Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Misy Fanampiana avy Amin’ity Tontolo Ity

Tsy Misy Fanampiana avy Amin’ity Tontolo Ity

Toko Fahefatra Amby Roapolo

Tsy Misy Fanampiana avy Amin’ity Tontolo Ity

Isaia 31:1-9

1, 2. a) Nahoana no raiki-tahotra ny mponin’i Jerosalema? b) Rehefa heverina ny toerana sarotra nisy an’i Jerosalema, fanontaniana inona avy no tsara hapetraka?

RAIKI-TAHOTRA ny mponin’i Jerosalema​—ary noho ny antony tsara! Nanafika “ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy” i Asyria, ilay empira nahery indrindra tamin’izay. Izao dia nandrahona ny renivohitr’i Joda ny tafik’i Asyria. (2 Mpanjaka 18:13, 17). Inona no hataon’i Hezekia Mpanjaka sy ny mponin’i Jerosalema hafa rehetra?

2 Koa satria efa nianjera avokoa ny tanàna hafa rehetra tao amin’ny taniny, dia fantatr’i Hezekia fa tsy ho afaka ny hifampitana tamin’ny tafika maherin’i Asyria i Jerosalema. Ambonin’izany, dia nalaza tsy nisy ohatra izany, noho ny habibiany sy ny herisetrany ny Asyrianina. Tena nahatahotra ny tafik’io firenena io, hany ka nandositra, tsy niady akory, ny fahavalony indraindray! Rehefa heverina ny toe-javatra faran’izay nandoza nisy an’i Jerosalema, dia taiza no nahafahan’ny mponina tao aminy nitady fanampiana? Azo natao ve ny nandositra ny tafika asyrianina? Ary ahoana no nahatongavan’ny vahoakan’Andriamanitra tao anatin’io tarehin-javatra io? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia tsy maintsy mijery ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ilay firenena nanaovany fanekena nandritra ireo taona teo aloha, isika.

Fivadiham-pinoana teo amin’ny Isiraely

3, 4. a) Oviana ary tamin’ny fomba ahoana ny firenen’ny Isiraely no nanjary nizara ho fanjakana roa? b) Fiandohana ratsy inona no nomen’i Jeroboama an’ilay fanjakan’ny foko folo tany avaratra?

3 Hatramin’ny fotoana nialan’ny Isiraely avy tany Ejipta ka hatramin’ny nahafatesan’i Solomona, zanak’i Davida​—fe-potoana naharitra 500 taona mahery kely​—dia tafaray ho firenena iray ihany ireo foko 12-n’ny Isiraely. Taorian’ny nahafatesan’i Solomona, dia nitarika an’ireo foko folo tany avaratra hikomy tamin’ny taranak’i Davida i Jeroboama, ary nanomboka tamin’izay, dia nizara ho fanjakana roa ilay firenena. Izany dia nitranga tamin’ny 997 al.f.i.

4 I Jeroboama no mpanjaka voalohan’ilay fanjakan’ny Isiraely tany avaratra, ary nitarika ny olom-peheziny hivadi-pinoana izy, tamin’ny fanoloana ny fisoronan’i Arona sy ny fivavahana ara-dalàna tamin’i Jehovah, tamin’ny fisoronana tsy ara-dalàna sy ny fivavahana tamin’ny ombilahy kely. (1 Mpanjaka 12:25-33). Tena halan’i Jehovah izany. (Jeremia 32:30, 35). Noho izany sy noho ny antony maro hafa, dia namela an’i Asyria hangeja ny Isiraely izy. (2 Mpanjaka 15:29). Nitady hanapaka ny ziogan’ny Asyrianina i Hosea Mpanjaka, tamin’ny fiaraha-nioko tamin’i Ejipta, nefa tsy nahomby ny tetikadiny.​—2 Mpanjaka 17:4.

Nitodika tany amin’ny fialofana sandoka ny Isiraely

5. Iza no nitodihan’ny Isiraely mba hahazoana fanampiana?

5 Naniry hanampy ny Isiraelita ho tonga saina indray i Jehovah. * Naniraka an’i Isaia mpaminany hampita izao fampitandremana izao àry izy: “Lozan’izay midina any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ny soavaly ary matoky kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ny Isiraely, na mitady an’i Jehovah.” (Isaia 31:1). Tena mampalahelo tokoa izany! Nitoky kokoa tamin’ny soavaly sy ny kalesin’ady noho ny tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, ny Isiraely. Araka ny fomba fihevitra araka ny nofo nananan’ny Isiraely, dia maro sady nahery ny soavalin’i Ejipta. Tena tsy maintsy ho mpanampy sarobidy, mba hiadiana amin’ny tafika asyrianina, tokoa i Ejipta! Kanefa, tsy ho ela dia ho hitan’ny Isiraelita fa ho very maina ny dina nifanaovany tamin’i Ejipta.

