

Toko Fahenina Amby Roapolo

“Tsy Hisy Amin’ny Mponina ao Hilaza hoe: Marary Aho”

Isaia 33:1-24

1. Nahoana no manome fampiononana ireo teny ao amin’ny Isaia 33:24?

“IZAO zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny”. Izany no nolazain’ny apostoly Paoly. (Romana 8:22). Na dia eo aza ny fandrosoana vitan’ny fitsaboana, dia mbola mampahory ny olombelona ihany ny aretina sy ny fahafatesana. Tena mahatalanjona àry ilay fampanantenana izay mamarana io tapany amin’ny faminanian’i Isaia io! Alao sary an-tsaina ny fotoana rehefa ‘tsy hisy mponina hilaza hoe: Marary aho’. (Isaia 33:24). Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hahatanterahan’io faminaniana io?

2, 3. a) Tamin’ny heviny ahoana ny firenen’ny Isiraely no narary? b) Tamin’ny heviny ahoana i Asyria no “tsorakazo” fampiharan’Andriamanitra famaizana?

2 I Isaia dia nanoratra tamin’ny fotoana fony narary ara-panahy ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. (Isaia 1:5, 6). Tafalentika lalina tao amin’ny fivadiham-pinoana sy ny fahalotoam-pitondran-tena izy ireo, hany ka nila famaizana mafy avy tamin’i Jehovah Andriamanitra. I Asyria no “tsorakazo” hampiasain’i Jehovah mba hampiharana izany famaizana izany. (Isaia 7:17; 10:5, 15). Voalohany aloha, dia ny fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely tany avaratra no nianjera teo an-tanan’ny Asyrianina tamin’ny taona 740 al.f.i. (2 Mpanjaka 17:1-18; 18:9-11). Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanafika ny fanjakan’ny Joda tany atsimo araka izay fara heriny i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. (2 Mpanjaka 18:13; Isaia 36:1). Rehefa namely an’ilay tany ilay tafika asyrianina tsy hay tohaina, dia toa tsy azo nosakanana ny faharavan’i Joda tanteraka.

3 Nihoa-pefy anefa i Asyria, izay nomena lalana hanafay ny vahoakan’Andriamanitra, ka natosiky ny fitsiriritana tafahoatra izy izao, ary nitady handresy izao tontolo izao. (Isaia 10:7-11). Havelan’i Jehovah ho afa-maina ve io firenena nampijaly ny vahoakany io? Ho sitrana amin’ilay aretiny ara-panahy ve ny olony? Hitantsika ao amin’ny Isaia toko faha-33 ny valin-tenin’i Jehovah.

Fandrobana ilay mpandroba

4, 5. a) Fitsimbadihan-javatra inona no ho hitan’i Asyria? b) Vavaka inona no nataon’i Isaia ho an’ny vahoakan’i Jehovah?

4 Manomboka toy izao ilay faminaniana: “Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina hianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina hianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava hianao, dia vao horavana kosa; ary rehefa mitsahatra ny mamitaka hianao, dia vao hofitahina kosa.” (Isaia 33:1). Navantan’i Isaia tamin’ilay mpandroba, dia i Asyria, ny teniny. Teo amin’ny fara tampon’ny heriny io firenena vonon-kiady io, ka toa tsy nisy afaka nandresy. ‘Nandroba izy, nefa tsy norobaina’, nandrava ireo tanànan’i Joda, ary nifaoka ny harena rehetra tao amin’ny tempolin’i Jehovah​—nefa toa afa-maina! (2 Mpanjaka 18:14-16; 2 Tantara 28:21). Izao anefa, dia hivadika ny rasa. “Horavana kosa [ianao]”, hoy i Isaia tamim-pahasahiana. Tena nampionona an’ireo olo-nahatoky tokoa io faminaniana io!