6. Nahoana ny fitodihan’ny Isiraely tany amin’i Ejipta no nampibaribary tsy fananam-pinoana lehibe an’i Jehovah?

6 Tamin’ny alalan’ny faneken’ny Lalàna, dia samy nanolo-tena ho an’i Jehovah, na ny mponina tao Isiraely na ny mponin’i Joda. (Eksodosy 24:3-8; 1 Tantara 16:15-17). Tamin’ny fitodihana tany amin’i Ejipta mba hahazoana fanampiana, ny Isiraely dia nampiharihary ny tsy fananany finoana an’i Jehovah sy ny tsy firaharahany ireo lalàna tao anatin’izany fanekena masina izany. Nahoana? Satria tafiditra ho anisan’ireo fepetran’io fanekena io ny fampanantenan’i Jehovah hiaro ny vahoakany, raha nanolotra ho azy fifikirana tsy nizarazara izy ireo. (Levitikosy 26:3-8). Nifanaraka tsara tamin’io fampanantenana io, dia efa imbetsaka no nahitana fa “fiarovana mafy (...) amin’ny andro fahoriana” i Jehovah. (Salamo 37:39; 2 Tantara 14:1, 8-11; 17:3-5, 10). Ambonin’izany, tamin’ny alalan’i Mosesy, ilay mpanelanelana tamin’ny faneken’ny Lalàna, dia nilaza tamin’ireo ho mpanjakan’ny Isiraely i Jehovah fa tsy tokony hampitombo ny isan’ny soavaliny izy ireo. (Deoteronomia 17:16). Ny fankatoavan’ireo mpanjaka ireo an’io fitsipika io dia hampiseho fa niantehitra tamin’ny “Iray Masin’ny Isiraely” izy ireo mba hahazoana fiarovana. Mampalahelo fa tsy nanana izany karazam-pinoana izany ireo mpanapaka teo amin’ny Isiraely.

7. Inona no azon’ny Kristianina amin’izao andro izao ianarana avy amin’ny tsy fananan’ny Isiraely finoana?

7 Misy lesona azon’ny Kristianina amin’izao andro izao tsoahina avy amin’izany. Naleon’ny Isiraely niantehitra tamin’i Ejipta, toy izay tamin’ny fanohanana avy tamin’i Jehovah, izay mahery lavitra. Toy izany koa amin’izao andro izao, ny Kristianina dia mety halaim-panahy hametraka ny fitokisany amin’ny fiarovana ara-nofo​—vola any amin’ny banky, toerana ara-tsosialy, olom-pantatra eo amin’ity tontolo ity​—fa tsy amin’i Jehovah. Marina aloha fa mandray ny famelomana ny fianakaviany ho andraikitra lehibe ireo raim-pianakaviana kristianina. (1 Timoty 5:8). Tsy mametraka ny fitokisany amin’ny zavatra ara-nofo anefa izy ireo. Mitandrina koa izy ireo mba tsy ho azon’ny “karazana fitsiriritana rehetra”. (Lioka 12:13-21, NW ). Ny hany “fiarovana avo amin’ny andro fahoriana” dia i Jehovah Andriamanitra.​—Salamo 9:9; 54:7.

8, 9. a) Na dia nety ho toa nampiseho fahendrena aza ireo tetika nataon’ny Isiraely, inona no ho fiafarany, ary nahoana? b) Manao ahoana ny fahasamihafan’ny fampanantenan’ny olombelona sy ny an’i Jehovah?

8 Toy ny hoe naneso an’ireo mpitarika isiraelita, izay namolavola tamin-kafetsena ilay fifanekena tamin’i Ejipta, i Isaia, tamin’ny filazana hoe: “Izy koa dia hendry ka mahatonga loza, ary tsy tsoahany ny teniny; fa mitsangana Izy hamely ny mpianakavin’ny mpanao ratsy sy izay manampy ny mpanao meloka.” (Isaia 31:2). Mety ho nihevi-tena ho hendry ireo mpitarika ny Isiraely. Tsy fara tampony amin’ny fahendrena ve anefa ny Mpamorona izao rehetra izao? Raha jerena avy etỳ ivelany, dia toa nampiseho fahendrena ny fiokoan’ny Isiraely hitady fanampiana tamin’i Ejipta. Na izany aza, ny fanaovana fifanekena ara-politika toy izany dia fijangajangana ara-panahy, araka ny fomba fijerin’i Jehovah. (Ezekiela 23:1-10). Ho vokany, dia nilaza i Isaia fa ‘hahatonga loza’ i Jehovah.

9 Malaza ho tsy azo ianteherana ny fampanantenan’ny olombelona, ary ny fiarovan’olombelona dia tsy azo itokisana. I Jehovah kosa anefa, etsy an-danin’izany, dia tsy mila ‘mitsoaka ny teny nataony’. Tsy maintsy hanatanteraka izay nampanantenainy izy. Tsy hiverina aminy foana ny teniny.​—Isaia 55:10, 11; 14:24.

10. Inona no hanjo an’i Ejipta sy i Isiraely?

10 Ho fiarovana azo ianteherana ho an’ny Isiraely ve ny Ejipsianina? Tsia. Hoy i Isaia tamin’ny Isiraely: “Fa olona ihany ny Egyptiana, fa tsy Andriamanitra; ary nofo ihany ny soavaliny, fa tsy fanahy. Koa raha ahinjitr’i Jehovah ny tànany, dia ho tafintohina izay manampy, ary ho potraka izay ampiana, ka samy ho levona avokoa izy roa tonta.” (Isaia 31:3). Na ny ‘nanampy’ (Ejipta) na ny ‘nampiana’ (Isiraely) dia ho tafintohina sy ho potraka ary hifarana, rehefa haninjitra ny tanany i Jehovah mba hampiharana ny didim-pitsarany amin’ny alalan’i Asyria.

Ny nianjeran’i Samaria

11. Fahotana inona avy no nataon’ny Isiraely, ary inona no vokany?

11 Noho ny famindram-pony, dia naniraka mpaminany imbetsaka i Jehovah, mba hampirisihana ny Isiraely hibebaka sy hiverina ho amin’ny fivavahana madio. (2 Mpanjaka 17:13). Na izany aza, dia vao mainka nanampy trotraka ny fahotany tamin’ny fivavahana tamin’ny ombilahy kely ny Isiraely, tamin’ny fanaovana sikidy, sy tamin’ny fivavahana maloto tamin’i Bala, ary tamin’ny fampiasana tsato-kazo masina sy fitoerana avo. Nampandeha “ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo” mihitsy aza ny Isiraelita, tamin’ny fanolorana ny nateraky ny kibony ho fanatitra ho an’ny andriamanitra demonia. (2 Mpanjaka 17:14-17; Salamo 106:36-39; Amosa 2:8). Mba hamaranana ny faharatsian’ny Isiraely, dia hoy ny didin’i Jehovah: “Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano.” (Hosea 10:1, 7). Tamin’ny 742 al.f.i., dia nanafika an’i Samaria, renivohitry ny Isiraely, ireo tafika asyrianina. Taorian’ny fahirano naharitra telo taona, dia nianjera i Samaria, ary tamin’ny 740 al.f.i., dia tsy nisy intsony ny fanjakan’ireo foko folo.

12. Asa inona no asain’i Jehovah atao ankehitriny, ary inona no hanjo an’ireo izay tsy miraharaha ilay fampitandremana?

12 Amin’izao androntsika izao, i Jehovah dia naniraka mba hanaovana asa fitoriana maneran-tany ho fampitandremana fa ‘tokony hibebaka ny olona rehetra amin’izao tontolo izao’. (Asan’ny Apostoly 17:30; Matio 24:14). Ireo izay mandà ny famonjena avy amin’Andriamanitra dia hanjary ho toy ny “sombin-javatra”, ho ringana sahala amin’ny firenen’ny Isiraely nivadi-pinoana. Etsy an-danin’izany, ireo izay manantena an’i Jehovah dia “handova ny tany, ka honina eo aminy mandrakizay”. (Salamo 37:29). Tena fahendrena àry ny tsy hanaovana ireo fahadisoana nataon’ny fanjakan’ny Isiraely fahiny! Aoka isika hametraka ny fitokisantsika rehetra amin’i Jehovah, mba hahazoana famonjena.