5 Nandritra io fe-potoana nahatahotra io, dia nila nitodika tany amin’i Jehovah ireo mpivavaka tsy nivadika taminy, mba hahazoana fanampiana. Nivavaka àry i Isaia hoe: “Jehovah ô, mamindrà fo aminay; hianao no antenainay; aoka ho sandrinay [ho tanjaka sy tohana ho anay] isa-maraina hianao sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana. Ny feon’ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; raha misandratra hianao, dia mipariaka ny jentilisa.” (Isaia 33:2, 3). Tena nety ny nivavahan’i Isaia mba hanafahan’i Jehovah ny vahoakany, toy ny efa nataony imbetsaka tamin’ny lasa. (Salamo 44:3; 68:1). Ary raha vantany vao avy nivavaka i Isaia, dia nanambara ny valin-tenin’i Jehovah!

6. Inona no hanjo an’i Asyria, ary nahoana izany no ara-dalàna?

6 “Ireny handevona ny babonareo [ny Asyrianina] tahaka ny fandevon’ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany ao aminy.” (Isaia 33:4). Fantatry ny Joda tsara ny fandravana ateraky ny bibikely. Tamin’io indray mandeha io anefa, dia ireo fahavalon’ny Joda no ho ringana. Hiharan’ny faharesena mahamenatra i Asyria, ary ny miaramilany dia ho voatery handositra, ka hamela zavatra hobaboina be dia be mba hangonin’ny mponin’i Joda! Ara-dalàna tokoa raha horobaina i Asyria, izay fantatra noho ny halozany.​—Isaia 37:36.

Ilay Asyrianina amin’ny andro ankehitriny

7. a) Iza ankehitriny no azo ampitovina amin’ilay firenen’ny Isiraely narary ara-panahy? b) Iza no ho ‘tsorakazo’ hampiasain’i Jehovah mba handringanana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?

7 Hanao ahoana ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia amin’ny androntsika? Ilay firenen’ny Isiraely narary ara-panahy dia azo ampitovina amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina tsy mahatoky. Toy ny nampiasan’i Jehovah an’i Asyria ho ‘tsorakazo’ hanafaizana ny Isiraely, no hampiasany ‘tsorakazo’ iray mba hanafaizana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina​—ary koa ny ambiny sisa amin’i “Babylona lehibe”, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Isaia 10:5; Apokalypsy 18:2-8). Io ‘tsorakazo’ io dia ireo firenena anisan’ny Firenena Mikambana​—fikambanana aseho ho toy ny bibidia mivolon-jaky sy manana loha fito sy tandroka folo.​—Apokalypsy 17:3, 15-17.

8. a) Iza ankehitriny no azo ampitovina amin’i Sankeriba? b) Hanjary ho sahy hanafika an’iza ilay Sankeriba amin’ny andro ankehitriny, ary inona no ho fiafarany?

8 Rehefa hampihatra fandravana manerana ny tontolon’ny fivavahan-diso ilay Asyrianina amin’ny andro ankehitriny, dia toa tsy hisy ho afa-manakana azy. Hanana fihetsika toy ny an’i Sankeriba i Satana Devoly, ka ho sahisahy hamely​—tsy ny fandaminana nivadi-pinoana ihany, izay mendrika ilay famaizana, fa ny Kristianina marina koa. Eo anilan’ny sisa amin’ireo zanaka ara-panahy voahosotr’i Jehovah, dia misy olona an-tapitrisany maro niala tamin’ny tontolon’i Satana, anisan’izany i Babylona Lehibe, ary manohana ny Fanjakan’i Jehovah. Tezitra noho ny fandavan’ny Kristianina marina tsy hanome voninahitra azy i Satana, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, ka hanafika azy ireo araka izay fara heriny. (2 Korintiana 4:4; Ezekiela 38:10-16). Na dia tsy maintsy haharaiki-tahotra aza io fanafihana io, dia tsy hila ny hitakemotra noho ny tahotra ny vahoakan’i Jehovah. (Isaia 10:24, 25). Manana toky avy amin’Andriamanitra izy ireo fa ho “famonjena [azy ireo] amin’ny andro fahoriana” izy. Hanao zavatra izy, ka handringana an’i Satana sy ny tariny. (Ezekiela 38:18-23). Toy ny tamin’ny andro fahiny, ireo izay nitady handroba ny vahoakan’Andriamanitra dia horobaina koa! (Ampitahao amin’ny Ohabolana 13:22b.) Hohamasinina ny anaran’i Jehovah, ary hovalian-tsoa ireo ho tafita velona, noho izy ireo nitady ‘fahendrena sy fahalalana ary ny fahatahorana an’i Jehovah’.​—Isaia 33:5, 6.