Ny hery mahavonjin’i Jehovah

13, 14. Teny fampiononana inona no nataon’i Jehovah tamin’i Ziona?

13 Kilaometatra vitsivitsy avy teo amin’ny sisin-tany atsimon’i Isiraely no nisy an’i Jerosalema, renivohitr’i Joda. Fantatry ny mponin’i Jerosalema tsara izay nanjo an’i Samaria. Izao dia izy ireo indray no norahonan’io fahavalo naharaiki-tahotra io, izay efa namarana ilay fanjakana nifanila taminy teo avaratra. Moa ve izy ireo nandray fianarana avy tamin’izay nihatra tamin’i Samaria?

14 Nanome fampiononana ho an’ny mponin’i Jerosalema ireo tenin’i Isaia nanaraka. Nomeny toky izy ireo fa mbola tia an’ilay vahoaka nanaovany fanekena i Jehovah. Hoy izy: “Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Tahaka ny fieron’ny liona sy ny liona tanora eo amin’ny rembiny, ka na dia voangona aza ny mpiandry ondry betsaka hamely azy, tsy matahotra ny feon’ireo izy, na mandatsa-dremby noho ny fihorakorahany,​—dia tahaka izany no hidinan’i Jehovah, Tompon’ny maro, hiady ao an-tendrombohitra Ziona sy ny havoany.” (Isaia 31:4). Toy ny liona tanora eo ambonin’ny rembiny, i Jehovah dia hiaro amim-pahasarotam-piaro an’i Ziona, ilay tanànany masina. Na fireharehana, na teny mandrahona, na fanakorontanana hafa avy tamin’ireo tafika asyrianina, dia samy tsy hampiova fikasana an’i Jehovah.

15. Ahoana no nanehoan’i Jehovah firaiketam-po sy famindram-po tamin’ny mponin’i Jerosalema?

15 Mariho izao ny fomba feno firaiketam-po sy fangoraham-po nitondran’i Jehovah ny mponin’i Jerosalema: “Tahaka ny vorona manomba no hiarovan’i Jehovah, Tompon’ny maro, an’i Jerosalema, fa sady hiaro no hamonjy Izy, eny, sady hiantra no hanafaka.” (Isaia 31:5). Ny reny vorona iray dia mailo mandrakariva mba hiaro ny zanany kely. Mamelatra ny elany izy, ary mihevaheva eo ambonin’ny zanany, ary folo ny masony mijery izay famantarana loza rehetra. Raha misy mpiremby manatona, dia midina tampoka izy mba hiaro ny zanany kely. Toy izany koa, i Jehovah dia hikarakara amim-piraiketam-po an’ireo mponin’i Jerosalema, noho ny fanafihan’ny Asyrianina.

“Miverena”

16. a) Fiangaviana tamim-pitiavana inona no nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany? b) Oviana indrindra no niharihary ny fikomian’ny mponin’i Joda? Hazavao.

16 Izao i Jehovah dia mampahatsiahy ny vahoakany fa nanota izy ireo, ka mampirisika azy ireo mba tsy haniasia intsony. “Koa miverena ho amin’Izay efa niodinanareo fatratra, ry Zanak’Isiraely ô.” (Isaia 31:6). Tsy ilay fanjakan’ireo foko folon’ny Isiraely ihany no nikomy. Ny mponin’i Joda, izay “Zanak’Isiraely” koa, dia ‘niodina fatratra’. Hiharihary indrindra izany, rehefa ho tonga mpanjaka i Manase, zanak’i Hezekia, fotoana fohy taorian’ny namitan’i Isaia ny hafany ara-paminaniana. Araka ny fitantaran’ny Baiboly, dia “nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’i Jehovah”. (2 Tantara 33:9). Eritrereto ange izany e! Nandringana an’ireo firenena mpanompo sampy i Jehovah, satria naharikoriko ny fahalotoan’izy ireo. Ny mponin’i Joda, izay nifanao fanekena tamin’i Jehovah, anefa dia ratsy kokoa noho ny olona tao amin’ireny firenena ireny.