Fampitandremana ho an’ny tsy manam-pinoana

9. a) Inona no hataon’ireo “lehilahy mahery” sy ireo “iraka nitady fihavanana” teo amin’ny Joda? b) Nanao ahoana ny fihetsik’ilay Asyrianina teo anoloan’ireo fitadiavan’ny Joda fihavanana?

9 Inona anefa no ho fiafaran’ireo tsy nanam-pinoana teo amin’ny Joda? Filazalazana manjombona ny amin’ny loza hananontanona avy amin’ny Asyrianina no nomen’i Isaia. (Vakio ny Isaia 33:7.) Ireo ‘lehilahy maherin’ny’ Joda dia hitaraina noho ny fahatahorana ny fandrosoan’ny Asyrianina. Ireo “iraka nitady fihavanana”, na diplaomaty nirahina mba hanao raharaham-pihavanana tamin’ireo Asyrianina liana ady, dia niharan’ny fanesoana sy ny fahafaham-baraka. Hitomany mafy izy ireo, noho ny tsy fahombiazany. (Ampitahao amin’ny Jeremia 8:15.) Tsy onena azy ireo ilay Asyrianina lozabe. (Vakio ny Isaia 33:8, 9.) Tsy hiantra izy na hiraharaha ireo fanekena nifanaovany tamin’ny mponin’i Joda. (2 Mpanjaka 18:14-16). ‘Hanala baraka ny tanànan’i’ Joda ilay Asyrianina, hanamavo sy hanambany azy ireo, ary tsy hiraharaha firy ny ain’olombelona. Hampahonena aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka hisaona ilay tany, raha azo atao ny milaza izany. Hisaona koa i Libanona, i Sarôna, i Basana ary i Karmela, noho ilay faharavana.

10. a) Ahoana no hahitana fa tsy hahomby ireo ‘lehilahy maherin’ny’ Tontolo Lazaina fa Kristianina? b) Iza no hiaro ny Kristianina marina mandritra ny andro fahorian’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina?

10 Tsy isalasalana fa hisy toe-javatra toy izany hiseho tsy ho ela, rehefa hanomboka hanafika ny fivavahana ireo firenena. Toy ny tamin’ny andron’i Hezekia, dia ho very maina ny fanoherana ara-batana an’ireo hery mpandringana ireo. Ireo ‘lehilahy maherin’ny’ Tontolo Lazaina fa Kristianina​—ny mpanao politika sy ny mpampiasa vola ary ny manan-toerana ambony hafa​—dia tsy ho afaka hanampy azy. Hotsipahina ireo “fanekena” ara-politika sy ara-bola natao hiarovana ny tombontsoan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. (Isaia 28:15-18). Tsy hahomby ireo olona misomebiseby hisakana ny fandringanana amin’ny alalan’ny ezaka diplaomatika. Hitsahatra ireo raharaham-barotra, rehefa halaina an-keriny na hofoanana ny fananan’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina sy ny fampiasam-bolany. Izay rehetra mbola mahazoazo ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina dia hijanona eny lavitra eny sy hitomany ny fahalasanany fotsiny sisa. (Apokalypsy 18:9-19). Hofaohina miaraka amin’ny Kristianisma sandoka ve ny Kristianisma marina? Tsia, satria i Jehovah mihitsy no nanome izao toky izao: “Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; ankehitriny dia ho any amin’ny avo Aho; ankehitriny dia hisandratra Aho.” (Isaia 33:10). Amin’ny farany, dia hanao zavatra i Jehovah mba hamonjena an’ireo olo-mahatoky, sahala amin’i Hezekia, ka hampijanona ny fandrosoan’ny Asyrianina.​—Salamo 12:5.

11, 12. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ny tenin’ny Isaia 33:11-14? b) Fampitandremana inona no omen’ny tenin’i Jehovah ho an’ny andro ankehitriny?

11 Tsy afaka manantena ny hahazo izany fiarovana izany ireo tsy mahatoky. Hoy i Jehovah: “Torontoronina bozaka hianareo ka miteraka [mololo, “NW” ]; ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo. Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ny afo izy. Mihainoa ny amin’izay efa nataoko, hianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko hianareo izay akaiky. Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; horohoro no nahazo ny mpihatsaravelatsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ny lelafo mandrakizay?” (Isaia 33:11-14). Ireo teny ireo dia nihatra tamin’ny fotoana fony ny Joda niatrika fahavalo vaovao iray, dia i Babylona. Taorian’ny nahafatesan’i Hezekia, dia niverina nanaraka ny lalan-dratsiny indray ny Joda. Tao anatin’ireo am-polony taona maro nanaraka, dia nikororosy ny toe-piainana tao Joda, hany ka ilay firenena manontolo no tsy maintsy niharan’ny afon’ny fahatezeran’Andriamanitra.​—Deoteronomia 32:22.

12 Ireo teti-dratsy sy fiokoana noforonin’ireo tsy mpankatò mba handosirana ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia tsy hisy vidiny toy ny mololo. Raha ny marina aza, ilay toe-tsaina miavonavona sy tia fikomian’ilay firenena dia vao mainka hanetsika an’ireo fisehoan-javatra hitarika ho amin’ny fandringanana azy. (Jeremia 52:3-11). Ny ratsy fanahy dia ho toy ny “fandoroan-tsokay”​—ho ringana tanteraka! Rehefa nieritreritra momba io fiafarana nananontanona io ny mponin’ny Joda mpikomy dia nangorohoro. Ny tenin’i Jehovah tamin’ny Joda tsy nahatoky dia mampiseho ny toe-javatra misy ny mpikambana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ankehitriny. Raha tsy manaraka ny fampitandreman’Andriamanitra izy ireo, dia fiafarana manjombona no miandry azy ireo.

“Mandeha amin’ny fahamarinana”

13. Fampanantenana inona no nomena an’izay “mandeha amin’ny fahamarinana”, ary ahoana no nahatanterahan’izany tamin’i Jeremia?

13 Toe-javatra mifanohitra amin’izany no nolazain’i Jehovah nanaraka izany: “Izay mandeha amin’ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tànany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadìny mba tsy handrenesany ny amin’ny fandatsahan-dra sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy; izy no honina ao amin’ny avo; ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ny harambato; izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.” (Isaia 33:15, 16). Araka ny tenin’ny apostoly Petera tatỳ aoriana, dia “fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana”. (2 Petera 2:9). Nahazo izany famonjena izany i Jeremia. Nandritra ny fanaovan’ny Babylonianina fahirano azy ireo, dia voatery nihinana ‘mofo nolanjaina tamin’ny fanahiana’ ilay vahoaka. (Ezekiela 4:16). Nisy aza vehivavy nihinana ny nofon’ny zanany naterany. (Fitomaniana 2:20). Kanefa, nataon’i Jehovah izay hahavoavonjy an’i Jeremia.