17. Amin’ny ahoana no itovian’ny toe-piainana ankehitriny amin’ny teo amin’ny Joda teo ambanin’ny fanapahan’i Manase?

17 Misy lafiny maro itovian’ny toe-piainana amin’izao fiandohan’ny taonjato faha-21 izao, amin’ny teo amin’ny Joda tamin’ny andron’i Manase. Mihamizarazara ity tontolo ity, noho ny fankahalana ara-pivavahana sy ara-pirazanana ary ara-poko. Mampitsangam-bolo ny vonoan’olona, ny fampijalijaliana, ny fisavihana, ary ny antsoina hoe fanadiovana ara-pirazanana, nihatra tamin’olona an-tapitrisany maro. Tsy isalasalana fa ‘niodina fatratra’ ny olona sy ny firenena​—indrindra fa ireo ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Afaka matoky anefa isika fa tsy hamela ny faharatsiana hitohy mandrakizay i Jehovah. Nahoana? Noho izay nitranga tamin’ny andron’i Isaia.

Nafahana i Jerosalema

18. Fampitandremana inona no nomen’i Rabsake an’i Hezekia?

18 Nanome ny voninahitra ho an’ireo andriamaniny ny mpanjaka asyrianina, noho ny fandresena azony an’ady. Ny boky Ancient Near Eastern Texts dia mirakitra ny soratr’i Assourbanipal, mpanjaka asyrianina izay nihambo ho notarihin’i “Ashour sy i Bela ary i Nebo, ireo andriamanitra lehibe, dia ny tompo[ny], izay niara-namindra [taminy] (foana), [fony izy] nandresy ireo miaramila (zatra) ady (...) tamin’ny ady lehibe iray”. Tamin’ny andron’i Isaia, i Rabsake, solontenan’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, dia nampiseho fa nino ny fandraisan’ireo andriamanitra anjara tamin’ny adin’ny olombelona koa ny tenany, fony izy niteny tamin’i Hezekia Mpanjaka. Nampitandrina an’ilay mpanjaka jiosy izy mba tsy hiantehitra tamin’i Jehovah mba hahazoana famonjena, ary nilaza fa ireo andriamanitry ny firenena hafa dia tsy nahavita niaro ny vahoakany tamin’ilay tafika asyrianina nahery be.​—2 Mpanjaka 18:33-35.

19. Nanao ahoana ny fihetsik’i Hezekia teo anoloan’ny fihantsian’i Rabsake?

19 Nanao ahoana ny fihetsik’i Hezekia Mpanjaka? Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’i Jehovah”. (2 Mpanjaka 19:1). Takatr’i Hezekia fa Iray ihany no afaka nanampy azy tamin’io tarehin-javatra nampihoron-koditra io. Nanetry tena izy, ka nitodika tany amin’i Jehovah mba hahazoana tari-dalana.

20. Inona no hataon’i Jehovah mba hamonjena ny mponin’i Joda, ary inona no tokony hianaran’izy ireo avy amin’izany?

20 Nanome ilay tari-dalana notadiaviny i Jehovah. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Amin’izany andro izany dia harian’ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny [tsy misy ilana azy, “NW” ] sy ny andriamani-bolamenany [tsy misy vidiny, “NW” ], izay fahotana nataon’ny tànanareo.” (Isaia 31:7). Rehefa hiady ho an’ny vahoakany i Jehovah, dia ho voala sarona ny tena toetran’ireo andriamanitr’i Sankeriba​—tsy nisy nilana azy. Izany dia lesona tokony horaisin’ny mponin’i Joda am-po. Na dia nahatoky aza i Hezekia Mpanjaka, ny tanin’ny Joda kosa, toy ny an’ny Isiraely, dia feno sampy. (Isaia 2:5-8). Mba hahafahan’ny mponin’i Joda hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany tamin’i Jehovah, dia tsy maintsy nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo, ka nanary ireo ‘andriamaniny tsy nisy nilana azy’.​—Eksodosy 34:14.

21. Ahoana no naminanian’i Isaia momba ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Asyrianina?

21 Izao i Isaia dia naminany momba ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ilay fahavalo nahatahotr’i Joda: “Ny Asyriana ho lavon’ny sabatra izay tsy mba an’olombelona, eny, sabatra izay tsy mba an’olombelona no handringanana azy; dia handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana.” (Isaia 31:8). Rehefa hifanandrina amin’izay ny roa tonta, dia tsy nila namoaka ny sabany avy tao amin’ny toerany akory ny mponin’i Jerosalema. Ripaka ny kalazalahin’ny tafika asyrianina, nefa tsy tamin’ny sabatr’olombelona, fa tamin’ny sabatr’i Jehovah. I Sankeriba, mpanjakan’i Asyria, kosa dia “handositra ny sabatra”. Rehefa maty, novonoin’ny anjelin’i Jehovah, ny 185 000 tamin’ireo miaramilany, dia niverina nody izy. Tatỳ aoriana, raha niankohoka teo anoloan’i Nisroka andriamaniny izy, dia novonoin’ireo zanany lahy.​—2 Mpanjaka 19:35-37.