14. Ahoana no ahafahan’ny Kristianina amin’izao andro izao manohy “mandeha amin’ny fahamarinana”?

14 Ny Kristianina amin’izao andro izao dia tsy maintsy “mandeha amin’ny fahamarinana” toy izany koa, ka hitandrina ny fari-pitsipik’i Jehovah isan’andro. (Salamo 15:1-5). Tsy maintsy “miteny zava-mahitsy” izy ireo, ka tsy handainga na hilaza zavatra tsy marina. (Ohabolana 3:32). Mety ho zavatra fahita any amin’ny tany maro ny fanaovana hosoka sy ny fandraisana kolikoly, nefa maharikoriko an’ilay “mandeha amin’ny fahamarinana”. Tsy maintsy mihazona “feon’ny fieritreretana madio” eo amin’ny raharaham-barotra ny Kristianina, ka mitandrina mafy tsy hanaraka tetika maizimaizina na feno fitaka. (Hebreo 13:18, NW; 1 Timoty 6:9, 10). Izay ‘manentsin-tadìny mba tsy handre ny amin’ny fandatsahan-dra sy manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy’ dia hahay hifantina ny mozikany sy ny fialam-boliny. (Salamo 119:37). Amin’ny andro hampiharany ny didim-pitsarany, dia hiaro sy hanohana an’ireo mpivavaka aminy, izay miaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika ireo, i Jehovah.​—Zefania 2:3.

Fahitana ny Mpanjakany

15. Fampanantenana inona no nanohana an’ireo Jiosy tany an-tsesitany?

15 Avy eo i Isaia dia nanome izao topy maso mamirapiratra izao, momba ny hoavy: “Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka. Hotsaroan’ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo? Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.” (Isaia 33:17-19). Nanohana an’ireo Jiosy nahatoky tany an-tsesitany tany Babylona nandritra ny am-polony taona maro ilay fampanantenana ny amin’ny Mpanjaka Mesianika sy ny Fanjakany, na dia tsy nahatsinjo an’io Fanjakana io afa-tsy avy teny lavitra aza izy ireo. (Hebreo 11:13). Rehefa ho zavatra tena hisy ny fanapahan’ilay Mesia, dia ho fahatsiarovana sisa ny fitondrana tsy refesi-mandidin’ny Babylonianina. Hanontany amim-pifaliana ireo ho tafita velona amin’ny fanafihan’ny Asyrianina hoe: “Aiza ireo manam-pahefan’ilay mpanao jadona, izay nitaky haba taminay, nampandoa vola anay, naka vola hetra taminay?”​—Isaia 33:18, Moffatt.

16. Nanomboka oviana ny vahoakan’Andriamanitra no afaka ‘nahita’ ny Mpanjaka Mesianika, ary inona no vokany?

16 Na dia nanome antoka ny amin’ny fiverenana avy tany amin’ny fahababoana tany Babylona aza ny tenin’i Isaia, dia tsy maintsy miandry ny fananganana amin’ny maty ireo Jiosy tany an-tsesitany vao hahita ny fahatanterahana fenon’io tapany amin’ilay faminaniana io. Ahoana ny amin’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao andro izao? Nanomboka tamin’ny 1914, dia afaka ‘nahita’, na nahay nanavaka hoe iza ilay Mpanjaka Mesianika, dia i Jesosy Kristy, ao amin’ny hatsaran-tarehiny ara-panahy rehetra, ny vahoakan’i Jehovah. (Salamo 45:2; 118:22-26). Ho vokany, dia voavonjy avy tamin’ny fampahoriana sy ny fifehezan’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana izy ireo. Eo ambanin’ny fanapahan’i Ziona, izay ny foiben’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia hahita tena fiarovana ara-panahy izy ireo.

17. a) Fampanantenana inona avy no nomena momba an’i Ziona? b) Ahoana no nahatanterahan’ireo fampanantenan’i Jehovah momba an’i Ziona, tamin’ny Fanjakana Mesianika sy ireo mpanohana azy eto an-tany?

17 Hoy ny tohin’ny tenin’i Isaia: “Tsinjovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ny fotoam-pivavahana; ny masonao hahita an’i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny. Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa tsy halehan’ny [andian-tsambo, “NW” ] voizina, na hovakin’ny sambo [mijoalajoala, “NW” ].” (Isaia 33:20, 21). Manome toky antsika i Isaia fa tsy azo ongotana na ringanina ilay Fanjakana Mesianikan’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia mazava fa hitatra amin’ireo mpanohana an’ilay Fanjakana amim-pahatokiana eto an-tany ankehitriny io fiarovana io. Na dia olona maro aza no mandia fitsapana maro, ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia mahazo toky fa tsy hisy hahomby ireo ezaka hatao mba handringanana azy ireo amin’ny fitambarany. (Isaia 54:17). Hiaro ny vahoakany i Jehovah, toy ny iarovan’ny hady vory na ny lakandrano iray ny tanàna iray. Izay fahavalo rehetra hanafika azy ireo​—na dia mahery toy ny “andian-tsambo voizina” na ny ‘sambo iray mijoalajoala’ aza​—dia hiharan’ny fandringanana!

18. Inona no andraikitra eken’i Jehovah?

18 Nahoana anefa ireo tia ny Fanjakan’Andriamanitra no matoky aoka izany ny fiarovan’Andriamanitra? Hoy ny fanazavan’i Isaia: “Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no Mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.” (Isaia 33:22). Manaiky ilay andraikitra hiaro sy hitarika ny vahoakany i Jehovah, noho izy ireo manaiky azy ho Tompom-piandrianana Fara Tampony. Manaiky an-tsitrapo ny hofehezin’ny fanapahany amin’ny alalan’ilay Mpanjakany Mesianika izy ireo, noho ny fanekena fa i Jehovah dia manana ny fahefana, tsy hanao lalàna fotsiny, fa hampihatra azy ireny koa. Kanefa, noho i Jehovah tia ny fahamarinana sy ny rariny, dia tsy ho enta-mavesatra ho an’ny mpivavaka aminy ny fanapahany, amin’ny alalan’ny Zanany. Tsia, fa “hahita soa” kosa aza izy ireo, amin’ny fanekena hofehezin’ny fahefany. (Isaia 48:17). Tsy handao an’ireo tsy mivadika aminy na oviana na oviana izy.​—Salamo 37:28.

19. Ahoana no ilazalazan’i Isaia ny tsy fahombiazan’ny fahavalon’ny vahoaka mahatokin’i Jehovah?

19 Hoy i Isaia tamin’ireo fahavalon’ny vahoaka nahatokin’i Jehovah: “Mivaha ny mahazakan-tsambonao; tsy mahahazona mafy ny fiorenan’andry izy, na mahavelatra ny lay; fa amin’izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.” (Isaia 33:23). Izay fahavalo manatona mba hamely an’i Jehovah dia sady tsy hahomby no tsy ho afa-manao na inona na inona, toy ny sambon’ady iray izay migoragora ny mahazakany, mihilangilana ny salazany, ary tsy misy lay. Ho be dia be aoka izany ny zavatra ho azo baboina avy amin’ny fandringanana ny fahavalon’Andriamanitra, hany ka na ny mandringa aza dia ho afaka hamabo zavatra. Noho izany, dia afaka matoky isika fa handresy an’ireo fahavalony, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpanjaka, i Jehovah, amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy.​—Apokalypsy 7:14.

Fanasitranana

20. Karazana fanasitranana inona no ho azon’ny vahoakan’Andriamanitra, ary rahoviana?

20 Mifarana amin’izao fampanantenana manafana ny fo izao io tapany amin’ny faminanian’i Isaia io: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.” (Isaia 33:24). Ilay aretina resahin’i Isaia eto dia ara-panahy aloha, voalohany indrindra, satria ampifandraisina amin’ny fahotana, na “heloka”. Amin’ny fahatanterahana voalohan’ireo teny ireo, dia nampanantena i Jehovah fa, aorian’ny hanafahana azy ireo avy amin’ny fahababoana tany Babylona, dia hositranina ara-panahy ilay firenena. (Isaia 35:5, 6; Jeremia 33:6; ampitahao amin’ny Salamo 103:1-5.) Rehefa voavela ny fahotan’izy ireo teo aloha, dia hanorina indray ny fivavahana madio tao Jerosalema ireo Jiosy tafody.