22. Inona no azon’ny Kristianina amin’izao andro izao ianarana avy amin’ireo fisehoan-javatra nisy an’i Hezekia sy ny tafika asyrianina?

22 Tsy nisy na iray aza, eny, fa na dia i Hezekia aza, afaka nahita mialoha ny fomba hamonjen’i Jehovah an’i Jerosalema avy tamin’ny tafika asyrianina. Na izany aza, ny fomba niatrehan’i Hezekia ilay zava-nanahirana dia manome ohatra faran’izay tsara ho an’izay ao anatin’ny fisedrana amin’izao andro izao. (2 Korintiana 4:16-18). Rehefa heverina fa nalaza noho ny halozany ireo Asyrianina izay nandrahona an’i Jerosalema, dia tsy mahagaga raha natahotra i Hezekia. (2 Mpanjaka 19:3). Kanefa dia nanam-pinoana an’i Jehovah izy, ary nitady tari-dalana avy taminy, fa tsy avy tamin’ny olombelona. Tena nitondra fitahiana ho an’i Jerosalema tokoa ny nanaovany izany! Ny Kristianina matahotra an’Andriamanitra amin’izao andro izao dia mety hahatsapa fihetseham-po faran’izay mafy, rehefa ao anatin’ny fihenjanana. Tsy mahagaga raha matahotra izy ireo, amin’ny tarehin-javatra maro. Kanefa, raha ‘mametraka amin’i Jehovah ny fanahiantsika rehetra’ isika, dia hiahy antsika izy. (1 Petera 5:7). Hanampy antsika handresy ny tahotra izy, ary hanatanjaka antsika hahazaka ilay tarehin-javatra niteraka fihenjanana.

23. Tamin’ny ahoana no hoe i Sankeriba, fa tsy i Hezekia, no nanjary feno tahotra?

23 Tamin’ny farany, dia i Sankeriba, fa tsy i Hezekia, no nanjary feno tahotra. Taiza no nitodihany? Hoy ny nambaran’i Isaia mialoha: “Ny mpanjakany ho lasa noho ny fahatahorana, ary ny mpanapaka azy hivadi-po noho ny faneva, hoy Jehovah, Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandoroana ao Jerosalema.” (Isaia 31:9). Tsy nanampy an’i Sankeriba ireo andriamaniny, dia ilay fiarovana nitokisany. “Ho lasa noho ny fahatahorana” izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. Ambonin’izany, na dia ireo mpanapak’i Sankeriba aza dia tsy hanampy firy, satria tora-kovitra koa izy ireo.

24. Hafatra mazava inona no azo ianarana avy amin’izay nitranga tamin’ny Asyrianina?

24 Manome hafatra mazava tsara ho an’izay rehetra mitady hanohitra an’Andriamanitra io tapany ao amin’ny faminanian’i Isaia io. Tsy misy fitaovam-piadiana, na hery, na tetika, afaka mampandamòka ny fikasan’i Jehovah. (Isaia 41:11, 12). Etsy an-danin’izany kosa, ireo izay mihambo ho manompo an’Andriamanitra, nefa miala aminy mba hitady fiarovana amin-javatra ara-nofo, dia ho diso fanantenana. Izay rehetra “tsy manandrandra ny Iray Masin’ny Isiraely” dia hahita fa ‘hahatonga loza’ i Jehovah. (Isaia 31:1, 2). Eny tokoa, ny hany tena fialofana maharitra dia i Jehovah Andriamanitra.​—Salamo 37:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Azo inoana fa ny Isiraely no tena nifantohan’ireo andininy telo voalohany amin’ny Isaia toko faha-31. Ireo andininy enina farany dia toa nihatra tamin’ny Joda.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 319]

Ho diso fanantenana izay mametraka ny fitokisany amin-javatra ara-nofo

[Sary, pejy 322]

Toy ny liona miambina ny rembiny, i Jehovah dia hiaro ny tanànany masina

[Sary, pejy 324]

Mizarazara ity tontolo ity, noho ny fankahalana ara-pivavahana sy ara-pirazanana ary ara-poko

[Sary, pejy 326]

Nitady fanampiana tany amin’ny tranon’i Jehovah i Hezekia