21. Amin’ny lafiny inona avy ny mpivavaka amin’i Jehovah ankehitriny no mahazo fanasitranana ara-panahy?

21 Kanefa, manana fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny io faminanian’i Isaia io. Nahazo fanasitranana ara-panahy koa ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao. Nafahana avy tamin’ny fampianaran-diso, toy ny tsy fahafatesan’ny fanahy sy ny Andriamanitra Telo Izay Iray ary ny afobe mirehitra, izy ireo. Nahazo tari-dalana ara-pitondran-tena, izay nanafaka azy ireo tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena ary nanampy azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara, izy ireo. Ary noho ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, dia mitana ny toeran’ny olona madio eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, no sady manana feon’ny fieritreretana madio. (Kolosiana 1:13, 14; 1 Petera 2:24; 1 Jaona 4:10). Mitondra soa ara-batana koa io fanasitranana ara-panahy io. Ohatra, raha manalavitra ny fanaovana firaisana maloto sy ny fampiasana sigara sy paraky ny Kristianina, dia voaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana sy ny kansera sasany.​—1 Korintiana 6:18; 2 Korintiana 7:1.

22, 23. a) Inona no ho fahatanterahana lehiben’ny Isaia 33:24 amin’ny hoavy? b) Inona no fahatapahan-kevitry ny mpivavaka marina amin’izao andro izao?

22 Ambonin’izany, dia hanana fahatanterahany lehibe kokoa ireo teny ao amin’ny Isaia 33:24, aorian’i Haramagedona, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakana Mesianika, dia homban’ny fanasitranana ara-batana lehibe ny fanasitranana ara-panahin’ny olombelona. (Apokalypsy 21:3, 4). Tsy ho ela aorian’ny fandringanana ny fandehan-javatr’i Satana, dia tsy isalasalana fa ho hita manerana ny tany ny fahagagana toy ireo nataon’i Jesosy, fony izy teto an-tany. Hahita ny jamba, handre ny marenina, handeha ny mandringa! (Isaia 35:5, 6). Izany dia hahatonga an’ireo ho tafita velona rehetra amin’ny fahoriana lehibe handray anjara amin’ilay asa lehibe ho famerenana ny paradisa eto an-tany.

23 Aorian’izany, rehefa hanomboka ny fananganana ny maty, dia tsy isalasalana fa homena fahasalamana tsara ireo haverina ho amin’ny fiainana. Rehefa mihamitatra ny fampiharana ny vidin’ny sorom-panavotana, dia hihamitombo ny soa ara-batana hoentiny, mandra-pahatratran’ny olombelona ny fahatanterahana. Avy eo, dia ho “velona” amin’ny heviny feno ny olo-marina. (Apokalypsy 20:5, 6). Amin’izay fotoana izay, dia “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”, na amin’ny ara-panahy na amin’ny ara-batana. Fampanantenana mampientam-po re izany! Enga anie ny mpivavaka marina rehetra ankehitriny ka ho tapa-kevitra ny ho anisan’ireo izay hahita ny fahatanterahan’izany!

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 344]

Nivavaka tamim-patokisana tamin’i Jehovah i Isaia

[Sary, pejy 353]

Noho ny sorom-panavotana, dia mitana ny toeran’ny olona madio eo anatrehan’i Jehovah ny vahoakany

[Sary, pejy 354]

Ao amin’ny tontolo vaovao, dia hisy fanasitranana ara-batana lehibe